Zoma 24 Septambra 2027
Izay miandry an’i Jehovah dia mandroso hery kosa. Isaia 40:31
Mba ho Lohany amin’ny zavatra rehetra Izy (Jesosy). Kolosiana 1:18
Matetika dia manjavona ny fikasana tsara ao anatintsika, aoriana-na andro niasana mafy, rehefa tonga ny havizanana ary tsy hay toherina ny faniriana hiala sasatra. Tsapa ho filana ny „hanafoana izay ao an-doha”, ary ho amin’izany dia tsy misy tsotra kokoa : eo hanatanteraka izany ireo horonan-tsarimihetsika, ireo tambajotran-tserasera, na lalao videô ho an’ny tanora kokoa, mbamin’ny zavatra maro hafa ! Tsy mila mieritreritra, na mihevitra olona akaikin’ny tena, na mametra-panontaniana amin’ny tena… Lazaina anakampo fa ireny fotoana fialana vizana ireny dia valisoa mendrika antsika, noho ireo ezaka natao nandritra ny tontolo andro, ary antenaina fa hahasoa antsika izany. Nefa ve isika mba manasa an’Andriamanitra ihany koa ho amin’ny fialambolintsika na ny fandaniantsika andro, rehefa manana fotoana malalaka ?
Mazava ho azy fa manana ny anjara toerany ny fialan-tsasatra sy ny fialamboly, nefa ampirisihin’Andriamanitra isika hampiasa am-pahendrena ny fotoanantsika : „Eo an-tànanao ny androko”, hoy i Davida ao amin’ny Salamo 31 (and 15). „Ny androko”, izany, dia tsy midika fotsiny hoe fotoana atokantsika hamakiana ny Baiboly, na handehanana mamonjy fivoriana kristiana, fa ny fotoana rehetra eo amin’ny fiainantsika…
Eny, matetika eo ny hasasarana. Nefa fantatr’Ilay Andriamanitsika izany, ary te hanampy antsika Izy. Havaoziny ny hery sy tanjatsika. Izy dia te hanana ny toerana voalohany mandrakariva ao am-pontsika sy eo amin’ireo safidim-piainantsika. Ndao hivavaka mba hangataka Azy hanampy antsika hanome haja Azy eo amin’ny zava-drehetra mitranga amintsika, anisan’izany ireo fotoana fialamboly. Rehefa mody isika ny hariva, dia an’Andriamanitra ihany koa izany fotoana izany. Ndao hangataka Azy mba hahasoa sy mba ho voninahiny ny fotoana rehetra eo amin’ny fiainantsika, ary hitodika ihany koa amin’ny hafa, fa tsy amin’ny tenantsika samirery fotsiny !