Alakamisy 4 Novambra 2027

Tany Jopa nisy vehivavy mpianatra atao hoe Tabita… ary be ny asa soa sy ny fiantrana izay nataon’izany vehivavy izany. Asan’ny Apostoly 9:36

Aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara. Hebreo 10:24

 

Tabita — mpianatr’i Jesosy (6)

Tsara vakina : Asan’ny Apostoly 9:36-41

Mpanjaitra izy, nanokana io talenta io hanompoany ny Tompo, ka nanjaitra fitafiana. Marina fa fahaiza-manao maro mpanana io tamin’izany fotoana izany, nefa i Tabita, araka ny maha „mpianatra” azy, dia nanome lanja manokana ny fahaizany. Nanova ny fiainany ny maha mpianatr’i Jesosy azy. Ny finoana dia manomboka amin’ny fiombonana manokana amin’Andriamanitra. Avy eo izany dia miseho amin’ny fanompoana ny hafa : „Aoka tsy ho tia amin’ny teny … isika, fa amin’ny asa sy amin’ny marina” (1 Jaona 3:18). Te hikarakara ny namany i Tabita, toy ny nataon’ny Tompony. Tiany ho mahasoa araka izay afaka atao ny fiainany. Ary ho amin’izany dia nampiasainy izay hainy notakarina, ny fahaizan’ny tanany, mba hanohanany ireo mpitondratena tsy misy mpiahy.

Nanao soa maro i Tabita. Nanankarena tamin’ny asa tsara izy, ary nazoto manome sy miantra (jereo 1 Timoty 6:18). Tsy nitady voninahitra na fankasitrahana izy, fa ny hanasoa fotsiny. Fantatr’ireo izay nahazo tombontsoa tamin’ny asany ny lanjan’izany. Taorianan’ny nahafatesany dia nasehon’ny mpitondratena rehetra an’i Petera ny fitafiana nozairiny ho azy ireo.

Angatahin’Andriamanitra isika hametraka mba hampiasainy izay ananantsika. Nanontany an’i Mosesy Izy hoe : „Inona moa iny an-tànanao [iny] ?” (Eksodosy 4:2). Angamba i Tabita ho namaly hoe : „Fanjaitra sy kofehy, ry Tompo.”

Ary ianao, inona no eo an-tananao ? Vonona ve ianao hametraka izany mba hampiasain’ny Tompo ? Saintsaino izay anananao, ary atokany hanompoana an’Andriamanitra sy ny namanao.

(tapitra)