JOËL Joela
   
Chapitre 1 Chapitre 1
1 La parole de l’Éternel, qui vint à Joël, fils de Pethuel. 1 Ny tenin'i Jehovah, izay tonga tamin'i Joela, zanak'i Petoela.
2 Écoutez ceci, vieillards, et prêtez l’oreille, vous, tous les habitants du pays ! Ceci est-il arrivé de vos jours, ou même dans les jours de vos pères ? 2 [Filazana ny loza nanjo, ary fitarainana sy anatra noho izany] Henoy izao, ry anti-panahy! Ary mandrenesa, ianareo mponina rehetra amin'ny tany! Moa mba efa nisy tamin'ny andronareo na tamin'ny andron'ny razanareo, va izao?
3 Racontez-le à vos fils, et vos fils à leurs fils, et leurs fils à une autre génération : 3 Lazao amin'ny zanakareo izao, ary aoka ny zanakareo hilaza amin'ny zanany kosa, ary ny zanak'ireo kosa indray amin'ny taranaka mandimby azy.
4 ce qu’a laissé la chenille*, la sauterelle l’a mangé ; et ce qu’a laissé la sauterelle, l’yélek** l’a mangé, et ce qu’a laissé l’yélek, la locuste l’a mangé. 4 Izay sisan'ny kijeja* dia nohanin'ny koraika; Ary izay sisan'ny koraika dia nohanin'ny valalavao*: Ary izay sisan'ny valalavao dia nohanin'ny sompanga***. [*Heb. mpikiky][**Heb. mpilelaka] [***Heb. mpandany]
— v. 4* : ou : la jeune sauterelle qui n’a pas encore ses ailes. — v. 4** : espèce de sauterelle.  
5 Réveillez-vous, ivrognes, et pleurez ; et hurlez, vous tous, buveurs de vin, à cause du moût, car il est retranché à vos bouches. 5 Mifohaza, ianareo mpimamo, ka mitomania, eny, midradradradrà, ianareo mpisotro divay rehetra, noho ny ranom-boaloboka, satria tapaka tsy ho amin'ny vavanareo izany.
6 Car une nation est montée sur mon pays, forte et innombrable. Ses dents sont les dents d’un lion, et elle a les grosses dents d’une lionne*. 6 Fa misy firenena mahery sady tsy hita isa miakatra hamely ny taniko; Ny nifiny dia nifin-diona, ary ny vazany dia vazan'ny liom-bavy.
7 Elle a réduit ma vigne en une désolation, mon figuier en un tas de bois ; elle l’a écorcé entièrement, et l’a jeté par terre ; ses rameaux ont blanchi. 7 Nataony simba tokoa ny voaloboko, ary notapatapahiny ny aviaviko; Nataony nakiky tokoa ireny ka nariany, eny, tonga fotsy ny rantsany.
8 Gémis comme une vierge ceinte du sac, sur le mari de sa jeunesse ! 8 Midradradradrà toy ny virijina misikindamba fisaonana* noho ny amin'ny vadin'ny fahatanorany.[Heb. lamba malailay]
9 L’offrande et la libation sont retranchées de la maison de l’Éternel ; les sacrificateurs, les serviteurs de l’Éternel, mènent deuil ; 9 Efa tapaka tsy ho ao amin'ny tranon'i Jehovah ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina; Mitomany ny mpisorona, mpanao fanompoam-pivavahana ho an'i Jehovah.
10 les champs sont ravagés, la terre mène deuil ; car le blé est ravagé, le vin nouveau est honteux*, l’huile languit. 10 Mariry ny saha, misaona ny tany fambolena; Fa simba ny vary, ritra ny ranom-boaloboka, mihena* ny diloilo.[Heb. Malazo]
— v. 6 : ou : d’un lion. — v. 10 : ou : a séché.  
11 Soyez honteux, laboureurs ; hurlez, vignerons, — à cause du froment et de l’orge, car la moisson des champs a péri ! 11 Aoka ho menatra ianareo mpiasa tany; midradradradrà, ianareo mpamboatra tanim-boaloboka, noho ny vary tritika sy ny vary hordea; Fa majifa ny vokatry ny saha;
12 La vigne est honteuse*, et le figuier languit, — le grenadier, le palmier aussi, et le pommier ; tous les arbres des champs sont desséchés ; car la joie est tarie du milieu des fils des hommes. 12 Maina ny voaloboka, malazo ny aviavy, ary malazo koa ny ampongaben-danitra sy ny rofia* ary ny poma aza, dia ny hazo rehetra any an-tsaha; Eny, malazo ny fifalian'ny zanak'olombelona. [palma]
— v. 12 : ou : a séché.  
13 Ceignez-vous et lamentez-vous, sacrificateurs ; hurlez, vous qui servez l’autel ; venez, passez la nuit sous le sac, vous qui servez mon Dieu ! car l’offrande et la libation sont ôtées à la maison de votre Dieu. 13 Misikina sy mitomania, ianareo mpisorona; midradradradrà, ianareo mpanao fanompoam-pivavahana eo amin'ny alitara; Andeha mandry amin'ny lamba fisaonana* mandritra ny alina, ianareo mpanao fanompoam-pivavahana ho an'Andriamanitro, fa tapaka tsy ho ao amin'ny tranon'Andriamanitra ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina.[Heb. lamba malailay]
14 Sanctifiez un jeûne, convoquez une assemblée solennelle ; assemblez les anciens, tous les habitants du pays, à la maison de l’Éternel, votre Dieu, et criez à l’Éternel ! 14 Manamasina andro fifadian-kanina, miantsoa fivoriana masina, angòny ny loholona sy ny mponina rehetra amin'ny tany ho ao an-tranon'i Jehovah Andriamanitrareo, koa andeha mitaraina amin'i Jehovah.
   
15 Hélas, quel jour ! car le jour de l’Éternel est proche, et il viendra comme une destruction du Tout-puissant. 15 Indrisy ny andro! Fa efa antomotra ny andron'i Jehovah, ka tahaka ny loza tsy toha avy amin'ny Tsitoha no fihaviny.
16 La nourriture n’est-elle pas retranchée de devant nos yeux, [et], de la maison de notre Dieu, la joie et l’allégresse ? 16 Moa tsy efa tapaka teo imasontsika va ny hanina, eny, ny fifaliana sy ny faharavoravoana tsy ho ao an-tranon'Andriamanitsika?
17 Les semences pourrissent sous leurs mottes ; les greniers sont désolés ; les granges sont renversées, car le blé est desséché. 17 Matimaso ao ambanin'ny baingan-tany ny vary nafafy, foana ny sompitra, mirodana ny trano fitehirizam-bary; Fa nalazo ny vary.
18 Comme le bétail gémit ! Les troupeaux de gros bétail sont déconcertés, car il n’y a pas de pâturage pour eux ; les troupeaux de menu bétail aussi sont en peine. 18 Indrisy, ny fitoreon'ny biby! Very hevitra ny omby andiany, satria tsy misy ahitra ho azy; Eny, na dia ny andian'ny ondry aman'osy aza dia mijaly noho ny heloka.
19 À toi, Éternel, je crierai ; car le feu a dévoré les pâturages du désert, et la flamme a brûlé tous les arbres des champs. 19 Jehovah ô, Hianao no itarainako, fa efa levon'ny afo ny kijana any an-efitra, ary nisy lelafo efa nandoro ny hazo rehetra any an-tsaha.
20 Les bêtes des champs aussi crient à toi, car les cours d’eau sont desséchés, et le feu a dévoré les pâturages du désert. 20 Na dia ny biby any an-tsaha aza dia mihanahana miandrandra Anao, satria ritra ny renirano, ary efa levon'ny afo ny kijana any an-efitra.
* *
Chapitre 2 Chapitre 2
1 Sonnez de la trompette en Sion, sonnez avec éclat dans ma sainte montagne ! Que tous les habitants du pays tremblent, car le jour de l’Éternel vient ; 1 [Filazana ny loza hanjo, sy fiantsoana ny olona hibebaka] Tsofy ao Ziona ny anjomara! Ary miantsoa mafy ao an-tendrombohitro masina! Aoka hangovitra ny mponina rehetra amin'ny tany; Fa avy ny andron'i Jehovah, eny, efa antomotra izany,
2 car il est proche, un jour de ténèbres et d’obscurité, un jour de nuées et d’épaisses ténèbres : c’est comme l’aube qui s’étend sur les montagnes, — un peuple nombreux et fort, tel qu’il n’y en eut jamais, et qu’après lui, il n’y en aura point jusqu’aux années des générations et des générations. 2 Dia andro maizina sy manjombona, andro mandrahona sy maizim-pito, toy ny fahazavan'ny maraina miely manerana ny tendrombohitra, dia firenena lehibe sy matanjaka, ka tsy nisy tahaka azy hatrizay hatrizay, sady tsy hisy tahaka azy intsony any aoriany hatramin'ny taonan'ny taranaka fara mandimby.
   
3 Devant lui un feu dévore, et une flamme brûle après lui ; devant lui le pays est comme le jardin d’Éden, et après lui, la solitude d’un désert ; et rien ne lui échappe. 3 Eo alohany misy afo mandevona, ary any aoriany misy lelafo mandoro; Tahaka ny saha Edena ny tany eo alohany, fa ny any aoriany kosa dia tahaka ny efitra foana, eny, tsy misy tsy azony.
4 Leur aspect est comme l’aspect des chevaux, et ils courent comme des cavaliers. 4 Mitarehin-tsoavaly ny tarehiny; Ary tahaka ny firiotry ny mpitaingin-tsoavaly ny firiotrany.
5 Ils sautent : … c’est comme le bruit des chars sur les sommets des montagnes, comme le bruit d’une flamme de feu qui dévore le chaume, comme un peuple puissant rangé en bataille. 5 Tahaka ny figorodon'ny kalesy any an-tampon'ny tendrombohitra no figorodon'ny fitsambikimbikiny, sy tahaka ny fipororotry ny lelafo eny amin'ny hain-tanety, ary tahaka ny firenena mahery voalamina hiady.
6 Les peuples en* sont angoissés, tous les visages pâlissent. 6 Eo anoloany dia raiki-tahotra indrindra ny firenena; Ny tarehy rehetra mivaloarika*; [Na: tera-mena]
7 Ils courent comme des hommes forts, ils escaladent la muraille comme des hommes de guerre ; ils marchent chacun dans son chemin, et ne changent pas leurs sentiers ; 7 Mitsarapaka tahaka ny lehilahy mahery izy ary mananika ny manda tahaka ny mpiady, samy mandroso amin'izay hitsiny ka tsy vaky laharana;
8 et ils ne se pressent pas l’un l’autre. Ils marchent chacun dans sa route ; ils se précipitent à travers les traits et ne sont pas blessés* ; 8 Tsy mifanosika izy, fa samy mandroso amin'izay hitsiny; Ary na dia miezaka mamaky ny sabatra aza izy, dia tsy voaratra*. [Na: voasakana]
9 ils se répandent par la ville, ils courent sur la muraille, ils montent dans les maisons, ils entrent par les fenêtres comme un voleur. 9 Mifamoivoy eran'ny tanàna izy, mihazakazaka eny amin'ny manda izy, mananika ny trano izy, miditra ao am-baravarankely toy ny mpangalatra izy.
10 Devant eux la terre tremble, les cieux sont ébranlés, le soleil et la lune sont obscurcis, et les étoiles retirent leur splendeur. 10 Eo alohany dia mihorohoro ny tany, ary mihozongozona ny lanitra; Ny masoandro sy ny volana tonga maizina, ary ny kintana tsy mamirapiratra.
11 Et l’Éternel fait entendre sa voix devant son armée, car son camp est très-grand, car l’exécuteur de sa parole est puissant ; parce que le jour de l’Éternel est grand et fort terrible ; et qui peut le supporter ? 11 Ary Jehovah mahatonga kotroka eo alohan'ny miaramilany; Fa lehibe indrindra ny tobiny ary mahery izay manatanteraka ny teniny; Fa lehibe sy mahatahotra indrindra ny andron'i Jehovah, ka iza no mahatanty izany?
— v. 6 : ou : devant lui. — v. 8 : ou : séparés.  
12 Ainsi, encore maintenant, dit l’Éternel, revenez à moi de tout votre cœur, avec jeûne, et avec pleurs, et avec deuil ; 12 Koa na dia ankehitriny aza, hoy Jehovah, miverena amiko amin'ny fonareo rehetra ary amin'ny fifadian-kanina sy ny fitomaniana ary ny fitarainana.
13 et déchirez vos cœurs et non vos vêtements, et revenez à l’Éternel, votre Dieu ; car il est plein de grâce et miséricordieux, lent à la colère et grand en bonté, et il se repent du mal [dont il a menacé]. 13 Ary ny fonareo no triatriaro, fa aza ny fitafianareo, ary miverena amin'i Jehovah Andriamanitrareo; Fa mamindra fo sy miantra Izy, mahari-po sady be famindram-po ary manenina ny amin'ny loza,
14 Qui sait ? il reviendra et se repentira* et laissera après lui une bénédiction, une offrande et une libation à l’Éternel, votre Dieu. 14 Fandrao mba* hanenina ihany Izy ka hamela fitahiana ao aoriany, dia fanatitra hohanina sy fanatitra aidina ho an'i Jehovah Andriamanitrareo. [Heb. Iza no mahalala na]
— v. 14 : ou : se repentira de nouveau.  
15 Sonnez de la trompette en Sion, sanctifiez un jeûne, convoquez une assemblée solennelle ; 15 Tsofy ao Ziona ny anjomara, ka manamasina andro fifadian-kanina, miantsoa fivoriana masina.
16 assemblez le peuple, sanctifiez la congrégation, réunissez les anciens, assemblez les enfants et ceux qui tètent les mamelles ; que l’époux sorte de sa chambre, et l’épouse de sa chambre nuptiale ; 16 Angony ny vahoaka, manamasina fiangonana, vorio ny loholona, angòny ny ankizy madinika mbamin'ny zaza minono; Aoka ny mpampakatra hiala ao an-efi-tranony, ary aoka ny ampakarina hiala ao an-trano fandriany.
17 que les sacrificateurs, les serviteurs de l’Éternel, pleurent entre le portique et l’autel, et qu’ils disent : Épargne ton peuple, ô Éternel, et ne livre pas ton héritage à l’opprobre, en sorte qu’ils soient le proverbe des nations*. Pourquoi dirait-on parmi les peuples : Où est leur Dieu ? 17 Eo anelanelan'ny lavarangana fidirana sy ny alitara no aoka hitomanian'ny mpisorona, mpanao fanompoam-pivavahana ho an'i Jehovah, ka hanao hoe: Iantrao ny olonao, Jehovah, ary aza avela ho latsa ny lovanao, ka hotapahin'ny jentilisa*; Fa nahoana no hataony any amin'ny firenena hoe: Aiza Izay Andriamaniny? [Na: Hanaovan'ny jentilisa azy ho ambentinteny]
— v. 17 : d’autres : en sorte que les nations dominent sur eux.  
18 Alors l’Éternel sera jaloux pour son pays, et aura pitié de son peuple. 18 [Ny hitsaharan'ny loza, sy ny hihavian'ny fitahiana] Ary Jehovah dia saro-piaro ny taniny sady niantra ny olony.
19 Et l’Éternel répondra et dira à son peuple : Voici, je vous envoie le blé, et le moût, et l’huile, et vous en serez rassasiés ; et je ne vous livrerai plus à l’opprobre parmi les nations ; 19 Eny, Jehovah namaly ka nanao amin'ny olony hoe: Indro, hanatitra ny divay sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo ho anareo Aho, ka ho vokin'izany ianareo; Ary tsy havelako ho latsa any amin'ny Jentilisa intsony ianareo.
20 et j’éloignerai de vous celui qui vient du nord, et je le chasserai dans un pays aride et désolé, sa face vers la mer orientale, et son arrière-garde vers la mer d’occident* ; et sa puanteur montera, et son infection montera, parce qu’il s’est élevé pour faire de grandes choses. 20 Ary ilay avy any avaratra dia hampanalaviriko anareo ka horoahiko ho any amin'ny tany karankaina sy mariry; Ny loha-lalany ho any amin'ny ranomasina atsinanana, ary ny vodi-lalany ho any amin'ny ranomasina andrefana; Ary ny hamaimboany hiakatra, ary ny fofon-dratsiny hisondrotra; Fa efa nanao zava-dehibe izy.
21 Ne crains pas, terre ; égaye-toi et réjouis-toi ; car l’Éternel fait de grandes choses. 21 Aza matahotra, ry tany fambolena, miravoravoa sy mifalia; Fa manao zava-dehibe Jehovah.
22 Ne craignez pas, bêtes des champs, car les pâturages du désert verdissent, car l’arbre porte son fruit, le figuier et la vigne donnent leur force*. 22 Aza matahotra, ry biby any an-tsaha, fa mihamaitso ny kijana any an-efitra, mamoa ny hazo, ary vokatra ny aviavy sy ny voaloboka.
23 Et vous, fils de Sion, égayez-vous et réjouissez-vous en l’Éternel, votre Dieu ; car il vous donne la première pluie dans sa mesure*, et fait descendre sur vous la première pluie** et la dernière pluie, au commencement [de la saison] ***. 23 Ary ianareo, ry zanak'i Ziona, miravoravoa sy mifalia amin'i Jehovah Andriamanitrareo; Fa hanome anareo ny loha-orana onony Izy*, dia handatsaka ranonorana mivatravatra ho anareo, eny, ny loha-orana sy ny fara-orana aloha. [Na: Homeny mpampianatra ny fahamarinana ianareo]
24 Et les aires seront pleines de blé, et les cuves regorgeront de moût et d’huile ; 24 Dia ho feno vary ny famoloana, ary hihoatra ny vata fanantazana ny divay sy ny diloilo.
25 et je vous rendrai les années qu’a mangées la sauterelle, l’yélek, et la locuste, et la chenille, ma grande armée que j’ai envoyée au milieu de vous. 25 Ary honerako ho anareo ilay taona nohanin'ny valala, dia ny koraika sy ny sompanga ary ny kijeja, izay miaramilako betsaka nalefako hamely anareo.
26 Et vous mangerez abondamment et serez rassasiés, et vous louerez le nom de l’Éternel, votre Dieu, qui a fait des choses merveilleuses pour vous ; et mon peuple ne sera jamais honteux. 26 Ary hihinana ianareo ka ho voky dia hidera ny anaran'i Jehovah Andriamanitrareo, fa mahagaga ny fitondrany anareo; Ary tsy ho menatra mandrakizay oloko.
27 Et vous saurez que je suis au milieu d’Israël, et que moi, l’Éternel, je suis votre Dieu, et qu’il n’y en a point d’autre ; et mon peuple ne sera jamais honteux. 27 Dia ho fantatrareo fa ao afovoan'Isiraely Aho, ary Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, fa tsy misy hafa; Ary tsy ho menatra mandrakizay ny oloko.
— v. 20 : litt.: de derrière ; c. à d. : Méditerranée, comparer Deut. 11:24. — v. 22 : ou : leurs richesses. — v. 23* : litt.: en justice. — v. 23** : voir la note à Ps. 84:6. — v. 23*** : ou : au premier [mois]. *
* Chapitre 3
28 Et il arrivera, après cela, que je répandrai mon Esprit sur toute chair, et vos fils et vos filles prophétiseront, vos vieillards songeront des songes, vos jeunes hommes verront des visions ; 1 [Ny amin'ny handatsahana ny Fanahy Masina, sy ny hitsarana ny firenena rehetra] Ary rehefa afaka izany, dia handatsaka ny Fanahiko amin'ny nofo rehetra Aho; Dia haminany ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo, ny lahiantitrareo hanonofy, ary ny zatovonareo hahita fahitana;
29 et aussi sur les serviteurs et sur les servantes, en ces jours-là, je répandrai mon Esprit. — 2 Ary na dia ny mpanompolahy sy ny mpanompovavy aza dia handatsahako ny Fanahiko amin'izany andro izany.
30 Et je montrerai* des signes** dans les cieux et sur la terre, du sang, et du feu, et des colonnes de fumée ; 3 Ary hanisy fahagagana eny amin'ny lanitra sy etỳ amin'ny tany Aho, dia rà sy afo ary setroka mitankosina.
31 le soleil sera changé en ténèbres, et la lune en sang, avant que vienne le grand et terrible jour de l’Éternel. 4 Ny masoandro hampodina ho aizina, ary ny volana ho rà, alohan'ny hahatongavan'ny andron'i Jehovah, izay sady lehibe no mahatsiravina.
— v. 30* : litt.: donnerai. — v. 30** : ailleurs : prodiges, miracles.  
32 Et il arrivera que, quiconque invoquera le nom de l’Éternel sera sauvé. Car sur la montagne de Sion il y aura délivrance, et à Jérusalem, comme l’Éternel l’a dit, et pour les réchappés que l’Éternel appellera. 5 Ary na zovy na zovy no hiantso ny anaran'i Jehovah dia ho afa-mandositra; Fa ao an-tendrombohitra Ziona sy any Jerosalema dia hisy sisa afaka, araka izay efa voalazan'i Jehovah, ary izay antsoin'i Jehovah dia ho isan'izay afa-mandositra.
*  
Chapitre 3 Chapitre 4
1 Car voici, en ces jours-là et en ce temps-là où je rétablirai les captifs de Juda et de Jérusalem, 1 Fa, indro, amin'ireo andro ireo sy amin'izany fotoana izany, raha hampodiko ny Joda sy Jerosalema avy amin'ny fahababoany,
2 je rassemblerai toutes les nations, et je les ferai descendre dans la vallée de Josaphat*, et là j’entrerai en jugement avec elles au sujet de mon peuple et de mon héritage, Israël, qu’elles ont dispersé parmi les nations ; et elles ont partagé mon pays, 2 Dia hangoniko ny jentilisa rehetra ka ho entiko midina ao amin'ny Lohasahan'i Josafata*, ary ao no hifandaharako aminy noho ny amin'ny Isiraely, oloko sy lovako, izay naeliny tany amin'ny jentilisa; Ary nozarazarainy ny taniko,[Josafata = Jehovah no mitsara]
3 et elles ont jeté le sort sur mon peuple, et ont donné le jeune garçon pour une prostituée, et ont vendu la jeune fille pour du vin, et elles l’ont bu. 3 Sady nanaovany loka ny oloko, dia zazalahy no nataony takalon'ny vehivavy janga, ary zazavavy no namidiny divay ka nosotroiny.
4 Et vous aussi, que me voulez-vous, Tyr et Sidon, et tous les districts de la Philistie ? Est-ce une récompense que vous me donnez ? Et si vous me récompensez, je ferai retomber votre récompense vite et promptement sur votre tête ; 4 Ary ianareo koa, ry Tyro sy Sidona, sy ry tany Filistia rehetra, moa mampaninona Ahy akory ianareo? Hamaly Ahy va ianareo, sa hanahoana Ahy? Faingana dia faingana no hanatsingerenako ny nataonareo ho eo an-dohanareo,
5 parce que vous avez pris mon argent et mon or, et que vous avez porté dans vos temples mes belles choses désirables, 5 Noho ny natanareo ny volafotsiko sy ny volamenako, sy ny nitondranareo ny zava-tsoako mahafinaritra ho ao amin'ny tempolinareo;
6 et que vous avez vendu aux fils de Javan* les fils de Juda et les fils de Jérusalem, afin de les éloigner de leurs confins. 6 Ary ny zanak'i Joda sy ny zanak'i Jerosalema dia namidinareo tamin'ny zanaky ny Grika, hamindranareo azy hanalavitra ny taniny.
7 Voici, je les réveillerai du lieu où vous les avez vendus, et je ferai retomber votre récompense sur votre tête ; 7 Indro, hofohaziko izy hiala ny amin'ny tany Izay nahaverezany noho ny nahalafosanareo azy, ary hatsingeriko ho eo an-dohanareo ny nataonareo,
8 et je vendrai vos fils et vos filles en la main des fils de Juda, et ils les vendront aux Sabéens, à une nation lointaine ; car l’Éternel a parlé. 8 Ka hamidiko ho lasan'ny zanak'i Joda kosa ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo, ary hamidiny amin'ny Sabeana kosa ireny, dia ho an'izay firenena lavitra; Fa Jehovah no efa niteny.
— v. 2 : l’Éternel juge. — v. 6 : hébreu : Javanim, les Grecs.  
9 Proclamez ceci parmi les nations, préparez* la guerre, réveillez les hommes forts ; qu’ils approchent, qu’ils montent, tous les hommes de guerre ! 9 Antsoy any amin'ny jentilisa izany, miantsoa hanao ady masina, fohazy ny lehilahy mahery, aoka handroso ny mpiady rehetra ka hiakatra;
10 De vos socs forgez des épées, et de vos serpes, des javelines. Que le faible dise : Je suis fort ! 10 Tefeo ho sabatra ny fangadinareo, ary ho lefona ny antsinareo fanetezam-boaloboka; Aoka izay kelikely aina hihiaka hoe: Mahery aho!
11 Accourez* et venez, vous, toutes les nations, de toute part, et rassemblez-vous ! Là, Éternel, fais descendre tes hommes forts ! 11 Avia faingana, ianareo jentilisa rehetra avy eny manodidina eny, dia ento midina ao ny maherinao, Jehovah ô.
12 Que les nations se réveillent et montent à la vallée de Josaphat, car là je m’assiérai pour juger toutes les nations, de toute part. 12 Hifoha ny jentilisa ka hiakatra ho ao amin'ny Lohasahan'i Josafata; Fa ao no hipetrahako hitsara ny jentilisa rehetra avy eny manodidina eny.
— v. 9 : litt.: sanctifiez. — v. 11 : ou : Assemblez-vous.  
13 Mettez la faucille, car la moisson est mûre ; venez, descendez, car le pressoir est plein, les cuves regorgent ; car leur iniquité est grande. 13 Arosoy ny fijinjana, fa masaka ny vokatra; Avia ianareo, ka manosihose, fa feno ny famiazam-boaloboka, mihoatra ny vata fanantazana, fa be ny faharatsiany.
14 Multitudes, multitudes, dans la vallée de jugement* ! car le jour de l’Éternel est proche dans la vallée de jugement. 14 He izany vahoaka mireondreona ao amin'ny lohasaha fitsarana! Fa efa antomotra ny andron'i Jehovah ao amin'ny lohasaha fitsarana.
15 Le soleil et la lune seront obscurcis, et les étoiles retireront leur splendeur ; 15 Ny masoandro sy ny volana ho tonga maizina, ary ny kintana tsy hamirapiratra,
16 et l’Éternel rugira de Sion, et de Jérusalem il fera entendre sa voix, et les cieux et la terre trembleront ; et l’Éternel sera l’abri de son peuple et le refuge des fils d’Israël. 16 Jehovah mierona ao Ziona, ary mampikotroka ao Jerosalema, ka hihorohoro ny tany aman-danitra; Fa Jehovah no fialofan'ny olony sy fiarovana mafy ho an'ny Zanak'Isiraely.
17 Et vous saurez que moi, l’Éternel, je suis votre Dieu, qui demeure en Sion, ma montagne sainte. Et Jérusalem sera sainte, et les étrangers n’y passeront plus. 17 Ary dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay monina ao Ziona, tendrombohitro masina; Dia ho masina Jerosalema, ary ny hafa firenena tsy mba handeha hamaky eo intsony.
— v. 14 : plutôt : ce qui est décrété, comparer És. 10:22.  
18 Et il arrivera, en ce jour-là, que les montagnes ruisselleront de moût, et les collines découleront de lait, et tous les torrents de Juda découleront d’eau ; et une source sortira de la maison de l’Éternel, et arrosera la vallée de Sittim*. 18 Amin'izany andro izany dia hipoipoitra ranom-boaloboka ny tendrombohitra, handriaka ronono ny havoana, ho feno rano ny lohasahan-driak'i Joda rehetra, ary hisy loharano hivoaka avy ao an-tranon'i Jehovah ka handena ny lohasahan-driak'i Sitima.
19 L’Égypte sera une désolation, et Édom sera un désert désolé, à cause de leur violence contre les fils de Juda, parce qu’ils ont répandu du sang innocent dans leur pays. 19 Egypta kosa ho tonga tany lao, ary Edoma ho efitra foana, noho ny fampahoriana ny taranak'i Joda, dia ny nandatsahany rà marina teo amin'ny taniny.
20 Mais Juda sera habité* à toujours, et Jérusalem de génération en génération, 20 Fa Joda honenana mandrakizay, ary Jerosalema hatramin'ny taranaka fara mandimby.
21 et je les purifierai* du sang dont je ne les avais pas purifiés* : et l’Éternel demeure en Sion. 21 Ary hamaly ny rà marina izay tsy mbola novaliako Aho; Fa Jehovah monina ao Ziona.
— v. 18 : ou : vallée des acacias. — v. 20 : proprement : habitera. — v. 21 : purifier, rendre nets.