Talata 19 Oktobra 2027

Fa samy efa nanota izy rehetra, ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra. Romana 3:23

Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany. Salamo 32:1

 

Tahaka langilangy manamontsana fitaratra

Ny ota : io teny io dia mirakitra hevitra mavesa-danja… Hany ka zara raha resahina, sao manameloka, na mamintina ny finoana ho fitsipi-pitondrantena fotsiny, nefa tsy izany no izy. Ho an’ny fivavahana sasany, ny ota dia ny tsy fahafantarana, tsy fahampiam-pahalalana, na tsy fisiam-pahendrena.

Fa araka ny fijery kristiana kosa, ny ota dia zava-doza lavitra noho ny tsy fahafantarana ! Ny ota dia fanoherana sy fihantsiana Ilay mihazona izao tontolo rehetra izao. Ny ota dia hery manapotika ; izy no fototra voalohany mahatonga fianakaviana ho simba, ady mandravarava, fifandonana mifono fankahalana. Mihanaka amin’ny taranaka rehetra tahaka areti-mandoza izy, ary mandravarava ny fiarahamonina tahaka ny pesta. Tahaka langilangy manamontsana fitaratra, ny ota dia mamotipotika ilay endrika lavorarin’ny olombelona tamin’ny nahariana azy.

Tsy ampy ny manao asa soa vitsivitsy na manaraka fampianarana tsara, mba hanakambanana ireo vakivakin’ny fanahintsika. Asan’Andriamanitra no ilaina, mba hamerina ny tenantsika amin’ny laoniny.

Tsy afaka mamboatra ny fitaratra vaky isika. Fa Izy Andriamanitra kosa dia mahay mamorona fitaratra vaovao, ho an’ny tsirairay miaiky ireo fahotany sy matoky an’i Jesosy, mba ho voavela heloka. Izany no nahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra teto amin’ity tanim-pahoriana sy fahafatesana ity. Maty Izy mba hanafoana ny herin’ny ota. Nitsangana velona indray Izy, Ilay Tompon’ny aina, mba hanome antsika aina vaovao, miseho amin’ny alalan’ny fitiavana, famelan-keloka, ary faniriana fahamarinana sy fihavanana.