AMOS Amosa
   
   
Chapitre 1 Chapitre 1
1 Les paroles d’Amos, qui était d’entre les bergers de Thekoa, qu’il a vues touchant Israël, aux jours d’Ozias, roi de Juda, et aux jours de Jéroboam, fils de Joas, roi d’Israël,* deux ans avant le tremblement de terre. 1 Ny tenin'i Amosa, izay isan'ny mpiandry ondry tao Tekoa, dia izay hitany ny amin'ny Isiraely tamin'ny andro nanjakan'i Ozia, mpanjakan'ny Joda, sy tamin'ny andro nanjakan'i Jeroboama, zanak'i Joasy, mpanjakan'ny Isiraely, roa taona talohan'ny horohorontany.
2 Et il dit : L’Éternel rugit de Sion, et de Jérusalem il fait entendre sa voix ; et les pâturages des bergers mènent deuil, et le sommet du Carmel est séché. 2 [Ny loza hanjo ny firenena enina amin'ny jentilisa sy ny Joda, ary indrindra fa ny Isiraely] Ary hoy izy: Jehovah mierona ao Ziona ary mampikotroka any Jerosalema; Ny saha fiandrasana ondry dia mitomany ary maina ny tampon'i Karmela.
— v. 1 : date : A.C. : 795-785 environ.  
3 Ainsi dit l’Éternel : À cause de trois transgressions de Damas, et à cause de quatre, je ne révoquerai pas [mon arrêt] ; parce qu’ils ont foulé Galaad avec des traîneaux de fer. 3 Izao no lazain'i Jehovah: Noho ny fahotana telon'i Damaskosy, eny, efatra aza, dia tsy havelako* izy, satria kodia vy no nivelezany an'i Gileada; [Heb. tsy hahemotro]
4 Et j’enverrai un feu dans la maison de Hazaël, et il dévorera les palais de Ben-Hadad ; 4 Fa haterako afo ny tranon'i Hazaela, ka handevona ny tranoben'i Beni-hadada izany.
5 et je briserai la barre* de Damas, et, de la vallée** d’Aven je retrancherai l’habitant, et de Beth-Éden, celui qui tient le sceptre ; et le peuple de la Syrie ira en captivité à Kir, dit l’Éternel. 5 Hotorotoroiko koa ny hidin'i Damaskosy, ary hofoanako tsy hisy mponina* ny lohasahan'i Avena, ary Bet-edena tsy hisy hitana tehina fanapahana; Ary ny vahoakan'i Syria dia ho lasan-ko babo any Kira, hoy Jehovah. [Na: mpanapaka]
— v. 5* : voir Deut. 3:5. — v. 5** : ou : plaine ; voir la note à Josué 11:8.  
6 Ainsi dit l’Éternel : À cause de trois transgressions de Gaza, et à cause de quatre, je ne le* révoquerai point, parce qu’ils ont emmené captive la captivité tout entière, pour la livrer à Édom ; 6 Izao no lazain'i Jehovah: Noho ny fahotana telon'i Gaza, eny, efatra aza, dia tsy havelako* izy, satria lasany ho babo avika ny olona hatolony ho any Edoma; [Heb. tsy hahemotro]
7 mais j’enverrai un feu dans les murs de Gaza, et il dévorera ses palais ; 7 Fa haterako afo ny mandan'i Gaza, ka handevona ny tranobeny izany;
8 et je retrancherai d’Asdod l’habitant, et d’Askalon celui qui tient le sceptre ; et je tournerai ma main contre Ékron, et le reste des Philistins périra, dit le Seigneur, l’Éternel. 8 Ary hofoanako Asdoda tsy hisy mponina, ary Askelona tsy hisy hitana tehina fanapahana; Dia haveriko ny tanako hamely an'i Ekrona, ka ho faty izay sisa amin'ny Filistina, hoy Jehovah Tompo
— v. 6 : c. à d. l’arrêt, le jugement prononcé.  
9 Ainsi dit l’Éternel : À cause de trois transgressions de Tyr, et à cause de quatre, je ne le* révoquerai point, parce qu’ils ont livré la captivité tout entière à Édom, et ne se sont pas souvenus de l’alliance fraternelle ; 9 Izao no lazain'i Jehovah: noho ny fahotana telon'i Tyro, eny efatra aza, dia tsy havelako* izy, satria natolony ho any Edoma ny babo rehetra, ary tsy notsarovany ny fanekem-pirahalahiana;[Heb. tsy hahemotro]
10 mais j’enverrai un feu dans les murs de Tyr, et il dévorera ses palais. 10 Fa haterako afo ny mandan'i Tyro, ka handevona ny tranobeny izany
— v. 9 : c. à d. l’arrêt, le jugement prononcé.  
11 Ainsi dit l’Éternel : À cause de trois transgressions d’Édom, et à cause de quatre, je ne le* révoquerai point, parce qu’il a poursuivi son frère avec l’épée, et a étouffé la miséricorde**, et que sa colère déchira sans fin, et qu’il garda sa fureur à toujours. 11 Izao no lazain'i Jehovah: noho ny fahotana telon'i Edoma, eny, efatra aza, dia tsy havelako* izy, satria nanenjika ny rahalahiny tamin'ny sabatra izy, ka nofoanany ny fiantrany, ny fahatezerany dia namiravira mandrakariva, ary ny fahavinirany notehiriziny lalandava; [Heb. tsy hahemotro]
12 Et j’enverrai un feu sur Théman, et il dévorera les palais de Botsra. 12 Fa haterako afo ao Temana, ka handevona ny tranoben'i Bozra izany
— v. 11* : c. à d. l’arrêt, le jugement prononcé. — v. 11** : litt.: détruit ses miséricordes.  
13 Ainsi dit l’Éternel : À cause de trois transgressions des fils d’Ammon, et à cause de quatre, je ne le* révoquerai point, parce qu’ils ont fendu le ventre aux femmes enceintes de Galaad, afin d’élargir leurs frontières ; 13 Izao no lazain'i Jehovah: noho ny fahotana telon'ny taranak'i Amona, eny, efatra aza, dia tsy havelako* izy, satria notatahany izay bevohoka tao Gileada, hanitarany ny fari-taniny; [Heb. tsy hahemotro]
14 et j’allumerai un feu dans les murs de Rabba, et il dévorera ses palais, au milieu des cris au jour de la bataille, au milieu de la tempête au jour du tourbillon ; 14 Fa hampirehitra afo ao amin'ny mandan'i Raba Aho, ka handevona ny tranobeny izany, sady hisy akora amin'ny andro iadiana sy rivo-mahery amin'ny andron'ny tadio;
15 et leur roi ira en captivité, lui et ses princes ensemble, dit l’Éternel. 15 Dia ho lasan-ko babo ny mpanjakany mbamin'ireo mpanapaka rehetra ao aminy, hoy Jehovah.
— v. 13 : c. à d. l’arrêt, le jugement prononcé.  
Chapitre 2 Chapitre 2
1 Ainsi dit l’Éternel : À cause de trois transgressions de Moab, et à cause de quatre, je ne le* révoquerai point, parce qu’il a brûlé, [réduit] en chaux les os du roi d’Édom ; 1 Izao no lazain'i Jehovah: Noho ny fahotana telon'i Moaba, eny, efatra aza, dia tsy havelako* izy, satria nodorany ho sokay ny taolan'ny mpanjakan'i Edoma; [Heb. tsy hahemotro]
2 et j’enverrai un feu sur Moab, et il dévorera les palais de Kerijoth, et Moab mourra au milieu du tumulte, au milieu des cris, au son de la trompette, 2 Fa hataoko afo ao Moaba, ka handevona ny tranoben'i Kiriota izany; Ary Moaba ho faty amin'ny tabataba sy amin'ny akora ary ny fanenon'ny anjomara;
3 et je retrancherai le juge du milieu de lui, et je tuerai tous ses princes avec lui, dit l’Éternel. 3 Ary hofoanako tsy hisy mpitsara ao aminy, ary hiaraka hovonoiko izy sy ireo mpanapaka rehetra ao aminy, hoy Jehovah.
— v. 1 : c. à d. l’arrêt, le jugement prononcé.  
4 Ainsi dit l’Éternel : À cause de trois transgressions de Juda, et à cause de quatre, je ne le* révoquerai point, parce qu’ils ont méprisé la loi de l’Éternel et n’ont pas gardé ses statuts, et que leurs mensonges, après lesquels leurs pères ont marché, les ont fait errer ; 4 Izao no lazain'i Jehovah: Noho ny fahotana telon'i Joda, eny, efatra aza, dia tsy havelako* izy, satria nataony tsinontsinona ny lalàn'i Jehovah, ary ny didiny tsy notandremany, ary nampahadiso azy ny laingany, izay fanaon'ny razany; [Heb. tsy hahemotro]
5 et j’enverrai un feu dans Juda, et il dévorera les palais de Jérusalem. 5 Fa haterako afo ao Joda, ka handevona ny tranoben'i Jerosalema izany.
— v. 4, 6 : c. à d. l’arrêt, le jugement prononcé.  
6 Ainsi dit l’Éternel : À cause de trois transgressions d’Israël, et à cause de quatre, je ne le* révoquerai point, parce qu’ils ont vendu le juste pour de l’argent, et le pauvre pour une paire de sandales, 6 Izao no lazain'i Jehovah: Noho ny fahotana telon'Isiraely, eny, efatra aza, dia tsy havelako* izy, satria namidiny volafotsy ny olona marina sy kapa iray lomisy ny malahelo, [Heb. tsy hahemotro]
7 eux qui désirent ardemment [de voir] la poussière de la terre sur la tête des chétifs, et qui pervertissent le chemin des débonnaires ; et un homme et son père vont vers la [même] fille, pour profaner mon saint nom ; 7 Ary mihanahana mitsiriritra ny vovo-tany eo* an-dohan'ny malahelo izy sady mamily ny alehan'ny mpandefitra, ary olona mianaka dia samy mandry amin'ny zazavavy iray ihany mba handoto ny anarako masina; [Na: ho eo]
8 et ils s’étendent à côté de chaque autel, sur des vêtements pris en gage, et boivent dans la maison de leur dieu le vin de ceux qui ont été mis à l’amende. 8 Amin'ny lamba azony tamin'ny tsatòka izy no mitsilailay eny anilan'ny alitara rehetra, ary misotro divay novidina tamin'ny sazy* ao an-tranon'ireo andriamaniny izy. [Heb. divain'y voasazy]
9 Mais moi, j’ai détruit devant eux l’Amoréen, dont la taille était comme la hauteur des cèdres, et qui était fort comme les chênes ; et j’ai détruit son fruit en haut et ses racines en bas. 9 Nefa Izaho no nandringana ny Amorita teo anoloany, dia olona izay lava tsanganana toy ny hazo sedera sy natanjaka toy ny ôka; Eny, nosimbako ny voany teny ambony sy ny fatany tao ambany.
10 Et moi, je vous ai fait monter du pays d’Égypte, et je vous ai fait marcher dans le désert quarante ans, pour posséder le pays de l’Amoréen. 10 Ary Izaho no nitondra anareo niakatra avy tany amin'ny tany Egypta sady nitari-dalana anareo efa-polo taona tany an-efitra, mba handovanareo ny tanin'ny Amorita,
11 Et j’ai suscité des prophètes d’entre vos fils, et d’entre vos jeunes gens, des nazaréens. N’en est-il pas ainsi, fils d’Israël ? dit l’Éternel. 11 Ary ny zanakalahinareo nisy natsangako ho mpaminany, ary ny zatovonareo ho Nazirita. Tsy izany va no izy, ry Zanak'Isiraely? hoy Jehovah.
12 Et vous avez fait boire du vin aux nazaréens, et vous avez commandé aux prophètes, disant : Ne prophétisez pas. 12 Kanjo nampisotroinareo divay ny Nazirita, ary ny mpaminany noraranareo hoe: Aza maminany.
13 Voici, je pèserai sur vous comme pèse le char plein de gerbes*. 13 Indro, Izaho no hitambesatra aminareo* toy ny fitambesatry ny sariety feno amboara. [Na: Izaho dia itambesaranareo]
14 Et la fuite manquera à celui qui est agile ; et le fort n’affermira pas sa force ; et l’homme vaillant ne sauvera pas sa vie ; 14 Koa tsy ho afa-mandositra ny faingam-pandeha, ny mahery tsy hampiseho hery, ary ny lehilahy mahery tsy hahavonjy ny ainy;
15 et celui qui manie l’arc ne tiendra pas ferme ; et celui qui a les pieds agiles n’échappera pas ; et celui qui monte le cheval ne sauvera pas sa vie ; 15 Izay mitana tsipìka tsy hahajanona, ary ny faingan-tongotra tsy hahavonjy tena, izay mitaingin-tsoavaly tsy hahavonjy ny ainy;
16 et celui qui a le cœur plein de courage parmi les hommes vaillants s’enfuira nu en ce jour-là, dit l’Éternel. 16 Ary na dia izay sahy ao amin'ny mahery aza dia handositra mitanjaka amin'izany andro izany, hoy Jehovah.
— v. 4, 6 : c. à d. l’arrêt, le jugement prononcé. — v. 13 : quelques-uns : vous (c. à d. vos péchés) pesez sur moi, comme la charrette est chargée de gerbes.  
* *
Chapitre 3 Chapitre 3
1 Écoutez cette parole que l’Éternel prononce sur vous, fils d’Israël, sur la famille entière que j’ai fait monter du pays d’Égypte, disant : 1 [Ny hamaliana ny Isiraely noho ny fahotany] Henoy izao teny izao, izay lazain'i Jehovah ny aminareo, ry Zanak'Isiraely, dia ny amin'io taranaka rehetra nentiko niakatra avy tany amin'ny tany Egypta io:
2 Je vous ai connus, vous seuls, de toutes les familles de la terre ; c’est pourquoi je visiterai sur vous toutes vos iniquités. 2 Hianareo ihany no fantatro tamin'ny firenena rehetra ambonin'ny tany, koa noho izany dia hovaliako ianareo noho ny helokareo rehetra.
3 Deux [hommes] peuvent-ils marcher ensemble s’ils ne sont pas d’accord ? 3 Ho tafara-dalana va ny roa, raha tsy efa nifanaiky?
4 Le lion rugira-t-il dans la forêt s’il n’a pas de proie ? Le lionceau fera-t-il entendre sa voix de son repaire, s’il n’a pris quelque chose ? 4 Mierona any an'ala va ny liona, raha tsy mahita toha? Manerona ao an-davany va ny liona tanora, raha tsy mahazo zavatra?
5 L’oiseau tombera-t-il dans le piège sur la terre, quand il n’y a pas de filet [tendu] pour lui ? Le piège se lèvera-t-il du sol, s’il n’a rien pris du tout ? 5 Voan'ny fandrika etỳ an-tany va ny vorona, raha tsy nisy tadivavarana? Mikatona va ny fandrika, raha tsy mahavoa zavatra?
6 Sonnera-t-on de la trompette dans une ville, et le peuple ne tremblera pas ? Y aura-t-il du mal dans une ville, et l’Éternel ne l’aura pas fait* ? 6 Tsofina va ao an-tanàna ny anjomara, ka tsy hatahotra ny vahoaka? Misy loza ao an-tanàna va, raha tsy Jehovah no nahatonga izany?
7 Or le Seigneur, l’Éternel, ne fera rien, qu’il ne révèle son secret à ses serviteurs les prophètes. 7 Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin'ny mpaminany mpanompony.
— v. 6 : ou : n’aura pas agi.  
8 Le lion a rugi : qui n’aura peur ? Le Seigneur, l’Éternel, a parlé : qui ne prophétisera ? 8 Ny liona no mierona, ka iza no tsy hatahotra? Jehovah Tompo no miteny, ka iza no tsy haminany?
   
9 Faites-le entendre dans* les palais dans Asdod, et dans* les palais dans le pays d’Égypte, et dites : Assemblez-vous sur les montagnes de Samarie, et voyez la grande confusion qui est au milieu d’elle, et les oppressions [qui ont lieu] dans son sein : 9 Ambarao ao an-tranoben'i Asdoda sy ao an-tranobe any amin'ny tany Egypta, ka ataovy hoe: Miangona any an-tendrombohitr'i Samaria ianareo, ary jereo ny tabataba be ao aminy sy ny fampahoriana* ao anatiny. [Na: ny ampahorina]
10 et ils ne savent pas faire ce qui est droit, dit l’Éternel, eux qui amassent la violence et la rapine dans leurs palais. 10 Fa tsy mahalala hanao ny marina izy ireo, hoy Jehovah, dia ireo izay mitahiry fandozana sy roba ao an-tranobeny.
11 C’est pourquoi, ainsi dit le Seigneur, l’Éternel : L’ennemi ! — et tout autour du pays ! Et il abattra ta force, et tes palais seront pillés. 11 Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: He, misy fahavalo manodidina ny tany! Hazerany ho afaka aminao ny herinao, ary hobaboina ny tranobenao.
12 Ainsi dit l’Éternel : Comme le berger sauve de la gueule du lion deux jambes ou un bout d’oreille, ainsi seront sauvés les fils d’Israël qui sont assis à Samarie sur le coin d’un lit*, et sur le damas d’un divan. 12 Izao no lazain'i Jehovah: Toy ny famonjin'ny mpiandry ondry ny tongotr'ondry roa na ny sombin-tsofina eny am-bavan'ny liona, dia toy izany no ho famonjy ny Zanak'Isiraely, izay mipetraka ao Samaria, eo an-jorom-parafara sy eo amin'ny lamba fandriandriana avy any Damaskosy.
— v. 9 : ou : sur. — v. 12 : la meilleure place du lit de repos ou divan, chez les riches.  
13 Écoutez, et rendez témoignage dans la maison de Jacob, dit le Seigneur, l’Éternel, le Dieu des armées, 13 Henoinareo, ka ambarao hamelezana ny taranak'i Jakoba, hoy ny Tompo, Jehovah, Andriamanitry ny maro:
14 qu’au jour où je visiterai les transgressions d’Israël sur lui, je punirai les autels de Béthel, et les cornes de l’autel seront coupées et tomberont à terre. 14 Amin'ny andro hamaliako ny Isiraely noho ny fahotana ao aminy no hamaliako ny alitara ao Betela dia hokapaina ny tandroky ny alitara ka hianjera amin'ny tany.
15 Et je frapperai la maison d’hiver avec la maison d’été, et les maisons d’ivoire périront, et beaucoup de maisons cesseront d’exister, dit l’Éternel. 15 Hamely ny trano ririnina sy ny trano fahavaratra Aho; Ary ho rava ny trano ivory, sady ho fongana ny trano maro, hoy Jehovah.
Chapitre 4 Chapitre 4
1 Écoutez cette parole, vaches de Basan, qui êtes sur la montagne de Samarie, qui opprimez les chétifs, qui écrasez les pauvres, qui dites à vos maîtres : Apporte, afin que nous buvions ! 1 [Ny hanjo ny Isiraely noho ny tsi-fetezany hibebaka] Mihainoa izao teny izao, ianareo vantotr'ombivavin'i Basana, izay eny an-tendrombohitr'i Samaria, dia ianareo izay mampahory ny mahantra sy manorotoro ny malahelo ary manao amin'ny vadinareo* hoe: Mitondrà hosotrointsika. [Na: ny tomponareo: Heb. tompony, na vadiny]
2 Le Seigneur, l’Éternel, a juré par sa sainteté, que, voici, des jours viennent sur vous, où il vous enlèvera avec des hameçons, et votre postérité avec des haims* de pêche. 2 Jehovah Tompo efa nianiana tamin'ny fahamasinany hoe: Indro, ho avy aminareo ny andro hitarihany anareo amin'ny farango sy izay sisa aminareo amin'ny fintana.
3 Et vous sortirez par les brèches, chacune droit devant elle, et vous serez lancées vers Harmon*, dit l’Éternel. 3 Ary avy eo amin'ny banga no hivoahanareo, samy amin'izay hitsiny avy; Ary horoahina ho any Harmona* ianareo**, hoy Jehovah.[Na: an-tranobe][Na: ary harianareo ny fahefana (?)]
— v. 2 : d’autres traduisent : les crocs. — v. 3 : quelques-uns : la forteresse.  
4 Venez à Béthel, et péchez* ! À Guilgal, multipliez la transgression ! Apportez le matin vos sacrifices, tous les trois jours* vos dîmes ; 4 Mankanesa any Betela, ka manotà, ary any Gilgala, ka manotà fatratra; Ento isa-maraina ny fanatitrareo alatsa-drà ary isan-kateloana ny fahafolon-karenareo;
5 et faites fumer du pain levé [en sacrifice] d’actions de grâces ; et publiez des offrandes volontaires, annoncez-[les] ! Car c’est ainsi que vous aimez [à faire], fils d’Israël, dit le Seigneur, l’Éternel. 5 Mandoroa zavatra misy masirasira ho fanati-pisaorana, ary miantsoa fanati-tsitrapo, eny, ambarao izany! Satria ny toy izany no sitrakareo, ry Zanak'Isiraely, hoy Jehovah Tompo.
6 Et moi aussi, je vous ai donné les dents nettes dans toutes vos villes, et le manque de pain dans toutes vos demeures* ; et vous n’êtes pas revenus à moi, dit l’Éternel. 6 Fa Izaho dia efa nanome anareo ny mahamavovava tao an-tanànanareo rehetra, sy ny tsi-fahampian-kanina tamin'ny fonenanareo rehetra; Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah.
7 Et je vous ai aussi retenu la pluie quand il n’y avait que trois mois jusqu’à la moisson ; et j’ai fait pleuvoir sur une ville, et je n’ai pas fait pleuvoir sur une [autre] ville ; il y avait de la pluie sur un champ*, et le champ* sur lequel il n’y avait pas de pluie séchait ; 7 Ary Izaho koa efa nampihantona ny orana tsy ho aminareo, raha mbola telo volana sisa tsy ho fararano, ka tamin'ny tanàna iray no nampilatsahako orana, ary tamin'ny tanàna iray kosa tsy mba nampilatsahako azy; Ny saha iray nilatsahan'ny orana. Ary ny saha iray kosa tsy mba nilatsahany ka maina.
8 et deux [et] trois villes se rendaient dans une [autre] ville pour boire de l’eau, et ils n’ont pas été rassasiés ; et vous n’êtes pas revenus à moi, dit l’Éternel. 8 Dia nivembena ny tanàna roa aman-telo nitady rano tany amin'ny tanàna iray, kanjo tsy afa-ketaheta izy; Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah.
9 Je vous ai frappés par la brûlure et la rouille [des blés] ; la chenille* a dévoré la multitude de vos jardins, et de vos vignes, et de vos figuiers et de vos oliviers ; mais vous n’êtes pas revenus à moi, dit l’Éternel. 9 Efa nasiako tamin'ny vary main'ny rivotra sy maty fotsy ianareo; Ny habetsahan'ny tanimbolinareo sy ny tanim-boalobokareo sy ny aviavinareo sy ny hazo olivanareo dia nohanin'ny valala*; Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah. [Heb. mpikiky]
10 J’ai envoyé parmi vous une peste à la façon de l’Égypte ; j’ai tué vos jeunes gens par l’épée, emmenant aussi vos chevaux* ; et j’ai fait monter la puanteur de vos camps, et [cela] dans vos narines ; et vous n’êtes pas revenus à moi, dit l’Éternel. 10 Efa naterako areti-mandringana tahaka ny any Egypta ianareo; Novonoiko sabatra ny zatovonareo sady nobaboina koa ny soavalinareo; Ary nampakariko ho eo am-bavoronareo ny hamaimboan'ny tobinareo; Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah.
11 J’ai fait des renversements parmi vous, comme la subversion que Dieu a faite de Sodome et de Gomorrhe, et vous avez été comme un tison sauvé d’un incendie ; et vous n’êtes pas revenus à moi, dit l’Éternel. 11 Efa nisy noravako teo aminareo tahaka ny nandravan'Andriamanitra an'i Sodoma sy Gomora, ka efa tahaka ny forohana nosarihana tamin'ny afo ianareo; Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah.
12 C’est pourquoi, je te ferai ainsi, Israël. Puisque je te ferai ceci, prépare-toi, Israël, à rencontrer ton Dieu. 12 Koa izao no hataoko aminao, sy Isiraely, satria hanao izany aminao Aho, dia miomàna hihaona amin'Andriamanitrao, ry Isiraely ô.
13 Car voici, celui qui forme les montagnes, et qui crée le vent, et qui déclare à l’homme quelle est sa pensée, qui de l’aube fait des ténèbres, et qui marche sur les lieux hauts de la terre, — l’Éternel, le Dieu des armées, est son nom ! 13 Fa indro Ilay mamorona ny tendrombohitra sy manao na rivotra ary mampahafantatra ny olombelona izay heviny, dia Ilay mahatonga ny maraina ho aizina ary mandia ny fitoerana avo amin'ny tany: Jehovah, Andriamanitry ny maro, no anarany.
— v. 4* : litt.: transgressez. — v. 4** : selon quelques-uns : ans. — v. 6 : litt.: tous vos lieux. — v. 7 : litt.: portion. — v. 9 : voir Joël 1:4. — v. 10 : litt.: avec la captivité de vos chevaux.  
* *
Chapitre 5 Chapitre 5
1 Écoutez cette parole, une complainte que j’élève sur vous, maison d’Israël ! 1 [Ny handravana ny fanjakan'Isiraely] Henoinareo izao teny izao, izay entiko milaza anareo, dia hira fahalahelovana, ry taranak'Isiraely;
2 Elle est tombée, elle ne se relèvera pas, la vierge d’Israël ; elle est étendue sur sa terre, il n’y a personne qui la relève. 2 Lavo Isiraely virijina ka tsy hahatsangana intsony; Nazera tamin'ny taniny izy, ka tsy misy mangana azy.
3 Car ainsi dit le Seigneur, l’Éternel : La ville qui allait en campagne avec mille, en aura cent de reste ; et celle qui allait en campagne avec cent*, en aura dix de reste, pour la maison d’Israël. 3 Fa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Izay tanàna namoaka arivo, dia, indreo, zato monja no sisa: ary izay namoaka zato, dia, indreo, folo monja no sisa ho an'ny taranak'Isiraely.
— v. 3 : litt.: qui sortait par mille … qui sortait par cent.  
4 Car ainsi dit l’Éternel à la maison d’Israël : Cherchez-moi, et vous vivrez ; 4 Fa izao no lazain'i Jehovah amin'ny taranak'Isiraely; Tadiavo Aho, dia ho velona ianareo;
5 et ne cherchez pas Béthel, et n’allez pas à Guilgal, et ne passez pas à Beër-Shéba ; car Guilgal ira certainement en captivité, et Béthel sera réduite à rien*. 5 Fa aza mitady an'i Betela, na mankany Gilgala, ary aza mandroso ho any Beri-sheba; Fa ho babo tokoa Gilgala, ary Betela dia ho tonga tsinontsinona.
6 Cherchez l’Éternel, et vous vivrez, de peur qu’il n’envahisse comme le feu la maison de Joseph, et ne la dévore, et qu’il n’y ait personne à Béthel qui éteigne. 6 Mitadiava an'i Jehovah, dia ho velona ianareo; Fandrao hilatsaka toy ny afo mandevona amin'ny taranak'i Josefa Izy, ary Betela tsy hanana izay hahafaty ny afo,
7 Vous qui changez en absinthe le droit*, et qui couchez par terre la justice, 7 Dia ianareo izay mamadika ny rariny ho zava-mahafaty ary mampiongana ny fahamarinana ho eo amin'ny tany.
8 [cherchez-le], lui qui a fait les Pléïades et Orion ; qui change en matin l’ombre de la mort, et transforme le jour en ténèbres de la nuit ; qui appelle les eaux de la mer, et les verse sur la face de la terre : l’Éternel est son nom. 8 Ilay nanao an'Ikotokelimiadilaona sy ny Telonohorefy, ary mampody ny aloky ny fahafatesana ho maraina sy manamaizina ny andro ho alina, dia ilay miantso ny rano ao an-dranomasina ka mandatsaka azy amin'ny tany: Jehovah no anarany,
9 Il fait lever subitement la destruction sur le fort*, et la destruction vient sur la forteresse. 9 Dia Ilay mampitselatra fandravana hamely ny mahery, ka dia mihatra amin'ny tanàna mimanda ny fandravana.
— v. 5 : hébreu : aven ; comparer Osée 4:15. — v. 7 : ordinairement : jugement. — v. 9 : l’[homme] fort.  
10 Ils haïssent celui qui reprend à la porte, et ont en abomination celui qui parle avec intégrité. 10 Halany eo am-bavahady izay mananatra,11 ary ataony ho fahavetavetana izay miteny ny marina. [Na: Halany izay mananatra eo am-bavahady]
11 C’est pourquoi, parce que vous foulez aux pieds le pauvre, et que vous prenez de lui des charges* de blé : vous avez bâti des maisons de pierres de taille, mais vous n’y habiterez pas ; vous avez planté des vignes excellentes**, et vous n’en boirez pas le vin ; 11 Koa noho ny fanitsakitsahanareo ny mahantra sy ny nampandoavanareo vary azy, dia mba nanao trano vato voapaika ihany ianareo, nefa tsy hitoetra ao aminy; Namboly tanim-boaloboka mahafinaritra ihany ianareo, nefa tsy hisotro ny divay avy aminy.
12 car je connais vos nombreuses transgressions et vos grands* péchés : ils oppriment le juste, prennent des présents**, et font fléchir à la porte le droit des pauvres. 12 Fa fantatro fa be ny helokareo, ary fatratra ny fahotanareo: Mampahory ny marina sy mandray kolikoly* ianareo ary mamadika ny malahelo eo am-bavahady. [Heb. avotra]
13 C’est pourquoi, en ce temps-ci, le sage gardera le silence, car c’est un temps mauvais. 13 Koa izay manan-tsaina dia hangina amin'izao andro izao, fa andro mampahory izao.
— v. 11* : ou : présents, tributs. — v. 11** : ou : agréables. — v. 12* : nombreux ; litt.: forts. — v. 12** : voir 1 Sam. 12:3.  
14 Recherchez le bien, et non le mal, afin que vous viviez ; et ainsi l’Éternel, le Dieu des armées, sera avec vous, comme vous le dites. 14 Ny tsara no tadiavo, fa aza ny ratsy, mba ho velona ianareo; Ka dia homba anareo Jehovah, Andriamanitry ny maro, araka izay efa nolazainareo.
15 Haïssez le mal, et aimez le bien, et établissez dans la porte le juste jugement ; peut-être l’Éternel, le Dieu des armées, usera-t-il de grâce envers le reste de Joseph. 15 Ankahalao ny ratsy, ka tiavo ny tsara, ary aoreno eo am-pitsarana* ny rariny; Angamba Jehovah, Andriamanitry ny maro, hamindra fo amin'izay sisa amin'i Josefa. [Heb. am-bavahady]
16 C’est pourquoi, ainsi dit l’Éternel, le Dieu des armées, le Seigneur : Dans toutes les places, la lamentation ! et dans toutes les rues, on dira : Hélas, hélas ! Et on appellera le laboureur au deuil, et à la lamentation ceux qui s’entendent aux chants de douleur. 16 Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo, Andriamanitry ny maro: Eny an-kalalahana rehetra dia hisy fisaonana, ary eny an-dalambe rehetra dia hisy hanao hoe: Indrisy! Indrisy! Ary hiantso ny mpiasa tany hitomany izy, ary izay mahay hira fisaonana dia hantsoiny hanao.
17 Et dans toutes les vignes, la lamentation ! car je passerai au milieu de toi, dit l’Éternel. 17 Ary any amin'ny tanim-boaloboka rehetra dia hisy fisaonana; Fa handeha hamaky eo aminao Aho, hoy Jehovah.
   
18 Malheur à vous qui désirez le jour de l’Éternel ! À quoi vous [servira] le jour de l’Éternel ? Il sera ténèbres, et non lumière, 18 Lozan'izay maniry ny andron'i Jehovah! Hataonareo inona moa ny andron'i Jehovah? Dia aizina, fa tsy fahazavana,
19 comme si un homme s’enfuyait de devant un lion, et qu’un ours le rencontrât ; ou qu’il entrât dans la maison et appuyât sa main contre le mur, et qu’un serpent le mordît. 19 Tahaka ny olona mandositra ny liona ka sendra ny bera, ary rehefa tafiditra ao an-trano ka mitehin- tanana amin'ny rindrina, dia kekerin'ny menarana.
20 Le jour de l’Éternel n’est-il pas ténèbres, et non lumière ? et profonde obscurité, et non splendeur ? 20 Moa tsy aizina va ny andron'i Jehovah, fa tsy fahazavana? Tsy aizim-pito tsy misy mangirana akory va izany?
21 Je hais, je méprise vos fêtes, et je ne flairerai pas [de bonne odeur] dans vos assemblées solennelles* ; 21 Halako, eny, laviko ny andro firavoravoanareo, ary tsy ho hanitra ankasitrahana amiko ny fivorianareo masina.
22 si vous m’offrez* des holocaustes et vos offrandes de gâteau, je ne les agréerai pas, et je ne regarderai pas le sacrifice de prospérités de vos bêtes grasses. 22 Na dia ateranareo fanatitra dorana sy fanatitra hohanina aza Aho, dia tsy sitrako izany; Ny zanak'omby mifahy aterinareo ho fanati-pihavanana dia tsy hojereko akory.
23 Ôte de devant moi le bruit de tes cantiques ; et la musique de tes luths, je ne l’écouterai pas. 23 Atsaharo ny finaonaonan'ny hiranareo*, fa maharenina Ahy; Fa tsy hihaino ny fanenon'ny lokanganareo* Aho. [Heb. Hiranao, lokanganao]
24 Mais que le jugement roule comme des eaux, et la justice comme un fleuve qui ne tarit pas ! 24 Ary aoka ny fitsarana hanalonalona toy ny rano, ary ny fahamarinana toy ny renirano tsy mety ritra.
25 M’avez-vous offert des sacrifices et des offrandes dans le désert, pendant quarante ans, maison d’Israël ? 25 Moa efa nanatitra fanatitra hohanina sy fanatitra alatsa-drà ho Ahy tany an-efitra efa-polo taona va ianareo, ry taranak'i Isiraely?
26 Mais vous avez porté le tabernacle de votre Moloc*, et le Kiun* de vos images, l’étoile de votre dieu, que vous vous êtes fait ; 26 Tsia, fa ny nitondra* ny tabernakelin'ny mpanjakanareo sy ny fipetrahan'ny sampinareo ihany no nataonareo**, dia ny kintan'ny andriamanitrareo, izay nataonareo ho anareo [*Na: Dia ho entinareo][**Na: Tsia fa ny mitondra an'i Sikota, mpanjakanareo, sy Kiona, sampinareo, no nataonareo]
27 et je vous transporterai au delà de Damas, dit l’Éternel ; son nom est le Dieu des armées. 27 Ka dia ho entiko ho babo any ankoatr'i Damaskosy ianareo, hoy Jehovah, Andriamanitry ny maro no anarany.
— v. 21 : ou : d’obligations. — v. 22 : comme Lévitique 14:20. — v. 26* : ou : roi. — v. 26** : peut-être : tréteau ; selon quelques-uns : Kiun, votre idole.  
* *
Chapitre 6 Chapitre 6
1 Malheur à ceux qui sont à l’aise en Sion, et à ceux qui vivent en sécurité sur la montagne de Samarie, les grands de la première des nations, auprès desquels vient la maison d’Israël ! 1 Lozan'ireo miadana ao Ziona sy ireo matokitoky foana ao an-tendrombohitr'i Samaria, dia ireo malaza eo amin'ny firenena malaza indrindra sady hatonin'ny taranak'Isiraely.
2 Passez à Calné, et voyez ; et, de là, allez à Hamath la grande, et descendez à Gath des Philistins : sont-elles meilleures que ces royaumes-ci ? Est-ce que leur frontière est plus étendue que votre frontière ? 2 Mankanesa any Kalne ianareo, ka mijere, dia mandrosoa ihany ho any Hamata lehibe; Ary midina ho any Gatan'ny Filistina; Tsara noho ireo fanjakana ireo va izy? Sa lehibe noho ny tanin'ireo va ny taninareo?
3 Vous qui éloignez le mauvais jour, et qui faites approcher le siège de la violence, 3 Hianareo izay mihevitra ny andro mampahory ho mbola lavitra sy mampanakaiky ny seza fandozana,
4 vous qui vous couchez sur des lits d’ivoire et qui vous étendez mollement sur vos divans, et qui mangez les agneaux du troupeau et les veaux gras de l’étable ; 4 Dia ireo izay mandrimandry ao amin'ny farafara ivoriny sy mitsilailay eo amin'ny fandriandriany ary homana ny zanak'ondry avy amin'ny andian'ny ondry sy ny zanak'omby avy ao am-pahitra,
5 qui chantez au son du luth, [et] inventez, comme David, à votre usage*, des instruments pour le chant ; 5 Dia ireo izay mivovo foana manaraka ny feon-dokanga ary mamorona zava-maneno toy ny nataon'i Davida,
6 qui buvez le vin dans des coupes*, et vous oignez de la meilleure huile, et ne vous affligez pas de la brèche de Joseph. 6 Dia ireo izay misotro divay amin'ny lovia famafazana sady mihosotra diloilo tsara Indrindra, nefa tsy onena ny fahasimban'i Josefa.
7 C’est pourquoi, maintenant ils iront en captivité à la tête de ceux qui vont en captivité, et les cris de ceux qui sont mollement couchés cesseront. 7 Koa amin'izao dia ho voalohany amin'izay hobaboina ireo, ary hatsahatro ny hobin'izay mitsilailay foana.
— v. 5 : litt.: pour eux (vous). — v. 6 : ailleurs : bassins ; voir 1 Rois 7:40.  
8 Le Seigneur, l’Éternel, a juré par lui-même*, dit l’Éternel, le Dieu des armées : J’ai en horreur l’orgueil de Jacob, et je hais ses palais ; et je livrerai la ville et tout ce qu’elle contient. 8 Jehovah Tompo dia efa nianiana tamin'ny tenany, hoy Jehovah, Andriamanitry ny maro: Fahavetavetana eo anatrehako ny reharehan'i Jakoba, ary halako ny tranobeny; Koa dia hatolotro ny tanàna mbamin'izay rehetra ao anatiny.
9 Et il arrivera que, s’il reste dix hommes dans une maison, ils mourront ; 9 Ary raha hisy folo lahy sisa ao an-trano iray, dia samy ho faty ireo.
10 et le parent* de [l’un d’eux], celui qui doit le brûler, prendra le mort pour sortir de la maison les os, et il dira à celui qui est dans l’intérieur de la maison : y a-t-il encore quelqu’un auprès de toi ? Et il dira : Personne ! Et il dira : Silence** ! car nous ne pouvons faire mention du nom de l’Éternel. 10 Ary ny havan'izay maty, na izay handevina* azy, dia hambeta azy ka hitondra ny faty hiala ao an-trano, dia hiteny amin'izay ao anaty trano hoe: Mbola misy ihany va ato aminao? Ary raha hoy izy: Tapitra! Dia hovaliana hoe: Mangina re! fa tsy tokony hotonenina ny anaran'i Jehovah. [Heb. handoro]
— v. 8 : litt.: par son âme. — v. 10* : proprement : oncle. — v. 10** : comparer Sophonie 1:7.  
11 Car voici, l’Éternel a commandé, et on frappera la grande maison de brèches, et la petite maison, de fentes. 11 Fa, indro, Jehovah no mandidy, ka horavana ny trano lehibe, ary hotresatresahina ny trano madinika.
12 Les chevaux courront-ils sur un rocher, ou bien y labourera-t-on avec des bœufs ? Car vous avez changé le droit* en poison, et en absinthe le fruit de la justice, 12 Mihazakazaka eny amin'ny sola-bato va ny soavaly. Misy olona mampihosy omby va eny, no efa navadikareo ho zava-mangidy ny rariny, ary ny vokatry ny fahamarinana ho zava-mahafaty?
13 vous qui vous réjouissez en ce qui n’est rien, vous qui dites : Avec notre force, ne nous sommes-nous pas acquis de la puissance* ? 13 Dia ianareo izay mifaly amin'ny zava-poana ka manao hoe: Moa tsy ny herinay va no ahazoanay tandroka ho anay?
14 Car voici, maison d’Israël, dit l’Éternel, le Dieu des armées, je suscite contre vous une nation, et ils vous opprimeront depuis l’entrée de Hamath jusqu’à la rivière de la plaine*. 14 Fa, indro, hanangana firenena hamely anareo Aho, ry taranak'Isiraely, hoy Jehovah, Andriamanitry ny maro, dia hampahory anareo hatrany akaikin'i Hamata izy ka hatramin'ny lohasahan-driaka any amin'ny tani-hay.
— v. 12 : ordinairement : jugement. — v. 13 : litt.: des cornes. — v. 14 : de l’Araba ; comparer 2 Rois 14:25.  
* *
Chapitre 7 Chapitre 7
1 Ainsi m’a fait voir le Seigneur, l’Éternel, et voici, il forma des sauterelles*, comme le regain commençait à pousser ; et voici, c’était le regain après la fauche du roi. 1 [Ny fahitana ny amin'ny valala, sy ny afo, ary ny Pilao] Izao no nasehon'i Jehovah Tompo tamiko: Indro, nanao ny valala tamin'ny voalohan'ny nitsimohan'ny kolokolon'ahitra Izy; ary, indro, kolokolon'izay nojinjana ho an'ny mpanjaka izany.
2 Et il arriva, lorsqu’elles eurent entièrement mangé l’herbe de la terre, que je dis : Seigneur Éternel, pardonne, je te prie ! Comment Jacob se relèvera-t-il ? car il est petit. 2 Ary nony efa laniny avokoa ny zava-maniry amin'ny tany, dia hoy izaho: Jehovah Tompo, mifona aminao aho mamelà heloka! Hataon'i Jakoba ahoana no fahajanona? Fa kely izy.
3 L’Éternel se repentit de cela : cela ne sera pas, dit l’Éternel. 3 Nanenenan'i Jehovah izany; Tsy hisy izany, hoy Jehovah.
4 Ainsi m’a fait voir le Seigneur, l’Éternel ; et voici, le Seigneur, l’Éternel, appela pour juger* par le feu ; et il dévora le grand abîme, et il dévora l’héritage**. 4 Izao no nasehon'i Jehovah Tompo tamiko: Indro, Jehovah Tompo miantso hifandahatra hamely amin'ny afo, ka nandevona ny lalina lehibe sy nila handany ny zara-lova izany.
5 Et je dis : Seigneur Éternel, cesse, je te prie ! Comment Jacob se relèvera-t-il ? car il est petit. 5 Dia hoy izaho: Jehovah Tompo, Mifona aminao aho, mitsahara! Hataon'i Jakoba ahoana no fahajanona? Fa kely izy.
6 L’Éternel se repentit de cela : cela aussi ne sera pas, dit le Seigneur, l’Éternel. 6 Nanenenan'i Jehovah izany; Tsy hisy izany, hoy Jehovah Tompo.
7 Ainsi il m’a fait voir ; et voici, le Seigneur se tenait sur un mur [bâti] d’aplomb, et il avait un plomb à sa main. 7 Izao no nasehony ahy: Indro, ny Tompo nitsangana teo ambonin'ny manda natao amin'ny pilao, sady nisy pilao teny an-tànany.
8 Et l’Éternel me dit : Que vois-tu, Amos ? Et je dis : Un plomb. Et le Seigneur dit : Voici, je place un plomb au milieu de mon peuple Israël ; je ne passerai plus par-dessus lui. 8 Dia hoy Jehovah tamiko: Inona no hitanao, ry Amosa? Ary hoy izaho: Pilao. Dia hoy ny Tompo: Indro, hanisy pilao eo amin'ny Isiraely oloko Aho, fa tsy handefitra aminy* intsony;[Heb. handalo azy]
9 Et les hauts lieux d’Isaac seront désolés, et les sanctuaires d’Israël seront dévastés, et je me lèverai avec l’épée contre la maison de Jéroboam. 9 Dia ho foana ny fitoerana avon'Isaka, ary ho rava ny fitoera-masin'Isiraely; Ary hitsangana Aho ka hamely sabatra ny taranak'i Jeroboama.
— v. 1 : hébreu : des gobs. — v. 4* : litt.: plaider, contester ; et comparer Ésaïe 66:16. — v. 4** : litt.: le lot, la portion.  
10 Alors Amatsia, sacrificateur de Béthel, envoya à Jéroboam, roi d’Israël, disant : Amos a conspiré contre toi au milieu de la maison d’Israël ; le pays ne peut pas supporter toutes ses paroles. 10 [Ny natao tamin'i Amosa tao Betela, sy ny teny nataony tamin'izany] Dia naniraka tany amin'i Jeroboama, mpanjakan'ny Isiraely, Amazia, ilay mpisorona tao Betela, nanao hoe: Amosa efa nanao tetika hikomy aminao teo amin'ny taranak'Isiraely, ary tsy zakan'ny tany ny teniny rehetra,
11 Car ainsi dit Amos : Jéroboam mourra par l’épée, et Israël sera certainement transporté de dessus sa terre. 11 satria hoy Amosa: Ho fatin-tsabatra Jeroboama, ary hobaboina hiala amin'ny taniny tokoa ny Isiraely.
12 Et Amatsia dit à Amos : Voyant, va-t’en ; fuis au pays de Juda, et mange là du pain, et prophétise là, 12 Ary hoy Amazia tamin'i Amosa: Ry mpahita! andeha mandositra mankany amin'ny tanin'ny Joda ianao, ka mihinàna hanina any, ary maminania any;
13 mais ne prophétise plus à Béthel, car c’est le sanctuaire du roi et la maison du royaume. 13 fa aza maminany eto Betela intsony; fa fitoera-masin'ny mpanjaka sy tranom-panjakana ity.
   
14 Et Amos répondit et dit à Amatsia : Je n’étais pas prophète, et je n’étais pas fils de prophète ; mais je gardais le bétail, et je cueillais le fruit des sycomores ; 14 Dia namaly Amosa ka nanao tamin'i Amazia hoe: Tsy mba mpaminany aho, na zanaka ny mpaminany; fa mpiandry ondry sy mpioty* aviavy** ihany aho,[*Na: mpandraotra][**sykomora]
15 et l’Éternel me prit quand je suivais le menu bétail, et l’Éternel me dit : Va, prophétise à mon peuple Israël. 15 saingy nalain'i Jehovah tany ampiandrasana ondry ka nataony hoe: Mandehana, ka maminania amin'ny Isiraely oloko.
16 Et maintenant, écoute la parole de l’Éternel : Tu me dis : Ne prophétise pas contre Israël, et ne profère pas des paroles* contre la maison d’Isaac. 16 Ka mba henoy ny tenin'i Jehovah: Hianao manao hoe: Aza maminany ny hamelezana ny Isiraely, ary aza milaza ny hamelezana ny taranak'Isaka;
17 C’est pourquoi, ainsi dit l’Éternel : Ta femme se prostituera dans la ville, et tes fils et tes filles tomberont par l’épée, et ta terre sera partagée au cordeau, et tu mourras dans une terre impure, et Israël sera certainement transporté de dessus sa terre. 17 Koa izao no lazain'i Jehovah: Ny vadinao hijangajanga ao an-tanàna, ary ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy ho lavon-tsabatra, Ary ny taninao hozaraina amin'ny famolaina; Ary ny tenanao ho faty any amin'ny tany maloto; Ary ny Isiraely hobaboina hiala amin'ny taniny tokoa.
— v. 16 : litt.: ne distille pas [tes paroles] ; comme Ézéch. 21:2, 7.  
* *
Chapitre 8 Chapitre 8
1 Ainsi m’a fait voir le Seigneur, l’Éternel, et voici, un panier de fruits d’été ! 1 [Ny fahitana nentin'Andriamanitra nilaza tamin'i Amosa ny fahantomotry ny loza hanjo ny Isiraely] Izao no nasehon'i Jehovah Tompo tamiko; Indro, nisy harona feno voankazo masaka fahavaratra.
2 Et il dit : Que vois-tu, Amos ? Et je dis : Un panier de fruits d’été. Et l’Éternel me dit : La fin est venue pour mon peuple Israël ; je ne passerai plus par-dessus lui. 2 Ary hoy Izy: Inona no hitanao, ry Amosa? Dia hoy izaho: Harona feno voankazo masaka fahavaratra. Dia hoy Jehovah tamiko: Tonga amin'ny Isiraely oloko ny farany; Tsy handefitra aminy* intsony Aho. [Heb. handalo azy]
3 Et, en ce jour-là, les cantiques du palais* seront des hurlements, dit le Seigneur, l’Éternel. Les cadavres seront en grand nombre ; en tout lieu on les jettera dehors… Silence** ! 3 Ho tonga naonaona ny hira ao an-dapa* amin'izany andro izany, hoy Jehovah Tompo; Ho be ny faty, Hatraiza hatraiza no hanariany azy. Mangina re! [Na: tempoly]
— v. 3* : selon d’autres : temple. — v. 3** : comme 6:10.  
4 Écoutez ceci, vous qui êtes acharnés* après les pauvres pour faire disparaître les débonnaires du pays, 4 Mihanoa izao, ianareo izay mihanahana te-hitelina ny malahelo sy hahafongana ny mpandefitra amin'ny tany
5 disant : Quand sera passée la nouvelle lune, pour que nous vendions du blé ? et le sabbat, pour que nous ouvrions nos greniers ? faisant l’épha petit et le sicle grand, et falsifiant la balance pour frauder ; 5 Ka manao hoe: Rahoviana no ho tapitra ny voaloham-bolana, hivarotantsika vary, sy ny Sabata, hanokafantsika ny lava-bary, ka hanakelezana ny efaha sy hanalehibiazana ny sekely, ary hanaovana mizana mandainga
6 afin d’acheter les chétifs pour de l’argent, et le pauvre pour une paire de sandales, et de vendre la criblure du grain. 6 Mba hovidintsika volafotsy ny mahantra sy kiraro iray lomisy ny malahelo, ary hivarotantsika ny loha-kororoky ny vary?
7 L’Éternel a juré par la gloire de Jacob : Si jamais j’oublie aucune de leurs œuvres ! 7 Jehovah nianiana tamin'ny Reharehan'i Jakoba ka nanao hoe: Tsy hisy hobadinoiko mandrakizay ny asany na dia iray akory aza!
8 Pour cela, le pays ne tremblera-t-il pas ? Et chacun de ses habitants ne mènera-t-il pas deuil ? Et il montera tout entier comme le Nil, et enflera ses flots, et s’abaissera comme le fleuve* d’Égypte. 8 Tsy hihorohoro noho izany va ny tany, sy hitomany ny mponina rehetra ao aminy? Eny, ny tany rehetra hihatondraka tahaka an'i Neily sy hihena indray toy ny Neilin'i Egypta.
— v. 4 : litt.: haletants. — v. 8 : ou : le Nil.  
9 Et il arrivera en ce jour-là, dit le Seigneur, l’Éternel, que je ferai coucher le soleil en plein midi, et que j’amènerai les ténèbres sur la terre en plein jour. 9 Ary amin izany andro izany, hoy Jehovah Tompo, dia halentiko mitataovovonana ny masoandro, ary hohamaiziniko antoandrobenanahary ny tany;
10 Et je changerai vos fêtes en deuil, et toutes vos chansons en lamentation ; et sur tous les reins j’amènerai le sac, et chaque tête je la rendrai chauve ; et je ferai que ce sera comme le deuil d’un [fils] unique, et la fin sera comme un jour d’amertume. 10 Hampodiko ho fitomaniana ny andro firavoravoanareo, ary ho hira fahalahelovana ny hiranareo rehetra, hofeheziko lamba fisaonana* ny valahana rehetra, sady hokakasako ny loha rehetra; Ary hataoko ho toy ny fisaonana zanakalahy tokana izany, Ka ny farany dia ho tahaka ny andro mangidy. [Heb. lamba malailay]
11 Voici, des jours viennent, dit le Seigneur, l’Éternel, où j’enverrai une famine dans le pays ; non une famine de pain, ni une soif d’eau, mais d’entendre les paroles de l’Éternel. 11 Indro, avy ny andro, hoy Jehovah Tompo, izay hanaterako mosary amin'ny tany, tsy fanirian-kanina anefa, na hetahetan-drano, fa faniriana* handre ny tenin'i Jehovah; [Heb. mosary]
12 Et ils erreront d’une mer à l’autre, et du nord au levant ; ils courront çà et là pour chercher la parole de l’Éternel, et ils ne la trouveront pas. 12 Ary hivembena hatrany amin'ny ranomasina ka hatrany amin'ny ranomasina ny olona ary hatrany amin'ny avaratra ka hatrany amin'ny atsinanana, eny, hivezivezy hitady ny tenin'i Jehovah izy, nefa tsy hahita.
13 En ce jour-là, les belles vierges et les jeunes gens défaudront de soif, — 13 Amin'izany andro izany dia ho jemby noho ny hetaheta ny virijina tsara tarehy sy ny zatovolahy,
14 ceux qui jurent par le péché de Samarie et qui disent : Dan, ton Dieu est vivant ! et : La voie de Beër-Shéba est vivante ! Et ils tomberont, et ne se relèveront jamais. 14 Dia ireo izay mianiana amin'ny fahotan'i Samaria, ka manao hoe: velona koa ny andriamanitrao, ry Dana, ary raha velona koa ny fanaon'i Beri-sheba; eny, ho lavo izy ka tsy hiarina intsony.
* *
Chapitre 9 Chapitre 9
1 Je vis le Seigneur se tenant debout sur l’autel, et il dit : Frappe le linteau, afin que les seuils soient ébranlés, et brise-leur la tête à tous ; et ce qui restera d’eux*, je le tuerai par l’épée. Celui d’entre eux qui s’enfuira, ne se sauvera pas par la fuite, et celui d’entre eux qui échappera, ne sera pas délivré. 1 [Ny fahitana ny amin'ny handravana ny fanjakana be ota, sy ny hananganana indray ny tabernakelin'i Davida] Nahita ny Tompo nitsangana teo anilan*'ny alitara aho, ka hoy Izy: Asio ny kapitaly hihetsiketsehan'ny tokonana, ary torotoroy hianjera amin'ny lohan'izy rehetra, ka izay sisa aminy dia hovonoiko amin'ny sabatra; Ary tsy hisy afa-mandositra izy, sady tsy hisy izay sisa ho afaka akory. [Na: ambonin']
2 Quand ils pénétreraient jusque dans le shéol, de là ma main les prendra ; et quand ils monteraient dans les cieux, je les en ferai descendre ; 2 Na dia mibosesika ho any amin'ny fiainan-tsi-hita* aza izy, dia any no hanalan'ny tanako azy; Ary na dia miakatra ho any an-danitra aza izy, dia avy any no hampidinako azy. [Heb. Sheola]
3 et quand ils se cacheraient au sommet du Carmel, je les y chercherai, et de là je les prendrai ; et quand ils se seraient cachés de devant mes yeux, au fond de la mer, là je commanderai au serpent, et il les mordra ; 3 Ary na dia miery any an-tampon'i Karmela aza izy, dia any no hitadiavako sy hangalako azy; Ary na dia manafin-tena any ambanin'ny ranomasina aza izy, mba tsy ho hitan'ny masoko, dia any no handidiako ny menarana, ka hanaikitra azy.
4 et quand ils iraient en captivité devant leurs ennemis, là, je commanderai à l’épée, et elle les tuera ; et je mettrai mes yeux sur eux pour le mal et non pour le bien. 4 Ary na dia lasan-ko babo eo anoloan'ny fahavalony aza izy, dia any no handidiako ny sabatra, ka hamono azy; Ary hampanandriniko azy ny masoko hahatonga ny loza aminy, fa tsy ny soa.
5 Et le Seigneur, l’Éternel des armées, c’est lui qui touche le pays, et il fond ; et tous ceux qui y habitent mèneront deuil ; et il montera tout entier comme le Nil, et il s’abaissera comme le fleuve* d’Égypte. 5 Ary Jehovah, Tompon'ny maro, no manendry ny tany, ka dia miempo izany, ka misaona ny mponina rehetra ao aminy; Ary dia hihatondraka tahaka an'i Neily avokoa Izany, ary hihena indray izy toy ny Neilin'i Egypta,
6 C’est lui qui bâtit dans les cieux ses degrés*, et qui a fondé sa voûte sur la terre ; qui appelle les eaux de la mer, et les verse sur la face de la terre ; l’Éternel est son nom. 6 Ary manao ny tranony ambony any an-danitra Izy, sady manorina ny andohalambony eny ambonin'ny tany; Ary miantso ny rano eny an-dranomasina ka mampilatsaka azy eny amin'ny tany, Jehovah no anarany.
— v. 1 : ou : leur postérité. — v. 5 : ou : le Nil. — v. 6 : ou : chambres hautes.  
7 N’êtes-vous pas pour moi comme les fils des Éthiopiens*, ô fils d’Israël ? dit l’Éternel. N’ai-je pas fait monter Israël du pays d’Égypte, et les Philistins de Caphtor, et les Syriens de Kir ? 7 Moa tsy toy ny taranaky ny Etiopiana va ianareo raha amiko, ry Zanak'Isiraely? hoy Jehovah. Tsy ny Isiraely va no nentiko nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta. Ary ny Filistina avy tany Kaftora, Ary ny Syriana avy tany Kira?
8 Voici, les yeux du Seigneur, l’Éternel, sont sur le royaume pécheur, et je le détruirai de dessus la face de la terre ; seulement je ne détruirai pas entièrement la maison de Jacob, dit l’Éternel. 8 Indro, ny mason'i Jehovah Tompo no manandrina ity fanjakana feno ota ity, ka dia hofongorako tsy ho eo ambonin'ny tany izy; Kanefa tsy dia hofongorako avokoa ny taranak'i Jakoba, hoy Jehovah.
9 Car voici, je commande, et je secouerai la maison d’Israël parmi toutes les nations, comme on secoue dans un crible, mais pas un grain ne tombera à terre. 9 Fa, indro, Izaho no handidy, ka hosivaniko any amin'ny firenena rehetra ny taranak'Isiraely, tahaka ny fanasivana vary amin'ny sivana; Nefa tsy hisy voam-bary ho latsaka amin'ny tany na dia iray akory aza.
10 C’est par l’épée que mourront tous les pécheurs de mon peuple, qui disent : Le mal ne nous atteindra pas, et ne viendra pas jusqu’à nous. 10 Sabatra no hamonoana ny mpanota rehetra amin'ny oloko, dia ireo izay manao hoe: Ny loza tsy hanakaiky na hahatratra anay.
— v. 7 : hébreu : Cushites.  
11 En ce jour-là, je relèverai le tabernacle de David, qui est tombé, et je fermerai ses brèches, et je relèverai ses ruines, et je le bâtirai comme aux jours d’autrefois, 11 Amin'izany andro izany dia hatsangako indray ny trano-bongon'i Davida izay efa nianjera, ary hotampenako ny efa banga ao; Ary hamboariko izay efa rava aminy, ka hataoko tahaka ny taloha izy,
12 afin qu’ils possèdent le reste d’Édom, et toutes les nations sur lesquelles mon nom est réclamé, dit l’Éternel qui fait cela. 12 Mba hananany izay sisa amin'i Edoma sy amin'ny jentilisa rehetra, izay hantsoina amin'ny anarako, hoy Jehovah, Izay manao izany.
   
13 Voici, les jours viennent, dit l’Éternel, où celui qui laboure atteindra celui qui moissonne, et celui qui foule les raisins, celui qui répand la semence ; et les montagnes ruisselleront de moût, et toutes les collines se fondront. 13 Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hahatraran'ny mpiasa tany ny mpijinja, ary ny mpanosihosy voaloboka hahatratra ny mpamafy; Ny tendrombohitra hipoipoitra ranom-boaloboka, ary ny havoana rehetra hiempo.
14 Et je rétablirai les captifs* de mon peuple Israël, et ils bâtiront les villes dévastées et y habiteront, et ils planteront des vignes et en boiront le vin, et ils feront des jardins et en mangeront le fruit. 14 Ary hampodiko ny Isiraely avy amin'ny fahababoana, dia hanangana ny tanàna efa rava izy ka honina ao, ary hanao tanim-boaloboka izy ka hisotro ny divay avy aminy; Hanao saha koa izy ka hihinana ny vokatra.
15 Et je les planterai sur leur terre, et ils ne seront plus arrachés de dessus leur terre que je leur ai donnée, dit l’Éternel, ton Dieu. 15 Eny, hamboleko ao amin'ny taniny izy, ka tsy hongotana amin'ny taniny izay nomeko azy intsony izy, Hoy Jehovah Andriamanitrao.
— v. 14 : litt.: je tournerai la captivité ; mettant fin à celle-ci pour amener la restauration du peuple ; et comparer la note, Ps. 14:7.