Asabotsy 6 Novambra 2027

Manao zava-dehibe tsy takatry ny saina, eny, fahagagana tsy hita isa [Andriamanitra]. Joba 9:10

Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika ; ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolotsaina, Andriamanitra Mahery, Rain’ny mandrakizay, Andrianan’ny fiadanana. Isaia 9:5

 

Zava-mahatalanjona nataon’Andriamanitra

Ny andinin-tSoratra Masina voalohany androany dia teny nolazain’i Joba. Mpino mahatoky izy, voadona mafy tamin’ny namoizany ny fananany, ny zanany, ary ny fahasalamany. Nanaiky izany fitsapana avy amin’Andriamanitra izany izy, nefa latsaka tanaty famoizampo lalina. Misongadina ao amin’ny bokin’i Joba manontolo ny faharian’Andriamanitra, dia ireo zava-mahatalanjon’ny voary, izay mbola banjinintsika am-panajana sy am-pihetsehampo, mandraka ankehitriny. Dia hahatsapa ny halehiben’ny Mpahary i Joba, sady hahatsapa ihany koa ny hakeliny, ka hiteny hoe : „Koa dia nilaza izay tsy fantatro aho, dia zava-mahagaga loatra amiko… Fandrenesan’ny sofina ihany no nandrenesako Anao ; fa ankehitriny izao kosa dia ny masoko no mahita Anao ; koa dia miaiky sy mibebaka eto amin’ny vovoka sy ny lavenona aho” (Joba 42:3-6).

Fahiny Andriamanitra dia nanafaka ny Zanak’Israely tamin’ny fanandevozan’i Egypta, nampandeha azy hamakivaky ny Ranomasina Mena toy ny mandia tany maina. Rehefa nieritreritra izany indray ny mpanao tononkalo dia nanao hoe : „Ianao no Andriamanitra Izay manao fahagagana… Navotan’ny sandrinao ny olonao” (Salamo 77:14-15). Io fanafahana ara-batana io dia mbola zava-mahatalanjona ihany koa, nataon’Andriamanitra !

Tatỳ aoriana dia nanambara ny hiavian’ny Mesia ny mpaminany Isaia (andininy faharoa androany). Ny anarana voalohany nomena Azy dia hoe „Mahagaga” (Mahatalanjona). Mahatalanjona avokoa ny rehetra ao amin’ny tena sy asan’i Jesosy : ny nahaterahan’ny Zanak’Andriamanitra tanaty fahantrana, ny fiainany lavorary amin’ny maha olona Azy, ny sorona nataony teo amin’ny hazofijaliana, ny nitsanganany velona indray, ny niakarany any an-danitra. Ireo rehetra manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany dia tsy afaka ny tsy hitolagaga, manoloana ny fitiavan’Andriamanitra, nahatongavan’i Jesosy hampahafanatra izany !