Asabotsy 18 Septambra 2027

Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy. Romana 5:8

Jesosy, Izay Mpanafaka antsika amin’ny fahatezerana ho avy. 1 Tesaloniana 1:10

 

Ahoana no hialana amin’ny fahatezeran’Andriamanitra ?

Rehefa mamaky ny taratasy ho an’ny Romana isika dia voataona hametraka ny fanontaniana hoe : raha tezitra Andriamanitra noho ny tsy fahamarinan’ny olona (Romana 1:18), ary raha hasehony izany fahatezerana izany amin’ny andro hamaliany ny olona tsirairay araka ny asany avy, ahoana no hahafahantsika miala amin’ny loza amin’antambo ? Fanontaniana iankinan’aina izany, satria mahakasika antsika rehetra. „Tsy misy marina, na dia iray akory aza” (Romana 3:10). Ny Lalàna nomen’Andriamanitra ny vahoakany fahiny dia tsy afaka mamonjy antsika, satria mampiseho fotsiny fa mpanota isika ary tsy mahay manaja io Lalàna io. Ny fombafomba ara-pivavahana dia tsy mahafoana na iray amin’ny fahadisoantsika aza. Koa misy àry ve fomba hialana amin’ny fitsarana ho avy ?

Eny, satria Andriamanitra dia masina ka tsy mahazaka ny ota, nefa Fitiavana ihany koa. Izany fitiavana antsika izany dia efa naharihariny. Fony mbola mpanota isika, dia nirahiny ho etỳ an-tany Jesosy Kristy Zanany. Tonga olona io Zanany io, ary Izy, Izay masina, no niaritra teo amin’ny hazofijaliana ny fahatezeran’Andriamanitra sahaza ireo fahotantsika. Natolony ho sorona ny tenany, ka izay mino dia hamarininy sy vonjeny „ho afaka amin’ny fahatezerana” (Romana 5:9).

Izao ny ivon’ny Filazantsara : ny hazofijalian’ny Tompo Jesosy dia mijoro eo anelanelantsika, izay mpanota, sy ny fahatezeran’Andriamanitra manambana. Raha mino aho fa „Izy nitondra ny fahotantsika tamin’ny tenany teo ambonin’ny hazo (ny hazofijaliana)” (1 Petera 2:24), dia hamarinina eo anatrehan’Andriamanitra, ka tsy hahatratra ahy mihitsy ny fahatezerany. An’ny Kristy aho.