ESTHER Estera
   
   
Chapitre 1 Chapitre 1
1 Et aux jours d’Assuérus (cet Assuérus régnait depuis l’Inde jusqu’à l’Éthiopie sur cent vingt-sept provinces), 1 [Ny fanasana lehibe nataon'i Ahasoerosy, ary ny nanesorana an'i Vasty vadiny] Ary tamin'ny andro nanjakan'i Ahasoerosy (ity Ahasoerosy ity ilay nanjaka hatrany India ka hatrany Etiopia, ka nizarazara ho fito amby roa-polo amby zato toko ny fanjakany),
2 en ces jours-là, il arriva que le roi Assuérus, étant assis sur le trône de son royaume, à Suse, la capitale*, 2 dia tamin'izany andro izany, raha nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianan'ny fanjakany, izay tany Sosana renivohitra, Ahasoerosy mpanjaka,
3 la troisième année de son règne,* fit un festin** à tous ses princes et ses serviteurs, les puissants*** de la Perse et de la Médie, les nobles et les chefs des provinces étant devant lui, 3 tamin'ny taona fahatelo nanjakany, dia nanao fanasana ho an'ny mpanapaka sy ny mpanompony rehetra izy; ary teo anatrehany koa ny lehiben'ny miaramilan'i Persia sy Media sy ny mpanapaka mbamin'ireo komandin'ny isan-tokony amin'ny fanjakany;
4 — montrant les richesses glorieuses de son royaume et le faste magnifique de sa grandeur pendant nombre de jours, pendant cent quatre-vingts jours. 4 ary nasehony andro maro, dia valo-polo amby zato andro, ny harena amam-boninahitry ny fanjakany ary ny tabiha sy rehareha momba ny fahalehibiazany.
— v. 2 : comme Néh. 1:1. — v. 3* : date : A.C. 483. — v. 3** : spécialement pour boire, comme ailleurs. — v. 3*** : ou : l’armée, c. à d. probablement les chefs d’armée.  
5 Et quand ces jours furent accomplis, le roi fit à tout le peuple qui se trouvait à Suse, la capitale, depuis le grand jusqu’au petit, un festin de sept jours, dans la cour du jardin du palais du roi : 5 Ary rehefa tapitra izany andro izany, ny olona rehetra izay tany Sosana renivohitra, na lehibe na kely, dia nanaovan'ny mpanjaka fanasana naharitra hafitoana teo amin'ny kianjan'ny tanimbolin'ny tranon'ny mpanjaka;
6 [des draperies] blanches, vertes, et bleues, étaient attachées par des cordons de byssus et de pourpre à des anneaux d’argent et à des colonnes de marbre blanc ; les lits étaient d’or et d’argent, [placés] sur un pavement de marbre rouge et blanc, d’albâtre, et de marbre noir. 6 ary nisy lamba fotsy sy misoratsoratra sy manga nifehy tamin'ny kofehy rongony fotsy sy volomparasy tamin'ny masom-bolafotsy sy tsangantsangany vato marmora fotsy; ary nisy farafara volamena sy volafotsy teo amin'ny lampivato alabastara sy marmora fotsy sy hara ary marmora mainty.
7 Et on donna à boire dans des vases d’or, les vases différant les uns des autres, et il y avait du vin royal en abondance, selon la puissance du roi, 7 Ary ny olona dia nampisotroina tamin'ny kapoaka volamena (samy hafa avokoa ny kapoaka,) ary betsaka ny divain'andriana araka ny fanomen'ny mpanjaka.
8 Et on buvait, selon l’édit : on ne forçait personne ; car c’est ainsi que le roi avait ordonné à tous les grands de sa maison, de faire selon le gré de chacun. 8 Ary ny nisotroan'ny olona dia araka ny tenin'andriana, ka tsy nisy nanery; fa toy izany no nandidian'ny mpanjaka ny mpitandrina ny tranony rehetra mba hanaovan'ny olona araka izay sitrapony avy.
   
9 La reine Vasthi aussi fit un festin pour les femmes de la maison royale du roi Assuérus. 9 Ary Vasty, vadin'ny mpanjaka, dia mba nanao fanasana ho an'ny vehivavy koa tao amin'ny tranom-panjakana, izay an'i Ahasoerosy mpanjaka.
   
10 Au septième jour, comme le cœur du roi était gai par le vin, il dit à Mehuman, à Biztha, à Harbona, à Bigtha, et à Abagtha, à Zéthar, et à Carcas, les sept eunuques qui servaient devant le roi Assuérus, 10 Ary tamin'ny andro fahafito, nony faly ny fon'ny mpanjaka azon'ny divay, dia nomeny teny Mehomana sy Bizta sy Harbona sy Bigta sy Abagta sy Zetara ry Karkasa, tsindranolahy* fito izay nanompo teo anatrehan'i Ahasoerosy mpanjaka, [Heb. ionoka]
11 d’amener la reine Vasthi devant le roi, avec la couronne du royaume, pour montrer sa beauté aux peuples et aux princes, car elle était belle de figure. 11 ba hitondra an'i Vasty, vadin'ny mpanjaka, ho eo anatrehan'ny mpanjaka, misatroka ny satro-boninahitry ny fanjakana, mba haseho amin'ny olona sy ny mpanapaka ny hatsaran-tarehiny; fa maha-te-hizaha izy.
12 Mais la reine Vasthi refusa de venir à la parole du roi transmise par les eunuques. Et le roi se mit fort en colère, et sa fureur s’embrasa en lui. 12 Fa Vasty, vadin'ny mpanjaka, nandà ny tenin'ny mpanjaka nentin'ny tsindranolahy* ka tsy nety nankany. Dia tezitra loatra ny mpanjaka, ka nirehitra tao am-pony ny fahatezerany.[Heb. ionoka]
   
13 Et le roi dit aux sages qui connaissaient les temps (car les affaires du roi [se traitaient] ainsi devant tous ceux qui connaissaient la loi et le droit : 13 Dia hoy ny mpanjaka tamin'ny olon-kendry izay mpanandro (toy izany no nanaovana ny raharahan'ny mpanjaka teo anatrehan'izay rehetra nahalala lalàna sy fitsarana;
14 et les plus rapprochés de lui étaient Carshena, Shéthar Admatha, Tarsis, Mérès, Marsena, Memucan, les sept princes de la Perse et de la Médie qui voyaient la face du roi [et] qui siégeaient au premier rang dans le royaume) : 14 ary ny teo akaikiny dia Rarsena, Setara, Admata, Tarsisy, Maresa, Marsena, Memokana, mpanapaka fito tamin'i Persia sy Media, izay nahita ny tarehin'ny mpanjaka ka nipetraka tamin'ny fitoerana aloha teo amin'ny fanjakana):
15 Que faut-il faire à la reine Vasthi, selon la loi, pour n’avoir pas fait ce que le roi Assuérus a commandé par l’intermédiaire des eunuques ? 15 Ahoana no hanaovana an'i Vasty, vadin'ny mpanjaka, raha araka ny lalàna, satria tsy nankato ny didiko, izaho Ahasoerosy mpanjaka, nentin'ny tsindranolahy* izy? [Heb. ionoka]
16 Et Memucan dit devant le roi et les princes : Ce n’est pas contre le roi seulement que la reine Vasthi a mal agi, mais contre tous les princes et contre tous les peuples qui sont dans toutes les provinces du roi Assuérus ; 16 Dia namaly Memokana teo anatrehan'ny mpanjaka sy ny mpanapaka ka nanao hoe: Tsy tamin'ny mpanjaka ihany no nanaovan'i Vasty, vadin'ny mpanjaka, izao ratsy izao, fa tamin'ny mpanapaka rehetra koa sy ny vahoaka rehetra isan-tokony eran'ny fanjakan'i Ahasoerosy mpanjaka;
17 car cette affaire de la reine se répandra* parmi toutes les femmes, de manière à rendre leurs maris méprisables à leurs yeux, en ce qu’elles diront que le roi Assuérus a commandé d’amener la reine Vasthi devant lui, et qu’elle n’est pas venue. 17 fa hiely any amin'ny vehivavy rehetra izao zavatra nataon'ny vadin'ny mpanjaka izao, ka hanaovany ny vadiny ho tsinontsinona eo imasony, fa samy hanao hoe: Ahasoerosy mpanjaka aza nandidy an'i Vasty vadiny ho entina eo anatrehany, nefa tsy nety izy.
18 Et aujourd’hui les princesses de la Perse et de la Médie qui auront appris l’affaire de la reine parleront [de même] à tous les princes du roi ; et il y aura assez de mépris et de colère. 18 Ary na dia amin'izao andro izao aza ny andriambavin'i Persia sy Media, izay mandre ny nataon'ny vadin'ny mpanjaka, dia samy hilaza izany amin'ny mpanapaka rehetra voatendrin'ny mpanjaka; ka dia ho loza loatra ny famingavingana sy ny faniratsirana.
19 Si le roi le trouve bon, qu’un ordre royal émane de lui et soit inscrit dans les lois de la Perse et de la Médie, et ne passe pas, que Vasthi n’entrera plus devant le roi Assuérus ; et que le roi donne la dignité royale de Vasthi* à une autre qui sera meilleure qu’elle ; 19 Koa raha sitraky ny mpanjaka, dia aoka hisy didim-panjakana hivoaka avy eto amin'ny mpanjaka ka hosoratana ao amin'ny lalàn'i Persia sy Media ka dia tsy hovana, fa tsy hahazo hankeo anatrehan'i Ahasoerosy mpanjaka intsony Vasty; ary ny voninahitr'i Vasty dia aoka homen'ny mpanjaka ho an'izay vehivavy hafa tsara noho izy.
20 et l’édit du roi, qu’il aura fait, sera connu* dans tout son royaume, car il est grand, et toutes les femmes rendront honneur à leurs maris, depuis le grand jusqu’au petit. 20 Ary raha torina eran'ny fanjakany rehetra (fa lehibe izany) ny lalàn'ny mpanjaka izay hataony, dia samy hanome voninahitra ny vadiny avy na lehibe na kely, ny vehivavy rehetra.
21 Et cette parole fut bonne aux yeux du roi et des princes. Et le roi fit selon la parole de Memucan, 21 Dia sitraky ny mpanjaka sy ny mpanapaka izany teny izany; ka dia nanao araka ny tenin'i Memokana ny mpanjaka,
22 et il envoya des lettres à toutes les provinces du roi, à chaque province selon son écriture, et à chaque peuple selon sa langue, [portant] que tout homme serait maître dans sa maison, et parlerait selon la langue de son peuple. 22 ka nampitondra taratasy izy ho any amin'ny isan-tokony amin'ny fanjakan'ny mpanjaka, dia isan-tokony araka ny sorany avy, ary isam-pirenena araka ny fiteniny avy, mba hahatapaka ny ao an-tranony avy ny lehilahy rehetra, ary samy hiteny araka ny fiteniny avy isam-pirenena.
— v. 17 : litt.: sortira. — v. 19 : litt.: sa dignité royale. — v. 20 : litt.: entendu.  
* *
Chapitre 2 Chapitre 2
1 Après ces choses, quand la colère du roi Assuérus se fut calmée, il se souvint de Vasthi et de ce qu’elle avait fait, et de ce qui avait été décrété contre elle. 1 [Ny nifidianana an'i Estera ho vadin'i Ahasoerosy] Rehefa afaka izany, nony efa nionona ny fahatezeran'i Ahasoerosy mpanjaka, dia nahatsiaro an'i Vasty sy izay efa nataony izy ary ny efa nitsarana azy.
2 Et les serviteurs* du roi, qui le servaient dirent : Qu’on cherche pour le roi des jeunes filles vierges, belles de figure ; 2 Ka dia hoy ireo zatovon'ny mpanjaka izay nanompo azy: Aoka ny mpanjaka hitadiavana zazavavy virijina tsara tarehy;
3 et que le roi prépose des commissaires dans toutes les provinces de son royaume, et qu’ils rassemblent toutes les jeunes filles vierges, belles de figure, à Suse, la capitale, dans la maison des femmes, sous la surveillance* d’Hégaï, eunuque du roi, gardien des femmes ; et qu’on [leur] donne les parfums nécessaires pour leur purification** ; 3 ary aoka ny mpanjaka hanendry olona any amin'ny isan-tokony eran'ny ny fanjakany rehetra, dia aoka hovorin'ireny ny zazavavy virijina tsara tarehy rehetra ho ato Sosana renivohitra ho ao an-tranom-behivavy amin'ny fehin'i Hegay, tsindranolahin'1 ny mpanjaka, mpifehy ny vehivavy; ary aoka homena ny zavatra fidiovany izy,
4 et que la jeune fille qui plaira au roi soit reine à la place de Vasthi. Et la chose fut bonne aux yeux du roi. Et il fit ainsi. 4 koa izay zazavavy sitraky ny mpanjaka no aoka hanjaka hisolo an'i Vasty. Dia sitraky ny mpanjaka izany teny izany, ka dia nataony.
— v. 2 : ailleurs : jeunes hommes. — v. 3* : litt.: main. — v. 3** : ou : préparation.  
5 Il y avait à Suse, la capitale, un homme juif, et son nom était Mardochée, fils de Jaïr, fils de Shimhi, fils de Kis, Benjaminite ; 5 Ary nisy Jiosy anankiray tany Sosana renivohitra. Mordekay no anarany, zanak'i Jaira, zanak'i Simey, zanak'i Kisy, avy tamin'ny taranak'i Benjamina,
6 il avait été transporté de Jérusalem avec les captifs qui avaient été transportés avec Jéconias*, roi de Juda, que Nebucadnetsar, roi de Babylone, avait transportés. 6 izay efa nentina ho babo avy tany Jerosalema tamin'ny babo izay nentina niaraka tamin'i Jekonia, mpanjakan'ny Joda, izay nobaboin'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona.
7 Et il élevait Hadassa (qui est Esther), fille de son oncle, car elle n’avait ni père ni mère. Et la jeune fille était belle de taille et belle de figure. Et à la mort de son père et de sa mère, Mardochée la prit pour fille. 7 Ary izy nitaiza an'i Hadasa (Estera izany), zanakavavin'ny rahalahin-drainy, izay tsy nanana ray sy reny intsony; ary razazavavy dia soa sady tsara tarehy, ary noraisin'i Mordekay ho zanany izy, rehefa maty rainy sy reniny.
8 Et il arriva que, lorsque la parole du roi et son édit furent connus et que beaucoup de jeunes filles furent rassemblées à Suse, la capitale, sous la surveillance d’Hégaï, Esther aussi fut amenée dans la maison du roi, sous la surveillance d’Hégaï, gardien des femmes. 8 Koa nony re ny tenin'ny mpanjaka sy ny lalàny, ka voavory tany Sosana renivohitra ny zazavavy maro ho andin'ny fehin'i Hegay, dia mba nentina ho ao an-tranon'ny mpanjaka koa Estera ho amin'ny fehin'i Hegay, mpifehy ny vehivavy.
9 Et la jeune fille lui plut et trouva faveur devant lui ; et il se hâta de lui donner les parfums nécessaires pour sa purification, et ses portions, et de lui donner les sept jeunes filles choisies* de la maison du roi ; et il la transféra avec ses jeunes filles dans le meilleur [appartement] de la maison des femmes. 9 Ary nahafaly azy razazavavy ka nahita fitia teo imasony; dia nomeny faingana an-drazazavavy ny zavatra fidiovany sy ny anjara-haniny ary ny ankizivavy fito izay voafantina homena azy avy tao an-tranon'ny mpanjaka; ary nafindrany ho ao amin'ny fitoerana tsara indrindra ao an-tranom-behivavy izy sy ny ankizivaviny.
10 Esther n’avait pas fait connaître son peuple et sa naissance, car Mardochée lui avait commandé de ne pas les faire connaître. 10 Nefa Estera tsy mbola nilaza ny fireneny na ny fianakaviany, satria nopeperan'i Mordekay mba tsy hilaza izany izy.
11 Et chaque jour Mardochée se promenait devant la cour de la maison des femmes, pour savoir comment Esther se trouvait et ce qu’on faisait à son égard. 11 Ary Mordekay nitsangantsangana isanandro teo anoloan'ny kianjan'ny tranom-behivavy, mba hahafantarany izay toetran'i Estera sy izay anaovana azy.
— v. 6 : Jehoïakin, 2 Rois 24:6, etc. — v. 9 : ou : choisies pour les lui donner.  
12 Et quand venait le tour pour chaque jeune fille d’entrer auprès du roi Assuérus, après qu’il lui avait été fait pendant douze mois selon la règle établie pour les femmes (car c’est ainsi que se complétaient les jours de leur purification : six mois avec de l’huile de myrrhe, et six mois avec des aromates, et les parfums nécessaires à la purification des femmes : 12 Ary nony tonga ny andro hidiran'ny zazavavy tsirairay isan'andro tany amin'i Ahasoerosy mpanjaka, rehefa tapitra taminy ny roa ambin'ny folo volana, araka ny fomba fanomanana ny vehivavy (fa tapitra tamin'izay ny andro fidiovany, dia enim-bolana tamin'ny diloilo nisy miora, ary enim-bolana tamin'ny zava-manitra sy ny zavatra sasany koa fidiovan'ny vehivavy),
13 et ainsi la jeune fille entrait auprès du roi), tout ce qu’elle demandait lui était donné pour passer avec elle de la maison des femmes dans la maison du roi. 13 koa nony hiditra ao amin'ny mpanjaka ny zazavavy tamin'izany, dia nomena azy izay rehetra nilainy ho entiny avy amin'ny tranom-behivavy ho ao an-tranon'ny mpanjaka.
14 Le soir elle allait, et le matin elle s’en revenait à la seconde maison des femmes, sous la surveillance de Shaashgaz, eunuque du roi, gardien des concubines. Elle n’entrait plus auprès du roi, à moins que le roi ne trouvât plaisir en elle, et qu’elle ne fût appelée par [son] nom. 14 Tamin'ny hariva no nandeha izy, ary nony maraina dia niverina izy ho ao an-trano faharoa nitoeran'ny vehivavy, ho amin'ny fehin'i Sasegaza, tsindranolahin'1 ny mpanjaka, mpitandrina ny vaditsindrano; ary tsy mba niditra tao amin'ny mpanjaka intsony izy, raha tsy tian'ny mpanjaka, ka voatonona ny anarany.
   
15 Et quand arriva le tour d’Esther, fille d’Abikhaïl, oncle de Mardochée, qui l’avait prise pour fille, d’entrer auprès du roi, elle ne demanda rien, sauf ce que dit Hégaï, eunuque du roi, gardien des femmes. Et Esther trouvait faveur* aux yeux de tous ceux qui la voyaient. 15 Ary rehefa tonga ny anjara-andron'i Estera, zanakavavin'i Abihaila, rahalahin-drain'i Mordekay izay efa nandray azy ho zananivavy, hidirany ao an-tranon'ny mpanjaka, dia tsy nila na inona na inona izy mihoatra noho izay notononin'i Hegay, tsindranolahin*' ny mpanjaka, mpitandrina ny vehivavy. Ary Estera nahita fitia teo imason'ny olona rehetra izay nijery azy.
16 Et Esther fut conduite auprès du roi Assuérus, dans sa maison royale, au dixième mois (c’est le mois de Tébeth), la septième année de son règne. * 16 Dia nentina ho ao amin'i Ahasoerosy mpanjaka Estera, ho ao an-tranon'ny fanjakana, tamin'ny volana fahafolo (volana Tebeta izany) tamin'ny taona fahafito nanjakany.
17 Et le roi aima Esther plus que toutes les femmes, et elle trouva grâce et faveur devant lui plus que toutes les vierges, et il mit la couronne du royaume sur sa tête et la fit reine à la place de Vasthi. 17 Ary tian'ny mpanjaka mihoatra noho ny vehivavy rehetra Estera, ka nahita fitia sy sitraka teo imasony mihoatra noho ny virijina rehetra izy, ka dia nosatrohany ny satro-boninahitry ny fanjakana izy ka nampanjakainy hisolo an'i Vasty.
18 Et le roi fit un grand festin à tous ses princes et ses serviteurs, le festin d’Esther ; et il octroya un dégrèvement aux provinces et fit des dons selon la puissance du roi. 18 Ary ny mpanjaka nanao fanasana lehibe ho an'ny mpanapaka rehetra sy ny mpanompony, dia fanasan'i Estera izany; ary nanendry andro fifaliana ho an'ny fanjakana rehetra isan-tokony izy sady nanome zavatra araka ny fanomen'ny mpanjaka.
— v. 15 : litt.: grâce, ici et 5:2, 8 ; 7:3 ; 8:5. — v. 16 : date : A.C. 479. 19 Ary raha nisy virijina novorina fanindroany, dia nipetraka teo am-bavahadin'ny mpanjaka Mordekay.
19 Et lorsque les vierges furent rassemblées pour la seconde fois, Mardochée était assis à la porte du roi. 20 Nefa Estera tsy mbola nilaza izay fianakaviany na izay fireneny, araka ilay nameperan'i Mordekay azy ihany; fa ny tenin'i Mordekay dia nankatoavin'i Estera tahaka ny fony Izy mbola nitaiza azy ihany.
20 Esther, ainsi que le lui avait commandé Mardochée, n’avait pas fait connaître sa naissance et son peuple ; et Esther faisait ce que Mardochée disait, comme lorsqu’elle était élevée chez lui. 21 Tamin'izany andro izany, raha Mordekay nipetraka teo am-bavahadin'ny mpanjaka, dia tezitra Bigtana sy Taresy, roa lahy isan'ny tsindranolahin'1 ny mpanjaka, dia ilay mpiambina teo am-baravarana, ka nitady hamono an'i Ahasoerosy mpanjaka izy.
21 En ces jours-là, Mardochée étant assis à la porte du roi, deux des eunuques du roi, d’entre les gardiens du seuil, Bigthan et Théresh, se mirent en colère et cherchèrent à porter la main sur le roi Assuérus. 22 Ary fantatr'i Mordekay izany ka nambarany tamin'i Estera, vadin'ny mpanjaka; dia nambaran'i Estera tamin'ny mpanjaka kosa izany araka ny nampilazain'i Mordekay azy.
22 Et la chose vint à la connaissance de Mardochée, et il la rapporta à la reine Esther, et Esther la dit au roi au nom de Mardochée. 23 Atỳ rehefa nodinihina izany zavatra izany, dia, indro, marina; ka dia nahantona tamin'ny hazo izy roa lahy; ary nosoratana tao amin'ny bokin'ny tantara teo anatrehan'ny mpanjaka izany.
23 Et on fit une enquête sur la chose, et elle fut trouvée telle, et les deux [eunuques] furent pendus à un bois. Et cela fut écrit dans le livre des chroniques en présence du roi.  
* *
Chapitre 3 Chapitre 3
1 Après ces choses, le roi Assuérus agrandit Haman, fils d’Hammedatha, l’Agaguite*, et l’éleva, et plaça son siège au-dessus de tous les princes qui étaient avec lui ; 1 [Ny fahasosoran'i Hamana tamin'i Mordekay, sy ny hevitra nataony handringanana ny Jiosy] Rehefa afaka izany zavatra izany, dia nasandratr'i Ahasoerosy mpanjaka Hamana, zanak'i Hamedota Agagita, ka nomeny voninahitra, ary ny sezany nataony teo alohan'ny an'ny mpanapaka rehetra izay teo aminy.
2 et tous les serviteurs du roi qui étaient à la porte du roi se courbaient et se prosternaient devant Haman : car le roi l’avait ainsi commandé à son égard. Mais Mardochée ne se courbait pas et ne se prosternait pas. 2 Ary ny mpanompon'ny mpanjaka rehetra izay teo am-bavahadin'ny mpanjaka dia nandohalika sy niankohoka teo anatrehan'i Hamana; fa izany no didin'ny mpanjaka. Fa Mordekay kosa tsy mba nety nandohalika na niankohoka.
3 Alors les serviteurs du roi qui étaient à la porte du roi dirent à Mardochée : Pourquoi transgresses-tu le commandement du roi ? 3 Dia hoy ny mpanompon'ny mpanjaka izay teo am-bavahadin'ny mpanjaka tamin'i Mordekay: Nahoana ianao no mandika ny didin'ny mpanjaka?
4 Et il arriva que, comme ils lui parlaient jour après jour et qu’il ne les écoutait pas, ils informèrent Haman, pour voir si les affaires de Mardochée se maintiendraient ; car il leur avait déclaré qu’il était Juif. 4 Nefa na dia niteny taminy isan'andro aza ireo, dia tsy mba nihaino azy izy, ka nolazain'Ireo tamin'i Hamana, mba hizahany na haharitra amin'ny teniny ihany Mordekay, na tsia; fa efa nilaza tamin'ireo izy fa Jiosy.
5 Et Haman vit que Mardochée ne se courbait pas et ne se prosternait pas devant lui ; et Haman fut rempli de fureur. 5 Ary rehefa hitan'i Hamana fa Mordekay tsy mba nety nandohalika na niankohoka teo anatrehany, dia tezitra loatra izy.
6 Mais c’eût été une chose méprisable à ses yeux que de mettre la main sur Mardochée seul, car on lui avait appris [quel était] le peuple de Mardochée, et Haman chercha à détruire tous les Juifs qui étaient dans tout le royaume d’Assuérus, le peuple de Mardochée. 6 Ary nataon'i Hamana ho zavatra kely loatra ny haninji-tanana hamely an'i Mordekay irery ihany (fa efa nambara azy ny firenen'i Mordekay), ka dia nitady handringana ny Jiosy rehetra eran'ny fanjakan'i Ahasoerosy koa izy, dia ny firenen'i Mordekay.
— v. 1 : Agag, probablement le titre des rois d’Amalek ; comparer Nomb. 24:7 ; 1 Sam. 15:8.  
7 Au premier mois, qui est le mois de Nisan, la douzième année du roi Assuérus,* on jeta le pur**, c’est-à-dire le sort, devant Haman, pour chaque jour et pour chaque mois*** jusqu’au douzième [mois], qui est le mois d’Adar. 7 Tamin'ny volana voalohany (volana Nisana izany) tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo nanjakan'i Ahasoerosy mpanjaka, nisy nanao pora (filokana izany) teo anatrehan'i Hamana ny amin'ny isan'andro isan'andro sy ny isam-bolana isam-bolana hatramin'ny volana faharoa ambin'ny folo (volana Adara izany)
8 Et Haman dit au roi Assuérus : Il y a un peuple dispersé et répandu parmi les peuples, dans toutes les provinces de ton royaume, et leurs lois sont différentes [de celles] de tous les peuples ; ils ne pratiquent pas les lois du roi, et il ne convient pas au roi de les laisser faire. 8 Ary hoy Hamana tamin'i Ahasoerosy mpanjaka: tsisy firenena iray efa miely sy mihahaka eny amin'ny firenena samy hafa isan-tokony eran'ny fanjakanao; ary hafa lalàna noho ny firenena rehetra ireny sady tsy mba mankatò ny lalàn'ny mpanjaka; ary tsy mendrika amin'ny mpanjaka ny hamela azy ho eny;
9 Si le roi le trouve bon, qu’on écrive [l’ordre] de les détruire, et je pèserai dix mille talents d’argent entre les mains de ceux qui font les affaires, pour qu’on les porte dans le trésor du roi. 9 koa raha sitraky ny mpanjaka, aoka hosoratana mba haringana ireny, dia handoa talenta volafotsy iray alina ho eo an-tànan'ny mpanao raharaha aho ho entina ao an-trano firaketan'ny mpanjaka.
10 Et le roi ôta son anneau de sa main et le donna à Haman, fils d’Hammedatha, l’Agaguite, l’adversaire* des Juifs. 10 Dia nesorin'ny mpanjaka tamin'ny tànany ny peratra fanombohany ka nomeny an'i Hamana, zanak'i Hamedota Agagita, fahavalon'ny Jiosy.
11 Et le roi dit à Haman : L’argent t’est donné, et le peuple, pour en faire ce qui sera bon à tes yeux. 11 Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Hamana: Homena anao ihany ny volafotsy sy ny olona koa hanaovanao azy araka izay sitrakao.
12 Et les scribes du roi furent appelés, le premier mois, le treizième jour du mois, et suivant tout ce qu’Haman commanda, on écrivit aux satrapes du roi et aux gouverneurs qui étaient [préposés] sur chaque province, et aux chefs de chaque peuple, à chaque province selon son écriture et à chaque peuple selon sa langue ; ce fut au nom du roi Assuérus qu’on écrivit, et on scella avec l’anneau du roi. 12 Dia nantsoina ny mpanoratry ny mpanjaka tamin'ny andro fahatelo ambin'ny folo tamin'ny volana voalohany, ka nosoratana izany araka izay rehetra nandidian'i Hamana ho an'ny solo-mpanjaka sy ny governora tamin'ny isan-tokony ary ny mpanapaka ny firenena rehetra, ho any amin'ny isan-tokony araka ny sorany avy, ary ho amin'ny isam-pirenena araka ny fiteniny avy; dia tamin'ny anaran'i Ahasoerosy mpanjaka no nanoratany azy ka notombohiny tamin'ny peratra fanombohan'ny mpanjaka.
13 Et les lettres furent envoyées par des courriers dans toutes les provinces du roi, pour détruire, tuer et faire périr tous les Juifs, depuis le jeune garçon jusqu’au vieillard, les enfants et les femmes, et pour que leurs biens fussent mis au pillage, en un même jour, le treizième [jour] du douzième mois, qui est le mois d’Adar. 13 Ary ny taratasy dia nampitondrainy ny tsimandoa ho any amin'ny isan-tokony amin'ny fanjakan'ny mpanjaka mba hampandringana sy hampamono ary hampandripaka ny Jiosy rehetra, na tanora na antitra hatramin'ny zaza amim-behivavy aza, amin'ny indray andro monja, dia tamin'ny andro fahatelo ambin'ny folo tamin'ny volana faharoa ambin'ny folo (volana Adara izany), ary handroba ny fananany.
14 Pour que l’édit fût rendu [public] dans chaque province, une copie de l’écrit fut portée à la connaissance de tous les peuples, afin qu’ils fussent prêts pour ce jour-là. 14 Ny kopen'ny teny izay natao didy ho amin'ny isan-tokony amin'ny fanjakana dia nisokatra mba ho hitan*'ny olona rehetra hampiomana azy ho amin'izany andro izany.[Na: dia novakina tamin']
15 Les courriers partirent, pressés par la parole du roi. Et l’édit fut rendu à Suse, la capitale. Et le roi et Haman étaient assis à boire ; mais la ville de Suse était dans la consternation. 15 Dia nivoaka ny tsimandoa, ka nododonan'ny tenin'ny mpanjaka; ary nantsoina tany Sosana renivohitra koa ny lalàna. Ary ny mpanjaka sy Hamana nipetraka hisotro; fa ny tao an-tanàna Sosana kosa dia very hevitra.
— v. 7* : date : A.C. 479. — v. 7** : mot perse, qui signifie : sort. — v. 7*** : litt.: de jour en jour et de mois en mois. — v. 10 : plus loin : l’oppresseur.  
Chapitre 4 Chapitre 4
1 Et Mardochée sut tout ce qui s’était fait ; et Mardochée déchira ses vêtements et se couvrit d’un sac et de cendre, et sortit au milieu de la ville et poussa un cri grand et amer. 1 [Ny alahelon'ny Jiosy, ary ny nataon'i Mordekay sy Estera mba tsy hahatanterahan'i Hamana izay nokasainy] Nony fantatr'i Mordekay izay rehetra efa natao, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nitafy lamba fisaonana sady nihosin-davenona, dia nankeo afovoan'ny tanàna ka nitaraina sy nidradradradra mafy;
2 Et il vint devant la porte du roi, car il n’était pas permis d’entrer, vêtu d’un sac, dans la porte du roi. 2 ary tonga teo anoloan'ny vavahadin'ny mpanjaka aza izy; nefa tsy nisy nahazo niditra teo amin'ny vavahadin'ny mpanjaka, raha nitafy lamba fisaonana.
3 Et dans chaque province, partout où parvint la parole du roi et son édit, il y eut un grand deuil parmi les Juifs, des jeûnes et des pleurs, et des lamentations ; beaucoup firent leur lit du sac et de la cendre. 3 Ary tany amin'ny isan-tokony tamin'ny fanjakana rehetra nalehan'ny tenin'ny mpanjaka sy ny didiny dia nalahelo mafy ny Jiosy ka nifady hanina sy nitomany ary nidradradradra, sady maro no nandry tamin'ny lamba fisaonana aman-davenona.
4 Et les jeunes filles d’Esther et ses eunuques vinrent et le lui rapportèrent, et la reine en fut dans une grande angoisse ; et elle envoya des vêtements pour vêtir Mardochée, et pour lui faire ôter son sac de dessus lui, mais il ne les accepta pas. 4 Ary niditra ny ankizivavin'i Estera sy ny tsindranolahiny* ka nilaza izany taminy. Dia nalahelo indrindra ny vadin'ny mpanjaka, ka nampanatitra lamba hitafin'i Mordekay izy mba hanesorany ny lamba fisaonana taminy; nefa tsy nety nandray izy.[Heb. ionoka]
5 Et Esther appela Hathac, l’un des eunuques du roi, qu’il avait placé auprès d’elle*, et elle lui commanda [d’aller] vers Mardochée pour savoir ce que c’était et pourquoi c’était. 5 Ary Estera niantso an'i Hatàka, tsindranolahin*' ny mpanjaka, izay notendreny hanompo azy, ka nampitondra teny azy ho any amin'i Mordekay, mba hahafantarany izay anton'izany.
6 Et Hathac sortit vers Mardochée sur la place de la ville qui était devant la porte du roi. 6 Dia nivoaka Hatàka nankany amin'i Mordekay ho eo an-kalalahana eo an-tanàna, dia ilay eo anoloan'ny vavahadin'ny mpanjaka;
7 Et Mardochée l’informa de tout ce qui lui était arrivé, et de la somme d’argent qu’Haman avait dit qu’il payerait* au trésor du roi en vue des juifs, pour les détruire ; 7 dia nambaran'i Mordekay taminy izay rehetra efa nanjo azy sy ny isan'ny vola izay nokasain'i Hamana haloa ho ao an-trano firaketan'ny mpanjaka noho ny handringanana ny Jiosy.
8 et il lui donna une copie de l’écrit de l’édit qui avait été rendu à Suse pour les détruire, afin de le montrer à Esther et de le lui faire connaître, et pour lui commander d’entrer vers le roi, de le supplier et de faire requête devant lui en faveur de son peuple. 8 Ary nomeny azy koa ny kopen'ny lalàna, izay nantsoina tany Sosana handringanana azy, mba haseho amin'i Estera hampahafantatra azy izany sy handidy azy hiditra ao amin'ny mpanjaka mba hifona aminy sy hangataka eo anatrehany ho an'ny fireneny.
— v. 5 : litt.: devant elle. — v. 7 : litt.: pèserait.  
9 Et Hathac vint et rapporta à Esther les paroles de Mardochée. 9 Ary tonga Hatàka ka nanambara ny tenin'i Mordekay tamin'i Estera.
10 Et Esther dit à Hathac et le chargea [de dire] à Mardochée : 10 Fa Estera naniraka an'i Hatàka indray hanao amin'i Mordekay hoe:
11 Tous les serviteurs du roi et le peuple des provinces du roi savent que pour quiconque, homme ou femme, entre auprès du roi, dans la cour intérieure, sans avoir été appelé, [il existe] une même loi [prescrivant] de le mettre à mort, à moins que le roi ne lui tende le sceptre d’or, pour qu’il vive ; et moi, je n’ai pas été appelée à entrer vers le roi ces trente jours. 11 Ny mpanompon'ny mpanjaka rehetra sy ny olona isan-tokony eran'ny fanjakany dia samy mahalala fa na iza na iza mankeo amin'ny mpanjaka ho eo an-kianja anatiny, na lehilahy na vehivavy, nefa tsy nantsoina, dia misy lalàna iray ihany hahafaty azy, afa-tsy izay hotondroin'ny mpanjaka amin'ny tehim-bolamena hahavelona azy; ary izaho anefa dia tsy mbola nantsoina hiditra ao amin'ny mpanjaka intsony telo-polo andro izay.
12 Et on rapporta à Mardochée les paroles d’Esther. 12 Dia nolazaina tamin'i Mordekay ny tenin'i Estera.
13 Et Mardochée dit de répondre à Esther : Ne pense pas en ton âme d’échapper, dans la maison du roi, plutôt que tous les Juifs ; 13 Ary Mordekay nampitondra valiny ho amin'i Estera hoe: Aza manao anakampo fa ho afaka mihoatra noho ny Jiosy rehetra ianao, saingy ao an-tranon'ny mpanjaka;
14 car, si tu gardes le silence en ce temps-ci, le soulagement et la délivrance surgiront pour les Juifs d’autre part, mais toi et la maison de ton père vous périrez. Et qui sait si ce n’est pas pour un temps comme celui-ci que tu es parvenue à la royauté ? 14 fa raha hangina mihitsy ianao amin'izao andro izao, dia hisy fahafahana sy famonjena hiseho avy amin'ny fitoerana hafa ho an'ny Jiosy, fa ianao sy ny mpianakavin-drainao kosa dia haringana; ary iza no mahalala, fa angamba ho amin'izao andro izao mihitsy no nanandratana anao ho amin'ny fanjakana?
15 Et Esther dit de répondre à Mardochée : 15 Dia nampitondra valiny ho any amin'i Mordekay indray Estera ka nanao hoe:
16 Va, rassemble tous les Juifs qui se trouvent à Suse, et jeûnez pour moi, et ne mangez ni ne buvez pendant trois jours, ni la nuit, ni le jour ; moi aussi, et mes jeunes filles, nous jeûnerons de même ; et ainsi, j’entrerai vers le roi, ce qui n’est pas selon la loi ; et si je péris, je périrai. 16 Mandehana ary, vorio ny Jiosy rehetra izay mba ato Sosana ary mifadia hanina noho ny amiko, ka aza mihinana na misotro hateloana na andro na alina; ary izaho sy ny ankizivaviko hifady toy izany koa, ary amin'izany no hidirako ao amin'ny mpanjaka, na dia tsy araka ny lalàna aza; koa raha tàhiny maty aho, dia maty.
17 Et Mardochée s’en alla* et fit selon tout ce qu’Esther lui avait commandé. 17 Dia lasa Mordekay ka nanao araka izay rehetra nandidian'i Estera azy.
— v. 17 : litt.: passa.  
Chapitre 5 Chapitre 5
1 Et il arriva, au troisième jour, qu’Esther se revêtit de son vêtement royal et se présenta dans la cour intérieure de la maison du roi, vis-à-vis de la maison du roi. Et le roi était assis sur le trône de son royaume dans la maison royale, en face de l’entrée de la maison. 1 [Ny naneken'ny mpanjaka ny tenin'i Estera, sy ny fahasosoran'i Hamana tamin'i Mordekay] Ary nony tamin'ny andro fahatelo, dia niakanjo akanjo fiandrianana Estera ka nitsangana teo amin'ny kianja anatiny amin'ny tranon'ny mpanjaka, dia teo anoloan'ny tranon'ny mpanjaka, ary ny mpanjaka nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianan'ny fanjakana tao an-dapa, tandrifin'ny vavahadin'ny trano.
2 Et aussitôt que le roi vit la reine Esther se tenant dans la cour, elle trouva faveur à ses yeux. Et le roi tendit à Esther le sceptre d’or qui était dans sa main. Et Esther s’approcha et toucha le bout du sceptre. 2 Ary nony hitan'ny mpanjaka fa, indro, Estera, vadin'ny mpanjaka nitsangana teo an-kianja, dia nahita fitia teo imasony izy; ary ny mpanjaka nanondro an'i Estera tamin'ny tehim-bolamena izay teny an-tànany. Dia nanatona kosa Estera ka nanendry ny loha-tehina.
3 Et le roi lui dit : Que veux-tu, reine Esther et quelle est ta requête ? [Quand ce serait] jusqu’à la moitié du royaume, elle te sera donnée. 3 Dia hoy ny mpanjaka taminy: Inona no angatahinao, ry Estera, vadin'ny mpanjaka, ary inona no tadiavinao? Fa na dia hatramin'ny antsasaky ny fanjakana aza, dia homena anao izany.
4 Et Esther dit : Si le roi le trouve bon, que le roi et Haman [avec lui], vienne aujourd’hui au festin que je lui ai préparé. 4 Dia namaly Estera ka nanao hoe: Raha sitraky ny mpanjaka aoka, ny mpanjaka sy Hamana hankao anio amin'ny fanasana izay efa namboariko ho azy.
5 Et le roi dit : Qu’on cherche vite Haman pour faire ce qu’Esther a dit. Et le roi et Haman vinrent au festin qu’Esther avait préparé. 5 Dia hoy ny mpanjaka: Asaovy avy faingana Hamana mba hanao araka ny tenin'i Estera. Ary ny mpanjaka sy Hamana dia nankeo amin'ny fanasana izay efa namboarin'i Estera.
6 Et le roi dit à Esther pendant qu’on buvait le vin* : Quelle est ta demande ? Elle te sera accordée. Et quelle est ta requête ? [Quand ce serait] jusqu’à la moitié du royaume, ce sera fait. 6 Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Estera teo am-pisotroan-divay: Inona no angatahinao? Fa homena anao izany. Ary inona no tadiavinao? Fa na dia hatramin'ny antsasaky ny fanjakana aza, dia homena Izany.
7 Et Esther répondit et dit : [Voici] ma demande et ma requête : 7 Dia namaly Estera ka nanao hoe: Izao no angatahiko sy tadiaviko:
8 Si j’ai trouvé faveur aux yeux du roi, et si le roi trouve bon d’accorder ma demande et de faire selon ma requête, que le roi et Haman viennent au festin que je leur préparerai, et demain je ferai selon la parole du roi. 8 Raha mahita fitia eto imason'ny mpanjaka aho, ka sitraky ny mpanjaka ny hanome izay angatahiko sy hanome izay tadiaviko, dia aoka ny mpanjaka sy Hamana hankao amin'ny fanasana izay hamboariko ho azy indray; ary rahampitso dia hanao araka ny tenin'ny mpanjaka ihany aho.
— v. 6 : litt.: au festin du vin.  
9 Et ce jour-là Haman sortit joyeux et le cœur gai. Mais lorsque Haman vit à la porte du roi, Mardochée qui ne se leva ni ne bougea pour lui, Haman fut rempli de fureur contre Mardochée. 9 Dia nivoaka tamin'izany andro izany Hamana, sady faly sy ravoravo ny fony; fa raha nahita an'i Mordekay teo am-bavahadin'ny mpanjaka izy, fa, indro, tsy mba nitsangana na nihetsika hitsaoka azy akory dia feno fahatezerana taminy izy.
10 Mais Haman se contint et rentra dans sa maison ; et il envoya et fit venir ses amis et Zéresh, sa femme. 10 Kanefa nanindry fo ihany Hamana ka lasa nody tany an-tranony aloha; dia naniraka naka ny sakaizany sy Zaresy vadiny izy.
11 Et Haman leur raconta la gloire de ses richesses, et le nombre de ses fils, et tout ce en quoi le roi l’avait agrandi et l’avait élevé au-dessus des princes et des serviteurs du roi. 11 Ary nambaran'i Hamana tamin'ireo ny voninahitry ny hareny sy ny hamaroan'ny zanany mbamin'Izay voninahitra rehetra nomen'ny mpanjaka azy sy ny nanandratany azy ho ambony noho ny mpanapaka sy ny mpanompon'ny mpanjaka.
12 Et Haman dit : La reine Esther n’a même fait venir personne avec le roi au festin qu’elle a fait, excepté moi ; et pour demain aussi, je suis invité chez elle avec le roi. 12 Ary hoy koa Hamana: He! Estera, vadin'ny mpanjaka, aza tsy naka olona afa-tsy izaho ihany hiaraka amin'ny mpanjaka ho amin'ny fanasana izay efa namboariny; fa nasainy hiaraka amin'ny mpanjaka aho koa rahampitso.
13 Mais tout cela ne me sert de rien aussi longtemps que je vois Mardochée, le Juif, assis à la porte du roi. 13 Nefa na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola mahafa-po ahy ihany, raha mbola mahita an'i Mordekay Jiosy mipetraka eo am-bavahadin'ny mpanjaka aho.
14 Et Zéresh, sa femme, et tous ses amis lui dirent : Qu’on prépare un bois, haut de cinquante coudées ; et au matin, parle au roi, pour qu’on y pende Mardochée ; et va-t’en joyeux au festin avec le roi. Et la chose plut à Haman, et il fit préparer le bois. 14 Dia hoy Zaresy vadiny sy ny sakaizany rehetra taminy: Aoka hanaovana hazo, dimam-polo hakiho ny hahavony, ary raha maraina dia lazao amin'ny mpanjaka mba hahantona eo Mordekay; fa mandehana miaraka amin'ny mpanjaka amin'ny hafaliana ho any amin'ny fanasana ianao. Ary sitrak'i Hamana izany zavatra izany, ka dia nampanao ilay hazo izy.
* *
Chapitre 6 Chapitre 6
1 Cette nuit-là le sommeil fuyait le roi, et il ordonna d’apporter le livre d’annales des chroniques, et on les lut devant le roi ; 1 [Ny nanandratana an'i Mordekay, sy ny alahelon'i Hamana noho izany] Ary tamin'iny alina iny tsy nahita torimaso ny mpanjaka ka nampaka ny boky fitadidiana ny tantara; ary novakina teo anatrehan'ny mpanjaka izany.
2 et on y trouva écrit que Mardochée avait fait connaître, à l’égard de Bigthan et de Théresh, les deux eunuques du roi, gardiens du seuil, qu’ils avaient cherché à porter la main sur le roi Assuérus. 2 Ka, indro, voasoratra fa Mordekay no niampanga an'i Bigtana sy Taresy, roa lahy isan'ny tsindranolahin'1 ny mpanjaka, dia ireo mpiambina teo am-baravarana izay nitady hamono an'i Ahasoerosy mpanjaka.
3 Et le roi dit : Quel honneur et quelle distinction a-t-on conférés à Mardochée, à cause de cela ? Et les serviteurs* du roi qui le servaient, dirent : On n’a rien fait pour lui. 3 Ary hoy ny mpanjaka: Inona moa no fisandratana sy voninahitra mba efa nomena an'i Mordekay noho izany? Fa hoy ny zatovon'ny mpanjaka Izay nanompo azy: Tsy mbola nisy nomena azy.
4 Et le roi dit : Qui est dans la cour ? Or Haman était venu dans la cour extérieure de la maison du roi, pour dire au roi de faire pendre Mardochée au bois qu’il avait dressé pour lui. 4 Ary hoy ny mpanjaka: Iza no ao an-kianja ao? Ary Hamana kosa efa sendra tonga tao an-kianja ivelan'ny tranon'ny mpanjaka tamin'izay hiteny amin'ny mpanjaka ny amin'ny hanantonana an'i Mordekay amin'ilay hazo efa natsangany hanantonana azy.
5 Et les serviteurs du roi lui dirent : Voici Haman, qui se tient dans la cour. 5 Ka hoy ny zatovon'ny mpanjaka taminy: Indro, Hamana no mitsangana ao an-kianja. Ary hoy ny mpanjaka: Asaovy miditra izy.
6 Et le roi dit : Qu’il entre. Et Haman entra. Et le roi lui dit : Que faut-il faire à l’homme que le roi se plaît à honorer ? Et Haman pensa dans son cœur : À quel autre qu’à moi* plairait-il au roi de faire honneur ? 6 Dia niditra Hamana ka hoy ny mpanjaka taminy: Inona no mendrika hatao amin'izay lehilahy tian'ny mpanjaka homem-boninahitra? Ary Hamana nanao anakampo hoe: Koa iza indray moa no ho tian'ny mpanjaka homem-boninahitra afa-tsy izaho?
7 Et Haman dit au roi : Quant à l’homme que le roi se plaît à honorer, 7 Ka dia hoy Hamana tamin'ny mpanjaka: Ny amin'izay lehilahy tian'ny mpanjaka homem-boninahitra,
8 qu’on apporte le vêtement royal dont le roi se revêt, et le cheval que le roi monte, et sur la tête duquel on met la couronne royale ; 8 aoka halaina izay akanjo fiandrianana efa niakanjoan'ny mpanjaka sy soavaly izay efa nitaingenan'ny mpanjaka sady voaisy satro-boninahitra ny lohany;
9 et que le vêtement et le cheval soient remis aux mains d’un des princes du roi les plus illustres ; et qu’on revête l’homme que le roi se plaît à honorer, et qu’on le promène par les rues de la ville, monté sur le cheval, et qu’on crie devant lui : C’est ainsi qu’on fait à l’homme que le roi se plaît à honorer. 9 dia aoka izany fitafiana sy soavaly izany no hatolotra eo an-tànan'ny anankiray izay malaza indrindra amin'ny mpanapaka voatendrin'ny mpanjaka, ary aoka izay lehilahy tian'ny mpanjaka homem-boninahitra no hampiakanjoina izany ka hampitaingenina amin'ny soavaly, dia ho entina eny an-kalalahana eto an-tanàna, ary aoka hisy hiantso eo alohany hoe: Izao no hatao amin'ny lehilahy izay tian'ny mpanjaka homem-boninahitra.
— v. 3 : ailleurs : jeunes hommes. — v. 6 : ou : À qui plus qu’à moi.  
10 Et le roi dit à Haman : Hâte-toi, prends le vêtement et le cheval, comme tu l’as dit, et fais ainsi à Mardochée, le Juif, qui est assis à la porte du roi. N’omets rien de tout ce que tu as dit. 10 Dia hoy ny mpanjaka tamin'i Hamana: Faingana ary, alao ny akanjo sy ny soavaly araka ny voalazanao, ka dia ataovy araka izany amin'i Mordekay Jiosy, izay mipetraka eo am-bavahadin'ny mpanjaka; aza asiana latsaka izay rehetra nolazainao.
11 Et Haman prit le vêtement et le cheval, et revêtit Mardochée et le promena à cheval par les rues de la ville, et il criait devant lui : C’est ainsi qu’on fait à l’homme que le roi se plaît à honorer ! 11 Dia nalain'i Hamana ny akanjo sy ny soavaly, ka nampiakanjo an'i Mordekay izy ary nampitaigina azy tamin'ny soavaly, dia nitondra azy ho eny an-kalalahana teo an-tanàna ka niantso teo alohany hoe: Izao no hatao amin'ny lehilahy izay tian'ny mpanjaka homem-boninahitra.
12 Et Mardochée revint à la porte du roi. Et Haman se rendit en hâte à sa maison, triste et la tête couverte. 12 Ary Mordekay niverina nankeo amin'ny vavahadin'ny mpanjaka; fa Hamana kosa nody faingana ho any an-tranony sady nalahelo no nisaron-doha.
13 Et Haman raconta à Zéresh, sa femme, et à tous ses amis, tout ce qui lui était arrivé. Et ses sages et Zéresh, sa femme, lui dirent : Si Mardochée devant lequel tu as commencé de tomber est de la race* des Juifs, tu ne l’emporteras pas sur lui, mais tu tomberas certainement devant lui. 13 Dia nolazain'i Hamana tamin'i Zaresy vadiny sy ny sakaizany rehetra izay zavatra nanjo azy. Ary hoy ny olon-kendry rehetra sy Zaresy vadiny taminy: Raha avy amin'ny taranaky ny Jiosy Mordekay, izay efa niantomboka nandavo anao teo anatrehany, dia tsy haharesy azy mihitsy ianao, fa ho lavo eo anatrehany tokoa.
14 Comme ils parlaient encore avec lui, les eunuques du roi s’approchèrent et se hâtèrent de conduire Haman au festin qu’Esther avait préparé. 14 Ary raha mbola niresaka taminy ihany ireo, dia tonga ny tsindranolahin*' ny mpanjaka ka naka faingana an'i Hamana ho ny amin'ny fanasana izay efa namboarin'i Estera.[Heb. ionoka]
— v. 13 : litt.: semence.  
Chapitre 7 Chapitre 7
1 Et le roi et Haman vinrent pour boire avec la reine Esther. 1 [Ny nanonganana an'i Hamana sy ny namonoana azy] Ary ny mpanjaka sy Hamana dia nankao amin'i Estera, vadin'ny mpanjaka, ho ao amin'ny fanasana
2 Et le roi dit à Esther, le second jour aussi, pendant qu’on buvait le vin* : Quelle est ta demande, reine Esther ? et elle te sera accordée. Et quelle est ta requête ? [Quand ce serait] jusqu’à la moitié du royaume, ce sera fait. 2 Ary hoy indray ny mpanjaka tamin'i Estera teo am-pisotroan-divay tamin'ny andro faharoa inona no angatahinao, ry Estera, vadin'ny mpanjaka? Fa homena anao izany. Ary inona ange no tadiavinao? Fa na dia hatramin'ny antsasaky ny fanjakana aza dia hotovina izany.
3 Et la reine Esther répondit et dit : Si j’ai trouvé faveur à tes yeux, ô roi, et si le roi le trouve bon, qu’à ma demande il m’accorde ma vie, et mon peuple à ma requête ! 3 Dia namaly Estera, vadin'ny mpanjaka, ka nanao hoe: Raha mahita fitia eto imasonao ary aho, ry mpanjaka, ka sitraky ny mpanjaka, dia aoka homena ahy ny aiko araka ny fifonako ary ny fireneko araka ny fangatahako;
4 Car nous sommes vendus, moi et mon peuple, pour être détruits [et] tués, et pour périr. Or si nous avions été vendus pour être serviteurs et servantes, j’aurais gardé le silence, bien que l’ennemi ne pût compenser le dommage fait au roi. 4 fa namidy izahay, dia izaho sy ny fireneko, mba haringana sy hovonoina ary haripaka; fa raha tahìny namidy ho andevolahy sy ho andevovavy izahay, dia ho nangina ihany aho; kanefa anie tsy mahonitra ny fatiantoky ny mpanjaka tsinona ilay fahavalo e.
5 Et le roi Assuérus parla et dit à la reine Esther : Qui est-il, et où est-il, celui que son cœur a rempli [de la pensée] de faire ainsi ? 5 Dia namaly Ahasoerosy mpanjaka ka nanao tamin'i Estera, vadin'ny mpanjaka, hoe: Iza moa izany, ary aiza no hisy hasesiky ny fony hanao izany akory?
6 Et Esther dit : L’adversaire et l’ennemi, c’est ce méchant Haman. Et Haman fut terrifié devant le roi et la reine. 6 Fa hoy Estera: Io Hamana ratsy fanahy io no rafilahy sy fahavalo! Dia raiki-tahotra teo anatrehan'ny mpanjaka sy ny vadin'ny mpanjaka Hamana.
7 Et le roi, dans sa fureur, se leva du festin*, [et s’en alla] dans le jardin du palais. Et Haman resta pour faire requête pour sa vie auprès de la reine Esther ; car il voyait que son malheur était décidé de la part du roi. 7 Ary tezitra dia tezitra ny mpanjaka, dia nitsangana niala teo am-pisotroan-divay ho eny an-tanimbolin'ny trano; ary Hamana kosa nitsangana hangataka ny ainy tamin'i Estera, vadin'ny mpanjaka, satria hitany fa misy loza hamelin'ny mpanjaka azy.
8 Et le roi revint du jardin du palais dans la maison du festin*. Et Haman était tombé sur le divan sur lequel était Esther. Et le roi dit : Veut-il encore faire violence à la reine, chez moi, dans la maison ? La parole sortit de la bouche du roi, et on couvrit la face d’Haman. 8 Ary ny mpanjaka niverina avy teo an-tanimbolin'ny trano ho ao amin'ilay efa nisotroany divay teo, ary Hamana sendra niapoka tamin'ny farafara nandrian'i Estera. Dia hoy ny mpanjaka: Moa hisavika ny vadin'ny mpanjaka eto anatrehako eto an-trano va io? Raha vantany vao naloaky ny vavan'ny mpanjaka izany teny izany, dia nisy nanarona ny tavan'i Hamana
9 Et Harbona, l’un des eunuques, dit devant le roi : Voici*, le bois, haut de cinquante coudées, qu’Haman avait préparé pour Mardochée, qui a parlé pour le bien du roi, est dressé dans la maison d’Haman. Et le roi dit : Qu’on l’y pende ! 9 Ary Harbona, tsindranolahy* anankiray, izay teo anatrehan'ny mpanjaka, dia nilaza hoe Indro miorina eo akaikin'ny tranon'i Hamana ny hazo, dimam-polo hakiho ny hahavony, izay nataon'i Hamana hanantonany an'i Mordekay, ilay niteny soa ho an'ny mpanjaka. Dia hoy ny mpanjaka ahantòny amin'io izy. [Heb. ionoka]
10 Et on pendit Haman au bois qu’il avait dressé pour Mardochée. Et la colère du roi s’apaisa. 10 Ary Hamana dia nahantony tamin'ilay hazo efa natsangany hanantonana an'i Mordekay. Dia vao izay no nionona ny hatezeran'ny mpanjaka.
— v. 2 : litt.: au festin du vin. — v. 7, 8 : litt.: festin du vin. — v. 9 : hébreu : Voici même.  
Chapitre 8 Chapitre 8
1 Ce jour-là, le roi Assuérus donna à la reine Esther la maison d’Haman, l’oppresseur des Juifs. Et Mardochée entra devant le roi, car Esther avait déclaré ce qu’il lui était. 1 [Ny nanandratana an'i Mordekay, sy ny nahazoan'i Estera teny avy amin'ny mpanjaka ka hamela ny Jiosy hiaro tena] Tamin'izany andro izany dia nomen'i Ahasoerosy mpanjaka ho an'i Estera, vadin'ny mpanjaka, ny tranon'i Hamana, fahavalon'ny Jiosy. Ary Mordekay nankeo anatrehan'ny mpanjaka, fa efa voalazan'i Estera fa rainy izy
2 Et le roi ôta son anneau qu’il avait retiré à Haman, et le donna à Mardochée. Et Esther établit Mardochée sur la maison d’Haman. 2 Ary nesorin'ny mpanjaka ny peratra fanombohany, izay efa nalainy tamin'i Hamana, ka nomeny an'i Mordekay. Ary Mordekay dia notendren'i Estera hanapaka ny tranon'i Hamana.
3 Et Esther parla encore devant le roi, et tomba à ses pieds et pleura, et le supplia de mettre à néant le mal médité par* Haman, l’Agaguite, et le dessein qu’il avait formé contre les Juifs. 3 Dia niteny teo anatrehan'ny mpanjaka indray Estera sady niankohoka tamin'ny tongony ka nitomany sy nifona taminy mba hahafoana ny ratsy nataon'i Hamana Agagita sy ny hevitra nataony hamelezany ny Jiosy.
4 Et le roi tendit à Esther le sceptre d’or, et Esther se leva et se tint devant le roi, 4 Ary ny mpanjaka nanondro an'i Estera tamin'ny tehim-bolamena. Dia nitsangana Estera ka nijanona teo anatrehan'ny mpanjaka
5 et elle dit : Si le roi le trouve bon, et si j’ai trouvé faveur devant lui, et que le roi estime la chose avantageuse, et que moi, je sois agréable à ses yeux, qu’on écrive pour révoquer les lettres ourdies par Haman, fils d’Hammedatha, l’Agaguite, qu’il a écrites pour faire périr les juifs qui sont dans toutes les provinces du roi. 5 ary nanao hoe: Raha sitraky ny mpanjaka, ary mahita fitia eto imasony aho, sady ataon'ny mpanjaka ho mety izany, ka mahita sitraka eto imasony aho, dia aoka hisy soratra hanova ireny taratasy voahevitr'i Hamana, zanak'i Hamedota Agagita, ireny izay nosoratany hampandringana ny Jiosy amin'ny isan-tokony eran'ny fanjakan'ny mpanjaka;
6 Car comment pourrai-je voir le malheur qui atteindra mon peuple, et comment pourrai-je voir la destruction de ma race ? 6 fa hataoko ahoana no fijery ny loza hanjo ny fireneko? Ary hataoko ahoana no fijery ny fandringanana ny havako?
7 Et le roi Assuérus dit à la reine Esther et à Mardochée, le Juif : Voici, j’ai donné à Esther la maison d’Haman ; et lui, on l’a pendu au bois parce qu’il a étendu sa main contre les juifs. 7 Dia hoy Ahasoerosy mpanjaka tamin'i Estera, vadin'ny mpanjaka sy tamin'i Mordekay Jiosy: Indro, ny tranon'i Hamana efa nomeko an'i Estera, ary izy dia efa nahantona tamin'ny hazo, satria naninjitra ny tànany hamely ny Jiosy;
8 Vous donc, écrivez au nom du roi à l’égard des Juifs ce qui vous paraîtra bon, et scellez-le avec l’anneau du roi. Car un écrit qui a été écrit au nom du roi et scellé avec l’anneau du roi ne peut être révoqué. 8 ary ianareo kosa dia manorata amin'ny anaran'ny mpanjaka izay sitrakareo hamonjy ny Jiosy, ka tombohy amin'ny peratra fanombohan'ny mpanjaka izany; fa tsy misy mahavadika ny soratra izay efa voasoratra tamin'ny anaran'ny mpanjaka sy efa voatomboka tamin'ny peratra fanombohan'ny mpanjaka
— v. 3 : litt.: le mal de.  
9 Et les scribes du roi furent appelés en ce temps-là, au troisième mois, qui est le mois de Sivan, le vingt-troisième [jour] du mois ; et, selon tout ce que Mardochée commanda, on écrivit aux Juifs, et aux satrapes, et aux gouverneurs, et aux chefs des provinces, depuis l’Inde jusqu’à l’Éthiopie, cent vingt-sept provinces, à chaque province selon son écriture, et à chaque peuple selon sa langue, et aux Juifs selon leur écriture et selon leur langue. 9 Dia nantsoina tamin'izay ny mpanoratry ny mpanjaka, tamin'ny andro fahatelo amby roa-polo tamin'ny volana fahatelo (volana Sivana izany); ary nosoratana araka izay rehetra nandidian'i Mordekay izany ho any amin'ny Jiosy sy ny solo-mpanjaka sy ny governora ary ny mpanapaka amin'ny isan-tokony hatrany India ka hatrany Etiopia, dia fito amby roa-polo amby zato toko, ny isan-tokony araka ny sorany avy, ary ny isam-pireneny araka ny fiteniny avy, ary ny Jiosy araka ny sorany sy araka ny fiteniny.
10 Et [Mardochée] écrivit au nom du roi Assuérus et scella avec l’anneau du roi ; et il envoya des lettres par des courriers à cheval, montés sur des coursiers, des chevaux de race*, produits des haras**. 10 Ary nanoratra taratasy tamin'ny anaran'i Ahasoerosy mpanjaka izy ka notombohiny tamin'ny peratra fanombohan'ny mpanjaka, ary ny taratasy dia nampitondrainy ny tsimandoa mitaingin-tsoavaly sy soavaly haingam-pandeha ary ampondra, zanaky ny soavalivavy;
11 [Ces lettres portaient] que le roi accordait aux Juifs, dans chaque ville, de s’assembler et de se mettre en défense pour leur vie, [et] de détruire, tuer, et faire périr toute force du peuple et de la province qui les opprimerait, — eux [et leurs] enfants et [leurs] femmes, et de mettre au pillage leurs biens, 11 ka ny Jiosy izay teny amin'ny isan-tanàna dia navelan'ny mpanjaka hivory hiaro ny ainy ary handringana sy hamono ka handripaka ny herin'ny firenena sy ny tany rehetra izay te-hiady aminy, mbamin'ny vady aman-janak'ireny ary handroba ny fananany
12 en un même jour, dans toutes les provinces du roi Assuérus, le treizième [jour] du douzième mois, qui est le mois d’Adar. 12 amin'ny andro iray ihany any amin'ny isan-tokony eran'ny fanjakan'i Ahasoerosy mpanjaka, dia amin'ny andro fahatelo ambin'ny folo amin'ny volana faharoa ambin'ny folo (volana Adara izany).
13 Pour que l’édit fût rendu [public] dans chaque province, une copie de l’écrit fut portée à la connaissance de tous les peuples, afin que les Juifs fussent prêts pour ce jour-là, pour se venger de leurs ennemis. 13 Ny kopen'ny teny natao didy ho amin'ny isan-tokony eran'ny fanjakana dia nantsoina tamin'ny olona rehetra mba hampiomana ny Jiosy ho amin'izany andro izany hamaliany ny fahavalony.
14 Les courriers, montés sur les coursiers, des chevaux de race*, partirent, hâtés et pressés par la parole du roi. Et l’édit fut rendu à Suse, la capitale. 14 Dia lasa ny tsimandoa izay nitaingina soavaly haingam-pandeha sy ampondra, ka nohafainganina sy nododonan'ny tenin'ny mpanjaka izy. Ary nantsoina tany Sosana renivohitra koa ny lalàna.
— v. 10*, 14 : ou : mulets. — v. 10** : quelques-uns : juments.  
15 Et Mardochée sortit de devant le roi, avec un vêtement royal bleu et blanc, une grande couronne d’or, et un manteau de byssus et de pourpre ; et la ville de Suse poussait des cris de joie et se réjouissait. 15 Ary tamin'ny nialan'i Mordekay teo anatrehan'ny mpanjaka dia niakanjo akanjo fiandrianana manga sy fotsy izy sady nisatroka satro-boninahitra volamena lehibe sy niakanjo akanjo lava rongony fotsy madinika sy volomparasy; ary faly sy ravo ny tanana Sosana.
16 Pour les Juifs il y avait lumière et joie, et allégresse et honneur. 16 Ny Jiosy dia nahazo fahazavana sy faharavoravoana sy fifaliana ary voninahitra.
17 Et, dans chaque province et dans chaque ville, partout où parvenait la parole du roi et son édit, il y eut de la joie et de l’allégresse pour les Juifs, un festin et un jour de fête ; et beaucoup de gens parmi les peuples du pays se firent Juifs, car la frayeur des Juifs tomba sur eux. 17 Ary teo amin'ny isan-tokony eran'ny fanjakana sy teny an-tanàna rehetra izay nahatongavan'ny didin'ny mpanjaka sy ny teniny dia nahazo hafaliana sy faharavoravoana ny Jiosy sady nanao fanasana sy andro mahafaly. Ary maro ny olona tompon-tany no tonga Jiosy, satria nahazo azy ny fahatahorana ny Jiosy.
* *
Chapitre 9 Chapitre 9
1 Et au douzième mois, qui est le mois d’Adar, le treizième jour du mois, où la parole du roi et son édit allaient être exécutés, au jour où les ennemis des Juifs espéraient se rendre maîtres d’eux (mais la chose fut changée en ce que ces mêmes Juifs se rendirent maîtres de ceux qui les haïssaient), 1 [Ny naharesen'ny Jiosy ny fahavalony izay nikasa handringana azy] Ary tamin'ny andro fahatelo ambin'ny folo tamin'ny volana faharoa ambin'ny folo (volana Adara izany), rehefa akaiky ny andro hanatanterahana ny tenin'ny mpanjaka sy ny didiny, dia ny andro izay efa nantenain'ny fahavalon'ny Jiosy haharesena azy indrindra (kanjo navadika izany, ka ny Jiosy kosa no naharesy izay nankahala azy),
2 les Juifs s’assemblèrent dans leurs villes, dans toutes les provinces du roi Assuérus, pour mettre la main sur ceux qui cherchaient leur malheur ; et personne ne tint devant eux, car la frayeur des [Juifs] tomba sur tous les peuples. 2 dia nivory tany an-tanànany avy ny Jiosy, tany amin'ny isan-tokony eran'ny fanjakan'i Ahasoerosy mpanjaka, mba hamely izay nividy hanisy ratsy azy; ary tsy nisy olona nahajanona teo anoloany, fa efa nahazo ny olona rehetra ny fahatahorana azy.
3 Et tous les chefs des provinces, et les satrapes, et les gouverneurs, et ceux qui faisaient les affaires du roi, assistaient les Juifs, car la frayeur de Mardochée était tombée sur eux. 3 Ary ny mpanapaka rehetra isan-tokony tamin'ny fanjakana sy ny solo-mpanjaka sy ny governora mbamin'ny mpanao raharahan'ny mpanjaka dia nanampy ny Jiosy, satria azon'ny fahatahorana an'i Mordekay izy.
4 Car Mardochée était grand dans la maison du roi, et sa renommée se répandait dans toutes les provinces ; car cet homme, Mardochée, allait toujours grandissant. 4 Fa Mordekay dia lehibe tao an-tranon'ny mpanjaka, ary ny lazany niely tany amin'ny isan-tokony eran'ny fanjakana; fa nitombo sy nisandratra ihany io lehilahy Mordekay io.
5 Et les Juifs frappèrent tous leurs ennemis à coups d’épée, [les] tuant et [les] faisant périr, et ils firent ce qu’ils voulurent à ceux qui les haïssaient. 5 Ary nasian'ny Jiosy ny fahavalony rehetra ka nokapainy sabatra sy novonoiny ary naringany, fa nahazo nanao araka izay sitraky ny fony tamin'izay nankahala azy izy.
6 Et à Suse, la capitale, les Juifs tuèrent et firent périr cinq cents hommes, 6 Ary tany Sosana renivohitra aza ny Jiosy dia nahavono sy naharingana diman-jato lahy;
7 et ils tuèrent Parshandatha, et Dalphon, et Aspatha, 7 ary Parsandata sy Dalfona sy Aspata
8 et Poratha, et Adalia, et Aridatha, 8 sy Porata sy Adalia sy Aridata
9 et Parmashtha, et Arisaï, et Aridaï, et Vajezatha, 9 sy Parmasta sy Arisay sy Ariday ary Vaizata,
10 les dix fils d’Haman, fils d’Hammedatha, l’oppresseur des Juifs ; mais ils ne mirent pas la main sur le butin. 10 izy folo lahy, zanak'i Hamana, zanak'i Hamedota, fahavalon'ny Jiosy, dia novonoiny koa; kanefa ny fananany tsy mba norobainy tsy akory.
   
11 En ce jour-là, on porta devant le roi le nombre de ceux qui avaient été tués dans Suse, la capitale. 11 Androtrizay ihany dia nambara tamin'ny mpanjaka ny isan'ny voavono tany Sosana renivohitra.
12 Et le roi dit à la reine Esther : Les Juifs ont tué et fait périr dans Suse, la capitale, cinq cents hommes et les dix fils d’Haman ; qu’auront-ils fait dans les autres provinces du roi ? Et quelle est ta demande ? elle te sera accordée. Et quelle est encore ta requête ? et ce sera fait. 12 Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Estera, vadin'ny mpanjaka: Teto Sosana renivohitra aza ny Jiosy efa nahavono sy naharingana diman-jato lahy mbamin'izy folo lahy, zanak'i Hamana; koa nanao ahoana kosa no nataony tamin'ny isan-tokony eran'ny fanjakan'ny mpanjaka! Dia inona koa no angatahinao? Fa hatao izany. Ary inona no mbola tadiavinao? Fa homena izany.
13 Et Esther dit : Si le roi le trouve bon, qu’il soit accordé encore demain aux juifs qui sont à Suse de faire selon l’édit d’aujourd’hui ; et qu’on pende au bois les dix fils d’Haman. 13 Dia hoy Estera: Raha sitraky ny mpanjaka, dia aoka ny Jiosy izay eto Sesana havela hanao toy ny natao androany ihany koa rahampitso, ary aoka hahantona amin'ny hazo koa izy folo lahy, zanak'i Hamana.
14 Et le roi dit de faire ainsi ; et l’édit fut rendu dans Suse ; et on pendit les dix fils d’Haman. 14 Dia nasain'ny mpanjaka natao izany; ary nantsoina tany Sosana ny teny, ka dia nahantona izy folo lahy, zanak'i Hamana.
15 Et les Juifs qui étaient à Suse s’assemblèrent aussi le quatorzième jour du mois d’Adar, et ils tuèrent dans Suse trois cents hommes ; mais ils ne mirent pas la main sur le butin. 15 Dia nivory indray ny Jiosy izay tany Sosana tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folo tamin'ny volana Adara ka namono olona telon-jato lahy tany Sosana; kanefa ny fananany tsy mba norobainy tsy akory.
16 Et le reste des Juifs qui étaient dans les provinces du roi s’assemblèrent et se mirent en défense pour leur vie, et eurent du repos de leurs ennemis ; et ils tuèrent soixante-quinze mille de ceux qui les haïssaient ; mais ils ne mirent pas la main sur le butin : 16 Ary ny Jiosy sasany isan-tokony tamin'ny fanjakan'ny mpanjaka dia nivory hiaro ny ainy, ka afaka tamin'ny fahavalony izy, ary dimy arivo amby fito alina no matiny (kanefa ny fananany tsy mba norobainy)
17 [ce fut] le treizième jour du mois d’Adar ; et le quatorzième [jour] du mois, ils se reposèrent, et ils en firent un jour de festin et de joie. 17 tamin'ny andro fahatelo ambin'ny folo tamin'ny volana Adara; ary nitsahatra izy tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folo, ka nataony ho andro fanasana sy firavoravoana izany.
18 Et les Juifs qui étaient à Suse s’assemblèrent le treizième [jour] du mois et le quatorzième [jour], et ils se reposèrent le quinzième [jour], et en firent un jour de festin et de joie. 18 Fa ny Jiosy izay tany Sosana kosa nivory tamin'ny andro fahatelo ambin'ny folo tamin'io ihany sy tamin'ny andro fahefatra ambin'ny folo koa; ary nitsahatra tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folo izy, ka dia io no nataony andro fanasana sy firavoravoana.
19 C’est pourquoi les Juifs de la campagne qui habitaient des villes ouvertes, firent du quatorzième [jour] du mois d’Adar un jour de joie et de festin, et un jour de fête, où l’on s’envoyait des portions l’un à l’autre. 19 Koa noho izany ny Jiosy tany ambanivohitra, izay nitoetra tamin'ny vohitra madinika, dia nanao ny andro fahefatra ambin'ny folo amin'ny volana Adara ho firavoravoana sy fanasana sy andro mahafaly ary fifanateran-javatra.
   
20 Et Mardochée écrivit ces choses et envoya des lettres à tous les Juifs qui étaient dans toutes les provinces du roi Assuérus, à ceux qui étaient près et à ceux qui étaient loin, 20 [Ny nanendrena ny andro firavoravoana Porima, sy ny fahalehibiazan'i Mordekay] Ary Mordekay nanoratra ny amin'izany zavatra izany sady nampitondra taratasy ho any amin'ny Jiosy rehetra izay tany amin'ny isan-tokony eran'ny fanjakan'i Ahasoerosy mpanjaka, na ny akaiky na ny lavitra,
21 afin d’établir pour eux qu’ils célébreraient le quatorzième jour du mois d’Adar et le quinzième jour, chaque année, 21 mba hampitandrina azy ny andro fahefatra ambin'ny folo sy ny fahadimy ambin'ny folo amin'ny volana Adara isan-taona,
22 comme des jours dans lesquels les Juifs avaient eu du repos de leurs ennemis, et comme le mois où leur douleur avait été changée en joie, et leur deuil en un jour de fête, pour en faire des jours de festin et de joie, où l’on s’envoie des portions l’un à l’autre, et [où l’on fait] des dons aux pauvres. 22 dia araka ny andro nahafahan'ny Jiosy tamin'ny fahavalony, sy ny volana izay nampodiana ny alahelony ho fifaliana ary ny fitomaniany ho andro mahafaly, mba hatao ho andro fanasana sy fifaliana sy fifanateran-javatra ary fanomezan-javatra ho an'ny mahantra izany.
   
23 Et les Juifs acceptèrent de faire ce qu’ils avaient commencé et ce que Mardochée leur avait écrit. 23 Ary ny Jiosy nanaiky hanao araka izay vao nataony, dia araka izay efa nosoratan'i Mordekay taminy,
24 Car Haman, fils d’Hammedatha, l’Agaguite, l’oppresseur de tous les Juifs, avait tramé contre les Juifs de les faire périr, et avait fait jeter le pur, c’est-à-dire le sort, pour les détruire et les faire périr. 24 satria Hamana, zanak'i Hamedota Agagita, fahavalon'ny Jiosy rehetra, efa nihevitra handringana ny Jiosy ka efa nanao pora (filokana izany) handreseny sy handringanany azy;
25 Et quand [Esther] * vint devant le roi, il ordonna, par lettres, que le méchant dessein qu’[Haman] avait tramé contre les Juifs retombât sur sa propre tête, et on le pendit au bois, lui et ses fils. 25 fa raha nankeo anatrehan'ny mpanjaka izany, dia nampanoratra taratasy handidy mba hatsingerina ho eo amin'ny lohany ihany ny hevi-dratsy nokasain'i Hamana hatao amin'ny Jiosy, ary mba hahantona amin'ny hazo izy sy ny zananilahy.
26 C’est pourquoi on appela ces jours Purim, d’après le nom de pur. C’est pourquoi, à cause de toutes les paroles de cette lettre, et à cause de ce qu’ils avaient ainsi vu et de ce qui leur était arrivé, 26 Izany no nanaovana ireo andro ireo hoe Porima, dia araka ny anarana hoe Pora*. Ary araka ny teny rehetra tamin'izany taratasy izany sy izay hitany ny amin'izany zavatra efa nanjo azy izany [Pora = Filokana]
27 les Juifs établirent et acceptèrent pour* eux et pour leur semence, et pour tous ceux qui se joindraient à eux, de ne pas négliger de célébrer chaque année ces deux jours selon leur ordonnance** et selon leur temps fixé ; 27 dia nanao lalàna tsy azo ovana ny Jiosy ka nanaiky fa izy sy ny taranany ary izay rehetra miray aminy dia hitandrina izany andro roa izany araka ny voasoratra sy araka ny fotoany isan-taona;
28 et qu’on se souviendrait de ces jours et qu’on les célébrerait dans toutes les générations, dans chaque famille, dans chaque province, et dans chaque ville ; et que ces jours de Purim ne seraient point négligés au milieu des Juifs, et que leur mémoire ne périrait jamais chez leur semence. 28 ary mba hotsarovana sy hotandremana ireo andro ireo amin'ny taranany rehetra sy ny fokony rehetra sy ny isan-tokony eran'ny fanjakana rehetra sy amin'ny isan-tanàna; ary mba tsy ho tapaka amin'ny Jiosy ireo andro Porima ireo, ka tsy hitsahatra ny fahatsiarovana izany amin'ny taranany.
29 Et la reine Esther, fille d’Abikhaïl, et Mardochée, le Juif, écrivirent avec toute insistance pour confirmer cette seconde lettre sur les Purim ; 29 Ary Estera, vadin'ny mpanjaka, sady zanakavavin'i Abihaila sy Mordekay Jiosy, dia nanoratra tamin'ny fahefana rehetra hanamafy izany taratasy faharoa milaza ny Porima izany.
30 et à tous les Juifs dans les cent vingt-sept provinces du royaume d’Assuérus, il envoya des lettres [avec] des paroles de paix et de vérité, 30 Ary nampitondra taratasy ho any amin'ny Jiosy rehetra izy dia ho any amin'ny toko fito amby roa-polo amby zato amin'ny fanjakan'i Ahasoerosy, manao teny fiadanana sy fahamarinana,
31 pour confirmer ces jours de Purim à leurs époques fixes, comme Mardochée, le Juif, et la reine Esther les avaient établis pour eux, et comme ils les avaient établis pour eux-mêmes et pour leur semence, à l’occasion de leurs jeûnes et de leur cri. 31 mba hampitandrina azy Ireo andro Porima ireo amin'ny fotoany, araka izay nandidian'i Mordekay Jiosy sy Estera, vadin'ny mpanjaka. azy sy araka izay efa nekeny ho an'ny tenany sy ny taranany koa ny amin'ny fifadian-kaniny sy ny fitarainany.
32 Et l’ordre d’Esther établit ce qui concernait ces [jours de] Purim, et cela fut écrit dans le livre. 32 Ary ny tenin'i Estera dia nanamafy izany teny milaza ny Porima izany; ary voasoratra tao amin'ny boky izany.
— v. 25 : litt.: elle. — v. 27* : litt.: sur. — v. 27** : litt.: écrit.  
* *
Chapitre 10 Chapitre 10
1 Et le roi Assuérus imposa un tribut sur le pays et sur les îles de la mer. 1 Ary Ahasoerosy mpanjaka nampandoa hetra ny tany sy ny nosin-dranomasina.
2 Et tous les actes de sa puissance et de sa force, et la déclaration de la grandeur de Mardochée, comment le roi l’éleva, ne sont-ils pas écrits dans le livre des chroniques des rois de Médie et de Perse ? 2 Ary izay rehetra nataony araka ny fahefany sy ny heriny mbamin'ny filazana ny fahalehibiazan'i Mordekay, araka izay nanandratan'ny mpanjaka azy, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'i Media sy Persia va izany?
3 Car Mardochée, le Juif, fut le second après le roi Assuérus, et il fut grand parmi les Juifs et agréable à la multitude de ses frères, cherchant le bien de son peuple et parlant pour la paix* de toute sa race**. 3 Fa Mordekay Jiosy no nanarakaraka an'i Ahasoerosy mpanjaka sady nalaza tamin'ny Jiosy ka nankasitrahan'ny rahalahiny maro, satria nitady hihasoa ny fireneny izy sady nilaza fiadanana tamin'ny olona rehetra iray firazanana aminy.
— v. 3* : ou : prospérité ; hébreu : parlant paix à. — v. 3** : litt.: semence.