Alatsinainy 1 Novambra 2027

(Hoy Jesosy :) Ny teny izay nolazaiko taminareo dia fanahy sy fiainana. Jaona 6:63

Aoka ny tenin’i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo. Kolosiana 3:16

 

Ny Baiboly, fanovozan-kevitra ho antsika

Amin’ny fanampiana rehetra omena ny kristiana, ny lehibe indrindra dia ny Tenin’Andriamanitra. Vakio ny Baibolintsika, vakio tsara. Omeo azy ny toerana voalohany eo amin’ny asa aman-draharahantsika, aoka ho azy ny laharan-kamehana, fa tsy ho ana heviteny na horonan-tsary momba azy. Ampiasao ny fitaovana rehetra : taratasy, efijery (écrans), ahafahantsika mamaky azy, amin’ny fotoana rehetra sy any amin’ny toerana rehetra. Manandrama ihany koa mitadidy izay vakintsika.

Mahatakatra ny Baiboly isika, raha mivavaka rehefa mamaky azy, sady miantehitra amin’ny fanampian’ny Fanahy Masina, Izay manentana ny mpino tsirairay. Tsy hoe mamaky fotsiny ireo lahatsoratra mahafinaritra antsika, fa manaraka ny fampianarany manontolo, mba hitadidiana ny heviny amin’ny antsipiriany sy amin’ny ankapobeny. Aza maika hamaky toko iray hatramin’ny farany fotsiny, mba hanao zavatra hafa rehefa avy eo, ka tsy haharay na inona na inona akory avy amin’izany. Makà fotoana hamakiana io Teny velona io, mba hahatakatra azy sy mba ho vonton’izay ambarany.

Indraindray isika dia mahatsapa fa misy lahatsoratra ao amin’ny Baiboly, tena mamaly fehezam-panontaniana maromaro mipetraka eo amin’ny fiainantsika. Amina fotoana hafa kosa dia tsy izany. Ny Baiboly mantsy tsy natao hanome antsika vahaolana mivantana azo tsapain-tanana amin’ny zava-manahirana rehetra mahazo antsika, fa hanampy antsika hiaina sy hamaha azy ireny miaraka amin’Andriamanitra. Ny famakiana io Boky io, eo ambany fitarihan’ny Fanahin’Andriamanitra, dia mamolavola ny eritreritra, mba hahafantarantsika ny lalana tokony haleha. „Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny lalako ny teninao” (Salamo 119:105). Ny fanilo eo amin’ny tongotsika dia tsy mampahafantatra ny lalana manontolo, nefa manome hazavana ampy hahitana ny dingana tsirairay ataontsika. Aoka ho fanilontsika ny Baiboly !