« Y a-t-il seulement 144000 places dans le royaume des Cieux ? »

 

TOERANA 144000 MONJA VE NO AO AMIN’NY FANJAKAN’NY LANITRA ?

 

Misy antokon’olona mihevitra toy izany, ary mampianatra an’izany ! Indro ny manontolon’ny lahatsoratra nosintoniny avy ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy toko faha-7 anohanany an’izany  tsangan-keviny izany (vakio koa ny toko 14 and.1-5) :

 

« Rehefa afaka izany, dia hitako fa indreo nisy anjely efatra nitsangana

teo amin’ny vazan-tany efatra, nihazona ny rivotra efatra amin’ny tany, mba tsy hisy rivotra hitsoka amin’ny tany na amin’ny ranomasina, na amin’ny hazo akory aza.

Ary hitako fa indro nisy anjely hafa koa niakatra avy tany amin’ny niposahan’ny masoandro, nanana ny fanombohan-kasen’Andriamanitra velona ; ary izy niantso ny anjely efatra izay navela hanimba ny tany sy

ny ranomasina tamin’ny feo mahery nanao hoe : aza manimba ny tany

na ny ranomasina na ny hazo mandra-panasianay tombo-kase eo amin’ny handrin’ny mpanompon’ny Andriamanitsika.

Ary nahare ny isan’izay voaisy tombo-kase aho, efatra arivo amby efatra alina amby iray hetsy no voaisy tombo-kase avy tamin’ny firenen’ny Zanak’Isiraely rehetra. Avy tamin’ny firenen’i Joda roa arivo amby iray alina no voaisy tombo-kase ; avy tamin’ny firenen’i Robena roa arivo

amby iray alina ; avy tamin’ny firenen’i Gada roa arivo amby iray alina ; avy tamin’ny firenen’i Asera roa arivo amby iray alina ; avy tamin’ny firenen’i Naftaly roa arivo amby iray alina ; avy tamin’ny firenen’i Manase roa arivo amby iray alina ; avy tamin’ny firenen’i Simeona roa arivo amby iray alina ; avy tamin’ny firenen’i Levy roa arivo amby iray alina ; avy tamin’ny firenen’i Isakara roa arivo amby iray alina ; avy tamin’ny firenen’i Zebolona roa arivo amby iray alina ; avy tamin’ny firenen’i Josefa roa arivo amby iray alina ; avy tamin’ny firenen’i Benjamina roa arivo amby iray alina no voaisy tombo-kase.

Rehefa afaka izany dia hitako fa indreo nisy olona betsaka tsy tambo

isaina avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona

ary ny samy hafa fiteny nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana sy

teo anatrehan’ny Zanak’ondry, niakanjo akanjo fotsy lava sady nitana sampan-drofia teny an-tanany. »

Ny « 144000 avy amin’ny fokom-pirenen’i Isiraely » izany no asian-teny eo (and.4), izay ampifanoherina amin’ny « olona betsaka tsy tambo

isaina avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona

ary ny samy hafa fiteny rehetra » (and.9). Maneho amintsika ny konteksta misy an’io teny io fa tsy ireo « Jiosy ara-panahy » akory no tondroina eto. Hitantsika mantsy ny Tompo Jesoa ao amin’ny toko 3 and.9 mampitandrina ny amin’ireo milaza ny tenany ho Jiosy (na mpivavaka izany na  tsia) kanjo  tsy izy. Hoy ny nambaran’ilay hany tokana tompon’ny fitsarana farany, ary hampihatra izany tsy ho ela intsony (ampitahao amin’ny Jaona 5.22-23) : « Indro, alaiko ny sasany amin’ny synagogan’i Satana, izay milaza ny tenany ho Jiosy kanjo tsy izy, fa mandainga, indro hataoko tonga hiankohoka eo anoloan’ny tongotrao ireo, ka ho fantany fa Izaho efa tia anao. »

 

1) Nahoana no vondron’olona niaina tao anatin’ny vanim-potoana iray ihany, mialoha ny fitsarana izay handravana ny tany tontolo,  no handrafitra ireo 144000 ao amin’ny apokalypsy toko faha-7, fa tsy mivelatra hatramin’ny 2000 taona ?

 

 

 

 

2) Nahoana no nolazaina  hoe « avy amin’ny firenen’ny Zanak’Isiraely rehetra » (Apok. 7.4) raha toa izany ka ambara indray ho fiombonan’ ny Jiosy sy ny Jentilisa ? (Vakio amim-pifantohana tsara ny Apok. 3.9 sy ny Rom. 11.1)

 

 

 

 

 

 

3) Nahoana no notononin’Andriamanitra mihitsy ny isanisany amin’ny  anaran’ireo foko misy ireo Isiraelita raha toa  ka ireo Jiosy mpivavaka  ihany no resahina eo ? (Apok. 7.5-8). Ny fokon’iza izany no misy an’ireo olona « voahosotra » mba fantatrao ?

 

 

 

 

 

 

4) Nahoana ireo vahoaka marobe voasoratra ao amin’ny Apokalypsy toko faha-7 no nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana niaraka tamin’ireo loholona sy ireo zavamananaina efatra (and.9, 11, 15), tsy misy hafa amin’izay ataon’ireo 144000 (Apok. 14.3), raha toa ka tsy mba mitovy fanantenana amin’ireto faharoa iretsy voalohany ?

 

 

 

 

 

 

5) Nahoana no lazaina fa avy amin’ny fahoriana lehibe ireo vahoaka marobe ireo (Apok. 7.14) kanefa voalaza fa mialoha ny fiavian’ny Zanak’olona no hisian’izany fahoriambe izany (Mat. 24.20-27), dia ny fiavian’ny Zanak’olona izay nolazaina fa hitranga ny 1914 ?

 

 

 

 

 

 

6) Nahoana no HIARA-hitsena ny Tompo eny amin’ny habakabaka ireo maty tao amin’ny Tompo sy ireo mbola velona amin’ny andro hiavian’ny Tompo (1. Tes. 4.17) fa tsy hoe ny ampahany betsaka dia  efa lasa tamin’ny 1918 ary ny sisa rehetra kosa handeha tsikelikely ?

 

 

 

 

 

 

7) Nahoana no misy manambady sy misy vehivavy amin’ireo olom-boahosotra, kanefa voalaza mazava fa tsy mba nandoto ny tenany tamin’ny vehivavy ireo 144000 satria virijiny izy (Apok. 14.14). Nahoana no notsindrin’Andriamanitra fatratra ny amin’izany raha toa ka hevitra ara-panahy no andraisana an’ireto zavatra ireto ?

 

 

 

 

 

 

8) Nahoana no ireo voahosotra ihany no handray ny marika kanefa ny Tompo Jesoa dia nanome malalaka izany ho an’ny rehetra, ary « na iza na iza » amin’ireo mpino dia handray izany avokoa ? (Mar. 14.22-23 sy ny 1 Kor. 11.27-28)

 

 

 

 

 

 

9) Raha efa tonga tamin’ny 1914 ny Tompo, nahoana no mbola mandray ny marika ihany ny sisa amin’ireo olom-boafidy, kanefa voalaza fa mialoha ny fotoana hiavian’ny Tompo ihany no hanaovana izany ?

(1. Kor. 11.23-26)

 

 

 

 

 

 

10) Ahoana moa no hahatakaran’ny saina ny hoe rehefa nitsara an’ireo olom-boafidy i Jehovah (hatramin’ny 1918) dia nahita olona tsy mendrika vitsivitsy tao (izay namela toerana malalaka noho izany) ? Moa tsy efa tonga tsy manan-tsiny ve ireo olom-boafidy ireo noho ny asa nataon’ny Tompo Jesoa ? (Heb. 10.4). Moa misy tsy mendrika Azy ve amin’ireo momba ny  tenany ? (1 Kor. 12.27). Nahoana izy ireo no nohosorany ny Fanahy Masiny ? (Rom. 8.14-16)

 

 

 

 

 

11) Nahoana no marobe ireo vondron’olona izay samy milaza avokoa ho manana an’ireo 144000 ao aminy ? Iza amin’izy ireny no tena manana ny marina ?

 

 

 

 

12) Nahoana no ho ao anaty vondron’olona iray ihany no hisy an’ireo 144000, kanefa dia ho an’ny olona rehetra no nanokafan’ny Tompo ny fanjakan’ny lanitra ary tsy nisy famerana isa na fanendrena antokon’olona iray afaka ny hilaza hoe « rehefa tsy ato aminay dia tsy misy famonjena » ? (Mat. 5 sy 18.4)

 

 

 

 

13) Moa tsy mahagaga ihany ve ny tsy nahalalan’ireo apôstôly rehetra (ankoatra an’i Jaona) sy ireo kristiana tamin’ny taonjato voalohany an’io isa io, raha voasoratra tany ho any amin’ny taona 96 tany ny bokin’ny Apokalypsy ?

 

 

 

 

 

14) Moa tsy mahagaga ve ny mahita fa naseho tamin’i Jaona tao anatin’ ny boky faminaniana io isa io, izay maneho mazava ny Fiangonana, fa tsy mba tamin’i Paoly tao amin’ny iray tamin’ireo episitily, kanefa dia ity farany no iaraha-mahalala fa nantsoin’ Andriamanitra hanambara ny zava-miafin’ny Fiangonana ? (Efes. 3.2-7)

 

 

 

 

 

15) Nahoana ny Tompo Jesoa no nampanantena tamin’ireo mpianany fa ho avy indray haka azy ireo ho any aminy, izany hoe ho any an-danitra, ary nahoana no nambara fa ho an’ireo rehetra hino Azy any aoriana koa izany fampanantenana  izany ? (Jao. 14.3 ; 17.20-24)

 

 

 

 

 

16) Koa satria ny Baiboly no hany ekentsika ho tena fahamarinana,  moa ve isika mahita andininy izay milaza fa, hatramin’ny volana May 1935, tsy ny kristiana rehetra akory no nandray ny antson’ny lanitra fa ny vitsy   amin’izy ireo ihany ?

 

 

 

 

 

17) Raha toa ka olom-boafidy avokoa ny Efesiana rehetra (Efes. 1.1, 13), ny Romana rehetra (Rom. 1.7 ; 8.15), ny Fiangonana rehetra tao Galatia (Gal. 1.2 ; 3.2), inona intsony no soa ho azon’ireo « vahoaka marobe » amin’ireo episitily izay nosoratana ho azy ?

 

 

18) Raha nandray ny antson’ny lanitra avokoa ny Korintiana rehetra sy ireo mpino rehetra tany Akaia (2 Kor. 1.1 ; 5.1), ireo Filipiana rehetra (Fil. 1.1 ; 3. 20-21), ny Kolosiana rehetra (Kol. 1.2-5), ireo Tesaloniana rehetra (1 Tes. 1.1 ; 4.15-17), ireo Jiosy rehetra niova fo, inona intsony no soa ho azon’ireo « vahoaka marobe » amin’ireo episitily  nosoratana ho azy ?

 

 

 

 

19) Nahoana i Abrahama no naniry ny hahazo anjara any an-danitra kanefa tsy mba anisan’ireo 144000 ? (Heb. 11.13-16)

 

 

 

 

20) Nahoana ny Tompo no nilaza fa hipetraka ao amin’ny fanjakan’ny lanitra i Abrahama sy i Isaka ary i Jakoba, raha toa ka ety an-tany mandrakariva no tsy maintsy hitoeran’izy ireo ? (Mat. 8.11)

 

 

 

 

 

 

21) Nahoana no tsy maintsy hateraka indray vao afa-miditra, eny fa na ny ho afa-mahita ny fanjakan’Andriamanitra ihany aza ? (Jao. 3.3-7). Moa efa nateraka indray ve ianao ? Moa efa zanak’Andriamanitra ve ianao ? (1 Jao. 3.1 ; Jao. 1.12)

 

 

 

 

 

22) Inona no antony tsy maintsy ilàna ny fiovam-po mba hahafahana miditra ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra ? (Mat. 18.3). Moa efa niova fo ve ianao ?

 

 

 

 

 

23) Nahoana ny Tompo no nanonona ozona ho an’ireo nametra (ho 144000, na amin’ny fomba hafa) ny fidirana ao amin’ny fanjakan’ny lanitra ? (Mat. 23.13)

 

 

 

 

 

24) Nahoana ianao no nino mandraka ankehitriny ny hevi-dravina izay milaza fa ireo kristiana sy ny Fiangonana  no

tondroin’ny 144000 voalaza ao amin’ny Apokalypsy 7 sy 14, kanefa dia ny mifanohitra amin’izany no ambaran’ny Soratra Masina manontolo ?

 

 

 

 

 

Vakio ny Baiboly manontolo. Tenin’Andriamanitra izy iray manontolo. Mahasoa sy tena avy amin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra avokoa ny andalana rehetra ao aminy. Aza mianina amin’ny andininy tsongatson-gaina etsy sy eroa. Aza avela hisy olona hanelanelana anao amin’ Andriamanitra ka hilaza fa « tsy afaka ny hahazo an’izay ambaran’ny Baiboly mihitsy ianao raha ny tenanao ihany, fa izaho no tsy maintsy manazava izany aminao. » Mampandainga an’i Kristy izay milaza izany, satria Izy mihitsy no efa nilaza hoe :

 

« Midera anao Aho Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nafeninao tamin’ny hendry sy ny manan-tsaina izany zavatra izany ka nasehonao tamin’ny zaza madinika. » (Mat. 11.25)

 

« Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa : izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay ka tsy hohelohina fa tafafindra niala amin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana izy. » (Jao. 5.24)

 

« Ary aoka ho avy izay mangetaheta, ary izay mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin’ny ranon’aina » (Apok. 22.17). Vakio amim-bavaka ny Baiboly, mangataha amin’Andriamanitra mba hanokafany ny sainao hahatakatra izay ambarany : « Mangataha, dia homena ianareo ; mitadiava, dia hahita ianareo ; dondòny, dia hovohàna ianareo. Fa izay rehetra mangataka no mahazo ; ary izay mitady no mahita ; ary izay mandòndòna no hovohàna. » (Mat. 7.7-8)

 

Sady tsy te handiso fanantenana anao Andriamanitra no tsy handiso fanantenana anao na oviana na oviana !

 

Mitandrema tsy ho roboka amin’ny fampianaran’olombelona ! Efa nampitandrina sahady an’ireo mpino tany amin’ny taonjato voalohany ny apôstôly raha nilaza nanao hoe :

 

« fa misy ny sasany mampitabataba anareo ka ta-hamadika ny filazantsaran’i Kristy. Fa na izahay, na anjely avy any an-danitra aza, no mitory filazantsara hafa aminareo afa-tsy izay efa notorinay taminareo, aoka ho voaozona izy. » (Gal. 1.7-8)

 

« Manamasina azy amin’ny fahamarinana, ny teninao no fahamarinana. » (Jao. 17.17)

 

Tonga ankehitriny ny fotoana hamaritanao mazava izay ho avy andrandrainao. Tsarovy fa tsy anao ny minitra ho avy aorian’izao fotoana izao :

 

« Indro ankehitriny no andro fankasitrahana ; indro, ankehitriny no andro famonjena. » (2 Kor. 6.2)

Hoy i Jesoa : « Mankanesa aty amiko ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. »

(Mat. 11.28)