LE LIVRE DE JOB Joba
   
   
Chapitre 1 Chapitre 1
1 Il y avait dans le pays d’Uts un homme dont le nom était Job ; et cet homme était parfait* et droit, craignant Dieu et se retirant du mal. 1 [Ny amin'ny toetr'i Joba sy ny fizahan-toetra azy voalohany] Nisy lehilahy tany amin'ny tany Oza Joba no anarany; ary marina sy mahitsy izany lehilahy izany sady natahotra an'Andriamanitra ka nifady ny ratsy.
2 Et il lui naquit sept fils et trois filles ; 2 Ary niteraka fito lahy sy vavy telo izy.
3 et il possédait sept mille brebis*, et trois mille chameaux, et cinq cents paires de bœufs, et cinq cents ânesses ; et [il avait] un très-grand nombre de serviteurs ; et cet homme était plus grand que tous les fils de l’orient. 3 Ary ny fananany dia ondry aman'osy fito arivo sy rameva telo arivo sy omby arivo sy borikivavy diman-jato ary mpanompo maro be; ka dia nanan-karena be mihoatra noho ny zanaky ny atsinanana rehetra izany lehilahy izany.
— v. 1 : complet, à qui rien ne manque ; comparer 2 Sam. 22:24. — v. 3 : et chèvres.  
4 Et ses fils allaient et faisaient un festin, chacun dans [sa] maison, à son jour ; et ils envoyaient appeler leurs trois sœurs pour manger et pour boire avec eux. 4 Ary fanaon'ny zananilahy ny nandeha sy nanao fanasana isaky ny an'androny avy isan-tranony; dia naniraka naka ny anabaviny telo mirahavavy izy hiara-mihinana sy misotro aminy.
5 Et il arrivait que, quand les jours de festin étaient terminés, Job envoyait [vers eux] et les sanctifiait : il se levait de bonne heure le matin et offrait des holocaustes selon leur nombre à tous, car Job disait : Peut-être mes fils ont-ils péché et ont-ils maudit Dieu dans leurs cœurs. Job faisait toujours ainsi. 5 Ary isaky ny tapitra nitsingerina ireo andro fanasana ireo dia naniraka Joba ka nanamasina ireny ary nifoha maraina koa izy ka nanatitra fanatitra dorana araka ny isan'izy rehetra; fa hoy Joba: Fandrao efa nanota ny zanako ka nandà an'Andriamanitra tao am-pony. Izany no nataon'i Joba mandrakariva.
   
6 Or, un* jour, il arriva que les fils de Dieu vinrent se présenter devant l’Éternel, et Satan** aussi vint au milieu d’eux. 6 Ary tamin'ny indray andro nony avy ireo zanak'Andriamanitra hiseho teo anatrehan'i Jehovah dia mba tonga teo koa Satana tafaharo taminy.
7 Et l’Éternel dit à Satan : D’où viens-tu ? Et Satan répondit à l’Éternel et dit : De courir çà et là sur la terre et de m’y promener. 7 Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Avy taiza ianao? Dia namaly an'i Jehovah Satana ka nanao hoe: Avy nizahazaha teny amin'ny tany aho ka nivezivezy teny.
8 Et l’Éternel dit à Satan : As-tu considéré mon serviteur Job, qu’il n’y a sur la terre aucun homme comme lui, parfait et droit, craignant Dieu, et se retirant du mal ? 8 Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Efa nandinika an'i Joba mpanompoko va ianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin'ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an'Andriamanitra ka mifady ny ratsy.
9 Et Satan répondit à l’Éternel et dit : Est-ce pour rien que Job craint Dieu ? 9 Ary Satana dia namaly an'i Jehovah ka nanao hoe: Moa tsy fanantenan-javatra va no atahoran'i Joba an'Andriamanitra?
10 Ne l’as-tu pas, toi, entouré de toutes parts d’une haie de protection, lui, et sa maison, et tout ce qui lui appartient ? Tu as béni le travail de ses mains, et tu as fait abonder son avoir sur la terre. 10 Tsy Hianao va no nanao fefy manodidina azy sy manodidina ny tranony ary manodidina izay ananany rehetra? Notahinao ny asan'ny tànany ka manenika ny tany ny omby aman'ondriny.
11 Mais étends ta main et touche à tout ce qu’il a : [tu verras] s’il ne te maudit pas en face. 11 Fa ahinjiro ange ny tananao ka tendreo izay ananany rehetra raha tsy handà Anao eo imasonao aza* izy e![Na: hahafoy Anao mihitsy]
12 Et l’Éternel dit à Satan : Voici, tout ce qu’il a est en ta main, seulement tu n’étendras pas ta main sur lui. Et Satan sortit de la présence de l’Éternel. 12 Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Indro eo an-tananao izay ananany rehetra; fa ny tenany ihany no aza aninjiranao ny tananao. Dia nivoaka Satana niala teo anatrehan'i Jehovah.
— v. 6* : litt.: le ; comparer 2 Rois 4:18. — v. 6** : litt.: le Satan, c. à d. l’adversaire.  
13 Et, un jour, il arriva que ses fils et ses filles mangeaient et buvaient du vin dans la maison de leur frère premier-né ; 13 Ary tamin'ny indray andro dia nihinana sy nisotro divay teo an-tranon'ny zokiny lahimatoa ny zananilahy sy ny zananivavy;
14 et un messager vint à Job et dit : Les bœufs labouraient et les ânesses paissaient auprès d’eux, 14 ary nisy iraka tonga tany amin'i Joba ka nanao hoe: Ny omby niasa, ary ny borikivavy nandrasana teo anilany,
15 et ceux de Sheba sont tombés [sur eux] et les ont pris, et ils ont frappé les jeunes hommes par le tranchant de l’épée ; et j’ai échappé, moi seul, pour te l’annoncer. 15 dia namely azy tampoka ny Sabeana ka namabo azy, ary ny ankizilahy dia nasiany tamin'ny lelan-tsabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.
16 Celui-ci parlait encore, qu’un autre vint et dit : Le feu de Dieu est tombé du ciel et a brûlé les brebis et les jeunes hommes, et les a consumés ; et j’ai échappé, moi seul, pour te l’annoncer. 16 Raha mbola niteny izy, dia nisy anankiray koa tonga ka nanao hoe: Nisy afon'Andriamanitra latsaka avy tany an-danitra ary nandoro ny ondry aman'osy sy ny ankizilahy ka nandevona azy, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.
17 Celui-ci parlait encore, qu’un autre vint et dit : Les Chaldéens ont formé trois bandes, et se sont jetés sur les chameaux et les ont pris, et ils ont frappé les jeunes hommes par le tranchant de l’épée ; et j’ai échappé, moi seul, pour te l’annoncer. 17 Raha mbola niteny izy, dia nisy anankiray koa tonga ka nanao hoe: Ny Kaldeana nanao telo toko, dia niroatany ny rameva ka nobaboiny, ary ny ankizilahy dia nasiany tamin'ny lelan-tsabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.
18 Celui-ci parlait encore, qu’un autre vint et dit : Tes fils et tes filles mangeaient et buvaient du vin dans la maison de leur frère premier-né, 18 Raha mbola niteny izy, dia nisy anankiray koa tonga ka nanao hoe: Ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy dia nihinana sy nisotro divay tao an-tranon'ny zokiny lahimatoa;
19 et voici, un grand vent est venu de delà le désert et a donné contre les quatre coins de la maison, et elle est tombée sur les jeunes gens et ils sont morts ; et j’ai échappé, moi seul, pour te l’annoncer. 19 ary, indro, nisy rivotra mahery avy tany an-efitra ka namely ny zoron-trano efatra, dia nianjera tamin'ny zatovo ny trano, ka maty izy rehetra, ary izaho dia izaho irery ihany no afa-nandositra hilaza aminao.
20 Et Job se leva, et déchira sa robe, et rasa sa tête, et se jeta à terre et se prosterna. 20 Dia nitsangana Joba ka nandriatra ny lambany, ary nanaratra ny lohany, dia niapoka tamin'ny tany ka niankohoka
21 Et il dit : Nu je suis sorti du sein de ma mère, et nu j’y retournerai ; l’Éternel a donné, et l’Éternel a pris ; que le nom de l’Éternel soit béni ! 21 sady nanao hoe: Nitanjaka no nivoahako avy tany an-kibon'ineny, ary mitanjaka no hiverenako any; Jehovah no nanome, ary Jehovah no nanaisotra; isaorana anie ny anaran'i Jehovah
22 En tout cela Job ne pécha pas, et n’attribua rien à Dieu qui fût inconvenable*. 22 Tamin'izany rehetra izany dia tsy nanota Joba, na nanome tsiny an'Andriamanitra.
— v. 22 : ou : et ne proféra rien d’inconvenant contre Dieu.  
Chapitre 2 Chapitre 2
1 Or, un jour, il arriva que les fils de Dieu vinrent se présenter devant l’Éternel, et Satan aussi vint au milieu d’eux se présenter devant l’Éternel. 1 [Ny fizahan-toetra faharoa nahazo an'i Joba, sy ny namangian'ny sakaizany telo lahy azy] Ary tamin'ny indray andro koa dia avy ireo zanak'Andriamanitra hiseho teo anatrehan'i Jehovah, ka dia mba tonga teo koa Satana tafaharo taminy hiseho teo anatrehan'i Jehovah.
2 Et l’Éternel dit à Satan : D’où viens-tu ? Et Satan répondit à l’Éternel et dit : De courir çà et là sur la terre et de m’y promener. 2 Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Avy taiza ianao? Ary Satana dia namaly an'i Jehovah ka nanao hoe: Avy nizahazaha teny amin'ny tany aho ka nivezivezy teny.
3 Et l’Éternel dit à Satan : As-tu considéré mon serviteur Job, qu’il n’y a sur la terre aucun homme comme lui, parfait et droit, craignant Dieu, et se retirant du mal ? Et encore il reste ferme dans sa perfection, alors que tu m’as incité contre lui pour l’engloutir sans cause. 3 Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Efa nandinika an'i Joba mpanompoko va ianao? Fa tsy misy tahaka azy eny ambonin'ny tany, fa olona marina sy mahitsy izy sady matahotra an'Andriamanitra ka mifady ny ratsy? Ary mbola mitana mafy ny fahamarinany ihany izy, na dia nanesika Ahy hamongotra azy foana aza ianao.
4 Et Satan répondit à l’Éternel et dit : Peau pour peau, et tout ce qu’un homme a, il le donnera pour sa vie ; 4 Ary Satana dia namaly an'i Jehovah ka nanao hoe: Hoditra fefin'ny hoditra, eny, izay rehetra ananan'ny olona dia homeny ho-fefin'ny ainy.
5 mais étends ta main et touche à ses os et à sa chair : [tu verras] s’il ne te maudit pas en face. 5 Fa ahinjiro ange ny tananao, ka tendreo ny taolany sy ny nofony raha tsy handà Anao eo Imasonao aza* Izy e![Na: hahafoy Anao mihitsy]
6 Et l’Éternel dit à Satan : Le voilà entre tes mains, seulement épargne sa vie. 6 Dia hoy Jehovah tamin'i Satana: Indro, eo an-tananao izy; ny ainy tokana ihany no aza asiana.
7 Et Satan sortit de la présence de l’Éternel ; et il frappa Job d’un ulcère malin, depuis la plante de ses pieds jusqu’au sommet de sa tête. 7 Dia nivoaka Satana avy teo anatrehan'i Jehovah ka namely vay ratsy an'i Joba hatramin'ny faladiany ka hatramin'ny tampon-dohany.
8 Et il prit un tesson pour s’en gratter, et il était assis dans la cendre. 8 Dia naka tavim-bilany hihaorany izy, raha nipetraka teo an-davenona.
9 Et sa femme lui dit : Restes-tu encore ferme dans ta perfection ? Maudis Dieu et meurs. 9 Ary hoy ny vadiny taminy: Mbola mitana ny fahamarinanao ihany va ianao? Mahafoiza an'Andriamanitra ianao, dia aoka ho faty.
10 Et il lui dit : Tu parles comme parlerait l’une des insensées ; nous avons reçu le bien aussi de la part de Dieu, et nous ne recevrions pas le mal ? En tout cela Job ne pécha point de ses lèvres. 10 Fa hoy izy taminy: Tahaka ny tenin'ny anankiray amin'ny vehivavy adala ny teninao. Moa ny soa ihany va no horaisintsika avy amin'Andriamanitra, fa tsy ny ratsy koa? Tamin'izany rehetra izany dia tsy nanota tamin'ny molony Joba.
   
11 Et trois amis de Job apprirent tout ce mal qui lui était arrivé et vinrent chacun de son lieu, Éliphaz, le Thémanite, et Bildad, le Shukhite, et Tsophar, le Naamathite ; et ils s’entendirent ensemble pour venir le plaindre et le consoler. 11 Ary rehefa ren'ny sakaizan'i Joba telo lahy ny fahoriana rehetra izay nanjo azy, dia samy niainga avy tany amin'ny fonenany avy izy dia Elifaza Temanita sy Bildada Sohita ary Zofara Namatita ary nifamotoana izy mba handeha hitsapa alahelo sy hampionona azy.
12 Et ils levèrent les yeux de loin, et ils ne le reconnurent pas ; et ils élevèrent leur voix et pleurèrent, et ils déchirèrent chacun sa robe et répandirent de la poussière sur leurs têtes [en la jetant] vers les cieux. 12 Ary nanopy ny masony teny lavidavitra eny izy telo lahy ka tsy nahafantatra azy, dia nanandratra ny feony izy ka nitomany; ary samy nandriatra ny lambany avy koa izy rehetra, dia nanopy vovoka ho amin'ny lanitra hiraraka amin'ny lohany.
13 Et ils s’assirent avec lui à terre sept jours et sept nuits, et nul ne lui dit une parole, car ils voyaient que sa douleur était très-grande. 13 Ary niara-nipetraka teo aminy tamin'ny tany hafitoan'andro sy hafitoan'alina izy, nefa tsy nisy niteny taminy na dia indraim-bava akory aza, satria hitany fa mafy loatra ny fahoriany.
* *
Chapitre 3 Chapitre 3
1 Après cela, Job ouvrit sa bouche et maudit son jour. 1 [Ny fitarainan'i Joba noho ny fahoriana nanjo azy] Rehefa afaka izany, dia niloa-bava Joba ka nanozona ny androny
2 Et Job prit la parole et dit : 2 nanao hoe:
3 Périsse le jour auquel je naquis, et la nuit qui dit : Un homme a été conçu ! 3 Foàna anie ny andro nahaterahako sy ny alina izay nanao hoe: Misy zazalahy vao torontoronina!
4 Ce jour-là, qu’il soit ténèbres ; que #Dieu* ne s’en enquière pas d’en haut, et que la lumière ne resplendisse pas sur lui ! 4 Izany andro izany dia aoka ho maizina, ary aoka tsy hitady azy Andriamanitra any ambony; ary aoka tsy hisy mazava hamirapiratra aminy;
5 Que les ténèbres et l’ombre de la mort le réclament ; que les nuées demeurent sur lui ; que ce qui assombrit les jours le terrifie ! 5 Aoka ny aizina sy ny aloky ny fahafatesana hahalasa azy indray*; Aoka ny rahona hitatao eo amboniny; Aoka izay zavatra mahamaizina ny andro hampahatsiravina azy.[Na:handoto azy]
6 Cette nuit-là, que l’obscurité s’en empare ; qu’elle ne se réjouisse point parmi les jours de l’année, qu’elle n’entre pas dans le nombre des mois ! 6 Izany alina izany aoka ny aizim-pito hisambotra azy; Aoka tsy hiara-mifaly amin'ny andron'ny taona izy. Ary tsy ho tonga amin'ny isan'ny volana;
7 Voici, que cette nuit-là soit stérile ; que les cris de joie n’y entrent pas ! 7 Indro izany alina izany aoka ho momba izy; Aoka tsy ho velona ao ny hoby;
8 Que ceux qui maudissent le jour la maudissent, ceux qui sont prêts à réveiller Léviathan ! 8 Aoka hanozona azy ny mpanozona andro, Izay mahay mamoha ny dragona;
9 Que les étoiles de son crépuscule soient obscurcies ; qu’elle attende la lumière, et qu’il n’y en ait point, et qu’elle ne voie pas les cils de l’aurore ! 9 Aoka ho maizina ny kintan'ny marainany; Aoka hiandry ny mazava izy, nefa tsy hisy, ary aoka tsy ho faly mahita ny hodimason'ny maraina izy,
10 Parce qu’elle n’a pas fermé les portes du sein qui m’a porté*, et n’a pas caché la misère de devant mes yeux. 10 Satria tsy nanidy ny varavaran'ny kibon'ineny izy ka tsy nanafina fahoriana tamin'ny masoko.
— v. 4 : hébreu : Éloah ; voir note à Deut. 32:15. — v. 10 : litt.: de mon sein.  
* *
11 Pourquoi ne suis-je pas mort dès la matrice, n’ai-je pas expiré quand je sortis du ventre ? 11 Nahoana re aho no tsy maty hatrany am-bohoka e, ary tsy niala aina, fony vao nivoaka avy tany an-kibo e?
12 Pourquoi les genoux m’ont-ils rencontré, et pourquoi les mamelles, pour les téter ? 12 Nahoana no nisy lohalika niandry ahy? Ary nahoana no nisy nono hinonoako?
13 Car maintenant je serais couché et je serais tranquille, je dormirais : alors j’aurais du repos, 13 Fa raha tsy izany, dia efa nandry aho toy izay ka niadana, eny, natory aho ka afa-tsasatra,
14 Avec les rois et les conseillers de la terre qui se bâtissent des solitudes*, 14 Teo amin'ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsaina avy amin'ny tany, izay nanao* ireny tanàna efa rava**, [*Na: namboatra][**Na: fasana lehibe]
15 Ou avec les princes qui ont de l’or, qui ont rempli d’argent leurs maisons ; 15 Na teo amin'ny andriandahy izay manana volamena sady mameno volafotsy ny tranony;
16 Ou, comme un avorton caché, je n’aurais pas été, — comme les petits enfants qui n’ont pas vu la lumière. 16 Na efa tsy ary toy ny zaza tsy tonga volana aho ka nafenina, dia toy ny zaza izay tsy nahita ny mazava akory.
17 Là, les méchants ont cessé leur tumulte, et là ceux dont les forces sont épuisées par la fatigue sont en repos ; 17 Any no itsaharan'ny ratsy fanahy tsy hampitebiteby, ary any ny reraka no afa-tsasatra;
18 Les prisonniers demeurent ensemble tranquilles, ils n’entendent pas la voix de l’exacteur ; 18 Miara-miadana avokoa ny mpifatotra; Tsy mandre ny feon'ny mpampiasa izy.
19 Là sont le petit et le grand, et le serviteur libéré de son maître. 19 Samy any ny kely sy ny lehibe, Ary ny mpanompo dia afaka amin'ny tompony.
— v. 14 : ou : qui rebâtissent des édifices ruinés.  
* *
20 Pourquoi la lumière est-elle donnée au misérable, et la vie à ceux qui ont l’amertume dans l’âme, 20 Nahoana no fahazavana no mba omena ny reraka, ary fiainana ho an'izay latsaka amin'ny fangidiana?
21 À ceux qui attendent la mort, et elle n’est pas là, — qui la cherchent plus que des trésors cachés, 21 Izay miandry fahafatesana, nefa tsy avy izy, sady mitady azy mihoatra noho ny fitady harena nafenina:
22 Qui se réjouissent jusqu’aux transports [et] sont dans l’allégresse, parce qu’ils* ont trouvé le sépulcre, — 22 Izay faly indrindra sady ravoravo, raha mahita ny fasana,
23 À l’homme de qui le chemin est caché et que #Dieu a enfermé de toutes parts ? 23 Dia olona izay mandeha ao amin'ny maizina sady voafefin'Andriamanitra manodidina.
24 Car mon gémissement vient avant mon pain, et mes rugissements débordent comme des eaux. 24 Fa mialoha ny haninkaniko ny fitolokoko, ary migororoana toy ny rano ny fidradradradrako;
25 Car j’ai eu une crainte, et elle est venue sur moi, et ce que j’appréhendais m’est arrivé. 25 Fa Izay atahorako no mahazo ahy, ary izay angovitako no manjo ahy.
26 Je n’étais pas en sécurité, et je n’étais pas tranquille ni en repos, et le trouble est venu. 26 Tsy mbola nahita fiadanana na fitsaharana na fakàna aina akory aza aho, dia tonga indray ny tebiteby.
— v. 22 : ou : lorsqu’ils.  
* *
Chapitre 4 Chapitre 4
1 Et Éliphaz, le Thémanite, répondit et dit : 1 [Ny teny voalohany nataon'i Elifaza] Dia namaly Elifaza Temanita ka nanao hoe:
2 Si nous essayons de t’adresser une parole, en seras-tu irrité ? Mais qui pourrait se retenir de parler ? 2 Raha misy sahy miteny aminao, dia ho sosotra va ianao? Fa raha ny mamehy vava kosa, iza moa no mahazaka izany?
3 Voici, tu en as enseigné beaucoup, et tu as fortifié les mains languissantes ; 3 Indro, efa nananatra ny maro ianao. Ary ny tanana miraviravy efa nampaherezinao;
4 Tes paroles ont tenu droit celui qui chancelait, et tu as affermi les genoux qui ployaient ; 4 Ny teninao efa nanohana izay efa saiky lavo, ary ny lohalika malemy efa nampahatanjahinao
5 Mais maintenant [le malheur] est venu sur toi, et tu es irrité ; il t’atteint, et tu es troublé. 5 Nefa ankehitriny mba manjo anao kosa izany, ka dia kivy ianao, Mihatra aminao izany, ka raiki-tahotra ianao
6 Ta crainte [de Dieu] n’est-elle pas ta confiance, et l’intégrité* de tes voies, ton espérance ? 6 Tsy ny fivavahanao* va no tokinao? Ary tsy fanantenanao va ny fahitsian'ny lalanao? [Heb. fahatahoranao]
— v. 6 : litt.: perfection ; voir la note à 1:1.  
* *
7 Souviens-toi, je te prie, qui a péri étant innocent ? et où les hommes droits ont-ils été détruits ? 7 Masìna ianao, tsarovy fa iza moa no very tsy nanan-tsiny? Ary taiza no nisy olo-mahitsy naringana?
8 Selon ce que j’ai vu, ceux qui labourent l’iniquité et qui sèment la misère, la moissonnent. 8 Araka izay efa hitako, dia izay miasa heloka sy mamafy fahoriana no mijinja izany.
9 Ils périssent par le souffle de #Dieu, et sont consumés par le souffle de ses narines. 9 Ny fofonain'Andriamanitra no andringanana azy. Eny, ny fofonain'ny fahatezerany no mahalevona azy.
10 Le rugissement du lion et la voix du [lion] rugissant [sont étouffés], et les dents des jeunes lions sont brisées ; 10 Ny feon'ny olona, eny, ny feon'ny liona masiaka, ary ny nifin'ny liona tanora dia ombotana;
11 Le fort lion périt faute de proie, et les petits de la lionne sont dispersés. 11 Mirenireny ny lion-dahy noho ny tsi-fahitany remby, ary miely ny zanaky ny liom-bavy.
* *
12 Une parole vint à moi secrètement, et mon oreille en saisit la susurration, 12 Nisy teny tonga tamiko mangingina, ary ny sofiko nahare siosio avy taminy,
13 Au milieu des pensées que font naître les visions de la nuit, quand un sommeil profond tombe sur les hommes ; 13 Tamin'ny eritreritra avy amin'ny tsindrimandry alina, raha sondrian-tory ny olona,
14 La frayeur vint sur moi, et le frisson, et elle fit trembler la multitude de mes os ; 14 Dia azon-tahotra sy hovotra aho, ka nampihorohoro ny taolako rehetra izany.
15 Et un esprit passa devant moi : les cheveux de ma chair se dressèrent. 15 Ary nisy fanahy nandalo teo anatrehako ka nampitsangam-bolo ny tenako.
16 Il se tint là ; je ne reconnus pas son apparence : une forme était devant mes yeux. J’entendis un léger murmure et une voix : 16 Nijanona izy, nefa tsy nahafantatra ny tarehiny aho; Nisy endri-javatra teo anoloan'ny masoko; Nisy fanginana, dia nandre feo aho nanao hoe:
17 Un mortel sera-t-il plus juste que #Dieu, l’homme sera-t-il plus pur que celui qui l’a fait ? 17 Ho marina noho* Andriamanitra va ny zanak'olombelona? Ho madio noho* ny Mpanao azy va ny olona?[Na: eo anatrehan']
18 Voici, il ne se fie pas à ses serviteurs, et ses anges il les charge de folie ; 18 Indro, tsy matoky ireo mpanompony aza Izy, eny, ny anjeliny aza ataony ho tsy tonga ohatra.
19 Combien plus à ceux qui habitent dans des maisons d’argile dont le fondement est dans la poussière, qui sont écrasés comme la teigne ! 19 Koa mainka izay mitoetra ao an-trano tany, sady avy tamin'ny vovoka no nihaviany*, ary mora poritra noho ny kalalao izy;[Heb. ao amin'ny vovoka fiorenany]
20 Du matin au soir, ils sont frappés ; ils périssent pour toujours sans qu’on y fasse attention. 20 Indray andro monja dia montsana izy; Tsy misy misaina azy, na dia levona mandrakizay aza izy.
21 Leurs cordes* ne leur sont-elles pas arrachées ? Ils meurent, et sans sagesse. 21 Tsy voaongotra va ny kofehin-dainy ao aminy? Maty izy, nefa tsy mbola nanam-pahendrena.
— v. 21 : les cordes qui retiennent une tente ; comparer És. 33:20.  
Chapitre 5 Chapitre 5
1 Crie donc ! y a-t-il quelqu’un qui te réponde ? Et vers lequel des saints te tourneras-tu ? 1 Miantsoa ange! moa misy hamaly anao va? Ary iza amin'ireo masina no hotodihinao?
2 Car le chagrin fait mourir le sot, et la jalousie* tue le simple. 2 Fa ny adala dia vonoin'ny fahasosorana, ary ny kely saina dia matin'ny fialonana.
3 J’ai vu le sot s’enraciner, et soudain j’ai maudit sa demeure ; 3 Izaho nahita olona adala mamaka, nefa vetivety Indray dia tsy maintsy nanozona ny fonenany aho;
4 Ses fils sont loin de la sûreté, et sont écrasés dans la porte, et il n’y a personne pour délivrer ; 4 Lavitra ny famonjena ny zanany Ka torotoro eo am-bavahady, nefa tsy manan-kamonjy;
5 Sa moisson, l’affamé la mange, et jusque parmi les épines il la prend ; et le piège guette son bien. 5 Ny vokatry ny taniny dia lanin'ny noana, eny, alainy na dia voafefy tsilo aza; ary ny fandrika mitanatana vava hahazo ny fananany
6 Car l’affliction ne sort pas de la poussière, et la misère ne germe pas du sol ; 6 Fa tsy mivoaka avy amin'ny vovoka ny alahelo, ary tsy mitrebona avy amin'ny tany ny fahoriana,
7 Car l’homme est né pour la misère, comme les étincelles* volent en haut. 7 Nefa teraka ho amin'ny fahoriana ny olombelona, dia tahaka ny fanidin'ny kilalaon'afo miakatra
8 Mais moi je rechercherai *Dieu*, et devant Dieu je placerai ma cause, — 8 Fa raha toa ahy kosa dia hitady an'Andriamanitra aho, ary Andriamanitra ihany no hotolorako ny teniko,
9 Qui fait de grandes choses qu’on ne peut sonder, des merveilles à ne pouvoir les compter ; 9 Dia Izay manao zava-dehibe tsy takatry ny saina sy zava-mahagaga tsy hita isa,
10 Qui donne la pluie sur la face de la terre, et envoie des eaux sur la face des campagnes, 10 Dia Izay mampilatsaka ranonorana etỳ ambonin'ny tany ary mampandeha rano eny amin'ny saha,
11 Plaçant en haut ceux qui sont abaissés ; et ceux qui sont en deuil sont élevés au bonheur. 11 Ka apetrany amin'ny avo Izay ambany, ary asandrany ho amin'ny fahafinaretana ny miory,
12 Il dissipe les projets des hommes rusés, et leurs mains n’accomplissent pas leurs conseils. 12 Dia Izay mahafoana ny hevitry ny fetsy, ka tsy hahefan'ny tànany na inona na inona hahasoa ny tenany;
13 Il prend les sages* dans leur ruse, et le conseil des astucieux est précipité** : 13 Ny fahafetsen'ny hendry ihany no entiny misambotra azy, ary ny saina ataon'ny mpiolakolaka dia rava;
14 De jour, ils rencontrent les ténèbres, et en plein midi ils marchent à tâtons, comme de nuit. 14 Na dia amin'ny antoandro aza dia tafatsarapaka ao amin'ny maizina ireny ka miraparapa amin'ny mitataovovonana tahaka ny amin'ny alina;
15 Et il sauve le pauvre de l’épée, de leur bouche, et de la main du fort ; 15 Fa vonjeny kosa ny malahelo tsy ho voan'ny sabatry ny vavany; Eny, vonjeny tsy ho azon'ny tanan'ny mahery izy.
16 Et il arrive au chétif ce qu’il espère, et l’iniquité a la bouche fermée. 16 Dia misy fanantenana ho an'ny reraka; fa ny faharatsiana kosa mihombom-bava
— v. 2 : ou : la colère. — v. 7 : litt.: les fils de la flamme. — v. 8 : hébreu : El ; voir la note à Genèse 14:18. — v. 13* : ou : habiles. — v. 13** : ou : renversé.  
* *
17 Voici, bienheureux l’homme que #Dieu reprend ! Ne méprise donc pas le châtiment du Tout-puissant. 17 Indro, sambatra ny zanak'olombelona izay anarin'Andriamanitra, koa aza atao ho zavatra kely ny famaizan'ny Tsitoha;
18 Car c’est lui qui fait la plaie et qui la bande ; il frappe, et ses mains guérissent. 18 Fa sady mandratra Izy no mamehy; Manorotoro Izy, ary ny tànany ihany no manasitrana.
19 En six détresses il te délivrera, et, dans sept, le mal ne t’atteindra pas. 19 Amin'ny fahoriana enina dia hamonjy anao Izy; Eny, amin'ny fito aza dia tsy hisy loza hihatra aminao.
20 Dans la famine il te délivrera de la mort, et, dans la guerre, de la puissance* de l’épée. 20 Raha avy ny mosary, dia hiaro anao amin'ny fahafatesana Izy; Ary raha avy ny ady, dia hiaro anao tsy ho voan'ny sabatra Izy;
21 Tu seras à couvert du fouet de la langue, et tu ne craindras pas le désastre quand il viendra. 21 Hampiereny tsy ho voan'ny kapo-bava ianao, ary tsy hatahotra, raha avy ny fandringanana;
22 Tu te riras du désastre et de la faim, et tu n’auras pas peur des bêtes de la terre ; 22 Ny fandringanana sy ny mosary dia hihomehezanao; ary tsy hatahoranao ny bibi-dia;
23 Car tu auras une alliance avec les pierres des champs, et les bêtes des champs seront en paix avec toi. 23 Fa vita fanekena amin'ny vato any an-tsaha aza ianao; Ary ny bibi-dia hihavana aminao;
24 Tu sauras que ta tente est prospère, tu visiteras ta demeure* et tu n’y trouveras rien de manque, 24 Ary ho hitanao fa ny fiadanana no lainao; Ary raha mizaha ny kijanao ianao, dia ho hitanao fa tsy misy very ny ao;
25 Et tu sauras que ta postérité est nombreuse, et tes rejetons, comme l’herbe de la terre. 25 Ary ho hitanao koa fa maro ny zanakao, ary ny terakao ho tahaka ny ahitra amin'ny tany;
26 Tu entreras au sépulcre en bonne vieillesse, comme on enlève le tas de gerbes en sa saison. 26 Haharitra ianao ambara-piditrao any am-pasana, raha mbola henjana, dia tahaka ny amboaram-bary akarina amin'ny fotoana.
27 Voici, nous avons examiné cela ; il en est ainsi. Écoute-le, et sache-le pour toi-même. 27 Izany ary no izy, fa efa nandinika azy izahay; Hevero ary izany, ka fantaro tsara.
— v. 20 : litt.: des mains. — v. 24 : ou : tes parcs.  
Chapitre 6 Chapitre 6
1 Et Job répondit et dit : 1 [Ny teny navalin'i Joba] Dia namaly Joba ka nanao hoe:
Oh ! si mon chagrin était bien pesé,  
2 et si on mettait toute* ma calamité dans la balance ! 2 Enga anie ka holanjaina tokoa ny fahasosorako, ka hampifandaniaina amin'ny mizana izy sy ny fahoriako!
3 Car maintenant elle pèserait plus que le sable des mers ; c’est pourquoi mes paroles sont outrées ; 3 Fa ankehitriny mavesatra noho ny fasika any an-dranomasina ny fahoriako, koa dia nirediredy aho.
4 Car les flèches du Tout-puissant sont en moi, leur venin boit mon esprit ; les frayeurs de #Dieu se rangent en bataille contre moi. 4 Fa ny zana-tsipiky ny Tsitoha mitsatoka amiko, ka mifoka ny poizina avy aminy ny fanahiko; Ary ny fampitahorana Andriamanitra milahatra hamely ahy.
5 L’âne sauvage brait-il auprès de l’herbe ? Le bœuf mugit-il auprès de son fourrage ? 5 Maneno va ny boriki-dia, raha eo amin'ny vilona? Na mimàmà va ny omby, raha eo amin'ny fihinany?
6 Ce qui est insipide, le mange-t-on sans sel ? Y a-t-il de la saveur dans le blanc d’un œuf ? 6 Azo hanina va ny matsatso, raha tsy asian-tsira? Na mba misy tsirony va ny tafotsin'atody*? [Na: ranon-tsikobonkobon-danitra]
7 Ce que mon âme refusait de toucher est comme* ma dégoûtante nourriture. 7 Ny zavatra izay nolaviko tsy hotendrena, dia ireny no tsy maintsy haniko, na dia maharikoriko ahy aza.
— v. 2 : litt.: ensemble. — v. 7 : ou : est devenu comme.  
* *
8 Oh ! si ma demande s’accomplissait, et si #Dieu m’accordait mon désir, 8 Enga anie ka ho azoko izay angatahiko, ary homen'Andriamanitra ahy anie izay iriko!
9 S’il plaisait à #Dieu de m’écraser, de lâcher sa main et de me retrancher ! 9 Ka ho sitrak'Andriamanitra anie ny hanorotoro ahy! Eny, halefany anie ny tànany ka hahamaito ny aiko,
10 Alors il y aurait encore pour moi une consolation, et, dans la douleur qui ne m’épargne pas, je me réjouirais de ce que je* n’ai pas renié les paroles du Saint. 10 Dia hahita fiononana amin'izany aho ka hiravoravo na dia amin'ny fangirifiriana tsy mifaditrovana aza, satria tsy nandà ny tenin'ny Iray Masina aho.
11 Quelle est ma force pour que j’attende, et quelle est ma fin pour que je patiente ? 11 Inona moa ny heriko, no hanantena aho? Ary hanao ahoana moa ny farako, no hanindry fo* aho? [Na: hanalava ny androko]
12 Ma force est-elle la force des pierres ? Ma chair est-elle d’airain ? 12 Herim-bato va ny heriko? Na varahina va ny nofoko?
13 N’est-ce pas qu’il n’y a point de secours en moi, et que toute capacité est chassée loin de moi ? 13 Tsy efa foana va ny hery ho entiko mamonjy tena, ary tsy efa nakifika hiala amiko va ny faharetana?
— v. 10 : ou : car je.  
* *
14 À celui qui est défaillant est due la miséricorde de la part de son ami, sinon il abandonnera la crainte du Tout-Puissant. 14 Izay efa mivarahontsana dia tokony hiantran'ny sakaizany. Fandrao mahafoy ny fahatahorana ny Tsitoha izy.
15 Mes frères m’ont trahi comme un torrent, comme le lit des torrents qui passent, 15 Ny rahalahiko mampihambo manana ahy tahaka ny ranotrambo, dia tahaka ny mason-drano any an-dohasahan-driaka, izay malaky ritra,
16 Qui sont troubles à cause des glaces, dans lesquels la neige se cache ; 16 Izay mainty azon'ny ranomandry Sady iafenan'ny oram-panala;
17 Au temps où ils se resserrent* ils tarissent, quand la chaleur les frappe ils disparaissent de leur lieu : 17 Fa raha taninin'ny hainandro izy, dia levona; raha maina ny andro, dia ritra eo amin'ny fitoerany izy;
18 Ils serpentent dans les sentiers de leur cours, ils s’en vont dans le désert, et périssent. 18 Mivilivily no fandehany tankina izy ka levona.
19 Les caravanes de Théma les cherchaient du regard, les voyageurs de Sheba s’attendaient à eux ; 19 Ny antokon'i Tema mitazana, ny andian'i Sheba manantena azy;
20 Ils ont été honteux de leur confiance ; ils sont venus là, et ont été confondus. 20 Very hevitra ireo, satria samy nanampo; tonga teo izy, kanjo nangaihay.
21 De même maintenant vous n’êtes rien ; vous avez vu un objet de terreur, et vous vous êtes effrayés. 21 Fa ankehitriny efa tsinontsinona ianareo; Nahita ny fahoriana ianareo ka raiki-tahotra.
22 Ai-je dit : Donnez-moi, et de votre richesse faites-moi des présents, 22 Moa aho va efa nanao hoe: Omeo aho, ka mahafoiza zavatra ho ahy amin'ny fanananareo,
23 Et délivrez-moi de la main de l’oppresseur, et rachetez-moi de la main des terribles ? 23 Ary vonjeo amin'ny tanan'ny fahavalo aho, ka afaho amin'ny tanan'ny mpitohatoha?
— v. 17 : c. à d. à l’époque de leur baisse  
* *
24 Enseignez-moi, et je me tairai ; et faites-moi comprendre en quoi je me trompe. 24 Mampianara ahy, dia hangina aho; Ary ampahafantaro izay nahadisoako aho.
25 Combien sont puissantes les paroles justes ! Mais la censure de votre part que reprend-elle ? 25 Endrey ny herin'ny teny marina! Fa mba mahavoa inona kosa moa ny anatra ataonareo?
26 Songez-vous à censurer des discours ? Mais les paroles d’un désespéré ne sont faites que pour le vent. 26 Ny amin'ny teniko ihany va no ananaranareo ahy? Fa ho amin'ny rivotra ny tenin'ny olona mamoy fo.
27 Certes, vous tombez sur l’orphelin, et vous creusez [une fosse] pour votre ami. 27 Eny, fa na dia ny kamboty aza dia ataonareo loka, ary ny sakaizanareo dia ataonareo varotra.
28 Et maintenant, si vous voulez, regardez-moi ; vous mentirais-je donc en face ? 28 Fa ankehitriny, masìna ianareo, mba atreho kely aho, dia ho hitanareo fa tsy handainga tsy akory aho.
29 Revenez, je vous prie ; qu’il n’y ait pas d’injustice ; oui, revenez encore : ma justice sera là. 29 Masìna ianareo, diniho indray aho, ary aoka tsy hisy fitsarana tsy marina; eny, diniho indray aho, fa mbola ao ihany ny fahamarinako.
30 Y a-t-il de l’iniquité en ma langue ? Mon palais ne discernerait-il pas la méchanceté ? 30 Moa misy heloka va eo amin'ny lelako?
Chapitre 7 Chapitre 7
1 L’homme n’a-t-il pas une vie de labeur sur la terre ? Et ses jours ne sont-ils pas comme les jours d’un mercenaire ? 1 Tsy mahafantatra izay ratsy va ny vavako? Tsy mpiantafika va ny zanak'olombelona etỳ ambonin'ny tany? Ary tsy tahaka ny andron'ny mpikarama va ny androny?
2 Comme l’esclave* soupire après l’ombre, et comme le mercenaire attend son salaire, 2 Toy ny mpanompo maniry alokaloka, ary toy ny mpikarama miandry ny karaman'ny asany,
3 Ainsi j’ai eu pour partage des mois de déception, et des nuits de misère me sont assignées. 3 Dia toy izany no anaovana ahy hahita volana mampahory, ary alina mahadisadisa no tendrena ho ahy.
4 Si je me couche, alors je dis : Quand me lèverai-je et quand l’obscurité prendra-t-elle fin ? et je suis excédé d’agitations jusqu’au point du jour. 4 Raha vao mandry aho, dia mieritreritra hoe: Rahoviana re no hifoha aho? Fa mihalava izany ny alina*, ary mivadibadika indrindra aho mandra-pahazavan'ny andro.[Heb. hariva]
5 Ma chair est couverte de vers et de croûtes de terre, ma peau se retire et suppure. 5 Ny nofoko mitafy olitra sy baingan-tany; efa maina ny hoditro, kanjo mitsiranorano indray.
6 Mes jours s’en vont plus vite qu’une navette, et finissent sans espérance. 6 Faingana noho ny famahanan-tenona ny androko ka lany tsy misy fanantenana.
7 Souviens-toi que ma vie n’est qu’un souffle : mon œil ne reverra pas le bien ; 7 Tsarovy fa rivotra ny aiko: ary tsy hahita soa intsony ny masoko.
8 L’œil qui me regarde ne me reverra plus ; tes yeux sont sur moi, et je ne suis plus. 8 Tsy hahita ahy intsony ny mason'izay mijery ahy: Ny masonao hizaha ahy, fa tsy ho ao aho.
9 La nuée disparaît et s’en va ; ainsi celui qui descend au shéol* n’en remonte pas, 9 Tahaka ny rahona misava ka levona, dia tahaka izany koa, izay midina any amin'ny fiainan-tsi-hita* tsy mba hiakatra intsony;[Heb. Sheola]
10 Il ne revient plus dans sa maison, et son lieu ne le reconnaît plus. 10 Tsy hiverina any an-tranony intsony izy. Ary tsy hahalala azy intsony ny fonenany.
— v. 2 : ailleurs : serviteur. — v. 9 : voir Genèse 37:35.  
* *
11 Aussi je ne retiendrai pas ma bouche ; je parlerai dans la détresse de mon esprit, je discourrai dans l’amertume de mon âme. 11 Ary izaho dia tsy hamehy vava, Fa hiteny noho ny fahorian'ny fanahiko sy hitaraina noho ny fangidian'ny aiko.
12 Suis-je une mer, suis-je un monstre marin, que tu établisses des gardes autour de moi ? 12 Ranomasina va aho, na trozona, No dia asianao fiambenana?
13 Quand je dis : Mon lit me consolera, ma couche allégera ma détresse, 13 Raha hoy izaho: Hampionona ahy ny farafarako, hampitony ny fitarainako ny fandriako.
14 Alors tu m’effrayes par des songes, tu me terrifies par des visions, 14 Dia mampitahotra ahy amin'ny nofy Hianao ary mampihorohoro ahy amin'ny tsindrimandry;
15 Et mon âme choisit la suffocation, — plutôt la mort que mes os : 15 Ka dia aleon'ny fanahiko ny hokendaina, eny, aleoko ny fahafatesana aza toy izay izato fitofezako* izato;[Heb. taolako]
16 J’en suis dégoûté ; je ne vivrai pas à toujours. Laisse-moi, car mes jours sont vanité*. 16 Maharikoriko ahy izao, tsy tiako ny ho velona ela; Ilaozy miala aho, fa fofona foana ny androko.
— v. 16 : ici, plutôt : souffle, vapeur.  
* *
17 Qu’est-ce que l’homme que tu fasses grand cas de lui, et que ton cœur s’occupe de lui, 17 Inona moa ny zanak'olombelona, no ekenao ho lehibe, ka ampandinihinao azy ny fonao,
18 Et que tu le visites chaque matin, que tu l’éprouves à tout moment ? 18 Sady fantarinao isa-maraina izy; sy izahanao toetra isaky ny indray mipi-maso?
19 Pourquoi ne détournes-tu pas les yeux de moi, et ne me laisses-tu pas tranquille jusqu’à ce que j’aie avalé ma salive ? 19 Mandra-pahoviana re vao hihodina tsy hijery ahy Hianao, ka mba hiala amiko mandra-piteliko rora?
20 J’ai péché ; — que t’ai-je fait ? Toi qui observes l’homme, pourquoi m’as-tu placé pour être l’objet de tes coups, de sorte que je suis un fardeau à moi-même ? 20 Na dia ho nanota aza aho, nampaninona Anao moa izany, ry Mpandinika ny olombelona? Nahoana no dia nataonao fikendry aho, ka efa tonga enta-mavesatra amiko aho?
21 Et pourquoi ne pardonnes-tu pas ma transgression*, et ne fais-tu point passer mon iniquité ? Car maintenant je me coucherai dans la poussière, et tu me chercheras, et je ne serai plus. 21 Ary nahoana no tsy mamela ny fahadisoako sy manaisotra ny heloko Hianao? Fa izao dia efa handry any amin'ny vovoka aho; ary hitady ahy fatratra Hianao, fa tsy ho atỳ intsony aho.
— v. 21 : proprement : péché audacieux, rébellion [contre Dieu] ; voir 34:37.  
* *
Chapitre 8 Chapitre 8
1 Et Bildad, le Shukhite, répondit et dit : 1 [Ny teny voalohany nataon'i Bildada] Dia namaly Bildada Sohita ka nanao hoe:
2 Jusques à quand diras-tu ces choses, et les paroles de ta bouche seront-elles un vent impétueux ? 2 Mandra-pahoviana no hiteny toy izany ianao, ka ho rivotra mahery ny teny aloaky ny vavanao?
3 Est-ce que *Dieu pervertit le droit ? Le Tout-Puissant pervertira-t-il la justice ? 3 Andriamanitra va hamadika ny fitsarana, na ny Tsitoha hamadika ny rariny?
4 Si tes fils ont péché contre lui, il les a aussi livrés en la main de leur transgression*. 4 Raha nanota taminy ny zanakao, dia efa nampanodiaviny azy ny fahadisoany.
5 Si tu recherches *Dieu et que tu supplies le Tout-puissant, 5 Fa raha ianao kosa mandroso mitady an'Andriamanitra ka mifona amin'ny Tsitoha.
6 Si tu es pur et droit, certainement il se réveillera maintenant en ta faveur, et rendra prospère la demeure de ta justice ; 6 Ary raha madio sy mahitsy ianao, dia hifoha hamonjy* anao tokoa Izy ary hampiadana indray ny fonenan'ny fahamarinanao,[Na: hiambina]
7 Et ton commencement aura été petit, mais ta fin sera très-grande. 7 Ka na dia kely aza no niandohanao, dia ho lehibe indrindra no hiafaranao.
— v. 4 : proprement : péché audacieux, rébellion [contre Dieu] ; voir 34:37.  
* *
8 Car interroge, je te prie, la génération précédente, et sois attentif aux recherches de leurs pères ; 8 Fa masìna ianao, anontanio ange ny ntaolo, ka fantaro ny hevitra hitan'ny razany
9 Car nous sommes d’hier et nous n’avons pas de connaissance, car nos jours sont une ombre sur la terre. 9 (Fa vao omaly isika ka tsy mba mahalala, fa aloka ihany ny androntsika etỳ ambonin'ny tany);
10 Ceux-là ne t’enseigneront-ils pas, ne te parleront-ils pas, et de leurs cœurs ne tireront-ils pas des paroles ? 10 Tsy ireny va no hampianatra anao ka hilaza aminao ary hamoaka teny avy ao am-pony?
11 Le papyrus s’élève-t-il où il n’y a pas de marais ? Le roseau croît-il sans eau ? 11 Haniry va ny zozoro, raha tsy eny amin'ny fotaka? Hitrebona va ny harefo, raha tsy misy rano?
12 Encore dans sa verdeur, sans qu’on l’ait arraché, avant toute herbe il sèche. 12 Mbola maitso izy sady tsy voajinja, kanefa malazo alohan'ny zava-maitso rehetra.
13 Tels sont les sentiers de tous ceux qui oublient *Dieu ; et l’attente de l’impie périra ; 13 Toy izany no lalan'izay rehetra manadino an'Andriamanitra; Ary ho very ny fanantenan'ny mpihatsaravelatsihy*,[Na: ratsy fanahy]
14 Son assurance sera retranchée, et sa confiance sera une toile* d’araignée : 14 Fa ho maito ny fanantenany, eny, ho tranon-kala ny tokiny.
15 Il s’appuiera sur sa maison, et elle ne tiendra pas ; il s’y cramponnera, et elle ne restera pas debout. 15 Miankina amin'ny tranony izy, kanjo tsy maharitra iny; Mihazona azy mafy izy, kanjo tsy mahazaka azy iny.
16 Il est verdoyant devant le soleil, et son rameau s’étend sur son jardin ; 16 Mitsimoka tsara tandrifin'ny masoandro izy, ary ny rantsany misandrahaka eo amin'ny tanimboliny;
17 Ses racines s’entrelacent dans un tas de rocaille*, il voit la demeure des pierres ; 17 Mifelipelika mifaniditra eo amin'ny korontam-bato ny fakany ary mahazo any anelanelany;
18 S’Il l’ôte de sa place, celle-ci le désavouera : Je ne t’ai pas vu ! 18 Kanjo nony fongorany hiala amin'ny fitoerany izy, dia handà azy izany ka hanao hoe: Tsy mbola nahita anao akory aho.
19 Telles sont les délices de ses voies ; et de la poussière, d’autres germeront. 19 Indro, izany ihany no fifalian'ny lalan-kalehany; ary hisy hafa indray mitrebona avy amin'ny vovoka.
20 Voici, *Dieu ne méprisera pas l’homme parfait*, et ne soutiendra pas les mains des méchants : 20 Indro, Andriamanitra tsy hanary ny olona tsy manan-tsiny ary tsy hitantana ny mpanao ratsy;
21 Tandis* qu’il remplira ta bouche de rire et tes lèvres de chants de joie, 21 Mbola hofenoiny hehy ny vavanao sy hoby ny molotrao.
22 Ceux qui te haïssent seront revêtus de honte, et la tente des méchants ne sera plus. 22 Izay mankahala anao hitafy henatra; Ary tsy hisy intsony ny lain'ny ratsy fanahy.
— v. 14 : litt.: maison. — v. 17 : ou : une fontaine. — v. 20 : ici et 9:20-22 comme 1:1, 8 ; 2:3. — v. 21 : ou : Jusqu’à ce.  
* *
Chapitre 9 Chapitre 9
1 Et Job répondit et dit : 1 [Ny teny navalin'i Joba] Dia namaly Joba ka nanao hoe:
2 En vérité, je sais qu’il en est ainsi. Mais comment l’homme sera-t-il juste devant *Dieu ? 2 Fantatro tokoa fa izany no izy; Fa aiza no hahamarina ny zanak'olombelona eo anatrehan'Andriamanitra?
3 S’il se plaît à contester avec lui, il ne lui répondra pas sur un point entre mille. 3 Raha te-hifandahatra aminy izy,dia tsy mahavaly teny Azy na dia iray amin'ny arivo aza.
4 Il est sage de cœur et puissant en force : qui s’est endurci contre lui et a prospéré ? 4 Hendry am-po Izy sady matanjaka amin'ny hery; iza no nikiry nanohitra Azy ka tsy naninona?
5 Il transporte les montagnes, et elles ne savent pas qu’il* les renverse dans sa colère ; 5 Izay mamindra tendrombohitra, nefa ireny tsy mahalala akory, izay mamadika azy amin'ny fahatezerany,
6 Il remue la terre de sa place, et ses colonnes tremblent ; 6 Ary mampihorohoro ny tany ho afaka amin'ny fitoerany, ka mihozongozona ny andriny;
7 Il parle au soleil, et [le soleil] ne se lève pas ; et sur les étoiles il met son sceau ; 7 Mandidy ny masoandro Izy, ka tsy miposaka iny, ary manisy tombo-kase manafina ny kintana;
8 Seul il étend les cieux et marche sur les hauteurs* de la mer ; 8 Sady Izy irery ihany no mamelatra ny lanitra sy mandia ny onjan-dranomasina;
9 il fait la grande Ourse, Orion, et les Pléiades, et les chambres* du midi ; 9 Manao ireo kintana lehibe Izy, dia ny Bera sy ny Telonohorefy ary ny Ikotokelimiadilaona sy ireo kintana maro any atsimo*,[Heb. ireny efi-trano erỳ atsimo]
10 Il fait de grandes choses qu’on ne saurait sonder, et des merveilles à ne pouvoir les compter, 10 Ary manao zava-dehibe tsy takatry ny saina, eny, fahagagana tsy hita isa.
— v. 5 : ou : ne le savent pas, quand il. — v. 8 : ou : l’étendue. — v. 9 : c. à d. les régions étoilées.  
* *
11 Voici, il passe près de moi, et je ne [le] vois pas ; et il passe à côté [de moi], et je ne l’aperçois pas. 11 Indro, mandalo ahy Izy, nefa tsy hitako; Ary mihelina Izy, nefa tsy fantatro.
12 Voici, il ravit ; qui l’en détournera ? Qui lui dira : Que fais-tu ? 12 Indro, mipaoka Izy, ka iza no mahasakana Azy? Iza no hanao aminy hoe: Inona no ataonao?
13 #Dieu ne retire pas sa colère ; sous lui fléchissent les orgueilleux qui prêtent secours*. 13 Andriamanitra tsy mampitony ny fahatezerany; Ny mpanampy an-dRahaba* aza dia mitanondrika eo ambaniny.[Rahaba = Rehareha]
14 Combien moins lui répondrais-je, moi, [et] choisirais-je mes paroles avec lui ! 14 Mainka fa izaho tsy mahavaly Azy, na mahafidy teny hifandaharako aminy;
15 Si j’étais juste, je ne lui répondrais pas, je demanderais grâce à mon juge. 15 Fa na dia marina aza aho, dia tsy hahavaly tsy akory; Hifona amin'Ilay manana ady amiko no hany heriko.
16 Si je criais, et qu’il me répondît, je ne croirais pas qu’il eût prêté l’oreille à ma voix, — 16 Raha mba niantso aho, ka namaly ahy aza Izy, dia tsy ho nino aho fa hanaiky ny fitarainako Izy.
17 Lui qui m’écrase dans une tempête, et qui multiplie mes blessures sans cause. 17 Fa manorotoro ahy amin'ny tafio-drivotra Izy ka manamaro ny feriko tsy ahoan-tsy ahoana.
18 Il ne me permet pas de reprendre haleine ; car il me rassasie d’amertumes. 18 Sady tsy avelany haka aina akory aho, fa vokisany zava-mangidy.
19 S’agit-il de force, voici, il est fort ; s’agit-il de jugement : Qui m’assignera ? 19 Raha ny amin'ny herin'ny mahery, dia: Indro ary! Ary ny amin'ny fitsarana: Iza no hifandahatra amiko?
20 Si je me justifiais, ma bouche me condamnerait ; si j’étais parfait, il me montrerait pervers. 20 Na dia marina aza aho, dia hanameloka ahy ihany ny vavako; Ary na dia tsy manan-tsiny aza aho, dia hanao ahy ho meloka Izy.
21 Si j’étais parfait, je méconnaîtrais mon âme, je mépriserais ma vie. 21 Marina aho, ataoko tsinontsinona ny aiko; Tsy ahoako izay ho velona.
— v. 13 : litt.: ceux qui secourent Rahab.  
* *
22 Tout revient au même ; c’est pourquoi j’ai dit : Il consume le parfait et le méchant. 22 Tsy misy hafa aminy, ka izany no nanaovako hoe: Ny marina sy ny meloka dia samy aringany avokoa.
23 Si le fléau donne subitement la mort, il se rit de l’épreuve de l’innocent. 23 Raha misy loza* mahafaty tampoka, dia mihomehy ny fizahan-toetra ny marina Izy.[Heb. fikapohana]
24 La terre est livrée en la main du méchant : il couvre la face de ses* juges. S’il n’en est pas ainsi, qui est-ce donc ? 24 Ny tany efa voatolotra ho eo an-tànan'ny ratsy fanahy; Manarona ny tavan'ny mpitsara eo Izy; Raha tsy Izy no manao izany, dia iza, kosa ary?
25 Mes jours s’en vont plus vite qu’un coureur ; ils fuient, ils ne voient pas ce qui est bon ; 25 Ny androko dia faingana noho ny tsimandoa; Lasa ireny ka tsy nahita soa akory.
26 Ils passent rapides comme les barques de jonc, comme un aigle qui fond sur sa proie. 26 Mihelina tahaka ny lakana faingam-pandeha* izy, tahaka ny voromahery mipaoka hanina.[Heb. lakana zozoro]
— v. 24 : c. à d. de la terre.  
* *
27 Si je dis : J’oublierai ma plainte, je renoncerai à mon visage [morne] et je serai joyeux, 27 Raha hoy izaho: Hanadino ny alaheloko aho, hitsahatra tsy hanjonitra aho ka ho miramirana,
28 Je suis épouvanté de tous mes tourments ; je sais que tu ne me tiendras pas pour innocent. 28 Dia mahatsiravina ahy ny fahoriako rehetra; Fantatro fa tsy hataonao ho tsy manan-tsiny aho.
29 Soit, je suis méchant : pourquoi me fatigué-je ainsi en vain ? 29 Tsy maintsy hatao ho meloka ihany aho, koa nahoana aho no hanasa-tena foana?
30 Si je me lave avec de l’eau de neige, et que je nettoie mes mains dans la pureté*, 30 Na dia mandro amin'ny oram-panala aza aho ka manadio ny tanako amin'ny ranon-davenona,
31 Alors tu me plongeras dans un fossé, et mes vêtements m’auront en horreur. 31 Dia hanitrika ahy any am-pahitra miaraka amin'izay Hianao, ka hataon'ny fitafiako ho zava-betaveta aho.
32 Car il n’est pas homme, comme moi, pour que je lui réponde, pour que nous allions ensemble en jugement. 32 Fa tsy olona tahaka ahy Izy ka ho azoko valiana hifanatrehanay amin'ny fitsarana.
33 Il n’y a pas entre nous un arbitre* qui mettrait sa main sur nous deux. 33 Tsy misy mpanelanelana anay Hametraka ny tànany aminay roa tonta.
34 Qu’il retire sa verge de dessus moi, et que sa terreur ne me trouble pas ; 34 Aoka hanaisotra ny tsorakazony amiko Izy, ary aoka tsy hampahatsiravina ahy ny fampitahorany,
35 Alors je parlerai et je ne le craindrai pas ; mais il n’en est pas ainsi de moi. 35 Dia hiteny aho ka tsy hatahotra Azy; Fa fantatro fa tsy hatahotra foana aho.
— v. 30 : litt.: avec du savon. — v. 33 : ou : médiateur.  
Chapitre 10 Chapitre 10
1 Mon âme est dégoûtée de ma vie ; je laisserai libre cours à ma plainte, je parlerai dans l’amertume de mon âme, 1 Maharikoriko ahy ny aiko; Hamoaka ny fitarainako aho sy hiteny noho ny fangidian'ny fanahiko
2 Je dirai à #Dieu : Ne me condamne pas ; fais-moi savoir pourquoi tu contestes avec moi. 2 Hanao amin'Andriamanitra hoe aho: Aza manameloka ahy; Mba ampahalalao izay anton'ny iadianao amiko aho.
3 Prends-tu plaisir à opprimer, que tu méprises le travail de tes mains, et que tu fasses briller ta lumière sur le conseil des méchants ? 3 Mahafaly Anao va ny hampahory sy hanary ny efa nisasaranao ka hamirapiratra amin'ny fisainan'ny ratsy fanahy?
4 As-tu des yeux de chair ? Vois-tu comme voit l’homme mortel ? 4 Manana maso nofo va Hianao? Na mijery tahaka ny fijerin'ny zanak'olombelona?
5 Tes jours sont-ils comme les jours d’un mortel, ou tes années, comme les jours de l’homme, 5 Tahaka ny andron'ny zanak'olombelona va ny andronao? Na tahaka ny taonan'ny olombelona ny taonanao,
6 Que tu recherches mon iniquité et que tu scrutes mon péché ; 6 No dia mikaroka izay heloko Hianao sy mikatsaka izay fahotako,
7 Puisque tu sais que je ne suis pas un méchant, et que nul ne délivre de ta main ? 7 Na dia fantatrao aza fa tsy mba ratsy fanahy aho, ary tsy misy mahavonjy amin'ny tananao?
8 Tes mains m’ont formé et m’ont façonné tout à l’entour en un tout, et tu m’engloutis ! 8 Ny tananao ihany no namorona ahy ka nanisy endrika izao tenako rehetra izao, kanjo levoninao indray aho izao.
9 Souviens-toi, je te prie, que tu m’as façonné comme de l’argile, et que tu me feras retourner à la poussière. 9 Masina Hianao, tsarovy fa notefenao toy ny tanimanga aho, ka hamerina ahy amin'ny vovoka indray Hianao!
10 Ne m’as-tu pas coulé comme du lait, et fait cailler comme du fromage ? 10 Tsy naidinao toy ny ronono va aho ka nampandrinao toy ny ronono-mandry?
11 Tu m’as revêtu de peau et de chair, tu m’as tissé d’os et de nerfs ; 11 Eny, notafianao hoditra sy nofo aho ary norarinao tamin'ny taolana sy ny ozatra.
12 Tu m’as donné la vie, et tu as usé de bonté envers moi, et tes soins ont gardé mon esprit ; 12 Aina sy famindram-po no nomenao ahy; Ary ny fiahianao no niaro ny aiko.
13 Et tu cachais ces choses dans ton cœur : je sais que cela était par devers toi. 13 Saingy izao no nafeninao tao am-ponao, eny, fantatro fa tao aminao izao:
* *
14 Si j’ai péché, tu m’as aussi observé, et tu ne me tiendras pas pour innocent de mon iniquité. 14 Raha manota aho, dia mamantatra ahy Hianao ka tsy manafaka ahy amin'ny heloko.
15 Si j’ai agi méchamment, malheur à moi ! Si j’ai marché justement, je ne lèverai pas ma tête, rassasié que je suis de mépris et voyant ma misère. 15 Raha meloka aho, dia lozako! Ary na dia marina aza aho, dia tsy ho sahy miandrandra, satria feno henatra sady mahatsiaro fahoriana aho.
16 Et elle augmente : tu me fais la chasse comme un lion*, et en moi tu répètes tes merveilles ; 16 Fa raha sahy miandrandra aho, dia hihaza ahy tahaka ny liona masiaka Hianao; Ary hiverina indray Hianao, ka ho mahagaga ny famelinao ahy.
17 Tu renouvelles tes témoins contre moi, et tu multiplies ton indignation contre moi. Une succession [de maux] et un temps de misère sont avec moi. 17 Mbola hanangana vavolombelona vaovao mandrakariva hanameloka ahy Hianao sy hampitombo ny fahatezeranao amiko; Fahavalo mifanontona no mamely ahy.
— v. 16 : litt.: un rugissant ; voir 4:10.  
* *
18 Et pourquoi m’as-tu fait sortir du sein [de ma mère] ? J’aurais expiré, et aucun œil ne m’eût vu ! 18 Ka nahoana no namoaka ahy foana avy tany am-bohoka Hianao? Fa raha tsy izany, dia ho niala aina aho, ka tsy mba nisy maso nahita ahy akory.
19 J’aurais été comme si je n’eusse pas été ; de la matrice on m’eût porté au sépulcre ! 19 Ary efa toy ny tsy ary aho. Ka nentina avy tany an-kibo ho any am-pasana.
20 Mes jours ne sont-ils pas en petit nombre ? Qu’il cesse [donc], qu’il se retire* de moi, et je me remonterai un peu, 20 Tsy vitsy va ny androko? Koa mitsahara Hianao, mihataha mba hakako aina kely,
21 Avant que je m’en aille, pour ne plus revenir, dans le pays de l’obscurité et de l’ombre de la mort, 21 Dieny tsy mbola lasa tsy hiverina aho, dia ho any amin'ny tanin'ny aizina sy ny aloky ny fahafatesana,
22 Terre sombre comme les ténèbres de l’ombre de la mort, et où il n’y a que confusion, et où la clarté est comme des ténèbres profondes. 22 Ho any amin'ny tany maizim-pito, dia ny an'ny aloky ny fahafatesana sy ny fikorontanana, sady maizim-pito ny famirapiratana any.
— v. 20 : d’autres lisent : Cesse donc, et retire-toi.  
* *
Chapitre 11 Chapitre 11
1 Et Tsophar, le Naamathite, répondit et dit : 1 [Ny teny voalohany nataon'i Zofara] Dia namaly Zofara Namatita ka nanao hoe:
2 La multitude des paroles ne recevrait-elle pas de réponse, et un grand parleur* serait-il justifié ? 2 Moa tsy hovaliana va ny teny be toy izany? Ary moa raha maro vava, dia ho marina va?
3 Tes mensonges* doivent-ils faire taire les gens ? Te moqueras-tu, sans que personne te fasse honte ? 3 Ny bedibedinao va no hampangina ny olona? Ka dia haniratsira ianao, ka tsy hisy handresy lahatra,
4 Car tu as dit : Ma doctrine est pure, et je suis sans tache à tes yeux ! 4 Ary dia hiteny hoe: Madio ny teny nalahatro, ary tsy nanan-tsiny teo imasonao aho.
5 Oh ! qu’il plût à #Dieu de parler et d’ouvrir ses lèvres contre toi, 5 Enga anie ka hiteny Andriamanitra ka hiloa-bava hamaly anao!
6 Et de te raconter les secrets de la sagesse, comment ils sont le double de ce qu’on réalise ! Et sache que #Dieu laisse dans l’oubli [beaucoup] de ton iniquité. 6 Dia hasehony aminao ny fahendrena miafina, fa tsy hita lany* izany, ka dia ho fantatrao fa tsy dia novalian'Andriamanitra avokoa ny helokao.[Heb. roa sosona]
7 Peux-tu, en sondant, découvrir ce qui est en #Dieu, ou découvriras-tu parfaitement le Tout-puissant ? 7 Takatry ny sainao va ny fomban*'Andriamanitra? Ary tanteraka va ny fahitanao ny Tsitoha [Na: ny famantarana an']
8 Ce sont les hauteurs des cieux, — que feras-tu ? C’est plus profond que le shéol, qu’en sauras-tu ? 8 Avo tahaka ny lanitra izany! ka inona no hainao atao? Lalina noho ny fiainan-tsi-hita*! ka inona no fantatrao? [Heb. Sheola]
9 Plus longue que la terre est sa mesure, plus large que la mer. 9 Lava noho ny tany ny ohany ary lehibe noho ny ranomasina.
10 S’il passe et enferme et fait comparaître*, qui donc le détournera ? 10 Raha mandroso Izy ka misambotra ary manao fitsarana, dia iza moa no mahasakana Azy?
11 Car il connaît, lui, les hommes vains, et il voit l’iniquité sans que [l’homme] s’en aperçoive ; 11 Fa Izy mahafantatra ny olon-dratsy; Ary hitany ny heloka, na dia tsy mandinika akory aza Izy*.[Na: Ary hitany ny heloka izay tsy heverin'ny olona akory]
12 Et l’homme stupide* s’enhardit, quoique l’homme naisse** comme le poulain de l’âne sauvage. 12 Koa na dia ny olom-poana aza dia hahazo fahendrena, ary na dia ny zanaky ny boriki-dia aza dia hateraka ho olombelona*.[Na: Nefa ny olom-poana dia tsy manam-pahendrena; Eny, ny olombelona dia teraka ho toy ny boriki-dia]
— v. 2 : litt.: homme de lèvres. — v. 3 : ou : contes. — v. 10 : c. à d. pour le jugement ; litt.: rassembler. — v. 12* : litt.: creux, vide. — v. 12** : selon d’autres : l’homme est stupide, il est privé de sens, l’homme nait.  
* *
13 Si tu prépares ton cœur et que tu étendes tes mains vers lui, 13 Raha ampanatrehinao Azy ny fonao, ary atantinao aminy ny tananao,
14 Si tu éloignes l’iniquité qui est dans ta main, et que tu ne laisses pas l’injustice demeurer dans tes tentes, 14 Ka misy heloka eo an-tananao, dia ario lavitra izany, ary aza avela hisy ratsy hitoetra ao an-dainao;
15 Alors tu lèveras ta face sans tache, tu seras ferme et tu ne craindras pas ; 15 Dia hahazo hanandratra ny tavanao tsy misy tsiny ianao, koa hijoro tsara ary tsy hatahotra;
16 Car tu oublieras ta misère, tu t’en souviendras comme des eaux écoulées ; 16 Fa ho hadinonao ny fahorianao: Toy ny rano efa nandalo no hahatsiarovanao azy.
17 [Ta] vie se lèvera plus claire que le plein midi ; si tu étais couvert de ténèbres, tu seras comme le matin ; 17 Ary hamirapiratra lavitra noho ny mitataovovonana ny andronao; na dia sendra manjombona aza, dia ho tonga tahaka ny maraina.
18 Et tu auras de la confiance, parce qu’il y aura de l’espoir ; tu examineras [tout], et tu dormiras en sûreté ; 18 Hatoky ianao, satria misy fanantenana; eny, hijery manodidina ianao ka handry tsy amin'ahiahy.
19 Tu te coucheras, et il n’y aura personne pour te faire peur, et beaucoup rechercheront ta faveur. 19 Dia ho tafandry ianao, fa tsy hisy hanaitaitra; Ary maro no hila sitraka aminao.
20 Mais les yeux des méchants seront consumés, et [tout] refuge périra pour eux, et leur espoir sera d’expirer. 20 Fa ny mason'ny ratsy fanahy kosa ho pahina, ka ho very avokoa ny fiarovana azy, ary ny fialàna aina ihany no hany sisa azony antenaina.
* *
Chapitre 12 Chapitre 12
1 Et Job répondit et dit : 1 [Ny teny navalin'i Joba] Dia namaly Joba ka nanao hoe:
2 Vraiment vous êtes les [seuls] hommes, et avec vous mourra la sagesse ! 2 Marina ary fa ianareo ihany tokoa olombelona! Ary hiara-maty aminareo ny fahendrena!
3 Moi aussi j’ai du sens comme vous, je ne vous suis pas inférieur ; et de qui de telles choses ne sont-elles pas [connues] ? 3 Kanefa izaho mba manan-tsaina tahaka anareo ihany koa; Tsy latsaka noho ianareo aho; Fa iza moa no tsy nahalala izay zavatra toy izany?
4 Je suis un [homme] qui est la risée de ses amis, criant à #Dieu, et à qui il répondra ; — le juste parfait est un objet de risée ! 4 Tonga fihomehezan'ny sakaizako aho. Dia izaho izay niantso an'Andriamanitra ka novaliany; Eny, tonga fihomehezana ny olona marina tsy manan-tsiny.
5 celui qui est prêt à broncher de ses pieds est une lampe méprisée pour les pensées de celui qui est à son aise*. 5 Endrehin-datsa ny ozoim-pahoriana, raha araka ny hevitry ny miadana, eny, vonona ho amin'izay ela mangozohozo ny latsa*.[Na: Fanilo milopilony ny ozoim-pahoriana, raha araka ny hevitry ny miadana, ka tandrifiny ho an'izay efa ho tafintohina ihany]
— v. 5 : selon d’autres : Mépris au malheur ! selon les pensées de celui qui est à son aise, [le mépris] est prêt pour celui dont le pied bronche.  
* *
6 Les tentes des dévastateurs prospèrent, et la confiance est pour ceux qui provoquent *Dieu, pour celui dans la main duquel #Dieu a fait venir [l’abondance] *. 6 Mandry fahizay ny lain'ny mpitohatoha, Ary mitoetra tsy manahy izay sahy mampahatezitra an'Andriamanitra, dia izay mitondra ny herin'ny tànany ho andriamaniny
7 Mais, je te prie, interroge donc les bêtes, et elles t’enseigneront, et les oiseaux des cieux, et ils te l’annonceront ; 7 Kanefa anontanio ange ny biby, fa hampianatra anao izy, ary ny voro-manidina, fa hanambara aminao izy;
8 Ou parle à la terre, et elle t’enseignera, et les poissons de la mer te le raconteront. 8 Ary makà saina* amin'ny tany, dia hampianatra anao izy. Ary ny hazandrano any an-dranomasina hampahalala anao.[Na: amin'ny hazo madinika]
9 Qui d’entre tous ceux-ci ne sait pas que la main de l’Éternel a fait cela, 9 Iza no tsy mahalala, raha mandinika ireny rehetra ireny*, fa ny nanao izany dia ny tanan'i Jehovah,[Na: Iza amin'ireny rehetra ireny no tsy mahalala]
10 Lui, dans la main duquel est l’âme de tout être vivant et l’esprit de toute chair d’homme ? 10 Izay mitana ny ain'ny zava-manan'aina rehetra sy ny fofonain'ny olombelona rehetra?
11 L’oreille n’éprouve-t-elle pas les discours, comme le palais goûte les aliments ? 11 Moa tsy ny sofina va no mamantatra ny teny? Ary tsy ny vava va no manandrana ny hanina?
12 Chez les vieillards est la sagesse, et dans beaucoup de jours l’intelligence. 12 Ao amin'ny fotsy volo ny fahendrena, ary ny fahela-velona no ahazoam-pahalalana.
13 Avec lui est la sagesse et la force, à lui sont le conseil et l’intelligence. 13 Ao amin'Andriamanitra kosa no misy fahendrena sy hery; Izy no manana hevitra sy fahalalana.
14 Voici, il démolit, et on ne rebâtit pas ; il enferme un homme, et on ne lui ouvre pas. 14 Indro, mandrava Izy, ka tsy hatsangana intsony; Manidy ny olona Izy, ka tsy hovohana.
15 Voici, il retient les eaux, et elles tarissent ; puis il les envoie, et elles bouleversent la terre. 15 Indro, manampina ny rano Izy, ka dia ritra iny; Ary alefany indray ka mahasimba ny tany.
16 Avec lui est la force et la parfaite connaissance ; à lui sont celui qui erre et celui qui fait errer. 16 Izy no manana hery sy tena fahendrena; Samy eo an-tanany avokoa ny voafitaka sy ny mpamitaka.
17 Il emmène captifs les conseillers, et rend fous les juges ; 17 Alany voninahitra ny mpanolo-tsaina, dia entiny. Ary asehony ny fahadalan'ny mpitsara.
18 Il rend impuissant le gouvernement des rois, et lie de chaînes leurs reins ; 18 Vahany ny fifehezan'ny mpanjaka, ka feheziny mahazaka ny valahany.
19 Il emmène captifs les sacrificateurs*, et renverse les puissants ; 19 Alàny voninahitra ny mpisorona, dia entiny, ary ny mafy orina ela dia ravany.
20 Il ôte la parole* à ceux dont la parole est sûre**, et enlève le discernement aux anciens ; 20 Koroiny ny laha-tenin'ny mahay, ary ny fahazavan-tsain'ny anti-panahy dia esoriny.
21 Il verse le mépris sur les nobles, et relâche la ceinture des forts ; 21 Mandatsaka fanamavoana amin'ny andriandahy Izy, ary ketrahiny ny fehin-kibon'ny matanjaka.
22 Il révèle du sein des ténèbres les choses profondes, et fait sortir à la lumière l’ombre de la mort ; 22 Manala rakotra izay lalina Izy mba tsy ho maizina ary mitondra ny aloky ny fahafatesana ho eo amin'ny mazava.
23 Il agrandit les nations, et les détruit ; il étend les limites des nations, et les ramène. 23 Mahalehibe ny firenena Izy, nefa mandringana azy koa, mampihahaka ny firenena Izy, nefa mitondra azy hody indray.
24 Il ôte le sens aux chefs du peuple de la terre, et les fait errer dans un désert où il n’y a pas de chemin ; 24 Mahavery saina ny loholona amin'ny tany Izy ary mampirenireny azy any an-efitra tsy misy lalana;
25 Ils tâtonnent dans les ténèbres où il n’y a point de lumière ; il les fait errer comme un homme ivre. 25 Mitsapatsapa amin'ny maizina tsy misy mavaza ireo; ary mampivembena azy tahaka ny olona mamo Izy.
— v. 6 : ou : pour celui qui tient #Dieu dans sa main ; voir Hab. 1 ;11. — v. 19 : ou : les principaux. — v. 20* : litt.: lèvre. — v. 20** : selon d’autres : facile.  
Chapitre 13 Chapitre 13
1 Voici, tout cela, mon œil l’a vu, mon oreille l’a entendu et l’a compris. 1 Indro, izany rehetra izany efa hitan'ny masoko, ary efa ren'ny sofiko ka fantany.
2 Ce que vous connaissez, moi aussi je le connais ; je ne vous suis pas inférieur. 2 Izay fantatrareo dia mba fantatro koa; Tsy latsaka noho ianareo aho tsy akory.
3 Mais je parlerai au Tout-puissant, et mon plaisir sera de raisonner avec *Dieu ; 3 Kanefa raha izaho, dia ny Tsitoha no tiako hitenenana, ary Andriamanitra no iriko handaharan-teny.
4 Mais pour vous, vous êtes des forgeurs de mensonges, des médecins de néant, vous tous ! 4 Fa ianareo kosa dia mpamoron-dainga; Dokotera tsy mahomby ianareo rehetra,
5 Oh ! si seulement vous demeuriez dans le silence ! et ce serait votre sagesse. 5 Enga anie ka hangina mihitsy ianareo, dia ho fahendrenareo izany!
* *
6 Écoutez donc mon plaidoyer, et prêtez attention aux arguments de mes lèvres. 6 Masìna ianareo, henoy ny anatro, ary tandremo izay alahatry ny molotro.
7 Est-ce pour *Dieu que vous direz des choses iniques ? Et pour lui, direz-vous ce qui est faux ? 7 Hanao teny tsy marina ho enti-manamarina an'Andriamanitra va ianareo? Hiteny fitaka ho Azy va ianareo?
8 Ferez-vous acception de sa personne ? Plaiderez-vous pour *Dieu ? 8 Hiangatra ho Azy va ianareo? Handaha-teny ho an'Andriamanitra va ianareo
9 Vous est-il agréable qu’il vous sonde ? Vous moquerez-vous de lui comme on se moque d’un mortel ? 9 Ho tsara aminareo va, raha mandinika anareo Izy? Na ho azonareo fitahina hoatra ny famitaka zanak'olombelona va Izy?
10 Certainement il vous reprendra, si en secret vous faites acception de personnes. 10 Hanameloka anareo mihitsy Izy, Raha miangatra mangingina ianareo.
11 Sa majesté ne vous troublera-t-elle pas ? Et sa frayeur ne tombera-t-elle pas sur vous ? 11 Tsy hampahatahotra anareo va ny fahalehibiazany? Ary tsy hitsatoka aminareo va ny fahatahorana avy aminy?
12 Vos discours sentencieux sont des proverbes de cendre, vos retranchements sont des défenses de boue. 12 Ireo teny tononinareo ireo dia ohabolana lavenona foana, ary manda fotaka ihany ny mandanareo.
13 Gardez le silence, laissez-moi, et moi je parlerai, quoi qu’il m’arrive. 13 Mangina, ka mialà amiko ianareo, mba hitenenako; Fa aoka hanjo ahy ihany izay hanjo ahy.
* *
14 Pourquoi prendrais-je ma chair entre mes dents, et mettrais-je ma vie dans ma main ? 14 Nahoana no hitondra ny nofoko amin'ny nifiko aho? Tsia, fa manao ny aiko tsy ho zavatra aho*.[Na: Ka manao ny aiko eo an-tanako]
15 Voici, qu’il me tue, j’espérerai en lui ; seulement, je défendrai mes voies devant lui. 15 Na dia hamono ahy aza Izy, mbola hanantena Azy ihany aho*; Kanefa hanamarina ny lalako eo anatrehany aho.[Na: Indro, hamono ahy Izy, tsy manam-panantenana aho]
16 Ce sera même ma délivrance, qu’un* impie n’entre pas devant sa face. 16 Ary izao no ho famonjena ahy: Ny* mpihatsaravelatsihy** tsy sahy mankeo anatrehany.[*Na: Ary ho famonjena ahy Izy, fa ny][**Na: ratsy fanahy]
17 Écoutez, écoutez mon discours, et que ma déclaration [pénètre] dans vos oreilles ! 17 Mihainoa dia mihainoa ny teniko, ary aoka ho ren'ny sofinareo ny filazàko.
18 Voyez, j’exposerai [ma] juste cause : je sais que je serai justifié. 18 Indro, fa efa voatoriko* ny adiko; Fantatro fa hanan-drariny aho.[Na: voalamiko]
19 Qui est celui qui contestera avec moi ? Car maintenant, si je me taisais, j’expirerais. 19 Iza no hahazo hifandahatra amiko? Fa raha izany, dia hangina aho ka hiala aina.
— v. 16 : quelques-uns : Lui-même sera ma délivrance, car un.  
* *
20 Seulement ne fais pas deux choses à mon égard ; alors je ne me cacherai pas loin de ta face : 20 Izao zavatra roa loha izao ihany no aza mba atao amiko, dia tsy hiery Anao aho;
21 Éloigne ta main de dessus moi, et que ta terreur ne me trouble pas. 21 Esory hanalavitra ahy ny tananao, ary aoka tsy hampahatsiravina ahy fampitahoranao.
22 Et appelle, et moi je répondrai, ou bien je parlerai et toi, réponds-moi ! 22 Dia miantsoa, fa izaho hamaly; Na aoka hiteny aho, ka valio aho.
23 Quel est le nombre de mes iniquités et de mes péchés ? Fais-moi connaître ma transgression et mon péché ! 23 Firy ary ny heloko sy ny fahotako? Mba ampahalalao izay fiodinako sy fahotako aho.
24 Pourquoi caches-tu ta face, et me tiens-tu pour ton ennemi ? 24 Nahoana no manafina ny tavanao Hianao, ka manao ahy ho fahavalonao?
25 Veux-tu épouvanter une feuille chassée [par le vent], et poursuivre du chaume sec ? 25 Moa izay ravin-kazo indaosin'ny rivotra avy va no ampitahorinao? Ary izay vodivary maina avy va no enjehinao?
26 Car tu écris des choses amères contre moi, et tu me fais hériter des iniquités de ma jeunesse ; 26 Fa zava-mangidy no tendrenao hamely ahy, ka ampanodiavinao ahy, ny heloky ny fahatanorako;
27 Et tu mets mes pieds dans les ceps, et tu observes tous mes sentiers ; tu as tracé une ligne autour des plantes de mes pieds ; 27 Dia mampiditra ny tongotro eo amin'ny boloky hazo Hianao ary mitsikilo ny diako rehetra; Ny hodiavin'ny tongotro dia feranao.
28 Et celui [que tu poursuis] dépérit comme une chose pourrie, comme un vêtement que la teigne a rongé. 28 Dia izaho ity izay mihalevona tahaka ny zavatra hanin'ny fositra, eny, tahaka ny fitafiana lanin'ny kalalao.
Chapitre 14 Chapitre 14
1 L’homme né de femme est de peu de jours et rassasié de trouble ; 1 Ny olona tera-behivavy dia vitsy andro sady vontom-pahoriana.
2 Il sort comme une fleur, et il est fauché ; il s’enfuit comme une ombre, et il ne dure pas. 2 Mitsimoka tahaka ny voninkazo izy ka jinjana*, ary mihelina tahaka ny aloka izy ka tsy mitoetra.[Na: malazo]
3 Pourtant, sur lui tu ouvres tes yeux, et tu me fais venir en jugement avec toi ! 3 kanefa amin'izay toy izany foana no ampihiratanao ny masonao? ka dia izay izaho avy no entinao hifandahatra aminao amin'ny fitsarana*![Na: fitsaranao]
4 Qui est-ce qui tirera de l’impur un [homme] pur ? pas un ! 4 Aiza no misy madio ateraky ny tsy madio? Tsy misy na dia iray akory aza.
5 Si ses jours sont déterminés, si le nombre de ses mois est par devers toi, si tu lui as posé ses limites, qu’il ne doit pas dépasser, 5 Raha voafetra ny androny, ary voatendrinao ny isan'ny volana iainany, ary asianao fefy tsy azony ihoarana,
6 Détourne de lui ton regard, et il aura du repos, jusqu’à ce que, comme un mercenaire, il achève sa journée ; 6 Dia mihodina tsy hanatrika azy Hianao, mba hitsaharany, ka hifaliany amin*'ny androny toy ny mpikarama.[Na: hotaperany]
7 Car il y a de l’espoir pour un arbre : s’il est coupé, il repoussera encore, et ses rejetons ne cesseront pas. 7 Fa azo antenaina ny hazo, satria na dia kapaina aza izy, dia mbola hitsimoka indray, ka tsy maintsy hisy ny solofony;
8 Si sa racine vieillit dans la terre, et si son tronc meurt dans la poussière, 8 Na dia efa tonga antitra ao amin'ny tany aza ny fakany, ary maty ao amin'ny vovoka ny fotony,
9 À l’odeur de l’eau il poussera, et il fera des branches comme un jeune plant ; 9 Raha mahare ny fofon-drano izy, dia hitsimoka indray. Ka handrahaka tahaka ny hazo tanora nambolena.
10 Mais l’homme meurt et gît là ; l’homme expire, et où est-il ? 10 Fa ny olona kosa maty ka miampatra; Eny, miala aina ny olona, ary aiza izy?
11 Les eaux s’en vont du lac ; et la rivière tarit et sèche : 11 Ny rano miala eo amin'ny kamory, ary ny ony mihena ka ritra,
12 Ainsi l’homme se couche et ne se relève pas : jusqu’à ce qu’il n’y ait plus de cieux, ils ne s’éveillent pas, et ils ne se réveillent pas de leur sommeil. 12 Ary toy izany koa ny olona; mandry izy ka tsy hitsangana intsony; Eny, mandra-paha-tsy hisian'ny lanitra dia tsy hahatsiaro izy na hofohazina amin'ny torimasony.
* *
13 Oh ! si tu voulais me cacher dans le shéol, me tenir caché jusqu’à ce que ta colère se détourne, me fixer un temps arrêté, et puis te souvenir de moi, — 13 Enga anie ka hanafina ahy any amin'ny fiainan-tsi-hita* Hianao Ka hampiery ahy mandra-pahafaky ny fahatezeranao! Ary hanendry fetr'andro ho ahy, dia hahatsiaro ahy [Heb. Sheola]
14 (Si un homme meurt, revivra-t-il ?) tous les jours de ma détresse, j’attendrais jusqu’à ce que mon état vînt à changer : 14 Raha maty ny olona, moa ho velona indray va izy? Raha izany, dia hiandry mandritra ny andro fanafihako aho, mandra-pahatongan'ny fahafahako*.[Na: fiovako]
15 Tu appellerais, et moi je te répondrais ; ton désir serait tourné vers l’œuvre de tes mains ; 15 Dia hiantso Hianao, ary izaho hamaly Anao; ary mba halahelo ny asan'ny tananao Hianao.
16 Car maintenant tu comptes mes pas : ne veilles-tu pas sur mon péché ? 16 Fa ankehitriny manisa ny diako Hianao; Tsy mitsikilo ny fahotako va Hianao?
17 Ma transgression est scellée dans un sac, et [dans tes pensées] tu ajoutes à mon iniquité. 17 Efa voaisy tombo-kase ny kitapo misy ny fahadisoako; Ary voazaitranao ny heloko.
18 Mais une montagne qui s’éboule est réduite en poussière, et le rocher est transporté de son lieu ; 18 Kanefa na dia ny tendrombohitra aza, raha mianjera, dia mihalevona; Ary ny vatolampy dia afindra hiala amin'ny fitoerany;
19 Les eaux usent les pierres, leur débordement emporte la poussière de la terre : ainsi tu fais périr l’espoir de l’homme. 19 Lanin'ny rano ny vato; ary indaosin'ny riaka ny vovo-tany: Toy izany no fanimbanao ny fanantenan'ny zanak'olombelona.
20 Tu le domines pour toujours, et il s’en va ; tu changes sa face, et tu le renvoies. 20 Mandresy azy ho mandrakizay Hianao, ka lasa izy; Manova ny tarehiny Hianao ka mampandeha azy.
21 Ses fils sont honorés, et il ne le sait pas ; ils sont abaissés, et il ne s’en aperçoit pas. 21 Omem-boninahitra ny zanany nefa tsy fantany; Ary mietry ireo, nefa tsy hitany.
22 Sa chair ne souffre que pour lui-même, et son âme ne mène deuil que sur lui-même. 22 Ny mihatra amin'ny tenany ihany no mampanaintaina azy, ary ny mihatra amin'ny tenany ihany no mampalahelo ny fanahiny.
* *
Chapitre 15 Chapitre 15
1 Et Éliphaz, le Thémanite, répondit et dit : 1 [Ny teny fanindroany nataon'i Elifaza] Dia namaly Elifaza Temanita ka nanao hoe:
2 Le sage répondra-t-il avec une connaissance [qui n’est que] du vent, et gonflera-t-il sa poitrine* du vent d’Orient, 2 Tokony handahatra hevi-dravina va ny olon-kendry, ka hameno ny kibony amin'ny rivotra avy any atsinanana va,
3 Contestant en paroles qui ne profitent pas et en discours qui ne servent à rien ? 3 Ary hamaly amin'ny teny tsy mahasoa sy ny teny tsy mahatsara?
4 Certes tu détruis la crainte [de Dieu], et tu restreins la méditation devant *Dieu. 4 Eny, foananao ny fahatahorana an'Andriamanitra, ary tampenanao* ny fivavahana eo anatrehany;[Na: hamavoinao]
5 Car ta bouche fait connaître ton iniquité*, et tu as choisi le langage des [hommes] rusés. 5 Fa ny helokao no manesika ny vavanao, ary mianatra ny lelan'ny fetsy ianao*.[Na: Tsy maneho ny helokao va ny vavanao, Na dia mianatra ny lelan'ny fetsy aza ianao?]
6 Ta bouche te condamnera, et non pas moi, et tes lèvres déposent contre toi. 6 Ny vavanao ihany no manameloka anao, fa tsy izaho; Ary ny molotrao ihany no mamely anao.
— v. 2 : hébreu : ventre. — v. 5 : quelques-uns : ton iniquité enseigne ta bouche.  
* *
7 Es-tu né le premier des hommes, et as-tu été enfanté avant les collines ? 7 Hianao va no voalohany izay nateraka ho olombelona? Na naloaky ny kibo talohan'ny tendrombohitra va ianao?
8 As-tu entendu [ce qui se dit] dans le conseil secret de #Dieu, et as-tu accaparé pour toi la sagesse ? 8 Isan'ny mpihevitra teo amin'Andriamanitra va ianao, ka voarombakao ho anao irery ny fahendrena?
9 Que sais-tu que nous ne sachions ? que comprends-tu qui ne soit également avec nous ? 9 Inona no fantatrao, ka tsy mba fantatray koa, na saina azonao, ka tsy ato aminay koa?
10 parmi nous il y a aussi des hommes à cheveux blancs et des vieillards plus âgés que ton père. 10 Ny anti-panahy sy ny fotsy volo dia misy ato aminay, eny, olona ela niainana noho ny rainao aza.
11 Est-ce trop peu pour toi que les consolations de *Dieu et la parole douce qui se fait entendre à toi ? 11 Ataonao ho tsinontsinona va ny fampiononana avy amin'Andriamanitra sy ny teny natao aminao amin'ny fahalemem-panahy?
12 Comment ton cœur t’emporte-t-il, et comment tes yeux clignent-ils, 12 Nahoana no dia entin'ny fonao ianao? Ary nahoana no mipipy foana ny masonao,
13 Que tu tournes contre *Dieu ton esprit et que tu fasses sortir de ta bouche des discours ? 13 Ka miefonefona amin'Andriamanitra ianao, sady miteniteny foana ny vavanao?
14 Qu’est-ce que l’homme mortel, pour qu’il soit pur, et celui qui est né d’une femme, pour qu’il soit juste ? 14 Inona ny zanak'olombelona no mba hadio izy? Ary izay tera-behivavy no mba ho marina?
15 Voici, il ne se fie pas à ses saints, et les cieux ne sont pas purs à ses yeux : 15 Indro, ireo anjeliny* aza tsy mahatoky Azy, ary ny lanitra aza tsy madio eo imasony;[Heb. masina]
16 Combien plus l’homme, qui boit l’iniquité comme l’eau, est-il abominable et corrompu ! 16 Koa mainka fa izay vetaveta sy tena ratsy, dia ny olona izay misotro heloka toa rano!
* *
17 Je t’enseignerai, écoute-moi ; et ce que j’ai vu je te le raconterai, 17 Hanambara aminao aho, ka mihainoa ahy fa izay efa hitako no holazaiko,
18 Ce que les sages ont déclaré d’après leurs pères et n’ont pas caché ; — 18 Dia zavatra notorin'ny olon-kendry, fa tsy nafeniny, dia izay azony avy tamin'ny razany;
19 À eux seuls la terre fut donnée, et aucun étranger ne passa au milieu d’eux : — 19 Ireny ihany no nomena ny tany, ary tsy nisy olona hafa firenena nisisika teo aminy.
20 Tous ses jours, le méchant est tourmenté, et peu d’années sont réservées à l’homme violent ; 20 Ny ratsy fanahy mijalijaly amin'ny androny rehetra, dia amin'ny taona rehetra voatendry ho an'ny lozabe.
21 La voix des choses effrayantes est dans ses oreilles ; au milieu de la prospérité, le dévastateur arrive sur lui ; 21 Feo mampitahotra no ren'ny sofiny; Ary na dia miadana aza izy, dia avy hamely azy ihany ny mpandroba.
22 Il ne croit pas revenir des ténèbres, et l’épée l’attend ; 22 Tsy manantena ho afaka amin'ny maizina izy; Andrasan'ny sabatra izy.
23 Il erre çà et là pour du pain : — où en trouver ? Il sait qu’à son côté un jour de ténèbres est préparé ; 23 Mirenireny hitady izay hohaniny izy ka manao hoe: Aiza re? Fantany fa antomotra azy ny andro maizina.
24 La détresse et l’angoisse le jettent dans l’alarme, elles l’assaillent comme un roi prêt pour la mêlée. 24 Fahoriana sy fahaporitana* no mampitahotra azy; Mandresy azy ireo tahaka ny mpanjaka efa vonona ho amin'ny ady,[Na: Alahelo sy ahiahy]
25 Car il a étendu sa main contre *Dieu, et il s’élève contre le Tout-puissant ; 25 Satria naninjitra ny tanany hanohitra an'Andriamanitra izy Ary nirehareha hanohitra ny Tsitoha.
26 Il court contre lui, le cou [tendu], sous les bosses épaisses de ses boucliers. 26 Mimaona amin'ny fahamafian-katoka hamely Azy izy, dia amin'ny foitran'ampingany matevina,
27 Car il a couvert sa face de sa graisse, et a rendu gras ses flancs. 27 Satria efa matavitavy tarehy izy, ary mivalon-kotraka ny valahany;
28 Et il habitera des villes ruinées, des maisons que personne n’habite, qui vont devenir des monceaux de pierres. 28 Ary monina ao an-tanana rava izy, dia ao an-trano tokony tsy hitoeran'olona, izay efa voatendry ho korontam-bato.
29 Il ne deviendra pas riche, et son bien ne subsistera pas, et ses possessions ne s’étendront pas* sur la terre. 29 Tsy hanan-karena izy, sady tsy haharitra ny heriny, ka tsy ho vokatra* ambonin'ny tany ny fananany.[Heb. hilonjehitra amin'ny tany toy ny vary efa vokatra]
30 Il ne sortira pas des ténèbres ; la flamme séchera ses rejetons, et il s’en ira par le souffle de sa bouche*. 30 Tsy ho afaka amin'ny maizina izy; ny solofony hikainkona azon'ny lelafo; ho levon'ny fofonain'Andriamanitra izy.
31 Qu’il ne compte pas sur la vanité : il sera déçu, car la vanité sera sa récompense ; 31 Aoka tsy ho voafitaka hatoky zava-poana izy; fa zava-poana no ho valiny homena azy.
32 Avant son jour*, elle sera complète, et son rameau ne verdira pas. 32 Raha mbola tsy tonga aza ny androny, dia manjo azy izany, ary tsy ho maitso ny sampany.
33 Il se défait, comme une vigne, de ses grappes vertes, et, comme un olivier, il rejette ses fleurs. 33 Ho tahaka ny voaloboka manintsana ny voany manta izy ary ho tahaka ny hazo oliva mampiraraka ny voniny.
34 Car la famille* des impies sera stérile, et le feu dévorera les tentes [où entrent] les présents. 34 Fa tsy ho vanona ny ankohonan'ny mpihatsaravelatsihy*, ary ho lanin'ny afo ny tranon'ny mpitoroka.[Na: ratsy fanahy]
35 Il conçoit la misère et enfante le malheur, et son sein prépare la tromperie. 35 Torontoronina fampahoriana izy ka miteraka fandozana, ary ny kibony mamorom-pitaka.
— v. 29 : selon d’autres : et il ne ploiera pas par son abondance. — v. 30 : c. à d. la bouche du Tout-Puissant, verset 25. — v. 32 : le jour de sa mort. — v. 34 : litt.: assemblée.  
* *
Chapitre 16 Chapitre 16
1 Et Job répondit et dit : 1 [Ny teny navalin'i Joba] Dia namaly Joba ka nanao hoe:
2 J’ai entendu bien des choses comme celles-là ; vous êtes tous des consolateurs fâcheux. 2 Efa nandre zavatra maro toy izany aho; Mpampionona mahasorisorena foana ianareo rehetra.
3 Y aura-t-il une fin à [ces] paroles de vent ? Qu’est-ce qui t’irrite, que tu répondes ? 3 Efa tapitra va izay ny bedibedy foana? Sa mbola misy manesika anao hamaly ahy ihany?
4 Moi aussi, je pourrais parler comme vous ; si votre âme était à la place de mon âme, je pourrais entasser des paroles contre vous et secouer ma tête contre vous ! 4 Izaho kosa mba mahazo miteny tahaka anareo, raha mba tonga tahaka ahy ianareo; eny, mahazo manamboatra teny ho enti-mamely anareo aho ary mahazo mihifikifi-doha aminareo;
5 [Mais] je vous fortifierais de ma bouche, et la consolation* de mes lèvres allégerait [vos douleurs]. 5 Mahazo mampahery anareo amin'ny Vavako aho, ary mahazo mampitony ny alahelonareo ny fampiononana ataon'ny molotro.
— v. 5 : ou : le mouvement.  
* *
6 Si je parle, ma douleur n’est pas allégée ; et si je me tais, s’éloignera-t-elle de moi ? 6 Na dia miteny aza aho, dia tsy mitsahatra ny alaheloko; Ary na dia mangina aza aho, dia tsy misy mihena izany.
7 Mais maintenant, il m’a fatigué… : tu as dévasté toute ma famille * ; 7 Fa ankehitriny efa nandreraka ahy Izy; Naringanao ny ankohonako rehetra.
8 Tu m’as étreint*, c’est un témoignage, et ma maigreur se lève contre moi, elle dépose, à ma face, contre moi. 8 Ary efa nampifezaka ny tenako Hianao*, ka dia vavolombelona amiko izany. Ary mitsangana hiampanga ahy ny fahahiazako, ka dia tondromaso akaiky izany.[Na: nosamborinao aho]
9 Sa colère me déchire et me poursuit ; il grince des dents contre moi ; [comme] mon adversaire, il aiguise contre moi ses yeux. 9 Amin'ny fahatezerany no amiravirany sy andrafiany ahy, mihidy vazana amiko Izy; Eny, miseho ho fahavaloko Izy ka mampivandravandra ny masony amiko;
10 Ils ouvrent contre moi leur bouche, ils me frappent les joues avec mépris ; ils s’attroupent contre moi. 10 Nisanasana vava tamiko ny olona; Latsa no nentiny namely ny takolako; Mitambatra hamely ahy izy.
11 *Dieu m’a livré à l’inique, et m’a jeté entre les mains des méchants. 11 Efa voatolotr'Andriamanitra ho amin'ny ratsy fanahy aho, ary natsipiny ho eo an-tànan'ny mpanota.
12 J’étais en paix, et il m’a brisé ; il m’a saisi par la nuque et m’a broyé, et m’a dressé pour lui servir de but. 12 Tamin'ilay izaho tsy nanana ahiahy iny, dia nanorotoro ahy Izy; Nosamboriny tamin'ny hatoko aho ka nomontsaniny, sady natsangany ho marika hokendreny.
13 Ses archers* m’ont environné ; il me perce les reins et ne m’épargne pas ; il répand mon fiel sur la terre. 13 Manodidina ahy ny mpandefa zana-tsipìkany; Mamaky ny voako Izy ka tsy miantra ary manidina ny aferoko ho amin'ny tany.
14 Il fait brèche en moi, brèche sur brèche ; il court sur moi comme un homme fort. 14 Bangabangainy lalandava aho, ka miroatra hamely ahy tahaka ny lehilahy mahery Izy.
15 J’ai cousu un sac sur ma peau, et j’ai dégradé ma corne dans la poussière. 15 Lamba fisaonana* no voazaitrako hanarona ny hoditro, ary nalàko baraka tamin'ny vovoka ny tandroko.[Heb. lamba malailay]
16 Mon visage est enflammé à force de pleurer, et sur mes paupières est l’ombre de la mort, 16 Ny tavako tera-menan'ny fitomaniana, ary eo amin'ny hodi-masoko ny aloky ny fahafatesana;
17 Quoiqu’il n’y ait pas de violence dans mes mains, et que ma prière soit pure. 17 Kanefa tsy misy eto an-tanako izay mba nalaina an-keriny; Ary madio ny fivavako.
18 Ô terre, ne recouvre pas mon sang, et qu’il n’y ait pas de place pour mon cri ! 18 Ry tany ô, aza manarona ny rako, ary aoka tsy ho voahazona ny fitarainako!
19 Maintenant aussi, voici, mon témoin est dans les cieux, et celui qui témoigne pour moi est dans les lieux élevés. 19 Fa na dia ankehitriny aza, indro, any an-danitra ny Vavolombeloko, eny, ny Vavolombeloko dia any amin'ny avo.
20 Mes amis se moquent de moi … vers #Dieu pleurent mes yeux. 20 Na dia mihomehy ahy aza ny sakaizako, dia mamarin-dranomaso eo anatrehan'Andriamanitra kosa aho,
21 Que n’y a-t-il un arbitre* pour l’homme auprès de #Dieu, et pour un fils d’homme vis-à-vis de son ami ! 21 Mba hanamarina ahy olombelona eo anatrehany Izy sy hanafa-tsiny ahy zanak'olombelona amin'ny sakaizako*.[Heb. sakaizany]
22 Car les années s’écoulent dont on peut compter le nombre, et je m’en vais dans le chemin [d’où] je ne reviendrai pas. 22 Fa rehefa lasa ny taona vitsy, dia handeha any amin'ny lalana izay tsy hiverenako intsony aho.
— v. 7 : litt.: assemblée. — v. 8 : ou : froissé, couvert de rides. — v. 13 : ou : traits. — v. 21 : voir 9:33.  
Chapitre 17 Chapitre 17
1 Mon souffle est corrompu, mes jours s’éteignent : pour moi sont les sépulcres ! 1 Efa ho ritra ny aiko; Efa milopilopy ny androko; Efa miandry ahy ny fasana.
2 Les moqueurs ne sont-ils pas autour de moi, et mes yeux ne demeurent-ils pas au milieu de leurs insultes ? 2 Eny, fanesoana tokoa no manodidina ahy, ary tsy maintsy mijery ny filany ady amiko aho.
3 Dépose, je te prie, [un gage] ; cautionne-moi auprès de toi-même : qui donc frappera dans ma main* ? 3 Masina Hianao, aoka ny tenanao ihany no hiantoka ahy aminao; Fa iza moa no hety hiantoka ahy?
4 Car tu as fermé leur cœur à l’intelligence ; c’est pourquoi tu ne les élèveras pas. 4 Fa ny fon'ireto dia voahidinao tsy hidiran'ny fahalalana; koa izany no tsy hanandratanao azy.
5 Celui qui trahit ses amis pour qu’ils soient pillés, les yeux de ses fils seront consumés. 5 Izay manolotra ny sakaizany ho babo, dia ho pahina kosa ny mason'ny zanany.
— v. 3 : voir Prov. 6:1 ; 17:18.  
* *
6 Et il a fait de moi un proverbe des peuples, et je suis devenu un homme auquel on crache au visage. 6 Ary efa nanao ahy ho ambentinteny amin'ny firenena Izy, ka rorany mandrakariva ny tavako.
7 Mon œil est terni par le chagrin, et mes membres sont tous comme une ombre. 7 Efa pahina ny masoko noho ny alahelo; Ary efa toy ny aloka ny momba ny tenako rehetra.
8 Les hommes droits en seront étonnés, et l’innocent s’élèvera contre l’impie ; 8 Ankona noho izany ny olona mahitsy, ary ny tsy manan-tsiny mihendratra mahita ny mpihatsaravela-tsihy.40
9 Mais le juste tiendra ferme dans sa voie, et celui qui a les mains pures croîtra en force. 9 Fa ny marina mifikitra tsara amin'ny halehany, ary izay madio tanana no hitombo hery.
10 Mais quant à vous tous, revenez encore, je vous prie ; mais je ne trouverai pas un sage parmi vous. 10 Avia avokoa indray ary ianareo rehetra tsy mahita izay olon-kendry eo aminareo aho.
* *
11 Mes jours sont passés, mes desseins sont frustrés, — les plans chéris de mon cœur. 11 Mihelina ny androko, voaongotra ny fikasako. Dia izay hevitra fikirin'ny foko indrindra;
12 Ils* font de la nuit le jour, la lumière proche en présence des ténèbres. 12 Ny alina ataon'ireny ho antoandro, ary ny mazava ho efa akaiky, nefa tamy ihany ny maizina.
13 Si j’espère, le shéol est ma maison, j’étends mon lit dans les ténèbres ; 13 Raha mbola misy antenaiko, dia ny fiainan-tsi-hita* fonenako ihany; Ao amin'ny maizina no hamelarako ny fandriako.[Heb. Sheola]
14 Je crie à la fosse* : Tu es mon père ! aux vers : Ma mère et ma sœur ! 14 Ny fasana* no nantsoiko hoe: Raiko ianao; Ary ny kankana: Reniko sy anabaviko ianao.[Na: Ny fahalòvana]
15 Où donc est mon espoir ? Et mon espoir, qui le verra ? 15 Fa aiza ary ny fanantenako? Ary iza no mahita azy?
16 Il descendra vers les barres* du shéol, lorsque ensemble nous aurons du repos dans la poussière. 16 Midina any amin'ny vavahadin'ny fiainan-tsi-hita* izany, raha mba hahita fitsaharana ao amin'ny vovoka aho.[Heb. Sheola]
— v. 12 : sans doute les amis de Job. — v. 14 : d’autres : corruption. — v. 16 : ou : solitudes.  
* *
Chapitre 18 Chapitre 18
1 Et Bildad, le Shukhite, répondit et dit : 1 [Ny teny fanindroany nataon'i Bildada] Dia namaly Bildada Sohita ka nanao hoe:
2 Jusques à quand tendrez-vous des pièges avec* vos paroles ? Soyez intelligents, et puis nous parlerons. 2 Mandra-pahoviana no hamandrika teny ianareo? Mba hendre aloha, dia vao hiteny izahay.
3 Pourquoi sommes-nous considérés comme des bêtes, et sommes-nous stupides* à vos yeux ? 3 Sao ataonareo ho biby anie izahay ka tahaka ny maloto eo imasonareo?
4 Toi qui déchires ton âme dans ta colère, la terre sera-t-elle abandonnée à cause de toi, et le rocher sera-t-il transporté de sa place ? 4 Ry ilay mamiravira tena amin'ny fahatezerana, noho ny aminao va no hahatonga ny tany ho lao, ary ny vatolampy hafindra hiala amin'ny fitoerany?
5 Or la lumière des méchants sera éteinte, et la flamme de son feu ne luira point ; 5 Tsy izany, fa ho faty ny jiron'ny ratsy fanahy, ary hilopilopy ny lelafony;
6 La lumière sera ténèbres dans sa tente, et sa lampe sera éteinte au-dessus de lui. 6 Ny mazava manjary maizina ao amin'ny lainy, ary ny jirony eo amboniny dia maty.
7 Les pas de sa force seront resserrés, et son propre conseil le renversera : 7 Etena ny herin'ny diany, ary ny fisainany ihany no mandavo azy.
8 Car il est poussé dans le filet par ses propres pieds ; et il marche sur les mailles du filet ; 8 Fa ny tongony ihany no mahatonga azy eo amin'ny fandrika harato, ka manitsaka eo amin'ny harato izy;
9 Le piège le prend par le talon, le lacet le saisit ; 9 Azon'ny fandrika ny ombelahin-tongony ary voahazon'ny tadivavarana
10 Sa corde est cachée dans la terre, et sa trappe sur le sentier. 10 Miafina ao amin'ny tany ny fandrika haningotra azy sy ny tonta eny an-dalana.
11 De toutes parts des terreurs l’alarment et le poussent çà et là, s’attachant à ses pas. 11 Fampitahorana no mampitahotra azy manodidina ka mampivadi-po azy eny amin'ny alehany rehetra.
12 Sa force est affaiblie par la faim*, et la calamité est prête à son côté. 12 Liana azy ny loza*, ary ny fandringanana dia vonona eo anilany;[Na: Lanin'ny mosary izy]
13 Le premier-né de la mort dévore les membres de son corps*, il dévore ses membres. 13 Eny, laniny tsikelikely ny hodiny; ny momba ny tenany dia lanin'ny lahimatoan'ny fahafatesana.
14 Ce qui faisait sa confiance est arraché de sa tente, et il est forcé de marcher vers le roi des terreurs. 14 Ongotana hiala amin'ny lainy ny zavatra itokiany, ka tsy maintsy ho entina ho amin'ilay mpanjaka mampahatahotra indrindra izy.
15 Ce qui n’est pas à lui habite dans sa tente, le soufre est répandu sur son habitation. 15 Izay tsy taranany no hitoetra ao amin'ny lainy; Solifara no hafafy amin'ny fonenany.
16 En bas ses racines sèchent, et en haut ses branches sont coupées. 16 Maina ny fakany ao ambany, ary tapaka* ny rantsany eo ambony.[Na: malazo]
17 Sa mémoire périt de dessus la terre, et il n’a pas de nom sur la face du pays. 17 Ny fahatsiarovana azy dia very tsy ho eo amin'ny tany. Ary tsy malaza eny ivelany izy.
18 Il est repoussé de la lumière dans les ténèbres ; on le bannit du monde. 18 Roahina hiala amin'ny mazava ho any amin'ny maizina izy ary enjehina hiala amin'izao tontolo izao.
19 Il n’a pas d’enfants ni de postérité parmi son peuple, personne qui lui survive dans les lieux de son séjour. 19 Tsy manana fara mandimby eo amin'ny fireneny izy, ka tsy misy tsy tratry ny loza ny ao amin'ny fonenany.
20 Ceux qui viennent après seront étonnés de son jour, comme l’horreur s’est emparée de ceux qui [les] ont précédés*. 20 Ny manjo azy dia italanjonan'ny any andrefana, ary ny any atsinanana raiki-tahotra.
21 Certainement, telles sont les demeures de l’inique, et tel est le lieu de celui qui ne connaît pas *Dieu. 21 Izany tokoa no anjaran'ny ratsy fanahy, ary izany no manjo ny tsy mahalala an'Andriamanitra.
— v. 2 : ou : Quand mettrez-vous fin à. — v. 3 : ou : souillés. — v. 12 : d’autres : Sa misère est affamée de lui. — v. 13 : litt.: de sa peau. — v. 20 : selon d’autres : Ceux de l’occident … ceux de l’orient.  
* *
Chapitre 19 Chapitre 19
1 Et Job répondit et dit 1 [Ny teny navalin'i Joba] Dia namaly Joba ka nanao hoe:
2 Jusques à quand affligerez-vous mon âme, et m’accablerez-vous de paroles ? 2 Mandra-pahoviana no hampalahelovanareo ny fanahiko sy hanorotoroanareo ahy amin'ny fiteny?
3 Voilà dix fois que vous m’avez outragé, vous n’avez pas honte de m’étourdir*. 3 Efa im-polo izay no nanaratsianareo ahy; Tsy misoroka izay hampahory ahy ianareo.
4 Mais si vraiment j’ai erré, mon erreur demeure avec moi. 4 Ary raha diso tokoa aho, dia izaho ihany no andrian'ny fa hadisoako.
5 Si réellement vous voulez vous élever contre moi et faire valoir mon opprobre contre moi, 5 Raha mirehareha amiko kosa ianareo ka mampiaiky ahy ho nanao izay mahamenatra,
6 Sachez donc que c’est #Dieu qui me renverse* et qui m’entoure de son filet. 6 Dia aoka ho fantatrareo fa Andriamanitra no efa nampitanondrika ahy ka efa naningotra ahy tamin'ny fandrika haratony.
7 Voici, je crie à la violence, et je ne suis pas exaucé ; je pousse des cris, et il n’y a pas de jugement. 7 Indro, miantso mafy aho hoe: Loza! nefa tsy misy mamaly ahy; Mitaraina aho, nefa tsy mahita rariny.
8 Il a fermé mon chemin et je ne puis passer, et il a mis des ténèbres sur mes sentiers ; 8 Ny lalako dia nofefeny, ka tsy afa-mandroso aho; ary nasiany maizina teo amin'ny lalana alehako.
9 Il m’a dépouillé de ma gloire et a ôté la couronne de dessus ma tête ; 9 Ny voninahitro nalany tamiko, ary nesoriny ny satro-boninahitra teo an-dohako.
10 Il m’a détruit de tous côtés, et je m’en vais ; il a arraché mon espérance comme un arbre. 10 Efa nandrava ahy manodidina Izy, ka efa ho faty aho; Ary efa nofongorany tahaka ny hazo ny fanantenako.
11 Il a allumé contre moi sa colère, et il m’a tenu pour l’un de ses ennemis. 11 Dia nampirehetiny tamiko ny fahatezerany, ka nataony ho fahavalony aho.
12 Ses troupes sont venues ensemble, et elles ont dressé en chaussée leur chemin contre moi et se sont campées autour de ma tente. 12 Miara-mandroso ny antokon'ny miaramilany ary manandratra tovon-tany hamelezany ahy izy ka mitoby manodidina ny laiko.
13 Il a éloigné de moi mes frères, et ceux de ma connaissance me sont devenus entièrement étrangers ; 13 Ny rahalahiko efa nampanalaviriny ahy; Ary ny olona nahazatra ahy efa nihafahafa tamiko avokoa.
14 Mes proches m’ont délaissé, et ceux que je connaissais m’ont oublié. 14 Efa tsy misy eto intsony ny havako, ary ny sakaizako efa nanadino ahy.
15 Ceux qui séjournent dans ma maison et mes servantes me tiennent pour un étranger ; je suis à leurs yeux comme un homme du dehors. 15 Ny vahiny izay mitoetra ao an-tranoko sy ny ankizivaviko aza samy manao ahy ho olon-kafa; Tonga olon-ko azy eo imasony aho.
16 J’ai appelé mon serviteur, et il n’a pas répondu ; de ma bouche je l’ai supplié. 16 Antsoiko ny mpanompoko, nefa tsy namaly ahy izy; Mifona aminy amin'ny vavako aho.
17 Mon haleine est étrangère* à ma femme, et ma supplication**, aux fils du sein de ma mère***. 17 Ny fofonaiko mahaloiloy ny vadiko, ary maharikoriko ny zanak'ineny aho.
18 Même les petits enfants me méprisent ; je me lève, et ils parlent contre moi. 18 Eny, ny ankizilahy madinika aza mamingavinga ahy; Raha te-hitsangana aho, dia miteny mamely ahy ireny.
19 Tous les hommes de mon intimité m’ont en horreur, et ceux que j’aimais se sont tournés contre moi. 19 Na dia izay nifankazatra tamiko indrindra aza dia manao ahy ho zava-betaveta, ary izay olon-tiako dia mivadika ho fahavaloko.
20 Mes os s’attachent à ma peau et à ma chair, et j’ai échappé avec la peau de mes dents ! 20 Ny taolako miraikitra amin'ny hoditro sy ny nofoko, ary ny akanjo-nifiko ihany no hany sisa azoko enti-mandositra.
— v. 3 : quelques-uns : me traiter comme dur et stupide. — v. 6 : ou : me fait un chemin tortueux. — v. 17* : ou : odieuse. — v. 17** : ou : ma mauvaise odeur. — v. 17*** : selon d’autres : à mes propres enfants ; litt.: aux fils de mon sein.  
* *
21 Ayez pitié de moi, ayez pitié de moi, vous mes amis ! car la main de #Dieu m’a atteint. 21 Mamindrà fo amiko, mamindrà fo amiko ianareo, ry sakaizako ô; fa ny tànan'Andriamanitra efa mikasika ahy.
22 Pourquoi, comme *Dieu, me poursuivez-vous et n’êtes-vous pas rassasiés de ma chair ? 22 Nahoana no manenjika ahy tahaka an'Andriamanitra koa ianareo ka tsy mety afa-po amin'ny nofoko?
23 Oh ! si seulement mes paroles étaient écrites ! si seulement elles étaient inscrites dans un livre, 23 Enga anie ka ho voasoratra ny teniko! Enga anie ka ho voatomboka eo amin'ny boky ireny!
24 Avec un style de fer et du plomb, et gravées dans le roc pour toujours ! 24 Enga anie ka ho voasoratra amin'ny vy fanoratana sady voasy firaka eo amin'ny vatolampy ho mandrakizay izy!
25 Et moi, je sais que mon rédempteur est vivant, et que, le dernier*, il sera debout sur la terre ; 25 Kanefa raha izaho, dia fantatro fa velona ny Mpanavotra* ahy, ka hitsangana any am-parany** eo ambonin'ny vovoka Izy.[*Heb. Goela][**Na: ho farany]
26 Et après ma peau, ceci sera détruit, et de ma chair je verrai #Dieu, 26 Ary rehefa levona ny hoditro, izao simba izao, sady afaka amin'ny nofoko aho, dia hahita an'Andriamanitra*;[Na: Dia hahita an'Andriamanitra amin'ny nofoko aho]
27 Que je verrai, moi, pour moi-même ; et mes yeux [le] verront, et non un autre : — mes reins se consument dans mon sein. 27 Eny, izaho no hahita Azy, ary ny masoko no hijery, fa tsy olon-kafa. Efa matim-paniriana ny saiko* ato anatiko.[Heb. voako]
28 Si vous dites : Comment le poursuivrons-nous ? et que la racine de la chose se trouve en moi, 28 Raha hoy ianareo: Andeha hanenjika azy fatratra isika. Fa hita ao anatiny* ny fototry ny mahameloka azy**.[*Heb. anatiko][**Heb. ahy]
29 Tremblez pour vous-mêmes devant l’épée ! car l’épée est l’instrument de la fureur contre les iniquités ; afin que vous sachiez qu’il y a un jugement ! 29 Dia matahora ny sabatra ianareo; Fa ny fahatezerana dia heloka mendrika ny hovalian-tsabatra, mba ho fantatrareo fa misy fitsarana.
— v. 25 : comparer Ésaïe 48:12.  
* *
Chapitre 20 Chapitre 20
1 Et Tsophar, le Naamathite, répondit et dit : 1 [Ny teny fanindroany nataon'i Zofara] Dia namaly Zofara Namatita ka nanao hoe:
2 C’est pourquoi mes pensées m’inspirent une réponse, et à cause de ceci l’ardeur de mon esprit [agit] en moi : 2 Noho izany dia mamaly ahy ny eritreritro, eny, noho* ny fihetsiketsiky ny saiko.[Na: Ary izany no mahatonga]
3 J’entends une réprimande qui me couvre de honte, et mon esprit me répond par mon intelligence. 3 Reko lalandava ny anatra mampahamenatra ahy; Ary ny fanahiko mamaly ahy avy amin'ny fahalalako.
4 Sais-tu bien que, de tout temps, depuis que l’homme a été mis sur la terre, 4 Tsy fantatrao va fa hatramin'ny ela, eny, hatrizay nampitoerana ny olona tetỳ ambonin'ny tany,
5 L’exultation des méchants est courte, et la joie de l’impie n’est que pour un moment ? 5 Dia vetivety foana ny firavoravoan'ny ratsy fanahy, ary indray mipi-maso monja ny fifalian'ny mpihatsaravelatsihy?44
6 Si sa hauteur s’élève jusqu’aux cieux, et que sa tête touche les nuées, 6 Fa na dia mipaka amin'ny lanitra aza ny hahavony, ka mitehika amin'ny rahona ny lohany,
7 Il périra pour toujours comme ses ordures ; ceux qui l’ont vu diront : Où est-il ? 7 Dia ho very mandrakizay toy ny dikiny* ihany izy; Izay nahita azy dia hanao hoe: Aiza izy?[Na: ny tain'omby atainy]
8 Il s’envole comme un songe, et on ne le trouve pas ; il s’enfuit comme une vision de la nuit. 8 Manidina tahaka ny nofy izy ka tsy ho hita; Eny, ampandosirina tahaka ny tsindrimandry amin'ny alina izy.
9 L’œil l’a regardé et ne l’aperçoit plus, et son lieu ne le revoit plus. 9 Ny maso izay mijery, dia indray mitopy ihany no ahitany azy; Ary dia tsy hahita azy intsony ny fitoerany.
10 Ses fils rechercheront la faveur des pauvres, et ses mains restitueront [ce que] sa violence [a ravi] *. 10 Ny zanany hitambitamby amin'ny malahelo, ary ny tànany ihany no hampody ny hareny.
11 Ses os étaient pleins de sa jeunesse* : elle se couchera avec lui sur la poussière. 11 Ny taolany dia feno ny herin'ny fahatanorana*, Nefa hiara-mandry aminy eo amin'ny vovoka izany.[Na: ota tsy fantatra]
12 Si le mal est doux dans sa bouche, [et] qu’il le cache sous sa langue, 12 Na dia mamy ao am-bavany aza ny ratsy, ka afeniny ao ambanin'ny lelany,
13 S’il l’épargne et ne l’abandonne pas, mais qu’il le retienne dans sa bouche*, 13 Ary tsitsiny ka tsy foiny, fa tehiriziny ao amin'ny lanilaniny ihany,
14 Son pain sera changé dans ses entrailles en un fiel d’aspic au dedans de lui. 14 Dia miova ny haniny ao an-kibony, ka aferon'ny vipera no ao anatiny.
15 Il a avalé les richesses, et il les vomira ; *Dieu les chassera de son ventre. 15 Harena no nateliny, nefa aloany indray; Loaran'Andriamanitra hiala ao an-kibony izany.
16 Il sucera le venin des aspics, la langue de la vipère le tuera. 16 Ny poizin'ny vipera no hotsentsefiny; Hahafaty azy ny lelan'ny menarana.
17 Il ne verra pas des ruisseaux, des rivières, des torrents de miel et de beurre. 17 Tsy ho faly mahita renirano izy, dia ony sy riaky ny tantely sy ronono.
18 Il rendra le fruit de son travail, et ne l’avalera pas ; il le restituera selon sa valeur, et ne s’en réjouira pas. 18 Tsy azony atelina izay nikelezany aina, fa tsy maintsy hampodiny; Na dia be aza ny hareny, dia tsy ho araka izany ny hafaliany.
19 Car il a opprimé, délaissé les pauvres ; il a pillé une maison* qu’il n’avait pas bâtie. 19 Fa nampahory sy nahafoy ny reraka izy ka naka trano an-keriny, fa tsy hahatontosa azy.
20 Parce qu’il n’a pas connu de repos dans son désir*, il ne sauvera rien de ce qu’il a de plus cher. 20 Satria tsy mahalala mionona ny kibony, dia tsy hahavonjy ny tenany mbamin'ny tiany indrindra izy.
21 Rien n’a échappé à sa voracité : c’est pourquoi son bien-être ne durera pas. 21 Tsy misy tsy tratry ny fieremany; Ka dia tsy haharitra ny fiadanany.
22 Dans la plénitude de son abondance, il sera dans la détresse ; toutes les mains des malheureux viendront sur lui. 22 Ho poriporitra izy, na dia mihoa-pampana aza ny fananany; Ny tanan'ny ory no hamely azy.
23 Il arrivera que, pour remplir son ventre, [Dieu] enverra sur lui l’ardeur de sa colère, et la fera pleuvoir sur lui dans sa chair*. 23 Halefan'Andriamanitra ny fahatezerany mirehitra hameno ny kibony; Eny, halatsany aminy toy ny ranonorana izany ho hanina ho azy.
24 S’il fuit devant les armes de fer, un arc d’airain le transpercera. 24 Raha mandositra ny vy fiadiana izy, dia hahavoa azy miboroaka ny tsipìka varahina;
25 Il arrache [la flèche] et elle sort de son corps, et le fer étincelant de son fiel : les terreurs sont sur lui. 25 Tsoahany izany, ka mivoaka avy amin'ny tenany; Eny, ny manelatselatra dia mivoaka avy amin'ny aferony; Lasa izy azon'ny fahatahorana mafy.
26 Toutes les ténèbres sont réservées pour ses trésors ; un feu qu’on ne souffle pas le dévorera, [et] se repaîtra de ce qui reste dans sa tente. 26 Ny aizim-pito no voarakitra ho amin'ny raki-malalany; Afo tsy tsofina no handoro azy sady handevona izay sisa ao amin'ny lainy.
27 Les cieux révéleront son iniquité, et la terre s’élèvera contre lui. 27 Hambaran'ny lanitra ny helony, Ary ny tany hitsangana hiampanga azy,
28 Le revenu de sa maison sera emporté ; il s’écoulera au jour de Sa colère. 28 Ho lasa ny harena tafiditra ao an-tranony; Eny, ho levona izany amin'ny andro fahatezerany.
29 Telle est, de la part de Dieu, la portion de l’homme méchant, et l’héritage qui lui est assigné par *Dieu. 29 Izany no anjaran'ny ratsy fanahy avy amin'Andriamanitra, sy lova voatendrin'Andriamanitra ho azy.
— v. 10 : ou : restitueront son bien. — v. 11 : peut-être : péchés de sa jeunesse ; comparer Psaume 90:8. — v. 13 : litt.: sous son palais. — v. 19 : ou : il s’est emparé d’une maison. — v. 20 : hébreu : ventre. — v. 23 : ou : comme sa nourriture.  
* *
Chapitre 21 Chapitre 21
1 Et Job répondit et dit : 1 [Ny teny navalin'i Joba] Dia namaly Joba ka nanao hoe:
2 Écoutez, écoutez* mon discours, et cela tiendra lieu de vos consolations. 2 Mihainoa dia mihainoa ny teniko, Ary aoka izany no ho fampiononanareo ahy.
3 Supportez-moi, et moi je parlerai, et après mes paroles, moque-toi ! 3 Mandefera amiko ianareo, fa mba hiteny kosa aho izao; Ary rehefa tapitra ny teniko, dia mandatsalatsà ihany indray ianareo.
4 Ma plainte s’adresse-t-elle à un homme ? Et pourquoi mon esprit ne serait-il pas à bout de patience ? 4 Raha ny amiko, moa ny ataon'ny olona va no itarainako? Ary raha izany, nahoana no hahalefitra ny fanahiko?
5 Tournez-vous vers moi, et soyez étonnés, et mettez la main sur la bouche. 5 Jereo aho, dia aoka ho talanjona ianareo, ary mitampena vava.
6 Quand je m’en souviens, je suis terrifié, et le frisson saisit ma chair : 6 Eny, raha mahatsiaro izany aho, dia raiki-tahotra, sady toran-kovitra ny tenako:
7 Pourquoi les méchants vivent-ils, deviennent-ils âgés, et croissent-ils même en force ? 7 Nahoana no velona ny ratsy fanahy ka sady tratrantitra no be hery?
8 Leur postérité s’établit devant eux, auprès d’eux, et leurs descendants devant leurs yeux. 8 Ny zanany koa mitomoetra tsara eo anatrehany, ary ny zafiny eo anoloany.
9 Leurs maisons sont en paix, loin de la frayeur, et la verge de #Dieu n’est pas sur eux. 9 Ny ankohonany miadana ka tsy manan-tahotra, ary ny tsorakazon'Andriamanitra tsy mamely azy.
10 Leur taureau engendre sans manquer, leur vache vêle et n’avorte pas. 10 Ny ombilahiny mampiteraka ka mahavanona; Ny ombivaviny miteraka ka tsy mamotsotra.
11 Ils font sortir leurs jeunes enfants comme un troupeau, et leurs enfants s’ébattent. 11 Mamoaka ny zanany madinika toy ny ondry aman'osy izy, ka mikoriana ny zanany.
12 Ils chantent au son du tambourin et de la harpe, et se réjouissent au son du chalumeau. 12 Mihoby mitondra ampongatapaka sy lokanga izy ary mifaly amin'ny feon-tsodina.
13 Ils passent leurs jours dans le bonheur, et en un moment descendent dans le shéol. 13 Mandany ny androny amin'ny fahafinaretana izy; Amin'ny indray mipi-maso monja no idinany any amin'ny fiainan-tsi-hita*.[Heb. Sheola]
14 Et ils disent à *Dieu : Retire-toi de nous, nous ne prenons pas plaisir à la connaissance de tes voies. 14 Kanefa anie ireo no manao amin'Andriamanitra hoe: Mialà aminay! Fa tsy mba irinay ny hahalala ny lalanao.
15 Qu’est-ce que le Tout-puissant pour que nous le servions, et que nous profitera-t-il de nous adresser à lui ? 15 Zinona izay Tsitoha, no hotompoinay? Ary inona no soa ho azonay, raha mivavaka aminy?
16 Voici, leur bonheur n’est pas dans leur main. Loin de moi le conseil des méchants ! 16 Indro, tsy avy amin'ny tenany* ihany ny fahafinaretany! Ho lavitra ahy anie ny fisainan'ny ratsy fanahy![Heb. tsy eo an-tànany]
— v. 2 : ou : Écoutez attentivement.  
* *
17 Combien de fois la lampe des méchants s’éteint-elle, et leur calamité vient-elle sur eux, [et] leur distribue-t-Il des douleurs* dans sa colère, 17 Indraindray foana no mba maty ny jiron'ny ratsy fanahy, sy tonga ny loza manjo azy. Ary amelaran'Andriamanitra fandrika ireny* noho ny fahatezerany,[Na: izaran'Andriamanitra fahoriana ho an'ireny]
18 [Et] sont-ils comme la paille devant le vent, et comme la balle chassée par la tempête ? 18 Ka tonga tahaka ny mololo voatetika indaosin'ny rivotra izy sy tahaka ny akofa entin'ny tafio-drivotra.
19 #Dieu réserve à ses* fils [la punition de] sa méchanceté : il la lui rend, et il le saura ; 19 Andriamanitra, hoy ianareo, mbola hampijaly ny zanany noho ny helodrainy! Tsia; fa ny tenan'ireny ihany no aoka hovaliany, mba hahalalany.
20 Ses yeux verront sa calamité, et il boira de la fureur du Tout-puissant. 20 Aoka ny masony ihany no hahita ny loza manjo azy, ary aoka ny tenany ihany no hisotro ny fahatezeran'ny Tsitoha.
21 Car quel plaisir [a-t-il] à sa maison après lui, quand le nombre de ses mois est tranché ? 21 Fa mampaninona azy moa ny amin'ny taranany mandimby azy, raha tapaka ny isan'ny androny?
22 Est-ce à *Dieu qu’on enseignera la connaissance, quand c’est lui qui juge ceux qui sont haut élevés ? 22 Moa Andriamanitra va no hampianarim-pahalalana, nefa Izy no mitsara ny any an-danitra* aza? [Heb. avo]
23 L’un meurt en pleine vigueur, entièrement tranquille et à l’aise ; 23 Maty ny anankiray, raha tsy mbola mihena ny fahatanjahany, sady miadana tokoa ka tsy manana ahiahy;
24 Ses flancs sont garnis de graisse*, et la moelle de ses os est abreuvée. 24 Feno ronono ny fitoeran-drononony*, ary vonton-tsoka ny taolany.[Na: Manotraka ny kibony]
25 Et l’autre meurt dans l’amertume de son âme et n’a jamais goûté* le bonheur. 25 Ary ny anankiray maty amin'ny fahorian'ny fanahiny kosa ka tsy mba nanandrana soa akory.
26 Ils gisent ensemble sur la poussière, et les vers les couvrent. 26 Samy mandry ao amin'ny vovoka izy roa tonta, ka feno olitra ny tenany.
— v. 17 : quelques-uns : leur [lot]. — v. 19 : ses, c. à d. [les fils] du méchant. — v. 24 : ou : Ses vases sont remplis de lait. — v. 25 : litt.: mangé.  
* *
27 Voici, je connais vos pensées, et vos plans contre moi pour me faire violence. 27 Indro, fantatro ny hevitrareo sy ny saim-petsy amelezanareo ahy;
28 Car vous dites : Où est la maison du noble, et où la tente des demeures des méchants ? 28 Fa hoy ianareo: Aiza ny tranon'ny mpitohatoha*? Ary aiza ny lay fitoeran'ny ratsy fanahy? [Na: Manotraka ny kibony]
29 Ne l’avez-vous pas demandé à ceux qui passent par le chemin ? Et n’avez-vous pas reconnu ce qui les distingue : 29 Kanefa tsy mba nanontany tamin'ny mpandeha amin'ny tany lavitra va ianareo? Ary tsy heverinareo va ny zava-mahagaga*, ambaran'Ireo hoe: [Heb. famantarana]
30 Que le méchant est épargné pour le jour de la calamité, qu’ils sont emmenés au jour de la fureur ? 30 Amin'ny andro hahitan-doza dia voaaro ihany ny ratsy fanahy, ary amin'ny andro fahatezerana dia enti-miala izy?
31 Qui lui dira en face sa voie ? et ce qu’il a fait, qui le lui rendra ? 31 Iza no hanambara ny lalany eo anatrehany? Ary raha misy zavatra nataony, iza no sahy hamaly azy*? [Na: Azy]
32 Il sera conduit dans un sépulcre, et sur le tertre il veillera. 32 Ary ho entina ho eny an-tany fandevonana izy ka mbola hitazana* ao am-pasana;[Na: mbola misy miambina]
33 Les mottes de la vallée lui sont douces ; et après lui tout homme suit à la file, et ceux qui l’ont précédé sont sans nombre. 33 Ho mamy aminy ny bainga any an-dohasaha, ary ny olona rehetra hanaraka azy, toy ny nandehanan'ny maro tany alohany.
34 Et comment me consolez-vous avec de vaines [consolations] ? Vos réponses restent perfides. 34 Endrey! ity ianareo mba mampionona ahy foana! Ary ny famalianareo anefa, raha voasana tsara, dia lainga ihany!
* *
Chapitre 22 Chapitre 22
1 Et Éliphaz, le Thémanite, répondit et dit : 1 [Ny teny fanintelony nataon'i Elifaza] Dia namaly Elifaza Temanita ka nanao hoe:
2 L’homme peut-il être de quelque profit à *Dieu ? C’est bien à lui-même que l’homme intelligent profitera. 2 Mahasoa an'Andriamanitra va ny olona? Tsia, fa mahasoa ny tenany ihany ny olon-kendry.
3 Est-ce un plaisir pour le Tout-puissant que tu sois juste, et un gain [pour lui] que tu sois parfait dans tes voies ? 3 Mampaninona ny Tsitoha moa, raha marina ianao, sa misy tombony ho Azy, raha ataonao tsy misy diso ny alehanao?
4 Contestera-t-il avec toi parce qu’il te craint, [et] ira-t-il avec toi en jugement ? 4 Moa ny fahatahoranao Azy va no ananarany anao, sy ifanatrehany aminao amin'ny fitsarana?
5 Ta méchanceté n’est-elle pas grande, et tes iniquités ne sont-elles pas sans fin ? 5 Tsy be va ny faharatsianao, sady tsy hita isa ny helokao?
6 Car sans cause tu as pris un gage de ton frère, et tu as dépouillé de leurs vêtements ceux qui étaient nus. 6 Fa efa naka tsatòka tsy ahoan-tsy ahoana tamin'ny rahalahinao ianao ka nanendaka ny akanjon'ny mahantra*.[Heb. mitanjaka]
7 Tu n’as pas donné d’eau à boire à celui qui se pâmait de soif, et tu as refusé du pain à celui qui avait faim ; 7 Tsy nanome rano hosotroin'ny mangetaheta ianao sady tsy nahafoy hanina ho an'ny noana.
8 Et l’homme fort,… à lui était la terre, et celui qui était considéré y habitait. 8 Fa ny olona sandriana ihany no nanana ny tany; Ary ny manan-kaja ihany no nitoetra teo.
9 Tu as renvoyé les veuves à vide, et les bras des orphelins ont été écrasés. 9 Efa nampialainao maina ny mpitondratena. Ary tapahina ny sandrin'ny kamboty.
10 C’est pourquoi il y a des pièges autour de toi, et une terreur subite t’effraie 10 Koa noho izany dia misy fandrika manodidina anao, ary ny fahatahorana dia mampihorohoro anao tampoka;
11 Ou bien, ce sont des ténèbres, de sorte que tu ne vois pas, et le débordement des eaux te couvre*. 11 Moa tsy ianao va ny maizina Sy ny rano mandriaka mandifotra anao?
12 #Dieu n’est-il pas aussi haut que les cieux ? Regarde le faîte des étoiles, combien elles sont élevées ! 12 Tsy avo tahaka ny lanitra va Andriamanitra? Jereo ny hahavon'ny kintana, endrey ny hahavony!
13 Et tu as dit : Qu’est-ce que *Dieu sait ? Jugera-t-il à travers l’obscurité des nuées ? 13 Nefa hoy ianao: Ataon'Andriamanitra ahoana no fahafantatra? Mahay mitsara ary ankoatry ny rahona maizina va Izy?
14 Les nuages l’enveloppent, et il ne voit pas ; il se promène dans la voûte des cieux. 14 Ny rahona matevina manakona Azy, ka tsy mahita Izy; Ary mandehandeha eny amin'ny lanitra Izy.
15 Observes-tu* le sentier ancien où ont marché les hommes vains, 15 Moa hizotra amin'ny lalana izay nalehan'ny olona fahagola va ianao? Dia ilay nalehan'ny olona ratsy fanahy.
16 Qui ont été emportés avant le temps, [et] dont les fondements se sont écoulés comme un fleuve ; 16 Izay nesorina alohan'ny androny, ka nindaosin'ny riaka ny fanorenany,
17 Qui disaient à *Dieu : Retire-toi de nous ! Et que nous* ferait le Tout-puissant ? — 17 Dia ireo izay manao tamin'Andriamanitra hoe: Mialà aminay! Ary inona no azon'ny Tsitoha atao ho anay*? [Heb. azy]
18 Quoiqu’il eût rempli de biens leurs maisons. Mais que le conseil des méchants soit loin de moi ! 18 Kanefa Izy no efa nameno zava-tsoa ny tranony ho lavitra ahy anie ny fisainan'ny ratsy fanahy!
19 Les justes le verront et se réjouiront, et l’innocent se moquera d’eux : 19 Ny marina mahita ka mifaly, Ary ny tsy manan-tsiny mihomehy ireny hoe:
20 Celui qui s’élevait contre nous n’a-t-il pas été retranché, et le feu n’a-t-il pas dévoré leur abondance ? 20 Marina tokoa fa efa rava ny fahavalontsika, ary ny hareny betsaka efa levon'ny afo.
— v. 11 : quelques-uns : ne verras-tu (ou ne vois-tu) pas les ténèbres, et le débordement des eaux qui te couvre ? — v. 15 : quelques-uns : Suis-tu. — v. 17 : litt.: leur.  
* *
21 Réconcilie-toi avec Lui, je te prie, et sois en paix : ainsi le bonheur t’arrivera. 21 Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao, dia hiadana; Izany no hahatongavan'ny soa aminao.
22 Reçois l’instruction de sa bouche, et mets ses paroles dans ton cœur. 22 Masìna ianao, mandraisa fampianarana avy amin'ny vavany, ary alatsaho ao am-ponao ny teniny.
23 Si tu retournes vers le Tout-puissant, tu seras rétabli*. Si tu éloignes l’iniquité de ta tente, 23 Raha miverina aminy ianao, dia haorina tsara, eny, raha ampanalavirinao ny lainao ny heloka.
24 Et que tu mettes l’or avec la poussière, et [l’or d’]Ophir parmi les cailloux des torrents, 24 Ario eny amin'ny vovoka ny akoram-bolamena sy ny akoram-bolafotsy, eny, ario eny amin'ny vato eny an-dohasahan-driaka ny volamena avy any Ofira;
25 Le Tout-puissant sera ton or, et il sera pour toi de l’argent amassé. 25 Fa ny Tsitoha no ho akoram-bolamenanao sy akoram-bolafotsinao, Ary ho volafotsy mamirapiratra* ho anao.[Na tsara, na azo amin'ny fisasarana]
26 Car alors tu trouveras tes délices dans le Tout-puissant, et vers #Dieu tu élèveras ta face ; 26 Fa amin'izany dia hiravoravo amin'ny Tsitoha ianao ka hanandratra ny tavanao amin'Andriamanitra.
27 Tu le supplieras et il t’entendra, et tu acquitteras tes vœux. 27 Raha mifona aminy ianao, dia hihaino anao Izy; Ary ny voadinao dia hefainao.
28 Tu décideras une chose, et elle te réussira, et la lumière resplendira sur tes voies. 28 Ary raha misy kasainao hatao, dia hotanterahina aminao, ary hamirapiratra amin'ny lalanao ny mazava.
29 Quand elles seront abaissées, alors tu diras : Lève-toi ! et celui qui a les yeux baissés, Il le sauvera ; 29 Raha misy mietry*, dia hataonao hoe: Misandrata; fa ny manetry tena hovonjeny.[Na: Raha mietry izy]
30 Même Il délivrera celui qui n’est pas innocent : il sera délivré par la pureté de tes mains. 30 Hanafaka ny olona meloka Izy, eny, ny fahadiovan'ny tananao no hamonjena azy.
— v. 23 : litt.: bâti.  
* *
Chapitre 23 Chapitre 23
1 Et Job répondit et dit : 1 [Ny teny navalin'i Joba] Dia namaly Joba ka nanao hoe:
2 Encore aujourd’hui ma plainte est amère, la main qui s’appesantit sur moi* est plus pesante que mon gémissement ! 2 Mbola atao ho fikomianao* ihany ny fitarainako; Ny tanana mamely ahy dia mitambesatra amin'ny fisentoako.[Na: mangidy]
3 Oh ! si je savais le trouver, et parvenir* là où il est assis ! 3 Enga anie ka ho fantatro izay hahitako Azy ka ho tonga any amin'ny fitoerany aza!
4 J’exposerais [ma] juste cause devant lui, et je remplirais ma bouche d’arguments ; 4 Dia handahatra ny teniko eo anatrehany aho. Ka hofenoiko ny teny alahatro ny vavako;
5 Je saurais les paroles qu’il me répondrait, et je comprendrais ce qu’il me dirait. 5 Ary hahalala izay teny havaliny ahy aho sy hamantatra izay holazainy amiko.
6 Contesterait-il avec moi dans la grandeur de sa force ? Non, mais il ferait attention à moi. 6 Hery lehibe va no handaharany teny amiko? Tsia, fa Izy indrindra no hihaino ahy
7 Là, un homme droit raisonnerait avec lui, et je serais délivré pour toujours de mon juge. 7 Fa amin'izany dia olona marina no ho nifandahatra taminy; Ka dia ho nanan-drariny mihitsy aho tamin'ny Mpitsara ahy.
8 Voici, je vais en avant, mais il n’y est pas ; et en arrière, mais je ne l’aperçois pas ; 8 Indro, miantsinanana aho, fa tsy any Izy; Ary miankandrefana aho, fa tsy hitako Izy;
9 À gauche, quand il y opère, mais je ne le discerne pas ; il se cache à droite*, et je ne le vois pas. 9 Mianavaratra amin'izay iasany aho, fa tsy tazako Izy; Mivily any atsimo Izy, ka tsy hitako.
10 Mais il connaît la voie que je suis ; il m’éprouve, je sortirai comme de l’or. 10 Fa mahalala ny lalana falehako Izy; Raha hizahany toetra aho, dia hivoaka tahaka ny volamena.
— v. 2 : litt.: ma main. — v. 3 : ou : je viendrais. — v. 9 : ou : vers l’orient,… l’occident,… le nord,… le midi.  
* *
11 Mon pied s’attache à ses pas ; j’ai gardé sa voie, et je n’en ai point dévié. 11 Ny tongotro nifikitra tamin'ny lalany; Eny, ny lalany no nizorako tsara, ka tsy nivily aho.
12 Je ne me suis pas retiré du commandement de ses lèvres ; j’ai serré [par devers moi] les paroles de sa bouche plus que le propos de mon propre cœur*. 12 Ny didin'ny molony tsy mba nialako; Ny tenin'ny vavany noraketiko mihoatra noho ny faniriako*.[Na: anjara-haniko]
13 Mais lui, il a une [pensée], et qui l’en fera revenir ? Ce que son âme désire, il le fait. 13 Nefa tsy miova saina Izy, iza no mahasakana Azy? Fa na inona na inona irin'ny fanahiny dia ataony.
14 Car il achèvera ce qui est déterminé pour moi ; et bien des choses semblables sont auprès de lui. 14 Eny, manatanteraka izay voatendry ho ahy Izy; Ary zavatra maro toy izany no ao aminy;
15 C’est pourquoi je suis terrifié devant sa face ; je considère, et je suis effrayé devant lui. 15 Roa Izany no mampangovitra ahy eo anatrehany; Raha misaintsaina izany aho, dia matahotra Azy.
16 Et *Dieu a fait défaillir mon cœur, et le Tout-puissant m’a frappé de terreur ; 16 Fa Andriamanitra no mandrerakany foko, ary ny Tsitoha no mampangovitra ahy;
17 Parce que je n’ai pas été anéanti devant les ténèbres, et qu’il ne m’a pas caché l’obscurité. 17 Fa tsy ny fahamaizinana no maharesy ahy, na ny maizim-pito izay manarona ny tavako*.[Na: Satria tsy nalaina aho, dieny tsy mbola avy ny maizina, Ary tsy nanafina ny maizim-pito amin'ny tavako Izy]
Chapitre 24 Chapitre 24
1 Pourquoi des temps ne sont-ils pas réservés par devers le Tout-puissant, et ceux qui le connaissent ne voient-ils pas ses jours ? 1 Nahoana no tsy misy fotoan'andro voatendrin'ny Tsitoha, ary nahoana no tsy hitan'ny mahalala Azy izany androny Izany?
— v. 12 : ou : plus que ce qui m’était donné pour ma propre portion.  
* *
2 Ils reculent les bornes, ils pillent le troupeau et le paissent ; 2 Misy mamindra fari-tany sy mangalatra omby aman'ondry sady miandry azy.
3 Ils emmènent l’âne des orphelins et prennent en gage le bœuf de la veuve ; 3 Mandroaka ny borikin'ny kamboty izy, ary maka ny ombin'ny mpitondratena ho tsatòka.
4 Ils détournent du chemin les pauvres ; les malheureux* de la terre se cachent ensemble : 4 Manosika ny mahantra hiala amin'ny lalana izy, ka dia miery azy avokoa ny malahelo amin'ny tany.
5 Voici, ânes sauvages dans le désert, ils sortent pour leur besogne dès le matin, pour chercher leur proie ; le désert leur [fournit] le pain pour leurs* enfants ; 5 Indro, tahaka ny fivoaky ny boriki-dia any an-efitra no fivoak'ireny ho amin'ny asany hiremby; Ny tani-hay no ahazoany hanina ho an'ny zanany.
6 Ils moissonnent le* fourrage dans les champs, ils grappillent la vigne du méchant ; 6 Any an-tsaha izy maka vilona sy mitsimpontsimpona ny voaloboky ny ratsy fanahy.
7 Ils passent la nuit tout nus, sans vêtement, et n’ont pas de couverture par le froid ; 7 Mandry mitanjaka amin'ny alina izy, satria tsy manan-damba, ka dia tsy manana firakotra amin'ny hatsiaka;
8 Ils sont trempés par les averses des montagnes, et, sans refuge, ils se serrent contre le rocher…. 8 Kotsan'ny ranonoram-baratra any an-tendrombohitra izy, ka mitampisaka amin'ny vatolampy, fa tsy manam-pialofana.
9 Ils arrachent de la mamelle l’orphelin, et [de la main] des pauvres ils prennent des gages* : 9 Misarika ny kamboty eo am-pinonoana izy ary maka tsatòka amin'ny ory.
10 Ceux-ci vont nus, sans vêtement, et, affamés, ils portent la gerbe ; 10 Mandeha mitsaitsaika ireo, fa mitanjaka tsy manan-kitafy, ary noana eo am-pitondrana ny amboaram-bary.
11 Entre leurs murailles ils font de l’huile, ils foulent le pressoir, et ont soif. 11 Manao diloilo eo anatin'ny tambohon'ny mpampahory azy* izy; Ary manosihosy ny famiazam-boaloboka izy, nefa mangetaheta ihany.[Heb. tambohon'ireny]
12 Des villes sortent les soupirs des mourants, et l’âme des blessés à mort crie, et #Dieu n’impute pas l’indignité [qui se commet]. 12 Mitrona ny lehilahy ao an-tanana, ary mitaraina ny fanahin'ny voalefona; Nefa tsy ahoan'Andriamanitra akory ny ratsy atao.
13 D’autres sont ennemis de la lumière, ils ne connaissent pas ses voies et ne demeurent pas dans ses sentiers. 13 Ireny no mpikomy amin'ny mazava; Tsy mba mihevitra ny lalany izy, na mitoetra eo amin'ny alehany.
14 Le meurtrier se lève avec la lumière, il tue le malheureux et le pauvre, et la nuit il est comme le voleur. 14 Raha vao mangiran-dratsy, dia mifoha ny mpamono olona; Mamono ny ory sy ny malahelo izy, ary nony alina, dia tahaka ny mpangalatra.
15 L’œil aussi de l’adultère guette le crépuscule, en disant : Aucun œil ne m’apercevra ; et il met un voile sur son visage. 15 Ny mason'ny mpijangajanga miandry ny maizimaizina, ka hoy izy: Tsy misy hahalala ahy ka dia manao very maso izy.
16 Dans les ténèbres ils percent les maisons, de jour ils s’enferment* ; ils ne connaissent pas la lumière ; 16 Misy manamy trano nony maizina; Nefa nony antoandro dia miery izy; Tsy mahalala ny mazava izy;
17 Car le matin est pour eux tous l’ombre de la mort, car ils connaissent les terreurs de l’ombre de la mort. 17 Fa ny aizim-pito* no marainan'ireo rehetra ireo; Satria efa mahazatra azy ny fampahatahoran'ny aizim-pito* izy.[Heb. aloky ny fahafatesana]
18 Ils sont rapides sur la face des eaux*, leur part est maudite sur la terre ; ils ne se tournent pas vers les vignes. 18 Mitsinkafona paohin'ny rano izy; Voaozona ny anjarany eo amin'ny tany; Tsy mivily ho amin'ny lalana mankeny amin'ny tanim-boaloboka izy.
19 La sécheresse et la chaleur emportent l’eau de neige ; ainsi le shéol fait-il de ceux qui ont péché. 19 Toy ny andevonan'ny maina sy ny mafana ny ranom-panala no andevonan'ny fiainan-tsi-hita* ny mpanota.[Heb. Sheola]
20 Le sein maternel les oublie ; les vers se repaissent d’eux ; on ne se souvient plus d’eux : l’iniquité sera brisée comme du bois ! 20 Manadino azy ny vohoka; manjary hanim-py ho an'ny olitra izy ka tsy tsarovana intsony; Ary tapaka tahaka ny hazo ny ratsy fanahy*,[Heb. faharatsiana]
21 Ils dépouillent la femme stérile qui n’enfante pas, et ils ne font pas de bien à la veuve. 21 Dia ilay nandroba ny momba izay tsy niteraka ary tsy nanisy soa ny mpitondratena.
22 Et par leur force ils traînent* les puissants ; ils se lèvent et on n’est plus sûr de sa vie. 22 Kanefa halavain'Andriamanitra amin'ny heriny ny andron'ny olo-mahery; Mitsangana indray ireo, na dia tsy nanampo izay ho velona intsony aza.
23 [Dieu] leur donne la sécurité, et ils s’appuient sur elle ; mais il a ses yeux sur leurs voies. 23 Ataony mandry fahizay sy tsara tohana izy, sady tsinjoviny mandrakariva ny lalany.
24 Ils sont élevés : dans peu, ils ne sont plus ; ils défaillent, et sont recueillis comme tous ; ils sont coupés comme la tête d’un épi. 24 Nasandratra izy, kanjo vetivety dia tsy ao intsony, dia mihalevona izy ka otazana tahaka ny olona rehetra, ary tangosana tahaka ny salohim-bary.
25 Et si cela n’est pas, qui me fera menteur et réduira mon discours à néant ? 25 Raha tsy izany, dia aoka hisy hamaky lainga ahy ka hampiseho ny teniko ho tsinontsinona.
— v. 4 : ailleurs souvent : affligés. — v. 5 : litt.: [et] aux. — v. 6 : litt.: leur, celui des champs. — v. 9 : quelques-uns : et ils prennent en gage ce qui est sur les pauvres ; voir Exode 22:26-27. — v. 16 : quelques-uns : qu’ils ont marquées de jour. — v. 18 : c. à d. emportés comme l’est par les vagues un objet qui surnage. — v. 22 : ou : par sa force, il traîne ; quelques-uns l’appliquent à Dieu.  
* *
Chapitre 25 Chapitre 25
1 Et Bildad, le Shukhite, répondit et dit : 1 [Ny teny fanintelony nataon'i Bilidada] Dia namaly Bildada Sohita ka nanao hoe.
2 La domination et la terreur sont avec lui ; il fait la paix dans ses hauts lieux. 2 Fanapahana sy fampahatahorana no ao aminy, manao fihavanana any amin'ny avo Izy.
3 Peut-on dénombrer ses troupes ? et sur qui sa lumière ne se lève-t-elle pas ? 3 Azo isaina va ny miaramilany? Ary fahazavan'iza no tsy ihoaran'ny Azy*? [Na: Amin'iza no tsy iposahan'ny fahazavany?]
4 Et comment l’homme sera-t-il juste devant *Dieu, et comment serait pur celui qui est né de femme ? 4 Ary aiza no hahamarina ny zanak'olombelona eo anatrehan'Andriamanitra? Ary aiza no hadio izay tera-behivavy?
5 Voici, la lune même ne brille pas, et les étoiles ne sont pas pures à ses yeux : 5 Indro, ny volana aza tsy mangarangarana, ary ny kintana aza tsy madio eo imasony;
6 Combien moins l’homme, un ver, et le fils de l’homme, un vermisseau ! 6 Koa mainka fa ny olombelona, izay kankana, ary ny zanak'olombelona, izay olitra.
* *
Chapitre 26 Chapitre 26
1 Et Job répondit et dit : 1 [Ny teny navalin'i Joba] Dia namaly Joba ka nanao hoe:
2 Comme tu as aidé celui qui n’avait pas de puissance ! Comme tu as délivré le bras qui était sans force ! 2 Endrey! nanohana ny tsy manan-kery ianao sy nampahatanjaka ny sandry malemy!
3 Quel conseil tu as donné à celui qui n’avait pas de sagesse ! et quelle abondance d’intelligence tu as montrée ! 3 Ary nanolo-tsaina ny tsy hendry sy nampahafantatra izay fahendrena betsaka!
4 Pour qui as-tu prononcé des paroles, et de qui est le souffle qui est sorti de toi ? 4 Iza no nandaharanao teny? Ary fanahin'izay no nivoaka avy tao aminao?
5 Les trépassés tremblent au-dessous des eaux et de ceux qui les habitent. 5 Ny matoatoa dia ampanaintainina Any ambanin'ny rano sy any ambanin'ny mponina any.
6 Le shéol est à nu devant lui, et l’abîme* n’a pas de voile. 6 Ny fiainan-tsi-hita* miharihary eo anatrehany, ary ny fandringanana dia tsy mirakotra.[Heb. Sheola]
7 Il étend le nord sur le vide, il suspend la terre sur le néant. 7 Mamelatra ny lanitra avaratra ho eny ambonin'ny habakabaka Izy ary manantona ny tany amin'ny tsy misy.
8 Il serre les eaux dans ses nuages, et la nuée ne se fend pas sous elles ; 8 Fonosiny amin'ireo rahony matevina ny rano, nefa ny fanambanin'ny rahona tsy mety triatra.
9 Il couvre la face de son trône et étend ses nuées par-dessus. 9 Manakona ny seza fiandrianany tsy ho hitantsika Izy amin'ny amelarany ny rahony hanarona azy.
10 Il a tracé un cercle fixe sur la face des eaux, jusqu’à la limite extrême où la lumière confine aux ténèbres. 10 Asiany faritra manodidina eny ambonin'ny rano. Hatramin'izay ihaonan'ny mazava sy ny maizina.
11 Les colonnes des cieux branlent et s’étonnent à sa menace. 11 Ny andrin'ny lanitra nihozongozona sady ankona amin'ny teny mafy ataony.
12 Il soulève* la mer par sa puissance, et, par son intelligence, il brise Rahab**. 12 Ny heriny no entiny mampanonja ny ranomasina, ary ny fahendreny no anorotoroany an-dRahaba*; [Izahao ix. 13]
13 Par son Esprit le ciel est beau ; sa main a formé* le serpent fuyard. 13 Ny fanahiny no mahatsara tarehy ny lanitra; Ny tànany no nitomboka ny menarana mandositra.
14 Voici, ces choses sont les bords de ses voies, et combien faible est le murmure que nous en avons entendu* ! Et le tonnerre de sa force, qui peut le comprendre ? 14 Indro, ireny dia vao ny sisintsisin'ny alehany ihany aza, ary siosion-teny mamelovelo no andrenesantsika Azy; Fa raha ny fikotrokotroky ny heriny, iza moa no mahatakatra izany?
— v. 6 : proprement : destruction ; hébreu : abaddon ; comparer 28:22. — v. 12* : quelques-uns : apaise. — v. 12** : ici : monstre marin ; ou : son insolence. — v. 13 : ou : transpercé. — v. 14 : ou : nous avons entendu de lui.  
Chapitre 27 Chapitre 27
1 Et Job reprit son discours sentencieux et dit : 1 Dia mbola nandroso nanao oha-teny ihany Joba ka nanao hoe:
2 *Dieu qui a écarté mon droit, le Tout-puissant qui met l’amertume dans mon âme, est vivant : 2 Raha velona koa Andriamanitra, Izay efa nandà tsy hanome ahy ny rariny, sy ny Tsitoha, Izay efa nampangidy ny aiko.
3 Tant que mon souffle est en moi et l’esprit de #Dieu dans mes narines, 3 Fa mbola ato anatiko ihany ny aiko, ary eo am-bavoroko ny Fanahin'Andriamanitra.
4 Mes lèvres ne diront pas d’iniquité, et ma langue ne prononcera pas de fausseté. 4 Dia tsy hanao teny tsy marina ny molotro, ary tsy hanonom-pitaka ny lelako.
5 Loin de moi que je vous justifie ! Jusqu’à ce que j’expire, je ne lâcherai pas ma perfection* ; 5 Sanatria raha hanaiky ny anareo ho marina aho! Mandra-pialan'ny aiko dia tsy hanaiky ny tenako ho manan-tsiny aho.
6 Je tiendrai ferme ma justice et je n’en ferai pas abandon ; mon cœur ne me reproche aucun de mes jours. 6 Ny fahamarinako dia hazoniko mafy ka tsy ho foiko; Ny foko tsy manome tsiny ahy akory na dia ny amin'ny androko iray monja aza.
7 Que mon ennemi soit comme le méchant, et celui qui s’élève contre moi comme l’inique ! 7 Aoka ho hita fa ratsy fanahy ny fahavaloko, ary tsy marina izay mitsangana hanohitra ahy.
8 Car quelle est l’espérance de l’impie quand [Dieu le] retranche*, quand #Dieu retire** son âme ? 8 Fa inona no fanantenan'ny mpihatsaravelatsihy,44 raha maito ny ainy, ka* tsoahan'Andriamanitra ny fanahiny? [Na: Fa inona no fanantenan'ny mpihatsaravelatsihy, na dia mahazo harena be aza. Raha, etc]
9 *Dieu entendra-t-il son cri quand la détresse viendra sur lui ? 9 Hihaino ny fitarainany va Andriamanitra, raha ozoim-pahoriana izy?
10 Trouvera-t-il ses délices dans le Tout-puissant ? Invoquera-t-il #Dieu en tout temps ? 10 Ho azony hiravoravoana va ny Tsitoha? Hahazo miantso an'Andriamanitra mandrakariva va izy?
— v. 5 : plutôt : irréprochabilité. — v. 8* : ou : quand il se sera enrichi par la rapine. — v. 8** : ou : met à l’aise.  
* *
11 Je vous enseignerai comment *Dieu agit*, je ne cacherai pas ce qui est par devers le Tout-puissant. 11 Hampianatra anareo ny amin'ny tànan'Andriamanitra aho, ary tsy hisorona anareo aho ny amin'ny hevitry ny Tsitoha.
12 Voici, vous-mêmes, vous l’avez tous vu : et pourquoi entretenez-vous ces vaines pensées ? 12 Indreo, ianareo rehetra samy efa nahita izany; Koa nahoana ianareo no manao hevi-poana?
13 Voici quelle est, par devers *Dieu, la part de l’homme méchant et l’héritage que les violents reçoivent du Tout-puissant : 13 Izao no anjaran'ny ratsy fanahy avy amin'Andriamanitra, sy lovan'ny lozabe raisiny avy amin'ny Tsitoha:
14 Si ses fils se multiplient, c’est pour l’épée, et ses descendants ne sont pas rassasiés de pain. 14 Na dia mihamaro aza ny zanany, dia ho an'ny sabatra ihany ireny. Ary ny zaza aterany tsy ho voky hanina;
15 Ceux qui restent après lui seront enterrés dans* la mort, et ses veuves ne pleureront pas. 15 Ny ankohonany sisa dia hasitrik'Ifahafatesana*, ary tsy hisaona azy ny mpitondratenany;[Na: halevina noho ny areti-mandringana]
16 S’il entasse l’argent comme la poussière et se prépare des vêtements comme de la boue, 16 Na dia mahary volafotsy hoatra ny vovoka aza izy ary mahangona fitafiana hoatra ny fotaka,
17 Il se les prépare, mais le juste s’en vêtira ; et l’argent, c’est l’innocent qui se le partagera. 17 Eny, manangona ihany izy, nefa ny marina no hitafy izany, ary ny tsy manan-tsiny no hizara ny volafotsy;
18 Il a bâti sa maison comme la teigne, comme une cabane que fait celui qui garde [les vignes]. 18 Manao ny tranony tahaka ny an'ny lolofotsy izy, ary tahaka ny trano rantsan-kazo ataon'ny mpiandry voly;
19 Il se couche riche, et il ne le refera pas* ; il ouvre ses yeux, et il n’est plus. 19 Ao avokoa ihany ny hareny, raha vao mandry izy; Nefa nony ahirany ny masony, dia tsy ao intsony ireny.
20 Les frayeurs le surprennent comme des eaux ; l’ouragan l’emporte de nuit ; 20 Ny fampahatahorana mahatratra azy tahaka ny riaka: Nony alina paohin'ny tafio-drivotra izy;
21 Le vent d’orient l’enlève, et il s’en va, et dans un tourbillon il l’emporte de son lieu. 21 Ny rivotra avy any atsinanana mampiainga sy mahalasa azy ka mipaoka azy hiala amin'ny fitoerany;
22 [Dieu] lance [ses dards] sur lui et ne l’épargne pas ; il voudrait fuir loin de sa main. 22 Asian*'Andriamanitra izy ka tsy iantrany, ary mandositra dia mandositra ho afaka amin'ny tànany izy;[Heb. Torahan', na Tifirin']
23 On battra des mains sur lui, et on le chassera de son lieu avec des sifflements. 23 Tehafin'ny olona tanana izy sady isitrisirany ka ampialainy amin'ny fonenany*.[Na: Ary ny miray monina aminy aza misitrisitra azy]
— v. 11 : litt.: quant à la main de *Dieu. — v. 15 : ou : par. — v. 19 : selon d’autres : il n’est pas recueilli.  
Chapitre 28 Chapitre 28
1 Oui*, il y a pour l’argent [un endroit] d’où on le tire, et un lieu pour l’or qu’on affine ; 1 Fa misy tany fihadiana volafotsy, ary misy tany fahazoana volamena, izay diovina.
2 Le fer se tire de la poussière, et la pierre fondue donne le cuivre. 2 Ny vy dia alaina avy amin'ny tany, ary ny varahina arendrika avy amin'ny vato.
3 [L’homme] met fin aux ténèbres et explore jusqu’à l’extrémité de tout, la pierre d’obscurité et de l’ombre de la mort. 3 Ny mpihady vola mampisava ny maizina ka mizaha hatramin'ny faran'ny zavatra rehetra ao, dia ny vaton'ny aizim-pito sy ny aloky ny fahafatesana;
4 On creuse un puits loin de ceux qui séjournent [sur la terre] ; oubliés du pied [de l’homme], ils sont suspendus, balancés loin des humains. 4 Mihady lavaka mihalavitra amin'izay itoeran'olona izy ka tsy ampoizin'ny tongotra akory, ary mihantona sy mitsingevaheva any ambany lavitra ny olona izy.
5 La terre,… d’elle sort le pain ; et au-dessous, elle est bouleversée comme par le feu. 5 Ny tany no ihavian'ny hanina; Ary ny ao ambaniny dia avadika tahaka ny afo.
6 Ses pierres sont le lieu du saphir, et la poussière d’or s’y trouve. 6 Fitoeran'ny safira ny vatony, ary misy akoram-bolamena ao aminy
7 C’est un sentier que l’oiseau de proie ne connaît pas, et que l’œil du vautour n’a pas aperçu ; 7 Làlana tsy fantatry ny vorona mpihaza ary tsy hitan'ny mason'ny voromahery,
8 La bête fauve* ne l’a pas foulé, le lion** ne l’a pas traversé. 8 Sady tsy nodiavin'ny zanaky ny bibi-dia ary tsy mba nalehan'ny liona masiaka.
9 [L’homme] porte sa main sur le roc dur, il renverse les montagnes depuis la racine ; 9 Maninjitra ny tànany amin'ny vatokaranana ireo ary mamadika ny tendrombohitra hatramin'ny fotony;
10 Il creuse des canaux dans les rochers ; et son œil voit tout ce qui est précieux ; 10 Ny vatolampy tatahany hatao lalan-drano, ary izay zava-tsoa rehetra dia hitan'ny masony avokoa.
11 Il enserre les fleuves pour qu’ils ne suintent pas ; et il produit à la lumière les choses cachées. 11 Tampenany ny lalan-drano mba tsy hisy mitete. Ary izay zava-miafina dia avoakany ho amin'ny mazava.
— v. 1 : ou : Car. — v. 8* : litt.: Les fils de l’orgueil. — v. 8** : litt.: comme d’autres passages : le rugissant.  
* *
12 Mais la sagesse, où la trouvera-t-on ? et où est le lieu de l’intelligence ? 12 Fa aiza kosa no hahitana ny fahendrena? ary aiza no fitoeran'ny fahalalana?
13 Aucun mortel n’en connaît le prix, et elle ne se trouve pas sur la terre des vivants. 13 Tsy misy zanak'olombelona mahalala ny vidiny, ary tsy hita eo amin'ny tanin'ny velona izy.
14 L’abîme dit : Elle n’est pas en moi ; et la mer dit : Elle n’est pas chez moi. 14 Hoy ny lalina: Tsy ato anatiko izy; Ary, tsy ato amiko izy, hoy ny ranomasina.
15 Elle ne s’échange pas contre de l’or pur, et l’argent ne se pèse pas pour l’acheter. 15 Ny volamena tsara tsy mahatakalo azy, ary ny volafotsy tsy azo lanjaina ho vidiny;
16 On ne la met pas dans la balance avec l’or d’Ophir, avec l’onyx précieux et le saphir. 16 Ny volamena avy any Ofira tsy ampy ho tombany, na ny beryla saro-bidy sy ny safira aza.
17 On ne peut lui comparer ni l’or ni le verre*, ni l’échanger contre un vase d’or fin. 17 Ny volamena sy ny fitaratra tsy azo ampitahaina aminy, ary tsy azo takalozana firavaka tena volamena izy.
18 [À côté d’elle] le corail et le cristal ne viennent pas dans la mémoire ; et la possession de la sagesse vaut mieux que les perles*. 18 Tsy tokony hotsaroana akory ny voahangy sy ny vato krystaly, fa ny fahazoana fahendrena dia mihoatra noho ny voahangy.
19 La topaze d’Éthiopie ne lui est pas comparée, on ne la met pas dans la balance avec l’or pur. 19 Ny topaza avy any Etiopia dia tsy azo ampitahaina aminy, ary tsy mahatakalo azy ny tena volamena tsara
20 Mais la sagesse, d’où vient-elle ? et où est le lieu de l’intelligence ? 20 Dia avy aiza ary ny fahendrena? Ary aiza no fitoeran'ny fahalalana?
21 Elle est voilée aux yeux de tous les vivants, et elle est cachée aux oiseaux des cieux. 21 Miafina amin'ny mason'ny velona rehetra izany ary takona amin'ny voro-manidina.
22 La destruction et la mort disent : De nos oreilles nous en avons entendu la rumeur. 22 Hoy Abadona* sy Ifahafatesana: Ny sofinay ihany no nandrenesany ny filazana azy.[Abadona = Fandringanana]
23 Dieu comprend son chemin, et lui, il connaît son lieu. 23 Andriamanitra ihany no mahalala ny lalana ho any aminy, ary Izy no mahafantatra ny itoerany;
24 Car lui, voit jusqu’aux bouts de la terre : sa vue s’étend sous tous les cieux. 24 Fa Izy no mitsinjo hatramin'ny faran'ny tany ary mahatazana manerana izao ambanin'ny lanitra rehetra izao,
25 Quand il fixait au vent sa pesanteur, et qu’il établissait les eaux selon leur mesure ; 25 Ka manendry ny lanjan'ny rivotra ary mamatra ny rano amin'ny famarana.
26 Quand il faisait une loi pour la pluie, et un chemin pour le sillon de la foudre : 26 Raha nanao lalana ho an'ny ranonorana Izy sy lalana halehan'ny helatry ny kotrokorana,
27 Alors il la vit et la manifesta ; il l’établit, et il la sonda aussi ; 27 Dia nahita ka nanambara azy Izy; Eny, nanorina azy Izy sady namantatra azy;
28 Et il dit à l’homme : Voici, la crainte du Seigneur, c’est là la sagesse, et se retirer du mal est l’intelligence. 28 Dia hoy Izy tamin'ny olona: Indro, ny fahatahorana ny Tompo no fahendrena. Ary ny fialàna amin'ny ratsy no fahalalana.
— v. 17 : ou : cristal. — v. 18 : un autre : corail (?), ou : rubis.  
Chapitre 29 Chapitre 29
1 Et Job reprit son discours sentencieux et dit : 1 Dia mbola nandroso nanao oha-teny ihany Joba ka nanao hoe:
2 Oh ! que ne suis-je comme aux mois d’autrefois, comme aux jours où #Dieu me gardait ; 2 Enga anie ka ho tahaka ny tamin'ireny volana lasa ireny aho! Dia tahaka ilay tamin'ny andro niarovan'Andriamanitra ahy!
3 Quand sa clarté* luisait sur ma tête, et que dans les ténèbres je marchais à sa lumière ; 3 Fony mbola nazava teo ambonin'ny lohako ny jirony, ary ny fahazavany no nandehanako tao amin'ny maizina;
4 Comme j’étais aux jours de mon automne*, quand le conseil secret de #Dieu présidait sur ma tente ; 4 Eny, tahaka ny toetro fony aho mbola fararano, raha niseho teo ambonin'ny laiko ny fisakaizan'Andriamanitra;
5 Quand le Tout-puissant était encore avec moi, [et] que mes jeunes gens m’entouraient ; 5 Fony mbola tao amiko ny Tsitoha, Ary nanodidina ahy ny zanako*;[Na: ny ankizilahiko]
6 Quand je lavais mes pas dans le caillé*, et que le rocher versait auprès de moi des ruisseaux d’huile ! — 6 Fony mbola nanasa ny tongotro tamin'ny rononomandry aho, ary ny vatolampy namoaka renirano diloilo teo amiko;
7 Quand je sortais [pour aller] à la porte par la ville, quand je préparais mon siège sur la place : 7 Raha niainga niakatra ho eo amin'ny vavahadin'ny tanàna aho ka nametraka ny fipetrahako teo ankalalahana,
8 Les jeunes gens me voyaient et se cachaient, et les vieillards se levaient [et] se tenaient debout ; 8 Dia nahita ahy ny zatovo ka niampirimpirina; Ary niainga ny fotsy volo, dia nijoro;
9 Les princes s’abstenaient de parler et mettaient la main sur leur bouche, 9 Nangina tsy niteny ny lehibe ka nitampim-bava;
10 La voix des nobles s’éteignait*, et leur langue se collait à leur palais. 10 Tsy sahy niteny ny mpanapaka, ary ny lelany niraikitra tamin'ny lanilaniny.
11 Quand l’oreille m’entendait, elle m’appelait bienheureux ; quand l’œil me voyait, il me rendait témoignage ; 11 Izay sofina nandre dia nanao ahy hoe sambatra; Ary Izay maso nahita dia vavolombelona ho ahy,
12 Car je délivrais le malheureux qui implorait du secours, et l’orphelin qui était sans aide. 12 Satria namonjy ny ory izay nitaraina aho sy ny kamboty izay tsy nanan-kamonjy.
13 La bénédiction de celui qui périssait venait sur moi, et je faisais chanter de joie le cœur de la veuve. 13 Ny fisaoran'izay efa ho faty dia tonga tamiko; Ary ny fon'ny mpitondratena nampifaliko*.[Heb. nampihobiko]
14 Je me vêtais de la justice, et elle me revêtait* ; ma droiture m’était comme un manteau** et un turban. 14 Nitafy fahamarinana aho, ka mba nitafy ahy kosa izy; Eny, tahaka ny lamba sy ny hamama ny rariny izay nananako.
15 J’étais, moi, les yeux de l’aveugle et les pieds du boiteux ; 15 Efa maso ho an'ny jamba aho ary tongotra ho an'ny mandringa.
16 J’étais un père pour les pauvres, et j’examinais la cause de celui qui m’était inconnu ; 16 Efa ray ho an'ny malahelo aho, ary ny adin'ny olona tsy fantatro aza nodinihiko.
17 Et je brisais la mâchoire de l’inique, et d’entre ses dents j’arrachais la proie. 17 Namaky ny nifin'ny ratsy fanahy aho ka nandrombaka ny babo teo am-bavany
18 Et je disais : J’expirerai dans mon nid, et mes jours seront nombreux comme le sable ; 18 Dia hoy izaho: Eo amin'ny akaniko ihany no hialako aina, ary hanamaro ny androko toy ny fasika aho.
19 Ma racine sera ouverte aux eaux, et la rosée séjournera sur ma branche ; 19 Ny fakako ho azon'ny rano, ary ny ando hitoetra amin'ny sampako mandritra ny alina.
20 Ma gloire [restera] toujours nouvelle avec moi, et mon arc rajeunira dans ma main. 20 Ho vaovao amiko lalandava ny voninahitro, ary ny tsipikako hihahenjana eny an-tanako.
21 On m’écoutait et on attendait, et on se taisait pour [avoir] mon conseil ; 21 Nihaino ahy ny olona, dia niandry, ka nangina tamin'ny fanolorako saina izy.
22 Après que j’avais parlé on ne répliquait pas, et mon discours distillait sur eux ; 22 Rehefa niteny aho, dia tsy mba namaly intsony izy; ary nitetevan'ny teniko izy.
23 Et on m’attendait comme la pluie, et on ouvrait la bouche [comme] pour la pluie de la dernière saison. 23 Niandry ahy toy ny fiandry ny ranonorana izy ary nitanatana vava toy ny fiandry ny fara-orana.
24 Si je leur souriais, ils ne le croyaient pas*, et ils ne troublaient pas la sérénité de ma face. 24 Raha nisy nila ho ketraka, dia mbola niseho miramirana taminy ihany ny tarehiko, ary tsy nahamaloka ny fahazavan'ny tavako ireo.
25 Je choisissais pour eux le chemin et je m’asseyais à leur tête, et je demeurais comme un roi au milieu d’une troupe, comme quelqu’un qui console les affligés. 25 Nifidy ny lalan-kalehany aho ka nipetraka ho lohany, eny, nitoetra toy ny mpanjaka teo amin'ny miaramila sy toy ny mpampionona ny misaona aho.
— v. 3 : litt.: lampe. — v. 4 : peut-être : ma jeunesse ; c’était le commencement de l’année civile. — v. 6 : ou : beurre. — v. 10 : litt.: se cachait. — v. 14* : c. à d. me couvrait comme un [vêtement]. — v. 14** : ailleurs : robe ; c’est le large vêtement extérieur des orientaux. — v. 24 : quelques-uns : Je leur souriais quand ils étaient sans courage.  
Chapitre 30 Chapitre 30
1 Et maintenant, ceux qui sont plus jeunes que moi se moquent de moi, ceux dont j’aurais dédaigné de mettre les pères avec les chiens de mon troupeau. 1 Fa ankehitriny kosa dia mihomehy ahy na dia izay tokon-jandriko aza, dia zanak'ireo izay nolaviko tsy ho isan'ny amboa miandry ny ondriko akory aza.
2 Même à quoi m’aurait servi la force de leurs mains ? La vigueur est périe pour eux. 2 Eny, mampaninona ahy ny herin'ny tànan'ireo. Izay efa very fahatanjahana?
3 Desséchés par la disette et la faim, ils s’enfuient dans* les lieux arides, dès longtemps désolés et déserts ; 3 Manjenjena* noho ny tsi-fisian-kanina sy ny mosary izy; Homankomana foana any an-tany karankaina izy, dia eo an-katoky ny loza sy ny fandringanana.[Na: Ana, na Kaozatra, na Tsy manan-janaka]
4 Ils cueillent le pourpier de mer parmi les broussailles, et, pour leur pain, la racine des genêts. 4 Mitsongo anambodihena eo amin'ny kirihitrala izy, ary ny fakan'ny anjavidy* no fihinany.[Heb. rotema; izahao 1 Mpan. xix. 4]
5 Ils sont chassés du milieu [des hommes], (on crie après eux comme après un voleur,) 5 Roahina tsy ho eo amin'ny olona izy sady akoraina toy ny mpangalatra.
6 Pour demeurer dans des gorges affreuses, dans les trous de la terre et des rochers* ; 6 Any an-dohasaha mahatsiravina no tsy maintsy itoerany, dia ao an-dava-tany sy an-dava-bato.
7 Ils hurlent parmi les broussailles, ils se rassemblent sous les ronces : 7 Minananana eny amin'ny kirihitrala izy ary mitangorona eo ambanin'ny amiana.
8 Fils d’insensés, et fils de gens sans nom, ils sont chassés du pays. 8 Zanaky ny adala izy sady zanaky ny tsy manan-kaja, ka roahina tsy ho eo amin'ny tany.
9 Et maintenant, je suis leur chanson et je suis le sujet de leur entretien. 9 Ary ankehitriny efa ataony an-kira aho. Eny, efa ambentinteniny aho.
10 Ils m’ont en horreur, ils se tiennent loin de moi, et n’épargnent pas à ma face les crachats ; 10 Ataony toy ny zava-betaveta aho ka halaviriny, ary tsy menatra handrora ny tavako izy.
11 Car Il a délié ma corde et m’a affligé : ils ont jeté loin [tout] frein devant moi. 11 Fa noketrahin'Andriamanitra ny kofehiko, ka nampietreny aho; Ka dia mba nesorin'iretsy kosa teo anatrehako ny lamboridiny.
12 Cette jeune engeance se lève à ma droite ; ils poussent mes pieds et préparent contre moi leur chemin pernicieux ; 12 Misy androvolahy mitsangana eo ankavanako; Manosika ny tongotro hiala izy ary manandratra tovon-tany hampidirany loza amiko.
13 Ils détruisent mon sentier, ils contribuent à ma calamité, sans que personne leur vienne en aide ; 13 Mandrava ny lalako sy manararaotra ny andravana ahy izy, nefa ny tenany tsy manan-kamonjy,
14 Ils viennent comme par une large brèche, ils se précipitent* au milieu du fracas. 14 Toy ny fiditra eo amin'ny banga lehibe no fihaviny, ka avy ao amin'ny voarava no imaonany*.[Na: Raha mbola miezinezina, dia mimaona izy]
15 Des terreurs m’assaillent, elles poursuivent ma gloire comme le vent, et mon état de sûreté est passé comme une nuée. 15 Voatodika hamely ahy ny fampitahorana: Manenjika ny voninahitro tahaka ny rivotra izy, ka levona tahaka ny rahona ny famonjena ahy
16 Et maintenant, mon âme se répand en moi : les jours d’affliction m’ont saisi. 16 Ary ankehitriny, raraka ato anatiko ny fanahiko. Fenjàn'ny andro fahoriana aho.
17 La nuit perce mes os [et les détache] de dessus moi, et ceux qui me rongent* ne dorment pas ; 17 Ny alina mampahalò* ny taolako ho afaka amiko, ary tsy mitsahatra ireo manotahota ahy ireo.[Heb. manindrona]
18 Par leur grande force ils deviennent mon vêtement ; ils me serrent comme le collet de ma tunique. 18 Noho ny haben'ny hery dia tonga tsy antonona ny akanjoko, manenda ahy tahaka ny vozon-dobaka izany.
19 Il m’a jeté dans la boue, et je suis devenu comme la poussière et la cendre. 19 Eny, nanary ahy teo amin'ny fotaka Izy, ka efa tahaka ny vovoka sy ny lavenona aho
— v. 3 : d’autres : broutent. — v. 6 : ou : dans les rochers. — v. 14 : litt.: se roulent. — v. 17 : c. à d. mes maux (douleurs).  
* *
20 Je crie à toi, et tu ne me réponds pas ; je me tiens là, et tu me regardes ! 20 Mitaraina aminao aho, nefa tsy mihaino ahy Hianao; Mijoro eo aho, nefa ierenao foana.
21 Tu t’es changé pour moi en [ennemi] cruel ; tu me poursuis avec la force de ta main. 21 Efa manjary lozabe amiko Hianao; Ny herin'ny tananao no andrafianao ahy.
22 Tu m’enlèves sur le vent, tu fais qu’il m’emporte, et tu dissous ma substance*. 22 Aingainao ho eny amin'ny rivotra aho ka alefanao handeha, ary levoninao amin'ny tafio-drivotra mifofofofo ho tsinontsinona aho.
23 Car je sais que tu m’amènes à la mort, la maison de rassemblement de tous les vivants. 23 Fa fantatro fa hampodinao any amin'ny fahafatesana aho, dia any amin'ny trano fivorian'ny olombelona rehetra.
24 Toutefois, dans sa ruine, n’étend-il pas la main, et, dans sa calamité, ne jette-t-il pas un cri [de détresse] * ? 24 Kanefa tsy manainga ny tànany va ny olona, raha ianjeran'ny rava*? Ary tsy mitaraina va izy, raha tratry ny loza? [Na: raha mila ho potraka izy]
25 N’ai-je pas pleuré sur celui pour qui les temps étaient durs, et mon âme n’a-t-elle pas été attristée pour le pauvre ? 25 Tsy nitomany ny ory va aho? Tsy nangorakoraka ny malahelo va ny fanahiko?
26 Car j’attendais le bien, et le mal est arrivé ; je comptais sur la lumière, et l’obscurité est venue. 26 Fa niandry ny soa aho, kanjo tonga ny ratsy; Ary nanantena ny mazava aho, kanjo avy ny maizina.
27 Mes entrailles bouillonnent et ne cessent pas ; les jours d’affliction sont venus sur moi. 27 Nandevilevy ny tsinaiko ka tsy nanam-pitsaharana; Nitsena ahy ny andro fahoriana.
28 Je marche tout noirci, mais non par le soleil ; je me lève dans l’assemblée, je crie ; 28 Mitsaitsaika mitafy lamba fisaonana aho sady tsy mahita masoandro*; Mitsangana aho ka mitaraina eo ampivorian'ny olona.[Na: Efa mainty aho, fa tsy avy amin'ny hain'andro]
29 Je suis devenu le frère des chacals et le compagnon des autruches. 29 Rahalahin'ny amboadia* aho Ary naman'ny ostritsa.[Na: jakala]
30 Ma peau devient noire [et se détache] de dessus moi, et mes os sont brûlés par la sécheresse ; 30 Efa mainty ny hoditro sady miendakendaka, ary efa karankaina noho ny hafanana* ny taolako.[Heb. fahamainana]
31 Et ma harpe est changée en deuil, et mon chalumeau est devenu la voix des pleureurs. 31 Nanjary fisaonana ny lokangako. Ary feon'ny mitomany ny sodiko.
— v. 22 : ou : la tempête me dissout. — v. 24 : ou : Lorsque [Dieu] étend sa main, la prière n’est rien, quoiqu’ils crient dans la destruction qu’Il leur envoie.  
Chapitre 31 Chapitre 31
1 J’ai fait alliance avec mes yeux : et comment eussé-je arrêté mes regards sur une vierge ? 1 Efa nampanekeko ny masoko; Koa hataoko ahoana indray no fijery zazavavy*? [Heb. virijina]
2 Et quelle eût été d’en haut [ma] portion de la part de #Dieu, et, des hauts lieux, [mon] héritage de la part du Tout-puissant ? 2 Fa raha izany, dia inona no anjara avy amin'Andriamanitra any ambony. Sy lova avy amin'ny Tsitoha any amin'ny avo?
3 La calamité n’est-elle pas pour l’inique, et le malheur pour ceux qui pratiquent le mal ? 3 Moa tsy loza va no manjo ny ratsy fanahy? Ary tsy fahoriana va no mahazo ny mpanao ratsy?
4 Lui, ne voit-il pas mon chemin, et ne compte-t-il point tous mes pas ? 4 Moa tsy Andriamanitra* va no mijery ny lalako ka manisa ny diako rehetra? [Heb. Izy]
5 Si j’ai marché avec fausseté, si mes pieds se sont hâtés vers la fraude, 5 Raha tàhiny nandeha tamin'ny fitaka aho na niezaka tamin'ny fahafetsena.
6 Qu’il me pèse dans la balance de justice, et #Dieu reconnaîtra ma perfection*. 6 (Enga anie ka holanjain'Andriamanitra eo amin'ny mizanan'ny fahamarinana aho! Dia ho fantany ny tsi-fananako tsiny);
7 Si mon pas s’est détourné du chemin, et si mon cœur a suivi mes yeux, et si quelque souillure s’est attachée à ma main, 7 Raha tàhiny nivily niala tamin'ny lalana ny diako, na nanaraka ny masoko ny foko, na nisy tsiny niraikitra tamin'ny tanako:
8 Que je sème et qu’un autre mange, et que mes rejetons soient déracinés !… 8 Dia aoka hamafy aho, fa olon-kafa no hihinana, ary aoka ho fongotra izay amboleko.
9 Si mon cœur s’est laissé attirer vers une femme et que j’aie fait le guet à la porte de mon prochain, 9 Raha tahìny adala tamin'ny vadin'olona ny foko, ka namitsaka teo am-baravaran'ny namako aho,
10 Que ma femme tourne la meule pour un autre, et que d’autres se penchent sur elle ; 10 Dia aoka kosa ny vadiko halain*'ny sasany, ary aoka olon-kafa no handry aminy.[Na: hitoto ho an']
11 Car c’est là une infamie, et une iniquité punissable par les juges : 11 Fa fahavetavetana izany, eny, heloka tokony hotsarain'ny mpitsara;
12 Car c’est un feu qui dévore jusque dans l’abîme* et qui détruirait par la racine tout mon revenu,… 12 Fa afo mandevona hatrany amin'ny fandringanana izany ka hanongotra ny vokatro rehetra.
13 Si j’ai méprisé le droit de mon serviteur ou de ma servante quand ils contestaient avec moi, 13 Raha tàhiny aho nandà ny rariny izay an'ny ankizilahiko na ny ankizivaviko, raha nifamaly tamiko izy,
14 Que ferais-je quand *Dieu se lèverait ? et s’il me visitait, que lui répondrais-je ? 14 Dia inona no hataoko, raha hitsangana Andriamanitra? Ary ahoana no havaliko Azy, raha handinika Izy?
15 Celui qui m’a fait dans le sein de ma mère, ne les a-t-il pas faits [eux aussi], et un seul et même [Dieu] ne nous a-t-il pas formés dans la matrice ? … 15 Fa moa tsy Izay nanao ahy tany an-kibo ihany va no nanao azy koa? Ary tsy Iray ihany va no namorona anay tany am-bohoka?
16 Si j’ai refusé aux misérables leur désir, si j’ai fait défaillir les yeux de la veuve ; 16 Raha tàhiny aho nandà Izay nirin'ny malahelo ka nahapahina ny mason'ny mpitondratena,
17 Si j’ai mangé seul mon morceau, et que l’orphelin n’en ait pas mangé ; — 17 Na nihinana ny sombin-kaniko irery, ka tsy mba nihinanan'ny kamboty
18 Car dès ma jeunesse il m’a honoré comme un père, et dès le ventre de ma mère j’ai soutenu la [veuve] ; … 18 (Fa tsy izany, fa hatry ny fony mbola tanora aho, dia notezaina teo amiko tahaka ny zanaka ny kamboty, Ary nitondra ny mpitondratena hatrany an-kibon-dreniko aho);
19 Si j’ai vu quelqu’un périr faute de vêtement, et le pauvre manquer de couverture ; 19 Raha tàhiny aho nahita olona efa ho faty noho ny tsi-fananan-damba. Na malahelo tsy manan-kitafy,
20 Si ses reins ne m’ont pas béni, et qu’il ne se soit pas réchauffé avec la toison de mes agneaux ; 20 Koa tsy nankasitraka ahy ny tenany*, ary tsy nanafàna azy ny volon'ondriko;[Heb. valahany]
21 Si j’ai secoué ma main contre un orphelin, parce que je voyais mon appui dans la porte* : 21 Raha tahìny aho naninjitra ny tanako hampahory ny kamboty, saingy hitako fa nisy niandany tamiko teo am-bavahady:
22 Que mon épaule se démette de sa jointure, et que mon bras cassé se détache de l’os ! 22 Dia aoka ny foto-tsandriko hitsoaka hiala amin'ny rangomainako, eny, aoka ny sandriko ho latsaka hiala amin'ny taolam-panaviko.
23 Car la calamité de la part de *Dieu m’était une frayeur, et devant sa grandeur* je ne pouvais rien…. 23 Fa mampahatahotra ahy* ny loza avy amin'Andriamanitra, ka tsy mahavita na inona na inona aho noho ny fahalehibiazany.[Na: Fa hanjo ahy ny zava-mahatahotra, dia]
24 Si j’ai mis ma confiance dans l’or, si j’ai dit à l’or fin : C’est à toi que je me fie ; 24 Raha tàhiny aho nanao ny volamena ho fanantenako, na nanonona ny volamena tsara hoe: Ry tokiko ô;
25 Si je me suis réjoui de ce que mes biens étaient grands, et de ce que ma main avait beaucoup acquis ; 25 Raha tàhiny ho nifaly noho ny haben'ny fananako sy noho ny nahazoan'ny tanako harena betsaka;
26 Si j’ai vu le soleil* quand il brillait, et la lune quand elle marchait dans sa splendeur, 26 Raha tàhiny aho nijery ny masoandro, raha namirapiratra izy, na ny volana, raha nandeha tamin'ny fangarangarany izy,
27 Et que mon cœur ait été séduit en secret, et que ma bouche ait baisé ma main, — 27 Ka voafitaka mangingina ny foko, ary nanoroka ny tanako ny vavako
28 Cela aussi serait une iniquité punissable par le juge, car j’aurais renié le *Dieu qui est en haut ; … 28 (Dia heloka hanamelohan'ny mpitsara koa izany; Fa ho nihatsaravelatsihy tamin'Andriamanitra Izay any ambony aho);
29 Si je me suis réjoui dans la calamité de celui qui me haïssait, si j’ai été ému de joie lorsque* le malheur l’a trouvé ; — 29 Raha tàhiny aho nifaly noho ny loza nanjo izay nankahala ahy, na nibitabitaka, raha nozoim-pahoriana izy
30 Même je n’ai pas permis à ma bouche* de pécher, de demander sa vie par une exécration ; … 30 (Tsia, fa tsy navelako hanota akory ny vavako hangataka ozona hanjo azy);
31 Si les gens de ma tente n’ont pas dit : Qui trouvera quelqu’un qui n’ait pas été rassasié de la chair de ses bêtes* ? — 31 Raha tàhiny ny tao an-daiko tsy nanao hoe: Iza moa no tsy voky tamin'ny henany*? [Na: Iza moa no tsy voky tamin'ny fianakaviany?]
32 L’étranger ne passait pas la nuit dehors, j’ouvrais ma porte sur le chemin ; … 32 Ny vahiny aza tsy nandry teny alatrano; Fa novohako ny varavarako manatrika ny lalana;
33 Si j’ai couvert ma transgression comme Adam, en cachant mon iniquité dans mon sein, 33 Raha tàhiny aho mba nanarona ny fahadisoako tahaka an'i Adama* ka nanafina ny heloko tato an-tratrako,[Na: tahaka ny olona]
34 Parce que je craignais la grande multitude, et que le mépris des familles me faisait peur, et que je sois resté dans le silence et ne sois pas sorti de ma porte…. 34 Satria nampihorohoro ny foko ny vahoaka maro be, ary natahotra aho, fandrao hamavoin'ny fokon'olona, ka dia namitsaka, fa tsy sahy nivoaka ny varavarana
35 Oh ! si j’avais quelqu’un pour m’écouter ! Voici ma signature. Que le Tout-puissant me réponde, et que ma partie adverse fasse un écrit ! 35 Enga anie ka hisy hihaino ahy! Indro ny soniako! Enga anie ka hamaly ahy ny Tsitoha! Indro ny taratasy voasoratr'ilay manana ady amiko!
36 Ne le porterais-je pas sur mon épaule ? Ne le lierais-je pas sur moi comme une couronne ? 36 Hataoko eny an-tsoroko tokoa izany ary hafehiko amiko ho satro-boninahitra.
37 Je lui déclarerais le nombre de mes pas ; comme un prince je m’approcherais de lui…. 37 Ny isan'ny diako dia hambarako aminy, ary tahaka ny fanakon'ny zanak'andriana no hanatonako Azy.
38 Si ma terre crie contre moi, et que ses sillons pleurent ensemble, 38 Raha tàhiny mitaraina hiampanga ahy ny taniko, ka miara-mitomany ny vavasako;
39 Si j’en ai mangé le revenu sans argent, et que j’aie tourmenté à mort* l’âme de ses possesseurs, 39 Raha tàhiny aho nihinana ny vokatra, nefa tsy nandoa ny vidiny.Na nanao izay hahafaty ny ain'ny tompony:
40 Que les épines croissent au lieu de froment, et l’ivraie au lieu d’orge ! 40 Dia aoka ny tsilo no haniry hisolo ny vary tritika. Ary ny ahi-dratsy hisolo ny vary hordea. Tapitra ny tenin'i Joba.
— v. 6 : comme 27:5. — v. 12 : comme 26:6. — v. 21 : la porte de la ville. — v. 23 : litt.: hauteur. — v. 26 : litt.: la lumière. — v. 29 : ou : de ce que. — v. 30 : litt.: mon palais. — v. 31 : hébreu : rassasié de sa chair. — v. 39 : ou : méprisé.  
Les paroles de Job sont finies.  
* *
Chapitre 32 Chapitre 32
1 Et ces trois hommes cessèrent de répondre à Job, parce qu’il était juste à ses propres yeux. 1 [Ny teny nataon'i Eliho] Ary nitsahatra tsy namaly intsony izy telo lahy ireo, satria nanamarin-tena Joba.
2 Alors s’enflamma la colère d’Élihu, fils de Barakeël, le Buzite, de la famille de Ram : sa colère s’enflamma contre Job, parce qu’il se justifiait lui-même plutôt que Dieu ; 2 Ary nirehitra kosa ny fahatezeran'i Eliho, zanak'i Barakela, Bozita, avy amin'ny fokon'i Rama; eny, tamin'i Joba no nirehetan'ny fahatezerany, satria nanao ny tenany ho marina noho Andriamanitra izy.
3 et sa colère s’enflamma contre ses trois amis, parce qu’ils ne trouvaient pas de réponse et qu’ils condamnaient Job. 3 Ary tamin'ny sakaizany telo lahy koa no nirehetan'ny fahatezerany, satria tsy nahita teny havaliny izy ireo, kanefa nanameloka an'i Joba*.[Na: teny havaliny an'i Joba hanamelohany azy]
4 Et Élihu avait attendu que Job eût cessé de parler*, parce qu’ils étaient plus avancés en jours que lui. 4 Ary Eliho mbola niandry an-dr'i Joba aloha vao niteny, fa ireo no ela niainana kokoa noho izy.
5 Et Élihu vit qu’il n’y avait point de réponse dans la bouche des trois hommes, et sa colère s’enflamma. 5 Ary rehefa hitany fa tsy nanan-kavaly izy telo lahy, dia nirehitra ny fahatezerany;
6 Et Élihu, fils de Barakeël, le Buzite, répondit et dit : 6 ka dia niteny Eliho, zanak'i Barakela, Bozita, ka nanao hoe: Mbola tanora aho, fa ianareo kosa efa fotsy volo, koa dia niaoriandriana aho aloha, fa tsy sahy nanambara aminareo izay fantatro.
Moi, je suis jeune, et vous êtes des vieillards ; c’est pourquoi je redoutais et je craignais de vous faire connaître ce que je sais.  
7 Je disais : Les jours parleront, et le grand nombre des années donnera à connaître la sagesse. 7 Hoy izaho: Aoka ny fahanterana no hiteny, ary aoka ny hamaroan'ny taona no hampianatra fahendrena.
8 Toutefois il y a un esprit qui est dans les hommes*, et le souffle du Tout-puissant leur donne de l’intelligence : 8 Kanefa ny fanahy izay ao anatin'ny zanak'olombelona sy* ny fofonoin'ny Tsitoha no mahahendry azy.[Na: Dia]
9 Ce ne sont pas les grands qui sont sages, ni les anciens qui discernent ce qui est juste. 9 Tsy dia ny fahalehibiazana no mahahendry, ary tsy dia ny fahanterana no ahalalana ny rariny;
10 C’est pourquoi je dis : Écoute-moi ; moi aussi je ferai connaître ce que je sais. 10 Ary noho izany dia hoy izaho: Aoka samy hihaino ahy; Izaho koa mba hanambara izay fantatro.
11 Voici, j’ai attendu vos paroles, j’ai écouté vos raisonnements, jusqu’à ce que vous eussiez examiné le sujet ; 11 Indro, niandry ny teninareo aho, ary nandinika ny teny nalahatrareo, mandra-pihevitrareo izay holazaina;
12 Je vous ai donné toute mon attention : et voici, il n’y a eu personne d’entre vous qui convainquît Job, qui répondît à ses paroles, — 12 Eny, nihaino dia nihaino anareo aho, fa he! tsy nisy naharesy lahatra an'i Joba ianareo, na nahavaly ny teniny akory;
13 Afin que vous ne disiez pas : Nous avons trouvé la sagesse. *Dieu le fera céder, et non pas l’homme. 13 Fandrao ianareo hanao hoe: Hitanay ny fotony*: Andriamanitra no maharesy azy, fa tsy olona.[Heb. fahendrena]
14 Or il ne m’a pas adressé de discours, et je ne lui répondrai pas avec vos paroles. 14 Tsy nandaha-teny hamely ahy anefa izy; Ary tsy araka ny teninareo no havaliko azy.
— v. 4 : litt.: attendu Job pendant les paroles. — v. 8 : hommes, mortels.  
* *
15 Ils ont été confondus*, ils ne répondent plus ; les paroles leur sont ôtées. 15 Very hevitra terỳ izy ireo, ka tsy namaly intsony; Efa nanalavitra azy ny teny.
16 J’ai attendu, car ils ne parlaient plus, car ils se tenaient là, ils ne répondaient plus ; 16 Hangina va aho, raha tsy miteny izy ireo, fa mijanona foana izy ka tsy mamaly intsony?
17 Je répondrai, moi aussi, à mon tour ; je ferai connaître, moi aussi, ce que je sais ; 17 Anjarako kosa izao, koa dia hamaly aho; Eny, izaho hanambara izay fantatro;
18 Car je suis plein de paroles, l’esprit qui est au dedans de moi* me presse. 18 Fa feno teny ny foko; Manery ahy ny fanahy ato anatiko.
19 Voici, mon ventre est comme un vin qui n’a pas été ouvert ; il éclate comme des outres neuves. 19 Endrey! ny ato anatiko dia efa tahaka ny divay izay tsy misy hiainana, efa ho triatra tahaka ny siny hoditra vaovao izy.
20 Je parlerai et je respirerai ; j’ouvrirai mes lèvres et je répondrai ; 20 Hiteny aho mba hisy hiainako tsara; Hiloa-bava aho ka hamaly.
21 Je ne ferai pas acception de personnes, et je ne flatterai aucun homme ; 21 Aoka tsy hizaha tavan'olona akory aho, ary aoka tsy handrobo olona.
22 Car je ne sais pas flatter : celui qui m’a fait m’emporterait bientôt. 22 Fa tsy mba mahay mandrobo aho; Raha izany, dia halain'ny Mpanao ahy faingana aho.
— v. 15 : ou : ont eu peur. — v. 18 : litt.: dans mon ventre.  
Chapitre 33 Chapitre 33
1 Mais toutefois, Job, je te prie, écoute ce que je dis, et prête l’oreille à toutes mes paroles. 1 Kanefa, masìna ianao, ry Joba; mihainoa ny alahatro, ary mandrenesa ny teniko rehetra.
2 Voici, j’ai ouvert ma bouche, ma langue parle dans mon palais. 2 Indro, fa efa niloa-bava aho, Miteny ato am-bavako ny lelako.
3 Mes paroles seront selon la droiture de mon cœur, et ce que je sais mes lèvres le diront avec pureté. 3 Ny hitsim-poko no hiseho amin'ny teniko; Ary ny fahalalan'ny molotro no holazaina tsy hasiana fitaka.
4 L’Esprit de *Dieu m’a fait, et le souffle du Tout-puissant m’a donné la vie. 4 Ny Fanahin'Andriamanitra no efa nanao ahy, ary ny fofonain'ny Tsitoha no mamelona ahy.
5 Si tu le peux, réponds-moi ; arrange [des paroles] devant moi, tiens-toi là ! 5 Raha hainao, valio ary aho, miomàna ianao, ka miatreha tsara.
6 Voici, je suis comme toi quant à *Dieu*, je suis fait** d’argile, moi aussi. 6 Indro, izaho koa mba an'Andriamanitra: tahaka anao ihany; Eny, izaho koa mba nosombinana avy tamin'ny tanimanga.
7 Voici, ma terreur ne te troublera pas, et mon poids ne t’accablera pas. 7 Indro, ny fampahatahorako tsy dia hampahatahotra anao, ary ny vesatra avy amiko tsy dia hitambesatra aminao.
— v. 6* : selon d’autres : je suis de Dieu [ou : pour Dieu] selon ce que tu as dit. — v. 6** : litt.: pris.  
* *
8 Certainement tu as dit à mes propres oreilles, et j’ai entendu le son de [tes] discours : 8 Efa nilaza teo anatrehako mihitsy ianao, ary efa reko ihany ny feon'ny teninao hoe:
9 Moi, je suis net, sans transgression ; je suis pur, et il n’y a pas d’iniquité en moi ; 9 Madio tsy manam-pahadisoana aho, ary tsy manan-tsiny aman-keloka;
10 Voici, il trouve des occasions d’inimitié contre moi, il me considère comme son ennemi ; 10 He! mitady izay handrafiany ahy Andriamanitra, ary ataony fahavalony aho;
11 Il a mis mes pieds dans les ceps, il observe toutes mes voies. 11 Mampiditra ny tongotro eo amin'ny boloky hazo Izy ary mitsikilo ny diako rehetra.
* *
12 Voici, je te répondrai qu’en cela tu n’as pas été juste, car #Dieu est plus grand que l’homme. 12 He! izany no tsy mahamarina anao, hoy izaho; Fa Andriamanitra dia lehibe loatra ka tsy leon'ny zanak'olombelona.
13 Pourquoi contestes-tu avec lui ? car d’aucune de ses actions il ne rend compte. 13 Koa nahoana no manome tsiny Azy ianao noho ny tsy nampisehoany izay antony amin'ny ataony*? [Na: Noho ny tsy amaliany ny tenin'olombelona?]
14 Car *Dieu parle une fois, et deux fois — [et] l’on n’y prend pas garde — 14 Kanefa misy fanao iray itenenan'Andriamanitra, eny, fanao roa aza, nefa tsy tandreman'ny olona izany,
15 Dans un songe, dans une vision de nuit, quand un profond sommeil tombe sur les hommes, quand ils dorment sur leurs lits : 15 Dia ny nofy sy ny tsindrimandry amin'ny alina, raha sondrian-tory ny olona ka renoka eo am-pandriana,
16 Alors il ouvre l’oreille aux hommes et scelle l’instruction qu’il leur donne*, 16 Dia manokatra ny sofin'ny olona Izy ka manisy tombo-kase ny fananarany azy,
17 Pour détourner l’homme de ce qu’il fait ; et il cache l’orgueil à l’homme ; 17 Mba hampiala ny olona amin'ny fanaony, sy hampifady azy ny fireharehana.
18 Il préserve son âme de la fosse, et sa vie de se jeter sur l’épée. 18 Miaro ny fanahiny tsy ho any an-davaka Izy, ary ny ainy mba tsy ho voan'ny fiadiana.
19 Il est châtié aussi sur son lit par la douleur, et la lutte de ses os est continuelle, 19 Anarina amin'ny fanaintainana eo ampandriany koa izy sy amin'ny fikotrankotran'ny taolany lalandava;
20 Et sa vie prend en dégoût le pain, et son âme l’aliment qu’il aimait ; 20 Ary ny ainy marikorikon-kanina, eny, na dia ny hanim-py aza tsy tian'ny fanahiny.
21 Sa chair est consumée et ne se voit plus, et ses os, qu’on ne voyait pas, sont mis à nu ; 21 Mihena ny nofony ka tsy hita, ary mitranitrany ny taolany izay tsy hita teo;
22 Et son âme s’approche de la fosse, et sa vie, de ceux qui font mourir. 22 Dia manakaiky ny lavaka ny fanahiny, ary ny ainy manatona ny mpaka aina.
23 S’il y a pour lui un messager, un interprète, un entre mille, pour montrer à l’homme ce qui, pour lui, est la droiture*, 23 Raha misy Anjely ho Mpanalalana ho azy, iray amin'ny arivo, hanoro izay tokony halehan'ny olona,
24 Il lui fera grâce, et il dira : Délivre-le* pour qu’il ne descende pas dans la fosse : j’ai trouvé une propitiation**. 24 Ary* hamindra fo aminy ka nanao hoe: Vonjeo izy mba tsy hidina any an-davaka, fa efa nahita avotra Aho,[Na: Dia]
25 [Alors] sa chair aura plus de fraîcheur que dans l’enfance ; il reviendra aux jours de sa jeunesse ; 25 Dia ho tsara noho ny an'ny tanora ny nofony, hody ho toy ny tamin'ny andro nahatanorany izy;
26 Il suppliera #Dieu, et [Dieu] l’aura pour agréable ; et il verra sa face avec des chants de triomphe, et [Dieu] rendra à l’homme sa justice. 26 Hivavaka amin'Andriamanitra izy ka hankasitrahany ary hahita ny havany amin'ny hafaliana, fa hampodiny amin'ny zanak'olombelona ny fahamarinany*.[Na: hamaly ny olona araka ny fahamarinany Izy]
27 Il chantera devant* les hommes, et dira : J’ai péché et j’ai perverti la droiture, et il ne me l’a pas rendu ; 27 Dia hihira izy hilaza amin'ny olona hoe: Efa nanota aho, fa nanao ny rariny ho heloka, kanefa tsy novaliana araka ny nataoko;
28 Il a délivré mon âme pour qu’elle n’allât pas dans la fosse, et ma vie verra la lumière. 28 Fa navotany ny fanahiko mba tsy hivarina any an-davaka, ary mifaly ny aiko amin'ny fahitana ny mazava.
29 Voilà, *Dieu opère toutes ces choses deux fois, trois fois, avec l’homme, 29 Indro, izany rehetra izany no ataon'Andriamanitra indroa amin'ny olona, eny, intelo aza,
30 Pour détourner son âme de la fosse, pour qu’il soit illuminé de la lumière des vivants. 30 Mba hamerina ny fanahiny tsy ho* any an-davaka, mba hihazavany amin'ny fahazavan'aina.[Na: hiala]
— v. 16 : litt.: leur instruction. — v. 23 : c. à d. la droiture en se jugeant lui-même. — v. 24* : délivrer, ailleurs : racheter. — v. 24** : ou : rançon. — v. 27 : ou : Il (homme repentant) regardera vers ; ou : Il (Dieu) regardera vers les hommes, et [l’homme] dira….  
* *
31 Sois attentif, Job, écoute-moi ; tais-toi, et moi je parlerai. 31 Tandremo, ry Joba, ka mihainoa ahy; Mangina kely aloha ianao, fa izaho mbola hiteny.
32 S’il y a quelque chose à dire, réponds-moi ; parle, car je désire que tu sois trouvé juste ; 32 Raha manan-kavaly ianao, dia mamalia ahy ihany; Mitenena, fa ta-hanamarina anao aho;
33 Sinon, écoute-moi ; tais-toi, et je t’enseignerai la sagesse. 33 Fa raha tsy manan-kavaly ianao, dia mihainoa ahy kosa; Mangina tsara, fa hampianariko fahendrena ianao.
Chapitre 34 Chapitre 34
1 Et Élihu reprit la parole et dit : 1 Ary mbola niteny ihany Eliho ka nanao hoe:
2 Sages, écoutez mes paroles, et vous qui avez de la connaissance, prêtez-moi l’oreille ; 2 Mandrenesa ny teniko, ianareo olon-kendry; Ary mihainoa ahy, ianareo manam-pahalalana.
3 Car l’oreille éprouve les discours, comme le palais goûte les aliments. 3 Fa ny sofina no mamantatra teny, Ary ny vava* no manandrana hanina.[Heb. lanilany]
4 Choisissons pour nous ce qui est juste, et reconnaissons entre nous ce qui est bon. 4 Koa aoka izay rariny no hodinihintsika, ary aoka hiara-mamantatra izay tsara isika.
5 Car Job a dit : Je suis juste, et *Dieu a écarté mon droit ; 5 Fa Joba efa nanao hoe: Marina aho, saingy nesorin'Andriamanitra tamiko ny rariny;
6 Mentirai-je contre* ma droiture ? ma blessure est incurable, sans qu’il y ait de transgression. 6 Marina ny ahy, nefa ampandaingainy aho; Mahafaty ny zana-tsipìka mitsatoka amiko, na dia tsy manam-pahadisoana aza aho.
7 Qui est l’homme qui soit comme Job ? Il boit la moquerie comme l’eau ; 7 Aiza moa no misy lehilahy tahaka an'i Joba, izay manaram-po amin'ny famingavingana toy ny fisotro rano.
8 Il marche dans la compagnie des ouvriers d’iniquité, et il chemine avec les hommes méchants. 8 Ary tonga naman'ny mpanao ratsy sady miara-mandeha amin'ny ratsy fanahy?
9 Car il a dit : Il ne profite de rien à l’homme de trouver son plaisir en Dieu. 9 Fa hoy izy: Tsy mahasoa ny olona ny mihavana amin'Andriamanitra.
10 C’est pourquoi, hommes de sens, écoutez-moi : Loin de *Dieu la méchanceté, et loin du Tout-puissant l’iniquité ! 10 Koa amin'izany mihainoa ahy, ianareo manam-panahy: Lavitra an'Andriamanitra ny hanao ratsy! Ary lavitra ny Tsitoha ny hanao meloka!
11 Car il rendra à l’homme ce qu’il aura fait, et il fera trouver à chacun selon sa voie. 11 Fa ny nataon'ny olona ihany no ampanodiaviny azy, ka mamaly ny olona rehetra araka ny lalany avy Izy.
12 Certainement *Dieu n’agit pas injustement, et le Tout-puissant ne pervertit pas le droit. 12 Eny tokoa, Andriamanitra tsy manao ratsy mihitsy, ary ny Tsitoha tsy mba mamadika ny rariny.
13 Qui a confié la terre à ses soins, et qui a placé le monde entier [sous lui] ? 13 Iza moa no nanendry Azy ho Mpiadidy ny tany? Ary iza no nanorina izao tontolo izao?
14 S’il ne pensait qu’à lui-même et retirait à lui son esprit et son souffle, 14 Raha tàhiny ny tenany ihany no heveriny, ka hangoniny ho ao aminy ny fanahiny sy ny fofonainy,
15 Toute chair expirerait ensemble et l’homme retournerait à la poussière. 15 Dia hiala avokoa ny ain'ny nofo rehetra, ary hiverina amin'ny vovoka ny olona.
— v. 6 : ou : malgré.  
* *
16 Si [tu as] de l’intelligence, écoute ceci ; prête l’oreille à la voix de mes paroles. 16 Raha manam-pahalalana ianao, dia mandrenesa izao, ka mihainoa ny teniko
17 Celui qui hait la justice gouvernera-t-il donc ? Et condamneras-tu le juste par excellence* ? 17 Moa mahay mifehy va izay tsy tia rariny? Ary Ilay marina sady mahery va no hohelohinao?
18 Dira-t-on Bélial, au roi ? — Méchants, aux nobles ? 18 (Mety va ny miteny amin'ny mpanjaka hoe: Olom-poana ianao! Ary amin'ny zanak'andriana: Ry ilay ratsy!),
19 [Combien moins] à celui qui ne fait pas acception de la personne des princes, et qui n’a pas égard au riche plutôt qu’au pauvre ; car ils sont tous l’œuvre de ses mains. 19 Dia Ilay tsy mizaha ny tavan'ny lehibe, ary tsy manaja ny ambony mihoatra noho ny ambany, satria samy asan'ny tànany avokoa izy rehetra.
20 Ils mourront en un moment ; au milieu de la nuit les peuples chancellent et s’en vont, et les puissants sont retirés sans main. 20 Maty amin'ny indray mipi-maso monja amin'ny mamatonalina ireny; Eny, ringana ny olona ka tsy ao intsony; Ary ny mahery dia lasa tsy esorin-tanana.
21 Car ses yeux sont sur les voies de l’homme, et il voit tous ses pas. 21 Fa ny mason'Andriamanitra dia mijery ny alehan'ny olona, ary mahita ny diany rehetra Izy.
22 Il n’y a pas de ténèbres, il n’y a pas d’ombre de la mort, où se puissent cacher les ouvriers d’iniquité. 22 Tsy misy aizina na alim-pito, Izay hieren'ny mpanao ratsy.
23 Car il ne pense pas* longtemps à un homme pour le faire venir devant *Dieu en jugement. 23 Fa Andriamanitra tsy mba miandry aloha vao mandinika ny olona Izay tonga hotsaraina eo anatrehany.
24 Il brise les puissants, sans examen, et il fait que d’autres se tiennent à leur place ; 24 Manorotoro ny olona mahery Izy, na dia tsy manadina aza, ka manangana olon-kafa hisolo azy.
25 En effet il connaît leurs œuvres : il les renverse de nuit, et ils sont écrasés. 25 Koa hita amin'izany fa fantany ny asan'ireo, ka dia mamono azy amin'ny alina ho torotoro Izy.
26 Il les frappe comme des méchants dans le lieu où ils sont en vue, 26 Tehafiny tanana tahaka ny fanao amin'ny ratsy fanahy ireo* eo imason'ny vahoaka.[Na: Mamely azy toy ny famely ny ratsy fanahy Izy]
27 Parce qu’ils se sont retirés de* lui, et qu’ils n’ont pas considéré toutes ses voies, 27 Izao no nialan'ireo tamin'Andriamanitra ka tsy nitandremany ny lalany akory,
28 Pour faire monter vers lui le cri du pauvre, en sorte qu’il entende le cri des malheureux. 28 Dia ny mba hahatonga ny fitarainan'ny malahelo eo anatrehany ka hampandre Azy ny fitarainan'ny ory.
— v. 17 : litt.: le Tout-juste. — v. 23 : ou : il ne fait pas attendre. — v. 27 : litt.: détournés d’après.  
* *
29 Quand il donne la tranquillité, qui troublera ? Il cache sa face, et qui le verra ? [Il fait] ainsi, soit à une nation, soit à un homme, 29 Mangina* Izy, ka iza no mahay manameloka? Ary manafin-tava Izy (ka iza no mahajery Azy?), na amin'ny firenena, na amin'ny olona tsirairay,[Na: Manome fiadanana]
30 Pour empêcher l’homme impie de régner, pour écarter du peuple les pièges. 30 Mba tsy hanjakan'ny ratsy fanahy, ary tsy ho voafandrika ny vahoaka.
31 Car a-t-il* [jamais] dit à *Dieu : Je porte ma peine, je ne ferai plus de mal ; 31 Fa moa mba efa nisy niteny tamin'Andriamanitra va nanao hoe: Efa nanandra-tena* aho ka tsy hanao ratsy intsony;[Na: nijaly]
32 Ce que je ne vois pas, montre-le-moi ; si j’ai commis l’iniquité, je ne le referai pas ? 32 Izay tsy hitako mba ampianaro ahy; Raha nanao ratsy aho, dia tsy hanao intsony?
— v. 31 : c. à d. Job  
* *
33 Rétribuera-t-il selon tes pensées ? car tu as rejeté [son jugement], car toi, tu as choisi, et non pas moi ; ce que tu sais, dis-le donc. 33 Moa araka ny hevitrao va no hamaliany ny ataon'ny olona, no efa nandà ianao? Fa ianao no mifidy, fa tsy izaho*, koa izay fantatrao no ambarao.[Na: Moa araka ny hevitrao va no hamaliany ny olona Fa efa nandà, ka dia ianao no tsy maintsy mifidy, fa tsy izaho]
34 Les hommes de sens me diront, et un homme sage qui m’écoute : 34 Ny olona manam-panahy hilaza amiko, ary ny olon-kendry izay mihaino ahy hanao hoe:
35 Job n’a pas parlé avec connaissance, et ses paroles ne sont pas intelligentes ; 35 Miteny tsy amim-pahalalana Joba, ary ny teniny tsy amim-pahendrena.
36 Je voudrais que Job fût éprouvé jusqu’au bout, parce qu’il a répondu à la manière des hommes iniques ; 36 Enga anie ka hizahan-toetra mandrakariva Joba noho ny famaliana ataony araka ny fanaon'ny ratsy fanahy!
37 Car il a ajouté à son péché la transgression* ; il bat des mains parmi nous, et multiplie ses paroles contre *Dieu. 37 Fa ampiany fihaikana koa ny fahotany; Miteha-tanana eto amintsika izy ka manao teny maro ho enti-miady amin'Andriamanitra.
— v. 37 : distinct de transgression, 1 Sam. 2:24, (et transgresser, Deut. 17:2 ; 26:13, etc., etc.) ; plutôt : rébellion, ici et dans tout l’Ancien Testament ; voir la note à 7:21.  
Chapitre 35 Chapitre 35
1 Et Élihu reprit la parole et dit : 1 Ary mbola niteny ihany Eliho ka nanao hoe:
2 Penses-tu que ceci soit fondé, que tu aies dit : Je suis plus juste que *Dieu ? 2 Ataonao va fa marina ny nanaovanao hoe: Ny fahamarinako mihoatra noho ny an'Andriamanitra?
3 Car tu as demandé quel profit tu en as : Quel avantage en ai-je de plus que si j’avais péché ? 3 Fa hoy ianao: Mahasoa ahy* manao ahoana moa? Ary inona no soa azoko mihoatra noho ny avy amin'ny fahotako? [Heb. anao]
4 Je te répliquerai, moi, par des paroles, et à tes amis avec toi : 4 Izaho no hiteny hamaly anao Mbamin'ny namanao.
5 Regarde les cieux et vois, et contemple les nuées : elles sont plus hautes que toi. 5 Jereo ary ny lanitra ka izahao; Ary tsinjovy iry habakabaka, avo loatra iny ka tsy takatrao.
6 Si tu pèches, quel tort lui causes-tu ? et si tes transgressions se multiplient, que lui as-tu fait ? 6 Raha manota ianao, moa mahefa inona aminy? Ary raha maro ny fahotanao, mampaninona Azy moa izany?
7 Si tu es juste, que lui donnes-tu, ou que reçoit-il de ta main ? 7 Raha marina ianao, dia hahazoany inona moa izany? Na inona no horaisiny avy amin'ny tananao?
8 Pour un homme comme toi ta méchanceté [peut être quelque chose], et pour un fils d’homme, ta justice. 8 Mihatra amin'ny olona tahaka anao ihany ny ratsy ataonao; Ary mihatra amin'ny olombelona ihany ny fahamarinanao.
9 On crie à cause de la multitude des oppressions, et on appelle au secours à cause du bras des grands ; 9 Noho ny habiazan'ny fampahoriana no itarainan'ny olona; Eny, minananana izy noho ny sandrin'ny mahery,
10 Et on ne dit pas : Où est #Dieu, mon créateur, qui donne des chants de joie dans la nuit, 10 Nefa tsy misy manao hoe: Aiza Andriamanitra, Mpanao ahy, Izay mahatonga fiderana amin'ny alina,
11 Qui nous rend plus instruits que les bêtes de la terre, et plus sages que les oiseaux des cieux ? 11 Izay manome fahalalana antsika mihoatra noho ny an'ny biby ambonin'ny tany, dia Izay manome fahendrena antsika mihoatra noho ny an'ny voro-manidina?
12 Alors on crie, et il ne répond pas, à cause de l’orgueil des méchants. 12 Eny, mitaraina mafy ireo (fa tsy mamaly Izy) noho ny fireharehan'ny ratsy fanahy.
13 Certainement ce qui est vanité *Dieu ne l’écoute pas, et le Tout-puissant ne le regarde pas. 13 Ny fitarainam-poana dia tsy mba henoin'Andriamanitra, ary ny Tsitoha tsy mandinika izany.
14 Quoique tu dises que tu ne le* vois pas, le jugement est devant lui ; attends-le donc. 14 Na dia lazainao fa tsy mahita azy aza ianao, efa mby eo anatrehany ny ady, koa tsy maintsy miandry Azy ianao.
15 Et maintenant, si sa colère n’a pas encore visité, [Job] ne* connaît-il pas [sa] grande arrogance ? 15 Koa raha saingy tsy mihatra ny fahatezerany, moa dia tsy fantany tsara koa va ny fihaikana?
16 Et Job ouvre sa bouche vainement ; il entasse des paroles sans science. 16 Mba miloa-bava foana anefa Joba ary manao teny maro tsy amim-pahalalana.
— v. 14 : c. à d. Dieu. — v. 15 : selon d’autres : parce qu’il n’en est pas ainsi, sa colère punit, et [Job] ne.  
Chapitre 36 Chapitre 36
1 Et Élihu continua et dit : 1 Ary mbola nandroso niteny ihany Eliho ka nanao hoe:
2 Attends-moi un peu, et je te montrerai que j’ai encore des paroles pour #Dieu. 2 Mahareta kely amiko, dia hambarako aminao, fa mbola misy teny holazaina hanamarina an'Andriamanitra.
3 J’apporterai de loin ce que je sais, et je donnerai justice à mon créateur. 3 Halaiko avy lavitra ny fahalalako, ka hanamarina ny Mpanao ahy aho.
4 Car certainement mes discours ne sont pas des mensonges ; celui qui est parfait* en connaissances est avec toi. 4 Fa tsy lainga tsy akory ny teniko; Lehilahy tanteraka amin'ny fahalalana no eto aminao.
— v. 4 : ailleurs aussi : intègre.  
* *
5 Voici, *Dieu est puissant et ne méprise personne ; il est puissant en force d’intelligence*. 5 Indro, lehibe Andriamanitra, kanefa tsy mba mamingavinga, lehibe amin'ny herin'ny fahalalana Izy.
6 Il ne fait pas vivre le méchant, mais il fait droit aux malheureux. 6 Tsy mitsimbina ny ain'ny ratsy fanahy Izy, fa manome rariny ho an'ny ory.
7 Il ne retire pas ses yeux de dessus le juste, et [celui-ci] est avec les rois sur le trône, et il les fait asseoir à toujours, et ils sont élevés. 7 Tsy mampiala ny masony amin'ny marina Izy; Eo amin'ny mpanjaka ambonin'ny seza fiandrianany no ampitoerany azy ho mandrakizay, ka dia tafasandratra.
8 Et si, liés dans les chaînes, ils sont pris dans les cordeaux du malheur, 8 Ary raha voafatotra amin'ny gadra izy sy voafehy amin'ny tadin'ny fahoriana.
9 Il leur montre ce qu’ils ont fait, et leurs transgressions, parce qu’elles sont devenues grandes* ; 9 Dia ambarany azy ny asany sy ny fahotany, fa efa nanandra-tena izy ireny.
10 Et il ouvre leurs oreilles à la discipline, et leur dit de revenir de l’iniquité. 10 Dia manokatra ny sofiny hihaino fananarana Izy ka mandidy azy hibebaka hiala amin'ny ratsy.
11 S’ils écoutent et le servent, ils accompliront leurs jours dans la prospérité et leurs années dans les choses agréables [de la vie] ; 11 Raha mihaino ka manaiky Azy Izy, dia lany amin'ny fiadanana ny androny, ary ny taonany amin'ny fahafinaretana
12 Mais s’ils n’écoutent pas, ils s’en iront par l’épée, et expireront sans connaissance. 12 Fa raha tsy mihaino kosa izy, dia ho voan'ny fiadiana ka ho faty tsy amim-pahalalana.
13 Les hypocrites* de cœur amassent la colère ; ils ne crient pas quand [Dieu] les lie. 13 Fa ny mpihatsaravelatsihy* dia mirakitra fahatezerana; Tsy mitaraina izy, na dia afatony aza; [Na: ny ratsy fanahy]
14 Ils mourront dans la jeunesse, et leur vie est parmi les hommes voués à l’infamie. 14 Ka dia maty raha mbola tanora izy, eny, afaka ny ainy eo amin'ny olom-betaveta*,[Dia ny olona mpanolo-tena ho amin'ny fijangajangana ho fanompoan-tsampy;]
15 Il délivre le malheureux dans son malheur, et lui ouvre l’oreille dans l’oppression. 15 Fa ny fahorian'ny ory kosa no entin'Andriamanitra mamonjy azy, Ary ny manjo azy no entiny manokatra ny sofiny.
16 Il t’aurait aussi tiré de la gueule de la détresse [et mis] au large, là où il n’y a point de gêne, et la graisse abonderait dans les mets de ta table*. 16 Ary na dia ianao aza dia ampialainy amin'ny fahaterena ho amin'ny malalaka izay tsy misy mahatery; Ary ny matavy indrindra no aroso ho eo ambonin'ny latabatrao.
17 Mais tu es plein des jugements* des méchants ; le jugement et la justice [te] saisiront. 17 Nefa raha fatra-pikikitra amin'ny adin'ny ratsy fanahy ianao, dia hihazona anao ny ady sy ny fanamelohana*;[Na: Dia hifanaikaiky ny ady sy ny fanamelohana;]
18 Puisqu’il y a de la colère, prends garde qu’elle ne t’enlève par le châtiment ; et une grande rançon ne te le fera pas éviter. 18 Aoka tsy hamporisika anao hiteny ratsy ny fahatezerana, ary aoka tsy hampivily hevitra anao ny halehiben'ny avotra.
19 Tiendra-t-il compte de tes richesses ? Non ; — ni de l’or, ni de toutes les ressources de la puissance. 19 Moa hahatonga anao ho ao amin'izay tsy misy fahoriana va ny fitarainanao na izay rehetra tratry ny fahatanjahana?
20 Ne soupire pas après la nuit qui enlèvera les peuples de leur place. 20 Aza irinao ny hihavian'ny alina, izay ampialana ny olona amin'ny fitoerany.
21 Prends garde à toi ! Ne te tourne pas vers l’iniquité, car c’est ce que tu as choisi plutôt que l’affliction*. 21 Tandremo, aza mivily ho amin'ny ratsy; Fa saingy ozoim-pahoriana ianao, dia mifidy izany.
— v. 5 : litt.: de cœur. — v. 9 : ou : parce qu’ils sont devenus orgueilleux. — v. 13 : ou : impies. — v. 16 : quelques-uns : ta table serait tranquille [et] pleine de graisse. — v. 17 : litt.: du jugement. — v. 21 : plus haut : malheur.  
* *
22 Voici, *Dieu se montre élevé dans sa puissance : qui enseigne comme lui ? 22 Indro, Andriamanitra miasa amin'ny heriny mampiseho ny fisandratany; Iza no mba mpampianatra tahaka Azy?
23 Qui lui a prescrit son chemin, et qui a dit : Tu as mal agi ? 23 Iza no efa nandidy Azy ny amin'izay lalan-kalehany? Ary iza no efa nilaza taminy hoe: Efa nanao ratsy Hianao?
24 Souviens-toi de glorifier son œuvre, que les hommes célèbrent : 24 Tsarovy ny hankalaza ny asany, Izay efa nataon'ny olona an-kira.
25 Tout homme la contemple, le mortel la regarde de loin. 25 Fa faly mahita izany ny olona rehetra; Ary jeren'ny zanak'olombelona eny lavitra eny izany.
26 Voici, *Dieu est grand, et nous ne le connaissons pas ; le nombre de ses années, nul ne le sonde. 26 Indro, lehibe Andriamanitra, ka tsy takatry ny saintsika Izy; Ary tsy hita isa ny taonany.
27 Car il attire les gouttes d’eau : des vapeurs qu’il forme elles distillent la pluie, 27 Fa mampisavoana ny rano Izy, dia milatsaka ho ranonorana aman-javona izany,
28 Que les nuages font couler ; ils tombent en gouttes sur les hommes, abondamment*. 28 Izay aidin'ny rahona ka alatsany amin'ny olona maro be.
29 Mais qui peut comprendre le déploiement de la nuée, le fracas de son tabernacle ? 29 Ary koa, iza moa no mahalala ny amin'ny fivelatry ny rahona sy ny fikotrokotroka ao an-dainy?
30 Voici, il étend sa lumière autour de lui, et couvre le fond* de la mer. 30 Indro, mamelatra ny fahazavany eo amboniny Izy ary manao ny fanambanin'ny ranomasina ho firakofany.
31 Car par ces choses il juge les peuples, il donne la nourriture en abondance. 31 Fa ireny zavatra ireny no itsarany ny firenena sady anomezany hanina betsaka.
32 Il couvre ses mains de l’éclair*, et lui commande où il doit frapper** ; 32 Mifono fahazavana ny tànany, ary baikoiny iny mba hahavoa ny fahavalony*;[Na: Ary baikoiny ny ady sy ny fanamelohana]
33 Son bruit l’annonce, le bétail même en présage la venue ! 33 Ny fikotrokotrony dia manambara Azy, ary ny omby aman'ondry koa aza milaza ny hihaviany.
— v. 28 : quelques-uns : sur une multitude d’hommes. — v. 30 : litt.: les racines. — v. 32* : litt.: lumière. — v. 32** : ou : donne ses ordres contre l’ennemi.  
Chapitre 37 Chapitre 37
1 À cause de cela aussi mon cœur tremble, et tressaille comme s’il sortait de sa place. 1 Eny, izany no mampitepotepo ny foko ka mampiemponempona azy hiala amin'ny fitoerany.
2 Écoutez donc le bruit éclatant de sa voix et le grondement qui sort de sa bouche ! 2 Mihainoa dia mihainoa ny fikotrokotroky ny feony sy ny rohona izay mivoaka avy amin'ny vavany.
3 Il le dirige sous tous les cieux, et son éclair*, jusqu’aux extrémités de la terre : 3 Mandefa izany ho eny ambanin'ny lanitra rehetra Izy, ary ny helatra* hatramin'ny faran'ny tany.[Heb. fahazavany]
4 Après lui une voix rugit. Il tonne de sa voix majestueuse, et il ne retient pas ses* éclairs quand il fait entendre sa voix. 4 Manarakaraka izany, dia misy feo mirohondrohona; Mampikotrokotroka ny feon'ny fahalehibiazany Izy, ka rehefa re ny feony, dia tsy sakanany ny helatra.
5 *Dieu tonne merveilleusement de sa voix, faisant de grandes choses que nous ne comprenons pas. 5 Mahagaga ny fikotrokotrok'Andriamanitra amin'ny feony; Manao zava-dehibe tsy takatry ny saintsika Izy.
6 Car il dit à la neige : Tombe sur la terre ! et aussi aux averses de pluie, et aux averses des pluies de sa force. 6 Fa ny oram-panala baikoiny hoe: Milatsaha eny ambonin'ny tany ianao; Ary toy izany koa ny ranonorana mivatravatra, eny, dia ny ranonorany mivatravatra mafy.
7 Il met un sceau sur la main de tout homme, afin que tous les hommes connaissent son œuvre*. 7 Mampiohona* ny tanan'ny olona rehetra Izy, mba samy hahalala izany ny olona rehetra izay nataony;[Heb. manisy tombo-kase]
8 Les bêtes sauvages rentrent dans leurs gîtes, et demeurent dans leurs repaires. 8 Ary miditra ao am-piereny koa ny bibidia ka mamitsaka ao an-davany.
9 Des chambres [du midi] vient le tourbillon, et des vents du nord, le froid. 9 Avy any atsimo* ny tadio, ary entin'ny rivotra avy any avaratra** ny hatsiaka.[*Heb. efi-trano][**Heb. avy amin'ireo mpanahakahaka]
10 Au souffle de *Dieu se forme la glace, et la largeur des eaux se resserre. 10 Ny fofonain'Andriamanitra mahamisy ranomandry, ka voageja ny rano malalaka.
11 Il charge d’eau le nuage ; sa lumière dissipe les nuées ; 11 Ny rahona matevina tambesarany rano, ary ny rahon'ny helatra* dia ampieleziny;[Heb. fahazavany]
12 Et sous sa conduite elles tournoient en tout sens, pour accomplir leur œuvre, tout ce qu’il leur commande sur la face du cercle* de la terre, 12 Dia mihodinkodina araka ny fitarihany azy ireo hanatanteraka izay rehetra andidiany azy eny ambonin'ny tany eran'izao tontolo izao*,[Na: Eny ambonin'izao tontolo izao ho amin'ny tany]
13 Soit qu’il les fasse venir comme verge, ou pour sa terre, ou en bonté. 13 Na alatsany ho famaizana raha tokony ho an'ny taniny izany na ho famindram-po kosa*.[Na: alatsany ho famaizana, na hahasoa ny taniny, na ho famindram-po]
— v. 3 : litt.: lumière. — v. 4 : litt.: les. — v. 7 : ou : que tous les hommes qu’il a faits le connaissent. — v. 12 : litt.: monde.  
* *
14 Écoute ceci, Job ; tiens-toi là, et discerne les œuvres merveilleuses de *Dieu. 14 Mihainoa izany, ry Joba; Mijanona, ka mba diniho ny fahagagana ataon'Andriamanitra.
15 Sais-tu comment #Dieu les a disposées et comment il fait briller l’éclair* de sa nue ? 15 Fantatrao va ny fanamboaran'Andriamanitra ireny sy ny fampitselatselany ny helatry* ny rahony? [Heb. fahazavany]
16 Comprends-tu le balancement des nuages, les œuvres merveilleuses de celui qui est parfait en connaissance, — 16 Fantatrao va ny fihevahevan'ny rahona matevina, dia ny fahagagana avon'Ilay tanteraka amin'ny fahalalana?
17 Pourquoi tes vêtements sont chauds quand il donne du repos à la terre par le vent du midi ? 17 Hianao izay mahatsiaro ny fitafianao ho mafana, raha migaingaina ny andro azon'ny rivotra avy any atsimo,
18 As-tu étendu avec lui la voûte céleste, aussi ferme qu’un miroir de fonte ? 18 Moa ianao niara-nanao taminy va, raha namelatra ny habakabaka Izy, izay mitoetra mafy toy ny zavatra manganohano natao an-idina?
19 Fais-nous savoir ce que nous lui dirons ! Nous ne savons préparer [des paroles], à cause de [nos] ténèbres. 19 Mba ampianaro anay ary izay holazainay aminy; Fa tsy hitanay izay halahatray noho ny aizina,
20 Lui racontera-t-on que je parle ? Si quelqu’un lui parle, il sera sûrement englouti. 20 Holazaina aminy va, raha miteny aho? Moa misy olona maniry ho levona* tokoa va?[Heb. miteny ta-hatelina]
21 Et maintenant on ne voit pas la lumière brillante, elle est [cachée] dans les nues ; mais le vent passe et les [chasse, et] produit un ciel clair*. 21 Tsy hita ankehitriny ny mazava, Izay mamirapiratra any amin'ny rahona: Nefa raha mandalo ny rivotra, dia mampisava azy ihany izany.
22 L’or* vient du nord ; — par devers #Dieu est la majesté terrible. 22 Avy any avaratra no ihavian'ny mazava mitarehim-bolamena*; Ao amin'Andriamanitra ny voninahitra mahatahotra.[Heb. ihavian'ny volamena]
23 Le Tout-puissant, nous ne le trouvons pas ; grand en force, en jugement* et en beaucoup de justice, il n’opprime pas**. 23 Ny Tsitoha, tsy mahita Azy isika; Izay lehibe amin'ny hery sy ny fitsarana mbamin'ny fahamarinana tanteraka dia tsy mba mampahory*.[Na: mamaly]
24 C’est pourquoi les hommes le craindront ; aucun des sages de cœur ne le contemplera*. 24 Koa izany no atahoran'ny olona Azy; Tsy mety mijery izay manao azy ho hendry* Izy.[Heb. ny hendry am-po; na: Tsy misy mahita Azy ny hendry am-po rehetra]
— v. 15 : litt.: lumière. — v. 21 : litt.: et les purifie, c. à d. rend le ciel pur ; le mot traduit par «nues» est employé pour le ciel, la voûte céleste, verset 18. — v. 22 : d’autres : La lueur d’or. — v. 23* : ailleurs : droit. — v. 23** : ou : ne répond pas. — v. 24 : ou : il ne regarde aucun des sages de cœur.  
* *
Chapitre 38 Chapitre 38
1 Et l’Éternel répondit à Job du milieu du tourbillon, et dit : 1 [Ny teny navalin'i Jehovah an'i Joba] Ary teo anatin'ny tafio-drivotra Jehovah dia namaly an'i Joba ka nanao hoe:
2 Qui est celui-ci qui obscurcit le conseil par des discours sans connaissance ? 2 Iza moa izato manao izay hahamaizina ny fisainana amin'ny teny tsy misy fahalalana?
3 Ceins tes reins comme un homme, et je t’interrogerai et tu m’instruiras ! 3 Misikina ary tahaka ny lehilahy; Fa hanadina anao Aho, ka valio:
4 Où étais-tu quand j’ai fondé la terre ? Déclare-le-moi, si tu as de l’intelligence. 4 Taiza ary ianao, fony Aho nanorina ny tany? Ambarao, raha hainao.
5 Qui lui a établi sa mesure, — si tu le sais ? Ou qui a étendu le cordeau sur elle ? 5 Iza ary no nandidy izay ho refiny, raha fantatrao? Ary iza no nanenjana ny famolaina teo aminy?
6 Sur quoi ses bases sont-elles assises*, ou qui a placé sa pierre angulaire, 6 Teo amin'inona no nanorenana ny vodi-andriny, ary iza no nametraka ny vato fehizorony,
7 Quand les étoiles du matin chantaient ensemble, et que tous les fils de Dieu éclataient de joie ? 7 Raha niara-nihira ny kintan'ny maraina, ary nihoby avokoa ireo zanak'Andriamanitra?
8 Et qui a renfermé la mer dans des portes, quand elle rompit [les bornes] et sortit de la matrice, 8 Ary iza no nanao varavarana misakana ny ranomasina, raha nibosesika nivoaka avy tany am-bohoka izy,
9 Quand je fis de la nuée son vêtement, et de l’obscurité ses langes ; 9 Raha nanao ny rahona ho fitafiany Aho ary ny aizim-pito ho fonony,
10 Quand je lui découpai ses limites et lui mis des barres et des portes, 10 Ary nandidy ny ho fetrany sady nanisy hidy sy varavarana
11 Et que je dis : Tu viendras jusqu’ici et tu n’iras pas plus loin, et ici s’arrêtera l’orgueil de tes flots ? 11 Ka nanao hoe: Hatreto no azonao androsoana ka tsy hihoatra, ary eto no hampijanonana ny fisafoaky ny onjanao?
— v. 6 : proprement : plongées.  
* *
12 As-tu, de ta vie*, commandé au matin ? As-tu montré à l’aube du jour sa place, 12 Hatrizay niainanao moa mba efa nandidy ny maraina va ianao? Efa notoroanao ny fitoerany va ny fipoak'andro,
13 Pour qu’elle saisisse les bords de la terre, et que les méchants en soient secoués ? 13 Mba horaisiny ny sisin'ny tany. Ka hakopakopany hiala ny ratsy fanahy?
14 Elle* se change comme l’argile d’un sceau, et [toutes choses] se présentent parées comme d’un vêtement ; 14 Ary hiova tahaka ny tanimanga tombohin-kase ny endriny, ka hiseho tahaka ny lamba misoratra* ny tarehiny, [Heb. fitafiana]
15 Et leur lumière* est ôtée aux méchants, et le bras levé est cassé. 15 Ary hosakanana ny fahazavan'ny ratsy fanahy, ka ho tapaka ny sandry naingaina.
— v. 12 : litt.: tes jours. — v. 14 : c. à d. la terre. — v. 15 : la nuit était pour eux la lumière.  
* *
16 Es-tu allé aux sources de la mer, et t’es-tu promené dans les profondeurs de l’abîme ? 16 Moa efa niditra hatrany amin'ny loharanon-dranomasina va ianao, ary efa nandehandeha tany amin'ny fanambanin'ny lalina?
17 Les portes de la mort se sont-elles découvertes à toi ? Et as-tu vu les portes de l’ombre de la mort ? 17 Moa efa naharihary taminao va ny vavahadin'ny fahafatesana? Ary efa hitanao va ny vavahadin'ny aloky ny fahafatesana?
18 Ton regard a-t-il pénétré jusque dans les vastes espaces de la terre ? Dis-le, si tu connais tout cela. 18 Moa efa voadinikao ny hatrany amin'ny fahalalahan'ny tany? Ambarao ary, raha fantatrao izany rehetra izany.
* *
19 Où est le chemin vers le séjour de la lumière ? et les ténèbres, où est leur place ? 19 Aiza ary no lalana ho any amin'ny fonenan'ny mazava? Ary aiza no fitoeran'ny maizina?
20 Pour que tu les prennes à leur limite, et que tu connaisses les sentiers de leur maison ? 20 Mba hitondranao izany ho amin'ny faran'ny alehany, ary ho fantatrao ny lalana ho any an-tranony.
21 Tu le sais, car tu étais né alors, et le nombre de tes jours est grand ! 21 Eny, fantatrao mantsy izany, satria efa teraka ianao tamin'izay, ary maro ny isan'ny andronao!
* *
22 Es-tu allé aux trésors de la neige, et as-tu vu les trésors de la grêle, 22 Moa efa niditra tany amin'ny firaketana ny oram-panala va ianao? Ary efa hitanao va ny firaketana ny havandra,
23 Que j’ai mis en réserve pour le temps de la détresse, pour le jour du combat et de la guerre ? 23 Izay voatahiriko ho amin'ny andro fahoriana, dia ny andro misy ady sy tafika?
24 Par quel chemin se distribue la lumière, et le vent d’orient se répand-il sur la terre ? 24 Aiza moa no lalana izarazarana ny mazava sy ielezan'ny rivotra avy any atsinanana ho etỳ ambonin'ny tany?
25 Qui a découpé des canaux aux torrents de pluie, et un chemin à l’éclair des tonnerres, 25 Iza moa no nihady lalan-drano ho an'ny ranonorana mirotsaka be, sy lalan-kaleha ho an'ny helatry ny kotrokorana,
26 Pour faire pleuvoir sur une terre où il n’y a personne, sur le désert où il n’y a pas d’hommes ; 26 Handatsaka ranonorana ambonin'ny tany izay tsy itoeran'olona, dia any amin'ny efitra tsy misy mponina,
27 Pour rassasier les lieux désolés et déserts, pour faire germer les pousses de l’herbe ? 27 Mba hahavonto ny efitra sy ny tany foana, ary hampitsimoka ny ahitra vao mitsiry?
28 La pluie a-t-elle un père ? ou qui engendre les gouttes de la rosée ? 28 Manan-dray va ny ranonorana? Ary iza kosa no miteraka ny ranon'ando?
29 Du sein de qui sort la glace ? et le frimas des cieux, qui l’enfante ? 29 Kibon'iza moa no nihavian'ny ranomandry? Ary ny vongam-panala avy amin'ny lanitra, iza no niteraka azy?
30 Devenues pierre, les eaux se cachent, et la surface de l’abîme se prend. 30 Tonga mafy toy ny vato ny rano, Ary mitambatra ny fanambonin'ny lalina.
* *
31 Peux-tu serrer les liens des Pléiades, ou détacher les cordes d’Orion ? 31 Mahavona ny kofehin'ny Ikotokelimiadilaona va ianao, ary mahavaha ny Telonohorefy?
32 Fais-tu sortir les signes du zodiaque en leurs saisons, et mènes-tu la grande Ourse avec ses filles* ? 32 Mahavoaka ny Mazarota* amin'ny fotoany va ianao? Ary mahatondra ny Bera mbamin'ny zanany va ianao? [Anaran-kintana; ny Zôdiaka(?)]
33 Connais-tu les lois des cieux, ou établis-tu leur empire sur la terre ? 33 Fantatrao va ny lalàn'ny lanitra? Ary manendry ny fanapahan'ireny ny tany va ianao?
34 Peux-tu élever ta voix vers les nuages, en sorte que des torrents d’eau te couvrent ? 34 Mahasandratra ny feonao ho amin'ny rahona matevina va ianao, Mba hanafotra anao ny rano mandriaka?
35 As-tu lancé la foudre, en sorte qu’elle soit allée et t’ait dit : Me voici ? 35 Mahay mandefa ny helatra va ianao, ka ho avy ireo hilaza aminao hoe: Indreto izahay?
36 Qui a mis la sagesse dans les reins, ou qui donna l’intelligence à l’esprit ? 36 Iza moa no nanao ny rahona matevina ho fitoeram-pahendrena, Ary irery miseho erỳ an-danitra ho fampisehoana ny fahalalana*? [Na: Iza no nanisy fahalalana ao am-pon'ny olona? Ary iza no nanome fahalalana ho ao an-tsaina?]
37 Qui a compté les nuages dans [sa] sagesse ? et qui verse les outres des cieux, 37 Iza moa no manam-pahendrena mahisa ny rahom-potsy manify? Ary iza no mahatankina ny fitoeran-dranon*'ny lanitra, [Heb. siny hoditra]
38 Quand la poussière coule comme du métal en fusion et que les mottes se soudent entre elles ? 38 Hitambaran'ny vovoka ho dilatra sy hivonganany ho bainga?
— v. 32 : litt.: fils.  
Chapitre 39  
1 Est-ce toi qui chasses la proie pour la lionne, et qui rassasies l’appétit des lionceaux, 39 Mahay mihaza toha ho an'ny liom-bavy va ianao, sy mahafaka ny fahalianan'ny liona tanora,
2 Quand ils sont couchés dans leurs tanières [et] se tiennent aux aguets dans leur fourré ? 40 Raha mamitsaka ao amin'ny fitoerany izy ary manotrika ao amin'ny kirihitrala?
3 Qui prépare au corbeau sa pâture quand ses petits crient à *Dieu [et] qu’ils errent sans nourriture ? 41 Iza moa no manome hanina ny goaika, raha mitaraina amin'Andriamanitra ny zanany ka mirenireny tsy mahita hanina?
* Chapitre 39
4 Sais-tu le temps où mettent bas les bouquetins* des rochers ? As-tu observé les douleurs des biches ? 1 Fantatrao va ny fotoana fiterahan'ny osi-dia any amin'ny harambato? Voahevitrao va ny fiterahan'ny dieravavy?
5 As-tu compté les mois qu’elles accomplissent, et connais-tu le temps où elles mettent bas ? 2 Mahisa ny andro ahatanterahany* va ianao? Ary fantatrao va ny fotoana fiterahany? [Heb. ny volana taperiny]
6 Elles se courbent, elles enfantent leur portée, elles se délivrent de leurs douleurs. 3 Miondrika izy ka teraka, sady alefany ny faharariany.
7 Leurs petits deviennent forts, ils grandissent dans les champs*, ils s’en vont et ne reviennent pas à elles. 4 Donga ny zanany, mihalehibe any an-efitra ireny; Mivoaka izy ka tsy mety miverina intsony.
— v. 4 : ou : chamois. — v. 7 : ou : la plaine.  
*  
8 Qui a lâché* l’âne sauvage ? qui a délié les liens de l’onagre, 5 Iza moa no nandefa ny boriki-dia ho karenjy? Ary iza no namaha ny fatoran'ny boriki-dia,
9 Auquel j’ai donné le désert pour maison, et la terre salée pour demeure ? 6 Izay nomeko ny tani'hay ho fitoerany ary ny tanin-tsira ho fonenany?
10 Il se rit du tumulte de la ville, il n’entend pas le cri du conducteur. 7 Ihomehezany ny fitabatabana ao an-tanàna; Tsy ahoany akory ny fiantsoantson'ny mpampandeha;
11 Il parcourt les montagnes pour trouver sa pâture, et il est en quête de tout ce qui est vert. 8 Any an-tendrombohitra rehetra any no fihinanany, ary mitady ny zava-maitso rehetra izy.
— v. 8 : litt.: envoyé libre.  
*  
12 Le buffle* voudra-t-il être à ton service ? passera-t-il la nuit auprès de ta crèche ? 9 Mba mety manompo anao va ny ombimanga na handry ao am-pahitrao amin'ny alina?
13 Attacheras-tu le buffle par sa corde dans le sillon ? Hersera-t-il les vallées après toi ? 10 Mahafatotra ny ombimanga amin'ny mahazaka ho ao am-bavasanao va ianao? Na mety manaraka anao handravona bainga any an-dohasaha va izy?
14 Auras-tu confiance en lui, parce que sa force est grande, et lui abandonneras-tu ton labeur ? 11 Azonao itokiana va izy satria lehibe ny heriny? Ary havelanao hataony va ny asanao?
15 Te fieras-tu à lui pour rentrer ce que tu as semé, et rassemblera-t-il [le blé] dans ton aire ? 12 Azonao itokiana hitondra ny varinao mody va izy sy hanangona izany ho eo am-pamoloanao?
— v. 12 : ou : la grande gazelle.  
*  
16 L’aile de l’autruche bat joyeusement : ce sont les plumes et le plumage de la cigogne ; 13 Mikopakopaka noho ny fifaliana ny elatry ny ostritsa; Nefa mahalemy fanahy azy va ny elany sy ny volony?
17 Toutefois elle abandonne ses œufs à la terre et les chauffe sur la poussière, 14 Tsia, fa mandao ny atodiny ao amin'ny tany izy ka mamela azy ho afanain'ny vovoka,
18 Et elle oublie que le pied peut les écraser et la bête des champs les fouler ; 15 Ary tsy ahiny izay ho voaporitry ny tongotra ireo. Na ho voahitsaky ny bibi-dia.
19 Elle est dure avec ses petits comme s’ils n’étaient pas à elle ; son labeur est vain, sans qu’elle s’en émeuve. 16 Tsy tia ny zanany izy fa ataony hoatra ny tsy azy ireny; Efa very foana izay nisasarany, nefa tsy ahoany akory izany;
20 Car #Dieu l’a privée de* sagesse, et ne lui a pas départi l’intelligence. 17 Fa efa nampanadinoin'Andriamanitra ny fahendrena izy, ary Tsy nomeny anjara fahalalana.
21 Quand elle s’enlève, elle se moque du cheval et de celui qui le monte. 18 Raha mikopakopak'elatra toa hanidina izy, dia ihomehezany ny soavaly sy ny mpitaingina azy.
— v. 20 : litt.: Car #Dieu lui a fait oublier la.  
*  
22 Est-ce toi qui as donné au cheval sa force ? Est-ce toi qui as revêtu son cou d’une crinière flottante* ? 19 Moa manome hery ny soavaly va ianao, na manarona vombo mihofahofa ny vozony?
23 Est-ce toi qui le fais bondir comme la sauterelle ? Son ronflement magnifique est terrible. 20 Mahay mampitsipika azy tahaka ny valala va ianao? Mahatsiravina ny hamafin'ny fiefonefony!
24 Il creuse [le sol] dans la plaine et se réjouit de sa force ; il sort à la rencontre des armes ; 21 Mihehy ao amin'ny lohasaha izy ka mifalifaly noho ny heriny; Mandroso hanetra ny ady* izy.[Heb. fiadiana]
25 Il se rit de la frayeur et ne s’épouvante pas, et il ne se tourne pas devant l’épée. 22 Mihomehy ny tahotra izy, fa tsy mety mivadi-po. Ary tsy mianotra amin'ny sabatra.
26 Sur lui retentit le carquois, brillent la lance et le javelot. 23 Mifioka eny amboniny ny zana-tsipìka* sy ny lefona manelatselatra ary ny lefom-pohy.[Heb. tranon-jana-tsipìka]
27 Frémissant et agité, il dévore le sol, et ne peut se contenir quand sonne la trompette. 24 Miriotra mafy* amin'ny fahavinirana sy ny fahatezerana izy ka tsy mety mijanona intsony, rehefa maneno ny anjomara**. [*Heb. Mitelina ny tany][**Na: Tsy mino izy fa feon'ny anjomara izany]
28 Au bruit de la trompette, il dit : Ha ! ha ! et de loin il flaire la bataille, le tonnerre des chefs et le tumulte. 25 Na oviana na oviana no anenoan'ny anjomara dia mihiaka izy. Ary manimbolo ny ady izy, raha mbola lavitra, dia ny akoralava sy ny fitabataban'ny manamboninahitra.
— v. 22 : selon quelques-uns : de tonnerre.  
*  
29 Est-ce par ton intelligence que l’épervier prend son essor et qu’il étend ses ailes vers le midi ? 26 Ny fahendrenao va no mampanidina ny hitsikitsika sy mampamelatra ny elany hianatsimo?
30 Est-ce à ta parole* que l’aigle s’élève et qu’il bâtit haut son aire ? 27 Noho ny didinao va no iakaran'ny voromahery sy anaovany ny akaniny eny an-dringiringy?
31 Il demeure dans les rochers et y fait son habitation, sur la dent du rocher et sur les hautes cimes. 28 Eny amin'ny harambato no itoerany sy anaovany ny akaniny, dia eo an-tampon'ny harambato sy ao amin'ny fiarovana.
32 De là il épie sa nourriture, ses yeux regardent dans le lointain. 29 Any no itazanany remby; Mahatsinjo lavitra ny masony.
33 Ses petits sucent le sang, et là où sont les tués, là il est. 30 Mitsentsitra rà ny zanany, ary izay itoeran'ny faty dia any izy.
— v. 30 : litt.: bouche. *
* Chapitre 40
34 Et l’Éternel répondit à Job et dit : 1 [Ny naneken'i Joba ny fahadisoan-keviny, sy ny navalin'i Jehovah azy] Ary Jehovah mbola namaly an'i Joba nanao hoe:
35 Celui qui conteste avec le Tout-puissant l’instruira-t-il ? Celui qui reprend Dieu, qu’il réponde à cela ! 2 Hiady amin'ny Tsitoha va io mpanadidy Azy io? Aoka ny mananatra an'Andriamanitra no hamaly!
*  
36 Et Job répondit à l’Éternel, et dit : 3 Ary Joba dia namaly an'i Jehovah ka nanao hoe:
37 Voici, je suis une créature de rien, que te répliquerai-je ? Je mettrai ma main sur ma bouche. 4 Indro, tsinontsinona, aho ka inona no azoko avaly Anao? Hitampim-bava aho izao.
38 J’ai parlé une fois, et je ne répondrai plus ; et deux fois, et je n’ajouterai rien. 5 Efa niteny indray mandeha aho, ka tsy hamaly intsony; Eny, indroa aza, fa tsy hanampy teny intsony aho.
*  
Chapitre 40  
1 Et l’Éternel répondit à Job du milieu du tourbillon et dit : 6 Dia namaly an'i Joba teo amin'ny tafio-drivotra Jehovah ka nanao hoe:
2 Ceins tes reins comme un homme ; je t’interrogerai, et tu m’instruiras ! 7 Misikina tahaka ny lehilahy; Fa hanadina anao Aho, ka ampahafantaro Aho:
3 Veux-tu donc anéantir mon jugement ? Me démontreras-tu inique afin de te justifier ? 8 Hanaisotra ny rariny amiko va ianao? Hanameloka Ahy va ianao, mba hanamarina ny tenanao kosa?
4 As-tu un bras comme *Dieu et tonneras-tu de ta voix comme lui ? 9 Manan-tsandry tahaka ny an'Andriamanitra va ianao? Ary mahay mampikotrokotro-peo tahaka ny Azy va ianao?
5 Pare-toi, je te prie, de grandeur et de magnificence ; revêts-toi de majesté et de gloire ! 10 Miravaha fahalehibiazana sy tabiha ianao, ary mitafia famirapiratana sy voninahitra;
6 Répands les fureurs de ta colère, et regarde tout ce qui* s’élève et abaisse-le ; 11 Alefaso ny fahatezeranao mirehitra; Ary jereo ny avonavona rehetra, ka ampietreo.
7 Regarde tout ce qui* s’élève [et] humilie-le, et écrase sur place les méchants ; 12 Eny, jereo ny avonavona rehetra, ka aongàny; Ary apotrahy eo amin'ny fitoerany ihany ny ratsy fanahy.
8 Cache-les ensemble dans la poussière, lie leurs faces dans un lieu caché : 13 Asitriho ao amin'ny vovoka avokoa izy rehetra; Sarony ao amin'ny fiafenana ny tavany.
9 Alors moi aussi je te célébrerai, parce que ta droite te sauve ! 14 Fa Izaho kosa dia hidera anao, Satria mahavonjy anao ny tananao ankavanana.
— v. 6, 7 : ou : quiconque.  
*  
10 Vois le béhémoth*, que j’ai fait avec toi : il mange l’herbe comme le bœuf. 15 He! jereo ange ny behemota*, izay nataoko tahaka ny nanaovako anao ihany**: Mihinana ahitra tahaka ny omby izy.[*hipopotamosy][**Na: ho eo aminao]
11 Regarde donc : sa force est dans ses reins, et sa puissance dans les muscles de son ventre. 16 Indro, eo amin'ny valahany ny heriny, ary eo amin'ny ozatra amin'ny kibony ny tanjany.
12 Il courbe sa queue comme un cèdre ; les nerfs de sa cuisse sont entrelacés ; 17 Henjaniny ny rambony ho tahaka ny hazo sedera; Mifaniditriditra ny ozatra amin'ny feny
13 Ses os sont des tubes d’airain, ses membres sont des barres de fer ! 18 Ny taolany dia tahaka ny fantsom-barahina, eny, tahaka ny anja-by ny taolany.
14 Il est la première des voies de *Dieu : celui qui l’a fait lui a fourni son épée. 19 Voalohany amin'ny asan*'Andriamanitra izy; Ny Mpanao azy no nanome sabatra azy.[Heb. lalan']
15 Car les montagnes lui apportent [sa] pâture, là où se jouent toutes les bêtes des champs. 20 Mamoaka hanina ho azy ny tendrombohitra, izay ilalaovan'ny bibi-dia rehetra;
16 Il se couche sous les lotus dans une retraite de roseaux et de marécages ; 21 Eo ambanin'ny hazo lota no andriany, any am-pierena anaty zozoro sy fotaka.
17 Les lotus le couvrent de leur ombre, les saules de la rivière l’environnent. 22 Manalokaloka azy ny hazo lota; Ary ny hazomalahelo eny amoron'ny ony no manodidina azy
18 Voici, que le fleuve déborde avec violence, il ne se précipite pas ; il est plein d’assurance si un Jourdain se jette contre sa gueule. 23 Indro, na dia maria aza ny ony, tsy manahy izy; Matoky izy, na dia misy Jordana migorodana amin'ny vavany aza.
19 Le prendra-t-on en face ? Lui percera-t-on le nez dans une trappe ? 24 Moa misy mahasambotra azy va, raha mihiratra ny masony? Raha azon'ny fandrika izy, misy mahatsindrona ny orony va?
— v. 10 : peut-être : l’hippopotame.  
*  
20 Tireras-tu le léviathan* avec un hameçon, et avec une corde lui feras-tu y enfoncer sa langue** ? 25 Mahasarika ny mamba* amin'ny farango va ianao, na mahafatotra ny lelany amin'ny mahazaka?[Heb. leviatana]
21 Lui mettras-tu un jonc dans le nez, et lui perceras-tu la mâchoire avec un crochet ? 26 Mahisy tady zozoro amin'ny orony va ianao, na mahaboroaka ny valanoranony amin'ny fintana?
22 Te fera-t-il beaucoup de supplications, ou te dira-t-il des choses douces ? 27 Hifon-jato amin'arivo aminao va izy, na hanao teny malefaka aminao?
23 Fera-t-il une alliance avec toi ? Le prendras-tu comme serviteur à toujours ? 28 Hanao fanekena aminao va izy? Azonao alaina ho andevonao mandrakizay va izy?
24 Joueras-tu avec lui comme avec un oiseau, et l’attacheras-tu pour tes jeunes filles ? 29 Hilalao azy tahaka ny filalao voron-kely va ianao? Ary hamatotra azy ho an'ny zazavavy ao aminao va ianao?
25 Des associés* feront-ils trafic de lui ? Le partageront-ils entre des marchands ? 30 Hataon'ny mpaka hazandrano varotra va izy, ka hotsinjarainy amin'ny mpandranto?
26 Rempliras-tu sa peau de dards, et sa tête de harpons à poissons ? 31 Mahafeno lefom-pohy ny hodiny va ianao, na firombaka amin'ny lohany?
27 Mets ta main sur lui : souviens-toi de la bataille, — n’y reviens pas ! 32 Atehefo aminy ange ny tananao; Raha tsaroanao ny ady, dia tsy hanindroa intsony ianao.
— v. 20* : probablement : le crocodile. — v. 20** : ou : et sa langue, avec une corde que tu plongeras. — v. 25 : c. à d. les pêcheurs.  
Chapitre 41 Chapitre 41
1 Voici, on est déçu dans son attente ; même à sa vue, n’est-on pas terrassé ? Nul n’est assez hardi pour le réveiller ; et qui est celui qui se présentera devant moi ? 1 Indro, foana ny fihendrena azy; Tsy mahakivy va na dia ny fijery azy aza?
  2 Tsy misy sahy manao vi-very hanaitra azy; Koa iza kosa no mahajanona eo anatrehako?
2 Qui m’a prévenu, et je lui rendrai ? Tout ce qui est sous les cieux est à moi. 3 Iza no nanome Ahy aloha mba hamaliako azy? Ny eny ambanin'ny lanitra rehetra dia Ahy avokoa.
3 Je ne me tairai pas sur ses membres, sur ce qui concerne ses forces et sur la beauté de sa structure. 4 Tsy mbola hangina Aho ny amin'ny momba ny tenany sy ny heriny ary ny fahatsaran'ny endriny.
4 Qui a mis à découvert le dessus de son vêtement ? Qui pénétrera dans sa double mâchoire* ? 5 Iza no mahasonga ny fitafiany anoloany? Na iza no sahy hiditra ao amin'ny nifiny roa sosona?
5 Qui ouvrira les portes de son museau ? Autour de ses dents est la terreur ! 6 Iza no mahasokatra ny varavaran'ny tavany? Mahatsiravina ny nifiny manodidina!
6 Il est magnifique par la force* de ses boucliers étroitement unis comme par un sceau, 7 Reharehany ny faharaoraon'ny kirany*, mihidy avokoa toy ny voapetaka mafy amin'ny tombo-kase ireo;[Heb. ampingany]
7 L’un touche à l’autre, et le vent ne pénétrerait pas entre eux ; 8 Mikirindro ireo, ka tsy azon'ny rivotra idirana eo anelanelany.
8 L’un est attaché à l’autre, ils se tiennent et ne se séparent pas. 9 Mifanindry lany ireo sady mifaniditra ka tsy azo sarahina,
9 Ses éternuements font jaillir la lumière, et ses yeux sont comme les paupières de l’aurore. 10 Ny fieviny dia mampamirapiratra fahazavana, ary ny masony dia tahaka ny hodimason'ny maraina.
10 Des flammes sortent de sa gueule ; des étincelles de feu s’en échappent ; 11 Lelafo no mivoaka avy amin'ny vavany; Kilalaon'afo no mipariaka avy aminy.
11 Une fumée sort de ses narines comme d’un pot qui bouillonne, comme d’une chaudière ardente ; 12 Ny vavorony dia ivoahan'ny setroka, tahaka ny avy amin'ny vilany mangotraka, na amin'ny fahandroana*.[Na: afon-kerana]
12 Son souffle allumerait des charbons, et une flamme sort de sa gueule. 13 Ny fofonainy mampirehitra arina, ary misy lelafo mivoaka avy amin'ny vavany.
13 Dans son cou loge la force, et la frayeur danse devant lui. 14 Ny vozony no itoeran'ny hery; Ary mibitaka eo alohany ny fampahatahorana.
14 Les plis de sa chair adhèrent ensemble : coulés sur lui, ils ne bougent pas ; 15 Mivalombalona ny hotraka amin'ny tenany; Mafy ireny ka tsy azo endahana.
15 Son cœur est dur* comme une pierre, dur* comme la meule inférieure. 16 Mafy tahaka ny vato ny fony; Eny, mafy tahaka ny vato fikosoham-bary.
16 Quand il se lève, les forts ont peur, ils s’enfuient saisis d’épouvante. 17 Raha mitsangana izy, dia raiki-tahotra ny mahery; Eny, toran-kovitra ireo ka tsy mahavoa.
17 Quand on l’atteint de l’épée, elle n’a aucun effet, ni la lance, ni le dard, ni la cuirasse*. 18 Raha misy mamely azy amin'ny sabatra dia tsy mahalaitra, na amin'ny lefom-pohy, na ny firombaka, na ny zana-tsipìka.
18 Il estime le fer comme de la paille, l’airain comme du bois vermoulu. 19 Ataony toy ny mololo ny vy, ary toy ny hazo momoka ny varahina.
19 La flèche* ne le met pas en fuite ; les pierres de fronde se changent pour lui en du chaume. 20 Tsy mampandositra azy ny zana-tsipìka; Ataony ho toy ny vodivary ny vaton'antsamotady.
20 Il estime la massue comme du chaume, et il se rit du bruit du javelot. 21 Ataony ho toy ny vodivary koa ny langilangy; Ihomehezany ny fanetsehana ny lefona.
21 Sous lui sont des tessons pointus ; il étend une herse sur la vase. 22 Ny takibany dia tahaka ny tavim-bilany maranitra; Mamelatra fivelezam-bary maranitra eo amin'ny fotaka izy.
22 Il fait bouillonner l’eau profonde comme une marmite, il fait de la mer comme un pot d’onguent ; 23 Mampandevy ny lalina ho tahaka ny ao am-bilany izy; Manao ny ranomasina ho tahaka ny vilany misy menaka manitra izy.
23 Il fait briller après lui [son] sillage ; on prendrait l’abîme pour des cheveux gris. 24 Mampahazava ny lalany eo aoriany izy. Ataon'ny olona ho toy ny volo fotsy ny lalina.
24 Il n’a pas son semblable sur la terre : il a été fait pour être sans peur. 25 Tsy misy tahaka azy eny ambonin'ny tany, izay voaforona tsy hahalala tahotra.
25 Il regarde tout ce qui est élevé ; il est roi sur tous les fiers animaux*. 26 Ny avo rehetra jereny avokoa; Mpanjakan'ny bibi-dia rehetra izy
— v. 4 : litt.: frein. — v. 6 : ou : les sillons. — v. 15 : litt.: coulé [comme du métal]. — v. 17 : selon quelques-uns : le harpon. — v. 19 : litt.: Le fils de l’arc. — v. 25 : litt.: les fils de l’orgueil. *
*  
Chapitre 42 Chapitre 42
1 Et Job répondit à l’Éternel et dit : 1 [Ny teny farany nataon'i Joba, sy ny nanomezan'Andriamanitra azy fiadanana indray] Ary Joba dia namaly an'i Jehovah ka nanao hoe:
2 Je sais que tu peux tout, et qu’aucun dessein n’est trop difficile pour toi. 2 Fantatro fa hainao avokoa ny zavatra rehetra, ary tsy azo ferana ny fisainanao.
3 Qui est celui-ci qui, sans connaissance, voile le conseil ? J’ai donc parlé, et sans comprendre, de choses trop merveilleuses pour moi, que je ne connaissais pas. 3 Iza no mahatakona ny fisainanao amin'ny tsi-fahalalana? Koa dia nilaza izay tsy fantatro aho, dia zava-mahagaga loatra amiko, izay tsy takatry ny saiko.
4 Écoute, je te prie, et je parlerai ; je t’interrogerai, et toi, instruis-moi. 4 Mifona aminao aho, mihainoa, fa hiteny aho; Hanontany Anao aho, ka ampahafantaro.
5 Mon oreille avait entendu parler de toi, maintenant mon œil t’a vu : 5 Fandrenesan'ny sofina ihany no nandrenesako Anao; Fa ankehitriny izao kosa dia ny masoko no mahita Anao;
6 C’est pourquoi j’ai horreur de moi, et je me repens dans la poussière et dans la cendre. 6 Koa dia miaiky sy mibebaka Eto amin'ny vovoka sy ny lavenona aho.
   
* *
7 Et il arriva, après que l’Éternel eut dit ces paroles à Job, que l’Éternel dit à Éliphaz, le Thémanite : Ma colère s’est enflammée contre toi et contre tes deux compagnons, car vous n’avez pas parlé de moi comme il convient, comme mon serviteur Job. 7 Ary rehefa voalazan'i Jehovah tamin'i Joba izany teny izany, dia hoy koa Izy tamin'i Elifaza Temanita: Mirehitra aminao sy ny sakaizanao roa lahy ny fahatezerako satria tsy mba marina tahaka ny filàzan'i Joba mpanompoko ny filàzanareo Ahy.
8 Et maintenant, prenez pour vous sept taureaux et sept béliers, et allez vers mon serviteur Job, et offrez un holocauste pour vous ; et mon serviteur Job priera pour vous : car, lui, je l’aurai pour agréable, afin que je n’agisse pas avec vous selon votre folie ; car vous n’avez pas parlé de moi comme il convient, comme mon serviteur Job. 8 Koa ankehitriny makà vantotr'ombilahy fito sy ondrilahy fito ho anareo, ary mankanesa ao amin'i Joba mpanompoko, ka manatera fanatitra dorana ho anareo; ary Joba mpanompoko no hifona ho anareo, fa izy no hankasitrahako, fandrao hamaly anareo araka ny fahadalanareo Aho, satria tsy marina tahaka ny filàzan'i Joba mpanompoko ny filàzanareo Ahy.
9 Et Éliphaz le Thémanite, et Bildad le Shukhite, et Tsophar le Naamathite, allèrent et firent comme l’Éternel leur avait dit ; et l’Éternel eut Job pour agréable. 9 Dia nandeha Elifaza Temanita sy Bildada Sohita ary Zofara Namatita ka nanao araka izay nandidian'i Jehovah azy; ary Jehovah dia nankasitraka an'i Joba.
   
10 Et l’Éternel rétablit l’ancien état* de Job, quand il eut prié pour ses amis ; et l’Éternel donna à Job le double de tout ce qu’il avait eu. 10 Ary Jehovah nampody ny fiadanan'i Joba, raha nivavaka ho an'ny sakaizany izy, ka dia nanome azy indroa toraka izay nananany fahiny Izy.
11 Et tous ses frères, et toutes ses sœurs, et tous ceux qui l’avaient connu auparavant vinrent à lui, et mangèrent le pain avec lui dans sa maison ; et ils sympathisèrent avec lui et le consolèrent de tout le mal que l’Éternel avait fait venir sur lui, et lui donnèrent chacun un késita*, et chacun un anneau d’or. 11 Dia avy ny rahalahiny rehetra sy ny anabaviny rehetra ary ny olona rehetra izay fantany fahiny ka nankao aminy ary niara-nihinana taminy tao an-tranony ary nitsapa alahelo sady nampionona azy noho ny fahoriana rehetra izay efa nahatran'i Jehovah taminy; ary samy nanome azy vakim-bola* iray avy sy kavim-bolamena iray avy izy rehetra.[Heb. kesita;]
— v. 10 : litt.: ramena la captivité. — v. 11 : morceau d’or ou d’argent, servant de monnaie.  
12 Et l’Éternel bénit la fin de Job plus que son commencement : et il eut quatorze mille brebis, et six mille chameaux, et mille paires de bœufs, et mille ânesses ; 12 Ary Jehovah nitahy ny niafaran'i Joba mihoatra noho ny voalohany ka nanana ondry aman'osy efatra arivo amby iray alina sy rameva enina arivo sy omby roa arivo ary borikivavy arivo izy.
13 et il eut sept fils et trois filles ; 13 Ary nanan-janaka fito lahy sy vavy telo koa izy,
14 et il appela le nom de la première Jémima*, et le nom de la seconde Ketsia**, et le nom de la troisième Kéren-Happuc***. 14 ka ny anaran'ny zokiny nataony hoe Jemima, ary ny anaran'ny manarakaraka Kezia, ary ny anaran'ny faravavy Kerena-hapoka.
15 Et, dans tout le pays, il ne se trouvait point de femmes belles comme les filles de Job ; et leur père leur donna un héritage parmi leurs frères. 15 Ary tsy nisy vehivavy tsara tarehy tahaka ny zanakavavin'i Joba hita tany amin'ny tany rehetra, ary niara-nomen-drainy lova tamin'ny anadahiny izy.
— v. 14* : belle comme le jour. — v. 14** : casse. — v. 14*** : flacon de fard.  
16 Et, après cela, Job vécut cent quarante ans, et il vit ses fils, et les fils de ses fils, quatre générations. 16 Ary mbola velona efa-polo amby zato taona Joba taorian'izany ka nahita ny zananilahy sy ny zafiny ka hatramin'ny zafin-dohaliny aza.
17 Et Job mourut vieux et rassasié de jours. 17 Dia maty Joba, rehefa tratrantitra ka ela niainana*.[Heb. voky andro]