Alahady 10 Oktobra 2027
Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny (nomen’i Jesosy) hery ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany. Jaona 1:12
Ianareo… nandray ny fanahin’ny zanaka natsangana, izay iantsoantsika hoe : Aba, Ray ô. Ny Fanahy dia miara-milaza amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika. Romana 8:15-16
Zanany aho
Ilay Raiko any an-danitra dia mikarakara tsara ahy,
Miaro ny fanahiko Izy ary mampitony ny hatairako.
Mialoka eo ambanin’ny alok’Ilay Andriamanitra Tsitoha aho,
Tsy matahotra na inona na inona : zanany aho !
Amin’ny alalan’i Jesosy irery no andraisako izany zo izany :
Tamin’ny sorona nataony izay nekeko tamin’ny finoana,
Tonga Raiko Andriamanitra, ka hoy aho am-patokiana :
„Fantatro ankehitriny fa zanany aho !”
Tsy misy maharombaka ahy amin’ny tanany mahery ;
Tsia, tsy hahaisotra ahy eo na oviana na oviana i Satana ;
Miambina ahy am-pitiavana andro aman’alina Andriamanitra,
Mampahatsiahy ahy ny Fanahiny hoe : „Zanany ianao !”
Noho ny fiambenany sy ny fiarovany,
Noho ny famindrampony sy ny fampiononany,
Dia mampitombo sy mampianatra ahy am-paharetana Izy,
Ary miteny amiko hoe : „Mahereza, zanako ianao !”
O ! ry Andriamanitro sady Raiko, fahasambarana sy fiadanana lavorary !
Tsy ho ela eo anilanao, eny, no hibanjinako
An’i Jesosy Mpamonjiko, izay lehibe aoka izany ny fitiavany :
Ny nahafatesany teo amin’ny hazofijaliana no nanao ahy ho zanany !
Alain S.