Talata 21 Septambra 2027

Tsy ianareo no nifidy Ahy (Jesosy), fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan’ny vokatrareo. Jaona 15:16

Tandremo ny fanompoana izay noraisinao tao amin’ny Tompo, mba hahatanterahanao izany. Kolosiana 4:17

 

Mpanaraka sa mpandray anjara ?

Mampandini-tena antsika ny fiainan’ireto olo-malaza ao amin’ny Baiboly ireto :

— Mpiandry ondry mpifindrafindra toerana i Lota, nanaraka an’i Abrahama, rahalahin-drainy, mpino niaina teo akaikin’Andriamanitra. Rehefa tsy maintsy hisafidy toeram-ponenana ho azy izy dia nifidy ny lemaka lonak’i Sodoma. „Ary ny mponina tao Sodoma dia tena ratsy fanahy sady mpanota indrindra tamin’i Jehovah”. Nohamaivaniny ny loza mitatao aminy sy ny ankohonany, ao amin’io tanàna io. Tatỳ aoriana Andriamanitra dia tsy maintsy namonjy azy tamin’ny fotoana farany, mba tsy hihatra aminy ny fandravana an’i Sodoma (Genesisy 13:13 ; 19:29).

— Marka dia niaraka tamin’ny apostoly Paoly tamin’ny dia misionerany voalohany, nefa tsy ela dia nandao azy (Asan’ny Apostoly 12:24 — 13:13). Mafy loatra taminy ve ny lalana ? Soa ihany fa tatỳ aoriana izy dia tafaverina tamin’ny toerany tao amin’ny fanompoana, niaraka tamin’i Paoly (2 Timoty 4:11).

Misy ohatra hafa, mampahery antsika :

— Prisila sy Akoila mivady, „mpiara-miasa” tamin’i Paoly, dia nanao vy very ny ainy mba hanafaka ilay apostoly tiany (Romana 16:3-4).

— Maria sy Persy dia niasa be ho an’ny Tompo [ny hoe „miasa”, amin’ny teny fototra (grika), dia mampahatsiaro ezaka sy hasasarana] (Romana 16:6, 12).

— Ny ankohonan’i Stefanasy dia niara-niasa sy niasa (mitovy hevitra) tao amin’ny asan’ny Tompo, sady nanolo-tena hanompo ny mpino (1 Korintiana 16:15).

Mpanaraka ve aho sa mpandray anjara ? Miasa ve aho, maka tahaka kristiana hafa ? nefa tsy tena nanolotra ny foko akory ho an’ny Kristy. Sa kosa aho manokana ny heriko sy ny aiko ? mba hanompo, an-kazotoana sy fitozoana, ny Mpamonjiko sy ny olona tsirairay amin’ireo izay mandrafitra ny Fiangonany.