Asabotsy 16 Oktobra 2027

Dia tezitra loatra izay rehetra teo amin’ny synagoga… ka nitsangana izy, dia nandroaka Azy (nandroaka an’i Jesosy) hiala ao an-tanàna ary nitondra Azy ho any an-tampon’ny havoana niorenan’ny tanàna, mba hazerany amin’ny hantsana. Nefa Izy namaky teo afovoany, ka dia lasa nandeha. Lioka 4:28-30

 

Ny fotoanany : namaky teo afovoany (1)

Tsara vakina : Lioka 4:16-30

Jesosy dia nanomboka ny asany ampahibemaso tao amin’ny synagogan’ny tanàna nahabe Azy. Gagan’ny tenim-pahasoavana nambarany avokoa ireo rehetra nihaino Azy. Nefa noho ny hambo ara-pivavahana mameno azy ireo, dia nihevitra izy ireo fa tsy mila an’izany fahasoavana izany, ary tsy mahazaka hoe manana anjara amin’izany koa ny tsy Jiosy. Dia indro fa tezitra loatra ny olona, ka nitondra an’i Jesosy teny amoron’ny hantsana ao Nazareta, mba hanjera Azy any. Nefa mbola tsy tonga ny fotoanany (jereo Jaona 7:30). Tsy misy manana zo hisambotra Azy : „Izy namaky teo afovoany, ka dia lasa nandeha”.

Tatỳ aoriana kely Izy dia nanirahana mpiambina mba hisambotra Azy. Nefa niveri-maina izy ireo. „Nahoana ianareo no tsy nitondra Azy ?” Hoy izy ireo namaly : „Tsy mbola nisy olona niteny tahaka izany” (Jaona 7:45-46).

Indray andro Jesosy dia niteny tamin’ny fomba manetriketrika sy feno fiandrianana hoe : „Fony tsy mbola ary Abrahama, dia Izy Aho” (Jaona 8:58). Nambarany amin’izany ny fisiany „hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay” sy ny fitoviany amin’Andriamanitra, Izay naneho ny tenany tamin’i Mosesy, tao anatin’ny kirihitra nirehitra afo, tamin’ny anarany hoe : „IZAHO, IZAY IZY” (Eksodosy 3:14). Tafintohina tamin’io teny io ny Jiosy, dia „naka vato hitoraka Azy … fa Jesosy niery ka niala teo an-kianjan’ny tempoly” (Jaona 8:59). Niery Ilay Zanak’Andriamanitra, Zanaka mandrakizay, Ilay Mpahary izao tontolo izao… Fietren-tena anie izany e ! Tsy tora-bato no tokony hahafaty an’i Jesosy, fa eo amin’ny hazofijaliana, ho famonjena antsika.

(hitohy)