Alarobia 6 Oktobra 2027
Jesosy nahita an’i Natanaela avy manatona Azy, dia nilaza azy hoe : Indro ny tena Israelita tsy misy fitaka. Hoy Natanaela taminy : Ahoana no ahafantaranao ahy ? Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe : Fony tsy mbola niantso anao Filipo, dia hitako teo ambanin’ny aviavy ianao. Jaona 1:47-48
„Manaraha Ahy”, hoy Jesosy tamin’i Filipo. „Andeha hizaha”, hoy i Filipo tamin’i Natanaela. Toy izany no iampitan’ny fifohazana ho amin’ny finoana, tahaka fiampita-na fampita eny an-tanana mpihazakazaka iray ho amin’ny mpihazakazaka misolo azy, avy amina taranaka iray mankamin’ny taranaka mandimby azy, tahaka ny afo miampita avy amina tapa-drantsankazo iray ho amina tapany iray hafa. Indraindray anefa misy rantsandrantsana tsy mirehitra avy amin’ilay teo alohany ! Misy ray aman-dreny sy raibe aman-drenibe maromaro, malahelo noho ireo zanany sy zafiny tsy manao asa hita maso vokatry ny finoana.
Tena niala tamin’ny finoana tokoa ve izy ireny ? Tahaka an’i Natanaela angamba izy ireny ? mbola tsy nifanena manokana tamin’i Jesosy. Ho an’i Natanaela, ny fisalasalany teo am-piandohana dia niova ho faharesen-dahatra feno hazavana naposaky ny nifanatrehany tamin’i Jesosy. Ny hafatra dia miampita tahaka ny afo-na rantsandrantsana iray mankamina iray hafa ; fa ny finoana kosa dia tsy mirehitra raha tsy nisy tena fifanenana amin’ny Kristy. Toy izao no nanambarana vehivavy kristiana iray izany : „Nomena andraikitra aho hilaza aminao ny hafatry ny Filazantsara, fa tsy nomena andraikitra hampino izany anao.”
Rehefa mijoro ho vavolombelon’ny finoan’ny tena dia manomana ny toerana, mandray olona, mitari-dalana azy, ary avy eo miala, toy ny nataon’i Filipo tamin’i Natanaela. Dia mivavaka ho an’ireo izay nanambaràna an’i Jesosy.
Toy ny afo miotrika ao ambany lavenona, tsy misy feo na setroka, tsy miandry afa-tsy ny fanampiana kitay mba hampirehitra azy indray, dia toy izany koa ny Filazantsara, izay mety hitoetra tsy hita maso mandritra ny vanimpotoana lava eo amin’ny fiainana. Araka izany, ny finoan’ny olona iray dia mety hiafina, nefa indray andro any dia indro fa mipoitra, mitsilopilopy amin’ny voalohany, nefa mazava aoka izany !