Le NOUVEAU TESTAMENT  
   
   
Épître aux ÉPHÉSIENS Efesiana
   
Accès direct aux chapitres des Éphésiens : 1, 2, 3, 4, 5, 6 Accès direct aux chapitres des Éphésiens : 1, 2, 3, 4, 5, 6
   
Chapitre 1 Chapitre 1
1 Paul, apôtre de Jésus Christ par la volonté de Dieu, aux saints et fidèles dans le christ Jésus, qui sont à Éphèse : 1 [Fiarahabana nataon'i Paoly, sy fiderany an'Andriamanitra noho ny soa avy amin'ny avotra nataon'i Kristy] Paoly, Apostolin'i Kristy Jesosy noho ny sitrapon'Andriamanitra, mamangy ny olona masina any Efesosy, izay mahatoky* ao amin'i Kristy Jesosy: [* Na: mino an']
2 Grâce et paix à vous, de la part de Dieu notre Père et du seigneur Jésus Christ ! 2 ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
   
3 Béni soit le Dieu et Père de notre seigneur Jésus Christ, qui nous a bénis de* toute bénédiction spirituelle dans les lieux célestes en Christ ; 3 Isaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay nitahy antsika tao amin'i Kristy amin'ny fitahiam-panahy rehetra any an-danitra,
4 selon qu’il nous a élus en lui avant la fondation du monde, pour que nous fussions saints et irréprochables devant lui en amour, 4 araka ny nifidianany antsika tao aminy, fony tsy mbola ary ny fanorenan'izao tontolo izao, mba ho masina sady tsy misy tsiny eo anatrehany isika,
5 nous ayant prédestinés pour nous adopter pour lui par Jésus Christ, 5 rehefa notendreny rahateo amin'ny fitiavana isika mba ho Azy* amin'ny fananganan'anaka amin'ny alalan'i Jesosy Kristy, araka izay ankasitrahan'ny fony, [* Na: amin'ny fitiavana, rehefa notendreny rahateo ho Azy isika]
6 selon le bon plaisir de sa volonté, à la louange de la gloire de sa grâce dans laquelle il nous a rendus agréables dans* le Bien-aimé ; 6 ho fiderana ny voninahitry ny fahasoavany, izay nanasoavany antsika maimaimpoana ao amin'ny Malala.
7 en qui nous avons la rédemption par son sang, la rémission des fautes selon les richesses de sa grâce : 7 Izy no ananantsika fanavotana amin'ny ràny, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny haren'ny fahasoavany,
8 laquelle il a fait abonder envers nous en toute sagesse et intelligence, 8 izay nataony be ho antsika tamin'ny fahendrena sy ny fisainana rehetra,
9 nous ayant fait connaître le mystère de sa volonté selon son bon plaisir, 9 rehefa nampahafantariny ny zava-miafina ny amin'ny sitrapony isika, araka ny safidiny izay nokasain'ny tenany,
10 qu’il s’est proposé en lui-même pour l’administration de la plénitude des temps, [savoir] de réunir en un toutes choses dans le Christ*, les choses qui sont dans les cieux et les choses qui sont sur la terre, 10 hahatanterahany ny fitondrana hatao mandra-pahatapitry ny andro voatendry, hanangonany* ny zavatra rehetra ho iray ao amin'i Kristy, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany, dia ho ao aminy; [* Na: hanangonany indray]
11 en lui, en qui nous avons aussi été faits héritiers, ayant été prédestinés selon le propos de celui qui opère toutes choses selon le conseil de sa volonté, 11 ao aminy koa no nanaovana antsika ho lovany*, rehefa notendrena rahateo isika araka ny fikasan'izay mahefa ny zavatra rehetra araka ny ankasitrahan'ny fony, [* Na: no nandraisantsika ny lova]
12 afin que nous soyons à la louange de sa gloire, nous qui avons espéré à l’avance dans le Christ : 12 mba ho fiderana ny voninahiny izahay, izay nanantena an'i Kristy rahateo.
13 en qui vous aussi [vous avez espéré] *, ayant entendu la parole de la vérité, l’évangile de votre salut ; auquel aussi ayant cru, vous avez été scellés du Saint Esprit de la promesse, 13 Ao aminy koa ianareo, rehefa renareo ny tenin'ny fahamarinana, dia ny filazantsara famonjena anareo,- eny, ao aminy koa ianareo, rehefa nino, no nasiana tombo-kase tamin'ny Fanahy Masina araka ny teny fikasana.
14 qui est les arrhes de notre héritage, pour* la rédemption de la possession acquise, à la louange de sa gloire. 14 Izany Fanahy izany no santatry ny lovantsika ho amin'ny fanavotana ny olona izay nahiny ho an'ny tenany, ho fiderana ny voninahiny.
— v. 3 : litt.: en. — v. 6 : ou, selon d’autres : grâce dont il nous a gratifiés dans (nous plaçant en lui dans une position de faveur). — v. 10 : c. à d. sous l’autorité de Christ. — v. 13 : ou : [vous êtes] ; ou bien : [vous avez été faits héritiers]. — v. 14 : ou : jusqu’à ; — on peut lier pour la rédemption aussi bien à arrhes qu’à scellés.  
15 C’est pourquoi moi aussi, ayant ouï parler de la foi au seigneur Jésus qui est en* vous, et de l’amour que [vous avez] pour tous les saints, 15 [Fivavahana ho an'ny Kristiana tao Efesosy mba handrosoany hahalala ny hatsaran'ny famonjena, sy fampahatsiarovana azy ny halehiben'ny fitiavan'Andriamanitra] Ary noho izany izaho koa, rehefa nandre ny finoanareo an'i Jesosy Tompo izay hitan*'ny olona masina rehetra, [* Na: (ny finoanareo an'i Jesosy Tompo sy ny fitiavanareo)]
16 je ne cesse de rendre grâces pour vous, faisant mention [de vous] dans mes prières, 16 dia tsy mitsahatra misaotra noho ny aminareo ka mahatsiaro anareo amin'ny fivavahako,
17 afin que le Dieu de notre seigneur Jésus Christ, le Père de gloire, vous donne [l’]esprit de sagesse et de révélation dans sa connaissance, 17 mba homen'Andriamanitr'i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain'ny voninahitra, ho anareo ny fanahin'ny fahendrena sy ny fanambarana amin'ny fahalalana Azy tsara,
18 les yeux de votre cœur étant éclairés, pour que vous sachiez quelle est l’espérance de son appel, et quelles sont les richesses de la gloire de son héritage dans les saints, 18 ary mba hampahiratina ny mason'ny sainareo, mba ho fantatrareo izay fanantenana avy amin'ny fiantsoany sy izay haren'ny voninahitry ny lovany eo amin'ny olona masina,
19 et quelle est l’excellente grandeur de sa puissance envers nous qui croyons, selon l’opération* de la puissance de sa force, 19 ary ny fihoaran'ny halehiben'ny heriny ho antsika izay mino, araka ny fiàsan'ny herin'ny faherezany,
20 qu’il a opérée dans le Christ, en le ressuscitant d’entre les morts ; — (et il l’a fait asseoir à sa droite dans les lieux célestes, 20 izay nataony tao amin'i Kristy tamin'ny nananganany Azy tamin'ny maty sy ny nampitoerany Azy eo amin'ny tànany ankavanana any an-danitra,
21 au-dessus de toute principauté, et autorité, et puissance, et domination, et de tout nom qui se nomme, non seulement dans ce siècle, mais aussi dans celui qui est à venir ; 21 ambony lavitra noho ny fanapahana rehetra sy ny fahefana sy ny hery sy ny fanjakana ary ny anarana rehetra izay tononina, tsy amin'izao fiainana izao ihany, fa amin'ny ho avy koa,
22 et il a assujetti toutes choses sous ses pieds, et l’a donné [pour être] chef* sur toutes choses à l’assemblée, 22 dia nampanaiky ny zavatra rehetra ho eo ambanin'ny tongony Izy ka nanao Azy ho Lohany manapaka ny zavatra rehetra ho an'ny fiangonana*, [* Gr. eklesia]
23 qui est son corps, la plénitude de celui qui remplit tout en tous ;) 23 izay tenany, dia ny fahafenoan'izay mameno izao zavatra rehetra izao amin'ny rehetra.
Chapitre 2. 1 — et vous, lorsque vous étiez morts dans vos fautes et dans vos péchés, Chapitre 2. 1 Ary ianareo dia efa novelominy, fony mbola matin'ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo,
2 (dans lesquels vous avez marché autrefois, selon le train de ce monde, selon le chef de l’autorité de l’air, de l’esprit qui opère maintenant dans les fils de la désobéissance ; 2 izay nalehanareo fahiny, araka ny fomban'izao tontolo izao, araka ny mpanapaka ny fanjakana eny amin'ny rivotra, dia ny fanahy izay miasa ankehitriny ao anatin'ny zanaky ny tsi-fanarahana;
3 parmi lesquels, nous aussi, nous avons tous conversé autrefois dans les convoitises de notre chair, accomplissant les volontés* de la chair et des pensées ; et nous étions par nature des enfants de colère, comme aussi les autres. 3 teo amin'ireo no nitondrantsika rehetra tena koa fahiny tamin'ny filan'ny nofontsika, ka nanaovantsika ny danin'ny nofo sy ny saina; ary araka ny toetsika dia zanaky ny fahatezerana toy ny sasany koa isika.
4 Mais Dieu, qui est riche en miséricorde, à cause de son grand amour dont il nous a aimés,) 4 Fa Andriamanitra, Izay manan-karena amin'ny famindram-po, noho ny halehiben'ny fitiavany izay nitiavany antsika,
5 alors même que nous étions morts dans nos fautes, nous a vivifiés ensemble avec le Christ (vous êtes sauvés par [la] grâce), 5 na dia fony mbola matin'ny fahadisoana aza isika, dia nahavelona antsika niaraka tamin'i Kristy (fahasoavana no namonjena anareo);
6 et nous a ressuscités ensemble, et nous a fait asseoir ensemble dans les lieux célestes dans le christ Jésus, 6 ary niara-natsangany isika ka niara-napetrany any an-danitra ao amin'i Kristy Jesosy,
7 afin qu’il montrât dans les siècles à venir les immenses richesses de sa grâce, dans sa bonté envers nous dans le christ Jésus. 7 mba hasehony amin'ny andro ho avy ny haben'ny haren'ny fahasoavany amin'ny fahamoram-panahiny amintsika ao amin'i Kristy Jesosy.
8 Car vous êtes sauvés par la grâce, par la foi*, et cela ne vient pas de vous, 8 Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin'Andriamanitra;
9 c’est le don de Dieu ; non pas sur le principe des œuvres, afin que personne ne se glorifie ; 9 tsy avy amin'ny asa, fandrao hisy hirehareha.
10 car nous sommes son ouvrage, ayant été créés dans le christ Jésus pour les bonnes œuvres que Dieu a préparées à l’avance, afin que nous marchions en elles. 10 Fa asany isika, voaforona tao amin'i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara, izay namboarin'Andriamanitra rahateo mba handehanantsika eo aminy.
— v. 15 : litt.: chez. — v. 19 : non la chose faite, mais la force opérante ; voir 3:7. — v. 22 : tête. — v. 3 (ch. 2) : les choses voulues. — v. 8 (ch. 2) : litt.: car par la grâce vous êtes sauvés par le moyen de la foi ; voir Romains 3:24.  
11 C’est pourquoi souvenez-vous que vous, autrefois les nations dans la chair, qui étiez appelés incirconcision par ce qui est appelé la circoncision, faite de main dans la chair, 11 [Ny famindram-pon'Andriamanitra amin'ny jentilisa amin'ny andraisany azy ho ao amin'ny fiangonana] Koa tsarovy fa fahiny ianareo izay jentilisa araka ny nofo, ka nolazain'ny voaforan-tanana teo amin'ny nofo hoe tsy voafora -
12 vous étiez en ce temps-là sans Christ, sans droit de cité en Israël et étrangers aux alliances de la promesse, n’ayant pas d’espérance, et étant sans Dieu* dans le monde. 12 eny, tsarovy fa tamin'izany andro izany dia tsy nanana an'i Kristy ianareo, fa olon-ko azy tamin'ny fanjakan'ny Isiraely ary vahiny tamin'ireo faneken'ny teny fikasana, dia tsy nanana fanantenana sady tsy nanana an'Andriamanitra teo amin'izao tontolo izao;
13 Mais maintenant, dans le christ Jésus, vous qui étiez autrefois loin, vous avez été approchés par le sang du Christ. 13 fa ankehitriny kosa, ao amin'i Kristy Jesosy, ianareo izay lavitra fahiny dia efa nampanakeken'ny ran'i Kristy.
14 Car c’est lui qui est notre paix, qui des deux en a fait un et a détruit le mur mitoyen de clôture, 14 Fa Izy no fihavanantsika, Izay nahiray antsika roa tonta ka nandrava ny efitry ny fisarahana,
15 ayant aboli dans sa chair l’inimitié, la loi des commandements [qui consiste] en ordonnances, afin qu’il créât les deux en lui-même pour être un seul homme nouveau, en faisant la paix ; 15 fa tao amin'ny nofony no nandravany ny fandrafiana, dia ny lalàna nisy didy natao hotandremana, mba hanakambanany antsika roa tonta ao amin'ny tenany ho olom-baovao iray, ka hanaovany fihavanana,
16 et qu’il les réconciliât tous les deux en un seul corps à Dieu par la croix, ayant tué par elle l’inimitié. 16 ary hampihavana antsika roa tonta ho tena iray amin'Andriamanitra noho ny hazo fijaliana, izay namonoany ny fandrafiana.
17 Et il est venu, et a annoncé la bonne nouvelle de la paix à vous qui étiez loin, et la [bonne nouvelle de la] paix* à ceux qui étaient près ; 17 Ary tonga Izy ka nitory teny soa mahafaly milaza fihavanana* taminareo izay lavitra ary fihavanana* tamin'izay akaiky koa. *[ Na: fiadanana; izahao Isa. 57.19]
18 car par lui nous avons, les uns et les autres*, accès auprès du Père par un seul Esprit. 18 Fa Izy no ananantsika roa tonta fanatonana amin'ny Fanahy iray ho any amin'ny Ray.
19 Ainsi donc vous n’êtes plus étrangers ni forains, mais vous êtes concitoyens des saints et gens de la maison de Dieu, 19 Koa dia tsy mba vahiny sy mpivahiny intsony ianareo, fa tompon-tany, mpiray fanjakana amin'ny olona masina sady ankohonan'Andriamanitra,
20 ayant été édifiés sur le fondement des apôtres et prophètes, Jésus Christ lui-même étant la maîtresse pierre du coin*, 20 natsangana teo ambonin'ny fanorenan'ny Apostoly sy ny mpaminany, ary Kristy Jesosy no fehizoro indrindra;
21 en qui tout l’édifice, bien ajusté ensemble, croît pour être un temple* saint dans le Seigneur ; 21 ao aminy no irafetan'ny rafitra rehetra, mitombo tsara ho tempoly masina ao amin'ny Tompo.
22 en qui, vous aussi, vous êtes édifiés ensemble, pour être une habitation de Dieu par* l’Esprit. 22 Ary ao aminy no miaraka aorina koa ianareo ho fonenan'Andriamanitra amin'ny Fanahy.
— v. 12 : ou : athées. — v. 17 : litt.: a évangélisé la paix …, et la paix. — v. 18 : litt.: tous les deux. — v. 20 : ici, comme 1 Pierre 2:6. — v. 21 : la maison même. — v. 22 : ou : en.  
Chapitre 3 Chapitre 3
1 C’est pour cela que moi, Paul, le prisonnier du christ Jésus pour vous, les nations 1 [Ny nanendrena an'i Paoly ho Apostolin'ny jentilisa, sy ny vavaka aman-tsaotra nataony ho an'ny fiangonana tao Efesosy] Ary noho izany, izaho Paoly, mpifatotra an'i Kristy Jesosy, noho ny aminareo jentilisa, -
2 — (si du moins vous avez entendu parler de l’administration de la grâce de Dieu qui m’a été donnée envers vous : 2 raha mba renareo ny fitondrana ny fahasoavan'Andriamanitra izay nomena ahy ho anareo,
3 comment, par révélation, le mystère m’a été donné à connaître (ainsi que je l’ai déjà écrit en peu de mots ; 3 fa fanambarana no nampahafantarana ahy ny zava-niafina, araka ny voasoratro tamin'ny teny fohifohy teo.
4 d’après quoi, en le lisant, vous pouvez comprendre quelle est mon intelligence dans le mystère du Christ), 4 Ary araka izany, raha mamaky ianareo, dia ho hainareo fantarina ny fahafantarako ny zava-niafina ny amin'i Kristy,
5 lequel, en d’autres générations, n’a pas été donné à connaître aux fils des hommes, comme il a été maintenant révélé à ses saints apôtres et prophètes par* l’Esprit : 5 izay tsy mbola nampahafantarina ny zanak'olombelona tamin'ny taranaka lasa tahaka ny fanambaran'ny Fanahy ankehitriny amin'ny Apostoly masina sy ny mpaminany,
6 [savoir] que les nations seraient cohéritières et d’un même corps et coparticipantes de sa* promesse dans le christ Jésus, par l’évangile ; 6 dia ny ahatongavan'ny jentilisa ho mpiray lova sy ho tena iray ary ho mpiombona ny teny fikasana ao amin'i Kristy Jesosy noho ny filazantsara,
7 duquel je suis devenu serviteur, selon le don de la grâce de Dieu qui m’a été donné* selon l’opération de sa puissance. 7 izay nanaovana ahy ho mpanompo araka ny fanomezan'ny fahasoavan'Andriamanitra, izay nomena ahy araka ny fiàsan'ny heriny.
8 À moi, qui suis moins que le moindre de tous les saints, cette grâce a été donnée d’annoncer* parmi les nations les richesses insondables du Christ, 8 Eny, izaho, izay kely noho ny kely indrindra amin'ny olona masina rehetra, no nomena izao fahasoavana izao, dia ny hitory amin'ny jentilisa ny haren'i Kristy tsy hita lany,
9 et de mettre en lumière devant tous quelle est l’administration du mystère caché* dès les siècles en Dieu qui a créé toutes choses ; 9 ary ny hampahazava ny olona rehetra mba hahalalany izay fitondrana ny zava-miafina, dia Ilay voafina hatramin'ny nanaovana izao tontolo izao tao amin'Andriamanitra, Izay nanao ny zavatra rehetra;
10 afin que la sagesse si diverse de Dieu soit maintenant donnée à connaître aux principautés et aux autorités dans les lieux célestes, par l’assemblée, 10 mba hampahafantarina ireo fanapahana sy fahefana any an-danitra amin'izao ankehitriny izao ny mahamaro samy hafa ny fahendren'Andriamanitra amin'ny fitondrany ny fiangonana*, [* Gr. eklesia]
11 selon le propos des siècles*, lequel il a établi dans le christ Jésus notre Seigneur, 11 araka ny fikasana hatrizay hatrizay izay nataony tao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika,
12 en qui nous avons hardiesse et accès en confiance, par la foi en lui. 12 Izay ananantsika fahasahiana sy fanatonana amin'ny fahatokiana noho ny finoana Azy.
13 C’est pourquoi je [vous] prie de ne pas perdre courage à cause de mes afflictions pour vous, ce qui est votre gloire. 13 Koa izany no angatahako aminareo mba tsy ho ketraka amin'ny fahoriako ho anareo, fa voninahitrareo izany.
14 — C’est pour cela que je fléchis mes genoux devant le Père [de notre seigneur Jésus Christ], 14 Ary noho izany no andohalehako amin'ny Ray
15 duquel est nommée toute famille* dans les cieux et sur la terre ; 15 Izay ahazoan'ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany anarana,
16 afin que, selon les richesses de sa gloire, il vous donne d’être fortifiés en* puissance par son Esprit, quant à l’homme intérieur ; 16 mba homeny anareo, araka ny haren'ny voninahiny, ny mba hohatanjahina fatratra amin'ny Fanahiny ny toe-panahinareo;
17 de sorte que le Christ habite, par la foi, dans vos cœurs, 17 mba hitoeran'i Kristy ao am-ponareo amin'ny finoana, ka hamaka sy hiorina mafy amin'ny fitiavana ianareo,
18 [et que vous soyez] enracinés et fondés dans l’amour ; afin que vous soyez capables de comprendre avec tous les saints quelle est la largeur et la longueur, et la profondeur et la hauteur, 18 mba hahaizanareo mbamin'ny olona masina rehetra ny hahafantatra tsara izay sakany sy lavany ary hahavony sy halavany.
19 — et de connaître l’amour du Christ qui surpasse toute connaissance ; afin que vous soyez remplis jusqu’à toute la plénitude de Dieu. 19 ary hahalala ny fitiavan'i Kristy, izay mihoatra noho ny fahalalana, mba hamenoana anareo ho amin'ny fahafenoan'Andriamanitra rehetra.
20 Or, à celui qui peut faire infiniment plus que tout ce que nous demandons ou pensons, selon la puissance qui opère en nous, 20 Ary ho an'izay mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza, araka ny hery izay miasa ato amintsika,
21 à lui gloire dans l’assemblée dans le christ Jésus, pour toutes les générations du siècle des siècles ! Amen).* 21 ho Azy anie ny voninahitra ao amin'ny fiangonana* sy ao amin'i Kristy Jesosy hatramin'ny taranaka farany indrindra mandrakizay mandrakizay. Amena. [ Gr. eklesia]
— v. 5 : ou : en. — v. 6 : plusieurs lisent : la. — v. 7 : quelques-uns lisent : grâce … qui m’a été donnée. — v. 8 : évangéliser (annoncer la bonne nouvelle). — v. 9 : non pas caché maintenant, mais caché dans les âges passés. — v. 11 : ou : propos éternel. — v. 15 : famille, dans le grec, se rattache par dérivation à Père. — v. 16 : en, et par. — v. 21 : tout le chapitre 3 est une parenthèse, depuis le verset 2.  
Chapitre 4 Chapitre 4
1 Je vous exhorte donc, moi, le prisonnier dans le Seigneur, à marcher d’une manière digne de l’appel dont* vous avez été appelés, 1 [Fananarana azy mba hifanara-tsaina sy haharitra ary handroso tsara] Ary noho izany izaho, mpifatotra noho ny amin*'ny Tompo, dia mangataka aminareo mba handeha miendrika ny fiantsoana izay niantsoana anareo, [* Gr. ao amin']
2 avec toute humilité et douceur, avec longanimité, vous supportant l’un l’autre dans l’amour ; 2 amin'ny fanetren-tena rehetra sy ny fahalemem-panahy, amin'ny fahari-po mifandefitra amin'ny fitiavana,
3 vous appliquant à garder l’unité de l’Esprit par* le lien de la paix. 3 mazoto mitana ny firaisana avy amin'ny Fanahy amin'ny fehim-pihavanana.
4 [Il y a] un seul corps et un seul Esprit*, comme aussi vous avez été appelés pour une seule espérance de votre appel. 4 Iray ny tena, ary iray ny Fanahy, dia toy ny niantsoana anareo ho amin'ny fanantenana iray momba ny fiantsoana anareo;
5 [Il y a] un seul Seigneur, une seule foi, un seul baptême. 5 iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa,
6 [Il y a] un seul Dieu et Père de tous, qui est au-dessus de tout*, et partout**, et en nous tous. 6 iray Andriamanitra sady Rain'izy rehetra, Izay ambonin'izy rehetra sy manerana azy rehetra ary ao amin'izy rehetra.
7 Mais à chacun de nous la grâce a été donnée selon la mesure du don de Christ. 7 Fa samy nomena ny fahasoavana araka ny ohatry ny fanomezan'i Kristy avy isika rehetra.
8 C’est pourquoi il dit : «Étant monté en haut, il a emmené captive la captivité, et a donné des dons aux hommes» [Psaume 68:18]. 8 Koa izany no ilazany hoe: Raha niakatra ho any amin'ny avo Izy, dia nitondra olona maro ho babo Ka nanome fanomezana ho an'ny olona (Sal. 68. 18).
9 Or, qu’il soit monté, qu’est-ce, sinon qu’il est aussi descendu dans les parties inférieures de la terre ? 9 (Ary ny amin'ny hoe niakatra, inona moa izany, afa-tsy ny efa nidina* ho any ambanin'ny tany koa? [* Na: (nidina aloha)]
10 Celui qui est descendu est le même que celui qui est aussi monté au-dessus de tous les cieux, afin qu’il remplît toutes choses ; 10 Izay nidina, dia Izy koa no Ilay niakatra any ambonin'ny lanitra rehetra, hamenoany ny zavatra rehetra.)
11 et lui, a donné les uns [comme] apôtres, les autres [comme] prophètes, les autres [comme] évangélistes, les autres [comme] pasteurs et docteurs* ; 11 Ary Izy no nanome ny sasany ho Apostoly, ary ny sasany ho mpaminany, ary ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra,
12 en vue du perfectionnement des saints, pour l’œuvre du service, pour l’édification du corps de Christ ; 12 ho fanatanterahana ny olona masina, ho amin'ny asan'ny fanompoana amin'ny fiangonana*, ho amin'ny fampandrosoana ny tenan'i Kristy, [* Gr. eklesia]
13 jusqu’à ce que nous parvenions tous à l’unité de la foi et de la connaissance du Fils de Dieu, à l’état d’homme fait*, à la mesure de la stature de la plénitude du Christ : 13 mandra-pahatongantsika rehetra ho amin'ny firaisan'ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak'Andriamanitra, ka ho lehilahy lehibe, mahatratra ny ohatry ny halehiben'ny fahafenoan'i Kristy;
14 afin que nous ne soyons plus de petits enfants, ballottés et emportés çà et là par tout vent de doctrine dans la tromperie des hommes, dans leur habileté à user de voies détournées pour égarer ; 14 mba tsy ho zaza intsony isika, ka ahilangilana sy ampitambolimbolenin'ny rivotry ny fampianarana samy hafa rehetra amin'ny saim-petsy ataon'ny olona sy ny fihendreny hahatanteraka ny hevitry ny famitahana;
15 mais que, étant vrais dans l’amour, nous croissions en toutes choses jusqu’à lui qui est le chef*, le Christ ; 15 fa mba hanaraka ny marina amin'ny fitiavana ka hitombo amin'ny ny zavatra rehetra ho amin'izay Loha, dia Kristy;
16 duquel* tout le corps, bien ajusté et lié ensemble par chaque jointure du fournissement, produit, selon l’opération de chaque partie dans sa mesure, l’accroissement du corps pour l’édification de lui-même en amour. 16 Izy no itomboan'ny tena rehetra (izay akambana sy ampiarahina tsara) noho ny fifanompoan'ny isan-tonony, araka ny fiàsan'izay rehetra momba azy amin'izay mety ho anjara-asany avy ka hampandrosoany ny tenany amin'ny fitiavana.
— v. 1 : ou : selon lequel. — v. 3 : ou : dans. — v. 4 : ou aussi : Le corps est un, et l’Esprit un, et ainsi de suite. — v. 6* : ou : sur tous. — v. 6** : le «tout» peut s’appliquer à des personnes : parmi tous. — v. 11 : docteur, celui qui enseigne. — v. 13 : litt.: à l’homme fait. — v. 15 : tête. — v. 16 : = à partir duquel.  
17 Voici donc ce que je dis et témoigne dans le Seigneur, c’est que vous ne marchiez plus comme le reste des nations marche, dans la vanité de leurs pensées, 17 [Fananarana enti-mamporisika azy mba hadio fitondran-tena, ary tsy hanan-tsiny amin'ny toetry ny tokan-tranony] Koa izao no lazaiko sady ambarako ao amin'ny Tompo: ny tsy mba handehananareo intsony tahaka ny fandehan'ny jentilisa amin'ny fahafoanan'ny sainy;
18 ayant leur entendement obscurci, étant étrangers à la vie de Dieu à cause de l’ignorance qui est en eux, à cause de l’endurcissement* de leur cœur ; 18 fa efa tonga maizin-tsaina sy olon-ko azy amin'ny fiainan'Andriamanitra ireny noho ny tsi-fahalalana ny anatiny, noho ny hamafin'ny fony,
19 et qui, ayant perdu tout sentiment moral, se sont livrés à la débauche, pour pratiquer avidement* toute impureté. 19 dia olona tsy mahalala henatra intsony ka nanolo-tena ho amin'ny fijejojejoana hanao izay fahalotoana rehetra amin'ny fieremana.
— v. 18 : ou : aveuglement. — v. 19 : litt.: avec cupidité.  
20 Mais vous n’avez pas ainsi appris le Christ, 20 Fa ianareo kosa, dia tsy mba toy izany no nianaranareo an'i Kristy,
21 si du moins vous l’avez entendu et avez été instruits en lui selon que la vérité est en Jésus : 21 raha Izy tokoa no renareo ka tao aminy no nampianarana anareo, araka ny fahamarinana izay ao amin'i Jesosy,
22 [c’est-à-dire], en ce qui concerne votre première manière de vivre*, d’avoir dépouillé le vieil homme qui se corrompt selon les convoitises trompeuses**, 22 mba hialanareo ny toetrareo* taloha araka ny fitondran-tenanareo fahiny, izay mihasimba araka ny filan'ny fitaka; [* Gr. olonareo]
23 et d’être renouvelés dans l’esprit de votre entendement, 23 fa mba hohavaozina kosa ianareo amin'ny fanahin'ny sainareo,
24 et d’avoir revêtu le nouvel homme, créé selon Dieu, en justice et sainteté de la vérité. 24 ary mba hotafinareo ny toetra* vaovao, izay noforonina araka an'Andriamanitra amin'ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana. [* Gr. olona]
— v. 22* : = votre conduite précédente. — v. 22** : litt.: de déception.  
25 C’est pourquoi, ayant dépouillé le mensonge, parlez la vérité chacun à son prochain ; car nous sommes membres les uns des autres. 25 Koa esory ny lainga, ka samia milaza ny marina amin'ny namany avy ianareo rehetra; fa samy isan'ny momba ny tenan'ny namantsika avokoa isika.
26 Mettez-vous en colère et ne péchez pas : que le soleil ne se couche pas sur votre irritation ; 26 Tezera, fa aza manota; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo.
27 et ne donnez pas occasion au diable. 27 Aza manome fitoerana ho an'ny devoly.
28 Que celui qui dérobait ne dérobe plus, mais plutôt qu’il travaille en faisant de ses propres mains ce qui est bon, afin qu’il ait de quoi donner à celui qui est dans le besoin. 28 Aoka izay nangalatra tsy hangalatra intsony; fa aleo hikely aina ka hiasa izay tsara amin'ny tànany, mba hisy homeny izay tsy manana.
29 Qu’aucune parole déshonnête ne sorte de votre bouche, mais celle-là qui est bonne, [propre] à l’édification selon le besoin, afin qu’elle communique la grâce à ceux qui l’entendent. 29 Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto, fa izay tsara ho fampandrosoana, araka izay tokony hanaovana, mba hahazoan'ny mihaino fahasoavana.
30 Et n’attristez pas le Saint Esprit de Dieu, par lequel vous avez été scellés pour le jour de la rédemption. 30 Ary aza mampalahelo ny Fanahy Masin'Andriamanitra, Izay nanisiana tombo-kase anareo ho amin'ny andro fanavotana.
31 Que toute amertume, et tout courroux, et toute colère, et toute crierie, et toute injure, soient ôtés du milieu de vous, de même que toute malice ; 31 Esory aminareo ny fo-lentika* rehetra sy ny fahavinirana sy ny fahatezerana sy ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy ary ny lolompo rehetra; [* Gr. fangidiana]
32 mais soyez bons les uns envers les autres, compatissants, vous pardonnant les uns aux autres comme Dieu aussi, en Christ, vous a pardonné*. 32 ary aoka samy halemy fanahy amin'ny namany avy ianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan'Andriamanitra ny helokareo ao amin'i Kristy.
Chapitre 5. 1 — Soyez donc imitateurs de Dieu comme de bien-aimés enfants, Chapitre 5. 1 Koa amin'izany dia aoka hanahaka an'Andriamanitra ianareo tahaka ny zanaka malala;
2 et marchez dans l’amour, comme aussi le Christ nous a aimés et s’est livré lui-même pour nous, comme offrande et sacrifice à Dieu, en parfum de bonne odeur. 2 ary mandehana amin'ny fitiavana, toy ny nitiavan'i Kristy anareo, dia ny nanolorany ny tenany ho fanatitra sy ho fanavotana* amin'Andriamanitra, ho hanitra ankasitrahana, hamonjy antsika. [* Gr. fanatitra alatsa-drà]
— v. 32 : ou : usant de grâce les uns envers les autres comme Dieu aussi, en Christ, a usé de grâce envers vous.  
3 Mais que ni la fornication, ni aucune impureté ou cupidité*, ne soient même nommées parmi vous, comme il convient à des saints ; 3 Fa ny fijangajangana sy ny fahalotoana rehetra, na ny fieremana, dia aza avela hotononina eo aminareo akory aza, fa tsy mahamendrika ny olona masina izany,
4 ni aucune chose honteuse, ni parole folle ou plaisanterie, lesquelles ne sont pas bienséantes, mais plutôt des actions de grâces. 4 na fahavetavetana, na resaka fahadalana, na voso-dratsy, izay tsy tokony hatao, fa aleo misaotra.
5 Cela en effet vous le savez, connaissant qu’aucun fornicateur, ou impur, ou cupide (qui est un idolâtre), n’a d’héritage dans le royaume du Christ et de Dieu*. 5 Fa fantatrareo marimarina fa samy tsy manana lova eo amin'ny fanjakan'i Kristy sy Andriamanitra na ny mpijangajanga rehetra, na ny olom-betaveta, na ny olona mierina (mpanompo sampy izany).
6 Que personne ne vous séduise par de vaines paroles ; car, à cause de ces choses, la colère de Dieu vient sur les fils de la désobéissance. 6 Aza mety hofitahin'olona amin'ny teny foana ianareo; fa izany zavatra izany no mahatonga ny fahatezeran'Andriamanitra amin'ny zanaky ny tsi-fanarahana.
7 N’ayez donc pas de participation avec eux ; 7 Koa aza mety ho mpiombona aminy ianareo.
8 car vous étiez autrefois ténèbres, mais maintenant vous êtes lumière dans le Seigneur ; marchez comme des enfants de lumière 8 Fa maizina ianareo fahiny, fa efa mazava ao amin'ny Tompo kosa ankehitriny; mandehana tahaka ny zanaky ny mazava
9 (car le fruit de la lumière [consiste] en toute bonté, et justice, et vérité), 9 (fa ny vokatry ny mazava dia ao amin'ny fahatsarana rehetra sy ny fahamarinana ary ny fahitsiana),
10 éprouvant ce qui est agréable au Seigneur. 10 mamantatra izay ankasitrahan'ny Tompo.
11 Et n’ayez rien de commun avec les œuvres infructueuses des ténèbres, mais plutôt reprenez-les aussi ; 11 Ary aza miray amin'ny asan'ny maizina tsy mahavoka-tsoa, fa aleo mananatra izany.
12 car les choses qu’ils font en secret, il est honteux même de les dire. 12 Fa izay ataony ao amin'ny miafina, dia mahamenatra na dia ny milaza izany aza.
13 Mais toutes choses, étant reprises par la lumière, sont manifestées ; car ce qui manifeste tout, c’est la lumière ; 13 Fa ny zavatra rehetra, raha anarina, dia asehon'ny mazava; fa na inona na inona aseho dia mazava.
14 c’est pourquoi il dit : «Réveille-toi, toi qui dors, et relève-toi d’entre les morts, et le Christ luira sur toi» [Ésaïe 60:1]. 14 Koa izany no ilazany hoe: Mifohaza ianao izay matory, Ary mitsangàna amin'ny maty, Dia hampahazava anao Kristy.
15 Prenez donc garde à marcher* soigneusement, non pas comme étant dépourvus de sagesse, 15 Koa tandremo tsara izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry,
16 mais comme étant sages ; saisissant* l’occasion, parce que les jours sont mauvais. 16 ka hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao.
17 C’est pourquoi ne soyez pas sans intelligence, mais comprenez quelle est la volonté du Seigneur. 17 Ary noho izany dia aza manao adaladala, fa aoka ho fantatrareo izay sitrapon'ny Tompo.
18 Et ne vous enivrez pas de vin, en quoi il y a de la dissolution* ; mais soyez remplis de l’Esprit**, 18 Ary aza ho mamon-divay ianareo, fa amin'izany dia misy fanaranam-po amin'ny ratsy, fa aoka hofenoina ny Fanahy,
19 vous entretenant par des psaumes et des hymnes et des cantiques spirituels, chantant et psalmodiant de votre cœur* au Seigneur ; 19 ka mifampilazà amin'ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, dia mihira sy mikalo ao am-ponareo ho an'ny Tompo,
20 rendant toujours grâces pour toutes choses, au nom de notre seigneur Jésus Christ, à Dieu le Père* ; 20 misaotra an'Andriamanitra Ray mandrakariva noho ny zavatra rehetra, amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika,
21 étant soumis les uns aux autres dans la crainte de Christ. 21 sady mifanaiky amin'ny fahatahorana an'i Kristy,
— v. 3 : avidité de posséder quoi que ce soit. — v. 5 : ou : de celui qui est Christ et Dieu. — v. 15 : litt.: comment vous marchez. — v. 16 : litt.: achetant. — v. 18* : débauche, dérèglement moral. — v. 18** : litt.: remplis en Esprit. — v. 19 : litt.: dans votre cœur. — v. 20 : ou : à celui qui est Dieu et Père.  
22 Femmes, soyez soumises à vos propres maris comme au Seigneur ; 22 Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo tahaka ny anekena ny Tompo.
23 parce que le mari* est le chef** de la femme, comme aussi le Christ est le chef** de l’assemblée, lui, le sauveur du corps. 23 Fa ny lahy no lohan'ny vavy, dia tahaka an'i Kristy koa no Lohan'ny fiangonana*; ary Izy no mpamonjy ny tena. [* Gr. eklesia]
24 Mais comme l’assemblée est soumise au Christ, ainsi que les femmes le soient aussi à leurs maris en toutes choses. 24 Fa tahaka ny aneken'ny fiangonana* an'i Kristy no haneken'ny vavy ny lahy koa amin'ny zavatra rehetra. [* Gr. eklesia]
25 Maris, aimez vos propres femmes, comme aussi le Christ a aimé l’assemblée et s’est livré lui-même pour elle, 25 Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, dia tahaka ny nitiavan'i Kristy ny fiangonana* ka nanolorany ny tenany hamonjy azy, [* Gr. eklesia]
26 afin qu’il la sanctifiât, en la purifiant par le lavage d’eau par [la] parole ; 26 mba hahamasina azy amin'ny anadiovany azy amin'ny rano fanasana amin'ny teny;
27 afin que lui se présentât l’assemblée à lui-même, glorieuse, n’ayant ni tache, ni ride, ni rien de semblable, mais afin qu’elle fût sainte et irréprochable. 27 mba horaisiny* ho an'ny tenany izany ho fiangonana** malaza tsy misy pentimpentina, na fiketronana, na izay toy izany, fa mba ho masina sady tsy misy tsiny izy. [* Gr. hatolony] [** Gr. eklesia]
28 De même aussi, les maris doivent aimer leurs propres femmes comme leurs propres corps ; celui qui aime sa propre femme s’aime lui-même. 28 Dia tahaka izany koa, ny lehilahy tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany. Izay tia ny vadiny dia tia ny tenany.
29 Car personne n’a jamais haï sa propre chair, mais il la nourrit et la chérit, comme aussi le Christ l’assemblée : 29 Fa tsy mba nisy olona tsy tia ny nofony, fa mamelona sy mitaiza azy, dia tahaka an'i Kristy amin'ny fiangonana*; [ Gr. eklesia]
30 car nous sommes membres de son corps, — de sa chair et de ses os. 30 fa momba ny tenany isika.
31 «C’est pour cela que l’homme laissera son père et sa mère et sera joint à sa femme ; et les deux seront* une seule chair» [Genèse 2:24]. 31 Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hiray amin'ny vadiny, ary dia ho nofo iray ihany izy roroa (Gen. 2. 24).
32 Ce mystère est grand ; mais moi je parle relativement à Christ et à l’assemblée. 32 Zava-miafina lehibe izany; fa milaza ny amin'i Kristy sy ny fiangonana* aho. [* Gr. eklesia]
33 Toutefois, que chacun de vous aussi en particulier aime sa propre femme comme lui-même ; et quant à la femme, qu’elle craigne son mari. 33 Na dia izany aza, samia tia ny vadiny tahaka ny tenany ianareo lehilahy rehetra, ary aoka kosa ny vavy hanaja* ny lahy. *[ Gr. hatahotra]
— v. 23* : ou : l’homme en contraste avec la femme. — v. 23** : la tête. — v. 31 : litt.: seront pour.  
Chapitre 6 Chapitre 6
1 Enfants, obéissez à vos parents dans le Seigneur, car cela est juste. 1 Anaka, maneke ny ray sy ny reninareo ao amin'ny Tompo, fa marina izany.
2 «Honore ton père et ta mère», (c’est le premier commandement avec promesse,) 2 Manajà ny ray sy ny reninao (fa izany no didy voalohany misy teny fikasana),
3 «afin que tu prospères et que tu vives longtemps sur la terre» [Exode 20:12 ; Deutéronome 5:16]. 3 mba hahita soa ianao sy ho maro andro ambonin'ny tany (Deo. 5. 16).
4 Et vous, pères, ne provoquez pas vos enfants, mais élevez-les dans la discipline et sous les avertissements du Seigneur. 4 Ary ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin'ny famaizana sy ny fananaran'ny Tompo izy.
   
5 Esclaves, obéissez à vos maîtres selon la chair avec crainte et tremblement, en simplicité de cœur*, comme à Christ, 5 Hianareo mpanompo, maneke ny tomponareo araka ny nofo amin'ny fahatahorana sy ny fangovitana, amin'ny fahatsoran'ny fonareo, toy ny fanekena an'i Kristy ihany,
6 ne servant pas sous leurs yeux seulement, comme voulant plaire aux hommes, mais comme esclaves de Christ, faisant de cœur la volonté de Dieu, 6 tsy amin'ny fanompoana eo imaso, tahaka ny mpila sitraka amin'olona, fa tahaka ny mpanompon'i Kristy manao izay sitrapon'Andriamanitra amin'ny fo,
7 servant joyeusement, comme asservis au Seigneur et non pas aux hommes, 7 amin'ny sitrapo manao fanompoana toy ny amin'ny Tompo, fa tsy amin'olona,
8 sachant que chacun, soit esclave, soit homme libre, quelque bien qu’il fasse, le recevra du Seigneur. 8 satria fantatrareo fa izay soa ataon'ny olona rehetra no horaisiny amin'ny Tompo, na andevo na tsy andevo izy.
9 Et vous, maîtres, faites-en de même envers eux, renonçant aux menaces, sachant que et leur maître et le vôtre est dans les cieux, et qu’il n’y a pas d’acception de personnes auprès de lui. 9 Ary ianareo tompo, manaova toy izany aminy kosa, ka atsaharo ny fandrahonana, satria fantatrareo fa ny Tompony sady Tomponareo koa dia any an-danitra; ary tsy misy fizahan-tavan'olona aminy.
— v. 5 : litt.: de votre cœur.  
10 Au reste, mes frères, fortifiez-vous dans le Seigneur et dans la puissance de sa force ; 10 [Ny adim-panahin'ny Kristiana, sy ny fiadiana atolotr'Andriamanitra azy] Farany, mahereza ao amin'ny Tompo sy amin'ny herin'ny faherezany.
11 revêtez-vous de l’armure complète de Dieu, afin que vous puissiez tenir ferme contre les artifices du diable : 11 Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin'ny fanangolen'ny devoly.
12 car notre lutte n’est pas contre le sang et la chair, mais contre les principautés, contre les autorités, contre les dominateurs de ces ténèbres, contre la [puissance] spirituelle de méchanceté qui est* dans les lieux célestes. 12 Fa isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-drà, fa amin'ny fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao, dia amin'ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra*. [* Gr. lanitra]
13 C’est pourquoi prenez l’armure complète de Dieu, afin que, au mauvais jour, vous puissiez résister, et, après avoir tout surmonté*, tenir ferme. 13 Ary noho izany, dia raiso avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hanohitra amin'ny andro mahory; ary rehefa vitanareo avokoa, dia hahafahatra ianareo.
14 Tenez donc ferme, ayant ceint vos reins de [la] vérité, et ayant revêtu la cuirasse de la justice, 14 Mifahara ary, ka sikino fahamarinana ny valahanareo, ary mitafia ny rariny ho fiarovan-tratra,
15 et ayant chaussé vos pieds de la préparation de l’évangile de paix ; 15 ary kiraroy ny fahavononam-panahy avy amin'ny filazantsaran'ny fihavanana ny tongotrareo;
16 par-dessus tout, prenant le bouclier de la foi par lequel vous pourrez éteindre tous les dards enflammés* du méchant. 16 ary ho fanampin'izany rehetra izany dia tano ny finoana ho ampinga, izay hahazoanareo hamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra izay alefan'ilay ratsy.
17 Prenez aussi le casque du salut*, et l’épée de l’Esprit, qui est la parole de Dieu ; 17 Ary raiso ny famonjena ho fiarovan-doha sy ny tenin'Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy;
18 priant par toutes sortes de prières et de supplications*, en tout temps, par l’Esprit, et veillant à cela avec toute persévérance et des supplications** pour tous les saints, et pour moi, 18 ary mivavaha mandrakariva ao amin'ny Fanahy amin'ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, ka miambena amin'izany amin'ny faharetana sy ny fangatahana rehetra ho an'ny olona masina rehetra,
19 afin qu’il me soit donné de parler à bouche ouverte pour donner à connaître avec hardiesse le mystère de l’évangile, 19 ary ho ahy koa mba homena ahy ny hiloa-bava amin'ny fahasahiana hampahafantatra ny zava-miafina momba ny filazantsara
20 pour lequel je suis un ambassadeur lié de chaînes, afin que j’use de hardiesse en lui, comme je dois parler. 20 (iraka* migadra noho izany aho), mba hiteny izany amin'ny fahasahiana aho, toy izay mety hoteneniko. [* Gr. ambasadôra]
— v. 12 : ou : les [puissances] spirituelles de méchanceté qui sont. — v. 13 : ou : accompli, mené à bonne fin. — v. 16 : ou : brûlants. — v. 17 : plutôt ce qui sauve que le salut en lui-même ; comparer Luc 2:30 ; 3:6 ; Actes 28:28. — v. 18* : litt.: toute prière et supplication. — v. 18** : litt.: toute persévérance et supplication.  
21 Mais afin que vous aussi vous sachiez ce qui me concerne, comment je me trouve, Tychique, le bien-aimé frère et fidèle serviteur dans le Seigneur*, vous fera tout savoir : 21 Fa mba ho fantatrareo koa izay toetro, dia Tykiko, rahalahy malala sady mpanompo mahatoky ao amin'ny Tompo, no hampahalala anareo ny zavatra rehetra;
22 je l’ai envoyé vers vous tout exprès, afin que vous connaissiez l’état de nos affaires, et qu’il console vos cœurs. 22 izy no nirahiko hilaza izany zavatra izany indrindra aminareo, mba ho fantatrareo ny toetray, ary mba hamporisihiny ny fonareo.
— v. 21 : qui servait Paul, comme servant le Seigneur.  
23 Paix aux frères, et amour, avec la foi, de la part de Dieu le Père et du seigneur Jésus Christ ! 23 Fiadanana anie ho an'ny rahalahy ary fitiavana mbamin'ny finoana avy amin'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo.
24 Que la grâce soit avec tous ceux qui aiment notre Seigneur Jésus Christ en pureté* ! 24 Ny fahasoavana anie ho amin'izay rehetra tia an'i Jesosy Kristy Tompontsika amin'ny fitiavana tsy mety levona. Amena.
— v. 24 : proprement : en incorruption.