Le LIVRE des PETITS PROPHÈTES  
   
OSÉE Hosea
   
   
Chapitre 1 Chapitre 1
1 La parole de l’Éternel qui vint à Osée, fils de Beéri, aux jours d’Ozias, de Jotham, d’Achaz, et d’Ézéchias, rois de Juda, et aux jours de Jéroboam, fils de Joas, roi d’Israël. * 1 Ny tenin'i Jehovah, izay tonga tamin'i Hosea, zanak'i Bery, tamin'ny andro nanjakan'i Ozia sy Jotama sy Ahaza ary Hezekia, mpanjakan'ny Joda, sy tamin'ny andron'i Jeroboama, zanak'i Joasy, mpanjakan'ny Isiraely.
— v. 1 : date : A.C. 795-725 environ.  
2 Commencement de la parole de l’Éternel par Osée. Et l’Éternel dit à Osée : Va, prends-toi une femme prostituée et des enfants de prostitution ; car le pays s’est entièrement prostitué en abandonnant* l’Éternel. 2 Tamin'ny niandohan'ny nitenenan'i Jehovah tamin'i Hosea dia hoy Jehovah taminy: Andeha ianao maka vady izay efa tena janga sy zanaky ny fijangajangana; fa fatra-pijangajanga miala amin'i Jehovah ny tany.
3 Et il s’en alla et prit Gomer, fille de Diblaïm ; et elle conçut, et lui enfanta un fils. 3 Dia lasa izy naka an'i Gomera, zanakavavin'i Diblaima; ary dia nanan'anaka ravehivavy ka nitera-dahy taminy.
4 Et l’Éternel lui dit : Appelle son nom Jizreël, car encore un peu de temps, et je visiterai le sang de Jizreël sur la maison de Jéhu, et je ferai cesser le royaume de la maison d’Israël ; 4 Ary hoy Jehovah taminy: Ataovy Jezirela no anarany; fa vetivety dia hovaliako ny taranak'i Jeho noho ny rà nalatsaka tao Jezirela, ary hatsahatro ny fanjakan'ny taranak'Isiraely.
5 et il arrivera, en ce jour-là, que je briserai l’arc d’Israël dans la vallée de Jizreël. 5 Ary amin'izany andro izany dia hotapahiko ao amin'ny tany lemaka Jezirela ny tsipìkan'Isiraely.
— v. 2 : litt.: loin de.  
6 Et elle conçut encore, et enfanta une fille ; et il lui dit : Appelle son nom Lo-Rukhama*, car je ne ferai plus miséricorde à la maison d’Israël, pour leur pardonner encore ; 6 Ary nanan'anaka indray ravehivavy ka nitera-bavy. Dia hoy Jehovah taminy: Ataovy Lò-rohama* no anarany; fa tsy hamindra fo amin'ny taranak'Isiraely intsony Aho, eny, tsy havelako mihitsy ny helony**.[*Lò-rohama = Tsy namindrana fo][**Na: hofoanako avokoa ny ananany]
7 mais je ferai miséricorde à la maison de Juda, et je les sauverai par l’Éternel leur Dieu ; et je ne les sauverai pas par l’arc, ni par l’épée, ni par la guerre, [ni] par des chevaux, ni par des cavaliers. 7 Fa ny taranak'i Joda no hamindrako fo, ary Izaho Jehovah Andriamaniny no hamonjy azy, nefa tsy amin'ny tsipìka, na amin'ny sabatra, na amin'ny ady, na amin'ny soavaly, na amin'ny mpitaingin-tsoavaly.
— v. 6 : elle n’a pas [obtenu] miséricorde.  
8 Et elle sevra Lo-Rukhama. Et elle conçut, et enfanta un fils. 8 Ary rehefa notazana Lò-rohama, dia nanan'anaka indray reniny ka nitera-dahy.
9 Et il dit : Appelle son nom Lo-Ammi*, car vous n’êtes pas mon peuple, et je ne serai pas à vous. 9 Dia hoy Jehovah: Ataovy Lò-amy* no anarany; fa ianareo tsy oloko, ary Izaho tsy ho Andriamanitrareo**.[*Lò-amy = Tsy oloko][**Heb. tsy ho anareo]
— v. 9 : pas mon peuple. Chapitre 2
10 Cependant le nombre des fils d’Israël sera comme le sable de la mer, qui ne se peut mesurer ni nombrer ; et il arrivera que, dans le lieu où il leur a été dit : Vous n’êtes pas mon peuple, il leur sera dit : Fils du *Dieu vivant. 1 Kanefa, na dia izany aza, ny isan'ny Zanak'Isiraely dia ho betsaka toy ny fasika amin'ny ranomasina, izay tsy azo afatra sady tsy tambo isaina; ary any amin'ny tany izay nilazana taminy hoe: Tsy oloko ianareo, dia any no hanaovana aminy hoe: Zanak'Andriamanitra velona ianareo.
11 Et les fils de Juda et les fils d’Israël se rassembleront, et s’établiront un* chef, et monteront du pays ; car la journée de Jizreël est grande. 2 Dia hiara-mivory ny taranak'i Joda sy ny taranak'Isiraely ka hifidy anankiray ho lohany izy, dia hiakatra hiala amin'ny tany, fa ho lehibe ny andron'i Jezirda.
— v. 11 : un seul.  
*  
Chapitre 2  
1 Dites à vos frères : Ammi* ! et à vos sœurs : Rukhama** ! 3 Manaova amin'ny rahalahinareo hoe: Amy*, ary amin'ny anabavinareo hoe: Rohama**. [*Amy = Oloko][**Rohama = Namindrana fo]
— v. 1* : mon peuple. — v. 1** : elle a [obtenu] miséricorde.  
2 Plaidez contre votre mère, plaidez ! car elle n’est pas ma femme et je ne suis pas son mari ; et qu’elle ôte ses prostitutions de devant sa face, et ses adultères d’entre ses seins, 4 [Ny hamaizana ny Isiraely, sy ny mbola hampodian'i Jehovah azy] Mifandahara amin-dreninareo, eny, mifandahara fa izy tsy vadiko, ary Izaho tsy vadiny, ary aoka hesoriny ny fijejojejoany hiala eo amin'ny tavany sy ny fijangajangany tsy ho eo an-tratrany;
3 de peur que je ne la dépouille à nu, et que je ne la place là comme au jour de sa naissance, et que je n’en fasse comme un désert, et que je ne la rende comme une terre aride, et ne la tue de soif. 5 Fandrao hampihanjahanjaiko izy ka hataoko toy ny tamin'ny andro nahaterahany, ary hataoko toy ny efitra sy ny tany karankaina izy, eny, hataoko matin-ketaheta izy.
4 Et je ne ferai pas miséricorde à ses enfants, car ce sont des enfants de prostitution ; 6 Ary tsy hamindrako fo ny zanany, Satria zanaky ny fijangajangana ireny.
5 car leur mère s’est prostituée, celle qui les a conçus s’est déshonorée ; car elle a dit : J’irai après mes amants qui m’ont donné mon pain et mon eau, ma laine et mon lin, mon huile et ma boisson. 7 Fa efa nijangajanga ny reniny, eny, ilay torontoronina azy efa nanao izay mahamenatra; Fa hoy izy: Hanaraka ireo lehilahiko ihany aho, Izay manome ahy ny hanin-kohaniko sy ny rano hosotroiko, sy ny volon'ondriko sy ny rongoniko sy ny diloiloko ary ny fisotroko.
6 C’est pourquoi, voici, je vais fermer ton chemin avec des épines, et j’élèverai une clôture ; et elle ne trouvera pas ses sentiers. 8 Koa, indro, hotampenako tsilo ny lalanao sady hasiako fefy, ary tsy hahita izay lalan-kalehany izy.
7 Et elle courra après ses amants, et ne les atteindra pas ; et elle les cherchera, et ne les trouvera pas. Et elle dira : J’irai et je m’en retournerai à mon premier mari ; car alors j’étais mieux que maintenant. 9 Ary hiezaka hanenjika ireo lehilahiny izy, nefa tsy hahatratra azy; Eny, hitady ireo izy, nefa tsy hahita; Dia hanao hoe izy: Handeha hody amin'ny vadiko taloha aho; Fa niadana aho tamin'izay noho ny ankehitriny.
8 Et elle ne sait pas que c’est moi qui lui ai donné le blé, et le moût, et l’huile. Je lui ai multiplié aussi l’argent et l’or : — ils l’ont employé pour Baal. 10 Ary tsy fantany fa Izaho no nanome azy ny vary sy ny ranom-boaloboka sy ny diloilo, sady nataoko be ny volafotsiny sy ny volamenany, izay nolaniny ho an*'i Bala,[Na: nataony ho]
9 C’est pourquoi je reprendrai mon blé en son temps, et mon moût en sa saison ; et j’ôterai ma laine et mon lin, qui devaient couvrir sa nudité. 11 Koa dia halaiko indray ny variko amin'ny androny sy ny ranom-boaloboko amin'ny taonany, ary haoriko ny volon'ondriko sy ny rongoniko, izay nomena hasarony ny fitanjahany.
10 Et maintenant je découvrirai sa honte aux yeux de ses amants, et personne ne la délivrera de ma main ; 12 Ary ankehitriny hasehoko eo imason'ireo lehilahiny ny fahamenarany, ka tsy hisy hahafaka azy amin'ny tanako.
11 et je ferai cesser toutes ses délices, sa fête, sa nouvelle lune, et son sabbat, et toutes ses assemblées ; 13 Ary hatsahatro ny fifaliany rehetra, dia ny andro firavoravoany sy ny voaloham-bolany ary ny Sabatany, eny, ny fotoam-pivavahany rehetra.
12 et je détruirai sa vigne et son figuier, dont elle disait : Ce sont là mes présents que mes amants m’ont donnés ; et j’en ferai une forêt, et les bêtes des champs les dévoreront. 14 Ary hofongorako ny voalobony sy ny aviaviny, izay nataony hoe: Tangiko avy tamin'ireo lehilahiko ireto, ary hataoko ho tonga ala ireny ka hohanin'ny bibidia.
13 Et je visiterai sur elle les jours des Baals, où elle leur brûlait de l’encens, et se parait de son anneau de nez et de ses colliers, et allait après ses amants, et m’a oublié, dit l’Éternel. 15 Ary hovaliako izy noho ny andron'ireo Bala, izay efa nandoroany ditin-kazo manitra sady niravahany ny kaviny sy ny firavany, ka nanaraka ireo lehilahiny izy; Fa Izaho kosa nohadinoiny, hoy Jehovah.
   
14 C’est pourquoi, voici, moi, je l’attirerai, et je la mènerai au désert, et je lui parlerai au cœur ; 16 Koa, indro, Izaho dia hitaona azy ka hitondra azy ho any an-efitra ary hanao teny malefaka hahafinaritra azy.
15 et de là je lui donnerai ses vignes, et la vallée d’Acor pour une porte d’espérance ; et là elle chantera* comme dans les jours de sa jeunesse et comme au jour où elle monta du pays d’Égypte. 17 Ary hatrany dia homeko azy ny tanim-boalobony sy ny lohasaha Akora ho varavaram-panantenana; Ary any no hamaliany* toy ny tamin'ny andro fahatanorany, dia toy ny tamin'ny andro niakarany avy tany amin'ny tany Egypta.[Na: hihirany]
16 Et il arrivera, en ce jour-là, dit l’Éternel, que tu m’appelleras : Mon mari, et tu ne m’appelleras plus : Mon maître*. 18 Ary raha mby amin'izany andro izany, hoy Jehovah, dia hataonao hoe Aho Vadiko, fa tsy hataonao intsony hoe Balako*.[Balako = Tompoko]
17 Et j’ôterai de sa bouche les noms des Baals, et on ne se souviendra plus de leur nom. 19 Fa hesoriko amin'ny vavany ny anaran'ireo Bala, ka tsy hotsarovana amin'ny anarany intsony ireo.
— v. 15 : ou : répondra. — v. 16 : hébreu : Mon Baal.  
18 Et je ferai pour eux, en ce jour-là, une alliance avec les bêtes des champs, et avec les oiseaux des cieux, et avec les reptiles du sol ; et j’ôterai du pays, en les brisant, l’arc et l’épée et la guerre ; et je les ferai reposer en sécurité. 20 Ary raha mby amin'izany andro izany, Izaho dia hanao fanekena ho azy amin'ny bibidia sy amin'ny voro-manidina ary amin'ny biby mandady sy mikisaka amin'ny tany; Ary hotapatapahiko tsy hisy amin'ny tany intsony ny tsipìka sy ny sabatra ary ny fiadiana, dia hataoko mandry fahizay izy;
19 Et je te fiancerai à moi pour toujours ; et je te fiancerai à moi en justice, et en jugement, et en bonté, et en miséricorde ; 21 Ary hofofoiko ho vadiko mandrakizay ianao, eny, hofofoiko ho vadiko amin'ny rariny sy ny hitsiny ary amin'ny fitiavana sy ny indrafo ianao;
20 et je te fiancerai à moi en vérité ; et tu connaîtras l’Éternel. 22 Eny, hofofoiko ho vadiko amin'ny fahamarinana ianao. Ka dia hahalala an'i Jehovah.
21 Et il arrivera, en ce jour-là, que j’exaucerai, dit l’Éternel, j’exaucerai les cieux, et eux exauceront la terre, 23 Ary amin'izany andro izany dia hihaino* Aho, hoy Jehovah, eny, hihainoa ny lanitra Aho, ary izy kosa hihaino ny tany; [Na: hamaly]
22 et la terre exaucera le froment et le moût et l’huile, et eux exauceront Jizreël*. 24 Ary ny tany kosa hihaino ny vary sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo; Ary ireo kosa dia hihaino an'i Jezirela,
23 Et je la sèmerai pour moi dans le pays, et je ferai miséricorde à Lo-Rukhama*, et je dirai à Lo-Ammi* : Tu es mon peuple, et il me dira : Mon Dieu. 25 Dia hafafiko ho Ahy amin'ny tany izy; Ary hamindra fo amin'i Lò-rohama* Aho sady hanao amin'i Lò-amy hoe: Oloko ianao; Ary izy kosa hanao hoe: Andriamanitro Hianao.[Izahao i. 6]
— v. 22 : Dieu sème. — v. 23* : voir 1:6, 9.  
Chapitre 3 Chapitre 3
1 Et l’Éternel me dit : Va encore, aime une femme aimée d’un ami, et adultère, selon l’amour de l’Éternel pour les fils d’Israël, tandis qu’eux se tournent vers d’autres dieux et aiment les gâteaux de raisins. 1 [Ny amin'ny vehivavy janga anankiray, izay natao tandindon'ny Isiraely] Dia hoy Jehovah tamiko: Mandehana indray, tiava vehivavy izay tian'ny vadiny nefa* mijangajanga, dia tahaka ny fitiavan'i Jehovah ny Zanak'Isiraely, nefa ireo kosa dia mihodina ho amin'izay andriamani-kafa sady tia ampempam-boaloboka.[Na: tian'ny sakaizany sady]
2 Et je me l’achetai pour quinze [pièces] d’argent, et un khomer d’orge et un léthec* d’orge. 2 Ka dia novidiko sekely volafotsy dimy ambin'ny folo sy vary hordea homera iray sy tapany izy.
3 Et je lui dis : Durant beaucoup de jours tu m’attendras, tu ne te prostitueras pas, et tu ne seras à [aucun] homme ; et moi [je ferai] de même à ton égard. 3 Ary hoy izaho taminy: Andro maro no hitoeranao miandry ahy; fa tsy havela hijangajanga na hanambady olon-kafa ianao; ary izaho koa dia ho toy izany aminao.
4 Car les fils d’Israël resteront beaucoup de jours sans roi, et sans prince, et sans sacrifice, et sans statue, et sans éphod ni théraphim. 4 Fa andro maro no hitoeran'ny Zanak'Isiraely tsy hanana mpanjaka, na mpanapaka, na fanatitra, na tsangam-bato, na efoda, na terafima.
5 Ensuite, les fils d’Israël retourneront et rechercheront l’Éternel, leur Dieu, et David, leur roi, et se tourneront avec crainte vers l’Éternel et vers sa bonté, à la fin des jours. 5 Rehefa afaka izany, dia hiverina ny Zanak'Isiraely ka hitady an'i Jehovah Andriamaniny sy Davida mpanjakany; ary nandeha amin-kovitra hanatona an'i Jehovah sy ny fahasoavany izy, raha mby any amparany.
— v. 2 : demi-khomer.  
* *
Chapitre 4 Chapitre 4
1 Écoutez la parole de l’Éternel, fils d’Israël, car l’Éternel a un débat avec les habitants du pays ; car il n’y a pas de vérité, et il n’y a pas de bonté, et il n’y a pas de connaissance de Dieu dans le pays : 1 [Ny fananarana ny Isiraely noho ny helony] Mihainoa ny tenin'i Jehovah, ianareo Zanak'Isiraely! Fa Jehovah manana ady amin'ny mponina amin'ny tany, satria tsy misy fahamarinana, na fitiavana, na fahalalana an'Andriamanitra eo amin'ny tany,
2 exécration, et mensonge, et meurtre, et vol, et adultère ; la violence déborde, et le sang touche le sang. 2 Fa fianianana sy lainga sy vonoana sy halatra sy fijangajangana kosa, eny, manao an-keriny izy* ka mifanontona ny fandatsahan-drà.[Na: Fa ny fianianana sy ny lainga sy ny vonoana sy ny halatra ary ny fijangajangana no mihabetsaka]
3 C’est pourquoi le pays sera dans le deuil ; et tous ceux qui y habitent seront languissants, avec les bêtes des champs, et avec les oiseaux des cieux ; et même les poissons de la mer seront ôtés. 3 Ary noho izany dia mitomany ny tany ary reraka izay rehetra mitoetra ao aminy, dia* ny bibi-dia sy ny voro-manidina; Eny, na dia ny hazandrano any anaty ranomasina aza dia ringana koa.[Na: Mbamin']
   
4 Toutefois que nul ne conteste, que nul ne reprenne ; or ton peuple est comme ceux qui contestent avec le sacrificateur. 4 Kanefa aza misy mandahatra, na mananatra; Fa ny oloko dia efa tahaka ny mifanditra amin'ny mpisorona.
5 Et tu broncheras de jour, et le prophète aussi avec toi bronchera de nuit : et je détruirai ta mère. 5 Ka dia ho tafintohina antoandro ianao, ary ny mpaminany hiara-tafintohina aminao koa amin'ny alina, ary hovonoiko ny reninao.
   
6 Mon peuple est détruit, faute de connaissance ; car toi, tu as rejeté la connaissance, et je te rejetterai afin que tu n’exerces plus la sacrificature devant* moi. Car tu as oublié la loi de ton Dieu, et moi j’oublierai tes fils. 6 Ringana ny oloko noho ny tsi-fisian'ny fahalalana. Satria ianao efa nandà ny fahalalana, dia mba holaviko kosa tsy ho mpisoroko intsony; Ary efa nanadino ny lalan'Andriamanitrao ianao, ka dia mba hohadinoiko kosa ny zanakao.
7 Selon qu’ils se sont accrus, ainsi ils ont péché contre moi. Je changerai leur gloire en ignominie. 7 Araka ny nitomboany no nanotany tamiko, ka dia hampodiko ho henatra kosa ny voninahiny.
8 Ils mangent le péché de mon peuple, et leur âme désire son iniquité. 8 Ny fanatitra noho ny ota izay aterin'ny oloko dia haniny ka satriny ihany ny ho diso ireny.
9 Et comme le peuple, ainsi sera le sacrificateur. Et je visiterai sur eux leurs voies, et je leur rendrai leurs actions ; 9 Ary ho sahala ihany ny hanjo ny olona sy ny mpisorona; Dia hovaliako izy noho ny lalany, ary ny ataony dia hatsingeriko aminy.
10 et ils mangeront et ne seront pas rassasiés ; ils se prostitueront, mais ne s’étendront pas, car ils ont cessé de prendre garde à l’Éternel. 10 Ka dia hihinana izy, nefa tsy ho voky, hijangajanga izy, nefa tsy hihabetsaka, satria Jehovah efa tsy nahoany intsony.
11 La fornication, et le vin, et le moût, ôtent le sens. 11 Fijangajangana sy divay ary ranom-boaloboka no mahalasa ny saina.
— v. 11 : litt.: à.  
12 Mon peuple interroge son bois, et son bâton est son oracle, car l’esprit de fornication égare ; et il se prostitue, se soustrayant à son Dieu. 12 Ny oloko dia mila saina amin'ny tapa-kazony, ary ny tehiny no manambara aminy; Fa ny fanahim-pijangajangana no nampania azy, ary lasan-ko janga izy ka tsy manaiky an'Andriamaniny.
13 Ils offrent des sacrifices sur les sommets des montagnes, et font fumer de l’encens sur les collines, sous le chêne et le peuplier et le térébinthe, parce que leur ombre est bonne. C’est pourquoi vos filles se prostituent et vos belles-filles commettent l’adultère. 13 Eny an-tampon'ny tendrombohitra no amonoany zavatra hatao fanatitra, ary eny amin'ny havoana no andoroany ditin-kazo manitra, dia eny ambanin'ny hazo ôka sy ny popola ary ny terebinta, satria tsara alokaloka ireny; Koa izany no ijejojejoan'ny zanakavavinareo sy ijangajangan'ny vinantovavinareo.
14 Je ne punirai pas vos filles pour s’être prostituées, ni vos belles-filles pour avoir commis l’adultère ; car ils se sont séparés eux-mêmes avec les prostituées, et sacrifient avec des femmes consacrées à la prostitution ; et le peuple qui n’a pas d’intelligence court à sa perte*. 14 Tsy hamaly ny zanakavavinareo Aho, raha mijejojejo izy, na ny vinantovavinareo, raha mijangajanga izy; Fa ny tenanareo* aza dia miavaka hankamin'ny mpijangajanga sady mamono zavatra hatao fanatitra miaraka amin'ireo vehivavy mpanolotena hijangajanga ho fanompoan-tsampy, ka dia ho lavo ny firenena tsy misaina.[Heb. ireny]
— v. 14 : tombe, comme Prov. 10:8, 10.  
15 Si tu te prostitues, ô Israël, que Juda ne se rende pas coupable ! N’allez pas à Guilgal, et ne montez pas à Beth-Aven*, et ne jurez pas : L’Éternel est vivant ! 15 Na dia mijangajanga aza ianao, ry Isiraely. Aoka ny Joda tsy mba hanota; Ary aza mankany Gilgala na miakatra any Betavena ianareo; Ary aza mianiana hoe: Raha velona koa Jehovah!
16 Car Israël est revêche comme une génisse rétive. Maintenant l’Éternel les paîtra comme un agneau dans un lieu spacieux. 16 Fa ny Isiraely dia maditra toy ny vantotr'ombivavy maditra; Ankehitriny dia handrasan'i Jehovah toy ny zanak'ondry eny amin'ny malalaka izy.
17 Éphraïm s’est attaché aux idoles : laisse-le faire. 17 Tafaraikitra amin'ny sampy Efraima; Aoka izy ho eo.
18 Leurs orgies se sont avilies* ; ils se livrent à la fornication ; leurs chefs** ont ardemment aimé l’ignominie***. 18 Efa lefy ny divainy; Mahery mijangajanga izy*; Fatra-pitia henatra ireo mpanapaka azy**. [*Na: Rehefa mitsahatra ny fibobohany, dia mahery mijangajanga izy][**Heb. ampingany]
19 Le vent a enserré [Éphraïm] dans ses ailes, et ils sont honteux à cause de leurs sacrifices. 19 Voapaoky ny elatry ny rivotra izy ka ho menatra noho ny zavatra novonoiny hatao fanatitra.
— v. 15 : maison de vanité ou d’iniquité, ironiquement pour Béthel (maison de Dieu) ; voir 10:5. — v. 18* : ou : Leur vin est aigri. — v. 18** : hébreu : boucliers. — v. 18*** : d’autres : ils aiment [à dire] : Donnez ; ses chefs sont une infamie.  
* *
Chapitre 5 Chapitre 5
1 Écoutez ceci, sacrificateurs ; et sois attentive, maison d’Israël, et prête l’oreille, maison du roi, car c’est contre vous qu’est le jugement ; car vous avez été un piège à Mitspa, et un filet étendu sur le Thabor. 1 Henoinareo izao, ry mpisorona, ary mandrenesa, ry taranak'Isiraely; Ary atongilano ny sofinareo, ry mpianakavin'ny mpanjaka; Fa ianareo no hihiran'ny fitsarana, satria tonga fandrika ao Mizpa ianareo sy fandrika harato voavelatra ao Tabara.
2 Ils se sont enfoncés dans la corruption de l’apostasie*, et moi, je les châtierai tous. 2 Ny mpivadika dia fatra-pamono*; Fa Izaho kosa famaizana azy rehetra.[Na: fatra-panao ratsy]
3 Je connais Éphraïm, et Israël ne m’est point caché ; car maintenant, Éphraïm, tu as commis la fornication ; Israël s’est souillé. 3 Izaho mahalala an'i Efraima, ary Isiraely tsy takona amiko; Ankehitriny dia tonga mpijangajanga ianao, ry Efraima, voaloto Isiraely.
4 Leurs méfaits ne leur permettent pas de* retourner à leur Dieu ; car l’esprit de fornication est au milieu d’eux et ils ne connaissent pas l’Éternel. 4 Tsy avelan'ny ataony hiverina* amin'Andriamanitra izy; Fa ny fanahim-pijangajangana no ao anatiny, ary Jehovah tsy fantany.[Na: tsy mety manao izay hiverenany]
5 Et l’orgueil d’Israël témoigne en face contre lui ; et Israël et Éphraïm tomberont par leur iniquité ; Juda aussi tombera avec eux. 5 Ary ny avonavon'Isiraely dia vavolombelona manameloka azy; Ary Isiraely indrindra fa Efraima, ho lavon-keloka; Joda hiara-davo aminy koa.
6 Avec leurs brebis et avec leurs bœufs, ils iront pour chercher l’Éternel, mais ils ne le trouveront pas : il s’est retiré d’eux. 6 Hitondra ny ombiny aman'ondriny izy ka handeha hitady an'i Jehovah. Nefa tsy hahita Azy; Jehovah efa niala taminy.
7 Ils ont agi perfidement envers l’Éternel, car ils ont engendré des fils étrangers : maintenant, un mois les dévorera avec leurs biens. 7 Nivadika tamin'i Jehovah izy, fa niteraka zaza sary; Ankehitriny dia ho levon'ny voaloham-bolana izy mbamin'ny zara-lovany.
— v. 2 : ou : Les apostats se livrent avidement à des sacrifices. — v. 4 : ou : Ils ne s’appliquent pas, dans leurs actes, à.  
8 Sonnez du cor en Guibha, de la trompette à Rama. Criez* dans Beth-Aven : Derrière toi, Benjamin ! 8 Tsofy ao Gibea ny anjomara ary ny trompetra ao Rama! Miantsoa mafy ao Betavena! Inay! misy manenjika anao, ry Benjamina!
9 Éphraïm sera une désolation au jour du châtiment : je fais savoir parmi les tribus d’Israël une chose certaine. 9 Ho lao Efraima, raha mby amin'ny andro fanamelohana; Izay tsy maintsy ho tò no nambarako tao amin'ny firenen'Isiraely.
10 Les princes de Juda sont comme ceux qui reculent les bornes : je répandrai sur eux ma fureur comme de l’eau. 10 Ny mpanapaka ny Joda dia efa tonga toy izay mamindra faritany, ka dia ireo no hampidinako ny fahatezerako toy ny fampidina rano.
11 Éphraïm est opprimé, brisé par le jugement, parce que, selon sa propre volonté, il est allé après le commandement [de l’homme*] ; 11 Ampahorina Efraima sady voatorotoron'ny fitsarana, satria ninia nanaraka didin'olombelona izy,
12 et moi, je serai comme une teigne pour Éphraïm, et comme de la vermoulure pour la maison de Juda. 12 Koa amin'i Efraima dia tahaka ny kalalao Aho ary amin'ny taranak'i Joda dia toy ny fositra*.[Na: momoka]
— v. 8 : ou : Sonnez avec éclat. — v. 11 : ou : [du roi].  
13 Et Éphraïm a vu sa maladie, et Juda, sa plaie ; et Éphraïm s’en est allé en Assyrie et a envoyé vers le roi Jareb* ; mais lui n’a pu vous guérir, et ne vous a pas ôté votre plaie. 13 Rehefa hitan'i Efraima ny aretiny, ary Joda ny feriny, dia nantany amin'ny Asyriana Efraima, eny, naniraka ho any amin'i Jareba* mpanjaka izy; Nefa izy tsy mahasitrana anareo, na mampanaritra ny ferinareo.[Jareba = Mpandahatra, na Mpiady]
14 Car je serai comme un lion* à Éphraïm, et comme un jeune lion à la maison de Juda : moi, moi, je déchirerai, et je m’en irai ; j’emporterai, et il n’y aura personne qui délivre ! 14 Fa amin'i Efraima dia tahaka ny liona Aho, ary amin'ny taranak'i Joda dia tahaka ny liona tanora: Izaho dia Izaho no mamiravira, dia lasa mandeha; Mahalasa Aho, ka tsy misy mahavonjy.
15 Je m’en irai, je retournerai en mon lieu, jusqu’à ce qu’ils se reconnaissent coupables et recherchent ma face. Dans leur détresse, ils me chercheront dès le matin. 15 Handeha hody any amin'ny fitoerako Aho ambara-piaikiny ny helony sy hitadiavany ny tavako. Rehefa azom-pahoriana izy, dia hitady Ahy fatratra.
— v. 13 : il contestera. — v. 14 : litt.: un rugissant.  
Chapitre 6 Chapitre 6
1 Venez, retournons à l’Éternel, car lui a déchiré, et il nous guérira ; il a frappé, et il bandera nos plaies. 1 Andeha hiverina ho amin'i Jehovah isika; Fa Izy no namiravira, ary Izy ihany no hahasitrana antsika; Izy no namely, ary Izy no hamehy ny ferintsika.
2 Dans deux jours, il nous fera vivre ; au troisième jour, il nous mettra debout, et nous vivrons devant sa face, 2 Rehefa afaka indroa andro, dia hovelominy indray isika; Ary amin'ny andro fahatelo, dia hatsangany ho velona eo anatrehany isika
3 et nous connaîtrons [et] nous nous attacherons à connaître l’Éternel. Sa sortie est préparée comme l’aube du jour ; et il viendra à nous comme la pluie, comme la pluie de la dernière saison arrose la terre. 3 Dia aoka hahalala, eny, aoka hiezaka hahalala an'i Jehovah isika; Mahatoky toy ny maraina ny fiposahany, dia ho avy amintsika toy ny ranonorana mivatravatra Izy, sy toy ny fara orana izay mahavonto ny tany.
* *
4 Que te ferai-je, Éphraïm ? Que te ferai-je, Juda ? Votre piété est comme la nuée du matin et comme la rosée qui s’en va de bonne heure. 4 Inona re no ho azoko atao aminao, ry Efraima? Inona re no ho azoko atao aminao, ry Joda? Fa toy ny rahona maraina ny fitiavanareo sy tahaka ny ando izay levona, raha vao maraina ny andro.
5 C’est pourquoi je les ai hachés par les prophètes, je les ai tués par les paroles de ma bouche … Et mon jugement sort comme la* lumière. 5 Ary noho izany ny mpaminany no nentiko nikapa azy, ny tenin'ny vavako no nentiko namono azy; Ary ny fitsarana anao dia hiposaka toy ny mazava.
6 Car j’ai aimé la bonté*, et non le sacrifice, et la connaissance de Dieu plus que les holocaustes ; 6 Fa famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà, ary fahalalana an'Andriamanitra noho ny fanatitra dorana.
7 mais eux, comme Adam, ont transgressé [l’]alliance ; là ils ont agi perfidement envers moi. 7 Fa ireny dia nivadika ny fanekena tahaka an'i Adama, tao no nivadihany nahafoizany Ahy.
— v. 5 : d’autres lisent : tes jugements sortent [comme] la. — v. 6 : ou : grâce.  
8 Galaad est une ville d’ouvriers d’iniquité, couverte de traces de sang. 8 Gileada dia tanànan'ny mpanao ratsy sady voaloton'ny rà.
9 Et comme les troupes [de voleurs] guettent un homme, la bande des sacrificateurs assassine sur le chemin de Sichem ; car ils commettent des infamies. 9 Ary toy ny fanotriky ny jiolahy no fikamban'ny mpisorona: Mamono eny an-dalambe mankany Sekema izy, eny, efa nanao fahavetavetana koa izy.
10 J’ai vu des choses horribles dans la maison d’Israël : là est la prostitution d’Éphraïm ! Israël s’est souillé ! 10 Tao amin'ny taranak'Isiraely no nahitako zavatra mahatsiravina: ao ny fijangajangan'i Efraima, voaloto Isiraely.
11 Pour toi aussi, Juda, une moisson t’est assignée, quand je rétablirai les captifs* de mon peuple. 11 Ny aminao, ry Joda, dia voatendry koa ny andro hijinjana anao, rehefa ampodiko avy amin'ny fahababoana ny oloko.
— v. 11 : voir Deut. 30:3.  
Chapitre 7 Chapitre 7
1 Quand j’ai voulu guérir Israël, l’iniquité d’Éphraïm s’est découverte, et les méchancetés de Samarie ; car ils ont pratiqué la fausseté, et le voleur entre, [et] la troupe des brigands assaille dehors. 1 Raha ta-hanasitrana ny Isiraely Aho, dia miseho ny helok'i Efraima sy ny faharatsian'i Samaria, fa manao fitaka izy; Miditra ny mpangalatra, ary ny jiolahy manao andiany dia mandehandeha eny ivelany.
2 Et ils ne se sont pas dit dans leur cœur que je me souviens de toute leur méchanceté. Maintenant leurs méfaits les environnent, ils sont devant ma face. 2 Ary tsy heveriny ao am-po* fa tsarovako ny faharatsiany rehetra; Ankehitriny dia gejan'ny nataony izy, efa tonga eo anatrehako izany.[Heb. ataony hoe]
3 Ils réjouissent le roi par leur méchanceté, et les princes par leurs mensonges. 3 Amin'ny faharatsiany no ampifaliany ny mpanjaka, ary amin'ny laingany ny mpanapaka.
4 Tous, ils commettent l’adultère, comme un four allumé par le boulanger, qui cesse de l’attiser depuis qu’il s’est mis à pétrir la pâte jusqu’à ce qu’elle ait levé. 4 Samy mpaka vadin'olona avokoa izy rehetra ka toy ny fatana voafanan'ny mpanendy mofo, izay mitsahatra tsy misorona afo hatramin'ny ametafetany ny koba ka ambara-pitombony.
5 Au jour de notre roi, les princes se sont rendus malades par l’ardeur du vin ; il a tendu sa main aux moqueurs. 5 Tamin'ny andron'ny mpanjakantsika dia nankarary tena tamin'ny fanafanan'ny herin'ny divay ny mpanapaka; Nifandray tanana tamin'ny mpaniratsira ny mpanjaka.
6 Car ils ont appliqué leur cœur comme un four à leurs embûches : toute la nuit, leur boulanger dort ; le matin, il brûle comme un feu de flammes. 6 Fa entin'ireo ho ao am-panotrehana ny fony, toy ny ho ao amin'ny fatana; Mandritra ny alina dia matory ihany ny mpanendy azy, ary nony maraina dia toy ny lelafo mirehitra ny fatana.
7 Ils sont tous ardents comme un four, et ils dévorent leurs juges : tous leurs rois sont tombés ; nul d’entre eux ne m’invoque. 7 Samy mahamay toy ny fatana izy rehetra ka mandevona ny andriambaventiny; Efa lavo avokoa, ny mpanjakany, tsy misy miantso Ahy izy rehetra.
   
8 Éphraïm s’est mêlé avec les peuples ; Éphraïm est un gâteau qu’on n’a pas retourné. 8 Efraima dia miharoharo amin'ireo firenena; Efraima dia efa tonga ampempa tsy voavadika.
9 Des étrangers ont consumé sa force, et il ne le sait pas. Des cheveux gris sont aussi parsemés sur lui, et il ne le sait pas. 9 Lanin'ny vahiny ny heriny, nefa tsy fantany akory izany; Eny, efa mipi-bolo ihany izy, saingy tsy fantany.
10 Et l’orgueil d’Israël témoigne en face contre lui, et ils ne se tournent pas vers l’Éternel, leur Dieu, et ils ne le recherchent pas malgré tout cela. 10 Ary ny avonavon*'Isiraely dia vavolombelona manameloka azy; Nefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy miverina amin'i Jehovah Andriamaniny ihany izy, na mitady Azy.[Na: ny reharehany]
11 Éphraïm est devenu comme une colombe niaise, sans intelligence ; ils appellent l’Égypte, ils vont vers l’Assyrie. 11 Ary Efraima dia efa tonga tahaka ny voromailala adaladala tsy manan-tsaina; Efa miantso an'i Egypta izy ary efa mankany Asyria.
12 Dès qu’ils iront, j’étendrai sur eux mon filet, je les ferai descendre comme les oiseaux des cieux. Je les châtierai selon que leur assemblée l’a entendu. 12 Raha vao mandeha izy, dia hovelariko aminy ny fandrika haratoko, ka hampidiniko ao toy ny voro-manidina izy; Hofaizako izy araka izay efa nambara tamin'ny fiangonany.
   
13 Malheur à eux, car ils se sont enfuis loin de moi ! Ruine sur eux, car ils se sont rebellés contre moi ! Et moi, je voulais les racheter, mais ils disent* des mensonges contre moi ; 13 Lozan'ireny! satria nandositra Ahy izy, haringana izy! satria niodina tamiko; Izaho ta-hanavotra azy, fa izy kosa dia lainga no entiny milaza Ahy.
14 et ils n’ont pas crié à moi dans leur cœur, quand ils ont hurlé sur leurs lits. Ils se rassemblent pour du froment et du moût ; ils se sont retirés de moi. 14 Ary tsy mitaraina amiko ao am-pony izy, fa midradradradra foana ao am-pandriany; Mitangorona hitady vary sy ranom-boaloboka izy, dia miodina miala amiko.
15 Et moi, j’ai châtié ; j’ai fortifié leurs bras : et ils ont médité le mal contre moi ; 15 Ary Izaho no nampianatra sy nanatanjaka ny sandriny, nefa izy kosa dia misaintsain-dratsy Ahy,
16 ils retournent, [mais] non au [Très]-Haut ; ils sont comme un arc trompeur. Leurs princes tomberont par l’épée, à cause de l’insolence de leur langue : cela fera d’eux un objet de risée dans le pays d’Égypte. 16 Miverina ihany izy, nefa tsy ho amin'ny Avo; Tonga tahaka ny tsipìka manjiona izy; Ho lavon-tsabatra ny mpanapaka azy noho ny firehitry ny lelany; Izany no ho latsany any amin'ny tany Egypta.
— v. 13 : ou : je les ai rachetés, mais ils ont dit.  
* *
Chapitre 8 Chapitre 8
1 Embouche la trompette ! Comme l’aigle, [il fond] sur la maison de l’Éternel, parce qu’ils ont transgressé mon alliance et ont été rebelles à ma loi. 1 [Ny loza hanjo ny Isiraely noho ny nivadihany] Ataovy eo am-bavanao* ny anjomara! Fa hisy toy ny voromahery hipaoka ny tranon'i Jehovah, satria efa nivadika ny fanekeko sy nandika ny lalàko ireo.[Heb. lanilaninao]
2 Ils me crieront : Mon Dieu, nous te connaissons, [nous], Israël !… 2 Izaho dia hitarainany hoe: Andriamanitro ô, izahay Isiraely mahalala Anao.
3 Israël a rejeté le bien, l’ennemi le poursuivra. 3 Ataon'ny Isiraely ho zavatra maharikoriko ny soa; Ny fahavalo no hanenjika azy.
4 Ils ont fait des rois, mais non de par moi ; ils ont fait des princes, et je ne le savais pas. De leur argent et de leur or ils se sont fait des idoles, afin qu’ils soient retranchés. 4 Ireny dia nanangana mpanjaka nefa tsy avy tamiko; Nifidy mpanapaka izy, nefa tsy fantatro; Ny volafotsiny sy ny volamenany no nataony sampiny mba hamongorana azy.
5 Ton veau t’a rejetée*, Samarie ! Ma colère s’est enflammée contre eux. Jusques à quand seront-ils incapables d’innocence ? 5 Maharikoriko* ilay ombilahy kelinao, ry Samaria; Mirehitra aminareo** ny fahatezerako; Mandra-pahoviana no tsy ho tohanareo*** ny fahadiovana?[*Na: Ataony ho zava-maharikoriko][**Heb. aminy][***Heb. tohany]
6 Car il est d’Israël, celui-là aussi : un ouvrier l’a fait ; il n’est pas Dieu ; car le veau de Samarie sera [mis en] pièces ! 6 Fa avy tamin'ny Isiraely koa izany; Ny mpiasa no nanao azy, ka dia tsy Andriamanitra izy, fa ho torotoro ilay ombilahy kelin'i Samaria.
7 Car ils ont semé le vent, et ils moissonneront le tourbillon. Il n’a pas une tige de blé ; elle germerait, qu’elle ne produirait pas de farine ; et en produisît-elle, des étrangers la dévoreraient. 7 Fa rivotra no nafafiny, ary tadio no hojinjany; Tsy misy vary mitsangana, ny salohiny tsy hisy ventiny; Ary raha tàhiny hisy aza, dia ny olona hafa firenena no hihinana azy.
8 Israël est dévoré ; maintenant, ils seront parmi les nations comme un vase auquel on ne prend pas plaisir. 8 Voatelina Isiraely; Ankehitriny dia efa tonga tahaka ny fanaka tsy mahafinaritra izy any amin'ny jentilisa.
— v. 5 : ou : Il a rejeté ton veau.  
9 Car ils sont montés vers l’Assyrien : un âne sauvage se tient isolé. Éphraïm a fait des présents à des amants. 9 Fa niakatra ho any Asyria izy Toy ny borikidia mandeha irery; Efraima dia nanangy ireo lehilahiny* [Heb. fitiavany]
10 Quand même ils ont fait des présents parmi les nations, maintenant je les assemblerai, et ils commenceront à être amoindris sous le* fardeau du roi des princes. 10 Ary na dia nanangy tany amin'ny jentilisa aza izy, dia hovoriko ankehitriny; Ary hihavitsy izy noho ny entan'ny mpanjakan'ireo mpanapaka.
— v. 10 : ou : ils se reposeront un peu du.  
11 Car Éphraïm a multiplié les autels pour pécher, [et] les autels seront son péché*. 11 Fa Efraima nanao alitara maro hanotana, eny, efa nahazo alitara hanotana izy.
12 J’ai écrit pour lui les grandes* choses de ma loi ; elles sont estimées comme une chose étrange**. 12 Na dia soratako ho azy ny teny betsaka amin'ny lalàko aza, dia ataony ho toy ny zavatra tsy izy izany.
13 Pour sacrifice de mes offrandes, ils offrent de la chair, et ils la mangent ; l’Éternel ne les a pas pour agréables. Maintenant, il se souviendra de leur iniquité et visitera leurs péchés. Ils retourneront en Égypte. 13 Mamono zavatra hatao fanatitra ho Ahy izy, eny, mihinana ny henan'izany, nefa tsy sitrak'i Jehovah izany; Ankehitriny dia hotsarovany ny fahotany, ary hovaliany ny helony; Eny, izy ireny dia hiverina ho any Egypta.
14 Mais Israël a oublié celui qui l’a fait ; et il bâtit des palais*, et Juda multiplie les villes fortes ; mais j’enverrai un feu dans leurs villes, et il dévorera leurs palais. 14 Efa nanadino ny Mpanao azy Isiraely ka nanorina trano vaventy, ary Joda nanamaro tanàna mimanda; Fa haterako afo ao an-tanànany, ka holevonin'izany ny trano vaventiny.
— v. 11 : litt.: lui seront pour pécher. — v. 12* : ou : nombreuses, multiples. — v. 12** : ou : étrangère. — v. 14 : selon d’autres : temples.  
Chapitre 9 Chapitre 9
1 Ne te réjouis pas, Israël, jusqu’à l’exultation, comme les peuples ; car tu t’es prostitué, abandonnant ton Dieu. Tu as aimé les présents dans toutes les aires à froment. 1 Aza dia fatra-pifaly loatra, toy ny firenena hafa, ry Isiraely; Fa ianao efa nijangajanga niala tamin'Andriamanitrao sady efa tia tangy teny am-pamoloana rehetra;
2 L’aire et la cuve ne les nourriront pas, et le moût les trompera. 2 Ny famoloana sy ny fanantazana tsy hahavelona azy, ary hahadiso fanantenana azy ny ranom-boaloboka.
3 Ils ne demeureront pas dans le pays de l’Éternel ; mais Éphraïm retournera en Égypte, et mangera en Assyrie ce qui est impur. 3 Tsy honina ao amin'ny tanin'i Jehovah izy; Fa Efraima hiverina ho any Egypta ary hihinana zava-padina any Asyria.
4 Ils ne feront pas de libations de vin à l’Éternel, et leurs sacrifices ne lui seront pas agréables : ce sera pour eux comme le pain de deuil ; tous ceux qui en mangeront se souilleront ; car leur pain est pour eux-mêmes* ; il n’entrera pas dans la maison de l’Éternel. 4 Tsy hanidina divay ho fanatitra ho an'i Jehovah izy, ary tsy hankasitrahany; Ny zavatra vonoiny hatao fanatitra dia ho toy ny fahan-kanina ho an'ny mpisaona aminy: Izay rehetra homana izany dia voaloto; Fa ny haniny dia ho an'ny tenany ihany, fa tsy ho tafiditra ao an-tranon'i Jehovah.
— v. 4 : litt.: pour leurs âmes.  
5 Que ferez-vous au jour de l’assemblée, et au jour de fête de l’Éternel ? 5 Hanao ahoana kosa re ianareo, raha mby amin'ny fotoam-pivavahana sy amin'ny andro firavoravoana voatendrin'i Jehovah?
6 Car voici, ils s’en sont allés à cause de la dévastation : l’Égypte les rassemblera, Moph* les enterrera. Ce qu’ils ont de précieux [en objets] d’argent, l’ortie les héritera ; le chardon** est dans leurs tentes. 6 Fa he! lasa izy noho* ny fandringanana; Egypta no hanangona azy, Memfisa no handevina azy; Ny fana-bolafotsiny mahafinaritra dia ho lasan'ny amiana, tsilo no ho ao an-dainy.[Na: miala amin']
7 Ils arrivent, les jours de la visitation ; ils arrivent, les jours de la récompense ! Israël le saura. Le prophète est insensé, l’homme inspiré* est fou, à cause de la grandeur de ton iniquité et de la grandeur de ton hostilité. 7 Tonga ireo andro famaliana, tonga ireo andro fanodiavana Ho fantatr'Isiraely fa adala ny mpaminany, ary very saina ny olona tsindriam-panahy noho ny hamaroan'ny helokao sy ny habetsahan'ny fanoherana.
8 Éphraïm est aux aguets, [regardant à d’autres] à côté de mon Dieu. Le prophète est un piège d’oiseleur sur tous ses chemins, une hostilité dans la maison de son Dieu. 8 Efraima dia mizaha, nefa tsy avy amin'Andriamanitro*; Ny mpaminany dia fandriky ny mpamandri-borona eny amin'ny alehany rehetra sy fanoherana ao an-tranon'Andriamaniny.[Na: Efraima dia tily tao amin'Andriamanitro]
9 Ils se sont enfoncés dans la corruption comme aux jours de Guibha. Il se souviendra de leur iniquité, il visitera leurs péchés. 9 Fatra-panao ratsy toy ny tamin'ny andro tany Gibea izy; Ka dia hotsarovana ny helony, ary hovaliana ny fahotany.
— v. 6* : ailleurs : Noph (Memphis). — v. 6** : ou : l’épine. — v. 7 : litt.: l’homme de l’esprit.  
10 J’ai trouvé Israël comme des raisins dans le désert ; j’ai vu vos pères au commencement comme le premier fruit du figuier. Ils sont allés à Baal-Péor, et ils se sont voués à cette honteuse [idole], et sont devenus abominables comme leur amant. 10 Tahaka ny fahitana voaloboka any an-efitra no nahitako ny Isiraely, toy ny fahitana aviavy mialin-taona no nahitako ny razanareo; Nefa ireny dia tonga tany Bala-peora ka nanolo-tena ho amin'ilay mampahamenatra, ka dia tonga fahavetavetana tahaka an'ilay tiany ihany izy.
11 Quant à Éphraïm, leur gloire s’envolera comme un oiseau ; … point d’enfantement, point de grossesse, point de conception ! 11 Ny amin'i Efraima, hihelina toy ny voro-manidina ny voninahiny, ka tsy hisy hiteraka, na hanan'anaka, na ho torontoronina.
12 Quand même ils élèveraient leurs fils, je les priverais de fils, en sorte qu’il n’y ait pas d’homme. Car aussi, malheur à eux, lorsque je me serai retiré d’eux ! 12 Na dia misy mitaiza zanaka aza izy, dia hofoanako ihany ireny, ka tsy hisy miangana; Eny, hahita loza koa izy amin'ny handaozako azy!
13 Éphraïm, comme je l’ai vu, a été une Tyr* plantée dans une campagne agréable ; mais Éphraïm doit mener dehors ses fils au meurtrier. 13 Efraima, raha araka ny hitako, dia voavoly ao amin'ny tany mahafinaritra tahaka an'i Tyro*, nefa tsy maintsy mamoaka ny zanany ho amin'ny mpamono izy.[Na: araka ny nahitako azy hatrany Tyro, dia voavoly, etc]
— v. 13 : ou : comme je le vois jusqu’à Tyr, a été.  
14 Donne-leur, Éternel ! Que donneras-tu ? Donne-leur un sein qui avorte et des mamelles desséchées. 14 Jehovah ô, omeo azy - inona no homenao azy? Omeo azy ny kibo tsy mahazo zaza* sy ny nono ritra.[Na: momba]
15 Toute leur méchanceté est à Guilgal, car là, je les ai haïs ; à cause de la méchanceté de leurs actions, je les chasserai de ma maison. Je ne les aimerai plus. Tous leurs princes sont des rebelles. 15 Ao Gilgala ny fahotany rehetra, eny, tao no vao nankahalako azy; Noho ny faharatsian'ny ataony dia horoahiko hiala ao an-tranoko izy; Tsy ho tia azy intsony Aho, mpiodina avokoa ny mpanapaka azy.
16 Éphraïm a été frappé : leur racine a séché, ils ne produiront pas de fruit. Si même ils enfantent, je ferai mourir le fruit précieux de leur sein. 16 Voaratra Efraima, maina ny fakany, ka tsy hamoa izy; Eny, na dia miteraka aza izy, dia hovonoiko ny zanany mahafinaritra azy.
17 Mon Dieu les a rejetés, car ils ne l’ont pas écouté, et ils seront errants parmi les nations. 17 Harian'Andriamanitro izy, satria tsy nihaino Azy; Ka dia ho tonga mpirenireny any amin'ny jentilisa izy.
   
Chapitre 10 Chapitre 10
1 Israël est une vigne branchue ; il porte du fruit pour lui-même*. Selon l’abondance de son fruit, il a multiplié les autels ; selon la beauté de son pays, il a rendu belles ses statues. 1 Voaloboka misandrahaka Isiraely, mamoa ho azy izy; Araka ny habetsahan'ny voany no nanaovany alitara betsaka, araka ny hatsaran'ny taniny no nanaovany tsangam-baton-tsampy tsara tarehy.
2 Leur cœur est flatteur* ; maintenant ils seront tenus pour coupables. Il abattra leurs autels, il détruira leurs statues ; 2 Mamitaka* ny fony, koa dia hovaliana izy izao noho ny helony; Jehovah no hanimba ny alitarany sy handrava ny tsangam-baton-tsampiny [Heb. Malambolambo]
3 car maintenant ils diront : Nous n’avons pas de roi, car nous n’avons pas craint l’Éternel ; et un roi, que ferait-il pour nous ? 3 Amin'izany dia hiteny izy hoe: Tsy mana-mpanjaka isika; Fa tsy natahorantsika Jehovah, koa hahavita inona ho antsika moa izay mpanjaka?
— v. 1 : ou : fruit selon ce qu’il est. — v. 2 : quelques-uns : est partagé.  
4 Ils prononcent des paroles, ils jurent faussement, [et] ils concluent une alliance ; aussi le jugement poussera comme une plante vénéneuse dans les sillons des champs. 4 Niteniteny foana izy tamin'ny nianianany tsy tò sy ny nanaovany fanekena; Ka nitrebona toy ny zava-mangidy eny am-bavasa eny an-tsaha ny rariny.
5 L’habitant de Samarie a peur pour le veau* de Beth-Aven ; car son peuple mènera deuil sur lui, et ses Camarim** trembleront à cause de lui, pour sa gloire, car elle a été transportée d’auprès de lui*** ; 5 Ny mponina any Samaria matahotra noho ny amin'ny ombivavy kely ao Betavena; Fa ny olony mitomany azy,
6 on le porte à l’Assyrie, comme présent au roi Jareb*. Éphraïm est saisi de honte, et Israël aura honte de son conseil. 6 [Ary ny mpisorony mangovitra noho ny aminy, dia noho ny amin'ny voninahiny, fa lasan-ko babo izany] Iny koa ho entina any Asyria ho fanomezana ho an'i Jareba mpanjaka; Ho afa-baraka Efraima, eny, hangaihay Isiraely noho ny saina nataony.
— v. 5* : ou : les veaux. — v. 5** : voir 2 Rois 23:5. — v. 5*** : ou : qui s’étaient réjouis sur lui à cause de sa gloire, [mèneront deuil], car il a été transporté d’auprès de nous. — v. 6 : voir 5:13.  
7 Samarie [est détruite], son roi a péri, comme un fétu* sur la face des eaux ; 7 Ho rava Samaria, ny mpanjakany dia ho tonga toy ny sombin-javatra eny ambonin'ny rano.
8 et les hauts lieux d’Aven, le péché d’Israël, seront détruits. L’épine et la ronce monteront sur leurs autels ; et ils diront aux montagnes : Couvrez-nous ! et aux collines : Tombez sur nous ! 8 Ary ho rava koa ny fitoerana avo ho Avena, izay anotan'Isiraely; Ho rakotry ny tsilo sy ny ahitra ratsy ny alitarany; Ary izy hanao amin'ny tendrombohitra hoe: sarony izahay, ary amin'ny havoana hoe: Mianjerà aminay.
— v. 7 : quelques-uns : l’écume, ou : une bulle d’air.  
9 Dès les jours* de Guibha, tu as péché, Israël : là ils sont restés ; la guerre contre les fils d’iniquité ne les atteignit pas à Guibha. 9 Hatramin'ny andro fony tany Gibea no efa nanotanao, ry Isiraely; Nikikitra tany izy; Tsy nahatratra azy tany Gibea ny ady namelezana ny zanaky ny faharatsiana.
10 Selon mon bon plaisir, je les châtierai ; et les peuples seront rassemblés contre eux, quand ils seront liés pour leurs deux iniquités. 10 Araka ny sitrako no hamaizako azy; Ary hovorina hamely azy ny firenena, amin'ny hamatorana azy noho ny helony roa loha.
11 Et Éphraïm est une génisse dressée, qui aime à fouler le blé ; et j’ai passé sur son beau cou : je ferai tirer le chariot à Éphraïm ; Juda labourera, et Jacob hersera. 11 Ary Efraima dia tahaka ny ombivavy kely efa voafolaka ka faly hively vary; Ary hasiako zioga* ny vozony tsara tarehy; Hampandehaniko Efraima; Joda hiasa tany, ary Jakoba handravona.[Heb. hihoarako]
12 Semez pour vous en justice, moissonnez selon la piété. Défrichez pour vous un terrain neuf ; [c’est] le temps pour chercher l’Éternel, jusqu’à ce qu’il vienne et qu’il fasse pleuvoir sur vous la justice. 12 Mamafaza ho anareo araka ny fahamarinana, mijinjà araka ny fitiavana, hevoy ny tombam-borakareo*; Fa izao no andro hitadiavana an'i Jehovah ambara-pihaviny sy handatsahany fahamarinana aminareo**.[*Na: Miasà tany vaovao ho anareo][**Na: hampianarany anareo ny fahamarinana]
13 Vous avez labouré la méchanceté, moissonné l’iniquité, mangé le fruit du mensonge ; car tu as eu confiance en ta voie, en la multitude de tes hommes forts. 13 Niasa faharatsiana ianareo, ka fahadisoana no nojinjanareo; Nihinana ny vokatry ny lainga ianareo fa nitoky tamin'ny alehanareo sy ny habetsahan'ny lehilahy maherinareo* ianareo.[Heb. alehanareo, maherinao, ianao, olonao, tanànanao]
14 Et un tumulte s’élèvera parmi tes peuples, et toutes tes forteresses seront détruites, comme Shalman détruisit Beth-Arbel, au jour de la guerre : la mère fut écrasée avec les fils. 14 Dia hisy tabataba hamelezana ny olonareo*, ka horavana ny tanànareo* mimanda rehetra, toy ny nandravan'i Salamana an'i Bet-arbela tamin'ny andro niadiana, ka torotoro avokoa ny reniny mbamin'ny zanany.[Heb. alehanareo, maherinao, ianao, olonao, tanànanao]
15 Béthel vous fera de même, à cause de la méchanceté de votre méchanceté : à l’aube du jour, le roi d’Israël aura entièrement cessé d’être. 15 Toy izany no hataon'i Betela* aminareo, noho ny haben'ny faharatsianareo; Raha maraina ny andro, dia ho levona mihitsy ny mpanjakan'ny Isiraely.[Na: Toy izany no hatao aminareo, ry Betela]
— v. 9 : ou : Plus que dans les jours.  
* *
Chapitre 11 Chapitre 11
1 Quand Israël était jeune, je l’ai aimé, et j’ai appelé mon fils hors d’Égypte. 1 [Ny hamindran'i Jehovah fo amin'ny Isiraely, na dia be aza ny helony] Fony mbola zaza Isiraely, dia tiako izy, ary nantsoiko hiala tany Egypta ny zanako.
2 [Les prophètes] les appelaient, et chaque fois ils s’en allaient d’auprès d’eux : ils sacrifiaient aux Baals et brûlaient de l’encens aux images taillées. 2 Nony nisy niantso azy, dia vao mainka nandositra ireny izy; Ho an'ireo Bala kosa no amonoany zavatra hatao fanatitra, ary ho an'ny sarin-javatra voasokitra no andoroany ditin-kazo manitra.
3 Et moi, j’ai enseigné à Éphraïm à marcher, — Il les a pris sur ses bras, — mais ils ne savaient pas que je les guérissais. 3 Fa Izaho no nampianatra an'i Efraima handeha. Eny, notrotroiko tamin'ny sandriko* aza izy. Nefa tsy fantany fa Izaho no nahasitrana azy. [Heb. notrotroiny tamin'ny sandriny]
4 Je les tirais avec des cordes d’homme, avec des liens d’amour, et j’étais pour eux comme ceux qui ôteraient le joug de dessus leurs mâchoires et leur donneraient* doucement à manger. 4 Tamin'ny kofehy fitarihana olona no nitarihako azy, dia tamin'ny mahazakan'ny fitiavana; Ary efa toy izay manainga ny fehim-bava* eo ambonin'ny valanoranony Aho ka nanolo-kanina azy tsimoramora.[Heb. zioga]
5 Il ne retournera pas dans le pays d’Égypte, mais l’Assyrien sera son roi ; car ils ont refusé de revenir [à moi] ; 5 Tsy hiverina ho any amin'ny tany Egypta izy, fa Asyria no ho mpanjakany, satria tsy nety nibebaka izy.
6 et l’épée fera le tour de leurs villes, détruira leurs barres, et les dévorera, à cause de leurs desseins. 6 Ary noho ny fisainany dia hisy sabatra hantsodina ao an-tanànany ka handrava sy handevona ny hidiny.
7 Et mon peuple tient à se détourner de moi ; on les appelle vers le [Très]-Haut : pas un d’eux ne l’exalte. 7 Minia miodina amiko ny oloko; Ary na dia antsoiny ho amin'ny Avo aza izy, samy tsy mety miainga akory.
— v. 4 : ou : et je leur donnais.  
8 Que ferai-je de toi*, Éphraïm ? Comment te livrerais-je, Israël ? Comment ferais-je de toi comme d’Adma, te rendrais-je tel que Tseboïm ? Mon cœur est changé en moi ; toutes ensemble, mes compassions se sont émues. 8 Hataoko ahoana e no fahafoy anao, ry Efraima, na ho fanolotra anao, ry Isiraely! Hataoko ahoana e no fanao anao ho tahaka an'i Adma! Hataoko ahoana e no fametraka anao ho tahaka an'i Zeboima! Onena ny foko, mafy loatra ny alaheloko.
9 Je ne donnerai pas cours à l’ardeur de ma colère, je ne détruirai pas de nouveau Éphraïm ; car je suis *Dieu, et non pas un homme, — le Saint, au milieu de toi ; et je ne viendrai pas avec colère*. 9 Tsy hanontolo fo Aho, na handringana an'i Efraima intsony; Fa Andriamanitra Aho, fa tsy olona, dia ny Iray Masina ao aminao, ka dia tsy ho avy amim-pahatezerana mirehitra* Aho.[Na: tsy hiditra ao an-tanàna Aho]
10 Ils marcheront après l’Éternel. Il rugira comme un lion ; car il rugira, et les fils accourront en émoi de l’occident*, 10 Harahin'ireny Jehovah, hierona toy ny liona Izy; Eny, Izy no hierona, dia hanatona amin-kovitra avy any andrefana ny zanaka.
11 ils accourront en émoi de l’Égypte comme un oiseau, et, comme une colombe, du pays d’Assyrie ; et je les ferai habiter dans leurs maisons, dit l’Éternel. 11 Hanatona amin-kovitra avy any Egypta toy ny voronkely izy, ary avy any amin'ny tany Asyria toy ny voromailala; Ka dia hampitoeriko ao an-tranony izy, hoy Jehovah.
— v. 8 : ou : Comment t’abandonnerais-je ? — v. 9 : quelques-uns : dans la ville. — v. 10 : ou : de la mer.  
Chapitre 12 Chapitre 12
1 Éphraïm m’entoure de mensonge, et la maison d’Israël de fraude ; mais Juda marche encore avec *Dieu, et avec les vrais saints*. 1 [Fananarana ny Isiraely noho ny helony] Efraima manodidina Ahy amin'ny lainga, ary ny taranak'Isiraely amin'ny fitaka; Ary Joda mbola mikarenjy tsy manatona an'Andriamanitra, dia ny Iray Masina sy Mahatoky.
2 Éphraïm se repaît de vent, et poursuit le vent d’orient ; tout le jour il multiplie le mensonge et la dévastation ; et ils font alliance avec l’Assyrie, et portent de l’huile en Égypte. 2 Efraima homan-drivotra sady manenjika ny rivotra avy any atsinanana, mandritra ny andro dia ataony betsaka ny lainga sy ny fandozana; Manao fanekena amin'ny Asyriana izy, ary diloilo no entina ho any Egypta.
3 L’Éternel a aussi un débat avec Juda, et il punira Jacob selon ses voies, et il lui rendra selon ses actions. 3 Manana ady amin'i Joda koa Jehovah ary tsy maintsy mamaly an'i Jakoba araka ny alehany, ka hatsingeriny aminy ny nataony.
4 Dans le ventre il prit son frère par le talon, et par sa force il lutta avec Dieu ; 4 Fony mbola tany am-bohoka dia nihazona ny ombelahin-tongotry ny rahalahiny izy, ary rehefa lehibe izy, dia nitolona tamin'Andriamanitra;
5 oui, il lutta avec l’Ange et prévalut : il pleura et le supplia. À Béthel, il le trouva ; et là, il parla avec nous : 5 Eny, nitolona tamin'Ilay Anjely izy ka nahery; Nitomany izy sady nifona taminy; Nahita azy tao Betela Izy, ary tao no niresahany tamintsika;
6 et l’Éternel, le Dieu des armées, — l’Éternel, est son mémorial*. 6 Jehovah, Andriamanitry ny maro, Jehovah no hahatsiarovana Azy.
7 Et toi, retourne à ton Dieu, garde la piété* et le jugement, et attends-toi à ton Dieu continuellement. 7 Koa miverena amin'Andriamanitrao ianao; Tandremo ny famindram-po sy ny rariny. Ary miandrasa an'Andriamanitrao mandrakariva.
— v. 1 : quelques-uns : Juda est encore sans frein à l’égard de Dieu et du vrai Saint. — v. 6 : voir Exode 3:15 ; 6:3. — v. 7 : ou : la bonté.  
8 C’est un marchand ; la fausse balance est dans sa main ; il aime à extorquer. 8 Kanana* eny an-tànany misy mizana miangatra, ny manambaka no tiany.[Na: Mpandranto izy]
9 Et Éphraïm dit : Toutefois je me suis enrichi, je me suis procuré des biens. Dans tout mon travail on n’a trouvé contre moi aucune iniquité qui soit péché. 9 Fa hoy Efraima: Fiharian-karena ihany no efa nataoko, nahazo fananana aho; Ny asako rehetra tsy misy hahatonga fahotana na heloka amiko.
10 Et moi, l’Éternel ton Dieu dès le pays d’Égypte, je te ferai encore habiter sous des tentes, comme aux jours de la fête solennelle. 10 Nefa Izaho no Jehovah Andriamanitrao hatrany amin'ny tany Egypta; Ary mbola hampiditra anao an-day indray Aho tahaka ny tamin'ny fotoam-pivavahana.
11 Et j’ai parlé aux prophètes ; et moi, j’ai multiplié les visions, et, par les prophètes, j’ai parlé en similitudes. 11 Efa niteny tamin'ny mpaminany koa Aho, sady Izaho no nahabetsaka ny fahitana, ary ny mpaminany dia nampilazaiko ohatra.
12 Si Galaad est vanité*, eux, ils ne seront que néant. À Guilgal, ils ont sacrifié des bœufs ; leurs autels aussi seront comme des tas de pierres dans les sillons des champs. 12 Raha tena heloka Gileada, dia ho tonga zava-poana tokoa izy; Tany Gilgala no namonoany omby betsaka ho fanatitra, koa ny alitarany dia ho toy ny korontam-bato eny am-bavasa any an-tsaha.
13 Et Jacob s’enfuit dans la plaine de Syrie ; et Israël servit pour une femme ; et pour une femme, il garda [les troupeaux]. 13 Jakoba nandositra ho any amin'ny tany Syria, Isiraely nanompo hahazoany vady, eny, ny hahazoany vady no niandrasany ondry aman'osy.
14 Et, par un prophète, l’Éternel fit monter Israël d’Égypte, et par un prophète il* fut gardé. 14 Mpaminany no nentin'i Jehovah nitondra ny Isiraely nivoaka avy tany Egypta, ary mpaminany koa no nentina niahy azy
15 Éphraïm a amèrement provoqué la colère : son Seigneur laissera sur lui son sang, et lui rendra ses mépris. 15 Nanao izay nahatezitra indrindra Efraima, ka dia havelan'ny Tompony ho eo aminy ny ràny, ary hatsingeriny aminy ny vava ratsy nataony.
— v. 12 : ou : iniquité. — v. 14 : c. à d. Israël.  
Chapitre 13 Chapitre 13
1 Quand Éphraïm parlait, c’était une terreur ; il s’éleva en Israël : mais il se rendit coupable par Baal, et mourut. 1 [Ny loza nanjo ny Isiraely noho ny fahotany] Raha niteny Efraima, dia nampangorohoro, ka nisandratra tao amin'ny Isiraely izy. Dia nanota ny amin'i Bala izy ka maty;
2 Et maintenant ils continuent de pécher et se sont fait avec leur argent des images de fonte, des idoles selon leurs pensées, toutes un travail d’artisans, desquelles ils disent : Que les hommes qui sacrifient baisent les veaux ! 2 Ary ankehitriny dia mandroso manota izy, fa ny volafotsiny no anaovany sarin-javatra an-idina ho azy, dia sampy araka ny fahaizany, izay asan'ny mpiasa avokoa; Ireny dia lazainy hoe: Aoka hanoroka ny ombilahy kely izay olona mamono zavatra hatao fanatitra.
3 C’est pourquoi ils seront comme la nuée du matin et comme la rosée qui s’en va de bonne heure, comme la balle chassée par le tourbillon hors de l’aire, et comme la fumée qui sort par le treillis. 3 Koa ho toy ny rahona maraina izy sy ho toy ny ando izay levona, raha mbola maraina ny andro, sy ho toy ny akofa izay paohin'ny rivotra hiala amin'ny fa noloana, ary ho toy ny setroka avy amin'ny varavarana makarakara.
4 Et moi, je suis l’Éternel, ton Dieu, dès le pays d’Égypte ; et tu n’as pas connu d’[autre] Dieu que moi, et il n’y a pas de sauveur hors moi. 4 Fa Izaho no Jehovah Andriamanitrao hatrany amin'ny tany Egypta, ary tsy mahalala Andriamanitra afa-tsy Izaho ianao, sady tsy misy mpamonjy afa-tsy Izaho.
5 Moi, je t’ai connu dans le désert, dans une terre aride. 5 Izaho dia nahalala anao tany an-efitra, dia tany amin'ny tany mampangetaheta.
6 Selon qu’étaient leurs pâturages, ils furent rassasiés ; ils furent rassasiés, et leur cœur s’éleva ; c’est pourquoi ils m’ont oublié. 6 Araka ny ahitra teny aminy no nahavoky azy; Eny, voky izy, ka niavonavona ny fony; Koa izany no nanadinoany Ahy.
7 Et je leur serai comme un lion* ; comme un léopard, je les guetterai sur le chemin. 7 Ka dia tonga toy ny liona aminy Aho, toy ny leoparda amoron-dalana no famitsako.
8 Je les attaquerai comme une ourse privée de ses petits ; je déchirerai l’enveloppe de leur cœur, et je les dévorerai là, comme une lionne ; les bêtes des champs les dépèceront. 8 Mamely azy toy ny famelin'ny bera very anaka Aho, ka mandriatra ny sarom-pony, eny, any no andrapahako azy toy ny fandrapaky sy liom-bavy; Ny bibi-dia no hamiravira azy.
— v. 7 : litt.: un rugissant.  
9 C’est ta destruction, Israël, que tu aies été contre moi, contre ton secours. 9 Izao no maharingana anao, ry Isiraely ô; Manohitra Ahy Izay famonjena anao ianao.
10 Où donc est ton roi ? pour qu’il te sauve dans toutes tes villes. Où sont tes juges, dont tu as dit : Donne-moi un roi et des princes ? … 10 Aiza ary izay mpanjakanao, Mba hamonjy anao ao an-tanànanao rehetra? Ary aiza ireo andriambaventinao, izay nantsoinao hoe: Omeo mpanjaka sy mpanapaka aho?
11 Je t’ai donné un roi dans ma colère, et je l’ai ôté dans ma fureur. 11 Nomeko mpanjaka ianao tamin'ny fahatezerako, ary nesoriko izy tamin'ny fahavinirako.
   
12 L’iniquité d’Éphraïm est liée ensemble ; son péché est tenu en réserve. 12 Voafehy ny helok'i Efraima, voatahiry ny fahotany.
13 Les douleurs de celle qui enfante viendront sur lui. C’est un fils qui n’est pas sensé, car au temps de la sortie des enfants, il ne se tint pas là. 13 Fanaintainana tahaka ny vehivavy raha miteraka no mahazo azy; Zazalahy tsy hendry izy, fa raha tonga ny fotoana, dia tsy mba mandroso ho eo amin'ny fiterahan-jaza izy.
14 Je les délivrerai de la main du shéol, je les rachèterai de la mort. Ô mort, où sont* tes pestes ? Ô shéol, où est* ta destruction ? Le repentir est caché à mes yeux. 14 Havotako tsy ho azon'ny herin'ny fiainan-tsi-hita* izy; Hovonjeko ho afaka amin'ny fahafatesana Izy; Ry fahafatesana ô, aiza ny aretina fandripahanao? Ry fiainan-tsi-hita ô, aiza ny fandringananao? Afenina tsy ho hitan'ny masoko ny nenina.[Heb. Sheola]
— v. 14 : quelques-uns : je serai.  
15 Car il a porté du fruit parmi [ses] frères : un vent d’orient viendra, le vent de l’Éternel qui monte du désert, et il desséchera ses sources et fera tarir ses fontaines. Il pillera le trésor de tous les objets d’agrément. 15 Fa Efraima dia hahavokatra eo amin'ny rahalahy; Nefa ho avy ny rivotra avy any atsinanana, dia ny rivotr'i Jehovah miakatra avy any an-efitra, ka dia ho ritra ny loharanony, ary ho tankina ny fantsakany; Hobaboina ny rakitra, dia ny fanaka tsara rehetra.
16 Samarie portera son iniquité*, car elle s’est révoltée contre son Dieu ; ils tomberont par l’épée, leurs petits enfants seront écrasés, et on fendra le ventre à leurs femmes enceintes. Chapitre 14
— v. 16 : ou : sera dévastée. 1 Hovaliana Samaria noho ny helony, Fa niodina tamin'Andriamaniny izy; Ho lavon-tsabatra izy, ny zanany madinika hotorotoroina, ary izay bevohoka eo aminy hotatahana.
*  
Chapitre 14  
1 Israël, reviens à l’Éternel, ton Dieu, car tu es tombé par ton iniquité. 2 [Ny hamindran'i Jehovah fo amin'ny Isiraely, rehefa mibebaka] Ry Isiraely ô, miverena amin'i Jehovah Andriamanitrao, fa lavon-keloka ianao.
2 Prenez avec vous des paroles, et revenez à l’Éternel ; dites-lui : Pardonne toute iniquité, et accepte ce qui est bon*, et nous [te] rendrons les sacrifices** de nos lèvres. 3 Mitondrà teny ianareo, eny, miverena amin'i Jehovah, ka manaova aminy hoe: Mamelà ny heloka rehetra, ary raiso izay tsara, ka dia haterinay* ho fanatitra** ny molotray.[*Heb. haloanay][**Heb. vantotr'ombilahy]
3 L’Assyrie ne nous sauvera pas ; nous ne monterons pas sur des chevaux, et nous ne dirons plus : Notre Dieu, à l’œuvre de nos mains ; car, auprès de toi, l’orphelin trouve la miséricorde. 4 Asyria tsy hamonjy anay, tsy hitaingin-tsoavaly izahay sady tsy hiteny amin'ny asan'ny tananay intsony hoe: Ry Andriamanitray ô; Fa ao aminao no ahitan'ny kamboty famindram-po.
— v. 2* : quelques-uns : avec bonté. — v. 2 : litt.: les taureaux.  
4 Je guérirai leur abandon [de moi], je les aimerai librement, car ma colère s’est détournée d’eux. 5 Hositraniko ny fiodinany, ho tia azy tsy vozonana Aho; Fa efa niala taminy ny fahatezerako.
5 Je serai pour Israël comme la rosée ; il fleurira comme le lis, et il poussera ses racines comme le Liban. 6 Ho tahaka ny ando Aho amin'ny Isiraely; Hamony tahaka ny lilia izy, ary hamaka tahaka an'i Libanona.
6 Ses rejetons s’étendront, et sa magnificence sera comme l’olivier, et son parfum, comme le Liban : 7 Hisandrahaka ny rantsany, ho tahaka ny an'ny hazo oliva ny hatsaran-tarehiny, ary ho tahaka ny an'i Libanona ny hanitra avy aminy.
7 ils reviendront s’asseoir sous son ombre, ils feront vivre le froment, et ils fleuriront comme une vigne ; leur renommée sera comme le vin du Liban. 8 Izay mipetraka ao ambanin'ny alokalony dia hampahavokatra vary indray*, ary haniry tahaka ny voaloboka izy; Ny lazany ho tahaka ny an'ny divay avy any Libanona.[Na: ho velombelominao indray toy ny vary izy]
   
8 Éphraïm [dira] : Qu’ai-je plus à faire avec les idoles ? — Moi, je lui répondrai et je le regarderai. — Moi, je suis comme un cyprès vert. — De moi provient ton fruit. 9 Ry Efraima ô, hataoko* inona intsony izay sampy? Izaho dia efa nihaino ka nitsinjo anao**; Tahaka ny hazo kypreso maitso Aho, avy amiko no hahazoana ny vokatrao.[*Na: Efraima hanao hoe: Hataoko][**Heb. azy]
   
9 Qui est sage ? il comprendra ces choses ; et intelligent ? il les connaîtra ; car les voies de l’Éternel sont droites, et les justes y marcheront, mais les transgresseurs y tomberont. 10 Iza no hendry mba hahafantatra izany zavatra izany? Na manan-tsaina mba hahalala izany? Fa mahitsy ny lalan'i Jehovah, ary ny marina no mizotra eny aminy; Fa ny mpanota kosa dia tafintohina eny aminy.