Zoma 22 Oktobra 2027
Ny fo torotoro sy mangorakoraka, Andriamanitra ô, tsy mba ataonao tsinontsinona. Salamo 51:17
Nihaino ny feon’ny fifonako ihany Ianao, raha nitaraina taminao aho. Salamo 31:22
Nandalo fitsapana mahamay i Joba : tao anatin’ny indray andro izy dia namoy ny fananany rehetra sy ny zanany folo mianadahy. Hatreo izy dia tsy naneho fikomiana tamin’Andriamanitra, fa nanoa hatrany, na dia lalina aoka izany aza ny fahoriany.
Avy eo izy dia tratra-na vay ratsy, hatrany an-tampon-doha ka hatrany am-paladia. Hatramin’ny fiandohan’izao trangan-javatra rehetra izao i Satana dia niezaka nanosika an’i Joba tsy hatoky an’Andriamanitra intsony. Koa nampirisihin’ny vadiny i Joba hanozona an’Andriamanitra sy ho faty. Mendrika homarihina ny tenin’i Joba namaly azy. Tsy nolazainy hoe adala ny vadiny, fa nampahafantariny hoe miteny tahaka ny olona tsy mahafantatra an’Andriamanitra (Joba 2:9-10). Satria „ny adala manao anakampo hoe : Tsy misy Andriamanitra” (Salamo 53:1). Angamba izy tsy nahatanty nahita ny vadiny nijaly, ka nanome tsiny azy mitoetra ho mahitsy. Izy Joba dia nihevitra fa masi-mandidy Andriamanitra, ka afaka manome ny tsara, nefa koa afaka mamela ny ratsy hitranga. Ary ny fijaliana dia mety hahatonga ho azy fikomiana amin’Andriamanitra.
Ny finoan’i Joba dia tsy ivelambelany fotsiny, fa miorina amina fifandraisana manokana, tena izy, amin’Andriamanitra. Joba dia nitoky tamin’ny fitiavana sy fahendren’Andriamanitra, na tao anatin’io fotoana nampangirifiry mafy azy io aza.
Manao ahoana ny finoantsika ? Mino fotsiny ny fisian’Andriamanitra ve isika ? Amin’ny fotoanan’ny fitsapana isika dia mety hikomy amin’Andriamanitra, raha tsy tena mahafantatatra Azy. Tahaka an’i Joba sy mpino hafa koa, dia ndao hiaina ao amina tena fifamatorana akaiky amin’Andriamanitra ! Amin’izany isika dia ho afaka matoky Azy hatrany, na ao anatin’ireo toejavatra mampangirifiry antsika aza.