Talata 1 Janoary 2019

(Hoy Jesosy :) Izaho no fananganana ny maty sy fiainana. Jaona 11:25

Efa maty Aho, nefa, indro, velona mandrakizay mandrakizay. Apokalypsy 1:18

 

Fifaliana lehibe

Filazantsara araka an’i Matio, toko faha-28, andininy 1 ka hatramin’ny faha-20

Tamin’ilay “alahady” voalohany vao maraina be :

“Ary tamin’ny alin’ny Sabata, raha vao nazava ratsy ny andro voalohany amin’ny herinandro, dia avy hizaha ny fasana Maria Magdalena sy ilay Maria anankiray.

Ary indro, nisy horohorontany mafy ; fa nisy anjelin’ny Tompo nidina avy tany an-danitra, dia nankeo ka nanakodia ny vato, dia nipetraka teo amboniny. Ary ny fijery azy dia tahaka ny helatra, ary ny fitafiany fotsy tahaka ny orampanala ; ary ny mpiambina nivadi-po noho ny fahatahorana azy, ka tonga tahaka ny maty. Ary ny anjely namaly ka nilaza tamin’ny vehivavy hoe : Aza matahotra ianareo ; fa fantatro fa Jesosy, Izay efa nohomboana tamin’ny hazofijaliana, no tadiavinareo. Tsy ato Izy, fa efa nitsangana araka izay nolazainy. Avia, ka jereo, fa tao no nandrian’ny Tompo. Ary mandehana faingana, ka lazao amin’ny mpianany fa efa nitsangana tamin’ny maty Izy ; ary indro, mialoha anareo ho any Galilia Izy ; any no hahitanareo Azy ; indro, efa nilaza taminareo aho.

Dia niala faingana tamin’ny fasana izy ireo sady natahotra no faly indrindra, dia nihazakazaka hilaza tamin’ny mpianatra. Ary, indro, Jesosy nifanena taminy ka nanao hoe : Finaritra. Ary izy ireo nanatona, dia nihazona ny tongony ka niankohoka teo anatrehany. Dia hoy Jesosy taminy : Aza matahotra ; fa mandehana, ka asaivo mankany Galilia ny rahalahiko ; fa any no hahitany Ahy…

Ary nony nahita Azy izy, dia niankohoka… Ary Jesosy nanatona dia niteny taminy ka nanao hoe : Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany… Ary indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao”.

Ny Baiboly