Alakamisy 28 Oktobra 2027

Mankalazà an’i Jehovah amin’ny fanananao sy amin’izay voaloham-bokatrao rehetra. Ohabolana 3:9

Izay manome ny malahelo, tsy hanan-java-mahory. Ohabolana 28:27

 

Ilay vehivavy mpitondratena nanolotra izay rehetra nananany (5)

Tsara vakina : Marka 12:41-44

Nipetraka teo an-tempoly Jesosy, tandrifin’ny vata fandatsahan-drakitra. Nandinika ny olona nandatsaka vola tao izy, ary nahita fa mpanankarena maro no nanome be. Tampoka teo dia nisy vehivavy mpitondratena mahantra iray nanatona, ary nandatsaka ny farantsakely roa hany nananany…

Niantso ny mpianany Jesosy, ary nanazava tamin’izy ireo fa io mpitondratena io dia nanome mihoatra noho ny hafa rehetra. Ny fihetsiny dia manaporofo, tsy ny fitiavany an’Andriamanitra ihany, fa ny finoany Azy koa, hanome azy izay ilainy. Angamba tsy hitan’ny olona akory ny farantsakely roa nananany, miohatra amin’ny fanatitra nataon’ny mpanankarena. Eny, tsy hitan’ny olona, nefa hitan’i Jesosy kosa ! Fantany fa nanome „izay rehetra nananany, dia ny fivelomany rehetra” io mpitondratena io. Ary izany no sarobidy amin’i Jesosy. Ambin-javatra ihany ny hoe ohatrinona ilay nomena.

Tsy nandidy ny mpianatra hanao toy izany tsy akory Jesosy, satria tsy hay terena ny fahalalahan-tanana. Nomarihiny fotsiny ny fihetsika mendrika halain-tahaka hita teo amin’io vehivavy io : nifanohitra amin’ireo mpanankarena, izy izay tao anatin’ny tsy fisiana tanteraka dia nanome ho an’Andriamanitra izay rehetra nananany.

Mandraka ankehitriny dia mbola hitan’ny Tompo hoe ohatrinona no atolotsika, fa indrindra —ary mbola midika zavatra betsaka kokoa- hoe ohatrinona no tehirizintsika ho antsika ! Ny tena fanatitra dia izay tena lanin’ilay olona manaiky hanome izany.

„Tsy nampanantena ve Ianao, ry Tompo, fa hanome izay ilain’ireo mikatsaka ny fanjakanao sy ny fahamarinanao aloha ? (Matio 6:33). Ampio aho hahay hanome be kokoa, ho fanompoana Anao, ary hiantehitra aminao ny amin’ny hoavy.”