Alakamisy 29 Desambra 2022

Dia namaly Tomasy ka nanao taminy hoe : Tompoko sy Andriamanitro ! Hoy Jesosy taminy : Satria nahita Ahy ianao, dia nino ; sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino. Jaona 20:28, 29

 

Fantatro fa Andriamanitro Izy

„Rehefa nahavita fianarana momba ny fitantanana aho, dia nanaraka fampianarana ny fiarovana ny foto-pinoana silamo. Izaho dia „hafez”, izany hoe mpitanisa ny Korano, ka mahafantatra azy tsara ; nefa izany tsy nanakana ahy tsy hametra-panontaniana amin’ny tenako. Koa nandinika ireo fivavahana hafa aho, ka nahatsoaka ny hevitra hoe olombelona avokoa no nanoratra ny boky ara-pivavahana rehetra, afa-tsy ny Testamenta Vaovao. Rehefa namaky azy aho, dia nahatsapa fa tsy mba noforonin’olombelona izy io. Nino ny fahamarinany aho. Nanomboka teo aho dia nanjary kristiana, nefa tsy niaina araka izany finoako izany.

Nisy orinasa natsangako, nanjary iray tamin’ireo orinasa lehibe indrindra teo amin’ny fireneko. Dia niditra tao amin’ny sehatra pôlitika aho. Nahomby avokoa izay rehetra nataoko, saingy nisy toejavatra iray nitranga, nanova ny fiainako manontolo. Maty ny vadiko, izay tena tiako fatratra. Taorianan’ny nahalasanany dia latsaka tao anaty harerahan-tsaina lalina aho ; tsy hitako intsony izay antony hahavelomako, ary namidiko ilay orinasako.

Farany aho dia voatery nanatona mpitsabo aretim-po, izay niteny tamiko hoe : „Tokony ho nankatỳ talohaloha ianao, satria misy lalandranao iray tsentsina”. Tamin’ny fotoana hanatoranana ahy, dia nangorohoro aho. Nolazaina ahy mantsy fa tsy mihoatra ny 5% ny mety hahavelona ahy. Koa nivavaka aho, nefa tsy nahatsapa fiadanam-po mihitsy. Tamin’ny fotoana hahatorana ahy indrindra aho no niantso intelo hoe „Jesosy”. Teo no ho eo aho dia tony, ary nahafantatra fa ho tafavoaka. Dia nahomby tokoa ny fandidiana. Fa indrindra, nanomboka tamin’io andro io aho dia niraiki-po tamin’i Jesosy. Taloha aho dia nihevitra fa olona fotsiny ihany Jesosy, nefa taorianan’izay nitranga tamiko, dia fantatro fa Andriamanitro Izy.”

Mehad