010 

1. Mitsaoka Anao izahay, ry Rainay,
Ianao Izay mitoetra ao amin’ny mazava
Ary manao indray mitopy maso ny lanitra.
Tafangona eo amin’ny fanatrehanao izahay
Anton’ny fitiavanao midadasika,
Ary midera ny anaranao be voninahitra.

Famerenana :
Anao ny dera, ny haja,
Ry Mpahary Tsitoha,
Haleloia !
Eny, voninahitra, haja,
Ho an’Ilay Andriamanitra Mpamonjy !
Haleloia ! Haleloia !

2. Namiratra teo aminay ny tavanao,
Ry Andriamanitra feno fiandrianana, Rain’ny fahasoavana,
Tao amin’i Jesoa, Zanakao malalanao.
Amin’ny alalany, ny fanahinay izay notahina
Dia mitsaoka Anao, Andriamanitra, ary manome voninahitra Anao
Sady mankalaza Anao eto amin’izao toerana izao.

Famerenana...

 020 

1. Ndao isika hiredona fihirana masina
Ho voninahitr’Ilay Zanaka Lahitokana,
Zanaka mandrakizain’Ilay Andriamanitra fitiavana.
Tamin’ny alalan’ny fahafatesany sy tamin’ny alalan’ny fiainany
Izy dia nampahafantatra ny fon’Andriamanitra
Sy ny fidirana ao an-danitra : fahasoavana tsy manam-petra izany !

Famerenana :
Dera, fanapahana, haja, anie,
Ho an’i Jesoa, Ilay Mpamonjy !
Haleloia !
Eny, voninahitra, haja, anie,
Ho Anao, ry Tompo !
Haleloia ! Haleloia !

2. Ry Jesoa, raiso ny fanajanay Anao,
Ianao Izay ho fihiranan’ny olom-boavidy
Mandritra ny fotoana rehetra any aoriana any.
Enga anie izahay, izay voavonjy noho ny ratranao
Sy nositranin’ireo fanatorotoroana Anao,
Ka mba hiaina amin’ny maha olona nitsangana tamin’ny maty anay.

Famerenana...

 030 

Ry Jesoa Mpanafaka anay,
Tamin’ny nijalianao Ianao dia nahazo
Fanavotana mandrakizay ho anay.
Ry Tompo misatroka voninahitra,
Ao aminao izahay dia manana fiadanana, fandresena,
Fifaliana ary fitahiana.
Ry Mpamonjy sarobidy
Mipetraka any amin’ny toerana avo any,
Feno hatsaran-tarehy,
Feno fahalehibeazana,
Mitsaoka Anao izahay
Ary tsy hitsahatra ny hanandratra Anao.

 040 

1. {Voninahitra ho Anao, ry Ray mandrakizay,} (2)
Izay nanomana any an-danitra any, ho anay,
Sezafiandrianana any ambonin’ireo anjely.
{Midina avy any aminao ny famonjena,} (2)
Koa aoka anie hiakatra any aminao ny fanatitra mamy
Mitondra fitiavana sy fiderana !

2. {Voninahitra ho Anao, ry Zanak’ondry masina indrindra !} (2)
Izay nanolotra teo amin’ny hazofijaliana ny ainao,
Mba hamonjenao ny andian’ondrinao.
{Nandresy an’i Satana Ianao,} (2)
Ry Mpanavotra Tsitoha,
Voninahitra ho Anao, voninahitra tsy misy fetra !

3. {Eny, dera ho Anao, ry Tompo !} (2)
Anao irery ny fahefana sy ny haja,
Anao ny fanapahana sy ny voninahitra !
{Mandritra ny mandrakizay manontolo} (2)
Izahay dia hihira ny fahamoram-panahinao,
Ny famonjena lehibe notanterahinao, ary ny fandresenao.

 050 

1. Andriamanitra ô ! ny fitiavanao manangona anay
Ao anatin’ny firaisana, manodidina an’i Kristy ;
Ny vavanay dia miara-mankalaza
Ny fitiavanao haharitra mandrakizay.

Famerenana :
Voninahitra ho an’ny anaranao, ry Andriamanitra Rainay !
Voninahitra ho an’ny fitiavanao tsy hay ambara amin-teny !
Hanandratra izany etỳ an-tany anie ireo zanakao,
Eto am-piandrasana ny honina sambatra any aminao !

2. Endre, zava-miafin’ny fahasoavana, zava-miafina izay an’Andriamanitra,
Ny hoe efa hatrizay hatrizay Ianao, ry Rainay,
No efa naniry hampiditra anay
Ao amin’ny fahasambaranao mihitsy !

Famerenana...

3. Tsy ho tanteraka ny fanirian’
Ny fitiavanao midadasika,
Raha tsy mahita Ianao, eo amin’ny fanatrehanao any an-danitra,
Olombelona voavonjy sy lavorary.

Famerenana...

4. Ny fiadananao, ireo zavatsoanao, ny lanitrao, ny voninahitrao
No harenanay ao amin’i Jesoa ;
Tsy ho ela izahay, rehefa mandre ny hiakam-pandreseny,
Dia hisidina hiakatra ho eny aminy.

Famerenana...

5. Andriamanitra ô ! miankohoka ny fanahinay,
Manoloana ny fitiavanao tsy hita noanoa ;
Mba farano re izay zavatra momba anay,
Ary faingano ny fiverenan’i Kristy !

Famerenana...

 070 

1. Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy no anoloranay
Fanati-piderana ho Anao ;
Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy no itsaohanay Anao,
Ianao Izay itsaohan’ireo anjely !

Famerenana :
Andriamanitray ô !
Hisaoran’ny vahoakanao tafangona anie Ianao !

2. Fahiny izahay rehetra, tao anatin’ny fahotanay,
Dia zanaky ny fahatezerana avokoa ;
Nefa norombahina tsy ho eo an-tanan’i Satana intsony izahay,
Ka manana Anao ho Ray.

Famerenana...

3. Nomenao ho anay Jesoa,
Ary ny fonao manome anay ho an’i Jesoa :
Nofidinao ao Aminy izahay
Handova ny satroboninahitra mandrakizay.

Famerenana...

4. Nampanantena Izy, Ilay Zanakao masina,
Fa tsy ho ela dia ho avy haka anay,
Ho any amin’ireo fonenana any ambony any ;
Ka tianay ny miandry Azy ho tonga avy any.

Famerenana...

5. Amin’izay fotoana izay izahay dia hanandratra Anao
Ao amin’ny voninahitra sy ny fahazavana
Ary hiara-mamerina
Amin’ny Fiangonanao manontolo hoe :

Famerenana...

 080 

1. Voninahitra anie ho an’Ilay Mpanavotra
Ho an’Ilay Zanaka Lahitokan’ny Ray
Izay nidina teto amin’izao tany izao
Mba hamonjy ny mpanota !

{ Jesoa o ! Hasandratra anie Ianao
Ho mandrakizay ! } (2).  

2. Tonga Ianao, ry Zanak’ondry masina indrindra,
Niaritra fahafatesana lozabe ;
Nefa nandresy ny fasana Ianao,
Tamin’ny herinao mandrakizay,

{ Noravanao ny ezaka rehetra
Nataon’ny helo sy ny fahafatesana. } (2).  

3. Ianao, Izay tena nitia anay,
Dia nisotro ny kapoaky ny fangirifirina ;
Ary nanome ho anay ho takalon’izany kosa
Ny kapoaky ny fanafahana.

{ Jesoa ô ! hasandratra anie Ianao
Ho mandrakizay } (2).  

  11  

1. Rehefa hitanay ny voninahitra isaloranao any an-danitra,
Ka mitsaoka Anao izahay, mibanjina ny famirapiratrao,
Ny famirapiratry ny voninahitra manodidina Anao, ry Jesoa,
Dia mampahatsiaro anay ny hazofijalianao, ny henatry ny hazofijaliana ary ny fangirifirianao tamin’izany.

2. Nangorohoro ny fanahinao, lalina indrindra ny tebitebinao,
Nosatrohan-tsilo Ianao, lozabe ny faniratsirana Anao,
Nandatsa Anao, toy ny hoe nandatsa-dra Anao mihitsy, izao tontolo
izao ; Fa ny voninahitrao any an-danitra kosa, ry Tompo Jesoa,
no setrin’iza­ny rehetra izany ankehitriny.

3. Irery Ianao teo amin’ny hazofijaliana, nisotro ilay kapoaka mangidy,
Ary tsy nisy, na dia iray aza,
                          fo mba namaly ny hiakanao noho ny fanaintainana.
Fa ankehitriny kosa Ianao nasandratra
                                               eo amin’ny sezafiandrianan’ny Ray,
Ary manakoakon’ny fiderana Anao, ry Kristy, ny lanitra.

4. Ny tavan’Ilay Andriamanitrao,
                                    tamin’io fotoana nanetriketrika indrin­dra io,  
Dia nihodina tsy nijery Anao, Ilay Zanany malalany ;
Nosatrohana diadema ilay handrinao notorotoroina fahiny,
Diadema amirapiratan’ny voninahitra
                                            any amin’ny fitoerana any an-danitra.

5. E, ry Mpamonjy sarobidy itsaohan’ny fanahinay !
Ry Zanak’ondrin’Andriamanitra
                                     hany mendrika ny haja sy ny vonina­hi­tra !
Aoka anie ny zava-drehetra etỳ an-tany, toy ny any an-danitra,
Hiara-manambara ny herinao, ny fahefanao,
                                          ary ny fahalehibea­za­nao faratampony !

6. Eny, ny hira fiderana ho voninahitry ny Ray
Dia misandratra avy atỳ am-ponay, babon’ny fitiavany ;
Ary dieny izao ilay fihirana mandrakizay atomboka etỳ an-tany
Dia efa manandratra sy manome voninahitra ny Ray sy ny Zanaka !

  12  

Ho an’Ilay namonjy antsika anie,
Ho an’Ilay nanadio antsika tamin’ny rany,
Ny fanjakana sy ny famirapiratana !
Mendrika ny Zanak’ondry, handray ny harena, haja, hery, fahefana,
{ Fahalehibeazana, fahendrena ary faherezana } (2).

  13  

1. Ndao isika hankalaza ny fitiavana sy ny hery ananan’ny Mpamonjy,
Mbamin’ny fietreny lalina sy ny fankatoavany feno.
Tonga Izy, ary nandresy ireo rehetra fahavalontsika ;
Ary izy ireo, tamin’ny hazofijaliany,
               dia {nataony eo am­ba­nin’ny ton­gony ho mandrakizay} (2).

2. Ndao isika hankalaza ny fahamoram-panahin’Ilay Tompon’ny aina :
Ho antsika dia niaretany ny hazofijaliana sy ny fanambaniana ;
Nanafaka antsika ho mandrakizay Izy, tamin’ny nahafatesany ;
Ary isika dia iantefan’{ny fitiavany mamy indrindra} (2).

3. Ndao isika hankalaza ny fahamarinana lavorary ananan’ny Mpamonjy :
Efa noreseny ny teti-dratsin’ilay fahavalo fetsy ;
Nandresy ny fahafatesana Izy, nitsangan-ko velona ;
Ny voninahiny no voninahintsika, {ary ho mandrakizay izany} (2).

4. Ndao isika hankalaza ny fahalehibeazana tsy misy fetra
Ananan’Ilay nanolotra ny ainy ho sorona, mba hamonjeny antsika.
Tonga Izy, ao anatin’ny famirapiratana, ary tsy ho ela ny masontsika
Dia hibanjina Azy {ho mandrakizay any an-danitra} (2).

  14  

1. Ry famirapiratr’Andriamanitra, ry endrik’Andriamanitra lavorary,
Ry Zanaka mandrakizay itsaohan’ny anjely,
Voninahitra anie ho an’ny anaranao,
Ianao irery Izay hohajain’ny olona rehetra mandrakizay !

2. Tonga avy tany an-danitra Ianao, nanolotra ny tenanao ho sorona ;
Ary tamin’ny alalanao irery
                               no nanomezam-boninahitra an’Andria­ma­nitra :
Ny fahamasinany, ny fitiavany, ny fahamarinany,
Ny hazofijalianao, ry Jesoa, no nankalaza izany rehetra izany.

3. Ary ankehitriny dia Andriamanitra mihitsy no nanandratra Anao
Any amin’ny toerana avo any, eo anilan’ny Lehibe,
Hitanay Ianao any, misalotra voninahitra faratampony,
Ianao, Ilay Zanak’olona, Ilay Olona nitsangan-ko velona indray !

4. Mitsaoka Anao izahay, Ianao izay manana satroboninahitra
Mampahatsiaro amin’ny fonay ny nijalianao sy ny nahafatesanao !
Ry Tompo Jesoa ! tsy ho ela intsony, manodidina ny sezafiandrianana Dia hiray fo mandrakizay izahay no hidera anao.

  15  

1. Manome ny fahasoavana sy ny voninahitra Ianao,
Ry Tompo Andriamanitray, Rainay ao amin’i Jesoa !
Isaorana anie ny anaranao, eo anivon’ny olom-boafidinao rehetra !
{Ary ny fahasambaran’izy ireo, dia ny mino Anao} (2).

2. Nomenao anay ny fahasoavanao, nampidina tatỳ anatin’ny fonay
                                         ny fiadananao mamy, Andriamanitra ô !
Sambatra izahay, dieny etỳ an-tany,
                                         afaka miditra malalaka any an-danitra :
{Any an-danitra any, mamirapiratra ny tavanao} (2).

3. Notendrenao ho amin’ny voninahitra izahay,
Voninahitra isaloran’ny Zanak’ondry ao amin’ilay tanàna masina ;
Hiaraka aminy izahay, ao anaty fahasambarana,
{Fahasambarana vokatry ny asa fanoneram-pahotana nataony} (2).

4. Ry Andriamanitry ny fahasoavana, Andriamanitry ny voninahitra !
Iantefan’ny fitiavanao izahay, manana ny Fanahinao,
Ka tonga mba hitsaoka Anao, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy,
Jesoa Kristy, {Ilay Masina, Ilay Fanavotana
                  (na : Fanatitra fampiononam-pahatezerana) ho anay} (2).

  16  

1. Hihira ho Anao, ry Andriamanitra fitiavana,
          Andriamanitry ny fahamarinana, Andriamanitry ny voninahitra,
Hitsaoka Anao, hisaotra Anao, hifaly ao aminao,
Hankalaza ny fandresena ho mandrakizay azon’i Jesoa :
Izany rehetra izany no anjara feno fitahiana noraisin’ny finoanay.

2. E, deraina anie ny anaranao : ny fahasoavanao mahatalanjona
                    dia nivelatra taminay tamina fomba tena mahafinaritra.
Nitsitra tao anaty alina izahay taloha, fa ankehitriny kosa
Ny tavanao dia mampamirapiratra atỳ am-ponay
                                           ireo tara-pahazavany mamy indrindra.

3. Zanakao izahay : ilay anaranao mamy aoka izany hoe Ray
Dia mameno anay fahasambarana, fahazoana antoka ary fiadanana.
Mampianatra sy manazava anay ny Fanahinao,
                                                      Izay antoka sady tombo-kase,
Ary afaka manatona malalaka Anao mandrakariva izahay.

4. Ny fitiavanao, ry Jesoa, ny fahafatesanao, ary ny fiainanao
No nahatonga anay ho mendrika hahazo
                         izany anjara tsara tsy hay ambara amin-teny izany.
Tsy hisy aminay ireto, anie, na iray aza, fo hanadino fa
                                  ny hanome haja Anao no nanokananao anay.

  17  

1. Ry Jesoa Kristy, fahafenoana tsy hay ambara amin-teny,
                                                          fahafenoan’Andriamanitra !
Ry harena mirakitra hery sy fitiavana {tsy mety ritra} (2) !
{Ry Zanaka mandrakizay} (2), {voninahitry ny lanitra} (2) !
Ao amin’ny fiadananao, ry Jesoa, ny Fiangonanao ankamamianao
{Dia mitsaoka Anao sy manetry tena} (3).

2. Mitoetra eo ankavanan’ny Ray Ianao, ry Jesoa,
Mitafy hery, voninahitra, {ary fahazavana} (2).
{Ry Andriamanitra Mpamonjy} (2), {ny fonay manontolo} (2)
Miankohoka eo anatrehanao, dia maneho fankatoavana Anao
                                     sy manolotra {fahendrena, haja, hery} (3).

  18  

1. Any an-danitra any, eo an-tsezafiandrianan’ny Ray,
Hitanay Ianao, ry Mpanavotra, ao anaty fitsaharana sy fahazavana,
                                                      mitafy hery sy famirapiratana.
Vita ny asa vokatry ny fahasoavana,
                              nipetraka tao amin’ny Fitoerana masina Ianao ;
Omena Anao any ambony any ny voninahitra, ry Zanak’Andriamanitra,
                                             ary manoa Anao ny zavatra rehetra !

2. Mandresy izahay, satria nandresy Ianao,
Ry Tompo Jesoa, Mpamonjy mahery, mialoha lalana ny olo-navotana,
Ao amin’ny voninahitra, any amin’ny toerana avo any an-danitra any !
Eny, miankina tanteraka aminao ny fanantenanay ho an’ny lanitra,
                                                    ary azo antoka ho mandrakizay,
Ry toky mafy orina ho an’ny fonay, sy anton’ny finoanay ka isaoranay !

3. Haja ho Anao, ry Lohan’ny Fiangonana !
Tsy ho ela intsony dia hipetraka eo anilanao Ilay hampakarina,
                                                        iantefan’ny fankasitrahanao,
Ary tsy hitsahatra intsony hisaotra Anao Ilay Tompony.
Endre, fientanana masina ! hafaliana tsy hay ambara amin-teny
Ny hisitrahanay ny fahatsaran-tarehinao
            sy ny fitiavana tsy hay lazaina, izay hameno ny mandrakizay.

  19  

1. Ry Andriamanitra fitiavana, Andriamanitry ny fahasoavana rehetra,
Tianay ny mivory eo ambanin’ny fijerinao malefaka,
Mba hitsaoka Anao sy hisaotra Anao.
Enga anie, ao anatin’ny fiadanan’ny fanatrehanao,
Mba hisy fanompoam-panahy tena izy, atolotra Anao :
Fanompom-panahy mitondra ny fankasitrahana
Sy ny fofo-manitry ny anaran’i Jesoa.

2. Ry Tompo ô ! Fenoy amin’ny fahamoram-panahinao
                                       tsy hay ambara amin-teny ny fanahinay ;
Ataovy tsapanay ny afo miredareda maneho ny fitiavanao midadasika ;
Koa amin’izany anie dia hipololotra avy atỳ am-ponay
                                 amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ny fiderana,
Mba hihiranay ny famindramponao
                                          sy ny fitiavanao ao amin’i Jesoa Kristy.

3. Tianay ny maka ny toerana ametrahan’ny asan’i Jesoa anay ;
Ary manara-dia Azy izahay,
Miditra hatrao an-danitra, nandraisanao Azy.
Ao, ao amin’ny Toeramasinao
Misokatra mandrakariva ho an’ny finoana, ry Rainay,
No miakatra any Aminao, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, ny fiderana.

  20  

1. Endre ! mahafinaritra ny maha iray ny Fiangonanao, ry Tompo Jesoa !
Ary mahafaly Anao ny mahita azy !
Noho ny fitiavanao azy, dia nanolotra ny tenanao ho azy Ianao :
Tianao mba ho eo anilanao any an-danitra izy io.

2. Rehefa ny fonao, ry Jesoa, no mampivory anay manodidina Anao,
Ao amin’ny fitiavanao izay tsy mba miovaova,
Endre ! mahatretrika erỳ ny miara-mitsaoka
Sy manambara ny nahafatesanao sy ny hiverenanao.

3. Endre ! mamy anie ny fanompoam-panahy iarahan’ny mpirahalahy,
Ka ny Fanahy Masina no mitarika anay amin’izany,
Ao amina antsan-kira sy vavaka
Iarahanay rehetra manolotra amin’ny fo iray.

4. Eny, eo tokoa, ry Tompo, ny fanatrehanao
Mametraka ny fonay ao anaty fifaliana sy fahafahana ;
Ary manam-piadanana ny mpino tsirairay,
Mahatsapa ny herin’io fanatrehanao io sy ny maha tena misy azy.

5. Ary mba hanao ahoana re ilay andro hoe tafangona any an-danitra ambony any ny Fiangonanao, hahita Anao !
Endre ! fientanana mahafinaritra, fifaliana tsy hisy fetra,
Rehefa hitsaoka Anao ao anatin’ny voninahitra izy !

  21  

1. Ry Mpanavotra mendrika hitsaohana,
Nanasa anay indray Ianao androany, hivelona Aminao.
Atsanganao eto amin’izao taniefitra izao ity Latabatra ity,
Latabatra mampahatsiaro anay ny fitiavanao.

2. Mivory manodidina Anao, ry Tompo, ny Fiangonanao,
Mba hanambara mandra-piavinao ny nahafatesanao ;
Ary dia mamaky ny mofo sy misotro amin’ny kapoaka izahay,
Mofo sy kapoaka mampahatsiaro anay ny fitiavanao.

3. Endre ! ny tsy fahamarinanay dia nampitambesatra teo an-dohanao
Fanaintainana tsy hay ambara amina teny ;
Fa ankehitriny kosa, am-piadanana no ankalazanay
Ny fety mampahatsiaro anay ny fitiavanao.

4. Mankafy izao mofo izao izahay ary misotro izao fisotro izao,
Ka amin’izany ny masonay dia mitady Anao
                                          any amin’ny fitoerana any an-danitra ;
Tsy ho ela dia hahavita izao fivahiniana izao izahay,
Ka hahatakatra tanteraka ny fitiavanao.

5. Isaoranay Ianao, Jesoa, Mpamonjy mamy, tsy miova !
Any an-danitra izahay koa dia hahita Anao tsy voatakona aloka,  
Ary ao amin’ny voninahitrao mandrakizay izahay no hankalaza ny fidadasikin’ny fitiavanao.

  22  

1. {Apetrakao eto anoloanay} (2), ry Jesoa,
{Fahatsiarovana tena mamy} (2) milaza ny nijalianao,
Mba hanafahanao anay.
Eny, izao Latabatra masina izao, ry Mpamonjy mendrika hitsaohana,
{Dia mampahatsiaro ny fitiavanao,
Ny nahafatesanao, ary ny hiverenanao} (2).

2. {Io kapoaka io sy io mofo io} (2), atolotry ny tananao ho anay,
{Dia famantarana azo antoka} (2)
                                  mampiseho ny fahasoavanao tsy mba miova.
Tsy miteny izy ireo, nefa amin’ny vanimpotoana rehetra mifandimby,
Dia manambara {amin’ny olom-boafidinao tsirairay,
                                                        ny fitiavanao ry Jesoa !} (2).

3. {Ndao hiray fo hihira} (2) ny fahasoavana tsy hay ambara amin-teny
                                                     sy ny fitiavana lalina indrindra,
Fahasoavana sy fitiavana {ananan’Ilay Mpanavotra antsika} (2) !
{Ndao isika rehetra hiombona tanteraka} (2),
Hanome am-pankasitrahana ny voninahitra sy fahefana
{Ho an’Ilay Zanak’ondry novonoina} (2).

  23  

1. {Voninahitra ho an’Ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra !} (2)
Noho ny sorona nataony,
Dia ara-drariny no anomezany antsika
{Fahafahana miditra ao amin’ny Fitoerana masina indrindra !} (2)
Ianao Izay itsaohan’ny anjely,
Mba ekeo re ny fideran’{ireto izay entina eo aminao
amin’ny alalan’ny finoana} (2).

2. {Ry Mpamonjy mamindra fo mandrakariva !} (2)
Tianay ny mahatsiaro Anao,
Eto am-piandrasana ny voninahitry {ny hisehonao} (2).
Enga anie mba ho avy ilay fotoana
Handraisana anay ho ao amin’ny fonenanao
{Ka hilazanay ho mandrakizay ny fahamoram-panahinao !} (2).

  24  

1. Ry Zanak’ondry, sorona fanonerana ota !
Banjininay ny fitiavanao,
Ny fahafatesanao nihoson-dra, ary ny fandresanao
Hamonjenao anay vahoaka navotanao.

Famerenana :
Tafangona manodidina ny latabatrao izahay,
Ary mankalaza ny fitiavanao ny fonay ;  
Eo am-pitsaohana Anao, ry Mpamonjy be fitiavana,
Dia miandry ny hiverenanao am-boninahitra izahay.

2. Izahay, izay taranaka meloka,
Dia nahita tao amin’ny hazofijalianao
Fiadanana lavorary, fahasoavana tsy hay ambara amin-teny,
Hery ary fahasambarana  —eny, izany rehetra izany.

Famerenana...

3. Notafiana fahamarinana ao Aminao izahay
Ary nodiovina tao amin’ny ranao sarobidy ;
Ka mampahatsiaro ny sorona nataonao,
Sorona nanokatra ho anay ny fidirana ao an-danitra.

Famerenana...

4. E ! Ry Malala ! ny fiainanao anie
Mba ataovy mamiratra atỳ amin’ny olonao rehetra etỳ an-tany :
Aoka anie mba hanome voninahitra Anao ny tsirairay amin’izy ireo,
Ianao izay mameno anay amin’ny zavatsoa rehetra.

Famerenana...

  25  

1. Eo anoloan’ny sezafiandrianan’ny Ray
Izay itoeran’Ilay Lehibe,
Ny masonay, ry Tompo, dia mibanjina
Ny hatsaran-tarehinao mahafaly indrindra.
Ny voninahitra isaloranao
Ao amin’ny famirapiratry ny maha Andriamanitra Anao
Dia manazava anay ary mandefa taratra
Hatratỳ anaty fonay lalina indrindra.

2. Nefa tsy ny voninahitry ny tavanao irery ihany
No mahasarika,
Satria ny fahasoavanao koa, izay tsy hay ambara amin-teny,
Dia mamirapiratra eo amin’ny endrikao, ry Jesoa.
Fahasoavana no nitaona Anao hidina
Teto amin’izao tontolo mikomy izao :
Tonga teto Ianao mba hanompo
Sy hizaka eo amin’ny tenanao ny tsy fahamarinanay.

3. Vaka tanteraka ny fanahinay,
Manoloana izany fitiavanao mendrika isaorana izany,
Fitiavana midadasika noho izao fivelaran-toerana izao
Sady lalina tsy hita noanoa ;
Noho izany ny fonay dia maniry ny fotoana hiverenanao,
Mba hahitanay, handinihanay ary hilazanay
Ny halehiben’ny fitiavanao.

  27  

1. Eo anoloan’ny sezafiandrianan’ny fahasoavana
Dia mitsaoka Anao izahay, ry Andriamanitray,
Satria mba hahafahanay misitraka ny fanatrehanao,
Dia afaka miditra ao amin’ny Fitoerana masina izahay,
                                                                amin’ny alalan’i Jesoa.

2. Ny mofo avy any an-danitra, izay mahavoky, no nanjary sakafonay ;
Ao amin’i Jesoa izahay dia manana ny aina
                                                        izay maharitra mandrakizay.

3. Ho takalon’ilay kapoaka mangidy noraisiny avy amin’ny fahamarinanao,
Io Mpanavotra manetry tena sady malemy fanahy io
Dia nanome anay kosa ny kapoaky ny famonjena.

4. Tsy ho ela intsony, rehefa heno ny feon’ilay Arikanjely
Ary hampiakarina any amin’ny fitoerana any an-danitra izahay,
Dia hiredona ny fiderana Azy ary hahita Azy...
Endre ! ho andro tsara toy inona anie izany !

  29  

1. Endre izany zara tsara avy amin’Andriamanitra !
Harena tsy hita pesipesenina !
Fantatsika Jesoa sy ny tanany feno fitiavana.
Noho ny fahasoavany dia notsoahiny teo anivon’ny mpanota isika,
Mba hanokanany {mpitsaoka tena izy} (2) ho an’Andriamanitra.

2. Hitan’Ilay Andriamanitra masina fa ny fahamarinana dia tanteraka
Tao amin’Ilay Adama farany, Izay hany nanome voninahitra Azy :
Izy io no Ilay Malalany, anton’ny faniriany,
Izy io no {nahita ny fifaliany rehetra} (2) tao amin’ny lalànany lavorary.

3. Andriamanitra ô ! Nomenao Jesoa, noho ny fitiavanao midadasika.
Notanterahiny avokoa ny zava-drehetra, mba ho fanafahana anay :
Izy no fahamarinanay sy fahamasinanay,
Ny ainy no ainay, {ary ho mandrakizay izany} (2).

4. Noho ny fahasoavanao tsy hay ambara amin-teny,
Dia efa nifidy anay Ianao, tamin’ny fotoana taloha indrindra :
Zava-miafina tsy hay takarina izany !
Ary ankehitriny, Andriamanitra ô, isanandro ny Fanahinao
Dia mampahafantatra aminay ny Zanakao
{Sy ny fonao feno fitiavana} (2).

  31  

1. Mba hamonjeny olona ratsy fanahy, Ilay Tompon’ny aina
Dia niaritra ny fampijaliana rehetra sy ny fanambaniana.
Voninahitra ho an’Ilay Zanaky ny Avo indrindra !
Voninahitra ho Anao, ry Zanak’ondry masina !
Raiso ho Anao ny fonay, satria tambiny ho Anao izany ;
Tambiny azonao teo amin’ny havoanan’ny Kalvary,
Ry Andriamanitra Mpamonjy.

2. Ilay fahafatesanao nampanaintaina Anao mafy dia mafy
Dia nanafoana ireo heloka bevava nataonay :
Nakatonao tao ambanin’ny tongotray ny hantsana mampihoron-koditra.
Voninahitra ho an’Ilay Zanaky ny Avo indrindra !
Voninahitra ho Anao, ry Zanak’ondry masina !
Derainay Ianao, ry Tompo, Izay nijaly
Ka nahazoanay fiadanana, fahasambarana ary fanafahana feno.

3. Eny, mba hampanankarena anay
Amin’ny fananana ny lanitra sy fananana Anao,
Dia nekenao am-pitiavana ny nampahantra ny tenanao,
Ianao Ilay Andriamanitra faratampony.
Voninahitra ho an’Ilay Zanaky ny Avo indrindra !
Voninahitra ho Anao, ry Zanak’ondry masina !
Raiso avy amin’ny fonay ny fitiavana sy ny fanajana ;
Aoka anie izany mba ho Anao irery tsy zaraina,
Ry Mpamonjy, Ianao Izay Andriamanitra !

4. Atsanganao eo anoloanay isanandro,
Ry Mpiandry mendrika hitsaohana,
Ny latabatra misy ireo zavatsoa vokatry ny fitiavanao.
Voninahitra ho an’Ilay Zanaky ny Avo indrindra !
Voninahitra ho Anao, ry Zanak’ondry masina !
Diboka hafaliana, ry Tompo, ireo malalanao
Mankafy ny fikarakarana sy tambitamby avy amin’ny fonao !

5. Miroso am-piadanana any amin’ny lovanay izahay ;
Ianao no anjara azo antoka ho anay mandrakizay.
Voninahitra ho an’Ilay Zanaky ny Avo indrindra !
Voninahitra ho Anao, ry Zanak’ondry masina !
Endre, ry Mpanavotra, Ianao Izay Andriamanitra,
Ho Anao Izay tia anay anie ny hery, faherezana, haja
Ary fiderana faratampony !

6. Mandritra ny mandrakizay izahay dia hilaza ny voninahitrao,
Ny fitiavanao lehibe, ny fandresenao masina.
Voninahitra ho an’Ilay Zanaky ny Avo indrindra !
Voninahitra ho Anao, ry Zanak’ondry masina !
Raiso ho Anao ny fonay, satria tambiny ho Anao izany ;
Tambiny azonao teo amin’ny havoanan’ny Kalvary,
Ry Andriamanitra Mpamonjy.

  32  

1. Iza re no hankalaza, iza no afaka hahatakatra
Ny fitiavana nitaona Anao hidina avy any an-danitra, ry Jesoa,
Nitondra Anao tao Getsemane io, tao Golgota nihoson-dra io ?
Tao Ianao no voatsatokin’ireo zana-tsipìkan’i Jehovah.

2. Tsy ireo tafikao any an-danitra, ry Tompo,
Na ireo asanao nafafy be dia be aoka izany hatraiza hatraiza,
Na ny halalin’ireo ranomasina, na ny haavon’ny lanitra
—Tsia, tsy ireo no afaka hankalaza ny fitiavanao mahatalanjona.

3. Endre, ry Jesoa, samy tsy hay ambara amin-teny
Ny fitiavanao sy ny fahasoavanao ;
Iza no hanandratra an’ireny, raha tsy izahay ireto, olo-meloka
Izay Ianao mihitsy no nanao anay ho mpanjaka sy mpisorona ?
Ary noho izahay no niaretanao ny fahafatesana
Sy ny fangorohoroana mifamatotra amin’izany.

4. Eny, ireo olona navotanao irery, ao anatin’ny fihobiany masina,
No hihira ny fahamoram-panahinanao,
Hisaotra Anao noho ny hamaminao.
Nalainao ho Anao izy ireo, ry Jesoa, tamin’ny alalan’ny ranao sarobidy,
Ary hiaraka Aminao ho mandrakizay any an-danitra.

  34  

1. E ! ry Tompo ! Ianao Izay nanomana any an-danitra any
Ny toerana horaisin’ireo olonao, indray andro any, miaraka Aminao,
Tianay ny mankalaza ny fahamarinanao sy ny fahasoavanao,
{Ny fitiavanao, ry Mpamonjy,
ny fitiavanao tsy hay ambara amin-teny.} (2)

2. Eny, ry Tompo, tonga eto amin’ny fanatrehanao masina izahay,
Mankafy ny hamamin’ny fiombonana Aminao ;
Na izany aza anefa, eto amin’izao tany izao,
Dia tsapanay ny tsy maha eto Anao,
{Eto am-piandrasanay ilay andro hihaonana aminao.} (2)

3. Hanetriketrika aoka izany moa, ho an’ny Fiangonanao masina,
Ny fotoana hampidiranao azy any an-danitra any !
Ho fenon’ny fiadananao izahay Fiangonanao, ho fenon’ny voninahitrao,
{Ao amin’ny sakafon’ny fampakarambady, eo anatrehan’ny lanitra.} (2)

4. Eo am-piandrasana izany, ry Tompo, dia raisinay eto an-tany
Izao sakafo nomaninao ho anay izao, noho ny ny fitiavanao ;
Ary izany no fomba anambaranay ny fahasoavanao namonjenao anay,
{Ireo fijalianao, ny fahafatesanao, ary ny fiverenanao tsy ho ela.} (2)

  35  

1. Toy ny zanak’ondry Ianao, nanaiky hotorotoroina noho ny fahotanay,
Nanaiky hotorotoroina Ianao, Ilay Mpamonjy izao tontolo izao.
Endre ! fitiavana mamy anie izany ! Endre ! famindrampo lalina !
Ny hoe tonga Ianao Jesoa, ho faty, mba hamonjenao anay.

2. Niaritra ny fangirifiriana mafy indrindra Ianao,
Noho ny tsy fahamarinanay. Tamin’io fotoana io
Ny fahafatesanao no nanapatapaka ny fatoranay sy ny gadranay,
Ary nahazo famotsoran-keloka sy fahasambarana ho anay Ianao.

3. Amen, ry Tompo ! Amen, ho Anao, ry Jesoa,
Ny fahefana, ny haja, ny voninahitra, ny fahendrena, ny fanjakana !
Dieny ankehitriny, ny fonay dia afaka miteny aminao hoe :
« Hisaorana anie Ianao, ry Mpanavotra tsitoha ! »

  38  

1. {Endre ! fitiavana avo indrindra !} (2)
Endre ! fanetrentena lalina indrindra !
Naka ny toetrantsika ny Zanak’Andriamanitra.
{Tonga Izy, niaritra fanakantsakanana sy latsa} (2),
Ary maty teo amin’ilay hazo voahozona
Mba hamonjy ny voariny.

2. {Nefa Kristy, Zanak’Ilay Andriamanitra mahery} (2),
Novonoina noho ireo fahotantsika,
Dia nitsangana tamin-kery.
{Ndao isika olom-boafidiny} (2)
Hankalaza ny fandresen’i Jesoa :
Ny voninahiny mantsy no fanantenantsika.

3. {Navotan’i Jesoa Kristy isika} (2),
Ary nitsangana ho velona indray ao aminy,
Koa ndao hihoby an-kira !
{E, ry Tompo, any amin’ny toerana avo any Ianao} (2)
Dia mitoetra am-pandresena :
Voninahitra anie ho Anao, voninahitra tsy misy fiafaràny !

  39  

1. Mibanjina Anao ao anatin’ny voninahitra izahay, ry Mpamonjy malala !
Sady migoka ny vokatry ny fandresenao, ry Mpamonjy mahery !
Ary izany dia ho mandrakizay, ao amin’ny Toeramasina
Eo ankavanan’Andriamanitra Rainao,
Ianao izay nidina tetỳ an-tany, ry Mpamonjy nanetry tena !

2. Nanjary ozona Ianao, hamonjy anay, ry Mpamonjy malala !
Niaretanao ny fangirifiriana faratampony, ry Mpamonjy malala !
Ny ranao nalatsaka sy ny vatanao notorotoroina
No nanadio anay ho afaka tamin’izay rehetra mety ho fahotana...
Ka tamin’ny alalan’ny nahafatesanao
Dia manana aina izahay, ry Mpamonjy tena mamy.

3. Tianay ny miandry Anao avy any an-danitra, ry Mpamonjy malala !
Ianao ve moa tsy efa niteny hoe : « Ho avy Aho haka anareo »,
Ry Mpamonjy mahery ?
Endre, fahasambarana tsy hay ambara amin-teny anie
Ny hahita akaiky ny endrikao mendrika hitsaohana
Sy hatao mitovy endrika Aminao amin’izay, rehefa ela niandrasana,
Ry Mpamonjy, Ianao Izay Andriamanitra.

  40  

Ianao, ry Jesoa, ny fahasoavanao, ny hazofijalianao, ny ranao sarobidy,
Ary ny fijerena ny tavanao no mahatonga anay ho marina sy sambatra.
Mitoetra am-piadanana eo aminao ny fanahinay, ry Mpamonjy malala,
Mpanatanteraka, loharano, ary anton’ny fahasambaranay mandrakizay.

  42  

1. Nitia anay hatramin’ny fahafatesana Ianao,
Ry Mpamonjy feno tambitamby ;
Ho famonjena anay, dia noresenao ilay lehilahy mahery,
Noresenao {hatrany amin’ny manda fiarovany mihitsy} (2).

2. E ! tena nitambesatra mafy taminao anie,
Nitambesatra taminao irery, nandritra ireo ora telo maizina
Ny fandaozana, ny tebiteby ary ny horohoro
{Vokatry ny fahotanay tsy hita isa.} (2)

3. Ary ankehitriny, ny tabataba nandalo teo amin’ny lohanao
Dia nodimbiasin’ny fitsaharana, amin’ny maha Andriamanitra Anao,
{Fitsaharanao noho ny asanao lavorary.} (2)

4. Manodidina Anao ireo olom-boavidinao, izay mbola etỳ an-tany,
Efa mankafy sahady ny fahasambarana {ao an-tranon’ny Ray} (2).

  43  

1. Miala aina {eo amin’ny hazofijaliana} (2) ny Kristy,
Ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra ;
Avy hatrany dia triatra ny efitra lamba, {eo amin’ny hazofijaliana} (2).
Misokatra ny Fitoerana masina indrindra,
Afaka manatona an’Andriamanitra izahay,
Noho ny asanao, ry Jesoa, izay nanolotra ny tenanao
{Teo amin’ny hazofijaliana.} (2)

2. Nasandratra avy teo amin’ny tany Ianao,
{Ho eo amin’ny hazofijaliana} (2) ;
Ho famonjena anay dia nisotro ny kapoaka mangidy Ianao,
{Teo amin’ny hazofijaliana} (2).
Tanteraky ny fitiavanao ny zavatra rehetra :
Ny mpino voadio tao amin’ny ranao
Dia mahafantatra fa voavonjy ho mandrakizay,  
{Noho ny hazofijaliana} (2).

3. Namirapiratra tao anatin’ny henatra ny voninahitrao,
{Teo amin’ny hazofijaliana} (2).
Ianao, ry Jesoa, no nahazo ny fandresena
{Teo amin’ny hazofijaliana} (2).
Anao mandrakizay anie ny hery, haja, ary fahalehibeazana,
Noho ny fandresena azonao {teo amin’ny hazofijaliana !} (2).

  44  

1. Ry rindram-peon’anjely, ry antsan-kira mirindra,
Ry feom-baliha sy fihirana, mamenoa ny lanitra !
Ao amin’ny toerana midadasika, aoka anie ilay fihirana vaovao
Mba haverina hiraina hatrany hatrany, manodidina ny Zanak’ondry !

2. Hahita Anao eo afovoan’ny sezafiandrianana ny olonao ;
Tsy misy tsy ho eo amin’ny handrinao ny satroboninahitra ;
Ary samy hasehon’ny tananao noloahina
Ireo fanaintainana niaretanao fahiny
Sy ny fitiavana nasehonao teo amin’ny hazofijaliana.

3. Endre, fahasoavana tsy manam-petra !
Novonoina Ianao, natolotrao ny ainao, nandriaka ny ranao !
Ary izany dia mba hahafahana mitsaoka ao amin’ny Toeramasina
Ilay Andriamanitray, dia ny Rainao, Izay hajain’ny rehetra.

4. Rindram-peon’anjely, antsan-kira mirindra,
Feom-baliha sy fihirana no mameno ny lanitra :
Haja, hery, voninahitra, fanajana tsy hisy fiafarany anie !
Ho an’Ilay Andriamanitra Mpandresy
Sy Ilay Zanak’ondry, Izay Andriamanitra.

  45  

1. Ry Zanaky ny Avo indrindra, Ianao Ilay igagana !
Mamirapiratra eo amin’ny handrinao, araka ny hatsarany,
Ny fitiavan’ny Rainao tsy hay ambara amin-teny
Sy ny halehiben’ny voninahiny.
Tohanan’ny tananao ilay tontolo midadasika
Navoakan’ny teninao avy tamin’ny tsy misy ;
Ny zava-drehetra dia manambara ny fahendrenao lalina
Ary mankalaza Anao, ry Andriamanitra mahery !

2. Tao an-tratran’ny Ray Ianao, teo amin’ny fanatrehany,
Ary anton’ny fifaliany isanandro ;
Iray Ianao sy Izy, ao amin’ny fahefany sy ao amin’ny fitiavany ;
Koa zava-miafina lalina tsy hita noanoa ny hoe
Tianao ny nandao ny voninahitry ny Fitoerana masina,
Ka ho tonga ao amina tontolo meloka,
Mba ho faty ao, ry Zanak’ondrin’Andriamanitra !

3. Fitiavana faratampony, fahasoavana tsy misy fetra !
Hitanay Ianao, ry Olombelona sady Andriamanitra,
Nandia ny lalanao feno fangirifiriana,
Nanomboka tao anaty tavy fanisiana sakafom-biby
Ka hatramin’ny nialanao aina teo amin’ny hazofijaliana.
Vahiny sy nankahalaina Ianao tetỳ an-tany,
Sady nilaozan’ireo olonao mihitsy aza ;
Ary farany dia nosotroinao ny kapoaka mangidy,
Tao an-tsahan’i Getsemane.

4. Dia nozakainao, nandritra ireo ora maizina teo amin’ny hazofijaliana,
Ry Kristy Sorona masina, ny fanamelohana ny heloka bevava nataonay
Sy ny vesatry ny fahatezeran’Andriamanitra manontolo.
E, ry Tompo ! manome voninahitra Anao izahay.
Hohirain’ny fonay ho mandrakizay, amina fientanana masina,
Ny fandresenao sy ny fitiavanao nandresy ny fahafatesana.

  46  

1. Ry fitiavana madio, fitiavana lalina tsy hay takarina,
Ry tenan’Ilay Andriamanitra faratampony
Izay nanome ny Zanakao Lahy mihitsy,
Mba hampahafantaranao ny tenanao !
Afaka nahita Anao ny masonay ary nikasika Anao ny tananay,
Teto amin’izao tontolo milona ao anaty alin’ny ota izao.

2. Rakotry ny haizim-pito izao tontolo jamba izao, nandritra ireo ora telo,
Fa Ianao kosa namirapiratra teo amin’ny hazofijaliana,
Ianao, Ilay Lehilahy lavorary, Zanak’Ilay Andriamanitra masina,
Zanak’Ilay Andriamanitra mahery,
Zanaka nafoy, niaritra ny fahatezerana, ary maty.

3. Nijaly Ianao, ry Jesoa Mpamonjy, ry Zanak’ondry natao Sorona ;
Ny masonao mahajery tsy misy fetra, nitsinjo ilay hantsana be ;
Ary ny fonao lehibe tsy voafetra, nizaka nandritra io fotoana fohy io,
Nizaka ny vesatry ny fanamelohana mandrakizay sahaza anay.

4. Niteny Izy hoe : « Vita », nanondrika ny lohany, dia niala aina !
Ary tampoka teo dia triatra ny efitra lamba ;
Voadio isika, nohamarinina, nanjary lavorary
                                        no miditra ao amin’ny Fitoerana masina,
Eo amin’ny fahazavan’ny tavan’Andriamanitra, fahazavana feno.

5. Endre ! Feno fiandrianana ny fandresen’ilay fitiavana any an-danitra !
Ny hazofijalianao dia nampamirapiratra
                                        ny voninahitr’Ilay Andriamanitra masina,
Sady mamonjy anay sy mameno ny vavanay mbamin’ny fonay
Amin’ny fihirana mandrakizay ataon’ireo mpitsaoka tena izy.

  47  

1. Ianao, Ilay Zanaka Lahitokana mandrakizay ao an-tratran’ny Ray,
Zanaka mamin’ny fony, any amin’ny toerana avo indrindra any,
Talohan’ny nisian’ny atao hoe fotoana, dia efa noheverinao ny tany,
Izay tianao hidinana indray andro any.

2. Nahafaly anao ny nahita ireo zanaky ny olombelona,
Ka tonga Ianao nitafy vatana namboarin’Andriamanitra mihitsy ;
Zaza nanetry tena Ianao, teraka ambany noho izahay.
Zava-miafina lalina izany, zava-miafina nohobian’ny anjely !

3. Hitanao hatramin’ny farany ny toerana mahantra indrindra nisy anay, Dia ny faharatsiana mangitsokitsoka nahatafalatsaka anay ;
Natolotrao ny ainao hamonjenao anay,
                                              ry Mpamonjy mendrika hitsaohana !
Latsaka ny ranao mba hanalanao ny fahotanay.

4. E, ry Kristy nitsangana tamin’ny maty, mihira ny fandresenao izahay ;
Ilay Andriamanitrao dia nampisatroka fahefana sy haja Anao,
Ary tonga Ianao haka anay, ry Jesoa, mba hahitanay ny voninahitrao,
Mba ho eo akaikinao ao amin’ny fahasambarana mandrakizay izahay.

5. Ry Zanak’ondry nomem-boninahitra, Mpamonjy feno tambitamby,
Ianao izay nitia anay tamina fitiavana tsy manam-petra,
Tafangona amin’ny anaranao izahay ary feno hafaliana,
No mitsaoka Anao, ry Tompo. Hisaorana mandrakizay anie Ianao.

  48  

1. Endre, Ianao izay manana fo tia anay,
Ry Andriamanitra feno fahasoavana sy fitiavana !
Ao an-danitra mihitsy izahay no miditra, mba hitsaoka Anao anio.

Famerenana :
Tafangona eo ambany masonao ny ankohonanao, ry Ray ;
Notahinao ao amin’ny Zanakao izahay, ary natokanao ao aminy.

2. Voninahitra toy inona anie, ho an’ny zanakao,
Ny hoe mibanjina Ilay Andriamanitra mahery
Sy mihira ny fandresen’i Jesoa Kristy novonoina !

Famerenana...

3. Fahasoavana toy inona anie, ry Ray mamy,
Ny hoe mahafantatra ny fitiavanao,  
Eto am-piandrasana etỳ an-tany ny fiverenan’Ilay Zanakao masina !
Tonga Izy: fahasambarana tsy hay ambara amin-teny izany !
Mihirà, ry Fiangonan’ny Tompo.
Tsy ho ela ianao dia hitovy amin’Ilay Mpanavotrao mahery.

  49  

1. Mitia Anao, ry Jesoa, mahafantatra Anao,
Mitsahatra eo an-tratranao ;
Manana Anao ho Namana, ho Mpampianatra,
Ary ho fisotro sy fihinana ;
Mankafy am-piadanana ny fahasoavanao ;
Migoka ny fahombiazana masina ananan’ny fahafatesanao,
                                                                ry Mpamonjy mahery :
Endre ! Zava-mamy tsy hay ambara amin-teny izany rehetra izany !

2. Endre ! fahasambarana tsy hay ambara
Ny hoe manana Anao ho Mpiandry !
Ianao izay mamy mandrakariva sady vonona lalandava hamonjy,
Tsy afaka hivadika amin’izany ny fonao.
Noho ny fitiavanao faratampony,
Dia nidina tetỳ an-tany Ianao,
Ka Ianao mihitsy no nitady ireo ondrinao
Sy nandray azy ireo ho eny an-tsandrinao.

3. Fenoinao amin’ireo fahasoavanao izahay,
Fantatrao ny anaranay tsirairay ;
Tarihinao izahay hanaraka Anao ho any amin’Ilay trano any an-danitra.
Tianao holazainay anao ny fahalemenay sy izay rehetra manjo anay ;
Fitiavana anie izany e !
Tianao mandrakariva ny hamela heloka sy hanasitrana anay.

  50  

1. Jesoa no Ilay namantsika lehibe indrindra.
Endre ! fitiavana anie izany e !
Tiantsika Izy, mihoatra noho ny fitiavan’izay rahalahy mamy.
Endre ! fitiavana anie izany e !
Etỳ an-tany, mandalo avokoa na ankohonana na sakaiza ;
Miseho ny fahasambarana, dia manjavona ;
Ny fony irery kosa no tsy mba mety sasatra, na oviana na oviana.
Endre ! fitiavana anie izany e !

2. Izy no fiainana mandrakizay ho antsika.
Endre ! fitiavana anie izany e !
Ndao hankalaza ny asany, izay tsy ho levona mandrakizay.
Endre ! fitiavana anie izany e !
Nodiovina tamin’ny rany ny fanahintsika :
Fanahintsika hitany tany an-taniefitra,
Ary novonjeny araka ny fahasoavany.
Endre ! fitiavana anie izany e !

3. Nanolotra ny tenany ho sorona Izy.
Endre ! fitiavana anie izany e !
Ny mitahy antsika no tena zava-mamy aminy.
Endre ! fitiavana anie izany e !
Aoka anie hihaino ny feony ny fanahintsika,
Ary hiaina am-piadanana mandrakariva,
Hiaina tsy hatahotra na oviana na oviana,
Hiaina milamina eo anilan’ny fony,
Hiaina ao anatin’ny fitiavany.

  51  

1. Voninahitra anie ho an’Ilay Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy,
Amin’ny vanimpotoana rehetra hifandimby !
Ho Azy irery ihany anie ny fanapahana sy ny haja !
Ny fanahinay anie, ao anatina fientanana masina,
Hanandratra sy hanambara Ilay Zanak’ondry novonoina !

2. Ny fanahinay mitsaoka Anao
Izay omen’ny amboaram-peo mandrakizay voninahitra
Sady hajainy any an-danitra any.
Nosatrohina fiandrianana Ianao, any amin’ny fitoeran’Andriamanitra ;
Ary mamirapiratra eo amin’ny handrinao
                                                    ny fahasoavana sy ny fitiavana.

3. Endre ! Tsy ho ela dia tsy hisy fisalobonana intsony ny famirapiratrao,
Ry Kintana mibaliaka nisandratra atỳ am-ponay.
Endre ! fifaliana toy inona moa ny hoe hahita Anao ny masonay
Ary ireo olonao masina hifaly mandrakariva noho ny aminao !

4. Ho Anao anie ny voninahitra, ry Zanaka mandrakizay !
Nanokatra ny lanitra ho anay ny fahafatesanao, ny fandresenao.
Ho Anao Izay mitia anay ho mandrakizay
Ny fiderana faratampony, hery ary fahalehibeazana !

  55  

1. Ny vavanay manambara ny fiverenanao tsy ho ela ;
Ny fonay mangetaheta Anao, ry Mpampakatra be fitiavana.
Ry Tompon’ny aina, Mpanavotra mahery,
Miantso mafy Anao ny hampakarinao, hoe : Amen ! avia, ry Tompo !

2. Tsy ho ela izahay dia handova ny voninahitrao,
Ary handresy, satria nandresy Ianao.
Ry Tompon’ny aina, Mpanavotra mahery,
Miantso mafy Anao ny hampakarinao, hoe : Amen ! avia, ry Tompo !

  57  

1. Ry Tompo Jesoa, manana fitiavana lehibe indrindra Ianao,
Ry Ilay famirapiratry ny voninahitr’Andriamanitra,
Avia ! Avia ! misehoa re amin’ny fahatsaran-tarehinao faratampony !
Mitodika any amin’ny Fitoerana masina izahay, miandry Anao.

2. Namonjy anay Ianao, asanao izahay,
Ary hanompo Anao rehefa any an-danitra any,
Hahita Anao, ry Jesoa, sy hitovy endrika Aminao,
Ary dia hitsaoka sy hisaotra Anao ho mandrakizay.

3. Haleloia ! Fifaliana masina toy inona anie 
Ny hoe tonga ity ny fampakarambadin’ny Zanak’ondry !
Hanodidina Anao izahay, ry Malala,
Ary tsy hitsahatra intsony hihira ilay fihirana vaovao.

  58  

1. Ry famirapiratana mandrakizay
                          maneho ny voninahitra tsy hay ambara amin-teny,
Mameno ny Fitoerana masina amin’ny fahazavana sy ny fitiavana !
Mihira ny fahalehibeazanao izahay,
Mihira ihany koa ny fahasoavanao tsy hita noanoa,
Mihira Anao, Izay maty hamonjy anay,
                                         ry Zanak’ondrin’Andriamanitra masina !

2. Avy amin’ny voninahitra faratampony Ianao no nietry
Ho any amin’ny fangirifiriana lalina indrindra,
                                dia ny fahafatesana teo amin’ny hazofijaliana ;
Ankehitriny Ianao dia misandratra avo noho ny lanitra mihitsy aza,
Ka manandratra ny feonay izahay mba hitsaoka Anao, ry Jesoa.

3. Ndao hankalaza Ilay Olona sady Andriamanitra, misalotra voninahitra,
Hankalaza Ilay nivoaka mpandresy avy tao amin’ny fahafatesana,
Dia Kristy avy any Nazareta, Izay hiseho am-boninahitra,
                                                                      tsy ho ela intsony,
Hiseho eo amin’ny sezafiandrianany amin’izao tontolo rehetra izao.

  59  

1. Ndao isika hiray fo, hidera Ilay Andriamanitsika sady Raintsika ;
Mahafaly Azy mandrakariva ny fihirana hirain’ny olony masina.
Ndao hankalaza ny fitiavany, eto am-pamakivakiana izao tany izao,
{Ary hifaly ao amina Mpamonjy lavorary} (2).

2. Ndao isika hiray fo, hidera Ilay Andriamanitsika sady Raintsika,
Satria nodiovina tao amin’ny ran’ny Zanak’ondry,
Ra manana hery ahafahantsika miditra
                                           ao amin’ny Toeramasin’Andriamanitra,
{Amin’ilay lalana vaovao malalaka sady azo antoka} (2).

3. Ndao isika hiray fo, hidera Ilay Andriamanitsika sady Raintsika ;
Nopotehin’ilay Lehibentsika ny fatoran’ny fahafatesana :
Satria natsangana ho velona indray isika, ao Aminy,
Dia amin’ny alalany koa no anantenan’ny fanahintsika
{Hahatratra ilay fitodiana mahatretrika,
                                          dia ny famonjena ho mandrakizay} (2).

4. Ndao isika hiray fo, hidera Ilay Andriamanitsika sady Raintsika ;
Ankehitriny ny Tompo dia mipetraka ho antsika
                                                       ao amin’ny Fitoerana masina,
Ka ny fitsaharany feno voninahitra, taorianan’ilay kapoaka mangidy
No {fiadanana lavorary ho an’ny ondry malalany} (2).

5. Ndao isika hiray fo, hidera Ilay Andriamanitsika sady Raintsika ;
Isika dia miandry an’i Jesoa ho tonga avy any an-danitra ;
Ary amin’ny alalan’ny heriny lehibe isika
                                           dia hoesoriny teto amin’izao tany izao,
{Satria tiany hakambana mba hiaraka Aminy ho mandrakizay} (2).

6. Eny, mankalaza Anao izahay, ry Andriamanitray sady Rainay,
Andriamanitry ny fiadanana, Andriamanitra fitiavana
                                                             norombahin’ny finoanay.
Ao anatin’ny fahalemenay dia manazava anay kosa ny fahasoavanao ;
{Ary na dia tsy manana na inona na inona ary izahay, atỳ anatinay,
                       dia manana ny zavatra rehetra kosa, ao Aminao} (2).

  63  

1. Ndao isika hitoetra tsy am-patahorana, ao amin’ny valan’i Jesoa ;
Ndao hankafy ilay fahasoavana midadasika an’Ilay Mpiandry Lehibe,
Ary hisitraka ny rano mikoriana andro aman’alina
Avy eo amin’ny sezafiandrianana natsangany ho antsika,
                                                                      noho ny fitiavany.

2. Ndao hitsahatra am-pilaminana eo amin’ireo ahi-maitso vokatra be ;
Tsy misy na inona na inona atahorana isika,
                                       na mafy toy inona aza ny oram-baratra ;
Momba antsika Jesoa Kristy, ary miaraka amintsika mandrakariva ;
Koa ndao hitoetra lalandava eo anilan’io Mpiandry mamy aoka izany io.

3. Miredareda ho antsika ny fony, io fo feno tambitamby io ;
Ny heriny dia tanteraka ao amin’ny fahalemena lalina indrindra ;
Ny tsy fananantsika hery mihitsy aza no tena antoka ho antsika ;
Izay tsy tia na inona na inona raha tsy misy Azy
        dia mahefa ny zavatra rehetra ao amin’ny fahamoram-panahiny.

  64  

1. Endre, asa lavorary mandritra ilay fitsaharana haharitra mandrakizay !
Manditra ilay andro tsy hisy fiafarany intsony
                                                     dia hanompo Anao ireo olonao,
Ary hanipy ny satroboninahiny eo an-tongotrao
                                       ao anaty hafaliana tsy miloa-bava akory,
{Hanipy ny satroboninahiny sady hiankohoka eo anatrehanao} (2).

2. Ny masonay hibanjina eo amin’ny tavanao mendrika hitsaohana
Ny hatsaran-tarehinao tsy manam-petra,
                                                   ry Mpamonjy, ry Mpampakatra ;
Ary izahay dia ho afaka misaintsaina ny zava-miafina lalina indrindra
{Momba ny fahasoavanao tsy misy fetra sy ny fitiavanao} (2).

3. Aminao irery, ry Jesoa, amin’ny fahazavanao madio mangarangarana,
Ry Masoandron’ny fahamarinana,
                              no hindrana ny tana-masoandro ny Fiangonana,
Ary hanana ao anatin’ny voninahiny ho avy
{Ireo halavorarinao mamirapiratra tsy misy pentimpentina} (2).

4. Ianao mihitsy no hahita izay takin’ny fonao,
Dia ny vokatry ny asanao teo amin’ny hazofijaliana,
                                                          vokatra matoy sy lavorary,
Hisitraka ny asan’ny Fanahinao Ianao, ry Tompo,
{Ary ho afa-po noho ny amin’izany asa izany ny fitiavanao
                                         amin’ny maha Andriamanitra Anao} (2).

  65  

1. Eny, ny fahazoana aina tsara indrindra,
Ny tena fahasambarana eto amin’izao tany izao
Dia ny manana an’i Jesoa ho Mpampianatra
Sy ny manaraka Azy amin’ny dingana tsirairay atao.

2. Tsy misy na inona na inona
                               afaka mampiato ilay fitiavana itiavany antsika ;
Ho Azy no nahazoany antsika,
Ary Izy dia antsika ho mandrakizay.

3. Tsy ho dify amintsika na oviana na oviana
                                                   ny fitiavany tsy mba miovaova :
Io fitiavany io dia loharano haharitra mandrakizay
                                              ary tsy ho ritra na oviana na oviana.

4. Tiany hitia Azy ny fontsika,
Hitia Azy tsy mizarazara na miolakolaka,
Satria aloha Izy mihitsy
No tsy mba miovaova amin’ny fitiavany.

  66  

1. Ry harena tsy manan-tsahala, namana mamy tsy miovaova,
Ianao irery no afaka nandresy ny fahavalo !
Tehirizo amin’ny alalan’ny herinao ny sainay sy ny fonay,
Ianao Izay mameno fahasambarana anay amin’ny fanatrehanao.

2. Ry Zavamamy eo amin’ny fiainana, Mofo tsy mety simba,
Iveloman’ny fanahinay rehefa noana !
Ny fahatsaranao dia tanteraka ao amin’ny fahalemena lalina indrindra,
Ary mampifaly anay ny feonao, na dia anaty fisedrana aza izahay.

3. Ry Mpamonjy feno fahasoavana !
Mba ataovy migoka isanandro ny fitiavanao anie izahay,
                                                     eo am-pibanjinana ny tavanao.
Raha tsy eo mantsy ny fitarihana mamy avy amin’io fitiavanao io,
Dia fahafatesana ihany ny fiainana.
Ny misitraka ny fanatrehanao no anjara tsara mahasambatra indrindra.

4. Ry Jesoa, harenanay, hany tena fahasambaranay,
Satria arovanao izahay, ry Tompo, ao amin’ny fahalemenay,
Dia tsy afaka mandrombaka ny fiadanam-ponay ny fahavalo
Ary tsy mahasaraka anay, na oviana na oviana, amin’ny fitiavan’ny Ray.

  68  

1. Ry Jesoa, avia re, mba fenoy amin’ny fitiavanao ny fanahinay,
Ary mba ataovy miredareda faniriana Anao andro aman’alina.
Ry Mpanavotra sarobidy, efa any an-danitra ankehitriny,
Mba ataovy manaiky ny fahefanao mamy ny fonay manontolo, 
Sy mitepo ho Anao irery ary mangetaheta Anao irery, ry Tompo !

2. Niaritra ny fanaintainana mafy indrindra Ianao, ho an’ny olonao ;
Nijaly Ianao, ry Jesoa, ary nanjary ozona.
E ! ry Mpamonjy Tsitoha, lehibe moa, raha ny fitiavanao !
Ary noho ny hamaminao, dia aoka anie ny fonay manontolo
Mba hidera Anao sy hanandratra Anao lalandava, ry Mpamonjy malala !

3. Ho anay rehetra dia mivavaka ao amin’ny Fitoerana masina Ianao
                                                                             ankehitriny ;
Ary asehon’ny fonao eo amin’Andriamanitra ireo ondry malalanao.
E, ry Mpiandry avo indrindra, mitana anay eo an-tananao,
Aoka anie ny fonay mba hiantehitra mandrakariva aminao
Sy hametraka am-piadanana aminao ny zavatra rehetra, ry Tompo !

4. Vokisanao amin’ny harenan’ny fahasoavanao ny andian’ondrinao.
Ary nasianao tombo-kasenao izahay, ka hahita ny tavanao.
Ry Mpiandry tsara avo indrindra, Izay tsy mba afaka hiovaova,
Aoka anie hameno ny fanahinay
                           ny fitiavanao araka ny maha Andriamanitra Anao !
Ary aoka hirehitra andro aman’alina atỳ am-ponay
                                                      ny afon’izany fitiavanao izany.

  72  

1. Mampianatra anay Ianao, ry Jesoa ! ary mampionona anay,
Mandritra ny fotoana tsy maha eto Anao,
Satria ny Fanahinao sy ireo teninao
Dia miara-mitoetra amin’ireo olom-boafidinao.

2. Re mandrakariva ao amin’ireo teninao sarobidy ny feonao,
Ary mba hahatakaranay ireo,
Ny Fanahinao dia mikasika ny fonay sy mampihiratra ny masonay.

3. Dia toy izany no iampitan’ny fahatsiarovana ny fitiavanao lehibe
                                                                  any amin’ireo olonao.
Eto amin’izao taniefitra izao izahay dia mahita ny voninahitrao
Sy migoka ireo zavatsoan’ny lanitra.

4. Eny, io Teny mitondra aina io dia toa sampahom-boaloboka
                                                              tao an-dohasaha Eskola,
Voaloboka manana tsiro mampahery anay, eto anivona tany karankaina.

5. Tsy ho ela intsony anefa dia hitsahatra ny fanompoana mamy
                          ataon’io Teny io ho an’ny andian’ondry malalanao ;
Ary hifanatrika aminao izahay, ry Zanak’ondry masina,
                                            no hiresaka ao amin’ny fahazavanao.

  75  

1. Ndao, ry rahalahy, ndao isika hihira ny fahamoram-panahy faratampony
                                                       
ananan’ny Ray malalantsika.
{Hasandratra hatraiza hatraiza anie} (2), eto an-tany,
                    eo anivon’ny olony masina, ny anarana tsara ananany !

2. Iza moa, mihoatra antsika izao, izay ankohonana natsangany,
No tokony hankalaza ny fitiavany ?
Ary anjely iza, {ao amin’ny fitoeran'Andriamanitra} (2),
No hahay hiteny ny momba izany amina fomba miredareda kokoa ?

3. Ndao àry hankalaza an’Andriamanitra, Izay te hametraka antsika
        any amina toerana avo kokoa noho ny anjely, indray andro any.
Eny, haja sy dera anie ho Anao, ry Ray masina,
{Satria midadasika ny fitiavanao} (2) !

  76  

1. Ho antsika kristiana, fahasambarana toy inona anie ny ho antsika,
Rehefa mahita ny tavan’i Jesoa, Ilay Mpanavotra antsika isika
{Any an-danitra any, izay tsy misy na inona na inona ho levona !} (2). 

2. Hiaraka aminao any ambony any izahay, hitovy endrika aminao,
Ary hiara-milaza amin’ireo olon-tsambatra
{Ny voninahitrao, mandritra ny vanimpotoana hifandimby} (2).

3. Hiaraka aminao, hahita ny hatsaran-tarehinao, higoka ny hamaminao,
Hankafy ny harenan’ny fahamoram-panahinao :
{Fifaliana toy inona anie izany e !} (2)

4. Satria rehefa miaraka aminao, dia ny fitsaharana no antenain’ny fonay
Hamaranan’Andriamanitra ny asanay,
Rehefa tonga {any an-tranon’ny Ray} (2) izahay.

5. Ndao hihaino ny feon’Ilay Mpampakatra,
                                       tsy mitsahatra mamerina amintsika hoe :
« Ho avy faingana aho ! Mionona ianareo,
{Ka aoka izay ny alahelo !} (2) »

6. Koa mahereza àry, ry mpivahiny ! Atrakao avo ny lohantsika ;
Ndao fainganina ny dia, aoka hisikina ny valahantsika,
Satria {efa vonona ny fanafahana antsika} (2).

  77  

1. Tompo ô ! Hamasino anie ny andronay, ny fotoana izay anay ;
Ary mba ataovy manome haja Anao amin’ny fotoana rehetra anie
                                                                             ny fiainanay.
Aoka anie mba ho tafiditra atỳ anatinay rehetra
Ny vokatry ny fitari­ha­na mitondra soa
                                         avy amin’ny fanatrehanao eto anivonay.

2. Enga anie izahay mba handeha amin’ny finoana mandrakariva,
Ary hibanjina Anao raha ao anaty fahoriana.
Sambatra izay olona miantehitra amin’ny sandrinao mahery.
Manana ny zavatra rehetra manana anao.

  79  

1. Mandeha eo amin’ny fanatrehanao,
                                         ry Mpamonjy tsy miovaova sady mamy,
Mahazo antoka am-panetrentena eo an-tsandrinao, ao am-ponao,
Tsy mikatsaka afa-tsy izay mahafaly anao, amin’izay rehetra atao :  Izany no lanitra etỳ an-tany, izany no fahasambarana lavorary.

2. Amin’izany izahay, eo anatrehan’ny tavanao
                                      dia afaka migoka isanandro ny fitiavanao,
                               amin’ny alalan’ny Fanahinao feno fahasoavana.
Ianao irery no andrandrainay, ry Mpanavotra anay !
Ary ny fanahinay finaritra dia mahita ny fahasambarany ao aminao.

  82  

1. Iza ankoatra Anao no mba ananako any an-danitra any, raha tsy Ianao, Ry Mpamonjy ahy, Mpiandry ahy, Mpitarika ahy, Sakaizan’ny foko ?

2. Iza ankoatra Anao, raha mahita ahy mitoloko,
                                            no mba ho tia na ho afaka hanala ahy
                                              amin’ny horohoro sy hamonjy ahy ?

3. Ao aminao, ry Andriamanitra Mpamonjy, no ananako fiadanam-po ;
Ianao no nanao ny zavatra rehetra mba hahasoa ahy ;
Ary eo amin’ny fahamarinanao no miorina ny finoako.

4. Fahasambarana toy inona ho ahy anie, ry Tompo,
                                   ny mahafantatra toy izao fahafantarako izao
Fa Ianao dia mankasitraka ahy, ary nanatanteraka ny fiadanako !

5. Ny famonjena ho mandrakizay no loka sady tanjona ezahiko tratrarina,
Ka mba hahatongavako amin’izany,
                                             dia Ianao no ianteherako, ry Tompo.

6. Koa dia miaina am-piadanana aho,
                           satria mahafantatra fa na amin’ny fahatesana aza,
         dia Kristy no fiafenako sady tohana sy manda fiaro­vana ho ahy.

  84  

1. Tarihinao ny diako, ry Tompo,
Ho any an-danitra, fonenako ;
Tsy ilaozanao aho, ry Andriamanitro,
Noho ny fahasoavanao tsy hita lany.
Mamiratra amiko ny fitiavanao, noho ny fanambinanao,
Ry Mpamonjiko, harenako sy fiainako.

2. E, raha tsy mandeha amin’ny finoana aho,
Dia miha osa hatrany ny fiainako ;
Nefa, ry Mpamonjiko, ao aminao,
Ao amin’ny hatsaranao feno hery
No fialofako sy ianteherako ;
Ary asehoano ahy isanandro
Ny fanambinanao mamiratra.

3. Mandra-pahatonga ny andro hahitako Anao
Ao amin’ny voninahitra mandrakizay,
Sy hanandratako ao an-tratranao
Ny fahafatesanao nanonitra ny fahotana,
Dia Ianao no ho anjarako, ho manda fiarovana ho ahy,
Ho tombon-dahiko na amin’ny fiainana sy ny fahafatesana,
Ho fifaliako sy fandreseko !

  85  

1. Ry Mpampianatra tso-po, Izay nitondra ireo fahoriako,
Izaho no tambiny ho anao, noho ireo asa rehetra nataonao.
Fadiranovana aho fahiny, nefa Anao ankehitriny,
Satria ny fahasoavanao sy hay ambara amin-teny
                                             no nanao ny zavatra rehetra ho ahy.

2. Tehirizo ho mandrakizay ao amin’ny famindraponao anie ny fanahiko,
Tehirizo ao amin’ny fisitrahana ny fiadananao mamy ;
Tohano aho satria osa, sitrano tsy hiha osa intsony,
Ary tano akaiky dia akaikin’ny fonao mandrakariva.

  89  

1. E, ry Mpanavotra ! E, ry Fitiavana faratampony !
E, ry Mpiandry tsara, Izay fantatro feo !
Ho an’ireo ondrinao, noho ny tambitambinao mamy indrindra,
Dia nanaiky hafatotra teo amin’ny hazofijaliana Ianao.

2. Kivy ve aho ? Reraka ? Tsy misy hery ?
Indray mijery ihany Ianao dia mahasitrana ny aretiko rehetra,
Ampitoerinao eo amina ahi-maitso vokatra be aho,
Ka ataonao manankarena fanomezana
                                                vaovao mandrakariva avy aminao.

3. Mangetaheta ve aho ? Tarihinao ho eo amoron’ny ranovelona aho, Araka ny toetranao tsy mba miovaova ;
Ao aminao no misy ny loharano miboiboika
Isotroako hatrany amin’ny mandrakizay.

4. Ianao, ry Jesoa, no mamerina ny fanahiko ho amin’ny laoniny :
Tsapako amin’ny fotoana rehetra ny fitiavanao.
Namonjy ahy tsy ho very
                               any amin’ilay afo mirehitra mandrakizay Ianao,
Mba hitondra ahy any amin’ny fitoerana any an-danitra.

5. Ny hazofijalianao, ny fahafatesanao
                                           ary ny fahasoavanao tsy manam-petra
No fahasambaran’ireo ondrinao ;
E, ry Mpanavotra anay, mba tanteraho anie, ary
          ataovy misongadina ato amin’ny fahalemeko ny herinao lehibe.

6. Hohiraiko ny voninahitra sy ny zavatsoa
                 avy amin’ny famonjenao sy avy amin’ny fitiavanao lehibe.
Ry Mpamonjy tsy mba miovaova ! Ry hany fanantenako !
Ny fonao no mitarika ahy eo amin’ny lalan’ny fiadanana.

  90  

1. E, ry Andriamanitro, Andriamanitra Mpanafaka ahy !
Raha mba haiko atao mantsy ny mameno ny tany sy ny lanitra
                                                               amin’ny fiderana Anao !
Raha mba haiko atao
                       ny maka azy ireo ho vavolombelon’ny fankasitrahako
Sy milaza amin’izao tontolo izao hoe hatraiza ny fahasambarako !

2. Sambatra aho rehefa mihaino Anao sy rehefa mietry midina hatratỳ amiko Ilay Teny, nilaza hoe : « Misia mazava ! », dia nisy ny mazava, ary mampianatra ahy sy mampionona ahy, sady miteny amiko hoe : « Ity ny lalana mitondra ho amin’ny famonjena. »

3. Sambatra aho rehefa miteny aminao, ka mampiakatra any aminao, avy atỳ amin’ny vovoka, ny fanajako sy ny faniriako, manao izany amin’ny fahafahana zanaka eo anoloan’ny Rainy, sy am-pangovitana masina, satria olona mety maty manatrika an’Andriamanitra.

4. Sambatra aho, ry Tompo, rehefa mifantoka eo anatrehanao,
    amin’ny andronao, miara-mitsaoka Anao amin’ireo olo-navotanao ;
Rehefa miara-mankeo amin’ny sezafiandrianan’ny fahasoavana,
              ary avy eo no misy valiny maneho fitiavana, midina aminay.

5. Sambatra aho ! Sambatra mandrakariva
                                    manana Ilay Andriamanitra mahery ho Ray,
                                         manana an’i Jesoa Kristy ho Mpamonjy,
                               manana ny Fanahy Masina ho Mpanolo-tsaina !
Inona no azon’ny helo esorina na azon’ny tany omena olona
                                                                 misitraka ny lanitra sy
                          misitraka Ilay Andriamanitra marina sady masina ?

  91  

1. Ry kristiana, ndao hiara-manandratra sy midera
                                                ilay anarana tsaran’ny Mpamonjy !
{Ndao hankalaza ny Tompo} (2)
                               isika rehetra malalany novonjeny sy nangoniny.

2. Ny anjelin’i Jehovah, Izay mitoby amin-kery manodidina ireo zanany,
Dia miaro sy manohana azy ireo ; Izy no manafaka azy ireo
{Amin’ireo loza manambana azy ireo} (2).

3. Eo amin’ny fanatrehanao mamy izahay, ry Tompo,
Da mankafy ny fahamoram-panahinao
                                              araka ny maha Andriamanitra Anao.
E ! Sambatra anie ny olona mitoky
                                          {amin’ny toetranao tsy miovaova} (2) !

  94  

1. Ny fitiavana mandrakizay, lalina tsy hay takarina,
                                                                 fitiavan’i Jesoa Kristy,
Ny ran’i Jesoa Kristy nalatsaka ho ahy, olo-meloka,
Izany no manavotra ahy ho afaka amin’ny fahantrako,
Manala ahy tsy hohazonin’ny fahafatesana,
                                                    tsy hifikitra amin’izao tany izao,
Ary manisy soritry ny toetran’i Jesoa Kristy etỳ amiko.

2. Iza no manarina ahy rehefa lavo aho ?  — Jesoa Kristy.
Iza no manohana ny fanahiko ao amin’ireo ady atrehiny ? 
                                                                          — Jesoa Kristy.
Jesoa no niteny, ka te hino aho fa afaka miady mba ho voninahiny, Satria ny ampingako, ny fandreseko dia Jesoa Kristy.

3. Mankany amin’ny Raiko aho, ary ny lalako amin’izany dia Jesoa Kristy ;
Sambatra sy tretrika aho, ary ny fifaliako dia Jesoa Kristy ;
Ary na ao anaty fijaliana aza aho,
                                       dia miresaka fanantenana amiko ny foko,
Satria napetrako ao amin’i Jesoa Kristy ny fitokisako.

4. Voavonjy aho, ary tsy midera tena afa-tsy ao amin’i Jesoa Kristy ;
Ho an’ny tany sy ho an’ny lanitra, ny fiainako dia Jesoa Kristy.
Tsy ho ela intsony aho dia hanao veloma anareo, ry zavatra ho levona !
Hisidina hanalavitra anareo aho,
   ho any amin’ny fonenana mandrakizay : ho any amin’i Jesoa Kristy.

  96  

1. E ry Tompo, rehefa mieritreritra Anao aho,
 Mieritreritra ny fahasoavanao lavorary,
Dia miredareda ato am-poko
Ny faniriana {hahita Anao mifanatrika} (2).

2. Na dia trotraky ny harerahana aza aho,
Mandeha eto amin’izao tany izao,
Toy ny mandeha amina toerana ngazana, tsy misy na inona na inona,
{Tsy misy afa-tsy tsilo maniry} (2) ;

3. Na dia maro aza ny fahavalo mamely ahy,
Ao anatin’ny fahalemeko,
Ary {tsy mitsahatra manemitra ahy} (2)
                                        amin’ireo fandrika mandoza velariny ; ...

4. ... Dia afaka mifikitra aminao isanandro aho, manaraka Anao,
Afaka mifikitra amin’ny fitiavanao tsy hay ambara amin-teny
Sy {mankafy ny herin’} (2) io fitiavanao io.

5. Ry Tompoko, Fitsarahako, Vatolampiko,
Famonjena ahy, Fahamarinako !
{Mamiko mandrakariva} (2) ny manatona Anao.

6. Mba meteza re, ry Jesoa Mpanavotra ahy
Hamelombelona ahy amina firehetam-po masina !
Mba hazòny ho mandrakizay {tsy hivadika aminao mihitsy} (2) anie
                                                              izaho mpanomponao, ...

7. ... Mandra-pahatongan’ilay andro lehibe ka
{Hibanjina ny voninahitrao} (2) ny olom-boafidy,
Samy hitafy akanjo fotsy avokoa, mpandresy satria nandresy Ianao !

  99  

1. Isaorana anie ny Tompo, Ilay Andriamanitsika sady Raintsika,
Izay mameno antsika isanandro amina zavatsoa maro
                                                                       tsy tambo isaina !
Izy dia tia antsika mihoatra noho ny fitiavan’izay reny tia indrindra,
Ka tsy misy na inona na inona afaka hitovy amin’ny fitiavany
                                                          tsy hay ambara amin-teny.

2. Nahariharinao io fitiavana mahafinaritra io,
Ry Andriamanitra fitiavana,
                          tamin’ilay fanomezana sarobidy nataonao ho anay,
Dia Jesoa, Ilay Mpanavotra anay, Ilay Zanakao Lahitokana ;
Ny fahafatesany teo amin’ny hazofijaliana no nahazoanay
                                                     ny famelan-keloka avy aminao.

3. Arotsakao atỳ am-ponay ny fitiavanao,
                 ry Andriamanitra hany tsara, Andriamanitra hany hendry,
Amin’ny alalan’ny Fanahy Masina, Izay nomenao anay ;
Atỳ anatinay io Fanahy io, manambara mandrakariva
Ny fahasoavanao ao amin’i Jesoa, fahasoavana namela ny fahotanay.

4. Noho io fitiavana io, ry Mpamonjy tsy miovaova sady mamy indrindra,
Tehirizo ao amin’ny fiadananao izahay, mandra-piverinao ;
Tariho hiambina izahay rehetra, mba hivavaka sy hiandry Anao,
Ary ampitoero mandrakariva ao amin’ny fitiavanao.

 101 

1. Andriamanitra no tia antsika :  Aoka hifaly isika !
Mahasahana antsika rehetra Ny fitiavany faratampony.

Famerenana :
Ndao hanambara ny voninahiny, Ndao higoka ny fankasitrahany ;
Ndao hihira ny fandresen’Ilay Mpamonjy antsika !

2. E, ry Andriamanitra Mpiaro ! Hitanao ny zavatra rehetra ilainay ;
Asehonao amin’ny fikolokoloanao mamy ny maha Ray Anao.

3. Mandritra ny dianay Dia mijery ny dingana rehetra ataonay Ianao
Ary miteny hoe : mahereza ! Rehefa reraka iny izahay.

4. Manohana ny fonay Ny Fanahinao feno fahasoavana
Ary mampahita anay ny tavanao, Ry Mpamonjy anay !

5. E, ry Fanantenanay ! Ianao Izay Andriamanitra fitiavana !
Ny fitokinay dia  Ao amin’ny fahamoram-panahinao.

Famerenana...

 102 

1. Ndao hiroso, falifaly, falifaly mandrakariva,
Ho any amin’ny fitoerana hisy ny olon-tsambatra rehetra,
Ho any amin’ilay fonenana itoeran’i Jesoa, mivavaka ho antsika ;
Ndao, ndao, satria any no fonenantsika ;
Ndao hiroso, falifaly, falifaly mandrakariva,
Ho any amin’ny fitoerana hisy ny olon-tsambatra rehetra.

2. Hanakoako any an-danitra ireo hiram-pitiavana :
Antsan-kira mamy anie izany ! hira fiderana ataon’ny olon-tsambatra !
Hanana anjara amin’ilay firindrana masina isika,
Rehefa tonga any amin’ny fonenantsika.
Ndao hiroso, falifaly, falifaly mandrakariva,
Ho any amin’ny fitoerana hisy ny olon-tsambatra rehetra.

3. Eny, miandry Anao avy any an-danitra avo any izahay, ry Tompo,
Satria Anao ny fonay.
« Avia, ry Jesoa ! », hoy no antson’ny Fiangonana ;
« Mba raiso ho ao amin’ny voninahitra nampanantenaina
                                                                           anie izahay ! »
Any izahay ho falifaly, falifaly mandrakariva :
Any no fitoeran’ny olon-tsambatra rehetra.

4. Tsy ho ela isika dia ho sambatra, any amin’ilay tontolo vaovao,
Hihira ireo voninahitry ny Zanak’ondry ;
Tsy misy fahafatesana intsony any, tsy misy kiakiaka intsony,
                                                          tsy misy ranomaso intsony,
Tsy misy fahotana intsony,
                              any amin’io toerana mahafinaritra indrindra io ;
Miaraka amin’i Jesoa, falifaly, falifaly mandrakariva,
Ho tena sambatra isika, ao amin’ny fitiavany !

 103 

1. Na oviana na oviana Andriamanitra tsy mba mandao
                                                         izay olona miankina aminy ;
Na manindry ahy aza izao tontolo izao,
                                          dia Izy mihitsy kosa no manohana ahy.
Io Andriamanitra tsara sy tsy mba miovaova io dia mitahiry ireo olony
                      ao amin’ny fiadanany, ho an’ny fiainana mandrakizay,
Ary mameno zavatsoa azy ireo.

2. Satria fantatro fa tia ahy Izy,
Dia te hiantehitra amin’ny fikarakarany aho :
Fantany izay ilaiko, fantany tsara lavitra noho ny fahafantarako izany.
Io Andriamanitra feno hamamiana io ve
                                            dia handiso fanantenana ny finoako ?
Tsia, fa arakaraka ny fanindrian’ny ratsy ahy aza,
                                                    no maha akaiky Azy kokoa ahy.

3. Andriamanitra ô ! mamirapiratra mandrakariva eo amiko ny tavanao ;
Mba omeo ahy ny fahasoavana hiaina ny zava-drehetra ho Anao.
Mba ataovy mandeha eo amin’ny lalanao amin’ny fo tsy miovaova aho,
Mandra-pahatonga ny andro hiantsoana ahy ho any an-tratranao.

 106 

1. Tsy hanan-java-mahory aho, na oviana na oviana,
Satria ny Tompo no Mpiandry ahy.
Sambatra aho miaina eo ambany fitarihan’Ilay tsy mba miova mihitsy.
Fantatro, ry Tompo, fa nataonao ho anisan’ireo ondry malalanao aho.

2. Nomenao fiadanana ny fanahiko :
Fantatro hoe toy inona ny nitiavanao ahy.
Fantatro fa na hamakivaky afo aza aho, dia tsy hahalevona ahy izany.
Eo amiko mandrakariva ny masonao :
E, mba ampitodiho aminao ny masoko !

3. Rehefa manatona Anao aho, ry Tompo,
Dia tsy manan-tahotra intsony ny foko :
Ny fahasoavanao dia vatolampy avo, fialofana azo antoka ho ahy.
Noraisinao ho eo an-tsandrinao aho, ry Jesoa,
                                           ka tsy haharombaka ahy teo i Satana.

 107 

1. Ry zanak’Andriamanitra, aoka isika hiaina mandrakariva
                        ao amin’izao fitiavana mampikambana antsika izao ;
Izao fitiavana izao mantsy no harena maharitra mandrakizay
                                             ananan’ireo izay tahin’ny Mpamonjy.

2. Miara-misotro eo amin’ny loharano iray ihany isika, koa aoka hiray fo ;
Aoka hibanjina ny Tompo hatrany,
             eto am-panohizana izao lalana mahatretrika diavintsika izao.

3. Tompo ô ! Velombelony atỳ anatinay ny aina !
Tompo ô ! Ampitomboy ny finoanay !
Ary hiray fo anie izahay, miara-manandratra antsan-kira ho Anao !

 108 

{Aoka hifaly isika, ry kristiana} (2),
Satria tsy ho ela Jesoa dia hampamirapiratra ny voninahiny
                                                                    ao amin’ireo izay Azy.
{Eny, ry Tompo, ho avy Ianao} (2) hampikambana anay aminao
                                                 sy hanantanteraka ny fandresenao.

 110 

1. Mba rahovina re no ho hitantsika
                                     ilay morontsirak’i Kanana any an-danitra ?
Renareo ve ? miantso antsika rehetra Kristy,
                                                   avy eny an-danitra ambony any.
Zara mamy anie ny antsika e : Eo anilany isika,
                                             voaloka tsy tratran’ny oram-baratra,
                ary afaka hihira ho mandrakizay ilay fihiranam-piadanana.

Famerenana :
Endre, fahasambarana lavorary anie izany e ! fahasambarana !
                                                                   fahasambarana !
Endre,
fahasambarana lavorary ao amin’ny fitsaharanao, ry Tompo !
Tafakambana ho mandrakizay ao amin’ny fonenany ny Fiangonana,
Tsy hitsahatra intsony hiredona ny hira fiderana hoe :
      Voninahitra anie ho an’Ilay Zanak’ondry, Izay Andriamanitra !

2. Hahita ny voninahitr’i Kristy ireo olo-navotana, mitafy akanjo fotsy ;
Natsangana ho velona indray izy ireo, noho ny herin’i Kristy,
                                                              ka hilaza ireo hatsarany.
Hankalaza ny fandreseny isika,
Hankalaza ny asa nanonerany ny fahotantsika,
Hiaraka amin’ireo olo-navotana ireo isika,
manodidina ny sezafiandrianan’i Kristy, hanolotra ho Azy ny fiderana.

3. Miray fo ny anjely masina, any an-danitra, misaotra ny Tompo,
                                            rehefa misy mpanota iray mibebaka ;
Koa ho toy inona anie ny fihobiana, amin’ny fanafahan’ny Tompo
       ny andian’ondry malalany manontolo nandresy ny fahafatesana !

4. Indray andro any isika rehetra, noho ny fitiavan’Andriamanitra,
        dia ho tafangona any Kanana, tanàna nampanantenaina antsika,
                                                               fitoerana mahafinaritra,
  ary tsy hitsahatra intsony hihira ilay fihirana manamba­ra fifaliam-be,
                                                 fihirana hanakoako eran’ny lanitra
                                mandritra ilay maraina haharitra mandrakizay.

5. Rahatrizay mamirapiratra
                   io marainan’ilay andro tokana haharitra mandrakizay io,
    isika rehetra efa tonga lavorary ao amin'ny firaisana sy ny fitiavana
                                            dia mbola hiverina hihira indray hoe :
                                       Ilay Zanak’ondry no mendrika hotolorana
                                                    hery, faherezana ary fahefana !

Famerenana...

 112 

1. Maty Jesoa, teo anelanelana jiolahy roa, niaritra fangirifiriana masina.
Izy no hany marina tamin’izy telo ireo,
       nefa nandrava ny ezaka nataon’ilay lehilahy mahery (ny devoly),
               tamin’ny niaretany fanaintainana teo amin’ny hazofijaliana.

2. Nitsangana tamin’ny maty Jesoa ary niakatra any an-danitra,
                                                                         hitan’ireo olony.
Ry kristiana, indro no Filohanao ; Izy no mamily ny sambokelinao.
Fantatrao ve fa ny heriny no anananao fahatsarana ?

3. Ho tonga avy any an-danitra Jesoa, haka antsika ho any ;
                                                              koa ndao hiaina ho Azy.
Hoy Izy hoe : « Ho avy faingana Aho. »
Ndao hitahiry ilay rakitra tsara.
Aoka isika hiari-tory, satria efa mihamazava sy misinda ny alina.

4. Mandra-pahatongan’io andro io, ry Jesoa,
Mba amboary ho an’ny lanitra, izay fitoeranao, anie, ny fonay.
Mba arovy izahay, ao amin’ireo ady atrehinay ;
Mba tariho ho any amin’ny tanjona ny dianay ;
Ary mba ataovy mandresy izahay, na faly na tomany.

5. Andriamanitra ô ! Mba arovy anie ny olonao ;
Arotsahy amin’izy ireo ny zavatsoanao ; ary tohano ny finoan’izy ireo.
Hanompo Anao, hiaina am-piadanana, hamaly ireo soa ataonao,
   hiankina Aminao amin’ny zavatra rehetra : Izany no lalàna ho anay.

6. Mitia sy mitsaoka an’Andriamanitra ;
Mitoetra mandrakariva eo ambany masony, na aiza na aiza ;
Mitia sy manompo an’i Jesoa ; milaza ireo fahatsarany ;
Ary manaraka ny fanevany : Izany no anjarantsika.

 113 

1. Efa vonona ny toerako, any an-danitra ;
Ary manana fiadanam-po aho, eto an-tany.
Lavitra ireo onja sy tafiotra aho,
Ary afaka mametraka ny lohako eo an-tratran’ny Mpamonjiko,
                                                       eo an-tratrany feno fitahiana.

2. Any ambony any, any an-tranon’ny Ray,
Ao aminao, ry Jesoa, dia manana ny zavatsoa rehetra aho,
Manana ny harena rehetra ao amin’ny Toeramasina.
Ny tavanao, ry Tompo, no fahazavana ho ahy ;
Ary ny voninahitrao sy ny fitiavanao dia ahy.

 114 

1. Afaka manaraka Anao am-piadanana izahay, ry Jesoa,
Ao amin’ilay lalam-panetrentena nekenao hodiavina.
Tsy mba fantatry ny olombelona Ianao,
Tsy nanana an’iza na iza niaraka taminao,
Namafy zavatsoa nanampy zavatsoa,
Tao amin’ilay lalankely namirapiratan’ny fonao, Ilay Lehilahy lavorary.

2. Zavatsoa toy inona moa no nosokafan’io lalana io !
Harem-pitiavana toy inona !
Andriamanitra mihitsy, tao amin’io lalana io,
Dia tsy nahita afa-tsy fahazavana sy fahamasinana.
Ary manomboka izao, noho ny fahasoavanao,
Naterak’Andriamanitra mba ho Anao izahay,
Afaka manara-dia Anao,
Ry anton’ny finoanay ka isaoranay.

3. Na dia levona ao anaty hororoho sy ny asa mafy aza ny nofonay,
Na dia mizaka fangidiana aza izahay,
Satria manaraka Anao, ry Mpamonjy,
Na malemy aza izahay, dia mibanjina Anao kosa ny masonay,
Mba haneho kely ny maha olombelona masina Anao.

4. Mifarana anefa io lalana io, ao amin’ilay toerana feno voninahitra
            amirapiratan’ny tavanao araka ny maha Andriamanitra Anao,
                                                           tavan’Ilay olona nandresy.
Hitsaoka Anao ao amin’io toerana io izahay, ry Jesoa,
            eo amin’ny fanatrehanao, efa lavorary sy nomem-boninahitra,
                                    ary ho afa-po satria hitovy endrika aminao.

 117 

1. Ny hamaminao, araka ny maha Andriamanitra Anao, ry Jesoa,
                                                              Mpiandry ondry mahery,
Dia manodidina ahy rehefa zohim-pahoriana aho,
                                        ary mampialoka ahy tsy hiharan’ny loza.
Entinao eo amin’ny fonao aho, izaho izay osa sy matetika reraka ;
Ary mamihina ahy mandrakariva ny tananao malefaka sady mahery.

2. Endre, misokatra lalandava mba hitahy anay ireo tananao roa
                                               noloahin’ny fantsika ka nihosin-dra,
noratrain’ny olombelona  —nefa dia hamonjy anay no nahafatesanao—,
         ary mitahiry hatrany ny fahatsiarovana ireo fijaliana niaretanao.

3. Ry Ohatra tsy hay alain-tahaka,
Ry Fon’olombelona, nefa Mpamonjy,
Fo tsy miovaova ary vonona hamonjy mandrakariva,
Fo lavorary araka ny hamaminy,
Fo manetry tena, azo arahina tsy amin-tahotra na horohoro,
Te hiaina eo anilanao aho, ry Fo nijaly noho ny amiko !

 136 

1. Voninahitra ho an’Andriamanitra ! hery, fahefana,
Fanajana, haja mandrakizay,
Fitiavana sy fankasitrahana
Ho an’i Jesoa Kristy, Ilay Mpamonjy !

2. Ry Mpamonjy nosatrohina satro-tsilo
Latsaka teo amin’ny hazofijaliana ny ranao,
Ary niantonta taminao, tamin’ny vesany manontolo,
Ny fahatezeran’Andriamanitra.

3. Ho Anao, ry Jesoa, ny fijaliana,
Ny ranomaso, ny fahafatesana, ny fandaozana !
Fa ho anay kosa ny fanafahana,
Ny famonjena ary ny famelan-keloka !

4. Voninahitra ho an’Andriamanitra ! hery, fahefana,
Fanajana, haja mandrakizay,
Fitiavana sy fankasitrahana
Ho an’i Jesoa Kristy, Ilay Mpamonjy !

 137 

1. Ry zanak’Andriamanitra, taranaka voafidy,
Honina any an-danitra, indray andro any,
Ndao hiredona fihirana falifaly,
Eo anoloan’Ilay Tompon’ny aintsika !

2. Raha ny toetrantsika taloha, dia zanaky ny fahatezerana isika,
Maty tao anatin’ireo fahotantsika ;
Notsoahiny isika ho afaka tao amin’ny fahantrana
                                                   faran’izay mampihoron-koditra !

3. Isika dia navotan’Ilay Zanany Lahitokana,
Maty sy nitsangana ho velona indray hamonjy antsika ;
Ary ny Fanahy Masina dia mampita amintsika
Ny fanomezana rehetra vokatry ny fitiavany.

4. Ao amin’i Jesoa Izy dia antsointsika hoe Ray,
Ary Izy kosa miantso antsika hoe zanany malalany ;
Ary tsapantsika ny fikarakaran’ny fahasoavany isanandro,
Fikarakarana manohina ny fo.

5. Tsy misy na inona na inona afaka hanimba ny fitiavany ;
Tsy hisy mihitsy, na inona na inona, hahaisotra amintsika io fitiavana io,
Tsy hisy na inona na inona, na etỳ an-tany na any an-danitra,
Hahasaraka antsika amin’io fitiavana io.

6. Lova tsara any an-danitra, novidin’i Kristy tamin’ny rany,
No anjara mahatretrika sy azo antoka ho antsika,
                                                         eo anilany, ho mandrakizay.

7. Voninahitra ho Anao, noho izany fanantenana izany,
Ry Ray masina ! Mba faingano anie ilay andro
Hahatongavan’ny Zanakao malalanao amin-kery,
Haka anay ho any an-danitra.

 139 

1. Mba rahoviana re izahay, ry Mpamonjy mendrika hitsaohana,
                  no hiaina ilay fahasambarana tsy hay ambara amin-teny,
Hoe ho tafakambana aminao ho mandrakizay sy hahita Anao
                    ao amin’ilay fitoerana misy ny fiadanana mandrakizay ?

2. Ilay fotoana fohy dia fohy mampisaraka anay aminao
Dia mampitombo hatrany ny fanantenanay,
                                       rehefa manandratra ny masonay izahay ;
Eny, mandeha ny fotoana ary efa ho avy ny maraina :
Tsy ho ela Ianao, ry Tompo, dia hiverina avy any an-danitra.

3. Ny arivo taona, aminao, dia tsy inona fa eritreritra miserana ihany,
Tsy ho ela intsony, ho anay, dia ho tapitra ny alina ;
Koa mba rahoviana re, ry Tompo, no hifarana izao alina izao ?
Rahoviana no hamiratra ilay kintan’ny maraina ?

4. Miara-tory izahay, ato anaty ady, hasasarana, fahalemena,
Miandry ny hiposahan’io kintan’ny maraina feno voninahitra io,
Satria efa mandefa ny famirapirany atỳ am-ponay sahady
                                                       io kintana mampiravoravo io.

5. Nefa izany santatry ny voninahitra mandrakizay izany
Dia mampitombo atỳ anatinay ny faniriana hahita Anao ;
Ianao mantsy, ry Jesoa, no antsoin’ny fonay ;
Koa avia re ! misehoa ! mba valio ny fanantenanay !

 140 

1. Ianao, ry Tompo, izay nanolotra ny tenanao ho sorona ho anay,
Fenoy hafanam-po izahay mba hampiasa ho Anao
Ny andronay, ny fanananay, ny vatanay, ary ny fonay.
Na eo aza ny fahalemenay,
               dia ampandehano eo ambany masonao miaro anay izahay,
Ary aoka anie izahay mba hanoatra noho ny mpandresy,
                                                                       amin’ny alalanao.

2. Ataovy tsapanay mandrakariva fa mamy aoka izany,
               ho an’ny zanak’Andriamanitra tsirairay miantehitra aminao,
                                                        ny mitia sy manompo Anao !
« Kristy no anton’ny ahavelomako » : aoka anie mba ho izany no
                                    teny filamatry ny olom-boavidinao rehetra !
Koa aoka anie hiteny izany ny tsirairay
                                  ary hahay hanantanteraka izany ny rehetra !

 142 

1. Ny Fiangonanao maneran-tany,
Iantefan’ny fitiavanao mandrakariva, ry Tompo,
Dia androtsahanao isanandro ireo fanomezanao,
Araka ny fahasoavanao tsy miovaova.
Matoky ireo olom-boavidinao, mandohalika eo anatrehanao,
                                                                        na aiza na aiza ;
Hotanterahinao ny fanantenanay hoe hiaraka aminay Ianao, ry Tompo !  

2. Tsarovanao, ry Tompo Jesoa, ireo fampanantenan’ny Teninao ;
Ary ny Fanahy Masinao, Fanahim-pitiavana,
            dia mampionona, mitarika ary mampifaly ireo olonao rehetra.
Mba ampandehano eo amin’ny fahazavanao anie izahay,
Tehirizo eo akaikinao ny fonay ;
Ary aoka anie ny fiangonanao, eo am-pivavahana,
Mba hifaly ao Aminao, ry Mpamonjy mahery !

 144 

1. Anao Izay nahatonga anay handre ny tenim-pahamarinana,
Anao Izay nampahatakatra anay ny fitiavanao tsy misy fetra, ...

2. Anao izay nampamendrika ny olona
                                hanana anjara amin’ny lovan’ny olona masina,
                                   eo amin’ny fahazavana tsy manam-paharoa,
                               izay tianao hahatongavan’ireo rehetra Anao, ...

3. Anao Izay
           nandrombaka anay teo an-tanan’ilay lehilahy mahery (i Satan

a),
                                           noho ny fahasoavanao midadasika, sy
        nanafaka anay tamin’ny herin’ny maizina sy ny fahafatesana, ...

4. Anao, ry Andriamanitray sady Rainay,
                             Izay nitondra anay indray mandeha tsy miverina
                                                          ho any amin’ny Fanjakana,
                          dia  ny Toeramasin’i Jesoa, Zanakao Malalanao, ...

5. ... Anao ny haja, ny fahendrena,
                 ry Andriamanitra fitiavana, Andriamanitra fahamarinana !
Anao ho mandrakizayny hery sy ny harena !

6. Ianao, ry Tompo, Izay nandresy,
                             ka nahazo fahasambarana mandrakizay ho anay,
Ianao, ry Jesoa, no omenay voninahitra ;
Mitsaoka Anao izahay, ry Mpamonjy, Ianao Izay Andriamanitra.

 159 

1. E, ry Andriamanitra nampianatra anay ny fihiranan’ny firavoravoana !
Mamaly ny antsonao ny fonay, amin’izao andro anio izao ;
Nefa hataonay ahoana ny hanadino ny fahalemenay faran’izay lalina,
Ka tsy ahafahanay mankalaza am-pahamendrehana ny fitiavanao sy
                                        midera ny fahamoram-panahinao lehibe,
                                                       izay mitoetra mandrakariva ?

2. Fony voaroaka lavitra Anao izahay, tafalatsaka tao anaty fahoriana,
Nitsitra tao anaty alina, tsy nanantena an’iza na iza mba hanampy anay,
Tampoka teo dia namirapitra nanoloana ny masonay ny hazavana,
Izay tsy Iza fa Jesoa, nampahafantatra anay
                                      ny anaranao mamy aoka izany hoe Ray sy
           ny fahamoram-panahinao lehibe, izay mitoetra mandrakariva.

3. E, ry Andriamanitra Mpamonjy anay,
                                              tsy misy mihitsy, na inona na inona,
                        mahasakana ny fahasoavanao tsy manam-paharoa !
Igagana ireo torolalanao, ary mahafinaritra indrindra
                                              ireo enti-manatanteraka anananao !
Hankalaza Anao amin’ilay fihirana mandrakizay izahay,
Ary hidera ny fahamoram-panahinao, izay mitoetra mandrakariva !

 163 

1. Tonga Kristy, Ilay Mpamonjy maty teo amin’ny hazofijaliana,
                               tonga avy any amin’ny fitoeran’ny voninahitra !
Ary ny olona masina rehetra, ireo izay nihaino ny feony fahiny, dia
           manambara ny fandreseny, miantso hoe : {Haleloia !} (2), ary
   hanao matso ho an’Ilay Mpanjakan’ny mpanjaka, Mpanjaka Mahery.

2. Isaorana io Kristy io, nantenaina efa hatry ny ela,
Hidina indray avy any an-danitra, ao amin’ny famirapiratany.
Ireo malalany, izay nijaly fahiny,
                             dia hiara-miseho, feno voninahitra, amin’i Jesoa.
{Haleloia !} (2)
Hiseho amin’ny olona rehetra Ilay Zanak’Andriamanitra.

3. Jereo anie e ! Miseho am-boninahitra Izy, mbola mitondra
                   ny dian’ny fijaliana rehetra niaretany noho ny amintsika.
Izy, ho mandrakizay, no ivon’ny fiderana masina,
Ary mitsaoka Azy eo am-pandohalihana ny olo-navotana.
{Haleloia !} (2)
Tonga Izy, Ilay Zanak’ondry, Ilay Mpanavotra, Ilay Mpampakatra !

4. Ry Jesoa Tompo ! Miantso Anao ny ampakarinao,
                      miara-mamerina miantso amin’ny Fanahy hoe : Avia !
Avia, misehoa ao amin’ny voninahitrao mandrakizay,
Misikina famirapiratana, igagana eo amin’ireo olonao !
{Haleloia !} (2)
Amen, ryTompo !    — Mamaly anay Ianao hoe : « Tonga Aho. »

 166 

1. {Miseho Jesoa} (2), mivoaka avy any an-danitra,
                                                              mba hamangy ny tany ;
Sorona an-tsitrapo Izy, midina {ho ao amin’ny fahafatesana} (2) ;  Avy eo dia miakatra am-boninahitra
                  ao amin’ny Toeramasin’{Ilay Andriamanitra Mahery} (2).  

2. {Hitako Ianao} (2) eo afovoan’ilay sezafiandrianana avo indrindra,
Ry Zanak’ondry nanjary ozona {teo amin’ny hazofijaliana} (2),
Nambaran’Andriamanitrao mihitsy hoe {Mpanjakan’ny mpanjaka} (2).

3. Satria tsy ho ela Ianao dia hiseho {ho hitan’ny masonay} (2),
Dia maniry izahay,
                      ry Mpamonjy sy Mpampianatra {feno voninahitra} (2),
Maniry hanompo, hitia, hahafantatra Anao {tsara kokoa hatrany} (2).

4. Amin’izay dia ho hitan’ny tontolo fahavalo
{ny dingana rehetra ataonay} (2), mitozo mandeha am-piadanana
                       eo amin’ny lalana masina diavinao {etỳ an-tany} (2),  
Na amin’ny andro fizahan-toetra, na amin’ny andro mahafaly,
                                                  na amin’ny andro {misy ady} (2).

5. Indro, {azo antoka} (2) fa hiposaka ny maraina.
Mihamangatsiatsiaka ny rivotra, mihamazava ny faravodilanitra,
{Ary eny lavitra eny} (2), eny an-tehezan’ny havoana,
                                            jereo fa miposaka {ny maraina !} (2).   

 169 

1. Mba hanandratana Anao, ry Zanaky ny Ray,
Dia hiakatra {ho mandrakizay} (2) any amin’ny Toeramasina
Ny fihiranan’ny lanitra sy ny tany.

2. Hamirapiratra eo aminay ny tavanao.
Ary Ianao irery no hanana {ho mandrakizay} (2)
     ny toerana manontolo, ao anatin’ny fonay fenon’ny fahasoavanao.

3. Ireo olona navotanao dia hilaza {ho mandrakizay} (2) ny tantaran’ny
                                          fijalianao nanonitra ny fahotanay sy ny
                                  fandresenao tsy ho lefy na oviana na oviana.

4. Ary ny Fiangonana, hitovy endrika aminao Filohany,
                                vavolombelon’ny voninahitrao mampitolagaga,
                                                    dia hihira {ho mandrakizay} (2)
                                          ny fahasoavanao mendrika hitsaohana.

 172 

1. Dia mba azo heverina ve, Andriamanitra, hoe zanaky ny vovoka,
                             voary voaloto toa ahy izao, no manjary zanakao,
          afaka miantso Anao hoe Ray, ka asandratrao hatrany aminao ?

2. Eny, tao amin’ireo drafitry ny fitiavanao araka ny maha Andriamanitra Anao, drafitra mendrika hitsaohana, dia nafoinao ny Zanakao hiharan’ ny kapoka tsy milefitra avy amin’ny fitsarana sy ny fahafatesana.

3. Jesoa, Ilay Malalanao, Ilay Maminao, Iray aminao ao amin’ireo drafitrao, dia tia nanolotra ny tenany mihitsy ho sorona lavorary,
hamonjy olombelona tsy mendrika.

4. Na rahoviana na rahoviana dia tsy hisy hahita zavatra mahatalanjona kokoa noho ny hazofijaliana namatorana ny Tompon’ny aina, nandritra ilay fotoana maizina mikitroka nanamelohan’Andriamanitra ny ota.

5. Anaty fangovitana masina ny anjely, gaga, miondrika mitodika atỳ an-tany, mandohalika mandinika ny zava-miafina raketin’io fietrena lalina indrindra io.

6. Ary tsy ho ampy mihitsy ny fideranay ny fitiavanao lehibe nandresy, tsy ho ampy ny fideranay olom-boavidiny,
           vokatry ny asanao tsy manam-petra, ankohonanao notahinao,
                                           tianao ho akaiky dia akaikin’ny fonao !

 175 

1. Namangy ny tany ny lanitra, tamin’i Imanoela tonga hatratỳ amintsika.
Andriamanitra no nanjary olombelona : izany dia zava-miafina masina Itsaohan’ny vahoakany eo am-pandohalihana !

2. Fitiavana tsy hain’ny saina takarina ny hoe
Ilay Zanak’Andriamanitra, Ilay Mpahary
Dia tia naka ny endriky ny Mpanompo tena izy,
                                                 ka nidina tatỳ amintsika mpanota.

3. Io fitiavana lehibe izay nietry io dia mbola nidina ambany kokoa, Izany hoe, nanolotra ny ainy ny Zanak’olona ary maty,
                                                         mba hamonjy tontolo very !

4. Inona ny ditin-kazo manitra tsy fahita firy sy tsy miharoharo
Hatolotr’ireo izay Anao, ho setrin’izany ?
Tsy ny fitiavanao ve, ry Jesoa, no fofo-manitry ny fideranay ?

5. Namangy ny tany ny lanitra, tamin’i Imanoela tonga hatratỳ amintsika.
Andriamanitra no nanjary olombelona : izany dia zava-miafina masina Itsaohan’ny vahoakany eo am-pandohalihana !

 176 

1. Tao anaty fanetrentena lalina Ianao,
Sarotra ny lalana nodiavinao,
Nataon’izao tontolo izao tsinontsinona Ianao,
Ianao Izay nanolo-tanana azy.
Ny fitiavanao vonona hanampy, lavorary, miara-ory amin’izay ory,
Dia nandrotsaka zavatsoa nanampy zavatsoa
Teo amin’ny zanak’olombelona meloka.

2. Endre, harena toy inona moa
No sokafan’ny fonao feno fitiavana ho anay !
Andriamanitra mihitsy no tsy mahita afa-tsy
                              fahazavana sy fahamasinana, ao amin’ny fonao.
Ary izahay, henik’ireo zavatsoa avy amin’ny fahasoavanao,
                               zanak’Andriamanitra amin’ny alalan’ny finoana,
Dia afaka manara-dia Anao ao amin’ny fitiavana toy ny Anao.

3. Na dia levona aza ny nofonay, maratran’ny latsa,
                                             anatin’ny fangidiana sy ny horohoro,
                                           reraky ny asa mafy mitohy tsy tapaka,  
Dia aoka anie ny ohatra asehonao, ry Mpamonjy,
                                                          hampirisika anay isanandro
                     haka tahaka ny toetra maha Olombelona masina Anao,
                                                     na dia eo aza ny fahalemenay.

4. Endre, tsy ho ela intsony izahay dia
    haka toerana eo amin’ilay sakafo be ao amin’ny Fitoerana masina !
Ao izahay olonao dia hahita ny tavanao,
                       ry Zanak’ondrin’Andriamanitra mendrika hitsaohana !
Hitafy famirapiratana izahay, hampiraisina voninahitra aminao,
    ho afa-po tanteraka satria natao mitovy endrika aminao, ry Jesoa !  

 178 

1. Hirainay ny fitiavan’i Jesoa, fitiavana mamy sady avo indrindra.
Ampy ho an’ny fonay io harena sarobidy io : fitiavana mahatalanjona,
                                  lalina noho ny hantsana tsy hita noanoa sady
                          misandratra avo noho ny lanitra tsy manam-petra.
Mihavao mandrakariva io fitiavana io,
         mamirapiratra eo amin’izao tontolo rehetra midadasika izao, sy
                                                 mameno azy amin’ny fahazavany.
Efa nitia anay Ianao, ry Tompo, tamin’ny fotoana taloha indrindra,
                                    fony mbola tsy ary akory izao tontolo izao !
—Ka hisaorana anie ny anaranao !

2. Ianao mihitsy, ry Zanaka mandrakizay misatroka voninahitra,
                                            Mpahary Tsitoha itsaohan’ireo anjely,
                                                  no nidina teo anivon’ny mpanota,
       avy any amin’ilay fitoerana mahatretrika fenon’ny fiderana Anao.
Nahafoy ireo zonao Ianao ary noharatsin’ny olon-dratsy,
             ry Mpiandry niara-ory taminay rehefa nahita ny fahorianay ;
Nitady anay Ianao, ry Tompo,
            mba hametraka anay, indray andro any, ao an-tranon’ny Ray
—Ka hisaorana anie ny anaranao !

3. Dia toy izany no nandehananao samirery teny an-dalana teny,
Nizara am-pahalalahana ireo harenanao
                                              araka ny maha Andriamanitra Anao,
Nanolotra ho an’ny rehetra ny fahasoavana. Nefa dia zava-miafina, 
                    fa nailiky ny olombelona Ianao, noho ny fahajambàny ! 
Navesatra taminao ny nanaovana tsinontsinona Anao, nefa tsy nihodina Ianao, fa niatrika mandrakariva ilay tanjona lehibe voatendrin’ny fitiavanao tsy manam-petra ;
Tsy nisy na inona na inona nahasakana ny asan’ny fahasoavanao.
Nahita anay Ianao, ry Tompo !  —Ka hisaorana anie ny anaranao !

4. Nony farany, tonga ny fotoana !
Endre, ilay andro maizina nilanjanao ny hazofijalianao navesatra,
                                                teo amin’iny lalana nampijaly iny !
Ny lohanao, ry Mpanavotra, nosatrohana tsilo,
Olona tsy hita isa no nanompa Anao !
Nafoy noho ny aminay teo amin’ny hazon’ny Kalvary Ianao,
Nototofana fangidiana, nosazina noho ireo ratsy nataonay,
Niaretanao ny sazy henjana sahaza ny ota :
Namonjy anay Ianao, ry Tompo !  —Ka hisaorana anie ny anaranao !

5. Eny, tianay ny hihira mandritra ny fiainanay manontolo
Io fitiavana mahatalanjona, tsy manan-tsahala io !
Ary rehefa voaovan’ny herinao tsy misy fetra izahay,
Dia hahatratra, amin’izay, ilay andron’ny fifohazana lehibe,
Ka ho finaritra ny masonay, mahita Anao
                                                      eo amin’ny sezafiandriananao,
Ry Jesoa, Mpamonjy malala, Sakaizanay tsy miovaova.
Rehefa hanipy ny satroboninahiny eo an-tongotrao ireo olonao,
          ry Tompo, sady hitsaoka Anao  —Hisaorana anie ny anaranao !

 180 

1. Henoy, ry Fiangonana malala : 
Tonga ny Mpampakatra anao !
Aoka hirehitra mandrakariva ny fanalantsika :
Tonga ny Mpampakatra antsika !
Indro efa mamatonalina sahady izao ;
Mbola tsy mahita an’iza na iza isika,
Nefa mamiratra atỳ am-pontsika ny kintany :
Tonga ny Mpampakatra antsika !

2. Injany feo mahery tonga ao an-tsofintsika hoe :
Indro ny Mpampakatra !
Tsy misy alina intsony, tsy miari-tory ela intsony :
Indro ny Mpampakatra !
Injany sahady ny antson’ny trompetra manasa antsika
Handray anjara amin’ilay fety mahatretrika.
Hoy Izy : « Ry Fiangonako, vonona ve ianao ? »
Indro ny Mpampakatra !

 182 

1. Ry loharanom-pahazavana sy loharanon’aina,
Ry loharanom-pahasoavana ho an’ny finoana,
Tao aminao no nahitanay fitsaharana, nahitanay fahasambarana,
                                          nahitanay fiadanana tsy manam-petra.

2. Ry loharanom-pitiavana, loharano vaovao mandrakariva,
                      miboiboika ho anay avy ao amin’ny Fitoerana masina.
Mameno anay amin’ny fahafenoanao mandrakizay Ianao,
                                            ry Loharano avy amin’Andriamanitra !

3. Sambatra izay toy ny hazo velona nambolenao teo amoron’ny ony,
                                                          ka mamaka sady mitombo,
                           ary koa misotro ho mandrakizay amin’ny ranony !

4. Mamoa ny voany sy ambinina izy,
Ary miampy hery isanandro isanandro :
Sambatra izay misotro, etỳ an-tany,
Amin’ny loharanon’ny fitiavana !

 184 

1. Eo am-panolorana haja ho Anao aho,
Rehefa mibanjina ny habakabaka, asanao mahatalanjona,
Ny lanitra, ny volana ary
          ireo fanazavana samihafa nalahatrao araka ny fahendrenao, ...

2. ... dia taitra sy ravo, miteny anakampo hoe :
Inona moa ny olombelona, ry Lehibe Avo Indrindra ! no
                                     mba tsarovan’ny fahamoram-panahinao sy
                                            tian’ny fahasoavanao hokarakaraina ?

3. Ny olombelona dia nataonao ambany kely kokoa noho ny anjely,
                                           izay midera Anao any an-danitra any ;
Nosatrohanao voninahitra ihany koa izy,
Ary nohodidininao haja avo indrindra.

4. Izy dia dia nampanjakanao tamin’ireo asa kanto aoka izany
                                   noforonin’ny tananao mahery mandrakizay ;
Ao amin’ireo drafitrao, ry Tompo,
Ny zavatra rehetra dia hanjary fitoeran-tongotr’io mpanapaka io.

 186 

1. Ry fitiavan’ny Mpamonjiko, loharano miboiboika
                                               {mampangatsiatsiaka ny foko} (2) !
Tsy misy na inona na inona afaka hahatankina (haharitra, hahatapitra)
                                                                  ny onjanao mahasoa.
Ary izaho dia hankafy mandrakariva ny hatsaran-tarehinao maharavo,
Ry fitiavan’ny Mpamonjiko, fitiavan’ny Mpamonjiko !

2. Ry fitiavan’ny Mpamonjiko, ampy ho an’ny fanahiko Ianao.
Hitako ao aminao ny zava-drehetra :
                             {fiadanana, fitsaharana ary fahasambarana} (2).
Rehetra hafanain’ny afonao aho, {ry fitiavan’ny Mpamonjiko !} (2),
                                                 dia mahazaka ny zavatra rehetra,
             na hasasarana izany, na fizahan-toetra, na fanomezan-tsiny.   

3. Ho hitako, tsy takon’ny rahona, ry fitiavan’ny Mpamonjiko,
                                             {ny fandresen’ny famirapiratrao} (2).
Rehefa tapitra izao diako izao, dia ho afaka mibanjina sy mankalaza
                 ao an-tranon’ny Ray {ny fitiavan’ny Mpamonjiko} (2) aho,
                              mandritra ny vanimpotoana rehetra hifandimby.

 189 

1. Fahasambarana toy inona anie ny mahafantatra Anao,
                                                             Ilay tsy mba afaka hiova,
Ry Mpamonjiko, Mpampianatrao, Izay Andriamanitra,
                   ry Mpiandry tsara, vonona mandrakariva hanampy ahy !

2. Tsy hanan-java-mahory mihitsy aho,
               satria efa omenao ahy mialoha avokoa izay rehetra hilaiko.
Mahafa-tahotra ahy ny tsorakazonao,
Ary miankina tanteraka amin’ireo fikarakaranao aho.

3. Na dia ao amin’ny lohasaha maizina aza aho,
Dia eo anilako akaiky dia akaiky ahy Ianao,
Koa dia mionona ny fanahiko,
Mahatsapa fa miaraka Aminao.

4. Tsy ho ela aho dia havela hiditra
                                       ao amin’ilay Toeramasina any an-danitra,
Mba hahita Anao ao amin’ny fahazavana,
Ry Mpiandry mahery miandry ny ondry.

5. Fahasambarana toy inona anie ny mahafantatra Anao,
   Ilay tsy mba afaka hiova,
Ry Mpamonjiko, Mpampianatrao, Izay Andriamanitra,
   ry Mpiandry tsara, vonona mandrakariva hanampy ahy !

 190 

1. Nandalo teto
               amin’izao taniefitra ngazana tsy misy lalana voasoritra izao
                                 Ilay Môdeliko, Mpitarika ahy, ary Mpamonjiko.
Amin’ny alalany no ankanesako eo amin’ny Ray ;
Izy no mahasambatra ahy tanteraka,
Ka tsy misy na inona na inona, eto an-tany, mahasarika ny foko.

2. Eo amin’i Jesoa Kristy no miorina ny finoako.
Ka ho very maina ve ny fanarahako Azy, na hahaverezako zavatra,
Nefa dia Izy mihitsy no ahazoako tombony ?
Na mihambo hahasakana ahy tsy hanaraka Azy aza
                                                    ny zavatsoan’izao fiainana izao,
Ny heriny tsy misy fetra kosa, mitaona ahy hanilika ireny.

3. Sambatra aho, nanafaka ny fanahiko ny Tompo,
Mizotra mankany an-danitra aho
Ary efa mandray anjara sahady amin’ny fihirana mandrakizay.
Tsy afaka manozongozona ny finoako mihitsy,
Na fangirifiriana, na fahasasarana, na fahoriana.
Mameno fitahiana ahy ny fitsapana.

4. Dia hataoko hahakivy ahy ve
                     izay lalana adiny iray mampitoloko sy mampitomany ?
Tsia, satria ahazoako fanampiana mandrakariva
                                                          ny fahasoavanao lavorary ;
Ary mampionona ahy hatrany hatrany ny tehinao sy ny tsorakazonao.

5. Endre, ry Jesoa, Mofon’aina haniko etỳ an-tany !
Mampahery ny fanahiko ny herinao, isaky ny dingana tsirairay ataoko.
Tsy ho ela aho dia hahita Anao
                         ao amin’ny voninahitrao tsy hay ambara amin-teny,
        ka hanjary hitovy endrika aminao amin’izay, ary hitsaoka Anao !

 197 

1. Ry Toeram-pitsaharana, Fonenana masina,
                                Fitoerana mahatretrika ho an’ny olo-navotana,
Ry Tanàna volamena, Tanàna mampiraiki-po,
Tena iriko ireo zava-mahasambatra eo aminao !
Fitsaharana, fialan-tsasatra !
Eo anilan’i Jesoa, tsy hisy intsony na fijaliana na fangirifiriana.

2. Eo aho no hiditra, satria novonjena noho ny fahasoavana,
Eo Ianao no miandry ahy, eo amin’ireo kianja masina.
Avia, hoy Ianao, fa efa azoko
      teo amin’ny hazofijaliana niaretako, ny toeranao eto am-paradisa.
Fitsaharana, fialan-tsasatra !
Eo anilan’i Jesoa, tsy hisy intsony na fijaliana na fangirifiriana.

 198 

1. Misosa tsara eo ambonin’ny rano ny lakantsika,
Ry kristiana, vahoakan’ny lanitra !
Mamafa ny kintana ny maraina miposaka,
Dia tonga ny andro, mamiratra aoka izany !

2. Tazàno anie, fa efa miseho erỳ lavitra erỳ ny morontsiraka ;
Koa mahereza tsara, ry sakaiza,
Satria azo antoka fa hiala sasatra isika.

3. Na manambana antsika aza ny tafiodrivotra mahery vaika,
Loza tsy mampatahotra antsika izany,
Satria misy Mpandeha Iray avy any an-danitra,
                                            naka toerana ao an-tsambokelintsika.

4. Ilay hantsana be mampidi-doza sy tsy ampoizina
Toera-maharendrika, toeram-pahafatesana,
Dia mitony rehefa mandre ny feon’ny Mpampianatra,
Ary efa tonga eo amin’ny fitodiana sahady isika.

5. Endre ! ho toy inona anie ny firavoravoantsika vahoakany,
                                                                 rehefa mahita Azy, sy
                                 rehefa rakofan’ny hamaminy ho mandrakizay,
                                hamaminy araka ny maha Andriamanitra Azy !

6. Jereo anie, fa efa mamirapiratra sahady ny moron-tsiraka,
                                          tarafin’ny tanamasoandro vao maraina.
Koa mahereza tsara, ry sakaiza,
Satria efa ho tonga eo amin’ny fitsaharana isika !

 199 

1. Miaraka amin’i Jesoa, na aiza na aiza ! Izy irery no tohana ho ahy.
Aoka anie aho tsy hiala aminy, na rahoviana na rahoviana,
                                                            fa hiaraka aminy hatrany.
Aoka anie tsy hataoko ho zavatra mitaky ezaka ny fanarahako Azy :
Na aiza na aiza aho, dia miaraka amin’i Jesoa,
                                                    Izay nisava ny lalana hodiaviko.

2. Miaraka amin’i Jesoa, na aiza na aiza !
Indraindray io Mpiandry mamy io dia mampandeha ahy
                                                                  amina lalana sarotra,
Mizaha toetra ahy Izy, matetika, ary manala amiko ireo olona tiako,
Nefa na tsy manana na inona na inona intsony aza aho,
                                            dia Izy mihitsy no mbola ahy hatrany.

3. Miaraka amin’i Jesoa, na aiza na aiza,
                                               mandritra ny lohataona mahamay ;
Miaraka amin’i Jesoa, na aiza na aiza,
                                         mandritra ilay ririnina atahorana mafy ;
Miaraka amin’i Jesoa, na aiza na aiza,
                                    raha vao miposaka ny maraina mamiratra ;
Miaraka amin’i Jesoa, na aiza na aiza,
                         rehefa manemitra ahy (rehefa manodidina ahy) ny alina.

4. Miaraka amin’i Jesoa, na aiza na aiza ! Tarihin’ny Mpamonjiko,
                                    na anaty ady mangotraka, na mijaly mafy ;
Na amin’ny fotoana itsaharana, na amin’ny fotoana iasana,
                        na amin’ny andro mahory, dia miaraka amin’i Jesoa,
                                       na aiza na aiza itondran’ny fitiavany ahy.

5. Miaraka amin’i Jesoa, na aiza na aiza !
                             Tsy misy na inona na inona hampihontsona ahy.
Raha miaraka amin’i Jesoa, na fahafatesana aza,
                                                      tsy manana ny heriny intsony.
Mialoha lalana ahy Izy, mampirisika ahy hanaraka Azy.                    
Miaraka amin’i Jesoa, na aiza na aiza,
                                na amin’ny fahafatesana na amin’ny fiainana !

 200 

1. E, ry Jesoa, misento mitady Anao isanandro isanandro ny foko.
Mirehi-po mihitsy aho, maniry ny fotoana hiverenanao.
Miara-miantso mafy amin’ireo olonao aho, hoe :
« Amen ! Avia, ry Tompo Jesoa ! »
Ry harenan’ny fanahiko, harena avy amin’Andriamanitra,
Ianao irery no takiako.

2. Toa diera mangetaheta mitrena,
                                    mitady ilay rano mandeha mangatsiatsiaka,
Dia toy izany ny fanahiko, eto amin’izao taniefitra izao,
                                                                 misento mitady Anao.
Miara-miantso mafy amin’ireo olonao aho, hoe :
« Amen ! Avia, ry Tompo Jesoa ! »
E, ry Mpamonjy ahy,
                     mba rahovina re ireto masoko ireto no hahita Anao e ?

3. Hisitraka ny fahasoavanao mampanankarena,  
Hankalaza ny fitiavanao lehibe,
Hahita Anao mifanatri-tava, ry Jesoa,
Hiaraka aminao ho mandrakizay :
Izany rehetra izany dia mitaona ahy
                                             hiara-miteny amin’ireo olonao, hoe :
« Amen ! Avia, ry Tompo Jesoa ! »
Mba valio re ny hiakan’ny fanahiko,
Satria Ianao no takiako.

 201 

1. Alao hery (Aoka isika hahery), ry sakaiza !
Tsy ho ela dia hiposaka
Ilay maraina tsy misy rahona,
Satria efa ho tonga isika, efa ho tonga
                          eo amin’ilay moron-tsiraka haharitra mandrakizay.

2. Etỳ an-tany isika, miaritra tafiodrivotra ;
Etỳ an-tany isika, ianjadian’ny fangirifiriana ;
Tsy misy mihitsy toerana mba hipetrahan’ny lohantsika :
Aiza no hahita fialofana
{Mba hialofan’ny fontsika ?} (2).  

3. Nefa ho an’ny fanahy mpankatò
Dia misy fitodian-tsambo iray mahatretreika ;
Ao dia misy fitsaharana am-pahatoniana,
Fialofana milamina sy azo antoka
{Eo amin’ny fialofan’Ilay Andriamanitra Mahery} (2).

4. Alao hery (Aoka isika hahery), ry sakaiza !
Tsy ho ela dia hiposaka
Ilay maraina tsy misy rahona,
Satria efa ho tonga isika, efa ho tonga
                          eo amin’ilay moron-tsiraka haharitra mandrakizay.

 204 

1. Mankany Aminao aho, ry Jesoa, mankany amin’ilay fonenako,
Miroso aho, tarihin’ny Fanahy Masina ;
Tsy matahotra aho, mitoky aminy
Isanandro isanandro, hatramin’ny farany.

2. Ny Fanahy Masina dia manohana ahy, mampahery ahy
Eo amin’ny lalana mankany an-danitra ;
Tsy ho ela intsony, rehefa tapitra izao diako izao,
Dia hahita Anao aho, ry Imanoela !

3. Nefa eo amin’io lalana io aho dia mitampin-tsofina tsy mihaino
                      na inona na inona mety ho tabataba, ho zava-poana ;
Ary ny fanahiko mihaino am-panginana
Ilay feo malefaka avy amin’ny Fanahy Masinao.

 205 

1. Jesoa no Ilay Sakaiza faratampony,
Ilay Sakaiza mamin’ny foko ;
Jesoa no Ilay tia ahy,
Fialofako sy Mpamonjiko.

2. Jesoa Kristy no Fahazavana,
Tonga hitsilo (hanome fahazavana, hanazava) ny diako,
Mba tsy ho solafaka ny tongotro
                                       eto am-pamakivakiana izao fiainako izao.

3. Jesoa no Ilay Fitiavana tsy mba miovaova,
Fitsaharako eto amin’izao tany izao ;
Izy no fiainana mandrakizay,
Ary mitondra ahy hatrany amin’Andriamanitra.

4. Jesoa no Ilay Fanantenako
Tsy ho ela Izy dia ho tonga avy any an-danitra
Mba haka ahy ho eo amin’ny fanatrehany,
Ao amin’ny fitsaharana haharitra mandarkizay.

5. Ry Fanantenako, Zava-drehetra ho ahy, Aiko,
Ry Jesoa Fahazavana, Fitiavana,
Aoka anie aho mba hanome voninahitra Anao
Eto am-piandrasana ny fiverenanao !

 206 

1. Hamela Anao irery hiasa sy hanoritra ho anay ireo lalanay,
Ry Andriamanitra fiadanana, Andriamanitra fitiavana !
Hahita eo aminao ny loharanon’ireo fifalianay,
{Amin’ny fotoana rehetra mandritra ny andro !} (2). 

2. Ary rehefa manirery izahay, tsy misy mpiaro,
                                                    mahita loza mitranga tampoka,
Dia mitady fialofana azo antoka eo amin’ny fanatrehanao irery ihany,
{Hamela Anao irery hiasa !} (2). 

3. Hamela Anao irery hiasa izahay, ary matoky ny fandresenao,
Ka mitsahatra ao aminao,
Ary rehefa tonga ny fotoana, dia Ianao mihitsy no hampiditra anay
                                                               ao amin’ny voninahitra,
{Ho lokan’ny finoanay !} (2). 

 209 

1. Rehefa tonga eo amin’ny tanjon’ny fihazakazahako aho,
Ary avy eo amin’io toerana avo io,
                                  mahita indray ny lalana teo amin’ny fiainako,  
Rehefa mamela ny masoko hitazantazana eny lavitra eny
                                                                    ny lalana nodiaviko,  
Dia tsy hisy ranomaso, Andriamanitra ô, tsy hisy nenina na sento
Hanenlingelina ny fanahiko feno dia feno,
Satria fahatsiarovana iray ihany no ho ao amiko zanakao,
Dia ny fahatsiarovana ny famindramponao !

2. E ! marina fa tsy hita isa ny lalan-diso
              nalehan’ny tongotro namela dian’izany tao amin’ny vovoka,
Ary matetika loatra no nisy sakan-dalana
                                                   nahatara ahy teo amin’ny diako.
Impiry impiry moa Ianao no tokony ho nanasazy ahy ?
Nefa ireo fikarakaranao feno hamamiana sy
                                                       ny fangorahanao nitobaka be
Dia tsy hamela ato am-poko afa-tsy fahatsiarovana iray ihany,
Dia ny fahatsiarovana ny famindramponao !

3. Manomboka ho tapitra izao ny alina maizina,
Ka rahampitso dia ho tazana tsy takontakona ny tanjona !
Miakatra ny lalana, mizotra any an-tampony avo sy mazava any,
Ary toy ny efa tonga sahady eny amin’ny kintana.
Any ambony any, ho falifaly aho, ao amin’ilay hoavy midadasika,
Hanandratra ny fitiavanao mitobaka be,
Satria fahatsiarovana iray ihany no mitoetra, any an-danitra,
Dia ny fahatsiarovana ny famindramponao !

 210 

1. Mitoera eto aminay, ry Tompo, fa efa mihamaizina ny andro ; Antomotra ny alina, ary mampitahotra anay rehetra.
Angatahinay mafy aminao ny fanatrehanao
                                      araka ny maha Andriamanitra Anao, hoe :
Mitoera eto aminay anie, ry Tompo, mitoera eto aminay !

2. Ao aminao ny fonay dia manaiky Anao Mpampianatra anay ;
Ao aminao ny Fiangonana dia nahita Ilay Mpampakatra azy.
Rehefa ambany masonao ny fanahinay,
                                         dia mahatsiaro ho velombelona indray ;
Koa mitoera eto aminay anie, ry Tompo, mitoera eto aminay !

3. Ny fahasambarana poaka aty eto amin’izao tontolo miovaova izao
Dia tsy mamokatra na inona na inona, afa-tsy nenina sy rikoriko ;
Izahay anefa mangetaheta fifaliana haharitra mandrakizay,
Koa mitoera eto aminay anie, ry Tompo, mitoera eto aminay !  

4. Rehefa ao anaty ady izahay na ao anaty fahoriana,
Ka mamely mafy anay ny fahavalo,
Aoka anie ny herinao hanohana anay araka ny fahalemenay,
Koa mitoera eto aminay anie, ry Tompo, mitoera eto aminay ! 

5. Rehefa eo ambany masonao, dia masina sady tsara ny fifaliana ;
Rehefa eo anilan’ny fonao, na ny ranomaso aza dia mamy.
Ary na inona na inona omen’ny tananao anay na esorinao aminay,
Dia mitoera eto aminay anie, ry Tompo, mitoera eto aminay ! 

6. Avy any ambony any, ry Tompo, dia mampahery anay ny feonao
Milaza aminay indray hoe : « Mitoetra eo aminareo Aho. »
Isanandro isanandro, mandra-pahatapitry ny dianay,
Dia mitoetra eo akaikinay Ianao, satria tianao izahay.

 211 

1. Vita. Tanteraka ny asam-pahasoavana.
Ela ny ela ka miakatra amin’izay ny hiakan’ny fandresena.
Nandresy Jesoa, maty ary nanondrika ny lohany.
Vita.

2. Nosotroin’i Jesoa ny kapoaka. Natolony am-piadanana ny ainy.
Nahita fahamamiana tsy misy fetra tao aminy Andriamanitra ;
Nomem-boninahitra Andriamanitra,
                             ka nanome voninahitra an’Ilay Lehilahy lavorary.
Vita.

3. Nofoanan’i Jesoa ny ota,
                   nahita izany avy any amin’ny fahantrany lalina indrindra
                                                                   ny olombelona very.
Nijaly Jesoa mba handoavany ny saran’ny ota,
                                                         sarany mampihoron-koditra.
Vita.

4. Andriamanitra mihitsy no nanatriatra ny efitra lamba masina,
                                             hatrany ambony ka hatrany ambany.
Koa misokatra ho antsika ny lalana namboarina, vaovao sady velona,
                                       mankany amin’ny fitoerana avo indrindra.
Vita.

5. Manomboka eo amin’ny lanitra vaovao ka hatrany amin’ny tany vaovao,
Dia hihira tsy ho ela intsony ny zava-drehetra, feno fitiavana.
Dera ho an’Andriamanitra, voninahitra ho an’ny Zanaka,
                                                           voninahitra ho an’ny Ray !
Satria tanteraka ho mandrakizay ny zavatra rehetra.

 213 

1. Namely Anao, ry Mpamonjy Malala, ny kapoky ny fahamarinana,
                                           teo amin’io toerana fampijalijaliana io,
                                            teo anelanelana olon-dratsy roa lahy.
Fa inona moa ny ratsy nataonao ?
Nahoana no nosazina toy izany Ianao ?
Nefa tsy nanan-tsiny akory Ianao, Ilay Sorona masina.

2. Tonga mba hamonjy ny olona Ianao, nefa dia nailik’izy ireo,
Ka niharihary teo ny faharatsianay manontolo.
Notevatevain’izao tontolo izao Ianao,
Ry Tompo natao tsinontsinona ;
Torotoro ny fonao, tao anatin’ny horohoro lalina nahazo Anao.

3. Rehefa tonga ilay fotoana faratampony, dia nafoy Ianao ;
Ilay Andriamanitra masina indrindra mihitsy
                                                         no nihodina tsy nijery Anao.
Zava-miafina tsy takatry ny sainay ny hoe
                                                      Ianao, Ilay anton’ny fitiavany,
Dia niharan’ny fahatezerany henjana tsy nilefitra.

4. Ry Mpanavotra mendrika hitsaohana,
Nifantsika teo amin’ny hazo,
Maty mba hamonjy olo-meloka,
Nanonitra ny fahotanay,  
Niaritra ny sazin’ny ratsy marobe nataonay,
Nopotehinao ny gadranay
Ary nomenao anay ny fiadanana.

5.  Tontosa ny asanao
Ary afa-po ny Andriamanitrao,  
Nosatrohana satroboninahitra ny lohanao
Ary lavorary ny fandresenao.
Anao ho mandrakizay anie ny voninahitra sy ny fahefana,
                         ny haja, ny fahalehibeazana ary ny fankasitrahana !

 0AF 10 

Tsy ho ela dia ho tapitra ny fiainanay

Aingam-panahy avy amin’ny Salamo 90


Hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay,
                      dia Andriamanitra Ianao, Ianao Izay namorona ny tany.
Ry Tompo asandratray, aminao ny arivo taona
Dia toy ny fandalon’ny omaly fotsiny ihany.
Ary Ianao no fiarovana lavorary ho an’ny olonao,
                                                               izay sambatra ao aminao.

Hitanao teo anivon’ireo olona ory izahay,
                     ary nampiravoravoanao tamin’ny fahamoram-panahinao,
                                               raha nandalo ireo fahorianay rehetra.
Tsy ho ela ny asanao soa dia hiseho eo amin’ireo mpanompo navotanao ;
Ary hita ho vaovao indray ny fiandriananao.

Hifarana tampoka ny fiainanay, izay fohy dia fohy,
                                               toy ny fanirin’ny ahitra eny an-tsaha,
                izay mitombo haingana eo amin’ny masoandro vao maraina,
                                     avy eo voajinja sahady, ary maina ny hariva.
Fa ny Teninao kosa, izay napetraka hatramin’ny fahagola,
                                                          dia mitoetra ho mandrakizay.

Mandeha haingana dia haingana ny andronay, toy ny entin’ny riaka ;
                                                                           manidina izahay.
Ampianaro izahay hampiasa am-pahendrena ny andronay,
Ary enga anie ka hiaina araka ny sitraponao izahay,
Satria afaka fotoana tena fohy, angamba,
Dia handeha ho any amin’ny lanitrao mahafinaritra.

Ho tombony ho anay mpino ny fahafatesana,
                                               fiafaran’ny fandalovanay eto an-tany.
Rehefa naverina ho amin’ny vovoka ny vatanay,
Dia hanana ny fitsaharana azo antoka ny fanahinay,
Alohan’ny hiposahan’ilay maraina feno voninahitra,
                                                rehefa maneno ny trompetra farany.

 0AF 20 

Vady ho an’ny Zanak’Andriamanitra

Lohahevitra : Kristy sy ny Fiangonana

Tsiambaratelo nafenina hatrizay hatrizay ny hoe
Ianao, Ilay Andriamanitra Mpamonjy lehibe,
Dia naniry ho an’ilay Zanakao malalanao,
Vady araka ny fony.
Mba hahazoany io vatosoa sarobidy io,
Dia nandao ny voninahitry ny lanitra Ilay Zanakao,
Mba ho tonga etỳ an-tany, hanolotra ny ainy,
Sy hanatanteraka ilay fanirianao lehibe hatrizay hatrizay.

Tsara tarehy sy sarobidy ho Anao,
Ry Tompo Jesoa, io Fiangonana maminao io !
Ianao mihitsy no nanolotra ny tenanao teo amin’ny hazofijaliana,
Ka nividy azy tamin’ny ranao nalatsaka.
Koa anananao fahefana feno izy,
Ary tsy manam-paharoa eo imasonao !
Manambara ny asanao maharitra mandrakizay izy,
Ary efa miray aminao Lohany feno voninahitra.

Tsy ho ela dia horaisinao izy,
Hatao mitovy aminao Mpanavotra azy ;
Fa etỳ dia efa hamasininao sahady izy,
Ry Mpiandry tsara, Tompo mendrika hitsaohana !
Rehefa tapitra izao alina tsy maha eto Anao izao,
Dia ho avy ny fampakarambadin’ny Zanak’ondry, Izay Andriamanitra,
Andriamanitra anton’ny fanantenanay,
Izay ho hitan’ireo voavonjy rehetra amin’izay.

Rehefa voangona ny vokatrao, dia hiseho Ianao,
Miaraka amin’ny Fiangonana, ilay novidinao ;
Ny voninahitrao irery ihany no hampamirapiratra azy,
                                                        mitafy ny hatsaranao lavorary.
Amin’io andro soa hifalian’ny fonao io,
Dia hitsahatra Ianao, ao amin’ny fitiavanao,
Ary hankalazaina ho mandrakizay any an-danitra
     ny halehiben’izany fitiavana izany sy ny faharetany ho mandrakizay. 

 

 0AF 30 

Mora fo sy mahatoky Andriamanitra

Aingam-panahy avy amin’ny Salamo 31

Ao aminao irery, Andriamanitra ô, no ametrahako ny fitokiako ;
Ianao no vatolampiko sy fiarovana mafy ho ahy mandrakizay,
Ilay Mpanavotra ahy sy fanantenako lavorary.
Ao aminao irery no nahitako fialofana sy fiadanana.

Eny, Jehovah ô, hatoky Anao aho,
Satria Ianao no nahafantatra tanteraka ny fahoriako ;
Namaly ahy Ianao, namindra fo tamiko.
Hiravoravo aho noho ny anaranao.

Ianao no Andriamanitro, namonjy ahy Ianao noho ny hamoram-ponao,
Ary mihazona ny fanahiko napetraka eo am-pelatananao.
Mirotsaka amiko ny fahasoavanao sy ny fitiavanao,
Ka tsy ho diso fanantenana aho, mandrakizay, miandrandra Anao.

Hisaorana anie Ianao, noho ny hamoram-ponao mahatalanjona,
Ianao Izay mihaino ireo feo mitaraina
Ary mampahafantatra amin’ny taranaka mifandimby
               ny fitiavanao tsy takatry ny saina sy ny toetranao mahatoky.

Miaro ireo mpino Anao Ianao, ry Andriamanitra fahamarinana,
Mamaly soa ireo rehetra manantena Anao.
Voaaro lalandava izy ireo eo an-tananao,
Ary Ianao mihaino ny vavaka ataon’izy ireo am-pinoana.

Aoka ireo olonao masina mba hitoky aminao, Jehovah ô !
Ary dieny etỳ an-tany, mba hankalaza ny hamoram-ponao,
Eo am-piandrasana ilay andro hahatongavan’ireo voavotra rehetra
                                           any am-paradisa, hanodidina an’i Jesoa.

 

 0AF 40 

Aza matahotra ianao

Aingam-panahy avy amin’ny Isaia 43

Ry Jehovah Andriamanitra ô, Ianao Ilay Mpanavotro mahery,
Tsy miova Ianao, ry Ilay hany Andriamanitro marina sy Mpamonjy.
Toy ny nolazainao ny vahoakanao nafahana noho ny hamoram-ponao,
Dia hoy Ianao amiko :
                          « Aza matahotra ianao, fa efa nanavotra anao Aho. »

Namelanao fampanantenana tena azo antoka aho
Sy ny zanaka malalanao tsirairay, hoe:
« Efa niantso ny anaranao Aho, Ahy ianao ;
Koa afaka mandeha am-pinoana ianao, tsy misy tahotra,
                                                                          miaraka amiko. »

Raha mahita ony mampitahotra ahy amin’ireo onjany aho,
Dia indraindray tsy maintsy miampita ny rano lalin’izy ireo ;
Nefa tsy misy, na iray amin’ireo aza, afaka hanafotra ahy,
Satria miaro ahy amin’ny loza rehetra ny fanatrehanao.

Ary raha manery ny fanahiko ny fangirifiriana indraindray,
Eo anivon’ny afon’ny fizahan-toetra, ao anaty lelafo,
Dia voaaro sy voatahiry tsy manana ahiahy aho,
Ry Mpamonjy mahatoky, satria mitoetra eo anilako Ianao.

Raha mampangovitra tampoka ny onja sy ny rivotra,
Dia miteny amiko Ianao,
                             toy ny tamin’ireo olonao raiki-tahotra fahiny, hoe :
Aza matahotra, Izaho ihany ity, Izaho Ilay Mpahary ;
Eto Aho, eto anilanao, koa aza mihorohoro mihitsy !

Ny fizahan-toetra ny finoako —toy ny volamena sarobidy
                                 sedraina amin’ny herin’ny afo ao anaty memy—
Dia hanjary fiderana, voninahitra sy haja
Ao amin’ny fanambarana an’i Jesoa Tompoko.

Tsy ho ela dia hisava ny rahona manjombona,
Ho sambatra aho, hahatratra ilay morona malaza.
Ho voaloka mandrakizay aho, any amin’ilay fitodiana any an-danitra ;
Any no fiadanana mandrakizay, miaraka amin’i Jesoa.