LE LIVRE DES JUGES Mpitsara
   
   
Chapitre 1 Chapitre 1
1 Et il arriva, après la mort de Josué, que les fils d’Israël interrogèrent l’Éternel, disant : Qui de nous montera le premier contre le Cananéen, pour lui faire la guerre ? 1 [Ny niadian'ny Zanak'Isiraely tamin'ny Kananita taorian'ny nahafatesan'i Josoa] Ary rehefa maty Josoa, dia nanontany tamin'i Jehovah ny Zanak'Isiraely hoe: Iza no hiakatra voalohany hiady amin'ny Kananita ho anay?
2 Et l’Éternel dit : Juda montera ; voici, j’ai livré le pays en sa main. 2 Dia hoy Jehovah: Joda no hiakatra; indro, efa nanolotra ny tany ho eo an-tànany Aho.
3 Et Juda dit à Siméon, son frère : Monte avec moi dans mon lot, et faisons la guerre contre le Cananéen ; et moi aussi j’irai avec toi dans ton lot. Et Siméon alla avec lui. 3 Ary hoy Joda tamin'i Simeona rahalahiny: Andeha hiara-miakatra amiko ianao ho any amin'ny lovako, ka aoka isika hiady amin'ny Kananita; ary izaho kosa dia handeha hiaraka aminao ho any amin'ny lovanao. Ary Simeona dia nandeha niaraka taminy.
4 Et Juda monta ; et l’Éternel livra le Cananéen et le Phérézien en leur main ; et ils les frappèrent à Bézek, dix mille hommes : 4 Dia niakatra Joda, ary natolotr'i Jehovah teo an-tànany ny Kananita sy ny Perizita, ka nahafaty iray alin-dahy tany Bezeka izy.
5 ils trouvèrent Adoni-Bézek à Bézek, et ils lui firent la guerre, et frappèrent le Cananéen et le Phérézien. 5 Ary nahita an'i Adoni-bezeka tany Bezeka izy, dia niady taminy ka naharesy ny Kananita sy ny Perizita.
6 Et Adoni-Bézek s’enfuit ; et ils le poursuivirent, et le saisirent, et lui coupèrent les pouces des mains et des pieds. 6 Nefa nandositra Adoni-bezeka;ary nanenjika azy izy ireto ka nisambotra azy, dia nanapaka ny ankihiben-tànany sy ny ankihiben-tongony.
7 Et Adoni-Bézek dit : Soixante-dix rois, ayant les pouces de leurs mains et de leurs pieds coupés, ramassaient sous ma table ; comme j’ai fait, ainsi Dieu m’a rendu. Et on l’amena à Jérusalem, et il y mourut. 7 Ary hoy Adoni-bezeka: Mpanjaka fito-polo voatapaka ny ankihiben-tànany sy ny ankihiben-tongony no nitsindroka hanina teo ambanin'ny latabatro; ka mba tahaka ny nataoko ihany lahy ity no navalin'Andriamanitra ahy! Ary nentin'ireo ho any Jerosalema izy ka maty tany.
   
8 Et les fils de Juda avaient fait la guerre contre Jérusalem, et l’avaient prise, et ils l’avaient frappée par le tranchant de l’épée, et avaient livré la ville au feu. 8 Ary namely an'i Jerosalema ny taranak'i Joda, ka nahafaka azy, dia namely azy tamin'ny lelan-tsabatra ka nandoro ny tanàna.
9 Et ensuite les fils de Juda descendirent pour faire la guerre au Cananéen qui habitait la montagne, et le midi* et le pays plat. 9 Ary rehefa afaka izany, dia nidina ny taranak'i Joda hiady amin'ny Kananita izay nonina tany amin'ny tany havoana sy tany amin'ny tany atsimo ary tany amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka*.[Heb. Sefela]
10 Et Juda s’en alla contre le Cananéen qui habitait à Hébron (or le nom de Hébron était auparavant Kiriath-Arba), et ils frappèrent Shéshaï, et Akhiman, et Thalmaï. 10 Dia nandeha Joda hiady amin'ny Kananita, izay nonina tany Hebrona (Kiriat-arba no anaran'i Hebrona taloha), ka namono an'i Sesay sy Ahimana ary Talmay.
11 Et de là il s’en alla contre les habitants de Debir ; or le nom de Debir était auparavant Kiriath-Sépher. 11 Dia niala tao izy ka nandeha hiady amin'ny mponina any Debira (Kiriata-sefera no anaran'i Debira taloha).
12 Et Caleb dit : À qui frappera Kiriath-Sépher et la prendra, je lui donnerai ma fille Acsa pour femme. 12 Ary hoy Kaleba: Izay mamely an'i Kiriata-sefera ka mahafaka azy dia homeko azy Aksa zanako-vavy ho vadiny.
13 Et Othniel, fils de Kenaz, frère puîné de Caleb, la prit ; et [Caleb] lui donna sa fille Acsa pour femme. 13 Ary Otniela, zanakalahin'i Kenaza, zandrin'i Kaleba, no nahafaka azy; ka dia nomeny azy Aksa zananivavy ho vadiny.
14 Et il arriva que, comme elle entrait, elle l’incita à demander à son père un champ. Et elle descendit de dessus l’âne ; et Caleb lui dit : Qu’as-tu ? 14 Ary rehefa voampakatra ravehivavy, dia nanome vava ny lahy hangataka saha tamin-drainy; dia niala faingana tamin'ny borikiny izy, ka hoy Kaleba taminy: Inona moa no ilainao?
15 Et elle lui dit : Donne-moi une bénédiction ; car tu m’as donné une terre du midi, donne-moi aussi des sources d’eau. Et Caleb lui donna les sources du haut et les sources du bas. 15 Ary hoy izy: Omeo tso-drano aho; fa tany tsy misy rano no nomenao ahy ka mba omeo loharano koa aho. Dia nomen'i Kaleba azy ny loharano ambony sy ny loharano ambany.
— v. 9 : voir note à Genèse 12:9.  
16 Et les fils du Kénien, beau-père de Moïse, étaient montés de la ville des palmiers, avec les fils de Juda, au désert de Juda, qui est au midi d’Arad ; et ils allèrent et habitèrent avec le peuple. 16 Ary ny taranak'ilay Kenita, zaodahin*'i Mosesy dia niara-niakatra tamin'ny taranak'i Joda niala tao amin'ny tanàna be rofia** hankany an-efitr'i Joda, atsimon'i Arada nandeha ireo ka nonina teo amin'ny Isiraely.[*Na: rafozan'][**palma]
   
   
17 Et Juda s’en alla avec Siméon, son frère, et ils frappèrent le Cananéen qui habitait à Tsephath, et détruisirent entièrement la [ville] ; et on appela la ville du nom de Horma*. 17 Ary Joda nandeha niaraka tamin'i Simeona rahalahiny, dia namely ny Kananita, izay nonina tany Zefata, ka nataony ringana* ireo, ary ny anaran'ny tanàna nataony hoe Horma**.[*Heb. herema][**Horma = Herema]
18 Et Juda prit Gaza et ses confins, et Askalon et ses confins, et Ékron et ses confins. 18 Dia afak'i Joda Gaza sy ny sisin-taniny an Askelona sy ny sisin-taniny ary Ekrona sy ny sisin-taniny.
19 Et l’Éternel fut avec Juda ; et il prit possession de la montagne ; car il ne déposséda pas les habitants de la vallée*, parce qu’ils avaient des chars de fer. 19 Ary Jehovah nomba an'i Joda, ka dia azony ny tany havoana; nefa tsy naharoaka ny mponina teny amin'ny tany lemaka izy, satria nanana kalesy vy ireny.
— v. 17 : entière destruction. — v. 19 : ou : plaine.  
20 Et on donna Hébron à Caleb, comme Moïse l’avait dit, et il en déposséda les trois fils d’Anak. 20 Ary Hebrona dia nomeny an'i Kaleba, araka izay efa nolazain'i Mosesy, ka noroahin'i Kaleba niala tao izy telo lahy, taranaky ny Anakita.
   
21 Et les fils de Benjamin ne dépossédèrent pas le Jébusien, habitant de Jérusalem ; et le Jébusien a habité avec les fils de Benjamin à Jérusalem jusqu’à ce jour. 21 Ary ny taranak'i Benjamina tsy nandroaka ny Jebosita, izay mponina any Jerosalema; fa ny Jebosita dia miara-monina amin'ny taranak'i Benjamina any Jerosalema ihany mandraka androany.
   
22 Et la maison de Joseph, eux aussi, montèrent à Béthel, et l’Éternel fut avec eux. 22 Ary ny taranak'i Josefa dia niakatra koa hamely an'i Betela; ary Jehovah nomba azy.
23 Et la maison de Joseph fit reconnaître Béthel : le nom de la ville était auparavant Luz. 23 Dia naniraka hisafo an'i Betela ny taranak'i Josefa (Lozy no anaran'ny tanàna taloha);
24 Et les gardes virent un homme qui sortait de la ville, et ils lui dirent : Montre-nous, nous t’en prions, par où l’on entre dans la ville ; et nous userons de bonté envers toi. 24 ary nahita lehilahy anankiray nivoaka avy tao an-tanàna ny mpisafo ka nanao taminy hoe: Mba atoroy kely anay ny fidirana mankao an-tanàna, dia hamindra fo aminao izahay.
25 Et il leur montra par où l’on entrait dans la ville ; et ils frappèrent la ville par le tranchant de l’épée, mais ils laissèrent aller l’homme et toute sa famille. 25 Dia natoron-dralehilahy azy ny fidirana mankao an-tanàna, ka dia nasiany tamin'ny lelan-tsabatra ny tanàna; fa ralehilahy sy ny mpianakaviny rehetra dia navelany handeha.
26 Et l’homme s’en alla dans le pays des Héthiens, et bâtit une ville et l’appela du nom de Luz : c’est là son nom jusqu’à ce jour. 26 Ary nandeha ho any amin'ny tanin'ny Hetita ralehilahy, ka nanorina tanàna izy, ary ny anarany dia nataony hoe Lozy, ary mbola izany ihany no anarany mandraka androany.
   
27 Et Manassé ne déposséda pas Beth-Shean et les villages de son ressort*, ni Thaanac et les villages de son ressort, ni les habitants de Dor et des villages de son ressort, ni les habitants de Jibleam et des villages de son ressort, ni les habitants de Meguiddo et des villages de son ressort ; et le Cananéen voulut habiter dans ce pays-là. 27 Ary Manase tsy nahafaka an'i Beti-sana sy ny zana-bohiny, na Tanaka sy ny zana-bohiny, sady tsy naharoaka ny mponina tany Dora sy ny zana-bohiny, na ny mponina tany Ibleama sy ny zana-bohiny, na ny mponina tany Megido sy ny zana-bohiny, satria tian'ny Kananita hitoerana indrindra izany tany izany.
28 Et il arriva que, quand Israël fut devenu fort, il rendit le Cananéen tributaire ; mais il ne le déposséda pas entièrement. 28 Fa rehefa nihahery kosa ny Isiraely, dia nampanaoviny fanompoana ny Kananita. fa tsy nandroaka azy rehetra izy.
29 Et Éphraïm ne déposséda pas le Cananéen qui habitait à Guézer ; mais le Cananéen a habité au milieu d’eux à Guézer. 29 Ary Efraima tsy nandroaka ny Kananita. izay nonina tany Gazera; fa nonina teo aminy tany Gazera ny Kananita.
30 Zabulon ne déposséda pas les habitants de Kitron, ni les habitants de Nahalol ; mais le Cananéen a habité au milieu d’eux, et fut rendu tributaire. 30 Zebolona tsy nandroaka ny mponina tany Kitrona, na ny mponina tany Nahalola; fa nonina teo aminy ny Kananita ka nampanaovina fanompoana.
31 Aser ne déposséda pas les habitants d’Acco, ni les habitants de Sidon, ni Akhlab, ni Aczib, ni Helba, ni Aphik, ni Rehob ; 31 Asera tsy nandroaka ny mponina tany Ako, na ny mponina tany Sidona, na ny tany Alaba, na ny tany Akziba, na ny tany Helba, na ny tany Afika. na ny tany Rehoba;
32 et l’Asérite a habité au milieu des Cananéens, habitants du pays, car il ne les déposséda pas. 32 fa nonina teo amin'ny Kananita tompon-tany ny taranak'i Asera, fa tsy nandroaka azy.
33 Nephthali ne déposséda pas les habitants de Beth-Shémesh, ni les habitants de Beth-Anath ; et il a habité au milieu des Cananéens, habitants du pays ; mais les habitants de Beth-Shémesh et de Beth-Anath lui devinrent tributaires. 33 Naftaly tsy nandroaka ny mponina tany Beti-semesy, na ny mponina tany Bet-anata; fa nonina teo amin'ny Kananita tompon-tany izy, kanefa nampanaoviny fanompoana ny mponina tany Beti-semesy sy Bet-anata.
34 Et les Amoréens repoussèrent dans la montagne les fils de Dan, car ils ne leur permirent pas de descendre dans la vallée. 34 Ary ny Amorita nanesika ny taranak'i Dana ho any amin'ny tany havoana, fa tsy namela azy hidina ho any amin'ny tany lemaka,
35 Et l’Amoréen voulut habiter dans la montagne de Hérès, à Ajalon et à Shaalbim ; mais la main de la maison de Joseph devint forte, et ils furent soumis au tribut. 35 fa tian'ny Amorita hitoerana indrindra ny tendrombohitra Heresa sy ny tany Aialona sy Salbima; nefa nahery ny tanan'ny taranak'i Josefa, ka dia nampanaovina fanompoana ireo.
36 Et la frontière de l’Amoréen était depuis la montée d’Akrabbim, depuis le rocher, et en dessus. 36 Ary ny fari-tanin'ny Amorita dia hatramin'ny fiakarana Akrabima ka hatramin'ilay harambato no ho mankany.
— v. 27 : litt.: ses filles, ici et ailleurs.  
Chapitre 2 Chapitre 2
1 Et l’Ange de l’Éternel monta de Guilgal à Bokim ; et il dit : Je vous ai fait monter d’Égypte, et je vous ai introduits dans le pays que j’avais promis par serment à vos pères, et j’ai dit : Je ne romprai jamais mon alliance avec vous ; 1 [Ny nisehoan'Ilay Anjelin'i Jehovah tamin'ny Isiraely tao Bokima] Ary Ilay Anjelin'i Jehovah niakatra avy tany Gilgala ka nankany Bokima, dia nanao hoe: Nitondra anareo niakatra avy tany Egypta Aho ka nampiditra anareo eto amin'ny tany izay nianianako tamin'ny razanareo homena azy, ka hoy Izaho: Tsy hanatsoaka ny fanekeko taminareo Aho mandrakizay;
2 et vous, vous ne traiterez point alliance avec les habitants de ce pays, vous démolirez leurs autels. Et vous n’avez pas écouté ma voix. Pourquoi avez-vous fait cela ? 2 koa aza manao fanekena amin'ny tompon-tany ianareo, fa ravao ny alitarany; kanefa tsy nihaino ny feoko ianareo; koa inona moa izao nataonareo izao?
3 Et aussi j’ai dit : Je ne les chasserai pas de devant vous, et ils seront à vos côtés, et leurs dieux vous seront en piège. 3 Ary hoy Izaho indray: Tsy handroaka azy eo anoloanareo Aho; fa ho tsilo eo amin'ny tehezanareo sy ho fandrika aminareo ny andriamaniny.
4 Et il arriva que, comme l’Ange de l’Éternel disait ces paroles à tous les fils d’Israël, le peuple éleva sa voix et pleura. 4 Ary nony niteny izany teny izany tamin'ny Zanak'Isiraely rehetra Ilay Anjelin'i Jehovah, dia nanandratra ny feony ny vahoaka ka nitomany.
5 Et ils appelèrent le nom de ce lieu-là Bokim* ; et ils sacrifièrent là à l’Éternel. 5 Ary ny anaran'izany tany izany dia nataony hoe Bokima*; ary namono zavatra teo izy hatao fanatitra ho an'i Jehovah.[Bokima = Mitomany]
— v. 5 : ceux qui pleurent.  
* *
6 Et Josué renvoya le peuple, et les fils d’Israël s’en allèrent chacun à son héritage pour posséder le pays. 6 [Ny toetry ny Isiraely tamin'ny andron'ny Mpitsara, ary ny anaran'ny firenena sisa mbola tsy resiny] Ary rehefa nampodin'i Josoa ny vahoaka, dia nandeha ho any amin'ny lovany avy ny Zanak'Isiraely rehetra handova ny tany.
7 Et le peuple servit l’Éternel tous les jours de Josué, et tous les jours des anciens dont les jours se prolongèrent après Josué, [et] qui avaient vu toute la grande œuvre de l’Éternel, qu’il avait faite pour Israël. 7 Ary nanompo an'i Jehovah ny vahoaka tamin'ny andro rehetra niainan'i Josoa sy tamin'ny andro rehetra niainan'ny loholona izay velona taorian'i Josoa, dia ireo izay efa nahita ny asa lehibe rehetra nataon'i Jehovah ho an'ny Isiraely.
8 Et Josué, fils de Nun, serviteur de l’Éternel, mourut, âgé de cent dix ans. 8 Ary maty Josoa, zanak'i Nona, mpanompon'i Jehovah, rehefa folo amby zato taona ny androny.
9 Et on l’enterra dans les limites de son héritage, à Thimnath-Hérès*, dans la montagne d’Éphraïm, au nord de la montagne de Gaash. 9 Dia nalevina tao anatin'ny fari-tanin'ny lovany izy, dia tao Timnata-heresa, any amin'ny tany havoan'i Efraima, avaratry ny tendrombohitra Gasa.
— v. 9 : d’autres lisent : Thimnath-Sérakh.  
10 Et toute cette génération fut aussi recueillie vers ses pères ; et après eux, se leva une autre génération qui ne connaissait pas l’Éternel, ni l’œuvre qu’il avait faite pour Israël.* 10 Ary izany taranaka rehetra izany koa dia voangona any amin'ny razany; ary taranaka hafa, izay tsy nahalala an'i Jehovah na ny asa efa nataony ho an'ny Isiraely, no nitsangana nandimby azy.
11 Et les fils d’Israël firent ce qui est mauvais aux yeux de l’Éternel, et servirent les Baals*. 11 Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah ny Zanak'Isiraely, fa nanompo ireo Bala
12 Et ils abandonnèrent l’Éternel, le Dieu de leurs pères, qui les avait fait sortir du pays d’Égypte ; et ils marchèrent après d’autres dieux, d’entre les dieux des peuples qui étaient autour d’eux, et se prosternèrent devant eux ; et ils provoquèrent à colère l’Éternel, 12 ka nahafoy an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, Izay nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, ka nanaraka andriamani-kafa amin'ny andriamanitry ny firenena manodidina azy, dia niankohoka teo anatrehany ka nampahatezitra an'i Jehovah.
13 et abandonnèrent l’Éternel, et servirent Baal et Ashtaroth*. 13 Eny, nahafoy an'i Jehovah izy ka nanampo an'i Bala sy Astarta.
14 Et la colère de l’Éternel s’embrasa contre Israël ; et il les livra en la main de pillards qui les pillèrent ; et il les vendit en la main de leurs ennemis d’alentour ; et ils ne purent plus se maintenir devant leurs ennemis. 14 Dia nirehitra tamin'ny Isiraely ny fahatezeran'i Jehovah, ka natolony teo an-tànan'ny mpamabo izay namabo azy izy, ary namidiny ho eo an-tànan'ny fahavalony manodidina azy ka tsy nahajanona teo anoloan'ny fahavalony intsony.
15 Partout où ils sortaient, la main de l’Éternel était contre eux en mal, comme l’Éternel avait dit, et comme l’Éternel le leur avait juré ; et ils furent dans une grande détresse. 15 Na taiza na taiza nivoahany, dia namely azy ny tanan'i Jehovah ka nampahory azy, araka izay efa nolazain'i Jehovah sy araka izay efa nianianany taminy; ka dia ory indrindra izy.
16 Et l’Éternel suscita des juges ; et ils les délivrèrent de la main de ceux qui les pillaient. 16 Kanefa Jehovah nanangana mpitsara izay namonjy azy tamin'ny tànan'ireo namabo azy.
17 Mais, même leurs juges, ils ne les écoutèrent pas ; car ils se prostituèrent après d’autres dieux et se prosternèrent devant eux ; ils se détournèrent vite du chemin où leurs pères avaient marché en écoutant les commandements de l’Éternel : ils ne firent pas ainsi. 17 Fa na dia ny mpitsara azy aza dia tsy mba nohenoiny, fa nandeha nijangajanga nanaraka andriamani-kafa izy ka niankohoka teo anatrehany; nivily faingana niala tamin'ny lalana izay nandehanan'ny razany nanaraka ny didin'i Jehovah izy, fa tsy mba nanaraka izany.
18 Et quand l’Éternel leur suscitait des juges, l’Éternel était avec le juge, et les délivrait de la main de leurs ennemis pendant tous les jours du juge ; car l’Éternel avait pitié, à cause de leur gémissement devant ceux qui les opprimaient et qui les accablaient. 18 Ary rehefa nanangana mpitsara ho azy Jehovah, dia nomba izany mpitsara izany Izy ka namonjy ny olona tamin'ny tanan'ny fahavalony tamin'ny andro rehetra niainan'izany mpitsara izany; fa nalahelo azy Jehovah amin'ny fitarainany noho ireo nampahory sy nampalahelo azy.
19 Et il arrivait que, lorsque le juge mourait, ils retournaient à se corrompre plus que leurs pères, marchant après d’autres dieux pour les servir et pour se prosterner devant eux : ils n’abandonnaient rien de leurs actions et de leur voie obstinée. 19 Kanjo nony maty ilay mpitsara, dia nanao ratsy indray izy mihoatra noho ny nataon'ny razany, fa nanaraka andriamani-kafa sy nanompo azy ary niankohoka teo anatrehany izy; tsy nitsahatra tàmin'ny fanaony na tamin'ny lalana nanaovany ditra izy.
20 Et la colère de l’Éternel s’embrasa contre Israël, et il dit : Puisque cette nation a transgressé mon alliance, que j’avais commandée à leurs pères, et qu’ils n’ont pas écouté ma voix, 20 Dia nirehitra tamin'ny Isiraely ny fahatezeran'i Jehovah, ka hoy Izy: Satria nivadika ny fanekeko izay nandidiako ny razany ity firenena ity ka tsy nihaino ny feoko,
21 moi aussi je ne déposséderai plus un homme devant eux, d’entre les nations que Josué laissa quand il mourut, 21 dia tsy handroaka olona eo anoloany intsony Aho amin'ny firenena izay tsy mbola resy hatramin'ny andro nahafatesan'i Josoa,
22 afin d’éprouver par elles Israël, s’ils garderont la voie de l’Éternel pour y marcher, comme leurs pères l’ont gardée, ou non. 22 mba hizahako toetra ny Isiraely amin'ireny, na hitandrina ny lalan'i Jehovah ka handeha amin'izany araka izay nitandreman'ny razany izany izy, na tsia.
23 Et l’Éternel laissa subsister ces nations sans se hâter de les déposséder ; il ne les livra pas en la main de Josué. 23 Dia navelan'i Jehovah ireny firenena ireny ka tsy noroahiny faingana; sady tsy voatolony teo an-tànan'i Josoa ireny.
— v. 10 : date : A.C. 1427, environ. — v. 11 : les Baals, au pluriel, nom générique des divinités masculines. — v. 13 : ou : les Ashtoreths (les Astartés), divinités féminines.  
Chapitre 3 Chapitre 3
1 Et ce sont ici les nations que l’Éternel laissa subsister pour éprouver par elles Israël, [savoir] tous ceux qui n’avaient pas connu toutes les guerres de Canaan ; 1 Ary ny firenena navelan'i Jehovah ho entiny mizaha toetra ny Isiraely dia izay rehetra tsy mba nahita ny ady rehetra tany Kanana,
2 [et cela] seulement afin que les générations des fils d’Israël connussent, en l’apprenant, ce que c’est que la guerre, ceux du moins qui auparavant n’en avaient rien connu : 2 mba ho fantatry ny taranaky ny Zanak'Isiraely izany amin'ny hampianarany azy hiady, indrindra fa izay tsy mbola nahalala izany akory teo aloha;
3 cinq princes* des Philistins, et tous les Cananéens et les Sidoniens et les Héviens qui habitaient dans la montagne du Liban, depuis la montagne de Baal-Hermon jusqu’à l’entrée de Hamath ; 3 dia ireo andriana dimy tamin'ny Filistina sy ny Kananita rehetra sy ny Sidoniana ary ny Hivita, izay nonina tany an-tendrombohitra Libanona, hatrao akaikin'i Bala-hermona ka hatramin'ny lalana mankany Hamata.
4 elles étaient [laissées] pour éprouver par elles Israël, pour savoir s’ils écouteraient les commandements de l’Éternel, qu’il avait commandés à leurs pères par Moïse. 4 Ary nentina hizaha toetra ny Isiraely ireo mba hahalalana na hihaino ny didin'i Jehovah, izay nasainy nandidian'i Mosesy ny razany, izy, na tsia.
— v. 3 : voir note à Josué 13:3.  
* *
5 Et les fils d’Israël habitèrent au milieu des Cananéens, des Héthiens, et des Amoréens, et des Phéréziens, et des Héviens, et des Jébusiens. 5 Ary ny Zanak'Isiraely nonina teo amin'ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita.
6 Et ils prirent leurs filles pour femmes, et donnèrent leurs filles à leurs fils, et servirent leurs dieux. 6 Ary naka ny zanakavavin'ireny ho vadiny izy sady nanome ny zananivavy ho vadin'ny zanakalahin'ireny ka nanompo ny andriamaniny.
7 Et les fils d’Israël firent ce qui est mauvais aux yeux de l’Éternel, et ils oublièrent l’Éternel, leur Dieu, et servirent les Baals et les ashères*. 7 [Ny ratsy nataon'ny Isiraely, sy ny nanirahan'Andriamanitra mpitsara hamonjy azy. Ny tantaran'i Otniela sy Ehoda ary Samgara] Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah ny Zanak'Isiraely ka nanadino an'i Jehovah Andriamaniny ary nanompo ireo Bala sy Aseraha*.[Anaran'andriamani-tsi-izy, na ny sariny]
8 Et la colère de l’Éternel s’embrasa contre Israël, et il les vendit en la main de Cushan-Rishhathaïm, roi d’Aram-Naharaïm*. Et les fils d’Israël servirent Cushan-Rishhathaïm huit ans. 8 Dia nirehitra tamin'ny Isiraely ny fahatezeran'i Jehovah, ka nivarotra azy ho eo an-tànan'i Kosan-risataima, mpanjakan'i Mesopotamia*, Izy; dia nanompo an'i Kosan-risataima valo taona ny Zanak'Isiraely.[Arama-naharaima]
9 Et les fils d’Israël crièrent à l’Éternel ; et l’Éternel suscita aux fils d’Israël un sauveur qui les délivra, Othniel, fils de Kenaz, frère puîné de Caleb. 9 Dia nitaraina tamin'i Jehovah ny Zanak'Isiraely, ary Jehovah nanangana mpamonjy ho an'ny Zanak'Isiraely, izay namonjy azy, dia Otniela, zanakalahin'i Kenaza, zandrin'i Kaleba.
10 Et l’Esprit de l’Éternel fut sur lui, et il jugea Israël ; et il sortit pour la guerre, et l’Éternel livra en sa main Cushan-Rishhathaïm, roi d’Aram*, et sa main fut forte contre Cushan-Rishhathaïm. 10 Ary ny Fanahin'i Jehovah no tao aminy, dia nitsara ny Isiraely izy sady nivoaka hiady; ary Kosan-risataima, mpanjakan'i Mesopotamia, dia natolotr'i Jehovah teo an-tànany; ary nahery ny tànany ka namely an'i Kosan-risataima.
11 Et le pays fut en repos quarante ans.* Et Othniel, fils de Kenaz, mourut. 11 Dia nandry ny tany efa-polo taona. Ary maty Otniela, zanak'i Kenaza.
— v. 7 : voir note à Exode 34:13. — v. 8 : Syrie des deux fleuves (Mésopotamie). — v. 10 : de Syrie. — v. 11 : date : A.C. 1419-1379, environ.  
12 Et les fils d’Israël firent de nouveau ce qui est mauvais aux yeux de l’Éternel, et l’Éternel fortifia Églon, roi de Moab, contre Israël, parce qu’ils faisaient ce qui est mauvais aux yeux de l’Éternel. 12 Fa nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah indray ny zanak'Isiraely ary i Jehovah nampahery an'i Eglona, mpanjakan'i Moaba, hiady amin'ny Isiraely, satria nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy.
13 Et [Églon] assembla auprès de lui les fils d’Ammon et Amalek, et il alla et frappa Israël ; et ils prirent possession de la ville des palmiers. 13 Dia nampiangona ny taranak'i Amona sy Amaleka ho any aminy izy, ary nandeha izy ireo ka namely ny Isiraely, dia nahafaka ny tanàna be rofia*.[Palma]
14 Et les fils d’Israël servirent Églon, roi de Moab, dix-huit ans. 14 Dia nanompo an'i Eglona, mpanjakan'i Moaba, valo ambin'ny folo taona ny Zanak'Isiraely.
15 Et les fils d’Israël crièrent à l’Éternel ; et l’Éternel leur suscita un sauveur, Éhud, fils de Guéra, le Benjaminite, qui était gaucher*. Et les fils d’Israël envoyèrent par lui un présent à Églon, roi de Moab**. 15 Ary nitaraina tamin'i Jehovah izy, dia nanangana mpamonjy ho azy Jehovah, dia Ehoda, zanak'i Gera, avy amin'ny taranak'i Benjamina, lehilahy kavia; dia nampitondra azy fanomezana ho an'i Eglona, mpanjakan'i Moaba, ny Zanak'Isiraely.
16 Et Éhud se fit faire une épée à deux tranchants, longue d’une petite coudée, et il la ceignit par dessous ses vêtements, sur la hanche droite. 16 Ary nanao sabatra roa lela Ehoda, hakiho ny halavany; dia nataony tao amin'ny fehin-kibony ambanin'ny akanjo fiadiany izany, teny am-balahany ankavanana.
17 Et il offrit le présent à Églon, roi de Moab ; or Églon était un homme très-gras. 17 Dia nitondra ny fanomezana ho an'i Eglona, mpanjakan'i Moaba, izy; ary lehilahy matavibe Eglona.
18 Et il arriva que, lorsqu’il eut achevé d’offrir le présent, il renvoya les gens qui avaient apporté le présent. 18 Ary rehefa vitany ny nanolorana ny fanomezana, dia nampodiny ny olona izay nitondra izany.
19 Mais lui s’en revint des images taillées*, qui étaient près de Guilgal, et dit : J’ai pour toi une parole secrète, ô roi ! Et il dit : Silence ! Et tous ceux qui étaient près de lui sortirent d’auprès de lui. 19 Fa nony tonga teo amin'ny fihadiam-bato* izay any Gilgala kosa izy, dia niverina ka nanao hoe: Misy teny holazaiko mangingina aminao, ry mpanjaka ô. Dia hoy kosa izy: Mialà kely ianareo, rizareo. Ary izay rehetra nitsangana teo anoloany dia niala teo aminy.[Na: sarin-javatra voasokitra]
20 Et Éhud entra vers lui ; or il était assis dans une chambre haute de rafraîchissement, qui était pour lui seul ; et Éhud dit : J’ai une parole de Dieu pour toi. 20 Ary Ehoda nanatona azy, raha nipetraka irery tao an-tilikambony fihatsiatsiahana izy. Dia hoy Ehoda: Misy teny avy amin'Andriamanitra holazaiko aminao. Dia nitsangana niala tamin'ny seza fiandrianana Eglona.
21 Et [le roi] se leva de son siège ; et Éhud étendit sa main gauche, et prit l’épée de dessus son côté droit, et la lui enfonça dans le ventre ; 21 Ary naninjitra ny tànany ankavia Ehoda ka nandray ny sabatra teny am-balahany ankavanana, dia natsatony tamin'ny kibon'i Eglona izany;
22 et même la poignée entra après la lame, et la graisse se referma sur la lame ; car il ne retira pas l’épée de son ventre, et elle sortit entre les jambes. 22 ary difotra mbamin'ny zarany, ka voasaron'ny taviny ny lelan-tsabatra, ka dia tsy nanatsoaka ny sabatra tamin'ny kibony izy; ary niboroaka teo amin'ny vodiny izany.
23 Et Éhud sortit par le portique, et ferma sur lui les portes de la chambre haute, et mit le verrou. 23 Dia nivoaka teo amin'ny lavarangana Ehoda ka nandrindrina ny varavaran'ny trano ka nanidy azy tao.
24 Et quand il fut sorti, les serviteurs du roi* vinrent, et virent : et voici, les portes de la chambre haute étaient fermées au verrou ; et ils dirent : Sans doute il se couvre les pieds dans la chambre de rafraîchissement. 24 Ary rehefa nivoaka izy, dia tonga teo kosa ny mpanompon'i Eglona; ary raha hitany fa, indro, voahidy ny varavaran'ny tilikambo, dia hoy izy: Miavela ato an-tilikambo fihatsiahana izy aloha.
25 Et ils attendirent jusqu’à en avoir honte ; et voici, on n’ouvrait pas les portes de la chambre* ; et ils prirent la clef et ouvrirent, et voici, leur seigneur gisait par terre, mort. 25 Dia niandry mandra-pahaveri-heviny izy ireo, kanjo tsy namoha ny varavaran'ny trano izy; ka dia naka ny fanalahidy izy ireo ka namoha azy; ary, indro, maty niampatra tamin'ny rihana ny tompony
26 Et Éhud s’était échappé pendant qu’ils tardaient, et avait dépassé les images taillées* ; et il se sauva à Sehira. 26 Fa Ehoda efa nandositra, raha mbola nitaredretra izy ireo, ka efa nihoatra ny fihadiam-bato, dia nandositra ho any Seirata.
— v. 15* : hébreu : fermé quant à sa main droite ; ainsi, 20:16. — v. 15** : date : A.C. 1361, environ. — v. 19, 26 : ou, peut-être : des carrières de pierre de taille. — v. 24 : litt.: ses serviteurs. — v. 25 : litt.: chambre haute.  
27 Et quand il y fut entré, il arriva qu’il sonna de la trompette dans la montagne d’Éphraïm ; et les fils d’Israël descendirent avec lui de la montagne, et lui devant eux. 27 Ary rehefa tonga teo izy, dia nitsoka ny anjomara tany amin'ny tany havoan'i Efraima, dia nidina nanaraka azy avy tany amin'ny tany havoana ny Zanak'Isiraely, ary izy no nitarika azy.
28 Et il leur dit : Suivez-moi, car l’Éternel a livré en votre main vos ennemis, les Moabites. Et ils descendirent après lui, et enlevèrent à Moab les gués du Jourdain, et ne laissèrent passer personne. 28 Ary hoy izy taminy: Manaraha ahy, fa efa natolotr'i Jehovah eo an-tananareo ny Moabita fahavalonareo. Dia nidina nanaraka azy ny olona, ka azony ny fitàna any Jordana hankany Moaba, ary tsy nisy navelany hita na dia iray akory aza.
29 Et en ce temps-là, ils frappèrent Moab, environ dix mille hommes, tous forts* et tous vaillants, et pas un n’échappa. 29 Dia namono ny Moabita tokony ho iray alin-dahy tamin'izany andro izany izy, samy olona vaventy sady mahery izy rehetra; ary tsy nisy afaka nandositra na dia iray akory aza.
30 Et en ce jour-là, Moab fut abattu sous la main d’Israël ; et le pays fut en repos quatre-vingts ans. 30 Dia resin'ny tanan'ny Isiraely ny Moabita tamin'izany andro izany. Ary nandry valo-polo taona ny tany.
— v. 29 : ici, litt.: gras.  
31 Et après lui, il y eut Shamgar, fils d’Anath ; et il frappa les Philistins, six cents hommes, avec un aiguillon à bœufs. Et lui aussi sauva Israël. 31 Ary nanarakaraka azy Samgara, zanak'i Anata, izay namely ny Filistina enin-jato lahy tamin'ny fanindronan-omby; dia namonjy ny Isiraely koa izy.
* *
Chapitre 4 Chapitre 4
1 Et les fils d’Israël firent de nouveau ce qui est mauvais aux yeux de l’Éternel ; or Éhud était mort. 1 [Ny nampahorian'i Jabina ny Isiraely, sy ny namonjen'i Debora mpaminanivavy azy] Ary ny Zanak'Isiraely nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah indray, rehefa maty Ehoda.
2 Et l’Éternel les vendit en la main de Jabin, roi de Canaan, qui régnait à Hatsor ; et le chef de son armée était Sisera, et celui-ci habitait à Harosheth des nations. 2 Ary Jehovah nivarotra azy ho eo an-tànan'i Jabina, mpanjakan'i Kanana, izay nanjaka tany Hazora, ary Sisera, izay nonina tany Harosetan'ny Jentilisa, no komandin'ny miaramilany.
3 Et les fils d’Israël crièrent à l’Éternel ; car [Jabin] avait neuf cents chars de fer, et il opprima fortement les fils d’Israël pendant vingt ans. 3 Dia nitaraina tamin'i Jehovah ny Zanak'Isiraely; fa nanana kalesy vy sivin-jato Jabina, ary nampahory fatratra ny Zanak'Isiraely roa-polo taona izy.
4 Et Debora, une prophétesse, femme de Lappidoth, jugeait Israël en ce temps-là. 4 Ary Debora mpaminanivavy, vadin'i Lapidota, no nitsara ny Isiraely tamin'izany andro izany.
5 Et elle habitait sous le palmier de Debora, entre Rama et Béthel, dans la montagne d’Éphraïm ; et les fils d’Israël montaient vers elle pour être jugés. 5 Ary izy nipetraka teo ambanin'ny hazo rofian*'i Debora, teo anelanelan'i Rama sy Betela, tany amin'ny tany havoan'i Efraima; ary niakatra ho any aminy ny Zanak'Isiraely hatsaraina.[Palma]
6 Et elle envoya, et appela Barak, fils d’Abinoam, de Kédesh de Nephthali, et lui dit : L’Éternel, le Dieu d’Israël, ne l’a-t-il pas commandé ? Va, et rends-toi sur* le mont Thabor, et prends avec toi dix mille hommes des fils de Nephthali et des fils de Zabulon ; 6 Ary Debora naniraka ka niantso an'i Baraka, zanak'i Abinoama, tany Kadesi-naftaly, ka nanao taminy hoe: Moa tsy efa nandidy va Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, nanao hoe: Mandehana, ka mankanesa any an-tendrombohitra Tabara, ary mitondrà iray alin-dahy amin'ny taranak'i Naftaly sy Zebolona hiaraka aminao?
7 et j’attirerai vers toi, vers le torrent de Kison, Sisera, chef de l’armée de Jabin, et ses chars, et sa multitude, et je le livrerai en ta main. 7 Dia ho entiko ho eo aminao, eo amoron'ny ony Kisona, Sisera, komandin'ny miaramilan'i Jabina, mbamin'ny kalesiny sy ny vahoakany maro be; dia hanolotra azy eo an-tananao Aho.
8 Et Barak lui dit : Si tu vas avec moi, j’irai ; mais si tu ne vas pas avec moi, je n’irai pas. 8 Ary hoy Baraka taminy: Raha handeha hiaraka amiko ianao, dia handeha aho; fa raha tsy handeha hiaraka amiko kosa ianao, dia tsy handeha aho.
9 Et elle dit : J’irai bien avec toi ; seulement ce ne sera pas à ton honneur dans le chemin où tu vas, car l’Éternel vendra Sisera en la main d’une femme. Et Debora se leva, et s’en alla avec Barak à Kédesh.* 9 Ary hoy kosa izy: handeha hiaraka aminao ihany aho; kanefa tsy ho voninahitrao izao halehanao izao, satria ho eo an-tanam-behivavy no hivarotan'i Jehovah an'i Sisera. Dia niainga Debora ka nandeha niaraka tamin'i Baraka hankany Kadesy
— v. 6 : litt.: tire sur. — v. 9 : date : A.C. 1320, environ.  
10 Et Barak rassembla Zabulon et Nephthali à Kédesh ; et dix mille hommes montèrent à sa suite, et Debora monta avec lui. 10 Ary nantsoin'i Baraka ho any Kadesy ny Zebolona sy ny Naftaly; dia nisy iray alin-dahy niakatra nanaraka azy; ary Debora niara-niakatra taminy.
11 (Or Héber, le Kénien, s’était séparé des Kéniens, fils de Hobab, beau-père de Moïse, et avait dressé sa tente jusqu’au chêne de* Tsaannaïm, qui est près de Kédesh). 11 Ary Hebera Kenita efa nisaraka tamin'ny Kenita izay avy amin'ny taranak'i Hobaba, zaodahin*'i Mosesy, ary nilasy ambara-pahatongany teo amin'ny hazo terebinta ao Zananima, izay eo anilan'i Kadesy.[Na: rafozan']
12 Et on rapporta à Sisera que Barak, fils d’Abinoam, était monté sur le mont Thabor. 12 Ary nisy nilaza tamin'i Sisera fa Baraka, zanak'i Abinoama, niakatra any an-tendrombohitra Tabara.
13 Et Sisera rassembla tous ses chars, neuf cents chars de fer, et tout le peuple qui était avec lui, depuis Harosheth des nations, au torrent de Kison. 13 Dia nangonin'i Sisera ny kalesiny rehetra, dia kalesy vy sivin-jato, sy ny vahoaka rehetra izay niaraka taminy avy tany Harosetan'ny Jentilisa, hankany amin'ny ony Kisona.
14 Et Debora dit à Barak : Lève-toi, car c’est ici le jour où l’Éternel livrera Sisera en ta main. L’Éternel n’est-il pas sorti devant toi ? Et Barak descendit du mont Thabor, et dix mille hommes après lui. 14 Ary hoy Debora tamin'i Baraka: Miakara, fa anio no andro hanoloran'i Jehovah an'i Sisera eo an-tananao; tsy mivoaka eo anoloanao va Jehovah? Dia nidina Baraka sy ny olona iray alina nanaraka azy, avy tany an-tendrombohitra Tabara.
15 Et l’Éternel mit en déroute Sisera, et tous ses chars, et toute l’armée, par le tranchant de l’épée, devant Barak ; et Sisera descendit de son char, et s’enfuit à pied. 15 Dia nampifanaritahin'i Jehovah tamin'ny lelan-tsabatra Sisera teo anoloan'i Baraka sy ny kalesy rehetra ary ny miaramila rehetra; dia nidina niala tamin'ny kalesy Sisera ka nandositra nandeha tongotra.
16 Et Barak poursuivit les chars et l’armée jusqu’à Harosheth des nations ; et toute l’armée de Sisera tomba sous le tranchant de l’épée : il n’en resta pas un seul. 16 Ary Baraka nanenjika nanaraka ny kalesy sy ny miaramila hatrany Haroseta; dia lavon'ny lelan-tsabatra avokoa ny miaramilan'i Sisera rehetra; tsy nisy niangana na dia iray akory aza.
17 Et Sisera s’enfuit à pied vers la tente de Jaël, femme de Héber, le Kénien ; car il y avait paix entre Jabin, roi de Hatsor, et la maison de Héber, le Kénien. 17 Ary Sisera nandositra nandeha tongotra ho any amin'ny lain'i Jaela, vadin'i Hebera Kenita; fa nihavana Jabina, mpanjakan'i Hazora, sy ny mpianakavin'i Hebera Kenita.
18 Et Jaël sortit à la rencontre de Sisera, et lui dit : Retire-toi, mon seigneur, retire-toi chez moi, ne crains point. Et il se retira chez elle dans la tente, et elle le couvrit d’une couverture. 18 Dia nivoaka Jaela hitsena an'i Sisera ka nanao taminy hoe: Miakara, tompokolahy, miakara atỳ amiko; aza matahotra. Ary rehefa niakatra ho ao aminy ao an-day izy, dia norakofany ny lamba firakotra.
19 Et il lui dit : Je te prie, donne-moi un peu d’eau à boire, car j’ai soif. Et elle ouvrit l’outre du lait et lui donna à boire, et le couvrit. 19 Ary hoy Sisera taminy: Masìna ianao, omeo rano kely hosotroiko, fa mangetaheta aho izany. Dia nanokatra ny siny hoditra nisy ronono izy ka nomeny hosotroiny; ary dia norakofany indray izy.
20 Et il lui dit : Tiens-toi à l’entrée de la tente, et s’il arrive qu’on vienne et qu’on t’interroge et dise : Y a-t-il quelqu’un ici ? tu diras : Non. 20 Dia hoy izy taminy: Mitsangàna eo am-baravaran'ny lay, ka raha tàhiny misy avy ka manontany anao hoe: Misy olona va ato? dia ataovy hoe: Tsia.
21 Et Jaël, femme de Héber, prit un pieu de la tente, et saisit le marteau dans sa main, et elle vint vers lui doucement, et lui enfonça le pieu dans la tempe, de sorte qu’il pénétra dans la terre ; or il dormait profondément et était fatigué ; et il mourut. 21 Dia naka tsima-day Jaela, vadin'i Hebera, sady nitondra tantanana teny an-tànany ka nitsaitsaika nankeo aminy; dia natsatony tamin'ny fihirifany ny tsima-day, ka nihatra tamin'ny tany fa efa renoky ny torimaso Sisera, satria sasatra ka dia maty izy.
22 Et voici Barak, qui poursuivait Sisera ; et Jaël sortit à sa rencontre, et lui dit : Viens, et je te montrerai l’homme que tu cherches. Et il entra chez elle ; et voici, Sisera gisait [là], mort, et le pieu dans sa tempe. 22 Ary nony, indro, avy Baraka manenjika an'i Sisera, dia nivoaka hitsena azy Jaela ka nanao taminy hoe; Avia atỳ, fa hasehoko anao ny lehilahy izay tadiavinao. Ary rehefa tonga tao aminy izy, dia indro, ny fatin'i Sisera niampatra teo, ary ny tsima-day teo amin'ny fihirifany.
23 Et en ce jour-là, Dieu abattit Jabin, roi de Canaan, devant les fils d’Israël. 23 Dia naetrin'Andriamanitra teo anoloan'ny Zanak'Isiraely tamin'izany andro izany Jabina, mpanjakan'i Kanana.
24 Et la main des fils d’Israël avançait toujours et pesait durement sur Jabin, roi de Canaan, jusqu’à ce qu’ils eurent retranché Jabin, roi de Canaan. 24 Ary ny tanan'ny Zanak'Isiraely nihahery tamin'i Jabina, mpanjakan'i Kanana, mandra-pandringany azy.
— v. 11 : ou : à.  
Chapitre 5 Chapitre 5
1 Et Debora chanta, en ce jour-là, avec Barak, fils d’Abinoam, en disant : 1 [Ny fihirana nataon'i Debora noho ny nandresena an'i Sisera] Ary Debora sy Baraka, zanak'i Abinoama, dia nihira tamin'izany andro izany ka nanao hoe:
2 Parce que des chefs se sont mis en avant en Israël, parce que le peuple a été porté de bonne volonté, bénissez l’Éternel ! 2 Noho ny fitarihan*'ny lehibe tamin'ny Isiraely sy ny fahazotoan'ny vahoaka nanolotena, dia miderà an'i Jehovah.[Na: fitombadahin']
3 Rois, écoutez ! princes, prêtez l’oreille ! Moi, moi, je chanterai à l’Éternel ; je chanterai un hymne à l’Éternel, le Dieu d’Israël. 3 Mandrenesa ianareo, ry mpanjaka, mihainoa ianareo, ry mpanapaka! Izaho indrindra no hihira ho an'i Jehovah; hankalaza an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, aho.
4 Éternel ! quand tu sortis de Séhir, quand tu t’avanças des champs d’Édom, la terre trembla, et les cieux distillèrent, et les nuées distillèrent des eaux. 4 Jehovah ô, fony nivoaka avy tany* Seïra Hianao ary nandeha avy tany amin'ny tany Edoma, dia nihorohoro ny tany, ary ny lanitra koa nitete; Eny, ny rahona matevina nitete rano.[Heb. tamin'ny saha]
5 Les montagnes se fondirent devant l’Éternel, ce Sinaï, devant l’Éternel, le Dieu d’Israël. 5 Ny tendrombohitra niempo teo anatrehan'i Jehovah. Eny, na dia iry Sinay iry aza teo anatrehan'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
* *
6 Aux jours de Shamgar, fils d’Anath, aux jours de Jaël, les chemins étaient délaissés*, et ceux qui allaient par les grands chemins allaient par des sentiers détournés ; 6 Tamin'ny andron'i Samgara, zanak'i Anata, sy tamin'ny andron'i Jaela dia tsy nodiavina ny lalambe, fa ny sakeli-dalana mivilivily no nalehan'ny mpandeha.
7 Les villes ouvertes* étaient délaissées** en Israël, elles étaient délaissées, — jusqu’à ce que je me suis levée, moi Debora, jusqu’à ce que je me suis levée, une mère en Israël. 7 Lao ny tany an-tsaha; eny, lao* tamin'ny Isiraely izany, Mandra-pitsangako, izaho Debora, eny, mandra-pitsangako ho reny teo amin'ny Isiraely.[Na: Tsy nisy mpanapaka; eny nitsahatra]
8 On choisissait de nouveaux dieux, alors la guerre était aux portes ! On ne voyait ni bouclier ni pique chez quarante milliers en Israël. 8 Nifidy andriamani-baovao ny olona, Ary tamin'izay dia nisy ady hatrany am-bavahady. Moa nisy ampinga na lefona na dia iray akory aza hita va teo amin'ny olona efatra alina tamin'ny Isiraely?
9 Mon cœur est aux gouverneurs d’Israël qui ont été portés de bonne volonté parmi le peuple. Bénissez l’Éternel ! 9 Ny foko mankasitraka ny mpanapaka amin'ny Isiraely, izay nazoto nanolo-tena teo amin'ny vahoaka, miderà an'i Jehovah ianareo.
10 Vous qui montez sur des ânesses blanches, vous qui êtes assis sur des tapis, et vous qui allez par les chemins, méditez* ! 10 Hianareo izay mitaingina borikivavy fotsy, ianareo izay mipetraka amin'ny lamba fitoerana, ary ianareo koa izay mandeha amin'ny lalana, samia milaza.
11 À cause de la voix de ceux qui partagent [le butin], au milieu des lieux où l’on puise l’eau : là, ils racontent les justes actes de l’Éternel, ses justes actes envers ses villes ouvertes* en Israël. Alors le peuple de l’Éternel est descendu aux portes. 11 Lavitra ny feon'ny mpandefa zana-tsipìka, dia eo amin'ny fantsakan-drano, no hiresahany ny asa marina nataon'i Jehovah, dia ny fahamarinany tamin'ny tany* Isily; Tamin'izany dia nidina ny olon'i Jehovah ho any am-bavahady.[Na: tamin'ny fitondrany ny]
— v. 6, 7** : ou : cessaient [d’être]. — v. 7*, 11 : ou : Les/ ses chefs. — v. 10 : ou : chantez.  
* *
12 Réveille-toi, réveille-toi, Debora ! Réveille-toi, réveille-toi, dis un cantique ! Lève-toi, Barak, et emmène captifs tes captifs*, fils d’Abinoam ! 12 Mifohaza, mifohaza, ry Debora; Mifohaza, mifohaza, ka mihirà! Mitsangana, ry Baraka; ento ny babonao, ry zanakalahin'i Abinoama.
13 Alors descends, toi, le résidu des nobles, [comme son] peuple ; Éternel ! descends avec moi au milieu des* hommes forts. 13 Tamin'izany dia nidina izay olo-malaza sisa mbamin'ny vahoaka, Jehovah nidina homba ahy koa hamely* ny olo-mahery.[Na: ho isan']
14 D’Éphraïm [sont venus] ceux dont la racine* est en** Amalek ; derrière toi [vient] Benjamin, au milieu de tes peuples. De Makir sont descendus les gouverneurs, et de Zabulon sont venus ceux qui tiennent le bâton du commandant. 14 Ny avy amin'i Efraima, izay miorina amin'i Amaleka, dia nomba anao teo amin'ny firenenao, ry Benjamina; Avy tany Makira no nidinan'ny mpanao lalàna, ary avy tamin'i Zebolona ireo mitana ny tehin'ny mpifehy*.[Na: mpanoratra]
15 Et les princes d’Issacar ont été avec Debora, et Issacar, comme Barak ; [il a été] envoyé sur ses pas dans la vallée. Aux divisions* de Ruben, grandes considérations de cœur ! 15 Ary ny andrianan'Isakara niaraka tamin'i Debora, dia Isakara sy Baraka koa; Nampandehanina nanaraka azy any an-dohasaha izy. Lehibe ny fiheverana am-po teny amin'ny sakeli-dranon'i Robena!
16 Pourquoi es-tu resté entre les barres des étables, à écouter le bêlement des troupeaux ? Aux divisions* de Ruben, grandes délibérations de cœur ! 16 Nahoana ianao no nitoetra teo anelanelan'ny vala, hihainoanao ny feon-tsodina any amin'ny ondry? Lehibe ny fiheverana am-po teny amin'ny sakeli-dranon'i Robena!
17 Galaad est demeuré au delà du Jourdain ; et Dan, pourquoi a-t-il séjourné sur les navires ? Aser est resté au bord de la mer*, et il est demeuré dans ses ports. 17 Gileada nitoetra tany an-dafin'i Jordana; Ary nahoana Dana no nitoetra tany an-tsambo? Asera nitoetra tany amoron-dranomasina, Ary teny amin'ny fitodiany no nipetrahany.
18 Zabulon est un peuple qui a exposé son âme à la mort, Nephthali aussi, sur les hauteurs des champs. 18 Zebolona dia firenena nanao tsinontsinona ny ainy, na dia ho faty aza, Ary Naftaly koa teo amin'ny fitoerana avo any an-tsaha.
— v. 12 : litt.: emmène captive ta captivité. — v. 13 : ou : contre les. — v. 14* : ou : le siège. — v. 14** : ou : contre. — v. 15, 16 : ou : ruisseaux. — v. 17 : litt.: des mers.  
* *
19 Les rois sont venus, ils ont combattu ; alors les rois de Canaan ont combattu à Thaanac, près des eaux de Meguiddo ; [mais], de butin d’argent, ils n’en ont pas emporté. 19 Tonga ireo mpanjaka ka niady, eny, niady tao Tanaka ireo mpanjakan'i Kanana, dia teo anilan'ny ranon'i Megido; Tsy nisy volafotsy azony ho babo.
20 On a combattu des cieux ; du chemin qu’elles parcourent, les étoiles ont combattu contre Sisera. 20 Avy tany an-danitra no nisy ady: ny kintana tamin'ny nalehany niady tamin'i Sisera.
21 Le torrent de Kison les a emportés, le torrent des anciens temps*, le torrent de Kison. Mon âme, tu as foulé aux pieds la force ! 21 Ny ony Kisona nipaoka azy, Izany ony ela* izany, dia ny ony Kisona. Mandrosoa amin-kery ianao, ry fanahiko![Na: ony be ady]
22 Alors les talons des chevaux battirent [le sol] à cause de la course rapide, de la course rapide de leurs [hommes] vaillants. 22 Tamin'izany dia nikatrokatroka ny kitron-tsoavaly noho ny fihazakazaka, dia ny fihazakazaky ny maheriny.
23 Maudissez Méroz, dit l’Ange de l’Éternel ; maudissez, maudissez ses habitants ! car ils ne sont pas venus au secours de l’Éternel, au secours de l’Éternel, avec les hommes forts. 23 Ozony Meroza, hoy Ilay Anjelin'i Jehovah, Ozony dia ozòny ny mponina ao, Satria tsy mba tonga hanampy an'i Jehovah izy, eny, tsy nanampy an'i Jehovah hamely* ny mahery.[Na: isan']
— v. 21 : ou : le torrent des combats.  
* *
24 Bénie soit, au-dessus des femmes, Jaël, femme de Héber, le Kénien ! Qu’elle soit bénie au-dessus des femmes qui se tiennent dans les tentes ! 24 Hotahina mihoatra noho ny vehivavy anie Jaela, vadin'i Hebera Kenita; Eny, hotahina mihoatra noho ny vehivavy mitoetra an-day anie izy.
25 Il a demandé de l’eau, elle lui a donné du lait ; dans la coupe des nobles elle lui a présenté du caillé. 25 Rano no nangatahin-dralehilahy, fa ronono aza no nomeny azy; Teo an-dovian'andriana no nitondrany rononomandry.
26 Elle a étendu sa main vers le pieu, et sa droite vers le marteau des ouvriers ; elle a frappé Sisera, elle lui a brisé la tête, elle lui a fracassé et transpercé la tempe. 26 Ny tànany nandray ny tsima-day, Ary ny tànany ankavanana nandray ny tantanan'ny mpiasa, dia namely an'i Sisera tamin'ny tantanana izy ka nahavoa ny lohany; Namely mafy izy, dia nahaboroaka ny fihirifany.
27 Entre ses pieds il s’est courbé, il est tombé, il s’est étendu [par terre] ; entre ses pieds il s’est courbé, il est tombé ; là où il s’est courbé, là il est tombé anéanti. 27 Teo amin'ny tongo-dravehivavy no niondrehany nahalavoany niamparany, eny, teo amin'ny tongony no niondrehany nahalavoany teo amin'izay niondrehany no niamparan'ny fatiny.
28 La mère de Sisera regarde par la fenêtre, et s’écrie à travers le treillis : Pourquoi son char tarde-t-il à venir ? Pourquoi la marche de ses chars est-elle si lente ? 28 Tao amin'ny varavarankely no nitsirihan'ny renin'i Sisera ka niantsoantsoany mafy; Eny, niantso tao amin'ny makarakara izy hoe: Nahoana no ela izato kalesiny vao tonga? Nahoana no mitaredretra ny kodian'ny kalesiny?
29 Les sages d’entre ses princesses lui répondent ; elle s’est donné la réponse à elle-même. 29 Izay hendry tamin'ny andriambaviny no namaly azy, eny, ny tenany aza namaly hoe:
30 N’ont-ils pas trouvé, n’ont-ils pas divisé le butin ? Une jeune fille, deux jeunes filles par tête d’homme ; du butin de vêtements de couleur pour Sisera, du butin de vêtements de couleur brodés, deux vêtements de couleur brodés, pour le cou des captives* ! 30 Tsy efa mahita va izy? Tsy mizara babo va izy? Dia zazavavy iray na roa ho an'ny isan-dahy, Ary lamba samy hafa volo ho babon'i Sisera, Lamba roa samy hafa soratra ho eo am-bozon'ny nahazo babo.
— v. 30 : litt.: pour les cous du butin.  
* *
31 Qu’ainsi périssent tous tes ennemis, ô Éternel ! mais que ceux qui t’aiment soient comme le soleil quand il sort dans sa force ! 31 Ho levona tahaka izany anie ny fahavalonao rehetra, Jehovah ô; Fa aoka izay tia Azy kosa ho tahaka ny masoandro, raha miposaka amin'ny heriny izy. Dia nandry ny tany efa-polo taona.
   
Et le pays fut en repos quarante ans.  
* *
Chapitre 6 Chapitre 6
1 Et les fils d’Israël firent ce qui est mauvais aux yeux de l’Éternel ; et l’Éternel les livra en la main de Madian pendant sept ans.* 1 [Ny nampahorian'ny Midiana ny Isiraely, sy ny niantsoan'Andriamanitra an'i Gideona ho mpamonjy azy] Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah ny Zanak'Isiraely, ka dia natolotr'i Jehovah ho eo an-tànan'ny Midiana fito taona izy;
2 Et la main de Madian fut forte sur Israël. À cause de Madian, les fils d’Israël se firent les antres qui sont dans les montagnes, et les cavernes, et les lieux forts. 2 ary ny tanan'ny Midiana dia nahery tamin'ny Isiraely, ka ny tahony ny Midiana no nanamboaran'ny Zanak'Isiraely ireo fierena any an-tendrombohitra sy ireo zohy mbamin'ny fiarovana.
3 Et il arrivait que, quand Israël avait semé, Madian montait, et Amalek et les fils de l’orient ; et ils montaient contre lui. 3 Ary rehefa namafy voa ny Isiraely, dia avy ny Midiana sy ny Amalekita ary ny zanaky ny atsinanana ka niakatra hanafika azy.
4 Et ils campaient contre eux, et détruisaient les produits du pays jusqu’à ce que tu viennes à Gaza, et ils ne laissaient point de vivres en Israël, ni mouton*, ni bœuf, ni âne. 4 Dia nitoby tandrifiny ireny ka nanimba ny vokatry ny tany hatrany akaikin'i Gaza; ary tsy nisy zavatra navelany hiveloman'ny Isiraely, na ondry aman'osy, na omby, na boriky;
5 Car ils montaient, eux et leurs troupeaux et leurs tentes ; ils venaient nombreux comme des sauterelles ; et eux et leurs chameaux étaient sans nombre ; et ils venaient dans le pays pour le ravager. 5 fa niakatra izy nitondra ny omby aman'ondriny sy ny lainy, ka ny fihaviny dia tahaka ny valala ny hamarony, ary tsy hita isa izy sy ny ramevany; dia niditra tamin'ny tany izy handrava azy
6 Et Israël fut très-appauvri à cause de Madian ; et les fils d’Israël crièrent à l’Éternel. 6 Ary dia nahantra indrindra ny Isiraely noho ny Midiana, ka nitaraina tamin'i Jehovah izy.
— v. 1 : date : A.C. 1280, environ. — v. 4 : ou : chèvre.  
7 Et il arriva que, lorsque les fils d’Israël crièrent à l’Éternel à cause de Madian, 7 Ary raha nitaraina tamin'i Jehovah ny Zanak'Isiraely noho ny Midiana,
8 l’Éternel envoya aux fils d’Israël un prophète qui leur dit : Ainsi dit l’Éternel, le Dieu d’Israël : Je vous ai fait monter d’Égypte, et je vous ai fait sortir de la maison de servitude, 8 Jehovah dia naniraka mpaminany anankiray ho any amin'ny zanak'Isiraely, izay nilaza taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Andriamanitry ny Isiraely Izaho no nitondra anareo niakatra avy tany Egypta sady nitondra anareo nivoaka avy tany amin'ny trano nahandevozana
9 et je vous ai délivrés de la main des Égyptiens et de la main de tous vos oppresseurs ; et je les ai chassés de devant vous, et je vous ai donné leur pays. 9 ary namonjy anareo tamin'ny tanan'ny Egyptiana sy ny tànan'izay rehetra nampahory anareo, dia nandroaka ireny teo anoloanareo Aho, ka nomeko anareo ny taniny;
10 Et je vous ai dit : Moi, je suis l’Éternel, votre Dieu ; vous ne craindrez point les dieux de l’Amoréen, dans le pays duquel vous habitez. Et vous n’avez pas écouté ma voix. 10 ary hoy Izaho taminareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo; aza matahotra ny andriamanitry ny Amorita, izay tompon'ny tany onenanareo; nefa tsy nihaino ny feoko ianareo.
   
11 Et un ange de l’Éternel vint, et s’assit sous le térébinthe qui est à Ophra, lequel était à Joas, l’Abiézerite. Et Gédéon, son fils, battait du froment dans le pressoir, pour le mettre en sûreté de devant Madian. 11 Dia tonga Ilay Anjelin'i Jehovah ka nipetraka teo ambanin'ny hazo terebinta teo Ofra, izay an'i Joasy Abiezrita; ary Gideona zanany nively vary tamin'ny fantàka teo anilan'ny famiazam-boaloboka mba hafeniny amin'ny Midiana.
12 Et l’Ange de l’Éternel lui apparut, et lui dit : L’Éternel est avec toi, fort et vaillant homme. 12 Ary Ilay Anjelin'i Jehovah niseho taminy ka nanao taminy hoe: Jehovah no momba anao, ry lehilahy mahery.
13 Et Gédéon lui dit : Ah ! mon seigneur, si l’Éternel est avec nous, pourquoi donc toutes ces choses nous sont-elles arrivées ? Et où sont toutes ses merveilles que nos pères nous ont racontées, en disant : L’Éternel ne nous a-t-il pas fait monter hors d’Égypte ? Et maintenant l’Éternel nous a abandonnés, et nous a livrés en la main de Madian. 13 Fa hoy Gideona taminy: Indrisy, Tompoko, raha momba anay Jehovah, nahoana no ozoin'izao rehetra izao izahay? Ary aiza ny fahagagana rehetra nataony, izay nolazain'ny razanay taminay hoe: Tsy nitondra anay niakatra avy tany Egypta va Jehovah? Fa ankehitriny efa nahafoy anay mihitsy Jehovah ka nanolotra anay eo an-tànan'ny Midiana.
14 Et l’Éternel le regarda, et [lui] dit : Va avec cette force que tu as, et tu sauveras Israël de la main de Madian. Ne t’ai-je pas envoyé ? 14 Dia nitodika nijery azy Jehovah ka nanao hoe: Mandehana amin'izao herinao izao, ka vonjeo ny Isiraely amin'ny tanan'ny Midiana; tsy efa naniraka anao va Aho?
15 — Et il lui dit : Ah ! Seigneur, avec quoi sauverai-je Israël ? Voici, mon millier est le plus pauvre en Manassé, et moi je suis le plus petit dans la maison de mon père. 15 Fa hoy izy taminy: Indrisy, Tompo ô, hataoko ahoana no famonjy ny Isiraely? He! ny mpianakaviko no malahelo indrindra eo amin'ny Manase, ary izaho no kely indrindra amin'ny ankohonan'ny raiko.
16 Et l’Éternel lui dit : Moi je serai* avec toi ; et tu frapperas Madian comme un seul homme. 16 Dia hoy Jehovah taminy: Homba anao tokoa Aho, ka hamely ny Midiana toy ny famely olona iray monja ianao.
17 Et il lui dit : Je te prie, si j’ai trouvé grâce à tes yeux, donne-moi un signe que c’est toi qui parles avec moi. 17 Dia hoy izy taminy: Masina Hianao, raha mahita fitia eto imasonao ary aho, dia anehoy famantarana fa Hianao no miteny amiko.
18 Ne te retire pas d’ici, je te prie, jusqu’à ce que je vienne à toi, et que j’apporte mon présent et que je le dépose devant toi. Et il dit : Je m’assiérai jusqu’à ce que tu reviennes. 18 Masina Hianao, aza miala eto mandra-pihaviko eto aminao hitondra ny fanatitra hohanina, ka hapetrako eto anatrehanao. Dia hoy Izy: Eny, Izaho hiandry mandra-piverinao.
19 Et Gédéon entra, et apprêta un chevreau et des pains sans levain d’un épha de farine ; il mit la chair dans un panier et mit le bouillon dans un pot, et les lui apporta sous le térébinthe, et les présenta. 19 Ary Gideona lasa niditra ka namboatra zanak'osy sy mofo tsy misy masirasira tamin'ny koba iray efaha, ka ny hena nataony tao anatin'ny harona, ary ny ron-kena nataony tao anatin'ny vilany, dia nentiny ho eo aminy, teo ambanin'ilay hazo terebinta ka natolony Azy.
20 Et l’Ange de Dieu lui dit : Prends la chair et les pains sans levain, et pose-les sur ce rocher-là, et verse le bouillon. Et il fit ainsi. 20 Ary hoy Ilay Anjelin'Andriamanitra taminy: Raiso ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira, ka apetraho eo ambonin'ity harambato ity, ary aidino ny ron-kena. Dia nataony izany.
21 Et l’Ange de l’Éternel étendit le bout du bâton qu’il avait en sa main, et toucha la chair et les pains sans levain ; et le feu monta du rocher et consuma la chair et les pains sans levain. Et l’Ange de l’Éternel s’en alla de devant ses yeux. 21 Ary naroson'Ilay Anjelin'i Jehovah ny lohan'ny tehina izay teny an-tànany ka natendriny ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira; dia nisy afo nivoaka avy tamin'ny vatolampy ka nandevona ny hena sy ny mofo tsy misy masirasira. Ary Ilay Anjelin'i Jehovah dia lasa niala teo imasony.
— v. 16 : ou : Certainement je serai, comme Exode 3:12.  
22 Et Gédéon vit que c’était un ange de l’Éternel, et Gédéon dit : Ah ! Seigneur Éternel, si c’est pour cela que j’ai vu l’Ange de l’Éternel face à face ! 22 Dia hitan'i Gideona fa Anjelin'i Jehovah Izy, ka hoy izy: Adray, Jehovah Tompo ô! fa nahita Ilay Anjelin'i Jehovah nifanatrika aho.
23 Et l’Éternel lui dit : Paix te soit ; ne crains point, tu ne mourras pas. 23 Fa hoy Jehovah taminy: Fiadanana anie ho anao; aza matahotra; tsy ho faty ianao tsy akory.
24 Et Gédéon bâtit là un autel à l’Éternel, et l’appela Jéhovah-Shalom*. Jusqu’à ce jour il est encore à Ophra des Abiézerites. 24 Ary Gideona nanorina alitara teo ho an'i Jehovah-saloma*; mbola ao Ofran'ny Abiezrita izany mandraka androany.[Jehovah-saloma = Jehovah no fiadanana]
— v. 24 : l’Éternel de paix.  
25 Et il arriva, en cette nuit-là, que l’Éternel lui dit : Prends le jeune taureau qui est à ton père et* le second taureau de sept ans ; et tu renverseras l’autel de Baal qui est à ton père, et tu couperas l’ashère** qui est auprès ; 25 Ary tamin'izany alina izany dia hoy Jehovah taminy: Alao ny ombilain-drainao, dia* ilay ombilahy faharoa, izay efa fito taona, ka ravao ny alitaran'i Bala, izay an'ny rainao, ary kapao ny Aseraha** eo anilany;[*Na: sy][**Anaran'andriamani-tsi-izy, na ny sariny]
26 et tu bâtiras un autel à l’Éternel, ton Dieu, sur le sommet de ce lieu fort, avec l’arrangement [convenable]. Et tu prendras le second taureau, et tu l’offriras* en holocauste sur le bois de l’ashère que tu auras coupée. 26 dia manorena alitara eto an-tampon'ity fiarovana ity ho an'i Jehovah Andriamanitrao, ka amboary tsara izy*, ary alao ilay ombilahy faharoa, ka atero ho fanatitra dorana amin'ny hazon'ny Aseraha izay hokapainao.[Na: amin'ny zavatra vonona eo]
27 Et Gédéon prit dix hommes d’entre ses serviteurs, et fit comme l’Éternel lui avait dit ; et comme, à le faire de jour, il craignait la maison de son père et les hommes de la ville, il le fit de nuit. 27 Ary Gideona naka folo lahy tamin'ny mpanompony ka nanao araka izay efa nolazain'i Jehovah taminy; ary satria natahotra ny fianakavian-drainy sy ny lehilahy tao an-tanàna izy dia tsy nanao izany tamin'ny antoandro, fa tamin'ny alina no nanaovany azy.
— v. 25* : ou : savoir. — v. 25** : voir note à Exode 34:13. — v. 26 : offrir, ici : offrir en holocauste ; voir Lévitique 14:20.  
28 Et quand les hommes de la ville se levèrent de bonne heure le matin, voici, l’autel de Baal était démoli, et l’ashère qui était auprès était coupée, et le second taureau était offert* sur l’autel qui avait été bâti. 28 Fa nony nifoha maraina koa ny lehilahy tao an-tanàna, ka indro, efa rava ny alitaran'i Bala, sady voakapa ny Aseraha teo anilany, ary ilay ombilahy faharoa dia efa naterina teo ambonin'ny alitara izay natao,
29 Et ils se dirent l’un à l’autre : Qui a fait cela ? Et ils s’enquirent et cherchèrent, et dirent : Gédéon, fils de Joas, a fait cela. 29 dia nifanontany hoe izy: Iza re no nanao izany zavatra izany e? Ary raha nifanontany sy nifamoaka teo izy, dia hoy izy: Gideona, zanak'i Joasy, no nanao izany zavatra izany.
30 Et les hommes de la ville dirent à Joas : Fais sortir ton fils, et qu’il meure ; car il a démoli l’autel de Baal et a coupé l’ashère qui était auprès. 30 Dia hoy ny lehilahy tao an-tanàna tamin'i Joasy: Avoahy ny zanakao mba hovonoina, satria efa nandrava ny alitaran'i Bala izy sady efa nikapa ny Aseraha teo anilany.
31 Et Joas dit à tous ceux qui se tenaient près de lui : Est-ce vous qui plaiderez pour Baal ? Est-ce vous qui le sauverez ? Celui qui plaide pour lui, qu’il soit mis à mort, d’ici au matin. S’il est dieu, qu’il plaide pour lui-même, car on a démoli son autel. 31 Ary hoy Joasy tamin'izay rehetra nitsangana teo anatrehany: Moa ianareo handahatra ho an'i Bala va? Hianareo va no hamonjy azy? Izay handahatra ho an'i Bala dia hatao maty, raha mbola maraina* ny andro: raha andriamanitra Bala, aoka izy handahatra ho an'ny tenany, fa nisy nandrava ny alitarany.[Na: mandra-pahamarain']
32 Et en ce jour on appela Gédéon* Jerubbaal**, en disant : Que Baal plaide contre lui, car il a démoli son autel. 32 Ary tamin'izany andro izany ny anaran'ny Gideona dia nataony hoe Jerobala*, fa hoy izy: Aoka Bala no hifandahatra aminy, satria noravany ny alitarany.[Jerobala = Aoka Bala no handahatra]
— v. 28 : voir note au verset 26. — v. 32* : litt.: on l’appela. — v. 32** : que Baal plaide.  
33 Et tout Madian, et Amalek, et les fils de l’orient, se réunirent ensemble et passèrent [le Jourdain], et campèrent dans la vallée de Jizreël. 33 [Ny nandresen'i Gideona ny Midiana] Ary ny Midiana rehetra sy ny Amalekita ary ny zanaky ny atsinanana nivory, dia nita ka nitoby teny amin'ny tany lemaka Jezirela.
34 Et l’Esprit de l’Éternel revêtit Gédéon, et il sonna de la trompette, et les Abiézerites furent assemblés à sa suite. 34 Ary notsindrian'ny Fanahin'i Jehovah Gideona, dia nitsoka anjomara izy, ka nivory nanaraka azy ny Abiezrita.
35 Et il envoya des messagers par tout Manassé, et eux aussi furent assemblés à sa suite ; et il envoya des messagers à Aser, et à Zabulon, et à Nephthali ; et ils montèrent à leur rencontre.* 35 Ary naniraka olona nankany amin'ny Manase rehetra izy, dia nivory nanaraka azy ireo; ary naniraka olona tany amin'ny Asera sy ny Zebolona ary ny Naftaly izy; dia niakatra nitsena azy koa ireo.
— v. 35 : date : A.C. 1274, environ.  
36 Et Gédéon dit à Dieu : Si tu veux sauver Israël par ma main, comme tu l’as dit, 36 Ary hoy Gideona tamin'Andriamanitra: Raha ny tanako no hamonjenao ny Isiraely araka izay efa nolazainao,
37 voici, je mets une toison de laine dans l’aire : si la rosée est sur la toison seule, et que la sécheresse soit sur toute la terre, alors je connaîtrai que tu sauveras Israël par ma main, comme tu l’as dit. 37 indro, hapetrako eo amin'ny famoloana ity volon'ondry iray manontolo ity, ka raha ny volon'ondry ihany no lenan'ny ando, fa maina ny tany rehetra, dia ho fantatro fa ny tanako no hamonjenao ny Isiraely araka izay efa nolazainao.
38 Et il arriva ainsi. Et il se leva de bonne heure le lendemain, et il pressa la toison et exprima la rosée de la toison, plein une* coupe d’eau. 38 Ary dia nisy izany; fa nifoha, maraina koa izy, ka nofiazany ny volon'ondry, ary nisy ranon'ando eran'ny lovia.
39 Et Gédéon dit à Dieu : Que ta colère ne s’embrase pas contre moi, et je parlerai seulement cette fois : encore une seule fois, je te prie, je ferai un essai avec la toison ; je te prie qu’il n’y ait de la sécheresse que sur la toison, et que sur toute la terre il y ait de la rosée. 39 Ary hoy koa Gideona tamin'Andriamanitra: Aoka tsy hirehitra amiko ny fahatezeranao, fa hiteny izao indray mandeha izao monja aho; aoka mba hizahako izao indray mandeha izao monja amin'ny volon'ondry: aoka ny volon'ondry ihany no ho maina, fa ny tany rehetra kosa no ho lenan'ny ando.
40 Et Dieu fit ainsi cette nuit-là : et la sécheresse fut sur la toison seule, et sur toute la terre il y eut de la rosée. 40 Dia nataon'Andriamanitra izany tamin'ny alin'iny, ka ny volon'ondry ihany no maina, fa ny tany rehetra kosa dia lenan'ny ando.
— v. 38 : litt.: la.  
Chapitre 7 Chapitre 7
1 Et Jerubbaal, qui est Gédéon, se leva de bonne heure, et tout le peuple qui était avec lui, et ils campèrent près de la source de Harod ; et il avait le camp de Madian au nord, du côté de la colline de Moré, dans la vallée. 1 Dia nifoha maraina koa Jerobala (Gideona izany) sy ny vahoaka rehetra teo aminy ka nitoby teo akaikin'ny loharano Haroda*; ary ny tobin'ny Midiana kosa teo avarany, teo an-dohasaha anilan'ny havoana More.[Haroda = Fangovitana; izahao and.3]
2 Et l’Éternel dit à Gédéon : Le peuple qui est avec toi est trop nombreux, pour que je livre Madian en leur main, de peur qu’Israël ne se glorifie contre moi, disant : Ma main m’a sauvé. 2 Ary hoy Jehovah tamin'i Gideona: Maro loatra ny vahoaka eo aminao, ka tsy hanolotra ny Midiana eo an-tànany Aho, fandrao hirehareha amiko ny Isiraely ka hanao hoe: Ny tanako ihany no namonjy ahy.
3 Et maintenant, crie aux oreilles du peuple, disant : Quiconque est peureux et tremble, qu’il s’en retourne et s’éloigne de la montagne de Galaad. Et vingt-deux mille [hommes] du peuple s’en retournèrent ; et il en resta dix mille. 3 Koa ankehitriny andeha miantso eo anatrehan'ny vahoaka hoe: Na iza na iza no matahotra sy mangovitra, aoka izy hiverina ka hiala amin'ny tany havoan'i Gileada. Dia niverina ny olona roa arivo sy roa alina; fa ny iray alina no sisa.
4 Et l’Éternel dit à Gédéon : Le peuple est encore nombreux ; fais-les descendre vers l’eau, et là je te les épurerai ; et il arrivera que celui dont je te dirai : Celui-ci ira avec toi, celui-là ira avec toi ; et que chacun de qui je te dirai : Celui-ci n’ira pas avec toi, celui-là n’ira pas. 4 Fa hoy Jehovah tamin'i Gideona: Mbola maro ihany ny olona; koa ampidino ho eo amin'ny rano izy, ary eo no hizahako toetra azy ho anao; ary izay holazaiko aminao hoe: Io no hiaraka aminao, dia izy no hiaraka aminao; ary izay rehetra holazaiko aminao hoe: Io no tsy hiaraka aminao, dia izy kosa no tsy hiaraka aminao.
5 Et il fit descendre le peuple vers l’eau. Et l’Éternel dit à Gédéon : Quiconque lapera l’eau avec sa langue, comme lape le chien, tu le mettras à part, et aussi tous ceux qui se courberont sur leurs genoux pour boire. 5 Ary dia nampidinin'i Gideona ho eo amin'ny rano ny olona; ary hoy Jehovah taminy: Izay rehetra milelaka rano amin'ny lelany tahaka ny filelaky ny amboa dia atokàny, ary izay rehetra mandohalika kosa hisotro dia atokàny koa.
6 Et le nombre de ceux qui lapèrent dans leur main [en la portant] à leur bouche, fut de trois cents hommes ; et tout le reste du peuple se courba sur ses genoux pour boire l’eau. 6 Ary telon-jato lahy no isan'izay nanainga ny tànany tamin'ny vavany ka nilelaka; fa ny olona sisa rehetra dia nandohalika hisotro rano.
7 Et l’Éternel dit à Gédéon : Par les trois cents hommes qui ont lapé [l’eau] je vous sauverai, et je livrerai Madian en ta main ; mais que tout le peuple s’en aille, chacun en son lieu. 7 Ary hoy Jehovah tamin'i Gideona: Ny telon-jato lahy izay nilelaka rano no hamonjeko anareo ka hanolorako ny Midiana eo an-tananao; fa aoka ny olona sisa rehetra samy hody any amin'ny fonenany avy.
8 Et les [trois cents hommes] prirent en leurs mains les vivres du peuple et ses trompettes. Et [Gédéon] renvoya tous les hommes d’Israël, chacun à sa tente, et retint les trois cents hommes. Or le camp de Madian était au-dessous de lui, dans la vallée. 8 Ary ny olona nitondra vatsy* sy ny anjomarany teny an-tànany; ary ny Isiraely sisa dia nalefany hody samy ho any amin'ny lainy avy, fa ny telon-jato lahy ihany no nohazoniny; ary ny tobin'ny Midiana dia teo ambaniny teo an-dohasaha.[Na: Ary nitondra ny vatsin'ny olona ireo]
   
9 Et il arriva, cette nuit-là, que l’Éternel lui dit : Lève-toi ; descends au camp, car je l’ai livré en ta main ; 9 Ary tamin'izany alina izany dia hoy Jehovah tamin'i Gideona: Mitsangàna, midina ho any amin'ny toby ianao; fa efa natolotro eo an-tananao io.
10 et si tu crains d’y descendre, descends vers le camp, toi et Pura, ton jeune homme ; 10 Fa raha matahotra hidina ianao, dia aoka hidina miaraka aminao ho any amin'ny toby Pora zatovonao;
11 et tu entendras ce qu’ils diront, et ensuite tes mains seront fortifiées et tu descendras au camp. Et il descendit, lui et Para, son jeune homme, aux avant-postes* des hommes armés qui étaient dans le camp. 11 dia ho renao izay lazain'ny olona, ary rehefa afaka izany, dia hampaherezina ny tananao hidinanao any amin'ny toby. Dia nidina niaraka tamin'i Pora zatovony izy ho any an-tsisin'ny olona efa voaomana hiady, izay teo amin'ny toby.
12 Et Madian et Amalek et tous les fils de l’orient s’étendaient dans la vallée, nombreux comme des sauterelles ; et leurs chameaux étaient sans nombre, en multitude comme le sable qui est sur le bord de la mer. 12 Ary ny Midiana sy ny Amalekita ary ny zanaky ny atsinanana rehetra dia nandry teny an-dohasaha, tahaka ny valala ny hamarony; ary tsy hita isa ny ramevany, tahaka ny fasika any amoron-dranomasina ny hamarony.
13 Et Gédéon arriva, et voici, un homme racontait un songe à son compagnon ; et il disait : Voici, j’ai songé un songe ; et voici, un gâteau de pain d’orge roulait dans le camp de Madian, et il arriva jusqu’à la tente et la heurta, et elle tomba ; et il la retourna sens dessus dessous, et la tente était là renversée. 13 Ary raha tonga tao Gideona, indro, nisy lehilahy nilaza nofy tamin'ny namany ka nanao hoe: Nanonofy aho, ka, indro, nisy mofo vary hordea nikodiadia ho eo amin'ny tobin'ny Midina ka nankamin'ny lay anankiray, dia nampiongana ka nampivadika azy, ka dia nipetraka teo ny lay.
14 Et son compagnon répondit et dit : Ce n’est pas autre chose que l’épée de Gédéon, fils de Joas, homme d’Israël : Dieu a livré Madian et tout le camp en sa main. 14 Dia namaly ilay namany ka nanao hoe: Tsy zavatra hafa izany, fa ny sabatr'i Gideona, zanak'i Joasy, lehilahy Isiraelita, mihitsy: efa natolotr'Andriamanitra eo an-tànany ny Midiana sy ny toby rehetra.
— v. 11 : litt.: à l’extrémité.  
15 Et il arriva que, lorsque Gédéon entendit le récit du songe et son interprétation, il se prosterna. Et il retourna au camp d’Israël, et dit : Levez-vous, car l’Éternel a livré le camp de Madian en votre main. 15 Ary rehefa ren'i Gideona ny filàzany ny nofy sy ny heviny, dia nivavaka izy; ary niverina ho any amin'ny tobin'ny Isiraely izy ka nanao hoe: Mitsangàna, fa efa natolotr'i Jehovah eo an-tananareo ny tobin'ny Midiana.
16 Et il divisa les trois cents hommes en trois corps, et il leur mit à tous des trompettes à la main, et des cruches vides, et des torches dans les cruches. 16 Dia nozarainy telo toko ny telon-jato lahy, ary samy nomeny anjomara iray avy ho eny an-tànany ary siny tsy nisy rano sy fanilo tao anatin'ny siny.
17 Et il leur dit : Regardez ce que je vais faire, et faites de même ; voici, quand j’arriverai au bout du camp, alors ce que je ferai, vous le ferez de même ; 17 Dia hoy izy taminy: Mijere ahy ianareo, ka manaova araka izay ataoko; ary, indro, raha mankany amin'ny sisin'ny toby aho, dia izay ataoko ihany no mba ataovinareo koa.
18 et quand je sonnerai de la trompette, moi et tous ceux qui sont avec moi, vous aussi vous sonnerez des trompettes autour de tout le camp, et vous direz : Pour l’Éternel et pour Gédéon ! 18 Raha mitsoka ny anjomara izaho sy izay miaraka amiko, dia mba mitsofa ny anjomara manodidina ny toby rehetra koa ianareo, ka miantsoa hoe: An'i Jehovah sy Gideona!
19 Et Gédéon et les cent hommes qui étaient avec lui arrivèrent au bout du camp, au commencement de la veille du milieu [de la nuit] ; on venait seulement de placer les gardes. Et ils sonnèrent des trompettes, et brisèrent les cruches qu’ils avaient à la main ; 19 Dia nankany amin'ny sisin'ny toby tamin'ny fiandohan'ny fiambenana faharoa Gideona sy ny zato lahy izay teo aminy; raha vao nalatsaka ny fiambenana; dia nitsoka ny anjomara ireo sady namaky ny siny teny an-tanany.
20 et les trois corps sonnèrent des trompettes, et brisèrent les cruches : ils tenaient dans leur main gauche les torches, et dans leur main droite les trompettes pour sonner, et criaient : L’épée de l’Éternel et de Gédéon ! 20 Dia mba nitsoka ny anjomara avokoa ny telo toko sady namaky ny sininy, ka nihazona ny fanilo teny an-tànany ankavia ary ny anjomara teny an-tànany ankavanana mba hotsofiny; dia niantso hoe izy: Ny sabatr'i Jehovah sy Gideona!
21 Et ils se tenaient chacun à sa place autour du camp ; et tout le camp se mit à courir, et à pousser des cris, et à fuir. 21 Ary samy nijanona teo amin'ny fitoerany avy manodidina ny toby izy rehetra; dia nihazakazaka ny miaramila rehetra ka ninananana sady nandositra.
22 Et les trois cents hommes sonnaient des trompettes ; et l’Éternel tourna l’épée de chacun contre son compagnon, dans tout le camp. Et le camp s’enfuit jusqu’à Beth-Sitta, vers Tseréra, jusqu’au bord d’Abel-Mehola, près de Tabbath. 22 Dia nitsoka ny anjomara ny telon-jato lahy, ary nampifamelezin'i Jehovah tamin'ny sabatra ny miaramila eran'ny toby rehetra, dia nandositra hatrany Beti-sita izy ka hatrany Zereraha sy hatramin'ny fari-tanin'i Abela-mehola akaiky an'i Tabata.
   
23 Et les hommes d’Israël se rassemblèrent, de Nephthali, et d’Aser et de tout Manassé, et poursuivirent Madian. 23 Dia nivory ny lehilahy amin'ny Isiraely avy tamin'ny Naftaly sy ny Asera ary ny Manase rehetra ka nanenjika ny Midiana.
24 Et Gédéon envoya des messagers dans toute la montagne d’Éphraïm, pour dire : Descendez à la rencontre de Madian, et enlevez-leur les eaux jusqu’à Beth-Bara, et le Jourdain. Et tous les hommes d’Éphraïm se rassemblèrent, et s’emparèrent des eaux jusqu’à Beth-Bara, et du Jourdain. 24 Ary Gideona naniraka olona hitety ny tany havoan'i Efraima rehetra ka nanao hoe: Midina hisakana ny Midiana, ka vonjeo ny rano eo alohany hatrany Beti-bara sy Jordana. Dia nivory ny lehilahy rehetra amin'ny Efraima ka namonjy ny rano hatrany Beti-bara sy Jordana.
25 Et ils prirent les deux princes de Madian, Oreb et Zeëb ; et ils tuèrent Oreb au rocher d’Oreb, et ils tuèrent Zeëb au pressoir de Zeëb. Et ils poursuivirent Madian, et apportèrent les têtes d’Oreb et de Zeëb, à Gédéon, de l’autre côté du Jourdain. 25 Ary nisambotra ny andriana roa lahy amin'ny Midiana izy, dia Oreba sy Zeba, ary Oreba novonoiny teo ambonin'ny vatolampin'i Oreba, ary Zeba novonoiny teo amin'ny famiazam-boalobok'i Zeba, dia nanenjika ny Midiana izy; ary ny lohan'i Oreba sy Zeba dia nentiny tany amin'i Gideona tany an-dafin'i Jordana.
Chapitre 8 Chapitre 8
1 Et les hommes d’Éphraïm lui dirent : Que nous as-tu fait, de ne pas nous avoir appelés lorsque tu es allé faire la guerre contre Madian ? Et ils contestèrent fortement avec lui. 1 Ary hoy ny lehilahy amin'ny Efraima tamin'i Gideona: Ahoana izao zavatra nataonao taminay izao, no tsy nantsoinao izahay, raha nandeha hiady tamin'ny Midiana ianao? Dia nanome tsiny azy mafy ireo.
2 Et il leur dit : Qu’ai-je fait maintenant en comparaison de vous ? Les grappillages d’Éphraïm ne sont-ils pas meilleurs que la vendange d’Abiézer ? 2 Fa hoy Gideona taminy: Zinona izao nataoko izao. raha oharina amin'izay nataonareo? Tsy tsara va ny fitsimponam-boalobok'i Efraima noho ny fiotazam-boalobok'i Abiezera?
3 Dieu a livré en votre main les princes de Madian, Oreb et Zeëb ; et qu’ai-je pu faire en comparaison de vous ? Alors leur esprit s’apaisa envers lui, quand il [leur] eut dit cette parole. 3 Teo an-tananareo no nanoloran'Andriamanitra ny andrianan'ny Midiana, dia Oreba sy Zeba; ary inona no azoko atao, raha oharina amin'ny nataonareo? Ary rehefa nilaza izany teny izany Gideona, dia nitony ny fahatezeran'ireo taminy.
   
4 Et Gédéon vint au Jourdain, [et] le passa, lui et les trois cents hommes qui étaient avec lui, fatigués, mais poursuivant toujours. 4 Ary Gideona nankany Jordana, ka nita izy sy ny telon-jato lahy teo aminy, na dia efa reraka aza, mbola nanenjika ihany.
5 Et il dit aux hommes de Succoth : Donnez, je vous prie, des pains* au peuple qui me suit car ils sont fatigués ; et je poursuis Zébakh et Tsalmunna, rois de Madian. 5 Ary hoy izy tamin'ny mponina tao Sokota: Masìna ianareo, mba omeo mofo ny olona manaraka ahy, fa reraka izy, ary izaho manenjika an'i Zebaha sy Zalmona, mpanjakan'ny Midiana.
6 Et les principaux de Succoth dirent : La paume de Zébakh et celle de Tsalmunna sont-elles déjà en ta main, que nous donnions du pain à ton armée ? 6 Fa hoy ireo andrianan'i Sokota: Moa efa voahazon'ny tananao ankehitriny va ny tànan'i Zebaha sy Zalmona, no homenay mofo ny miaramilamao?
7 Et Gédéon dit : À cause de cela, dès que l’Éternel aura livré Zébakh et Tsalmunna en ma main, je broierai votre chair avec des épines du désert et avec des chardons. 7 Dia hoy Gideona: Rehefa voatolotr'i Jehovah eo an-tanako Zehaba sy Zalmona, dia handalasiko amin'ny tsilo avy any an-efitra sy ny sampivato ny tenanareo*.[Heb. nofonareo]
8 Et de là il monta à Penuel, et leur parla de la même manière. Et les hommes de Penuel lui répondirent comme les hommes de Succoth avaient répondu. 8 Ary niakatra avy teo izy ka nankany Penoela, dia nanao teny tahaka izany koa tamin'ny olona tao; ary ny mponina tao Penoela koa dia namaly azy tahaka ny navalin'ny mponina tao Sokota ihany.
9 Et il parla de même aux hommes de Penuel, en disant : Quand je reviendrai en paix, je démolirai cette tour. 9 Dia niteny tamin'ny mponina tao Penoela izy ka nanao hoe: Raha tafaverina soa aman-tsara aho, dia horavako ity tilikambo ity.
— v. 5 : litt.: des gâteaux de pain.  
10 Et Zébakh et Tsalmunna étaient à Karkor, et leurs camps avec eux, environ quinze mille [hommes], tous ceux qui restaient de tout le camp des fils de l’orient ; car il en était tombé cent vingt mille hommes tirant l’épée. 10 Ary Zebaha sy Zalmona dia tonga tao Karkora mbamin'ny miaramila teo aminy tokony ho dimy arivo sy iray alin-dahy, dia izay sisa rehetra tamin'ny miaramila rehetra an'ny zanaky ny atsinanana; ary ny maty kosa dia roa alina sy iray hetsy, samy lehilahy mpitan-tsabatra* avokoa ireo.[Heb. mpanatsoaka sabatra]
11 Et Gédéon monta par le chemin de ceux qui habitent dans les tentes, à l’orient de Nobakh et de Jogbeha, et il frappa le camp ; et le camp était en sécurité. 11 Ary Gideona niakatra tamin'ny lalan'ny mpitoetra an-day, atsinanan'i Noha sy Jogbeha, ka dia namely ny toby, raha mbola ilay tsy nanampo iny ny olona.
12 Et Zébakh et Tsalmunna s’enfuirent, et il les poursuivit, et prit les deux rois de Madian, Zébakh et Tsalmunna, et mit tout leur camp en déroute. 12 Dia nandositra Zebaha sy Zalmona, ary nanenjika azy ny Isiraely ka nisambotra ny mpanjaka roa tamin'ny Midiana, dia Zebaha sy Zalmona, fa efa nampihorohoroiny avokoa ny toby rehetra.
   
13 Et Gédéon, fils de Joas, revint de la bataille, de la montée de Hérès*. 13 Dia niverina avy tamin'ny ady Gideona, zanak'i Joasy, avy teo amin'ny fiakarana Heresa;
14 Et il saisit un jeune garçon d’entre les hommes de Succoth, et l’interrogea ; et le [garçon] lui mit par écrit les principaux de Succoth et ses anciens, soixante-dix-sept hommes. 14 ary nisambotra zatovo tamin'ny mponina tao Sokota izy ka nanontany azy; dia nosoratan'ilay zatovo ny anaran'ireo andrianan'i Sokota sy ny loholona tao, ka fito amby fito-polo lahy izy.
15 Et il vint vers les hommes de Succoth, et dit : Voici Zébakh et Tsalmunna, au sujet desquels vous m’avez insulté, disant : La paume de Zébakh et celle de Tsalmunna sont-elles déjà en ta main, que nous donnions du pain à tes hommes fatigués ? 15 Ary Gideona dia nankany amin'ny mponina tao Sokota ka nanao hoe: Indreo Zebaha sy Zalmona, izay efa nandatsanareo ahy hoe: Moa efa voahazon'ny tananao ankehitriny va ny tànan'i Zebaha sy Zalmona, no homenay mofo ny olonao efa reraka?
16 Et il prit les anciens de la ville, et des épines du désert et des chardons, et enseigna par eux les hommes de Succoth. 16 Dia naka ny loholona tao an-tanàna izy ary tsilo avy tany an-efitra sy sampivato, ka ireny no namaizany ny mponina tao Sokota.
17 Et il démolit la tour de Penuel, et tua les hommes de la ville. 17 Ary nandrava ny tilikambo tao Penoela koa izy ka namono ny lehilahy tao an-tanàna.
— v. 13 : selon quelques-uns : avant le lever du soleil.  
18 Et il dit à Zébakh et à Tsalmunna : Comment étaient les hommes que vous avez tués à Thabor ? Et ils dirent : Comme toi, tels ils étaient ; chacun d’eux comme la figure d’un fils de roi. 18 Dia hoy izy tamin'i Zebaha sy Zalmona: Lehilahy toy inona ange izay novonoinareo tany Tabara? Ary hoy izy roa lahy: Tahaka anao ihany izy. Nitarehin-janak'andriana avokoa izy rehetra.
19 Et il dit : C’étaient mes frères, fils de ma mère. L’Éternel est vivant, si vous les eussiez laissés vivre, je ne vous tuerais pas ! 19 Ary hoy izy: Rahalahiko, zanaky ny reniko ireo. Raha velona koa Jehovah, dia tsy mba hovonoiko ianareo, raha novelominareo ireo.
20 Et il dit à Jéther, son premier-né : Lève-toi, tue-les. Mais le jeune garçon ne tirait pas son épée, parce qu’il avait peur, car il était encore un jeune garçon. 20 Ary hoy izy tamin'i Jatera lahimatoany: Mitsangàna, ka vonoy izy roa lahy. Fa ilay zatovo tsy nanatsoaka ny sabany, fa natahotra, satria mbola tanora fanahy izy.
21 Et Zébakh et Tsalmunna dirent : Lève-toi, toi-même, et jette-toi sur nous ; car tel qu’est l’homme, telle est sa force. Et Gédéon se leva et tua Zébakh et Tsalmunna, et prit les petites lunes qui étaient aux cous de leurs chameaux. 21 Ary hoy Zebaha sy Zalmona: Aoka ianao no hitsangana hamely anay; fa araka ny toetry ny olona ihany ny heriny. Dia nitsangana Gideona ka namono an'i Zebaha sy Zalmona ary naka ny ravaka sarim-bolan-tsinana, izay teo amin'ny vozon'ny ramevany.
   
22 Et les hommes d’Israël dirent à Gédéon : Domine sur nous, et toi et ton fils, et le fils de ton fils ; car tu nous as sauvés de la main de Madian. 22 Dia hoy ny lehilahy amin'ny Isiraely tamin'i Gideona: Manapaha anay ianao sy ny zanakao ary ny zafinao; fa efa namonjy anay tamin'ny tanan'ny Midiana ianao.
23 Et Gédéon leur dit : Je ne dominerai point sur vous, et mon fils ne dominera point sur vous ; l’Éternel dominera sur vous. 23 Fa hoy Gideona taminy: Tsy hanapaka anareo aho, ary tsy hanapaka anareo koa ny zanako; Jehovah ihany no hanapaka anareo.
24 Et Gédéon leur dit : Je vous ferai une demande : Donnez-moi chacun de vous les anneaux* de son butin. Car [les Madianites] avaient des anneaux d’or, parce qu’ils étaient Ismaélites. 24 Ary hoy koa Gideona taminy: Zavatra iray loha monja no hany mba angatahiko aminareo; aoka samy hanome ahy ny kavina izay avy amin'ny babony avy ianareo (fa nanana kavim-bolamena ireny, satria Isimaelita).
25 Et ils dirent : Nous les donnerons volontiers. Et ils étendirent un manteau, et y jetèrent chacun les anneaux de son butin. 25 Dia hoy kosa ny olona: Eny, fa homenay tokoa izany. Dia namelatra lamba ny olona, ka samy nanipy ny kavina izay avy tamin'ny babony teo.
26 Et le poids des anneaux d’or qu’il avait demandés fut de mille sept cents [sicles] d’or, sans les petites lunes, et les pendants d’oreille, et les vêtements de pourpre dont étaient couverts les rois de Madian, et sans les colliers qui étaient aux cous de leurs chameaux. 26 Ary ny lanjan'ny kavim-bolamena nangatahiny dia sekely volamena fiton-jato amby arivo, afa-tsy ny ravaka sarim-bolan-tsinana sy ny kavina voavola sy ny lamba volomparasy, izay teny amin'ireo mpanjakan'ny Midiana, ary ny rojo, izay teny amin'ny vozon'ny ramevany.
27 Et Gédéon en fit un éphod, et le mit dans sa ville, dans Ophra ; et tout Israël se prostitua là après celui-ci ; et cela devint un piège pour Gédéon et pour sa maison. 27 Dia nataon'i Gideona efoda ireo, ka nataony tao an-tanànany, dia tao Ofra; ary ny Isiraely rehetra nankany nijangajanga nanaraka izany efoda izany; ary tonga fandrika tamin'i Gideona sy ny ankohonany izany.
— v. 24 : anneaux pour les oreilles, ou pour le nez.  
28 Et Madian fut humilié devant les fils d’Israël ; et il ne leva plus sa tête. Et le pays fut en repos quarante ans, aux jours de Gédéon. 28 Dia resy teo anoloan'ny Zanak'Isiraely ny Midiana ka tsy nahatraka ny lohany intsony. Dia nandry efa-polo taona ny tany tamin'ny andron'i Gideona.
   
29 Et Jerubbaal, fils de Joas, s’en alla, et habita dans sa maison. 29 Dia nandeha Jerobala, zanak'i Joasy, ka nitoetra tao an-tranony.
30 Et Gédéon eut soixante-dix fils, issus de ses reins, car il eut beaucoup de femmes. 30 Ary Gideona nanan-janaka fito-polo lahy izay naterany: fa maro vady izy.
31 Et sa concubine qui était à Sichem, elle aussi, lui enfanta un fils ; et il lui donna le nom d’Abimélec. 31 Ary ny vaditsindranony, izay tany Sekema, dia niteraka zazalahy taminy koa, ka ny anarany nataony hoe Abimeleka.
32 Et Gédéon, fils de Joas, mourut dans une bonne vieillesse, et fut enterré dans le sépulcre de Joas, son père, à Ophra des Abiézerites.* 32 Dia maty Gideona. zanak'i Joasy, rehefa tratrantitra tsara, ka nalevina tao amin'ny fasan'i Joasy rainy tao Ofran'ny Abiezrita izy.
— v. 32 : date : A.C. 1234, environ.  
33 Et quand Gédéon fut mort, il arriva que les fils d’Israël retournèrent et se prostituèrent après les Baals, et ils s’établirent Baal-Berith* pour dieu. 33 Ary rehefa maty Gideona, dia nijangajanga nanaraka ireo Bala indray ny Zanak'Isiraely ka nanao an'i Bala-berita ho andriamaniny.
34 Et les fils d’Israël ne se souvinrent pas de l’Éternel, leur Dieu, qui les avait délivrés de la main de tous leurs ennemis tout à l’entour ; 34 Ary ny Zanak'Isiraely tsy nahatsiaro an'i Jehovah Andriamaniny, Izay efa namonjy azy tamin'ny tanan'ny fahavalony rehetra nanodidina,
35 et ils n’usèrent pas de bonté envers la maison de Jerubbaal, [qui est] Gédéon, selon tout le bien qu’il avait fait à Israël. 35 sady tsy nanao soa tamin'ny taranak'i Jerobala (na Gideona), araka izay soa rehetra nataon'i Gideona tamin'ny Isiraely, izy.
— v. 33 : Baal (seigneur) de l’alliance.  
* *
Chapitre 9 Chapitre 9
1 Et Abimélec, fils de Jerubbaal, alla à Sichem, vers les frères de sa mère, et leur parla, et à toute la famille de la maison du père de sa mère, en disant : 1 [Ny ratsy nataon'i Abimeleka, sy ny nanjo azy] Ary Abimeleka, zanak'i Jerobala, dia nandeha nankany Sekema tany amin'ny anadahin-dreniny ka niresaka taminy sy tamin'izay rehetra isan'ny fianakavian-dreniny nanao hoe:
2 Dites, je vous prie, aux oreilles de tous les hommes* de Sichem : Lequel est le meilleur pour vous, que soixante-dix hommes, tous fils de Jerubbaal, dominent sur vous, ou qu’un seul homme domine sur vous ? Et souvenez-vous quoi que je suis votre os et votre chair. 2 Mba mitenena ianareo eo anatrehan'ny mponina rehetra eto Sekema hoe: Iza no tsara ho anareo: ny hiarahan'izy fito-polo lahy zanak'i Jerobala manjaka aminareo va, sa ny hanjakan'ny lehilahy iray? Koa tsarovy fa taolanareo sy nofonareo aho.
3 Et les frères de sa mère dirent de lui toutes ces paroles aux oreilles de tous les hommes de Sichem ; et leur cœur fut incliné vers Abimélec, car ils dirent : Il est notre frère. 3 Ary ny anadahin-dreniny nilaza azy teo anatrehan'ny mponina rehetra tao Sekema ka nanao izany teny rehetra izany; koa ny fon'ireo dia ta-hanaraka an'i Abimeleka, fa hoy izy: Rahalahintsika izy.
4 Et ils lui donnèrent soixante-dix [pièces] d’argent tirées de la maison de Baal-Berith ; et Abimélec loua avec elles des hommes légers et téméraires, et ils le suivirent. 4 Dia nomeny sekely volafotsy fito-polo avy tao an-tranon'i Bala-berita izy, ary nanambazan'i Abimeleka olom-poana sy marivo salosana izany, ka dia nanaraka azy ireo.
5 Et il vint à la maison de son père, à Ophra, et tua sur une seule pierre ses frères, les fils de Jerubbaal, soixante-dix hommes ; mais Jotham, le plus jeune fils de Jerubbaal, demeura de reste, car il s’était caché. 5 Dia nankany an-tranon-drainy tany Ofra izy ka namono ny rahalahiny fito-polo lahy, zanak'i Jerobala, teo ambonin'ny vato iray; ary Jotama, faralahin'i Jerobala, no sisa velona. satria niery izy.
— v. 2 : hommes [de Sichem], ici et jusqu’au verset 39, proprement : maîtres, possesseurs.  
6 Et tous les hommes de Sichem s’assemblèrent, et toute la maison de Millo*, et ils allèrent, et établirent roi Abimélec, près du chêne du monument** qui est à Sichem. 6 Dia nivory ny mponina rehetra tao Sekema sy ny olona rehetra tao Milo* ka nandeha nampanjaka an'i Abimeleka teo anilan'ny hazo terebinta, akaikin'ny tsangambato** any Sekema.[*Heb. fiarovana][**Na: rovan'ny miaramila]
7 Et on le rapporta à Jotham. Et il s’en alla, et se tint sur le sommet de la montagne de Garizim ; et il éleva sa voix et cria, et leur dit : Écoutez-moi, hommes de Sichem, et Dieu vous écoutera ! 7 Ary nisy nilaza izany tamin'i Jotama, dia nandeha izy ka nitsangana teo an-tampon'ny tendrombohitra Gerizima, ary nanandratra ny feony ka niantso hoe: Mihainoa, ahy ianareo mponina ao Sekema mba hihainoan'Andriamanitra anareo kosa.
8 Les arbres allèrent pour oindre un roi sur eux ; et ils dirent à l’olivier : Règne sur nous. 8 Niainga, hono, ny hazo hanosotra mpanjaka hanjaka aminy; ka hoy izy tamin'ny oliva: Manjaka aminay ianao.
9 Et l’olivier leur dit : Laisserais-je ma graisse, par laquelle on honore par moi Dieu et les hommes, et irais-je m’agiter pour les arbres ? 9 Fa hoy ny oliva taminy: Ho foiko va ny diloiloko, izay ankalazan'ireny andriamanitra sy ny olona ahy, ka handeha hitsingevingevina erỳ ambony hazo aho?
10 Et les arbres dirent au figuier : Viens, toi, règne sur nous. 10 Ary hoy ny hazo tamin'ny aviavy*: Avia ianao ka manjakà aminay.[aviavimbazaha]
11 Et le figuier leur dit : Laisserais-je ma douceur et mon bon fruit, et irais-je m’agiter pour les arbres ? 11 Dia hoy ny aviavy* taminy: Ho foiko va ny fahamamiako sy ny vokatro tsara, ka handeha hitsingevingevina erỳ ambony hazo aho? [aviavimbazaha]
12 Et les arbres dirent à la vigne : Viens, toi, règne sur nous. 12 Dia hoy ny hazo tamin'ny voaloboka: Avia ianao, ka manjakà aminay.
13 Et la vigne leur dit : Laisserais-je mon moût qui réjouit Dieu et les hommes, et irais-je m’agiter pour les arbres ? 13 Fa hoy ny voaloboka taminy: Ho foiko va ny ranoko, izay mahafaly an'Andriamanitra sy ny olona, ka handeha hitsingevingevina erỳ ambony hazo aho?
14 Et tous les arbres dirent à l’épine : Viens, toi, règne sur nous. 14 Ary hoy ny hazo rehetra tamin'ny tsilo: Avia ianao, ka manjakà aminay.
15 Et l’épine dit aux arbres : Si vraiment vous voulez m’oindre roi sur vous, venez, mettez votre confiance en mon ombre ; sinon, un feu sortira de l’épine, et dévorera les cèdres du Liban. 15 Fa hoy ny tsilo tamin'ny hazo: Raha hohosoranareo ho mpanjakanareo tokoa ary aho, dia avia ianareo ka mialofa ato amin'ny alokaloko; fa raha tsy izany, aoka hisy afo hivoaka avy amin'ny tsilo ka handevona ny sederan'i Libanona.
16 — Et maintenant, si vous avez agi avec vérité et en intégrité* en établissant roi Abimélec, et si vous avez bien fait envers Jerubbaal et envers sa maison, et si vous lui avez fait selon les actes de ses mains ; 16 Koa ankehitriny, raha marina sy mahitsy ny nataonareo tamin'ny nampanjakanareo an'i Abimeleka, ary raha soa no nataonareo tamin'i Jerobala sy ny taranany, ka novalianareo araka izay nataon'ny tànany izy
17 (car mon père a combattu pour vous, et a exposé* sa vie, et vous a délivrés de la main de Madian. 17 (fa ny raiko niady ho anareo sady nanao ny ainy tsy ho zavatra ka namonjy anareo tamin'ny tanan'ny Midiana;
18 — et vous vous êtes levés aujourd’hui contre la maison de mon père, et vous avez tué ses fils, soixante-dix hommes, sur une seule pierre et vous avez établi roi Abimélec, fils de sa servante, sur les hommes de Sichem, parce qu’il est votre frère) ; 18 nefa ianareo kosa niodina tamin'ny taranaky ny raiko androany ka namono ny zanany fito-polo lahy teo ambonin'ny vato iray, ary Abimeleka, zanaky ny ankizivaviny, no nampanjakainareo tamin'ny mponina ao Sekema, satria rahalahinareo izy),
19 si donc vous avez agi aujourd’hui avec vérité et en intégrité* envers Jerubbaal et envers sa maison, réjouissez-vous en Abimélec, et que lui aussi se réjouisse en vous ; 19 koa raha marina sy mahitsy ny nataonareo androany tamin'i Jerobala sy ny zanany, dia mifalia amin'i Abimeleka ianareo, ary aoka izy kosa hifaly aminareo.
20 sinon, qu’un feu sorte d’Abimélec, et qu’il dévore les hommes de Sichem et la maison de Millo ; et qu’un feu sorte des hommes de Sichem et de la maison de Millo, et qu’il dévore Abimélec ! 20 Fa raha tsy izany kosa, dia aoka hisy afo hivoaka avy amin'i Abimeleka ka handevona ny mponina ao Sekema sy ny olona ao Milo*; ary aoka koa hisy afo hivoaka avy amin'ny mponina ao Sekema sy ny olona ao Milo ka handevona an'i Abimeleka.[Heb. fiarovana]
21 Et Jotham s’échappa et s’enfuit, et alla à Beër, et habita, à cause d’Abimélec son frère. 21 Dia riatra nandositra Jotama ka nankany Bera ary nitoetra teo mba hiery an'i Abimeleka rahalahiny.
— v. 6* : de la citadelle ; comparer verset 46. — v. 6** : quelques-uns : corps de garde. — v. 16, 19 : ailleurs aussi : perfection (voir Josué 24:14). — v. 17 : litt.: jeté devant [lui].  
22 Et Abimélec fut prince sur Israël, trois ans. 22 Ary rehefa nanapaka telo taona tamin'ny Isiraely Abimeleka,
23 Et Dieu envoya un mauvais esprit entre Abimélec et les hommes de Sichem ; et les hommes de Sichem agirent perfidement envers Abimélec, 23 Andriamanitra dia naniraka fanahy ratsy tamin'i Abimeleka sy ny mponina tao Sekema; ary ny mponina tao Sekema dia nivadika nahafoy an'i Abimeleka,
24 afin que la violence commise sur les soixante-dix fils de Jerubbaal vînt [sur lui], et que leur sang fût mis sur Abimélec, leur frère, qui les avait tués, et sur les hommes de Sichem, qui avaient fortifié ses mains pour tuer ses frères. 24 mba hitsingerenan'ny loza natao tamin'ny namonoana* ny zanak'i Jerobala fito-polo lahy ka hanody an'i Abimeleka rahalahiny izay namono azy, sy ny mponina tao Sekema, izay nampahery ny tànany hamono ny rahalahiny.[Heb. ran']
25 Et les hommes de Sichem placèrent contre lui des gens en embuscade sur les sommets des montagnes, et ils pillaient tous ceux qui passaient près d’eux sur le chemin ; et cela fut rapporté à Abimélec. 25 Ary nanaovan'ny mponina tao Sekema otrika tany an-tampon-tendrombohitra izy, dia nobaboin'ny otrika izay rehetra nandalo tamin'izany lalana izany; ary nolazaina tamin'i Abimeleka izany.
   
26 Et Gaal, fils d’Ébed, vint avec ses frères, et ils passèrent à Sichem ; et les hommes de Sichem eurent confiance en lui. 26 Dia tonga tao Gala, zanak'i Ebeda, sy ny rahalahiny ka nankany Sekema, ary ny mponina tao Sekema natoky azy.
27 Et ils sortirent aux champs, et vendangèrent leurs vignes, et foulèrent [le raisin], et firent joyeuse fête* et entrèrent dans la maison de leur dieu, et mangèrent et burent, et maudirent Abimélec. 27 Dia nivoaka ho any an-tsaha izy ka nioty ny voalobony ary nanosihosy azy, dia nanao fanati-piderana ka niditra tao an-tranon'ny andriamaniny izy, dia nihinana sy nisotro ary nanozona an'i Abimeleka.
28 Et Gaal, fils d’Ebed, dit : Qui est Abimélec, et qui est Sichem, que nous le servions ? N’est-il pas fils de Jerubbaal ? et Zebul n’est-il pas son lieutenant ? Servez les hommes de Hamor, père de Sichem ! Mais nous, pourquoi le servirions-nous ? 28 Ary hoy Gala, zanak'i Ebeda: Iza moa Abimeleka, ary iza moa Sekema, no hotompointsika? Tsy zanak'i Jerobala va izy? ary tsy Zebola va no lefiny? Manompoa ny taranak'i Hamora, rain'i Sekema; fa nahoana no hanompo io isika?
29 Oh ! que n’ai-je ce peuple sous ma main, et j’ôterais Abimélec ! Et il dit d’Abimélec : Augmente ton armée, et sors. 29 Ary enga anie ka ho eo ambanin'ny tanako ireto olona ireto! dia hesoriko Abimeleka. Dia hoy izy tamin'i Abimeleka: Hamaroy ny miaramilanao ka mivoaha.
— v. 27 : proprement : des chants de louange.  
30 Et Zebul, chef de la ville, entendit les paroles de Gaal, fils d’Ébed, et sa colère s’embrasa. 30 Ary rehefa ren'i Zebola, komandin'ny tanàna, ny tenin'i Gala, zanak'i Ebeda, dia nirehitra ny fahatezerany.
31 Et il envoya astucieusement* des messagers à Abimélec, disant : Voici, Gaal, fils d’Ébed, et ses frères, sont venus à Sichem ; et voici, ils ferment** la ville contre toi. 31 Dia naniraka olona mangingina tany amin'i Abimeleka izy hanao hoe: Indro, Gala, zanak'i Ebeda, sy ny rahalahiny dia tonga ato Sekema; ary, indro, mandrendrika ny ato an-tanàna hiodina aminao izy.
32 Et maintenant, lève-toi de nuit, toi et le peuple qui est avec toi, et mets-toi en embuscade dans la campagne. 32 Koa ankehitriny, miaingà alina ianao sy ny vahoaka eo aminao, ka manotreha any an-tsaha.
33 Et le matin, tu te lèveras de bonne heure, au lever du soleil, et tu fondras sur la ville ; et voici, Gaal* et le peuple qui est avec lui sortiront contre toi, et tu lui feras selon ce que ta main rencontrera. 33 Ary raha maraina, raha vao miposaka ny masoandro, dia mifohaza maraina koa ianao, ka miroata hamely ny tanàna; ary, indro, raha mivoaka hiady aminao izy sy ny vahoaka eo aminy, dia ataovy aminy izay zakan'ny tananao.
34 Et Abimélec se leva de nuit, et tout le peuple qui était avec lui, et ils se mirent en embuscade contre Sichem, en quatre corps. 34 Dia niainga alina Abimeleka sy ny vahoaka rehetra teo aminy ka nanao otrika efa-toko tandrifin'i Sekema,
35 Et Gaal fils d’Ébed, sortit, et se tint à l’entrée de la porte de la ville ; et Abimélec et le peuple qui était avec lui se levèrent de l’embuscade. 35 Dia nivoaka Gala, zanak'i Ebeda, ka nijanona teo anoloan'ny vavahadin'ny tanàna; dia niroatra avy tao ampanotrehana Abimeleka sy ny vahoaka teo aminy.
36 Et Gaal vit le peuple, et il dit à Zebul : Voici du peuple qui descend du sommet des montagnes. Et Zebul lui dit : C’est l’ombre des montagnes, que tu vois comme des hommes. 36 Ary rehefa hitan'i Gala ny olona, dia hoy izy tamin'i Zebola: Indreo, misy olona midina avy eny an-tampon'ny tendrombohitra. Fa hoy Zebola taminy: Ny aloky ny tendrombohitra no hitanao ka toa olona.
37 Et Gaal parla encore, et dit : Voici du peuple qui descend du haut du pays, et un corps vient par le chemin du chêne des pronostiqueurs. 37 Dia niteny indray Gala ka nanao hoe: Indreo, misy olona eo amin'ny havoana, ary, indreo misy, antokony hafa mandeha amin'ny lalana eo amin'ny hazo terebinta Meonenima*.[Heb. mpanandro]
38 Et Zebul lui dit : Où est maintenant ta bouche, toi qui disais : Qui est Abimélec, que nous le servions ? N’est-ce pas là le peuple que tu as méprisé ? Sors maintenant, je te prie, et combats contre lui. 38 Dia hoy Zebola taminy: Aiza ny vavanao izay niteny hoe: Iza moa Abimeleka, no hotompointsika? Tsy ireo va no olona izay nohamavoinao? Mivoaha ankehitriny ka miadia aminy.
39 Et Gaal sortit devant les hommes de Sichem, et combattit contre Abimélec. 39 Dia nivoaka teo anoloan'ny mponina tao Sekema Gala ka niady tamin'i Abimeleka.
40 Et Abimélec le poursuivit, et il s’enfuit devant lui, et un grand nombre tombèrent tués jusqu’à l’entrée de la porte. 40 Dia nanenjika azy Abimeleka, ary nandositra teo anoloany izy, ka maro ny faty niampatrampatra hatreny anoloan'ny vavahady aza.
41 Et Abimélec resta à Aruma ; et Zebul chassa Gaal et ses frères, de sorte qu’ils ne demeurèrent plus à Sichem. 41 Ary Abimeleka nonina tany Aroma; ary Zebola nandroaka an'i Gala sy ny rahalahiny mba tsy honina any Sekema intsony.
— v. 31* : quelques-uns : à Thorma. — v. 31** : selon d’autres : soulèvent. — v. 33 : hébreu : lui.  
42 Et il arriva le lendemain que le peuple sortit dans la campagne ; et cela fut rapporté à Abimélec. 42 Ary nony ampitson'iny dia nivoaka ho ratsy any an-tsaha ny olona; ary nolazaina tamin'i Abimeleka izany,
43 Et il prit ses gens, et les divisa en trois corps, et les mit* en embuscade dans la campagne. Et il regarda, et voici, le peuple sortait de la ville : et il se leva contre eux et les frappa. 43 Dia naka ny vahoaka izy ka nizara azy ho telo toko ary nanotrika tany an-tsaha; dia nijery izy, ka, indreo, ny olona nivoaka avy tao an-tanàna; dia nitsangana hiady aminy izy ka namely azy.
44 Et Abimélec et les corps qui étaient avec lui se précipitèrent* et se tinrent à l’entrée de la porte de la ville, et deux des corps se précipitèrent sur tous ceux qui étaient dans la campagne et les frappèrent. 44 Ary Abimeleka sy ny antokony izay teo aminy dia niroatra ka nitsangana teo anoloan'ny vavahadin-tanàna; ary ny roa toko kosa niroatra namely ny vahoaka rehetra tany an-tsaha ka namono azy.
45 Et Abimélec combattit tout ce jour-là contre la ville ; et il prit la ville, et tua le peuple qui y était ; et il démolit la ville, et y sema du sel. 45 Ary Abimeleka namely ny tanàna mandritra izany andro izany, dia nahafaka ny tanàna ka namono ny olona tao; ary noravany ny tanàna sady nofafazany sira.
— v. 43 : ou : se mit. — v. 44 : ailleurs aussi : se répandirent.  
46 Et tous les hommes* de la tour de Sichem apprirent cela, et ils entrèrent dans le donjon de la maison du dieu** Berith. 46 Ary nony nandre izany ny olona rehetra tao amin'ny tilikambo tao Sekema, dia niditra tao amin'ny efi-trano fierena tao an-tranon'i Berita andriamaniny izy.
47 Et on rapporta à Abimélec que tous les hommes* de la tour de Sichem s’étaient rassemblés. 47 Ary nolazaina tamin'i Abimeleka fa tafangona tao amin'ny tilikambo tao Sekema ny olona rehetra.
48 Et Abimélec monta sur la montagne de Tsalmon, lui et tout le peuple qui était avec lui. Et Abimélec prit des haches avec lui et coupa une branche d’arbre, et l’enleva, et la mit sur son épaule, et dit au peuple qui était avec lui : Ce que vous m’avez vu faire, hâtez-vous, faites-le comme moi ! 48 Ary Abimeleka sy ny vahoaka teo aminy dia niakatra tany an-tendrombohitra Zalmona; ary Abimeleka nitondra famaky teny an-tànany, dia nikapa sampan-kazo, ka nobetainy izany, dia nolanjainy teny an-tsorony, ary hoy izy tamin'ny vahoaka teo aminy: Izay hitanareo ataoko, dia mba manaova faingana toy izany koa ianareo.
49 Et tout le peuple aussi coupa chacun sa branche ; et ils suivirent Abimélec, et mirent [les branches] contre le donjon, et ils brûlèrent par le feu le donjon sur eux. Et tous les hommes de la tour de Sichem moururent aussi, un millier d’hommes et de femmes. 49 Koa samy nikapa sampan-kazo avy ny vahoaka rehetra ka nanaraka an'i Abimeleka, dia nametraka izany teo an-trano fiarovana ka nandoro azy tamin'ny afo, raha mbola tao ny olona, ka maty koa ny olona rehetra tao amin'ny tilikambo tao Sekema, na lehilahy na vehivavy, tokony ho arivo no isany.
— v. 46* : hommes [de Sichem], ici, proprement : maîtres, possesseurs. — v. 46** : hébreu : El.  
50 Et Abimélec s’en alla à Thébets, et campa contre Thébets et la prit. 50 Dia nandeha Abimeleka nankany Tebeza ary nitoby tandrifin'i Tebeza ka nahafaka azy.
51 Et il y avait une tour forte au milieu de la ville ; et tous les hommes et toutes les femmes s’y enfuirent, tous les hommes* de la ville ; et ils fermèrent derrière eux, et montèrent sur le toit de la tour. 51 Fa nisy tilikambo mafy tao anatin'ny tanàna, ka nandositra tao ny lehilahy rehetra sy ny vehivavy ary izay rehetra tao an-tanàna ka nihidy tao, dia niakatra teo an-tampon'ny tilikambo izy.
52 Et Abimélec vint jusqu’à la tour, et l’attaqua ; et il s’avança jusqu’à l’entrée de la tour pour la brûler par le feu ; 52 Ary Abimeleka nankany amin'ny tilikambo ka namely azy, dia nanatona ny varavaran'ny tilikambo izy handoro azy amin'ny afo.
53 et une femme jeta sur la tête d’Abimélec une meule tournante*, et lui brisa le crâne. 53 Fa nisy vehivavy anankiray, nanjera vato* fikosoham-bary tamin'ny lohan'i Abimeleka ka nahavaky ny karan-dohany.[Heb. vato ambony]
54 Et il appela en hâte le jeune homme qui portait ses armes, et lui dit : Tire ton épée et tue-moi, de peur qu’on ne dise de moi : Une femme l’a tué. Et son jeune homme le transperça, et il mourut. 54 Dia nantsoin'i Abimeleka faingana ny zatovo, mpitondra ny fiadiany, ka hoy izy taminy: Tsoahy ny sabatrao, ka vonoy aho, mba tsy hanaovan'ny olona ahy hoe: Vehivavy no nahafaty azy. Dia namely azy miboroaka ilay zatovo, ka maty izy.
   
55 Et quand les hommes d’Israël virent qu’Abimélec était mort, ils s’en allèrent chacun en son lieu. 55 Ary rehefa hitan'ny lehilahy amin'ny Isiraely fa maty Abimeleka, dia samy lasa nandeha ho any amin'ny fonenany avy izy.
56 Et Dieu fit retomber sur Abimélec le mal qu’il avait fait à son père en tuant ses soixante-dix frères ; 56 Izany no namalian'Andriamanitra ny ratsy nataon'i Abimeleka, izay efa nataony tamin'ny rainy tamin'ny namonoany ny rahalahiny fito-polo lahy.
57 et tout le mal des hommes de Sichem, Dieu le fit retomber sur leurs têtes ; et la malédiction de Jotham, fils de Jerubbaal, vint sur eux. * 57 Ary ny ratsy rehetra nataon'ny mponina tao Sekema dia natsingerin'Andriamanitra tamin'ny lohany avokoa, ka dia nihatra taminy ilay fanozonana nataon'i Jotama, zanak'i Jerobala.
— v. 51 : hommes [de Sichem], ici, proprement : maîtres, possesseurs. — v. 53 : voir note à Deut. 24:6. — v. 57 : date : A.C. 1231, environ.  
* *
Chapitre 10 Chapitre 10
1 Et après Abimélec, Thola, fils de Pua, fils de Dodo, homme d’Issacar, se leva pour sauver Israël ; et il habitait à Shamir, dans la montagne d’Éphraïm. 1 [Ny tantaran'i Tola sy Jaïra] Ary taorian'i Abimeleka dia nitsangana hamonjy ny Isiraely Tola, zanak'i Dodo, lehilahy avy tamin'ny Isakara; ary mponina tao Samira any amin'ny tany havoan'i Efraima izy.
2 Et il jugea Israël vingt-trois ans ; et il mourut, et fut enterré à Shamir. 2 Ary nitsara ny Isiraely telo amby roa-polo taona izy, dia maty ka nalevina tao Samira.
   
3 Et après lui, se leva Jaïr, le Galaadite ; et il jugea Israël vingt-deux ans. 3 Ary nitsangana nandimby azy Jaïra Gileadita ka nitsara ny Isiraely roa amby roa-polo taona.
4 Et il avait trente fils, qui montaient sur trente ânons ; et ils avaient trente villes qu’on a nommées jusqu’à aujourd’hui les bourgs de Jaïr*, lesquels sont dans le pays de Galaad. 4 Ary nanana zanakalahy telo-polo izay nitaingina zana-boriky telo-polo izy, ary izy ireo nanana tanàna telo-polo any amin'ny tany Gileada; ary atao hoe Havota-jaïra* mandraka androany ireo.[Havota-jaïra = Tanàna madinika an'i Jaïra]
5 Et Jaïr mourut, et fut enterré à Kamon.* 5 Dia maty Jaïra ka nalevina tany Kamona.
— v. 4 : ou : Havoth-Jaïr. — v. 5 : date : A.C. 1186, environ.  
* *
6 Et les fils d’Israël firent de nouveau ce qui est mauvais aux yeux de l’Éternel, et ils servirent les Baals, et les Ashtoreths*, et les dieux de Syrie**, et les dieux de Sidon, et les dieux de Moab, et les dieux des fils d’Ammon, et les dieux des Philistins ; et ils abandonnèrent l’Éternel et ne le servirent pas. 6 [Ny nihemoran'ny Isiraely indray, sy ny namalian'Andriamanitra azy] Ary ny Zanak'Isiraely dia nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah indray ka nanompo ireo Bala sy Astarta sy ny andriamanitr'i Syria sy ny andriamanitr'i Sidona sy ny andriamanitr'i Moaba sy ny andriamanitry ny taranak'i Amona ary ny andriamanitry ny Filistina, dia nahafoy an'i Jehovah izy ka tsy nanompo Azy.
7 Et la colère de l’Éternel s’embrasa contre Israël, et il les vendit en la main des Philistins et en la main des fils d’Ammon, qui opprimèrent et écrasèrent les fils d’Israël cette année-là ; 7 Dia nirehitra tamin'ny Isiraely ny fahatezeran'i Jehovah, ka nivarotra azy ho eo an-tànan'ny Filistina sy ho eo an-tànan'ny taranak'i Amona Izy.
8 pendant dix-huit ans [ils écrasèrent] tous les fils d’Israël qui étaient au delà du Jourdain, dans le pays des Amoréens, qui est en Galaad. 8 Ary nampahory sy nanorotoro ny Zanak'Isiraely ireo tamin'izany taona izany: valo ambin'ny folo taona no nampahoriany ny Zanak'Isiraely rehetra, izay tany an-dafin'i Jordana, tany amin'ny tanin'ny Amorita any Gileada.
9 Et les fils d’Ammon passèrent le Jourdain pour faire la guerre aussi contre Juda et contre Benjamin, et contre la maison d’Éphraïm. Et Israël fut dans une grande détresse. 9 Ary nita an'i Jordana ny taranak'i Amona mba hiady koa amin'ny Joda sy ny Benjamina ary ny taranak'i Efraima; ka dia nahantra indrindra ny Isiraely.
— v. 6* : voir les notes à 2:11, 13. — v. 6** : hébreu : Aram.  
10 Et les fils d’Israël crièrent à l’Éternel, disant : Nous avons péché contre toi ; car nous avons abandonné notre Dieu, et nous avons servi les Baals. 10 Dia nitaraina tamin'i Jehovah ny Zanak'Isiraely ka nanao hoe: Efa nanota taminao izahay, satria efa nahafoy an'Andriamanitray ka nanompo ireo Bala.
11 Et l’Éternel dit aux fils d’Israël : [Ne vous ai-je] pas [délivrés] des Égyptiens, et des Amoréens, des fils d’Ammon, et des Philistins ? 11 Ary hoy Jehovah tamin'ny Zanak'Isiraely: Moa tsy efa namonjy anareo tamin'ny tanan'ny Egyptiana sy ny Amorita sy ny taranak'i Amona ary ny Filistina va Aho?
12 Et les Sidoniens, et Amalek, et Maon, vous ont opprimés, et vous avez crié vers moi, et je vous ai sauvés de leur main. 12 Ary nampahory anareo koa ny Sidoniana sy ny Amalekita ary ny Maonita, ka nitaraina tamiko ianareo, dia novonjeko tamin'ny tànany.
13 Mais vous, vous m’avez abandonné, et vous avez servi d’autres dieux ; c’est pourquoi je ne vous sauverai plus. 13 Nefa ianareo nahafoy Ahy ka nanompo andriamani-kafa; koa izany kosa no tsy hamonjeko anareo intsony.
14 Allez, et criez aux dieux que vous avez choisis ; eux, vous sauveront au temps de votre détresse ! 14 Mandehana, ka mitaraina amin'ireo andriamanitra efa nofidinareo; aoka ireo no hamonjy anareo amin'ny andron'ny fahantranareo.
15 Et les fils d’Israël dirent à l’Éternel : Nous avons péché ; fais-nous selon tout ce qui sera bon à tes yeux ; seulement, nous te prions, délivre-nous ce jour-ci. 15 Ary hoy ny Zanak'Isiraely tamin'i Jehovah: Efa nanota izahay; ataovy aminay izay rehetra sitrakao; kanefa mba vonjeo ihany izahay anio.
16 Et ils ôtèrent du milieu d’eux les dieux étrangers, et servirent l’Éternel ; et son âme fut en peine de la misère d’Israël. 16 Dia nanary ireo andriamani-kafa tao aminy izy ka nanompo an'i Jehovah; dia tsy nahatsindry ny fanahiny intsony Jehovah noho ny fahantran'ny Isiraely.
17 Et les fils d’Ammon se rassemblèrent, et campèrent en Galaad ; et les fils d’Israël s’assemblèrent, et campèrent à Mitspa. 17 [Ny tantaran'i Jefta, sy ny nandreseny ny Amonita] Dia nivory ny taranak'i Amona ka nitoby tany Gileada. Ary nivory kosa ny Zanak'Isiraely ka nitoby tany Mizpa.
18 Et le peuple, les princes de Galaad, se dirent l’un à l’autre : Quel est l’homme qui commencera à faire la guerre contre les fils d’Ammon ? Il sera chef de tous les habitants de Galaad. 18 Dia nifampiera ny olona, dia ireo andrianan'i Gileada, hoe: Iza no lehilahy handeha voalohany hiady amin'ny taranak'i Amona? dia ho lohany amin'ny mponina rehetra any Gileada izy.
Chapitre 11 Chapitre 11
1 Or Jephthé, le Galaadite, était un fort et vaillant homme, et il était fils d’une prostituée ; et Galaad avait engendré Jephthé. 1 Ary Jefta Gileadita dia lehilahy mahery sy zanaky ny vehivavy janga; ary Gileada no rainy niteraka azy.
2 Et la femme de Galaad lui enfanta des fils ; et les fils de sa femme grandirent, et chassèrent Jephthé, et lui dirent : Tu n’auras point d’héritage dans la maison de notre père ; car toi, tu es fils d’une autre femme*. 2 Ary ny vadin'i Gileada dia niteraka zazalahy maro taminy; ary nony efa lehibe ireo zana-badiny ireo, dia nandroaka an'i Jefta ka nanao taminy hoe: Tsy handova eto amin'ny taranaky ny rainay ianao, fa zanaky ny vehivavy hafa.
3 Et Jephthé s’enfuit de devant ses frères, et habita dans le pays de Tob ; et des hommes légers se ramassèrent autour de Jephthé, et ils entraient en campagne* avec lui. 3 Ary Jefta nandositra ny rahalahiny ka nonina tany amin'ny tany Toba; dia nisy olom-poana nivory teo amin'i Jefta ka niaraka taminy.
— v. 2 : peut-être : femme étrangère. — v. 3 : litt.: sortaient.  
4 Et il arriva, quelque temps après, que les fils d’Ammon firent la guerre à Israël : 4 Ary nony ela, dia nanafika ny Zanak'Isiraely ny taranak'i Amona.
5 et comme les fils d’Ammon faisaient la guerre à Israël, les anciens de Galaad allèrent pour amener Jephthé du pays de Tob. 5 Ary rehefa nanafika ny Isiraely ny taranak'i Amona, dia nandeha ny loholon'i Gileada haka an'i Jefta hiala any amin'ny tany Toba.
6 Et ils dirent à Jephthé : Viens, et tu seras notre capitaine, et nous combattrons contre les fils d’Ammon.* 6 Ary hoy izy ireo taminy: Avia ho mpitarika anay ianao, hiadiantsika amin'ny taranak'i Amona.
7 Et Jephthé dit aux anciens de Galaad : N’est-ce pas vous qui m’avez haï et qui m’avez chassé de la maison de mon père ? Et pourquoi venez-vous à moi, maintenant que vous êtes dans la détresse ? 7 Fa hoy Jefta tamin'ny loholon'i Gileada: Tsy efa nankahala ahy va ianareo ka nandroaka ahy hiala tao an-tranon'ny raiko? Koa nahoana no mankaty amiko indray ianareo ankehitriny, nony azom-pahoriana?
8 Et les anciens de Galaad dirent à Jephthé : C’est pour ceci que nous sommes maintenant revenus vers toi, afin que tu viennes avec nous, et que tu fasses la guerre contre les fils d’Ammon ; et tu seras notre chef, à nous tous, les habitants de Galaad. 8 Dia hoy ny loholon'i Gileada tamin'i Jefta: Izany no iverenanay atỳ aminao ankehitriny, mba handehananao miaraka aminay, sy hiadianao amin'ny taranak'i Amona, ka dia ho lohany aminay mponina rehetra any Gileada ianao.
9 Et Jephthé dit aux anciens de Galaad : Si vous me ramenez pour faire la guerre contre les fils d’Ammon et que l’Éternel les livre devant moi, serai-je votre chef ? 9 Dia hoy Jefta tamin'ny loholon'i Gileada: Raha ho entinareo mody indray aho mba hiady amin'ny taranak'i Amona, ka hatolotr'i Jehovah eo anoloako ireny, dia izaho hoe no ho lohany aminareo?
10 Et les anciens de Galaad dirent à Jephthé : L’Éternel est témoin* entre nous si nous ne faisons pas selon ce que tu as dit ! 10 Dia hoy ny loholon'i Gileada tamin'i Jefta: Jehovah no ho vavolombelona amintsika, raha tsy hataonay araka izany teninao izany.
11 Et Jephthé alla avec les anciens de Galaad, et le peuple l’établit chef et capitaine sur lui. Et Jephthé prononça toutes ses paroles devant l’Éternel, à Mitspa. 11 Dia nandeha Jefta niaraka tamin'ny loholon'i Gileada, ka dia nasandratry ny vahoaka ho lohany sy ho mpitarika azy izy; ary Jefta nilaza ny teniny rehetra teo anatrehan'i Jehovah tao Mizpa.
. — v. 6 : date : A.C. 1168, environ. — v. 10 : litt.: entend.  
12 Et Jephthé envoya des messagers au roi des fils d’Ammon, disant : Qu’y a-t-il entre moi et toi, que tu viennes contre moi pour faire la guerre à mon pays ? 12 Dia naniraka olona Jefta nankamin'ny mpanjakan'ny taranak'i Amona hanao hoe: Moa mifaninona akory izaho sy ianao, no tonga atỳ amiko hiady amin'ny taniko ianao?
13 Et le roi des fils d’Ammon dit aux messagers de Jephthé : C’est parce qu’Israël a pris mon pays, quand il monta d’Égypte, depuis l’Arnon jusqu’au Jabbok et jusqu’au Jourdain ; et maintenant, rends-moi ces [contrées] en paix. 13 Dia hoy ny mpanjakan'ny taranak'i Amona tamin'ny irak'i Jefta: Satria nalain'ny Isiraely ny taniko hatrany Arnona ka hatrany Jaboka ary hatrany Jordana, fony niakatra avy tany Egypta izy; koa avereno amin'ny fihavanana ary izany ankehitriny.
14 Et Jephthé envoya de nouveau des messagers au roi des fils d’Ammon, 14 Ary Jefta naniraka olona indray nankany amin'ny mpanakan'ny taranak'i Amona
15 et lui dit : Ainsi dit Jephthé : Israël n’a point pris le pays de Moab ni le pays des fils d’Ammon ; 15 ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'i Jefta: Ny Isiraely tsy naka ny tanin'i Moaba na ny tanin'ny taranak'i Amona.
16 car, quand ils montèrent d’Égypte, Israël marcha par le désert jusqu’à la mer Rouge, et il vint à Kadès ; 16 Fa fony niakatra avy tany Egypta ny Isiraely, dia nandeha nitety ny efitra hatramin'ny Ranomasina Mena izy ka tonga tany Kadesy.
17 et Israël envoya des messagers au roi d’Édom, disant : Laisse-moi passer par ton pays ; mais le roi d’Édom n’écouta pas. Et il envoya aussi au roi de Moab ; mais il ne voulut pas. Et Israël demeura à Kadès. 17 Dia naniraka olona ny Isiraely nankany amin'ny mpanjakan'i Edoma ka nanao hoe: Aoka mba handeha hamaky ny taninao aho; fa tsy nety nihaino izany ny mpanjakan'i Edoma. Ary naniraka tany amin'ny mpanjakan'i Moaba koa izy; fa tsy nety koa izy; dia nitoetra tany Kadesy ny Isiraely.
18 Et il marcha par le désert, et tourna le pays d’Édom et le pays de Moab, et vint du côté du soleil levant au pays de Moab, et ils campèrent au delà de l’Arnon, mais n’entrèrent pas dans les limites de Moab, car l’Arnon était la limite de Moab. 18 Dia nandeha nitety ny efitra izy ka nanodidina ny tany Edoma sy ny tany Moaba, dia tonga teo atsinanan'i Moaba, ka nitoby teo an-dafin'i Arnona, fa tsy niditra teo anatin'ny faritanin'i Moaba; fa Arnona no fari-tanin'i Moaba.
19 Et Israël envoya des messagers à Sihon, roi des Amoréens, roi de Hesbon, et Israël lui dit : Laisse-nous passer par ton pays, jusqu’en notre lieu. 19 Ary ny Isiraely dia naniraka olona tany amin'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, izay mpanjakan'i Hesbona; ary hoy ny Isiraely taminy: Aoka mba handeha hamaky ny taninao izahay hankany amin'ny fonenanay.
20 Mais Sihon ne se fia pas à Israël pour le laisser passer par ses limites ; et Sihon rassembla tout son peuple, et ils campèrent à Jahtsa, et combattirent contre Israël. 20 Fa Sihona tsy natoky ny Isiraely hamaky ny fari-taniny, fa namory ny vahoakany rehetra izy, dia nitoby tany Jahaza ka niady tamin'ny Isiraely.
21 Et l’Éternel, le Dieu d’Israël, livra Sihon et tout son peuple en la main d’Israël, et [Israël] les frappa ; et Israël prit possession de tout le pays des Amoréens qui habitaient dans ce pays-là : 21 Ary Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, nanolotra an'i Sihona sy ny vahoakany rehetra teo an-tànan'ny Isiraely, ka namely azy ireo; dia azon'ny Isiraely ny tanin'ny Amorita rehetra, mponina tany amin'izany tany izany.
22 et ils eurent la possession de tout le territoire des Amoréens, depuis l’Arnon jusqu’au Jabbok, et depuis le désert jusqu’au Jourdain. 22 Dia nahazo ny tanin'ny Amorita rehetra izy hatrany Arnona, ka hatrany Jaboka ary hatramin'ny efitra ka hatrany Jordana.
23 Et maintenant l’Éternel, le Dieu d’Israël, a dépossédé les Amoréens devant son peuple Israël, et toi, tu nous en dépossèderais ? 23 Koa ankehitriny, Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, efa nandroaka ny Amorita teo anoloan'ny Isiraely olony: ary ianao kosa va tahaka ny tany?
24 Ne possèdes-tu pas ce que ton dieu Kemosh t’a fait posséder ? Et nous aurons la possession de tous ceux que l’Éternel, notre Dieu, aura dépossédés devant nous. 24 Moa tsy hotananao izay tany omen'i Kemosy andriamanitrao anao va? Atỳ izay tany rehetra omen'i Jehovah Andriamanitray anay dia mba hotananay kosa.
25 Et maintenant, vaux-tu donc mieux que Balak, fils de Tsippor, roi de Moab ? A-t-il jamais contesté contre Israël ? a-t-il jamais combattu contre eux ? 25 Moa tsara noho Balaka, zanak'i Zipora, mpanjakan'i Moaba, va ianao? Nety nanohitra ny Isiraely na niady taminy akory va izy?
26 Pendant qu’Israël a habité Hesbon et les villages de son ressort, et Aroër et les villages de son ressort, et toutes les villes qui sont le long de l’Arnon, pendant trois cents ans, pourquoi ne les avez-vous pas délivrées en ce temps-là ? 26 Raha ny Isiraely nitoetra telon-jato taona tany Hesboala sy ny zana-bohiny ary tany Aroera sy ny zana-bohiny ary tany amin'ny tanàna rehetra eny amoron'i Arnona, nahoana no tsy nalainareo ny tany tamin'izany andro izany?
27 Et ce n’est pas moi qui ai péché contre toi, mais c’est toi qui me fais tort, en m’attaquant. L’Éternel, le juge, jugera aujourd’hui entre les fils d’Israël et les fils d’Ammon. 27 Izaho tsy nanota taminao, fa ianao no manisy ratsy ahy, fa miady amiko;
   
28 Et le roi des fils d’Ammon n’écouta pas les paroles que Jephthé lui avait envoyées. 28 Nefa tsy nohenoin'ny mpanjakan'ny taranak'i Amona ny tenin'i Jefta, izay nampitondrainy tany aminy.
29 Et l’Esprit de l’Éternel fut sur Jephthé ; et il passa à travers Galaad et Manassé, et il passa par Mitspé de Galaad, et de Mitspé de Galaad, il passa vers les fils d’Ammon. 29 Ary tonga tao amin'i Jefta ny Fanahin'i Jehovah, dia nandeha nitety an'i Gileada sy Manase izy; ka dia nitety an'i Mizpa any Gileada koa izy ka niala tany Mizpa any Gileada, dia nandroso nankany amin'ny taranak'i Amona.
   
30 Et Jephthé voua un vœu à l’Éternel, et dit : Si tu livres en ma main les fils d’Ammon, 30 Ary Jefta nivoady tamin'i Jehovah ka nanao hoe: Raha hatolotrao eo an-tanako tokoa ny taranak'i Amona,
31 il arrivera que ce qui sortira des portes de ma maison à ma rencontre, lorsque je reviendrai en paix des fils d’Ammon, sera à l’Éternel, et je l’offrirai en holocauste. 31 dia ho an'i Jehovah Izay mivoaka amin'ny varavaran'ny tranoko hitsena ahy, rehefa miverina soa aman-tsara avy any amin'ny taranak'i Amona aho, ary hateriko ho fanatitra dorana izany.
   
32 Et Jephthé passa vers les fils d’Ammon pour combattre contre eux ; et l’Éternel les livra en sa main : 32 Dia nandeha Jefta nankany amin'ny taranak'i Amona hiady aminy: ary natolotr'i Jehovah teo an-tànany ireo.
33 et il leur infligea une très-grande défaite, depuis Aroër jusqu’à ce que tu viennes à Minnith, [leur prenant] vingt villes, et jusqu’à Abel-Keramim* ; et les fils d’Ammon furent humiliés devant les fils d’Israël. 33 Dia namely azy izy hatrany Aroera ka hatrany akaikin'i Minita sy hatrany Abela-keramima, dia tanàna roa-polo, ka be dia be no maty. Dia resy teo anoloan'ny Zanak'Isiraely ny taranak'i Amona.
— v. 33 : ou : la plaine des vignes.  
34 Et Jephthé vint à Mitspa, dans sa maison ; et voici, sa fille sortit à sa rencontre avec des tambourins et des danses* ; et elle était seule, unique : il n’avait, à part elle, ni fils ni fille. 34 Ary Jefta tonga tany Mizpa ho any an-tranony, ary, indro, nivoaka ny zananivavy nitondra ampongatapaka sy mpandihy hitsena azy; ary vavy tokany io, fa tsy nanana zanakalahy na zanakavavy afa-tsy io izy.
35 Et il arriva, quand il la vit, qu’il déchira ses vêtements, et dit : Ah, ma fille ! tu m’as accablé, et tu es de ceux qui me troublent ! car j’ai ouvert [ma] bouche à l’Éternel, et ne puis revenir en arrière. 35 Koa rehefa nahita azy Jefta, dia nandriatra ny fitafiany ka nanao hoe: Indrisy, ry zanako-vavy! Efa nampitanondrika ahy indrindra ianao, ary ianao no tonga nampidi-doza tamiko; fa izaho efa niloa-bava tamin'i Jehovah, ka tsy azoko afody intsony.
36 Et elle lui dit : Mon père, si tu as ouvert ta bouche à l’Éternel, fais-moi selon ce qui est sorti de ta bouche, après que l’Éternel t’a vengé de tes ennemis, les fils d’Ammon. 36 Fa hoy ny zananivavy taminy: Ry dada ô, raha niloa-bava tamin'i Jehovah ary ianao, dia ataovy amiko araka izay naloaky ny vavanao, satria Jehovah efa namaly ny taranak'i Amona fahavalonao ho anao.
37 Et elle dit à son père : Que cette chose me soit faite : laisse-moi pendant deux mois, et je m’en irai, et je descendrai sur les montagnes, et je pleurerai ma virginité, moi et mes compagnes. 37 Dia hoy koa izy tamin'ny rainy: Aoka izao no hatao amiko: aza maninona ahy aloha hatramin'ny roa volana mba handehandehanako hankeny amin'ny havoana hitomaniako, izaho sy ny namako, noho izaho mbola tsy nanambady akory.
38 Et il lui dit : Va. Et il la renvoya pour deux mois. Et elle s’en alla, elle et ses compagnes, et pleura sa virginité sur les montagnes. 38 Dia hoy kosa rainy: Mandehana ary. Dia nampandeha azy roa volana izy; ary dia nandeha razazavavy sy ny namany ka nitomany teny amin'ny havoana noho izy mbola tsy nanam-bady akory.
39 Et il arriva, au bout de deux mois, qu’elle revint vers son père ; et il accomplit à son égard le vœu qu’il avait voué. Et elle n’avait point connu d’homme. 39 Ary rehefa tapitra ny roa volana, dia niverina tany amin'ny rainy izy; ary nataony taminy araka ny voadiny izay nataony; ary tsy mbola nahalala lahy izy. Ary tonga fanao tamin'ny Isiraely
40 Et ce fut une coutume en Israël, que d’année en année les filles d’Israël allaient célébrer la fille de Jephthé, le Galaadite, quatre jours par année. 40 ny fandehanan'ny zazavavin'ny Isiraely isan-taona hankalaza* ny zanakavavin'i Jefta Gileadita hefarana isan-taona.[Na: hitomany]
— v. 34 : ailleurs : chœurs, chœurs de danse.  
* *
Chapitre 12 Chapitre 12
1 Et les hommes d’Éphraïm se rassemblèrent, et ils passèrent vers le nord, et dirent à Jephthé : Pourquoi as-tu passé pour combattre contre les fils d’Ammon, et ne nous as-tu pas appelés pour aller avec toi ? Nous brûlerons au feu ta maison sur toi. 1 [Ny hatezeran'ny Efraima tamin'i Jefta, sy ny niadian'i Jefta taminy] Ary nivory ny lehilahy amin'ny Efraima, dia nandeha nianavaratra* ka nanao tamin'i Jefta hoe: Nahoana no nandeha niady tamin'ny taranak'i Amona ianao ka tsy mba niantso anay hiaraka aminao? Hodoranay amin'ny afo ny tranonao sy ianao. [Na: nankany Zafona]
2 Et Jephthé leur dit : Nous avons eu de grands débats, moi et mon peuple, avec les fils d’Ammon ; et je vous ai appelés, et vous ne m’avez pas sauvé de leur main. 2 Fa hoy Jefta taminy: Izaho sy ny oloko efa nanana ady mafy tamin'ny taranak'i Amona; ary niantso anareo aho, fa tsy namonjy ahy tamin'ny tànany ianareo.
3 Et quand j’ai vu que vous ne me sauviez pas, j’ai mis ma vie dans ma main, et j’ai passé vers les fils d’Ammon ; et l’Éternel les a livrés en ma main. Et pourquoi êtes-vous montés contre moi en ce jour-ci, pour me faire la guerre ? 3 Ary rehefa hitako fa tsy namonjy ahy ianareo, dia nanao ny aiko tsy ho zavatra aho ka nandeha niady tamin'ny taranak'i Amona, ary natolotr'i Jehovah teo an-tanako izy, koa nahoana ianareo no miakatra atỳ amiko anio hila ady amiko?
4 Et Jephthé rassembla tous les hommes de Galaad et fit la guerre à Éphraïm ; et les hommes de Galaad frappèrent Éphraïm, parce qu’ils avaient dit : Vous, Galaad, vous êtes des fugitifs d’Éphraïm, au milieu d’Éphraïm, au milieu de Manassé. 4 Ary Jefta dia namory ny lehilahy rehetra amin'ny Gileada ka niady tamin'ny Efraima; ary dia namely ny Efraima ny lehilahy amin'ny Gileada, satria hoy ireo: Hianareo Gileadita dia mpandositra avy amin'ny Efraima ao amin'ny taranak'i Efraima sy Manase.
5 Et Galaad enleva à Éphraïm les gués du Jourdain ; et il arriva que, lorsqu’un des fuyards d’Éphraïm disait : Je veux passer, les hommes de Galaad lui disaient : Es-tu Éphraïmite ? et il disait : Non. 5 Dia novonjen'ny Gileada ny fitàna any Jordana mankany amin'ny Efraima; ary nony niteny ny mpandositra avy amin'ny Efraima nanao hoe: Aoka mba hita aho; dia hoy ny lehilahy amin'ny Gileada taminy: Efraimita va ianao? ary raha hoy izy: Tsia,
6 Alors ils lui disaient : Dis donc Shibboleth*. Mais il disait Sibboleth, car il ne pouvait pas bien prononcer. Alors ils le saisissaient et l’égorgeaient aux gués du Jourdain. Et il tomba en ce temps-là quarante-deux mille [hommes] d’Éphraïm. 6 dia hoy izy ireo taminy: Tonony ary ny hoe Shiboleta; fa hoy kosa izy: Siboleta, satria tsy nahay nanonona izany marina izy. Dia nisambotra azy ireo ka namono azy teo amin'ny fitàna ao Jordana; ary nahafatesana roa arivo sy efatra alina ny Efraimita tamin'izany andro izany.
— v. 6 : épi ; ou aussi : courant [des eaux].  
7 Et Jephthé jugea Israël six ans. Et Jephthé, le Galaadite, mourut, et il fut enterré dans une des villes de Galaad. 7 Dia nitsara ny Isiraely enin-taona Jefta. Ary maty Jefta Gileadita ka nalevina tao amin'ny tanana anankiray any Gileada.
   
8 Et après lui, Ibtsan de Bethléhem jugea Israël. 8 [Ny tantaran'Ibzana sy Elona ary Abdona] Ary Ibzana, avy any Betlehema, no nitsara ny Isiraely nandimby an'i Jefta.
9 Et il eut trente fils, et trente filles qu’il envoya au dehors, et il fit venir du dehors trente filles pour ses fils. Et il jugea Israël sept ans. 9 Ary izy nanana zanakalahy telo-polo sy zanakavavy telo-polo, izay nampanambadiny tany ivelany, ary zazavavy telo-polo kosa no nampidiriny ho an'ny zananilahy. Ary nitsara ny Isiraely fito taona izy.
10 Et Ibtsan mourut, et il fut enterré à Bethléhem. 10 Dia maty Ibzana ka nalevina tany Betlehema.
   
11 Et après lui, Élon, le Zabulonite, jugea Israël ; et il jugea Israël dix ans. 11 Ary Elona Zebolonita no nitsara ny Isiraely nandimby azy; ary nitsara ny Isiraely folo taona izy.
12 Et Élon, le Zabulonite, mourut, et il fut enterré à Ajalon, dans le pays de Zabulon. 12 Dia maty Elona Zebolonita ka nalevina tany Aialona ao amin'ny tanin'ny Zebolona.
   
13 Et après lui, Abdon, fils d’Hillel, le Pirhathonite, jugea Israël. 13 Ary Abdona, zanak'i Elela, avy any Piratona, no nitsara ny Isiraely nandimby azy.
14 Et il eut quarante fils et trente petits-fils, qui montaient sur soixante-dix ânons. Et il jugea Israël huit ans. 14 Ary nanana zanakalahy efa-polo sy zafy telo-polo izay nitaingina zana-boriky fito-polo izy, ary nitsara ny Isiraely valo taona.
15 Et Abdon, fils d’Hillel, le Pirhathonite, mourut ; et il fût enterré à Pirhathon, dans le pays d’Éphraïm sur la montagne de l’Amalékite.* 15 Dia maty Abdona, zanak'i Elela, avy any Piratona, ka nalevina tany Piratona, any amin'ny tanin'ny Efraima any amin'ny tany havoan'ny Amalekita.
— v. 15 : date : A.C. 1140, environ.  
* *
Chapitre 13 Chapitre 13
1 Et les fils d’Israël firent de nouveau ce qui est mauvais aux yeux de l’Éternel ; et l’Éternel les livra en la main des Philistins pendant quarante ans. 1 [Ny nahaterahan'i Samsona] Ary ny Zanak'Isiraely nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah indray, ka dia natolotr'i Jehovah teo an-tànan'ny Filistina efa-polo taona izy.
   
2 Et il y avait un homme de Tsorha, de la famille des Danites, et son nom était Manoah ; et sa femme était stérile et n’enfantait pas. 2 Ary nisy lehilahy avy tany Zora amin'ny fokon'ny Danita, Manoa no anarany; ary momba ny vadiny ka tsy niteraka.
3 Et l’Ange de l’Éternel apparut à la femme, et lui dit : Voici, tu es stérile et tu n’enfantes pas ; mais tu concevras, et tu enfanteras un fils. 3 Ary Ilay Anjelin'i Jehovah niseho tamin-dravehivavy ka nanao taminy hoe: Indro, momba ianao ka tsy niteraka; nefa hanan'anaka ianao ka hiteraka zazalahy.
4 Et maintenant, prends garde, je te prie, et ne bois ni vin ni boisson forte, et ne mange rien d’impur ; 4 Koa mitandrema ianao ankehitriny, ka aza misotro divay na toaka, ary aza mihinana akory izay zava-padina.
5 car voici, tu concevras, et tu enfanteras un fils ; et le rasoir ne passera pas sur sa tête, car le jeune garçon sera nazaréen* de Dieu dès le ventre [de sa mère] ; et ce sera lui qui commencera à sauver Israël de la main des Philistins. 5 Fa, indro, hanan'anaka ianao ka hiteraka zazalahy; ary tsy mba hokasihin-kareza ny lohany; fa ho Nazirita ho an'Andriamanitra hatrany an-kibo ny zaza; ary izy no hanomboka hamonjy ny Isiraely amin'ny tanan'ny Filistina.
— v. 5 : voir Nombres 6:2.  
6 Et la femme vint, et parla à son mari, disant : Un homme de Dieu est venu vers moi, et son aspect était comme l’aspect d’un ange de Dieu, très-terrible ; et je ne lui ai pas demandé d’où il était, et il ne m’a pas fait connaître son nom. 6 Dia nandeha ravehivavy ka nilaza tamin'ny vadiny hoe: Nisy lehilahin'Andriamanitra tonga tamiko, ary nahatahotra indrindra ny fijery azy, tahaka ny fijery Ilay Anjelin'Andriamanitra, ka tsy nanontany Azy izay nihaviany aho, ary tsy nambarany ahy ny anarany.
7 Et il m’a dit : Voici, tu concevras, et tu enfanteras un fils ; et maintenant, ne bois ni vin ni boisson forte, et ne mange rien d’impur ; car le jeune garçon sera nazaréen de Dieu dès le ventre [de sa mère], jusqu’au jour de sa mort. 7 Fa hoy Izy tamiko: Indro, hanan'anaka ianao ka hiteraka zazalahy; koa ankehitriny aza misotro divay na toaka ianao, ary aza mihinana akory izay zava-padina; fa ho Nazirita ho an'Andriamanitra ny zaza hatrany an-kibo ka ambara-pahafatiny
   
8 Et Manoah supplia l’Éternel, et dit : Ah, Seigneur ! que l’homme de Dieu que tu as envoyé, vienne encore vers nous, je te prie, et qu’il nous enseigne ce que nous devons faire au jeune garçon qui naîtra. 8 Ary Manoa nangataka tamin'i Jehovah ka nanao hoe: Ry Tompo ô, aoka hankatỳ aminay indray ny lehilahin'Andriamanitra, ilay efa nirahinao, ka hampianatra anay ny hitondranay ny zaza izay ho teraka.
9 Et Dieu exauça la voix de Manoah ; et l’Ange de Dieu vint encore vers la femme, comme elle était assise aux champs, et Manoah, son mari, n’était pas avec elle. 9 Ary Andriamanitra nihaino ny feon'i Manoa, ka dia nankany amin-dravehivavy indray Ilay Anjelin'Andriamanitra, raha tany an-tsaha izy; fa Manoa vadiny tsy teo aminy.
10 Et la femme se hâta et courut et rapporta à son mari, et lui dit : Voici, l’homme qui était venu vers moi l’autre jour m’est apparu. 10 Dia nihazakazaka faingana ravehivavy ka nanambara tamin'ny vadiny hoe: Indro, niseho tamiko indray ny lehilahy izay tonga tamiko tamin'ilay indray andro.
   
11 Et Manoah se leva et suivit sa femme ; et il vint vers l’homme, et lui dit : Es-tu l’homme qui a parlé à cette femme ? Et il dit : [C’est] moi. 11 Dia nitsangana Manoa ka nandeha nanaraka ny vadiny, dia nankany amin-dralehilahy ka nanao taminy hoe: Hianao moa ilay lehilahy niteny tamin-dravehivavy? Dia hoy Izy: Eny, Izaho no Izy.
12 Et Manoah dit : Quand donc ta parole arrivera, quelle sera la règle du jeune garçon, et que devra-t-il faire ? 12 Dia hoy Manoa: Raha tanteraka ilay teninao, ahoana ange no hitondranay ny zaza, ary inona no ho asany?
13 Et l’Ange de l’Éternel dit à Manoah : La femme se gardera de tout ce que je lui ai dit. 13 Ary hoy Ilay Anjelin'i Jehovah tamin'i Manoa: Izay rehetra efa nolazaiko tamin-dravehivavy dia aoka hotandremany avokoa.
14 Elle ne mangera rien de ce qui sort de la vigne*, et elle ne boira ni vin ni boisson forte, et ne mangera rien d’impur. Elle prendra garde à tout ce que je lui ai commandé. 14 Izay rehetra avy amin'ny voaloboka dia aza avela hohaniny, ary aza avela hisotro divay na toaka izy, na hihinana akory izay zava-padina; izay rehetra nandidiako azy dia aoka hotandremany avokoa.
— v. 14 : litt.: vigne à vin.  
15 Et Manoah dit à l’Ange de l’Éternel : Laisse-nous te retenir, et t’apprêter un chevreau. 15 Ary hoy Manoa tamin'Ilay Anjelin'i Jehovah: Aoka mba hotananay Hianao mandra-pamboatray zanak'osy ho Anao.
16 Et l’Ange de l’Éternel dit à Manoah : Si tu me retiens, je ne mangerai pas de ton pain ; et si tu fais un holocauste, tu l’offriras* à l’Éternel. Car Manoah ne savait pas que ce fût l’Ange de l’Éternel. 16 Dia hoy Ilay Anjelin'i Jehovah tamin'i Manoa: Na dia tananao aza Aho, tsy mba hihinana amin'ny haninao Aho tsy akory; fa raha hanatitra fanatitra dorana ianao, dia aoka Jehovah no hanateranao izany. Fa tsy fantatr'i Manoa ho Anjelin'i Jehovah Izy.
17 Et Manoah dit à l’Ange de l’Éternel : Quel est ton nom, afin que nous t’honorions, quand ce que tu as dit arrivera ? 17 Dia hoy Manoa tamin'Ilay Anjelin'i Jehovah: Iza moa no anaranao, mba hanomezanay voninahitra Anao, rehefa tanteraka ny teninao?
18 Et l’Ange de l’Éternel lui dit : Pourquoi demandes-tu mon nom ? Il est merveilleux. 18 Ary hoy Ilay Anjelin'i Jehovah taminy: Nahoana no manontany ny anarako ianao? Fa anarana mahagaga izany.
— v. 16 : comme 6:26.  
19 Et Manoah prit le chevreau et le gâteau*, et il les offrit** à l’Éternel sur le rocher. Et il fit une chose merveilleuse, tandis que Manoah et sa femme regardaient. 19 Dia naka ny zanak'osy sy ny fanatitra hohanina Manoa ka nanatitra ireny teo ambonin'ny vatolampy ho an'i Jehovah; ary Ilay Anjely kosa nanao zava-mahagaga, raha mbola nijery teo Manoa mivady.
20 Et il arriva que, comme la flamme montait de dessus l’autel vers les cieux, l’Ange de l’Éternel monta dans la flamme de l’autel, Manoah et sa femme regardant ; et ils tombèrent sur leurs faces contre terre. 20 Ary raha niakatra ho amin'ny lanitra ny lelafo avy teo amin'ny alitara, dia niakatra teo anatin'ny lelafo avy teo amin'ny alitara Ilay Anjelin'i Jehovah. Ary nijery izany Manoa mivady, ka dia niankohoka tamin'ny tany.
21 Et l’Ange de l’Éternel n’apparut plus à Manoah, ni à sa femme. Alors Manoah connut que c’était l’Ange de l’Éternel. 21 Ary tsy niseho tamin'i Manoa sy ny vadiny intsony Ilay Anjelin'i Jehovah; dia fantatr'i Manoa fa Anjelin'i Jehovah Izy.
22 Et Manoah dit à sa femme : Nous mourrons certainement, car nous avons vu Dieu. 22 Ary hoy Manoa tamin'ny vadiny: Ho faty tokoa isika, satria efa nahita an'Andriamanitra.
23 Et sa femme lui dit : Si l’Éternel eût pris plaisir à nous faire mourir, il n’aurait pas accepté de notre main l’holocauste et le gâteau*, et il ne nous aurait pas fait voir toutes ces choses, et ne nous aurait pas fait entendre, dans ce moment, des choses comme celles-là. 23 Fa hoy ny vadiny taminy: Raha sitrak'i Jehovah ny hahafaty antsika, dia tsy ho nety nandray fanatitra dorana sy fanatitra hohanina tamin'ny tanantsika akory Izy, ary tsy ho nampahita antsika izany zavatra rehetra izany, ary tsy ho nampandre antsika izany zavatra izany ankehitriny.
— v. 23 : proprement : l’offrande de gâteau.  
24 Et la femme enfanta un fils, et appela son nom Samson ; et l’enfant grandit, et l’Éternel le bénit. 24 Ary niteraka zazalahy ravehivavy, ka ny anarany nataony hoe Samsona; dia nitombo ny zaza, ary Jehovah nitahy azy.
25 Et l’Esprit de l’Éternel commença de le pousser, — à Mahané-Dan*, entre Tsorha et Eshtaol. 25 Dia niantomboka nanindry azy indraindray ny Fanahin'i Jehovah tany Mahane-dana*, teo anelanelan'i Zora sy Estaola.[Mahane-dana = Tobin'i Dana]
— v. 25 : camp de Dan.  
Chapitre 14 Chapitre 14
1 Et Samson descendit à Thimna ; et il vit à Thimna une femme d’entre les filles des Philistins. 1 [Ny nanambadian'i Samsona ny vehivavy Filistina anankiray, sy ny namaliany ny Filistina] Ary Samsona nidina nankany Timna ka nahita vehivavy tao avy amin'ny zanakavavin'ny Filistina.
2 Et il remonta et le raconta à son père et à sa mère, et dit : J’ai vu à Thimna une femme d’entre les filles des Philistins ; et maintenant, prenez-la-moi pour femme. 2 Ary niakatra izy, dia nilaza tamin-drainy sy reniny hoe: Efa nahita vehivavy tany Timna avy amin'ny zanakavavin'ny Filistina aho; koa alao ho vadiko izy ankehitriny.
3 Et son père et sa mère lui dirent : N’y a-t-il pas de femme parmi les filles de tes frères, et dans tout mon peuple, que tu ailles prendre une femme d’entre les Philistins, les incirconcis ? Et Samson dit à son père : Prends celle-là pour moi, car elle plaît à mes yeux. 3 Fa hoy ny rainy sy ny reniny taminy: Moa tsy misy vehivavy va eto amin'ny zana-kavanao, na ato amin'ny firesako rehetra, no dia mandeha maka vady any amin'ny Filistina tsy mifora ianao? Dia hoy Samsona tamin-drainy: Izy ihany no alao ho ahy, fa izy no mahafinaritra ahy.
4 Et son père et sa mère ne savaient pas que cela venait de l’Éternel ; car [Samson] cherchait une occasion de la part des Philistins. Or en ce temps-là les Philistins dominaient sur Israël. 4 Fa tsy fantatry ny rainy sy ny reniny fa avy tamin'i Jehovah izany, satria nitady izay hiadiany tamin'ny Filistina Izy*; fa tamin'izany andro izany ny Filistina no nanapaka ny Isiraely.[Na: izy]
   
5 Et Samson descendit à Thimna avec son père et sa mère ; et ils arrivèrent jusqu’aux vignes de Thimna. Et voici, un jeune lion rugissant [vint] à sa rencontre. 5 Dia nidina Samsona sy ny rainy aman-dreniny nankany Timna. Ary nony tonga tao amin'ny tanim-boaloboka tany Timna izy, indro, nisy liona tanora nierona taminy.
6 Et l’Esprit de l’Éternel le saisit : et il le déchira, comme on déchire un chevreau, quoiqu’il n’eût rien en sa main ; et il ne déclara point à son père ni à sa mère ce qu’il avait fait. 6 Dia nilatsaka tamin'i Samsona ny Fanahin'i Jehovah, ary ilay liona tanora dia nosamatsamahiny hoatra ny fanasamaka zanak'osy, nefa tsy nisy na inona na inona teny an-tànany; ary tsy nambarany tamin'ny rainy na tamin'ny reniny izay efa nataony.
7 Et il descendit, et parla à la femme, et elle plut aux yeux de Samson. 7 Dia nidina izy ka niresaka tamin-dravehivavy; ary nahafinaritra an'i Samsona izy.
8 Et il retourna quelque temps après pour la prendre, et se détourna pour voir le cadavre du lion ; et voici, il y avait dans le corps du lion un essaim d’abeilles, et du miel ; 8 Ary rehefa afaka kelikely, dia niverina hampakatra azy Samsona ka nivily hizaha ny fatin'ilay liona; ary, indro, nisy reni-tantely nivangongo sy tantely tao amin'ilay fatin'ny liona.
9 et il en prit dans ses mains, et s’en alla, mangeant en chemin ; et il alla vers son père et vers sa mère, et leur en donna, et ils en mangèrent ; mais il ne leur raconta pas qu’il avait tiré le miel du corps du lion. 9 Ary nalain'i Samsona izany ka nentiny teny an-tànany, dia nihinana teny am-pandehanana izy; ary nankany amin'ny rainy aman-dreniny izy, dia nanome azy, ka nihinana koa izy mivady; nefa tsy nambarany taminy fa tao amin'ny fatin'ilay liona no nangalany ny tantely.
   
10 Et son père descendit vers la femme, et Samson fit là un festin ; car c’est ainsi que les jeunes gens avaient l’habitude de faire. 10 Dia nidina ho any amin-dravehivavy ny rain'i Samsona; ary nanao fanasana teo Samsona, fa izany no fanaon'ny zatovo.
11 Et il arriva que, quand ils le virent, ils prirent trente compagnons, et ils furent avec lui. 11 Ary rehefa nahita azy izy mianakavy, dia nametraka namana telo-polo lahy hitoetra ao aminy.
12 Et Samson leur dit : Je vous proposerai, s’il vous plaît, une énigme ; si vous me l’expliquez dans les sept jours du festin et si vous la trouvez, je vous donnerai trente chemises, et trente vêtements de rechange. 12 Ary hoy Samsona tamin'ireo: Hanao fampanonona aminareo aho; koa raha lazainareo amiko ny heviny ao anatin'ny hafitoana fanasana ka fantatrareo, dia homeko lobaka telo-polo sy akanjo intelo-polo miova ianareo.
13 Mais si vous ne pouvez pas me l’expliquer, c’est vous qui me donnerez trente chemises, et trente vêtements de rechange. Et ils lui dirent : Propose ton énigme, et nous l’entendrons. 13 Fa raha tsy mahalaza amiko kosa ianareo, dia homenareo lobaka telo-polo sy akanjo intelo-polo miova aho. Dia hoy izy ireo: Ataovy ary ny fampanonona mba hohenoinay.
14 Et il leur dit : 14 Dia hoy Samsona aminy: Avy tao amin'ny mpihinana no nivoahan'ny hanina; Ary avy tao amin'ny mahery no nivoahan'ny mamy. Dia tsy nahalaza ny fampanonona izy tao anatin'ny hateloana.
De celui qui mange est sorti le manger, et du fort est sortie la douceur.  
Et pendant trois jours ils ne purent expliquer l’énigme.  
15 Et il arriva, le septième jour, qu’ils dirent à la femme de Samson : Persuade ton mari, et il nous expliquera l’énigme, de peur que nous ne te brûlions au feu, toi et la maison de ton père. C’est pour nous dépouiller que vous nous avez appelés, n’est-ce pas ? 15 Ary nony tamin'ny andro fahafito*, dia hoy izy tamin'ny vadin'i Samsona: Taomy ny vadinao hilaza ny fampanonona aminay, fandrao hodoranay amin'ny afo ianao sy ny ankohonan-drainao; efa nanasa anay va ianareo ho entinareo mifafa izay anananay? Moa tsy izany va? [Na: (fahefatra)]
16 Et la femme de Samson pleura auprès de lui, et dit : Tu n’as pour moi que de la haine, et tu ne m’aimes pas ; tu as proposé une énigme aux fils de mon peuple, et tu ne me l’as pas expliquée. Et il lui dit : Voici, je ne l’ai pas expliquée à mon père et à ma mère, et je te l’expliquerais à toi ? 16 Ary ny vadin'i Samsona dia nitomany teo anatrehany ka nanao hoe: Halanao aho, fa tsy tianao tsy akory; efa nanao fampanonona tamin'ny zanaky ny fireneko ianao, nefa tsy nolazainao tamiko ny heviny. Fa hoy izy taminy: Indro, na dia ny raiko sy ny reniko aza tsy nilazako azy, ka ianao va no hilazako?
17 Et elle pleura auprès de lui pendant les sept jours qu’ils eurent le festin ; et il arriva, le septième jour, qu’il la lui expliqua, parce qu’elle le tourmentait ; et elle expliqua l’énigme aux fils de son peuple. 17 Dia nitomany teo anatrehany tamin'ny hafitoana izay nisian'ny fanasana ravehivavy; ary nony tamin'ny andro fahafito dia nolazain'i Samsona taminy, satria nitorikisina taminy izy; ary izy kosa nilaza ny fampanonona tamin'ny zanaky ny fireneny.
18 Et le septième jour, avant que le soleil se couchât, les hommes de la ville lui dirent : Qu’y a-t-il de plus doux que le miel, et qu’y a-t-il de plus fort que le lion ? Et il leur dit : Si vous n’aviez pas labouré avec ma génisse, vous n’auriez pas trouvé mon énigme. 18 Ary nony tamin'ny andro fahafito, raha tsy mbola maty ny masoandro, dia hoy ny lehilahy tao an-tanàna tamin'i Samsona: Inona no mamy noho ny tantely; Ary inona no mahery noho ny liona? Ary hoy kosa izy taminy: Raha tsy nampiasa ny ombivavikeliko ianareo. Dia tsy ho nahalala ny fampanonona nataoko.
19 Et l’Esprit de l’Éternel le saisit ; et il descendit à Askalon, et en tua* trente hommes, et prit leurs dépouilles, et donna les vêtements de rechange à ceux qui avaient expliqué l’énigme. Et sa colère s’embrasa, et il monta à la maison de son père. 19 Dia nilatsaka tamin'i Samsona ny Fanahin'i Jehovah ka nidina nankany Askelona izy, dia namono telo-polo lahy tao, ary nalainy ny fitafian'ireo ka nomeny ho an'izay nilaza ny fampanonona. Dia nirehitra ny fahatezeran'i Samsona, ka niakatra nankany amin'ny tranon-drainy izy.
20 Et la femme de Samson fut [donnée] à son compagnon, dont il avait fait son ami. 20 Ary ny vadiny dia lasan'ny namany, izay efa nataony sakaizany.
— v. 19 : litt.: frappa.  
Chapitre 15 Chapitre 15
1 Et il arriva quelque temps après, pendant les jours de la moisson des froments, que Samson alla visiter sa femme, avec un chevreau ; et il dit : Je veux entrer vers ma femme dans la chambre. Mais le père ne lui permit pas d’entrer. 1 Ary nony afaka kelikely, tamin'ny taom-pijinjana ny vary tritika, dia nitondra zanak'osy Samsona ho entiny mamangy ny vadiny, ka hoy izy: Hiditra ao amin'ny vadiko ao an-efi-trano aho. Nefa tsy namela azy hiditra ny rafozany,
2 Et le père dit : J’ai pensé que tu l’avais en haine, et je l’ai donnée à ton compagnon. Sa jeune sœur n’est-elle pas plus belle qu’elle ? Prends-la à sa place, je te prie. 2 fa hoy izy: Nataoko fa halanao mihitsy izy, ka dia nomeko ho an'ny namanao; moa tsy tsara tarehy noho izy va ny zandriny? Masina ianao, aoka izy halainao ho solony.
3 Et Samson leur dit : Cette fois je suis innocent à l’égard des* Philistins si je leur fais du mal. 3 Dia hoy Samsona taminy: Tsy hanan-tsiny aho izao, na dia hanisy ratsy ny Filistina aza.
4 Et Samson s’en alla, et prit trois cents chacals ; et il prit des torches, et tourna [les chacals] queue contre queue, et mit une torche entre les deux queues, au milieu. 4 Dia nandeha Samsona ka nisambotra amboahaolo telon-jato; dia naka zavatra hatao fanilo izy, ary nampifanendreny ny rambon'ny amboahaolo tsiroaroa avy ka nafehiny teo anelanelan'ny rambony ilay hatao fanilo.
5 Et il mit le feu aux torches, et lâcha [les chacals] dans les blés des Philistins ; et il brûla tant les tas de gerbes que le blé sur pied et les plantations d’oliviers. 5 Ary rehefa nampirehetiny ny fanilo, dia nalefany ho any amin'ny varin'ny Filistina ireny, ka nandoro ny amboara sy ny vary mbola mitsangana ary ny voli-oliva koa.
6 Et les Philistins dirent : Qui a fait cela ? Et on dit : Samson, le gendre du Thimnite ; parce qu’il lui a pris sa femme et l’a donnée à son compagnon. Et les Philistins montèrent, et la brûlèrent au feu, elle et son père. 6 Ary hoy ny Filistina: Iza no nanao izany? Ary nisy nanao hoe: Samsona, vinanton'ilay Timnita, satria ny rafozany efa nanome ny vadiny ho an'ny sakaizany. Dia niakatra ny Filistina ka nandoro an-dravehivavy sy ny ankohonan-drainy tamin'ny afo.
7 Et Samson leur dit : Si c’est ainsi que vous faites, alors certes je me vengerai de vous, et après je cesserai. 7 Ary hoy Samsona taminy: Raha manao tahaka izany ianareo, dia mbola hamaly anareo tokoa aho, koa rehefa afaka izany, vao hitsahatra aho.
8 Et il les frappa d’un grand coup, à leur casser bras et jambes. Et il descendit, et habita dans une caverne du rocher d’Étam. 8 Dia namely azy izy ka nahatapaka ranjo sy fe ary nahafaty be dia be; dia nidina izy ka nitoetra teo an-tsefatsefak'ilay harambato mitresaka any Etama.
— v. 3 : ou : plus innocent que les.  
9 Et les Philistins montèrent, et campèrent en Juda, et se répandirent en Lékhi. 9 Ary niakatra ny Filistina, dia nitoby teo amin'ny Joda ka niely tany Lehy.
10 Et les hommes de Juda dirent : Pourquoi êtes-vous montés contre nous ? Et ils dirent : Nous sommes montés pour lier Samson, afin de lui faire comme il nous a fait. 10 Ary hoy ny lehilahy amin'ny Joda: Nahoana no miakatra hamely anay ianareo? Dia hoy izy Hamatotra an'i Samsona no niakaranay, mba hanao aminy tahaka izay efa nataony taminay.
11 Et trois mille hommes de Juda descendirent à la caverne du rocher d’Étam, et dirent à Samson : Ne sais-tu pas que les Philistins dominent sur nous ? Et que nous as-tu fait ? Et il leur dit : Comme ils m’ont fait, ainsi je leur ai fait. 11 Dia nandeha ny lehilahy telo arivo amin'ny Joda nankany amin'ilay tsefatsefaky ny harambato mitresaka any Etama ka nanao tamin'i Samsona hoe: Tsy fantatrao va fa manapaka antsika ny Filistina? Inona izao nataonao taminay izao? Dia hoy izy taminy: araka izay nataony tamiko no mba nataoko taminy.
12 Et ils lui dirent : Nous sommes descendus pour te lier, afin de te livrer en la main des Philistins. Et Samson leur dit : Jurez-moi que vous ne vous jetterez pas sur moi. 12 Dia hoy kosa izy ireo taminy: Hamatotra anao no nidinanay, mba hatolotray ho eo an-tànan'ny Filistina ianao. Dia hoy Samsona taminy: Mianiana amiko ary fa tsy hamely ahy ianareo.
13 Et ils lui parlèrent, disant : Non, mais nous voulons te lier, et nous te livrerons en leur main ; mais certainement nous ne te tuerons pas. Et ils le lièrent avec deux cordes neuves, et le firent monter hors du rocher. 13 Dia niteny taminy izy ireo ka nanao hoe: Tsia; fa hamatotra anao fotsiny ihany izahay ka hanolotra anao eo an-tànany; fa tsy hamono anao tsy akory izahay. Dia namatotra azy tamin'ny mahazaka roa vaovao izy ka nitondra azy niala tamin'ilay harambato.
14 Il vint jusqu’à Lékhi, et les Philistins poussèrent des cris à sa rencontre. Et l’Esprit de l’Éternel le saisit ; et les cordes qui étaient à ses bras devinrent comme de l’étoupe qui brûle au feu, et ses liens coulèrent de dessus ses mains. 14 Ary raha tonga tany Lehy izy, dia nanakora azy ny Filistina; ary ny Fanahin'i Jehovah nilatsaka taminy, dia tonga tahaka ny rongony izay nodorana tamin'ny afo ny mahazaka teny amin'ny sandriny ary afaka tamin'ny tànany ny fatorana.
15 Et il trouva une mâchoire d’âne fraîche, et il étendit sa main et la prit, et en frappa mille hommes. 15 Ary nahita valanoranom-boriky vaovao izy, dia naninjitra ny tànany naka azy, ka iny no namonoany arivo lahy.
16 Et Samson dit : 16 Ary hoy Samsona: Tamin'ny valanoranom-boriky no nahafatesako ho antontany iray, eny, antontany roa; Tamin'ny valanoranom-boriky no nahafatesako arivo lahy.
Avec la mâchoire de l’âne, un monceau, deux monceaux ! Avec la mâchoire de l’âne j’ai frappé mille hommes.  
   
17 Et il arriva que, quand il eut achevé de parler, il jeta de sa main la mâchoire, et nomma ce lieu-là Ramath-Lékhi*. 17 Ary rehefa nitsahatra niteny izy, dia nariany ilay valanoranom-boriky teny an-tànany; ary ny anaran'izany tany izany dia natao hoe Ramata-lehy*.[Ramata-hely = Havoanan'ny valanorano]
18 Et il eut une très-grande soif, et il cria à l’Éternel, et dit : Tu as donné par la main de ton serviteur cette grande délivrance, et maintenant je mourrais de soif, et je tomberais entre les mains des incirconcis ! 18 Ary nangetaheta indrindra izy, dia nitaraina tamin'i Jehovah ka nanao hoe: Hianao no nanome izao famonjen-dehibe izao tamin'ny tanan'ny mpanomponao; ary ankehitriny efa ho fatin-ketaheta aho ka hianjera ho eo an-tànan'ny tsy mifora!
19 Et Dieu fendit le rocher creux qui était à Lékhi, et il en sortit de l’eau ; et il but, et son esprit revint, et il vécut : c’est pourquoi le nom de cette [source] fut appelé En-Hakkoré* ; elle est à Lékhi, jusqu’à ce jour. 19 Dia nampitresahin'Andriamanitra ilay fitoerana hoboka tany Lehy, ka niboiboika teo ny rano; ary rehefa nisotro izy, dia nody ny ainy, ka velona Izy; ka izany no nanaovany ny anarany hoe En-hakore*, izay any Lehy mandraka androany.[En-hakore = Loharanon'ilay niantso]
— v. 17 : hauteur ou colline de la mâchoire. — v. 19 : source de celui qui crie.  
20 Et [Samson] jugea Israël, aux jours des Philistins, vingt ans.* 20 Dia nitsara ny Isiraely roa-polo taona tamin'ny andron'ny Filistina izy.
— v. 20 : date : A.C. 1140-1120, environ.  
* *
Chapitre 16 Chapitre 16
1 Et Samson alla à Gaza, et il vit là une prostituée et entra vers elle. 1 [Ny nisamboran'ny Filistina an'i Samsona sy ny namalian'i Samsona azy] Ary Samsona nankany Gaza ka nahita vehivavy janga teo, dia niditra tao aminy.
2 [Et on rapporta] aux Gazites, disant : Samson est venu ici. Et ils l’entourèrent, et le guettèrent toute la nuit à la porte de la ville, et se tinrent tranquilles toute la nuit, disant : À la lumière du matin, nous le tuerons. 2 Ary nolazaina tamin'ny Gazita hoe: Tonga atỳ Samsona. Dia nanemitra azy izy ary nanotrika mandritra ny alina teo am-bavahadin'ny tanàna ka nangina mandritra ny alina; fa hoy izy: Raha maraina ny andro, dia hovonointsika izy.
3 Et Samson resta couché jusqu’au milieu de la nuit ; et il se leva au milieu de la nuit ; et il saisit les battants de la porte de la ville et les deux poteaux, et les arracha avec la barre, et les mit sur ses épaules, et les porta au sommet de la montagne qui est en face de Hébron. 3 Ary nandry Samsona mandra-pamatonalina, dia nifoha izy nony namatonalina, ka noraisiny ny vavahadin'ny tanàna mbamin'ny tolana roa, dia nongotany izy mbamin'ny hidiny ka nataony teny antsorony, dia nentiny ho any an-tampon'ny tendrombohitra izay tandrifin'i Hebrona.
   
4 Et il arriva, après cela, qu’il aima une femme dans la vallée de Sorek, et son nom était Delila. 4 Ary rehefa afaka izany, dia tia vehivavy atao hoe Delila tany an-dohasaha Soreka izy.
5 Et les princes des Philistins montèrent vers elle, et lui dirent : Persuade-le, et vois en quoi [consiste] sa grande force, et comment nous pourrions le vaincre et le lier pour l’humilier ; et nous te donnerons chacun onze cents [pièces] d’argent. 5 Ary ireo andrianan'ny Filistina niakatra nankany amin-dravehivavy ka nanao taminy hoe: Kolikoleo izy, ka izahao izay itoeran'ny heriny lehibe sy izay hahazoanay mamatotra azy mba hahafolaka azy; dia samy hanome anao sekely zato amby arivo avy izahay rehetra.
6 Et Delila dit à Samson : Déclare-moi, je te prie, en quoi [consiste] ta grande force, et avec quoi tu pourrais être lié pour t’humilier. 6 Dia hoy Delila tamin'i Samsona: Masìna ianao, lazao amiko izay itoeran'ny herinao lehibe sy izay hahazoana mamatotra anao hahafolaka anao.
7 Et Samson lui dit : Si on me liait avec sept cordelettes fraîches, qui ne fussent pas desséchées, alors je deviendrais faible, et je serais comme un autre homme. 7 Dia hoy Samsona taminy: Raha tady vaovao fito izay tsy mbola maina no amatorany ahy, dia ho osa aho ka ho tahaka ny olon-kafa.
8 Et les princes des Philistins lui apportèrent sept cordelettes fraîches, qui n’étaient pas desséchées, et elle le lia avec ces [cordelettes]. 8 Dia niakatra nankany aminy ireo andrianan'ny Filistina nitondra tady vaovao fito izay tsy mbola maina, dia namatotra azy tamin'ireny ravehivavy.
9 Et des hommes embusqués étaient chez elle dans la chambre ; et elle lui dit : Les Philistins sont sur toi, Samson ! Et il rompit les cordelettes comme se rompt une ficelle d’étoupe lorsqu’elle sent le feu ; et sa force ne fut pas découverte. 9 Ary nisy lehilahy nanotrika ka nitoetra taminy tao an'efi-trano. Dia hoy ravehivavy tamin'i Samsona: Hamely anao ny Filistina, ry Samsona! Dia notosany ny tady, tahaka ny fahamaiton'ny taretra rongony, raha lelafin'ny afo. Dia tsy fantatra ny heriny.
   
10 Et Delila dit à Samson : Voici, tu t’es moqué de moi et tu m’as dit des mensonges ; maintenant déclare-moi, je te prie, avec quoi tu pourrais être lié. 10 Ary hoy Delila tamin'i Samsona: Indro, efa namitaka ahy ianao ka nilaza lainga tamiko; ankehitriny, masìna ianao, lazao amiko izay hahazoana mamatotra anao.
11 Et il leur dit : Si on me liait bien avec des cordes neuves, dont on n’aurait fait aucun usage, alors je deviendrais faible, et je serais comme un autre homme. 11 Dia hoy kosa izy taminy: Raha mahazaka vaovao izay tsy mbola nanaovan-draharaha no amatorany ahy mafy, dia ho osa aho ka ho tahaka ny olon-kafa.
12 Et Delila prit des cordes neuves, et le lia avec ces [cordes], et lui dit : Les Philistins sont sur toi, Samson ! Et les hommes embusqués étaient dans la chambre. Et il les rompit de dessus ses bras comme un fil. 12 Dia naka mahazaka vaovao Delila, ka namatorany azy, dia hoy izy taminy: Hamely anao ny Filistina, ry Samsona! Ary nisy mpanotrika nitoetra tao an'efi-trano. Dia notosan'i Samsona ho afaka amin'ny sandriny ireny tahaka ny fahamaiton'ny taretra.
   
13 Et Delila dit à Samson : Jusqu’ici tu t’es moqué de moi, et tu m’as dit des mensonges ; déclare-moi avec quoi tu pourrais être lié. Et il lui dit : Si tu tissais sept tresses de ma tête avec le fil à tisser. 13 Dia hoy Delila tamin'i Samsona: Mandraka ankehitriny dia mbola namitaka ahy ihany ianao ka nilaza lainga tamiko; lazao amiko izay hahazoana mamatotra anao. Dia hoy kosa izy taminy: Raha tenomina hikambana amin'ny tenona ny foto-bolo fito amin'ny lohako.
14 Et elle les fixa avec la cheville, et lui dit : Les Philistins sont sur toi, Samson ! Et il se réveilla de son sommeil, et arracha la cheville du tissu et le fil. 14 Ary notsatohany ny fantaka izany, dia hoy izy taminy: Hamely anao ny Filistina, ry Samsona! Dia nifoha tamin'ny torimasony izy, ka nangotany ny fantaka sy ny tenona.
   
15 Et elle lui dit : Comment dis-tu : je t’aime, — et ton cœur n’est pas avec moi ? Tu t’es moqué de moi ces trois fois ; et tu ne m’as pas déclaré en quoi [consiste] ta grande force. 15 Dia hoy ravehivavy taminy: Nahoana ianao no nanao hoe: Tiako ianao, nefa ny tonao tsy amiko tsinona? Efa namitaka ahy intelo ianao izay, ka tsy mbola nolazainao tamiko ihany izay itoeran'ny herinao lehibe.
16 Et il arriva, comme elle le tourmentait par ses paroles tous les jours et le pressait, que son âme en fut ennuyée jusqu’à la mort ; 16 Ary rehefa nitorikisina taminy isan'andro ravehivavy ka nahasosotsosotra azy, dia tsy nahafinaritra azy intsony ny miaina.
17 et il lui déclara tout [ce qui était dans] son cœur, et lui dit : Le rasoir n’a jamais passé sur ma tête, car je suis nazaréen de Dieu dès le ventre de ma mère. Si j’étais rasé, ma force s’en irait de moi, et je deviendrais faible, et je serais comme tous les hommes. 17 Ary dia nambarany azy ny tao am-pony rehetra, ka hoy izy taminy: Tsy mbola nokasihin-kareza ny lohako, fa Nazirita ho an'Andriamanitra hatrany an-kibon-dreniko aho; koa raha haratana aho, dia hiala amiko ny heriko, ary ho osa aho ka ho tahaka ny olona rehetra,
   
18 Et Delila vit qu’il lui avait déclaré tout [ce qui était dans] son cœur ; et elle envoya, et appela les princes des Philistins, disant : Montez cette fois, car il m’a déclaré tout [ce qui est dans] son cœur. Et les princes des Philistins montèrent vers elle, et apportèrent l’argent dans leur main. 18 Ary rehefa hitan'i Delila fa efa nambarany azy ny tao am-pony rehetra, dia naniraka izy nampaka ireo andrianan'ny Filistina nanao hoe: Miakara amin'izao indray mandeha izao, fa efa nambarany ahy ny tao ampony rehetra. Ary ireo andrianan'ny Filistina niakatra ho any aminy nitondra ny vola teny an-tànany.
19 Et elle l’endormit sur ses genoux, et appela un homme, et rasa les sept tresses de sa tête ; et elle commença de l’humilier, et sa force se retira de lui. 19 Ary ravehivavy nanondana an'i Samsona hatory teo an-dohaliny, dia niantso lehilahy ka nanaratra ny foto-bolo fito amin'ny lohany; dia vao izay no nampietry azy izy, satria niala taminy ny heriny.
20 Et elle dit : Les Philistins sont sur toi, Samson ! Et il se réveilla de son sommeil, et se dit : Je m’en irai comme les autres fois, et je me dégagerai. Or il ne savait pas que l’Éternel s’était retiré de lui. 20 Dia hoy ravehivavy: Hamely anao ny Filistina, ry Samsona! Dia nifoha tamin'ny torimasony izy ka nanao hoe: Hivoaka tahaka ny teo aloha aho ka hanetsika ny tenako. Kanjo tsy fantany fa Jehovah efa niala taminy.
21 Et les Philistins le saisirent et lui crevèrent les yeux, et le firent descendre à Gaza, et le lièrent avec des chaînes* d’airain ; et il tournait la meule dans la maison des prisonniers. 21 Dia nisambotra azy ny Filistina ka namotsitra ny masony, dia nitondra azy nidina nankany Gaza ary namatotra azy tamin'ny gadra varahina; ary nitoto vary tao an-trano famatorana izy.
22 Et les cheveux de sa tête commencèrent à croître, après qu’il eut été rasé. 22 Ary dia naniry indray ny volon-dohany, rehefa voaharatra.
— v. 21 : ou : deux chaînes.  
23 Et les princes des Philistins s’assemblèrent pour offrir* un grand sacrifice à Dagon, leur dieu, et pour se réjouir ; et ils dirent : Notre dieu a livré entre nos mains Samson, notre ennemi. 23 Ary nivory ireo andrianan'ny Filistina hamono zavatra betsaka hatao fanatitra ho an'i Dagona andriamaniny sy hifaly; fa hoy izy: Efa natolotry ny andriamanitsika eto an-tanantsika Samsona fahavalontsika.
24 Et le peuple le vit, et ils louèrent leur dieu, car ils disaient : Notre dieu a livré entre nos mains notre ennemi, et le dévastateur de notre pays, et celui qui multipliait nos tués. 24 Ary rehefa nahita azy ny vahoaka, dia nidera ny andriamaniny ka nanao hoe: Efa natolotry ny andriamanitsika eto an-tanantsika ilay fahavalontsika, mpanimba ny tanintsika, izay nahabe maty antsika.
25 Et il arriva, comme ils avaient le cœur joyeux, qu’ils dirent : Appelez Samson, et qu’il nous amuse ! Et ils appelèrent Samson de la maison des prisonniers ; et il joua devant eux ; et ils le placèrent entre les colonnes. 25 Ary rehefa faly ny fony, dia hoy izy: Alao Samsona mba hanao laolao ho antsika. Dia nampaka an'i Samsona avy tao an-trano famatorana izy, ka nanao laolao teo anatrehan'ireo Samsona; ary nampitsanganiny teo anelanelan'ny andry izy.
26 Et Samson dit au garçon qui le tenait par la main : Laisse-moi, et fais-moi toucher les colonnes sur lesquelles la maison est assise, et que je m’y appuie. 26 Ary hoy Samsona tamin'ny zatovo izay nitantana azy: Avelao kely aho hitsapa ny andry izay manohana ny trano, hiankinako aminy.
27 Et la maison était remplie d’hommes et de femmes ; et tous les princes des Philistins étaient là, et, sur le toit, environ trois mille hommes et femmes qui regardaient Samson jouer. 27 Ary feno lehilahy sy vehivavy ny trano, ary tao ireo andrianan'ny Filistina rehetra, ary teo an-tampon-trano koa nisy lehilahy sy vehivavy tokony ho telo arivo, izay finaritra nijery an'i Samsona nanao laolao.
28 Et Samson cria à l’Éternel, et dit : Seigneur Éternel ! souviens-toi de moi, je te prie, et fortifie-moi, je te prie, seulement cette fois, ô Dieu ! afin que, d’une seule vengeance, je me venge des Philistins pour mes deux yeux. 28 Ary Samsona niantso an'i Jehovah ka nanao hoe: Jehovah Tompo ô, mifona aminao aho, tsarovy aho, ka ampaherezo izao indray mandeha izao monja, ry Andriamanitra ô, hamaliako ny Filistina noho ny anankiray amin'ny masoko roa.
29 Et Samson saisit les deux colonnes du milieu, sur lesquelles la maison était assise (et il s’appuya sur elles), l’une de sa main droite, et l’autre de sa main gauche. 29 Dia notanan'i Samsona ny andry roa teo afovoany izay nanohana ny trano, ny anankiray tamin'ny tanany ankavanana, ary ny anankiray tamin'ny tànany ankavia, ka niankina teo izy.
30 Et Samson dit : Que mon âme meure avec les Philistins ! Et il se pencha avec force, et la maison tomba sur les princes et sur tout le peuple qui y était. Et les morts qu’il fit mourir dans sa mort furent plus nombreux que ceux qu’il avait fait mourir pendant sa vie. 30 Dia hoy Samsona: Aoka hiara-maty amin'ny Filistina aho. Dia nezahiny mafy, ka dia nianjera tamin'ireo andriana sy ny vahoaka rehetra izay teo ny trano. Ary ny maty izay novonoiny teo amin'ny nahafatesany no be lavitra noho izay novonoiny tamin'ny andro niainany.
31 Et ses frères et toute la maison de son père descendirent, et l’emportèrent ; et ils le remontèrent, et l’enterrèrent entre Tsorha et Eshtaol dans le sépulcre de Manoah, son père. Et il avait jugé Israël vingt ans. 31 Ary nidina ny rahalahiny sy ny mpianakavin-drainy rehetra, dia naka ny fatiny ka nitondra azy niakatra, dia nandevina azy teo anelanelan'i Zora sy Estaola tao amin'ny fasan'i Manoa rainy. Ary izy efa nitsara ny Isiraely roa-polo taona.
— v. 23 : litt.: sacrifier.  
* *
Chapitre 17 Chapitre 17
1 Et il y avait un homme de la montagne d’Éphraïm,* dont le nom était Michée ; 1 [Ny nanaovan'i Mika sarin-javatra hivavahana] Nisy lehilahy tany amin'ny tany havoan'i Efraima, Mika no anarany.
2 et il dit à sa mère : Les onze cents [pièces] d’argent qui t’ont été prises, et au sujet desquelles tu as fait des imprécations et as aussi parlé à mes oreilles…, voici, l’argent est par devers moi ; c’est moi qui l’avais pris. Et sa mère dit : Béni soit mon fils de par l’Éternel ! 2 Ary hoy izy tamin'ny reniny: Ilay sekely volafotsy zato amby arivo nalaina taminao, izay nasianao ozona sady nolazainao teo anatrehako, indro, ato amiko ny vola; izaho no naka azy. Dia hoy ny reniny: Hotahin'i Jehovah anie ny zanako.
3 Et il rendit à sa mère les onze cents [pièces] d’argent ; et sa mère dit : J’avais consacré* de ma main l’argent à l’Éternel pour mon fils, afin d’en faire une image taillée, et une image de fonte ; et maintenant, je te le rends. 3 Ary rehefa naveriny tamin'ny reniny ny sekely volafotsy zato amby arivo, dia hoy reniny: Atokako* ho an'i Jehovah mihitsy ity vola avy amin'ny tanako ity ka hatolotro ho anao, ry zanako, hanaovana sarin-javatra voasokitra sy sarin-javatra an-idina, ary ankehitriny dia averiko ho aminao izy.[Na: Efa natokako]
4 Et il rendit l’argent à sa mère ; et sa mère prit deux cents [pièces] d’argent et les donna au fondeur, et il en fit une image taillée, et une image de fonte ; et elles furent* dans la maison de Michée. 4 Ary rehefa naveriny tamin-dreniny ny volafotsy, dia naka volafotsy roan-jato ny reniny, ka nomeny ny mpanao an-idina hataony sarin-javatra voasokitra sy sarin-javatra an-idina; dia natao tao an-tranon'i Mika izany.
5 Et l’homme Michée eut une maison de dieux, et il fit un éphod et des théraphim, et consacra* l’un de ses fils, et celui-ci fut son sacrificateur. 5 Ary nanana tranon'andriamanitra Mika sady efa nanao efoda sy terafima; ary ny zanany anankiray no natokany* ka tonga mpisorony.[Heb. nofenoiny ny tànany]
— v. 1 : date : A.C. 1400, environ. — v. 3 : litt.: sanctifié ; d’autres : J’ai entièrement sanctifié. — v. 4 : litt.: elle fut. — v. 5 : voir note à Exode 28:41.  
6 En ces jours-là, il n’y avait pas de roi en Israël ; chacun faisait ce qui était bon* à ses yeux. 6 Tamin'izany andro izany tsy nisy mpanjaka tamin'ny Isiraely: fa samy nanao izay nataony ho marina avy ny olona rehetra.
— v. 6 : ici, litt.: droit.  
7 Et il y avait un jeune homme de Bethléhem de Juda, [ville] de la famille de Juda, et il était Lévite, et il séjournait là. 7 Ary nisy zatovo avy any Betlehema-joda, tamin'ny fokon'i Joda, ary Levita izy sady nivahiny tao.
8 Et l’homme s’en alla de sa ville, de Bethléhem de Juda, pour séjourner là où il trouverait [un lieu] ; et, chemin faisant, il vint à la montagne d’Éphraïm, jusqu’à la maison de Michée. 8 Ary ralehilahy niala tao an-tanàna Betlehema-joda hivahiny any amin'izay azony hitoerana; ary nony nandeha izy, dia tonga tany amin'ny tany havoan'i Efraima tao an-tranon'i Mika.
9 Et Michée lui dit : D’où viens-tu ? Et il lui dit : Je suis un Lévite de Bethléhem de Juda, et je m’en vais pour séjourner là où je trouverai [un lieu]. 9 Ary hoy Mika taminy: Avy aiza moa ianao? Dia hoy kosa izy taminy: Levita avy any Betlehema-joda aho ka mandeha hivahiny eny amin'izay azoko hitoerana.
10 Et Michée lui dit : Demeure avec moi, et tu seras pour moi un père et un sacrificateur, et je te donnerai dix [pièces] d’argent par an, et un habillement complet, et ton entretien. 10 Dia hoy Mika taminy: Mitoera atỳ amiko ianao, ary aoka ho raiko sy ho mpisoroko, dia homeko sekely folo volafotsy isan-taona sy fitafiana ary hanina. Dia niditra ilay Levita.
11 Et le Lévite alla. Et le Lévite consentit à demeurer avec l’homme, et le jeune homme fut pour lui comme un de ses fils. 11 Ary nanaiky hitoetra tao amin-dralehilahy ilay Levita, ka dia tonga tahaka ny zanany izy.
12 Et Michée consacra* le Lévite ; et le jeune homme fut son sacrificateur ; et il fut dans la maison de Michée. 12 Dia natokan'i Mika ilay Levita, ka dia tonga mpisorony izy ary nitoetra tao an-tranon'i Mika.
13 Et Michée dit : Maintenant je connais que l’Éternel me fera du bien, puisque j’ai un Lévite pour sacrificateur. 13 Dia hoy Mika: Fantatro izao fa hanisy soa ahy Jehovah, satria manana ity Levita ity ho mpisoroko aho.
. — v. 12 : voir note à Exode 28:41.  
Chapitre 18 Chapitre 18
1 En ces jours-là il n’y avait pas de roi en Israël ; et, en ces jours, la tribu des Danites se cherchait un héritage pour y demeurer, car, jusqu’à ce jour-là, [leur lot] ne leur était point échu en héritage parmi les tribus d’Israël. 1 [Ny nandehandehanan'ny firenen'i Dana nizaha tany hitoerany] Ary tamin'izany andro izany dia tsy nisy mpanjaka teo amin'ny Isiraely; ary tamin'izany andro izany kosa ny firenen'i Dana nitady lova mba honenany, satria na dia hatramin'izany andro izany aza dia tsy mbola nahazo lova ho azy teo amin'ny firenen'Isiraely izy.
2 Et les fils de Dan envoyèrent de Tsorha et d’Eshtaol cinq hommes de leur famille, pris d’entre eux tous, des hommes vaillants, pour explorer le pays et le reconnaître ; et ils leur dirent : Allez, reconnaissez le pays. Et ils vinrent à la montagne d’Éphraïm, jusqu’à la maison de Michée, et ils y passèrent la nuit. 2 Ary ny taranak'i Dana naniraka dimy lahy nofantenany avy amin'ny fokony rehetra, dia lehilahy mahery, avy tany Zora sy Estaola, mba hisafo ny tany sy hizaha ny toetrany; ary hoy izy taminy: Mandehana izahao ny toetry ny tany. Ary tonga tany amin'ny tany havoan'i Efraima tao an-tranon'i Mika izy, dia nandry tao.
3 Comme ils étaient près de la maison de Michée, ils reconnurent la voix du jeune homme, du Lévite ; et ils entrèrent* là, et lui dirent : Qui t’a amené ici, et que fais-tu par ici, et qu’as-tu ici ? 3 Rehefa mby teo akaikin'ny tranon'i Mika izy, dia fantany ny feon'ilay Levita zatovo; dia nivily teo izy ka nanao taminy hoe: Iza no nitondra anao tatỳ? ary maninona atỳ ianao? ary inona no anananao atỳ?
4 Et il leur dit : Michée a fait pour moi telle et telle chose, et il me donne un salaire, et je suis son sacrificateur. 4 Dia hoy kosa izy taminy: Izany ka izany no nataon'i Mika tamiko, ary efa nanamby ahy izy, ka efa mpisorony aho izao.
5 Et ils lui dirent : Nous te prions, interroge Dieu, afin que nous sachions si notre chemin par lequel nous allons prospérera. 5 Dia hoy izy ireo taminy: Masìna ianao, manontania amin'Andriamanitra mba ho fantatray na hambinina amin'ny lalana alehanay izahay, na tsia.
6 Et le sacrificateur leur dit : Allez en paix, le chemin ou vous marchez est devant l’Éternel. 6 Dia hoy ilay mpisorona taminy: Mandehana soa aman-tsara; fa eo anatrehan'i Jehovah izao lalana alehanareo izao.
— v. 3 : litt.: se détournèrent.  
7 Et les cinq hommes s’en allèrent, et vinrent à Laïs ; et ils virent le peuple qui était au milieu d’elle, habitant en sécurité, à la manière des Sidoniens, tranquille et confiant ; et il n’y avait dans le pays personne qui, possédant la domination, les molestât en aucune chose ; et ils étaient éloignés des Sidoniens, et n’avaient commerce avec personne. 7 Dia nandeha izy dimy lahy ka tonga tany Laisy, ary hitany ny olona tao, fa nonina tsy nanana ahiahy tahaka ny fanaon'ny Sidoniana izy, dia nandry fahizay ka tsy nanana ahiahy, sady tsy nisy mpanapaka hampahory* azy teo amin'ny tany na amin'inona na amin'inona; ary lavitra ny Sidoniana izy sady tsy nanan-draharaha tamin'olona akory.[Na: hahamena-maso]
8 — Et ils vinrent vers leurs frères, à Tsorha et à Eshtaol ; et leurs frères leur dirent : Que [rapportez-]vous ? 8 Dia nandeha ho any amin'ny rahalahiny any Zora sy Estaola ireo; ary hoy ny rahalahiny taminy: Naninona moa ianareo?
9 Et ils dirent : Levons-nous, et montons contre eux ; car nous avons vu le pays, et voici, il est très-bon : et vous vous tenez tranquilles ? Ne soyez pas paresseux pour aller, et entrer, et posséder le pays. 9 Dia hoy izy: Mitsangàna, ka aoka isika hiakatra hamely azy; fa efa nahita ny tany izahay, fa, indro, tsara indrindra izany; moa mbola mijanonjanona ihany va ianareo? aza malain-kandeha hiditra handova ny tany.
10 Quand vous y entrerez, vous entrerez vers un peuple confiant, et le pays est spacieux en tout sens ; car Dieu l’a livré en votre main : c’est un lieu où rien ne manque de tout ce qui est sur la terre. 10 Raha mandeha ianareo, dia ho tonga any amin'ny olona tsy manana ahiahy sy any amin'ny tany malalaka; fa efa natolotr'Andriamanitra ho eo an-tananareo izany; dia tany tapi-javatra irina atỳ ambonin'ny tany.
   
11 Et de là, de Tsorha et d’Eshtaol, partirent six cents hommes de la famille des Danites, ceints de [leurs] armes de guerre. 11 Dia nisy niainga avy tamin'ny fokon'i Dana, avy tany Zora sy Estaola, dia enin-jato lahy efa voaomana tamin'ny fiadiany.
12 Et ils montèrent, et campèrent à Kiriath-Jéarim, en Juda ; c’est pourquoi on a appelé ce lieu-là Mahané-Dan*, jusqu’à ce jour : voici, il est derrière Kiriath-Jéarim. 12 Ary niakatra ireo ka nitoby tany Kiriata-jearima any Joda (izany no nanaovana ny anaran'izany tany izany hoe mandraka androany Mahane-dana*; indro, eo andrefan'i Kiriata-jearima izany).
13 Et de là ils passèrent vers la montagne d’Éphraïm, et arrivèrent jusqu’à la maison de Michée. 13 Dia niala tao izy ka nandroso nantany amin'ny tany havoan'i Efraima, dia tonga tao an-tranon'i Mika.
14 Et les cinq hommes qui étaient allés pour explorer le pays de Laïs, prirent la parole et dirent à leurs frères : Savez-vous qu’il y a dans ces maisons un éphod, et des théraphim, et une image taillée, et une image de fonte ? Et maintenant vous savez ce que vous avez à faire. 14 Ary niteny izy dimy lahy, izay nandeha hisafo ny tany Laisy, ka nanao tamin'ny rahalahiny hoe: Fantatrareo va fa ato amin'ireto trano ireto misy efoda sy terafima ary sarin-javatra voasokitra sy sarin-javatra anidina? koa hevero izay hataonareo.
15 Et ils se détournèrent vers ce lieu-là, et entrèrent dans la maison du jeune homme, du Lévite, la maison de Michée, et ils le saluèrent*. 15 Dia nivily tao izy ka tonga tao an-tranon'ilay Levita zatovo, dia tao an-tranon'i Mika, ka niarahaba azy.
16 Et les six cents hommes des fils de Dan, ceints de leurs armes de guerre, se tinrent à l’entrée de la porte. 16 Ary ny enin-jato lahy efa voaomana tamin'ny fiadiany, izay avy tamin'ny taranak'i Dana, dia nijanona teo anoloan'ny vavahady.
17 Et les cinq hommes qui étaient allés pour explorer le pays montèrent, entrèrent là, [et] prirent l’image taillée, et l’éphod, et les théraphim, et l’image de fonte. Et le sacrificateur se tenait à l’entrée de la porte, ainsi que les six cents hommes qui étaient ceints de leurs armes de guerre. 17 Ary niakatra izy dimy lahy, izay nandeha hisafo ny tany, dia niditra ka naka ny sarin-javatra voasokitra sy ny efoda sy ny terafima ary ny sarin-javatra an-idina; ary ny mpisorona mbamin'ny enin-jato lahy efa voaomana tamin'ny fiadiany nijanona teo anoloan'ny vavahady.
18 Et ceux-là* entrèrent dans la maison de Michée, et prirent l’image taillée, et l’éphod, et les théraphim, et l’image de fonte ; et le sacrificateur leur dit : Que faites-vous ? 18 Dia niditra tao an-tranon'i Mika ireo ka naka ny sarin-javatra voasokitra sy ny efoda sy ny terafima ary ny sarin-javatra an-idina. Ary hoy ny mpisorona taminy: Maninona ianareo?
19 Et ils lui dirent : Tais-toi, mets ta main sur ta bouche, et viens avec nous, et sois pour nous un père et un sacrificateur. Vaut-il mieux pour toi d’être sacrificateur de la maison d’un homme seul, ou d’être sacrificateur d’une tribu et d’une famille en Israël ? 19 Dia hoy ireo taminy: Mangina ianao, tampeno ny tananao ny vavanao, ka andeha hiaraka aminay, dia ho rainay sy mpisoronay ianao; moa tsara ho anao va ny ho mpisorona ho an'ny olona iray trano noho ny ho mpisorona amin'ny firenena iray sy ny foko iray amin'ny Isiraely?
20 Et le cœur du sacrificateur s’en réjouit, et il prit l’éphod, et les théraphim, et l’image taillée, et il s’en alla au milieu du peuple. 20 Dia faly ny fon'ilay mpisorona, ka nalainy ny efoda sy ny terafima ary ny sarin-javatra voasokitra, ary nandeha voahodidin'ny olona izy.
— v. 12 : camp de Dan. — v. 15 : litt.: s’enquirent touchant sa paix. — v. 18 : les cinq hommes.  
   
21 Et ils se tournèrent, et s’en allèrent, et mirent devant eux les petits enfants, et les troupeaux, et les choses précieuses. 21 Dia nihodina izy ireo ka lasa nandeha; ary ny zaza amim-behivavy sy ny omby aman'ondry mbamin'ny entany tsara dia nataony teo alohany.
22 Quand ils furent loin de la maison de Michée, les hommes qui étaient dans les maisons voisines de celle de Michée furent assemblés à grands cris, et ils atteignirent les fils de Dan. 22 Ary rehefa lasa lavitra ny tranon'i Mika izy, dia nivory ny lehilahy nifanolo-bodirindrina tamin'i Mika ka nahatratra ny taranak'i Dana.
23 Et ils crièrent aux fils de Dan ; et eux tournèrent leurs visages, et dirent à Michée : Qu’as-tu, que tu aies rassemblé [ces gens] ? 23 Dia niantso ny taranak'i Dana izy. Ary niherika ireo ka nanao tamin'i Mika hoe: Haninona ianao, no nanangona olona maro toy izao?
24 Et il dit : Vous avez pris mes dieux que j’ai faits, et le sacrificateur, et vous vous en êtes allés ; et que me reste-t-il ? Et comment me dites-vous : Qu’as-tu ? 24 Ary hoy Izy: Ny andriamanitro izay nataoko sy ny mpisorona koa dia nalainareo, ka lasa ianareo; koa inona intsony no mba ho ahy? Ary ahoana no anaovanareo amiko hoe: Haninona ianao?
25 Et les fils de Dan lui dirent : Ne fais pas entendre ta voix au milieu de nous, de peur que des hommes exaspérés ne se jettent sur vous, et que tu n’y perdes ta vie et la vie de ta maison. 25 Dia hoy ny taranak'i Dana taminy: Aoka tsy ho re eto aminay intsony ny feonao, fandrao hisy olo-masiaka hamely anareo, ka dia hanao izay hahafaty ny tenanao sy ny ankohonanao ianao.
   
26 Et les fils de Dan s’en allèrent leur chemin ; et Michée vit qu’ils étaient trop forts pour lui, et se tourna, et revint à sa maison. 26 Dia nandeha tamin'ny nalehany ny taranak'i Dana; ary rehefa hitan'i Mika fa ireo dia nahery noho izy, dia niverina izy ka nody tany an-tranony.
27 Et eux, prirent ce que Michée avait fait, et le sacrificateur qu’il avait, et vinrent à Laïs, vers un peuple tranquille et confiant, et ils les frappèrent par le tranchant de l’épée, et brûlèrent au feu leur ville. 27 Ary izy ireo naka izay zavatra efa nataon'i Mika sy ny mpisorona izay tao aminy, dia nankany Laisy ho any amin'ny olona mandry fahizay ka tsy manana ahiahy, dia namely azy tamin'ny lelan-tsabatra ireo; ary ny tanàna nodorany tamin'ny afo.
28 Et il n’y avait personne qui la délivrât ; car elle était loin de Sidon, et ils n’avaient commerce avec personne : elle était dans la vallée qui est vers Beth-Rehob. Et ils bâtirent la ville, et y habitèrent. 28 Ary tsy nisy namonjy, satria lavitra an'i Sidona izany, ary tsy nanan-draharaha tamin'olona akory izy, sady teo amin'ny lohasaha izay any Beti-rehoba izany. Dia nanorina ny tanàna izy ireo ka nonina tao.
29 Et ils appelèrent le nom de la ville : Dan, d’après le nom de Dan, leur père, qui était né à Israël ; mais, au commencement, le nom de la ville était Laïs. 29 Ary ny anaran'ny tanàna nataony hoe Dana, araka ny anaran'i Dana rainy, izay naterak'Isiraely; kanefa Laisy no anaran'ny tanàna taloha.
30 Et les fils de Dan dressèrent pour eux l’image taillée ; et Jonathan, fils de Guershom, fils de Moïse*, lui et ses fils, furent sacrificateurs pour la tribu des Danites, jusqu’au jour de la captivité du pays. 30 Dia natsangan'ny taranak'i Dana ilay sarin-javatra voasokitra; ary Jonatana, zanak'i Gersoma, zanak'i Mosesy*, sy ny zanany, no mpisorona ho an'ny firenen'i Dana hatramin'ny andro namaboana ny tany.[Na: Manase]
31 Et ils dressèrent pour eux l’image taillée de Michée, qu’il avait faite, pendant tout le temps* que la maison de Dieu fut à Silo. 31 Ary nampitoeriny ho azy ilay sarin-javatra voasokitra nataon'i Mika mandritra ny andro rehetra niorenan'ny tranon'Andriamanitra tao Silo.
— v. 30 : les copistes en ont fait : Manassé. — v. 31 : litt.: tous les jours.  
* *
Chapitre 19 Chapitre 19
1 Et il arriva en ces jours-là, quand il n’y avait point de roi en Israël,* qu’un Lévite, qui séjournait au fond de la montagne d’Éphraïm, prit une concubine de Bethléhem de Juda. 1 [Ny ratsy nataon'ny mponina tao Gibea, sy ny namalian'ny Isiraely rehetra azy] Ary tamin'izany andro izany, raha tsy nisy mpanjaka teo amin'ny Isiraely, dia nisy Levita anankiray nivahiny tary an-tsisin'ny tany havoan'i Efraima, ka naka vaditsindrano avy any Betlehema-joda.
2 Et sa concubine lui étant infidèle se prostitua, et s’en alla d’avec lui à la maison de son père, à Bethléhem de Juda ; et elle fut là quelque temps, quatre mois*. 2 Ary ny vaditsindranony nijangajanga sy nisintaka taminy ka nandao azy ary nankany an-tranon-drainy any Betlehema-joda, dia nitoetra tao efa-bolana mipaka.
3 Et son mari se leva, et alla après elle pour parler à son cœur, afin de la ramener, et il avait avec lui son jeune homme et une couple d’ânes. Et elle le fit entrer dans la maison de son père ; et quand le père de la jeune femme le vit, il se réjouit de le rencontrer. 3 Ary niainga ralehilahy ka nandeha nanaraka azy hanao teny malefaka taminy hampody azy ary nitondra ny zatovony sy boriky roa; dia nampiantranoin-dravehivavy ho ao an-tranon-drainy izy, ka nony hitan'ny rain-drazazavavy ralehilahy, dia faly izy nihaona taminy.
4 Et son beau-père, le père de la jeune femme, le retint ; et il demeura avec lui trois jours ; et ils mangèrent et burent et ils passèrent la nuit là. 4 Ary nihazona azy ny rafozany, rain-drazazavavy, ka nitoetra teo aminy hateloana izy, dia nihinana sy nisotro ary nandry tao izy roa lahy.
5 Et il arriva, le quatrième jour, qu’ils se levèrent de bonne heure le matin ; et, comme il se levait pour s’en aller, le père de la jeune femme dit à son gendre : Fortifie ton cœur avec une bouchée de pain, et après, vous vous en irez. 5 Ary nony tamin'ny andro fahefatra, dia nifoha maraina koa izy ka niomana handeha; fa hoy ny rain-drazazavavy tamin'ny vinantony: Aoka aloha mba hanao ody am-bavafo kely ianao, ary rehefa afaka izany, dia handeha ianareo.
6 Et ils s’assirent, et mangèrent et burent, eux deux ensemble ; et le père de la jeune femme dit à l’homme : Consens, je te prie, et passe [ici] la nuit, et que ton cœur se réjouisse. 6 Dia nipetraka izy roa lahy ka niara-nihinana sy nisotro; dia hoy ny rain-drazazavavy tamin-dralehilahy: Mba maneke ny handry eto anio alina, ary aoka ho faly ny fonao.
7 Et l’homme se leva pour s’en aller, mais son beau-père le pressa, et il revint et passa [encore] la nuit là. 7 Ary raha niomana handeha ralehilahy, dia nanery azy hitoetra ny rafozany, ka dia tafandriana tao indray izy.
8 Et le cinquième jour, il se leva de bonne heure le matin pour s’en aller ; mais le père de la jeune femme dit : je te prie, fortifie ton cœur. Et ils s’attardèrent jusqu’à ce que le jour baissa*, et ils mangèrent eux deux. 8 Dia nifoha maraina koa izy handeha nony tamin'ny andro fahadimy; fa hoy ny rain-drazavazavy: Aoka mba hanao ody am-bavafo kely ianao, ary mijanonjanona aloha mandra-pihilan'ny andro; ary dia niara-nihinana izy roa lahy.
9 Et l’homme se leva pour s’en aller, lui et sa concubine, et son serviteur*. Et son beau-père, le père de la jeune femme, lui dit : Tu vois que le jour faiblit, le soir approche ; je vous prie, passez la nuit ; voici, le jour tombe, passe ici la nuit, et que ton cœur se réjouisse ; et demain vous vous lèverez de bonne heure pour [aller] votre chemin, et tu t’en iras à ta tente. 9 Ary raha niainga handeha ralehilahy sy ny vaditsindranony ary ny ankizilahiny, dia hoy ny rafozany, rain-drazazavavy, taminy Indro, efa ho hariva ny andro izao, koa masìna ianao, mandria re anio alina; indro, efa hilentika ny masoandro, ka mandria eto, mba hifalian'ny fonao; ary rahampitso dia hifoha maraina koa ianareo, ka handeha hody ianao.
10 Mais l’homme ne voulut point passer la nuit, et il se leva, et s’en alla ; et il vint jusque vis-à-vis de Jébus qui est Jérusalem, et, avec lui, la couple d’ânes bâtés, et sa concubine avec lui. 10 Fa tsy nety nijanona intsony ralehilahy tamin'izany alina izany, fa niainga ihany izy ka nandeha, dia tonga tandrifin'i Jebosa (Jerosalema izany); ary boriky roa samy voaisy lasely no nentiny, ary ny vaditsindranony niaraka taminy koa.
— v. 1 : date : A.C. 1400, environ. — v. 2 : ou : un an [et] quatre mois. — v. 8 : c. à d. eut passé midi. — v. 9 : litt.: jeune homme, ici et versets 11, 13.  
11 Ils étaient tout près de Jébus, et le jour avait beaucoup baissé ; et le serviteur dit à son maître : Allons, je te prie, et détournons-nous vers cette ville des Jébusiens, et passons-y la nuit. 11 Ary rehefa mby teo akaiky an'i Jebosa izy, ka efa ho hariva ny andro, dia hoy ny zatovo tamin'ny tompony: Andeha hiakatra ato amin'ity tanànan'ny Jebosita ity isika ka handry ato.
12 Et son maître lui dit : Nous ne nous détournerons point vers une ville des étrangers, qui n’est pas des fils d’Israël ; mais nous passerons jusqu’à Guibha. 12 Fa hoy ny tompony taminy: Tsy hiakatra amin'ny tanànan'ny olona hafa firenena izay tsy isan'ny Zanak'Isiraely isika, fa handroso ihany ho any Gibea.
13 Et il dit à son serviteur : Viens, et approchons-nous d’un de ces endroits, et passons la nuit à Guibha ou à Rama. 13 Ary hoy izy tamin'ny zatovony: Andeha isika hankamin'ny anankiray amin'ireto tanàna ireto, dia any Gibea, na any Rama, ka handry any.
14 Et ils passèrent plus avant, et marchèrent, et le soleil se coucha, comme ils étaient près de Guibha, qui est à Benjamin. 14 Dia nandroso izy ka nandeha; ary raha mbola teo akaiky an'i Gibea, izay an'ny Benjamita, izy, dia nilentika ny masoandro.
15 Et ils se détournèrent pour entrer [et] pour passer la nuit à Guibha. Et il entra, et s’assit sur la place de la ville, et il n’y eut personne qui les reçût dans sa maison pour passer la nuit. 15 Ka dia nivily teo izy handeha handry any Gibea; ary niakatra izy ka nipetraka teo amin'ny kianjan'ny tanàna; fa tsy nisy olona nampiantrano azy handry tao an-tranony.
   
16 Et voici, sur le soir, un vieillard venait des champs, de son travail ; et l’homme était de la montagne d’Éphraïm, et séjournait à Guibha ; et les hommes du lieu étaient Benjaminites. 16 Ary, indro, nisy lehilahy anti-panahy avy niasa tany an-tsaha nony hariva, sady olona avy any amin'ny tany havoan'i Efraima koa izy, saingy nitoetra tany Gibea, fa ny mponina tao amin'izany tanana izany dia Benjamita.
17 Et il leva ses yeux, et vit le voyageur sur la place de la ville ; et le vieillard [lui] dit : Où vas-tu, et d’où viens-tu ? 17 Ary rehefa nanopy ny masony izy ka nahita ilay vahiny teo an-kianjan'ny tanana, dia hoy ilay lehilahy anti-panahy: Hankaiza moa ianao? Ary avy taiza?
18 Et il lui dit : Nous passons de Bethléhem de Juda vers le fond de la montagne d’Éphraïm ; je suis de là, et je suis allé à Bethléhem de Juda, et j’ai à faire avec* la maison de l’Éternel ; et il n’y a personne qui me reçoive dans sa maison. 18 Dia hoy izy taminy: Avy tany Betlehema-joda izahay ka hankarỳ an-tsisin'ny tany havoan'i Efraima, fa any no tany nihaviako; ary nankany Betlehema-joda aho, fa mpankany* an-tranon'i Jehovah; ary tsy misy olona mampiantrano ahy;[Na: mankany]
19 Et pourtant j’ai de la paille et du fourrage pour nos ânes, et j’ai aussi du pain et du vin pour moi et pour ta servante, et pour le jeune homme qui est avec tes serviteurs ; rien ne nous manque. 19 kanefa misy mololo sy hanina ihany ho an'ny borikinay, sady misy mofo sy divay ho ahy sy ny ankizivavinao ary ho an'ny zatovo manaraka ny mpanomponao: tsy misy zavatra ilainay intsony.
20 Et le vieillard lui dit : Paix te soit ! Seulement, que tous tes besoins soient à ma charge ; mais ne passe pas la nuit sur la place. 20 Dia hoy ilay lehilahy anti-panahy: Fiadanana anie ho anao; aoka ho adidiko izay rehetra ilainao, fa aza mandry foana eto an-kianja.
21 Et il le fit entrer dans sa maison, et donna le fourrage aux ânes ; et ils lavèrent leurs pieds, et mangèrent et burent. 21 Dia nitondra azy tany an-tranony izy ka nampihinana ny boriky; dia nanasa tongotra izy ireo ka nihinana sy nisotro.
— v. 18 : litt.: je marche avec.  
22 Comme ils faisaient bonne chère, voici, les hommes de la ville, des hommes, fils de Bélial*, entourèrent la maison, frappant à la porte ; et ils parlèrent au vieillard, maître de la maison, disant : Fais sortir l’homme qui est entré dans ta maison, afin que nous le connaissions. 22 Ary raha mbola nampifaly ny fony izy, indro, ny mponina tao an-tanàna, olona tena ratsy fanahy, dia nanodidina ny trano ka nandondona mafy ny varavarana ary niteny tamin'ilay lehilahy anti-panahy tompo-trano hoe: Avoahy ny lehilahy izay niditra ato an-tranonao, mba hahalalanay azy.
23 Et le maître de la maison sortit vers eux, et leur dit : Non, mes frères, ne faites pas [ce] mal, je vous prie ; après que cet homme est entré dans ma maison, ne faites pas cette infamie. 23 Dia nivoaka nankeo aminy ralehilahy tompo-trano ka nanao taminy hoe: Tsia, ry rahalahiko, masìna ianareo, aza manao ratsy; fa tonga ato an-tranoko ity lehilahy ity, koa aza manao izany zavatra fady indrindra* izany ianareo.[Heb. fahadalana]
24 Voici ma fille qui est vierge, et sa concubine : laissez-moi les faire sortir, et vous les humilierez, et vous leur ferez ce qu’il vous plaira* ; mais à cet homme ne faites pas cette chose infâme. 24 Indreto ny zanako-vavy virijina sy ny vaditsindranon-dralehilahy, aoka mba ho entiko mivoaka ireo, ka mandria aminy, ary ataovy aminy izay sitrakareo; fa aza ity lehilahy ity no anaovanareo izany zavatra fady indrindra izany.
25 Mais ces gens ne voulurent pas l’écouter ; et l’homme saisit sa concubine et la leur amena dehors ; et ils la connurent et abusèrent d’elle toute la nuit jusqu’au matin ; et ils la renvoyèrent comme l’aurore se levait. 25 Fa tsy nety nihaino azy ireo lehilahy ireo, ka dia nalain-dralehilahy ilay vaditsindrano ka navoakany taminy teo ala-trano; dia nahalala azy ireo ka nanao ditra taminy mandritra ny alina mandra-pahamarain'ny andro; ary rehefa hiposaka ny masoandro, vao nalefany handeha izy.
26 Et comme le matin arrivait, la femme vint et tomba à l’entrée de la maison de l’homme chez qui était son seigneur, [et y resta] jusqu’au jour. 26 Ary rehefa ho maraina ny andro, dia tonga ravehivavy, ka lavo teo am-baravaran'ny tranon-dralehilahy, izay nitoeran'ny vadiny, ka nivalandotra teo mandra-pahazavan'ny andro.
27 Et son seigneur se leva le matin, et ouvrit la porte de la maison, et sortit pour aller son chemin ; et voici, la femme, sa concubine, était tombée à l’entrée de la maison, ses mains sur le seuil. 27 Dia nifoha maraina ralehilahy ka namoha ny varavaran'ny trano, dia nivoaka handeha tamin'ny lalan-kalehany; ary, indro, ravehivavy vaditsindranony miampatra eo am-baravaran'ny trano, ary ny tanany eo amin'ny tokonana.
28 Et il lui dit : Lève-toi, et allons-nous-en. Mais personne ne répondit. Et l’homme la prit sur son âne, et se leva et s’en alla en son lieu. 28 Ary hoy ralehilahy taminy: Mitsangàna, andeha isika. Kanjo tsy nisy namaly. Dia nobetain-dralehilahy izy ka nasampiny teo amin'ny borikiny; dia niainga izy nandeha ho any amin'ny fonenany.
29 Et il entra dans sa maison, et prit le couteau, et saisit sa concubine, et la partagea selon ses os en douze morceaux, et l’envoya dans tous les confins d’Israël. 29 Ary rehefa tonga tao an-tranony izy, dia naka antsy, ka noraisiny ny fatin'ny vaditsindranony, dia norasainy araka ny famavanin'ny taolana ho roa ambin'ny folo toko, ka nampitondrainy eran'ny tanin'ny Isiraely rehetra.
30 Et il arriva que tous ceux qui virent cela, dirent : Jamais chose pareille n’a eu lieu ni ne s’est vue, depuis le jour que les fils d’Israël sont montés du pays d’Égypte jusqu’à ce jour. Pensez à cela, prenez conseil, et parlez. 30 Ary hoy ity rehetra nahita: Tsy nisy zavatra natao na hita toy izany hatramin'ny andro niakaran'ny Zanak'Isiraely avy tany amin'ny tany Egypta ka mandraka androany; hevero izany, samia maka saina, ka ambarao.
— v. 22 : ou : d’iniquité. — v. 24 : litt.: ce qui sera bon à vos yeux.  
Chapitre 20 Chapitre 20
1 Et tous les fils d’Israël sortirent, depuis Dan jusqu’à Beër-Shéba, et le pays de Galaad ; et l’assemblée se réunit comme un seul homme, vers l’Éternel, à Mitspa. 1 Dia nivoaka ny Zanak'Isiraely rehetra, ary ny fiangonana hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba ary ny tany Gileada koa nivory tahaka ny olona iray ho any amin'i Jehovah tany Mizpa.
2 Et les principaux* de tout le peuple, toutes les tribus d’Israël, se présentèrent dans la congrégation du peuple de Dieu, quatre cent mille hommes de pied, tirant l’épée. 2 Ary ny loholona rehetra tamin'ny firenen'Isiraely niseho teo amin'ny fiangonan'ny olon'Andriamanitra, dia lehilahy efatra hetsy mandeha tongotra sady mahatan-tsabatra.
3 Et les fils de Benjamin apprirent que les fils d’Israël étaient montés à Mitspa. Et les fils d’Israël dirent : Dites comment ce mal est arrivé. 3 Ary ren'ny taranak'i Benjamina fa niakatra ho any Mizpa ny Zanak'Isiraely. Dia hoy ny Zanak'Isiraely: Lazao izay nahatonga izao ratsy izao.
4 Et le Lévite, le mari de la femme tuée, répondit et dit : J’étais venu à Guibha, qui est à Benjamin, moi et ma concubine, pour passer la nuit ; 4 Dia namaly ilay Levita, vadin-dravehivavy novonoina, ka nanao hoe: Tonga tany Gibea, izay an'ny Benjamita, izaho sy ny vaditsindranoko handry tao.
5 et les hommes* de Guibha se levèrent contre moi, et entourèrent de nuit la maison, à cause de moi ; ils avaient l’intention de me tuer, et ils ont humilié ma concubine, et elle est morte. 5 Dia nitsangana hamely ahy ny mponina tao Gibea ka nanodidina ny trano hamely ahy tamin'ny alina; izaho saiky novonoiny, ary ny vaditsindranoko nandriany ka matiny.
6 Et j’ai saisi ma concubine et je l’ai coupée en morceaux, et je l’ai envoyée dans toutes les campagnes de l’héritage d’Israël ; car ils ont commis une énormité et une infamie en Israël. 6 Dia nalaiko ny vaditsindranoko ka norasaiko ary nampitondraiko tany amin'ny tany rehetra izay lovan'ny Isiraely, satria efa nanao fahavetavetana sy zavatra fady indrindra* teo amin'ny Isiraely ireo.[Heb. fahadalana]
7 Voici, vous tous, fils d’Israël, délibérez, et donnez ici [votre] avis. 7 Koa indreto ianareo Zanak'Isiraely rehetra, mba alaharo izay teny sy hevitrareo.
— v. 2 : litt.: les angles, ou les [pierres de] coin. — v. 4 : litt.: maîtres, possesseurs.  
8 Et tout le peuple se leva comme un seul homme, disant : Aucun de nous n’ira à sa tente, et aucun de nous ne se retirera dans sa maison ; 8 Dia nitsangana tahaka ny olona iray ny vahoaka rehetra ka nanao hoe: Tsy hisy hankany amin'ny laintsika akory isika, ary tsy hisy hody any an-tranontsika akory.
9 et maintenant, voici ce que nous ferons à Guibha : nous la traiterons selon ce que le sort décidera* ; 9 Fa ankehitriny, izao no hataontsika amin'i Gibea: araka ny filokana no aoka hanaovantsika azy.
10 et nous prendrons dix hommes sur cent, de toutes les tribus d’Israël, et cent sur mille, et mille sur dix mille, qui prendront des provisions pour le peuple, afin que, à leur arrivée, on traite Guibha* de Benjamin selon toute l’infamie qu’elle a commise en Israël. 10 Ary haka folo lahy isan-jato amin'ny firenen'Isiraely rehetra isika, dia zato amin'ny arivo, ary arivo amin'ny iray alina, mba haka vatsy ho an'ny olona, ka rehefa tonga any Gibean'ny Benjamina izy, dia araka ilay zavatra fady indrindra efa nataony teo amin'ny Isiraely no hataony aminy.
11 Et tous les hommes d’Israël se rassemblèrent contre la ville, unis comme un seul homme. 11 Dia nivory ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely ka efa nikambana tahaka ny olona iray hamely ny tanàna.
— v. 9 : litt.: contre elle, selon le sort ; d’autres : [nous monterons] contre elle, [choisis] par le sort. — v. 10 : hébreu : Guéba, ici, et verset 33.  
12 Et les tribus d’Israël envoyèrent des hommes dans toutes les familles* de Benjamin, disant : Quel est ce mal qui est arrivé au milieu de vous ? 12 Ary ny firenen'Isiraely dia naniraka olona tany amin'ny firenen'i Benjamina rehetra hanao hoe: Inona izao ratsy natao teto aminareo izao?
13 Et maintenant, livrez-nous ces hommes, fils de Bélial*, qui sont à Guibha, afin que nous les fassions mourir et que nous ôtions** le mal du milieu d’Israël. Mais [les fils de] Benjamin ne voulurent pas écouter la voix de leurs frères, les fils d’Israël ; 13 Koa ankehitriny atolory anay ireo olona tena ratsy fanahy avy any Gibea ireo, mba hataonay maty izy, ka hesorinay tsy ho eo amin'ny Isiraely ny ratsy. Fa ny taranak'i Benjamina tsy nety nihaino ny feon'ny Zanak'Isiraely rahalahiny.
14 et les fils de Benjamin se rassemblèrent de leurs villes à Guibha, pour sortir en guerre contre les fils d’Israël. 14 Ary nivory ny taranak'i Benjamina avy tamin'ny tanànany rehetra hankany Gibea mba handeha hiady amin'ny Zanak'Isiraely.
15 Et en ce jour-là furent dénombrés les fils de Benjamin qui vinrent de leurs villes : vingt-six mille hommes tirant l’épée, sans les habitants de Guibha, qui furent dénombrés : sept cents hommes d’élite. 15 Dia voalamina tamin'izany andro izany ny taranak'i Benjamina avy tamin'ireo tanàna ireo, ka enina arivo sy roa alin-dahy nahatan-tsabatra, afa-tsy ny mponina tao Gibea izay voalamina, dia fiton-jato lahy voafantina.
16 De tout ce peuple, il y avait sept cents hommes d’élite qui étaient gauchers ; tous ceux-là lançaient avec la fronde une pierre contre un cheveu, et ne manquaient pas. 16 Ary teo amin'izany olona rehetra izany nisy olona kavia fiton-jato lahy nofantenany, samy nahay nitoraka tamin'ny antsamotady, ka tsy nisy nivena na dia hoatra ny singam-bolo aza.
17 Et les hommes d’Israël furent dénombrés, sauf Benjamin : quatre cent mille hommes tirant l’épée, tous gens de guerre. 17 Ary ny lehilahy voalamina tamin'ny Isiraely, afa-tsy ny Benjamina, dia efatra hetsy nahatan-tsabatra; mpanafika avokoa ireo rehetra ireo.
— v. 12 : litt.: tribus. — v. 13* : ou : d’iniquité. — v. 13** : voir note à Deut. 13:5.  
18 Et les fils d’Israël se levèrent, et montèrent à Béthel*, et interrogèrent Dieu, et dirent : Qui de nous montera le premier pour livrer bataille aux fils de Benjamin ? Et l’Éternel dit : Juda, le premier. 18 Dia niainga ny Zanak'Isiraely ka niakatra tany Betela ary nanontany tamin'Andriamanitra hoe: Iza no hiakatra voalohany hiady amin'ny taranak'i Benjamina ho anay? Dia hoy Jehovah: Joda no ho voalohany.
19 Et les fils d’Israël se levèrent le matin, et campèrent contre Guibha. 19 Dia niainga maraina koa ny Zanak'Isiraely ka nitoby tandrifin'i Gibea.
20 Et les hommes d’Israël sortirent en guerre contre Benjamin, et les hommes d’Israël se rangèrent en bataille contre eux devant Guibha. 20 Ary nivoaka ny lehilahy amin'ny Isiraely hiady amin'ny Benjamita; ary nilahatra ny lehilahy amin'ny Isiraely hiady aminy tao akaiky an'i Gibea.
21 Et les fils de Benjamin sortirent de Guibha ; et en ce jour-là ils étendirent morts* par terre vingt-deux mille hommes de ceux d’Israël. 21 Ary nivoaka avy tany Gibea kosa ny taranak'i Benjamina ka naharingana ny Zanak'Isiraely roa arivo sy roa alin-dahy niampatrampatra tamin'ny tany tamin'izany andro izany.
22 Et le peuple, les hommes d’Israël, se fortifièrent, et se rangèrent de nouveau en bataille dans le lieu où ils s’étaient rangés le premier jour. 22 Fa nifanome toky ny lehilahy amin'ny Isiraely ka nilahatra hiady indray teo amin'ilay nilaharany tamin'ny andro voalohany.
23 Et les fils d’Israël montèrent, et ils pleurèrent devant l’Éternel jusqu’au soir, et ils interrogèrent l’Éternel, disant : M’approcherai-je de nouveau pour livrer bataille aux fils de Benjamin, mon frère ? Et l’Éternel dit : Montez contre lui. 23 Ary niakatra ny Zanak'Isiraely ka nitomany teo anatrehan'i Jehovah mandra-paharivan'ny andro, dia nanontany tamin'i Jehovah hoe: Handroso indray va aho hiady amin'ny taranak'i Benjamina rahalahiko? Ary hoy Jehovah: Miakara hiady aminy.)
— v. 18 : d’autres : à la maison de *Dieu. — v. 21 : litt.: ils détruisirent.  
24 Et les fils d’Israël s’avancèrent contre les fils de Benjamin, le second jour ; 24 Ary ny Zanak'Isiraely dia nandroso tamin'ny andro faharoa hiady amin'ny taranak'i Benjamina.
25 et Benjamin sortit contre eux de Guibha, le second jour ; et de nouveau ils étendirent morts* par terre dix-huit mille hommes des fils d’Israël, tous tirant l’épée. 25 Dia nivoaka avy tany Gibea ny Benjamita hiady aminy indray tamin'ny andro faharoa ka naharingana ny Zanak'Isiraely valo arivo sy iray alin-dahy niampatrampatra tamin'ny tany; nahatan-tsabatra avokoa ireo rehetra ireo.
26 Et tous les fils d’Israël et tout le peuple montèrent et vinrent à Béthel*, et pleurèrent et demeurèrent là devant l’Éternel, et jeûnèrent ce jour-là jusqu’au soir ; et ils offrirent** des holocaustes et des sacrifices de prospérités devant l’Éternel. 26 Dia niakatra ny Zanak'Isiraely rehetra sy ny olona rehetra ka nankany Betela, dia nitomany sy nipetraka teo anatrehan'i Jehovah ary nifady hanina tamin'izany andro izany mandra-paharivan'ny andro; ary nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo anatrehan'i Jehovah izy.
27 Et les fils d’Israël interrogèrent l’Éternel (et l’arche de l’alliance de Dieu était là, en ces jours ; 27 Dia nanontany tamin'i Jehovah ny Zanak'Isiraely (fa tao ny fiaran'ny faneken'Andriamanitra tamin'izany andro izany,
28 et Phinées, fils d’Éléazar, fils d’Aaron, se tenait devant elle*, en ces jours), et ils dirent : Sortirai-je encore de nouveau pour livrer bataille aux fils de Benjamin, mon frère, ou cesserai-je ? Et l’Éternel dit : Montez ; car demain je les livrerai en ta main. 28 ary Finehasa, zanak'i Eleazara, zanak'i Arona, nijanona teo anoloany tamin'izany andro izany) ka nanao hoe: Mbola hivoaka indray va aho hiady amin'ny taranak'i Benjamina rahalahiko, sa hitsahatra? Ary hoy Jehovah: Miakara, fa rahampitso dia hatolotro ho eo an-tananao izy.
— v. 25 : litt.: ils détruisirent. — v. 26* : d’autres : à la maison de *Dieu. — v. 26** : offrir, ici : offrir en holocauste ; voir 6:26 et Lévitique 14:20. — v. 28 : ou : Lui, c. à d. l’Éternel.  
29 Et Israël plaça des embuscades contre Guibha, tout autour. 29 Ary nasian'ny Isiraely otrika manodidina an'i Gibea.
30 Et les fils d’Israël montèrent, le troisième jour, contre les fils de Benjamin ; et ils se rangèrent contre Guibha, comme les autres fois. 30 Dia niakatra ny Zanak'Isiraely tamin'ny andro fahatelo hiady amin'ny taranak'i Benjamina ka nilahatra tandrifin'i Gibea tahaka ilay teo aloha ihany.
31 Et les fils de Benjamin sortirent à la rencontre du peuple ; ils furent attirés loin de la ville, et commencèrent à frapper quelques-uns du peuple, qui furent tués comme les autres fois, environ trente hommes d’Israël, sur les routes, dont l’une monte à Béthel, et l’autre à Guibha, par* la campagne. 31 Dia nivoaka ny taranak'i Benjamina hiady tamin'ny olona ka voatarika niala tamin'ny tanàna izy ary nanomboka namely sy nahafaty ny olona tahaka ny teo aloha, dia tokony ho telo-polo lahy teo amin'ny Isiraely tany an-tsampanan-dalana, miakatra ho any Betela ny anankiray, ary ny anankiray kosa ho any Gibea any an-tsaha.
32 Et les fils de Benjamin dirent : Ils sont battus devant nous comme la première fois. Et les fils d’Israël dirent : Fuyons, et nous les attirerons loin de la ville, sur les routes. 32 Ary hoy ny taranak'i Benjamina: Resy eo anoloantsika tahaka ilay teo aloha ihany izy. Fa hoy ny Zanak'Isiraely: Andeha hanao tari-dositra isika mba hampiala azy amin'ny tanàna ho any an-dalambe.
33 Et tous les hommes d’Israël se levèrent de leur lieu, et se rangèrent à Baal-Thamar ; et l’embuscade d’Israël s’élança de son lieu, de la prairie de Guibha*. 33 Ary ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely nitsangana niala tamin'ny fitoerany ka nilahatra tany Bala-tamara; ary ny Isiraely izay nanotrika dia niroatra avy tamin'fitoerany, avy tao an-tsahan'i Gibea.
34 Et dix mille hommes d’élite de tout Israël vinrent contre Guibha, et la bataille fut rude ; et ceux [de Benjamin] ne savaient pas que le mal les atteignait. 34 Ary tonga tandrifin'i Gibea ny iray alin-dahy voafantina tamin'ny Isiraely rehetra, ary efa mafy ny ady nefa tsy fantatry ny Benjamita fa efa hiharan-doza izy.
35 Et l’Éternel battit Benjamin devant Israël, et les fils d’Israël étendirent morts* en ce jour-là vingt-cinq mille cent hommes de Benjamin, tous tirant l’épée. 35 Ary Jehovah namely ny Benjamita teo anoloan'ny Isiraely, ary tamin'izany andro izany ny taranak'i Benjamina dia nahafatesan'ny Zanak'Isiraely zato sy dimy arivo amby roa alin-dahy; nahatan-tsabatra avokoa ireo rehetra ireo.
36 Et les fils de Benjamin virent qu’ils étaient battus. — Or les hommes d’Israël firent place à ceux de Benjamin, car ils se confiaient en l’embuscade qu’ils avaient placée contre Guibha. 36 Ary hitan'ny taranak'i Benjamina fa resy izy; ary ny lehilahy amin'ny Isiraely nanao tari-dositra tamin'ny Benjamita, satria natoky ny otrika izay efa napetrany teo akaikin'i Gibea izy.
37 Et l’embuscade se hâta, et se jeta sur Guibha ; et l’embuscade se porta en avant, et frappa toute la ville par le tranchant de l’épée. 37 Ary ny otrika niroatra faingana hankany Gibea, dia nandeha faingana ka namely ny tanàna rehetra tamin'ny lelan-tsabatra.
38 Et le signal convenu entre les hommes d’Israël et l’embuscade était qu’ils fissent monter de la ville une épaisse colonne de fumée. 38 Ary ny famantarana nifaneken'ny lehilahy amin'ny Isiraely sy ny otrika dia tsangan'afo lehibe hisavoana ao an-tanàna.
39 Et les hommes d’Israël avaient tourné visage dans la bataille, et Benjamin avait commencé de frapper à mort une trentaine d’hommes parmi les hommes d’Israël, car ils disaient : Certainement il est complètement battu devant nous comme dans la première bataille. 39 Ary nirona tamin'ny ady ny lehilahy amin'ny Isiraely (ny taranak'i Benjamina nanomboka namely sy nahafaty ny lehilahy amin'ny Isiraely tokony ho telo-polo lahy; fa hoy izy: Resy tokoa eo anoloantsika izy tahaka ny tamin'ny ady voalohany;
40 Et quand l’incendie commença à monter de la ville comme une colonne de fumée, Benjamin se tourna en arrière, et voici, toute la ville montait [en fumée] vers les cieux. 40 fa raha vao niakatra avy tao amin'ny tanàna ny setroka mitankosina, dia niherika ny taranak'i Benjamina; ary, indro, niakatra ho amin'ny lanitra avokoa ny setroky ny tanàna).
41 Et les hommes d’Israël tournèrent visage : et les hommes de Benjamin furent épouvantés ; car ils virent que le mal les avait atteints. 41 Ary raha niverina ny lehilahy amin'ny Isiraely, dia talanjona ny Benjamita, satria hitany fa efa nidiran-doza izy.
42 Et ils tournèrent le dos devant les hommes d’Israël, vers le chemin du désert, et la bataille les serra de près. Et ceux qui sortirent des villes les détruisirent au milieu d’eux. 42 Dia niamboho teo anoloan'ny lehilahy amin'ny Isiraely hankany amin'ny lalana ho any an-efitra izy, fa ny ady nahatratra azy: ary izay nivoaka avy tao amin'ny tanàna koa dia novonoiny teo.
43 Ils environnèrent Benjamin, le poursuivirent, le foulèrent aux pieds là où il voulait se reposer*, jusque vis-à-vis de Guibha, vers le soleil levant. 43 Nanemitra ny Benjamita izy ka nanenjika azy ary nanitsaka azy mora foana* tandrifin'i Gibea atsinanany.[Na: teo Menoha]
44 Et il tomba de Benjamin dix-huit mille hommes, tous hommes vaillants. 44 Ary ny Benjamita dia nahafatesany valo arivo sy iray alin-dahy; lehilahy nahery avokoa ireo rehetra ireo.
45 Et ils tournèrent le dos, et s’enfuirent au désert, vers le rocher de Rimmon ; et [les Israélites] en grappillèrent sur les routes cinq mille hommes, et ils les serrèrent de près en les poursuivant jusqu’à Guidhom, et en frappèrent deux mille hommes. 45 Dia nivily sy sisa ka nandositra nankany an-efitra ho any amin'ny harambato any Rimona; ary ny voatsimpona teny an-dalana dia dimy arivo lahy, ary ny voatsimpona teny an-dalana dia dimy arivo lahy, ary mbola nenjehiny mafy ihany hatrany Gidoma izy ka nahafatesany roa arivo lahy.
46 Et tous ceux de Benjamin qui tombèrent en ce jour-là, furent vingt-cinq mille hommes tirant l’épée, tous hommes vaillants. 46 Ary ny Benjamita rehetra izay lavo tamin'izany andro izany dia dimy arivo sy roa alin-dahy nahatan-tsabatra; lehilahy nahery avokoa ireo rehetra ireo.
47 Et six cents hommes tournèrent le dos et s’enfuirent au désert, vers le rocher de Rimmon, et ils demeurèrent au rocher de Rimmon quatre mois. 47 Fa nisy enin-jato lahy nihodina ka nandositra nankany an-efitra ho any amin'ny harambato any Rimona, dia nitoetra tao efa-bolana.
48 Et les hommes d’Israël retournèrent vers les fils de Benjamin et les frappèrent par le tranchant de l’épée, et les hommes de chaque ville, et les bêtes, et tout ce qui fut trouvé ; même toutes les villes qu’ils rencontrèrent, ils les livrèrent au feu. 48 Ary ny lehilahy amin'ny Isiraely niverina indray tany amin'ny taranak'i Benjamina ka namely azy tamin'ny lelan-tsabatra, hatramin'ny olona tao an-tanàna ka hatramin'ny biby fiompy ary izay hitany dia nodorany tamin'ny afo avokoa.
— v. 31 : ou : dans. — v. 33 : ou : Guéba. — v. 35 : litt.: ils détruisirent. — v. 43 : litt.: au lieu de repos ; d’autres : à Menukha.  
Chapitre 21 Chapitre 21
1 Et les hommes d’Israël jurèrent à Mitspa, disant : Nul de nous ne donnera sa fille pour femme à Benjamin. 1 Ary ny lehilahy amin'ny Isiraely efa nianiana tany Mizpa nanao hoe: Aoka tsy hisy amintsika hanome ny zananivavy ho vadin'ny Benjamita.
2 Et le peuple vint à Béthel, et ils demeurèrent là jusqu’au soir devant Dieu ; et ils élevèrent leur voix et pleurèrent amèrement, 2 Dia nankany Betela ny olona ka nitoetra teo anatrehan'Andriamanitra mandra-paharivan'ny andro, dia nanandratra ny feony ka nitomany mafy dia mafy
3 et dirent : Éternel, Dieu d’Israël, pourquoi ceci est-il arrivé en Israël, qu’il manque aujourd’hui à Israël une tribu ? 3 nanao hoe: Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, nahoana no tonga tamin'ny Isiraely izao ankehitriny, ka fongotra ny firenena iray amin'ny Isiraely?
4 Et le lendemain, il arriva que le peuple se leva de bonne heure et bâtit là un autel ; et ils offrirent* des holocaustes et des sacrifices de prospérités. 4 Ary nony ampitson'iny dia nifoha maraina koa ny olona ka nanorina alitara teo ary nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana.
5 Et les fils d’Israël dirent : Qui est celui qui n’est pas monté vers l’Éternel, dans la congrégation, d’entre toutes les tribus d’Israël ? Car un* grand serment avait été [fait] contre celui qui ne monterait pas vers l’Éternel, à Mitspa, disant : Il sera certainement mis à mort. 5 Ary hoy ny Zanak'Isiraely: Iza amin'ny ferenen'Isiraely rehetra no tsy niakatra teo amin'ny fiangonana hanatona an'i Jehovah? fa efa nisy fianianana lehibe ny amin'izay tsy niakatra ho any amin'i Jehovah tany Mizpa hoe: Hatao maty tokoa izy.
6 Et les fils d’Israël se repentirent à l’égard de Benjamin, leur frère, et ils dirent : Une tribu a été aujourd’hui retranchée d’Israël. 6 Ary ny Zanak'Isiraely nanenina ny amin'i Benjamina rahalahiny ka nanao hoe: Misy firenena iray voafongotra eo amin'ny Isiraely ankehitriny.
7 Que ferons-nous pour ceux qui restent, pour qu’ils aient des femmes, vu que nous avons juré par l’Éternel de ne pas leur donner de nos filles pour femmes ? 7 Ahoana no hataontsika amin'ireo sisa hahazoany vady; fa isika efa nianiana tamin'i Jehovah tsy hanome vady azy amin'ny zanakavavintsika?
8 Et ils dirent : y a-t-il quelqu’un d’entre les tribus d’Israël qui ne soit pas monté vers l’Éternel à Mitspa ? Or voici, aucun homme de Jabès de Galaad n’était venu au camp, à la congrégation. 8 Dia hoy izy: Iza amin'ny firenen'Isiraely no tsy mba niakatra ho any amin'i Jehovah tany Mizpa? Ary, indro, tsy nisy olona avy tany Jebesi-gileada na dia iray akory aza nankany an-toby ho ao amin'ny fiangonana.
9 Et le peuple fut dénombré : et voici, il n’y avait là aucun homme des habitants de Jabès de Galaad. 9 Fa rehefa voalamina ny olona, dia, indro, tsy nisy tao na dia iray akory aza avy tamin'ny tompon-tany tany Jabesi-gileada.
10 Et l’assemblée y envoya douze mille d’entre les vaillants hommes, et on leur commanda, disant : Allez, et frappez les habitants de Jabès de Galaad par le tranchant de l’épée, et les femmes et les enfants. 10 Dia naniraka lehilahy mahery roa arivo sy iray alin-dahy ny fiangonana ka nandidy azy hoe: Mandehana, ka mameleza ny mponina any Jabesi-gileada amin'ny lelan-tsabatra mbamin'ny zaza amim-behivavy.
11 Et voici ce que vous ferez : vous exterminerez tout mâle, ainsi que toute femme qui aura eu compagnie d’homme. 11 Ary izao no hataonareo: Ny lehilahy rehetra sy ny vehivavy rehetra izay efa nahalala lahy dia haringanareo*.[Heb. hataonareo herema]
12 Et ils trouvèrent parmi les habitants de Jabès de Galaad quatre cents jeunes filles vierges qui n’avaient point connu d’homme en couchant avec lui ; et ils les amenèrent dans le camp, à Silo, qui est dans le pays de Canaan. 12 Ary nahita zazavavy virijina efa-jato tsy mbola nahalala lahy teo amin'ny mponina tany Jabesi-gileada izy ka nitondra ireo ho any an-toby tany Silo any amin'ny tany Kanana.
13 Et toute l’assemblée envoya parler aux fils de Benjamin, qui étaient au rocher de Rimmon, et leur annonça la paix. 13 Ary ny fiangonana rehetra dia naniraka niteny tamin'ny taranak'i Benjamina, izay tao amin'ny harambato tao Rimona, ka niantso azy hihavana aminy.
14 Et, en ce temps-là, Benjamin revint, et on leur donna les femmes qu’on avait laissé vivre d’entre les femmes de Jabès de Galaad ; mais ainsi ils n’en trouvèrent pas assez pour eux. 14 Dia niverina tamin'izany andro izany ny Benjamita, ka nomeny azy ireo vehivavy efa novelominy tamin'ny vehivavy tao Jabesi-gileada ireo; kanjo mbola tsy nahenina azy ihany ireo.
— v. 4 : comme 6:26. — v. 5 : litt.: le.  
15 Et le peuple se repentait au sujet de Benjamin, parce que l’Éternel avait fait une brèche dans les tribus d’Israël. 15 Ary ny olona nanenina noho ny amin'i Benjamina, satria nisy nobangain'i Jehovah ny firenen'Isiraely.
16 Et les anciens de l’assemblée dirent : Que ferons-nous pour ceux qui restent, pour qu’ils aient des femmes, car les femmes ont été détruites en Benjamin ? 16 Dia hoy ny loholon'ny fiangonana: Ahoana no hataontsika ho an'ireo sisa mba hahazoany vady, fa efa naringana ny vehivavy tamin'ny Benjamita?
17 Et ils dirent : Il faut une possession pour ceux de Benjamin qui sont réchappés, afin qu’une tribu ne soit pas effacée d’Israël. 17 Ary hoy izy: Tsy maintsy mahazo lova ny Benjamita izay afa-nandositra, mba tsy hisy firenena iray fongotra amin'ny Isiraely.
18 Et nous, nous ne pouvons pas leur donner des femmes d’entre nos filles ; car les fils d’Israël ont juré, disant : Maudit celui qui donne une femme à Benjamin ! 18 Nefa isika tsy mahazo manome azy ny zanakavavintsika ho vadiny, satria efa nianiana ny Zanak'Isiraely ka nanao hoe: Ho voaozona anie izay manome vady ho an'ny Benjamita.
19 Et ils dirent : Voici, il y a tous les ans une fête à l’Éternel à Silo, qui est au nord de Béthel, au soleil levant de la route qui monte de Béthel à Sichem, et au midi de Lebona. 19 Dia hoy izy: Indro, misy andro firavoravoana isan-taona ho an'i Jehovah any Silo, izay avaratr'i Betela, atsinanan'ny lalambe miakatra avy any Betela hankany Sekema, ary atsimon'i Lebona.
20 Et ils commandèrent aux fils de Benjamin, disant : Allez, et mettez-vous en embuscade dans les vignes. 20 Ary nandidy ny taranak'i Benjamina izy ka nanao hoe: Mandehana, ka manotreha any amin'ny tanim-boaloboka,
21 Et vous regarderez, et voici, quand les filles de Silo sortiront en chœurs pour danser, alors vous sortirez des vignes et vous ravirez pour vous, chacun sa femme d’entre les filles de Silo, et vous vous en irez dans le pays de Benjamin. 21 ka jereo, ka raha, indreo, mivoaka handihy ny zazavavy avy any Silo, dia mivoaha avy ao amin'ny tanim-boaloboka ianareo, ary samia misambotra amin'ny zazavavy avy any Silo ho vadiny avy, ka mandehana any amin'ny tanin'ny Benjamina indray.
22 Et s’il arrive que leurs pères ou leurs frères viennent nous quereller, nous leur dirons : Usez de grâce envers nous à leur sujet, car nous n’avons pas reçu chacun sa femme par la guerre ; car ce n’est pas vous qui les leur avez données, de sorte que vous soyez coupables maintenant. 22 Ary raha mankany aminay hitaraina ny rainy na ny anadahiny, dia holazainay aminy hoe: Omeo anay ihany izy, fa izahay tsy mba nahazo vady tany amin'ilay ady teo; fa tsy ianareo no nanome azy; fa raha izany, dia meloka ihany ianareo.
23 Et les fils de Benjamin firent ainsi, et enlevèrent des femmes selon leur nombre, d’entre les danseuses dont ils s’emparèrent ; et ils s’en allèrent et retournèrent dans leur héritage, et rebâtirent les villes et y habitèrent. 23 Dia nanao izany ny taranak'i Benjamina ka samy naka vady araka ny isany tamin'ny mpandihy izay nosamboriny; dia nandeha izy ka niverina ho any amin'ny lovany ary namboatra ireo tanàna ireo ka nonina tao.
24 Et les fils d’Israël s’en allèrent de là, en ce temps-là, chacun dans sa tribu et dans sa famille ; et ils partirent de là chacun pour son héritage. 24 Dia samy nandeha niala teo ny Zanak'Isiraely tamin'izany andro izany, samy ho any amin'ny fireneny sy ny fokony avy; dia niala teo ho any amin'ny lovany avy ny olona rehetra.
   
25 En ces jours-là, il n’y avait pas de roi en Israël ; chacun faisait ce qui était bon* à ses yeux. 25 Tsy nisy mpanjaka teo amin'ny Isiraely tamin'izany andro izany; fa samy nanao izay nataony ho marina avy izy rehetra.
— v. 25 : ici, comme 17:6.