NY FIADIANA

Efesiana 6:10-17

 

Henri ROSSIER

 

 

Document disponible sur le site http://nybaiboly.net.

Pour toute adresse de Bibliothèque Chrétienne à Madagascar, cliquer ICI.

Pour Antananarivo, l’adresse de la Bibliothèque est :

LOT IV L 39 D, Anosivavaka, Ambohimanarina — Tel: 033 15 552 35

 

Tano ny finoana ho ampinga…

 

Fizahan-takila

1        NY FIADIANA

1.1        Romana 13:11-14

1.2        1 Tesaloniana 5:4-10

1.3        1 Petera 5:8-9

1.4        2 Timoty 2:3-5

1.5        2 Korintiana 10:3-6

1.6        2 Korintiana 6:7

1.7        Hebreo 4:12

1.8        1 Korintiana 9:25-27

1.9        Efesiana 6:10-20

2        NY FIADIANA FIAROVAN-TENA

2.1        Ny fehinkibo

2.2        Ny aro-tratra

2.3        Ny kiraro

2.4        Ny ampinga

2.5        Ny fiarovan-doha

3        NY FIADIANA FANAFIHANA

3.1        Ny sabatra

3.2        Ny vavaka

 

 

1  NY FIADIANA

Ny ady kristiana dia manana toerana lehibe tokoa ao amin’ny tenin’Andriamanitra. Ny Testamenta Taloha rehetra dia feno ady, izay marina fa “ady amin’ny nofo sy ra”, kanefa “nisy mba ho ohatra amin’izay mahakasika antsika”. Ny Testamenta Vaovao dia tsy miresaka ny ady ataontsika, afa-tsy amin’ny lafiny ara-panahy.

Ny tanjona amin’ny ady sy ny tolona dia ny hiarovana antsika amin’ny fahavalo, ny hamaboana, ny hahazoana sehatra malalaka kokoa, ny hihazonana antsika sy hifaharantsika bebe kokoa, ny hanafahana ny hafa, ary farany, ny hitsarana sy hamaizana ny olon-dratsy sy ny tsy mpankatò. Ao amin’ny Testamenta Vaovao, ity farany ity, izany hoe ny fitsarana amin’ny ady, dia an’i Kristy irery ihany, ary mbola amin’ny hoavy izany; izany dia mampivoitra kokoa ny tombontsoantsika miaina ankehitriny amin’ny fotoam-pahasoavana. Marina fa ny kristiana dia hiaraka amin’i Kristy, amin’ny hoavy, hitsara izao tontolo izao, ary na ireo anjely koa aza (1 Korintiana 6:2, 3), kanefa tsy ho tonga izany raha tsy voasolon’ny fanjakàn’ny fahamarinana sy ny fotoanan’ny voninahitra ny fotoam-pahasoavana.

Ny ady kristiana dia mandrakariva ady ara-panahy amin’ny fahavalo any ivelany, afa-tsy amin’ny ady atao amin’ny tena. Kanefa ity farany ity dia tsy mitovy velively amin’ny fieritreretana azy matetika ao amin’ny tontolo mitonona ho kristiana. Ny fiheverana izany tokoa mantsy dia ireo fisalasalana noho ny tsy finoana, ny tsy fahazoana antoka ny famonjena, ny tsy fitokisana amin’ny teny fampanantenan’ Andriamanitra na amin’ny finoana ny fahefan’ny Teny, ireo no lazaina fa ady kristiana. Tsy misy toetra toy izany mihitsy antsoina ho ady ao amin’ny Soratra Masina. Ady iray ihany, ady amin’ny tenantsika, no voambara ao, kanefa dia azo lazaina hoe fifanoherana ihany izany, fifanoheran’ny Fanahy izay mitoetra ao anatintsika sy ny sitrapon’ny nofo izay ao amintsika (Galatiana 5:16-18). Ny Teny dia mampianatra antsika fa misy foto-kevitra roa ao anatin’ny kristiana, dia ny nofo sy ny Fanahy, ankoatra ny izaho. Ireo foto-kevitra ireo dia miasa mifanohitra; fa ny kristiana kosa dia miavaka noho ny Fanahin’i Kristy izay ao anatiny sy iainany; na dia mbola ao aminy ihany aza ny nofo, dia heverina ho toy ny afaka tanteraka amin’ny fanandevozan’ny nofo izy. Marina fa eo ny nofo, ary hanohitra lalandava ny Fanahy izy; fa ny Fanahy kosa mikatsaka hanohitra ny nofo, mba tsy hahazoako manao izay zavatra tiako. Koa raha miaina araka ny Fanahy isika, ary izany no ataon’ny kristiana tsirairay, hisy fialan-tsiny ho antsika ve raha tsy mandeha araka ny Fanahy isika? Amin’io andininy vao notanisaintsika io, ny fandresena ny nofo ao anatintsika dia heverina fa  zavatra tsy maintsy misy noho ny fanatrehan’ny Fanahy izay manafaka antsika sy manala izay mety hanery antsika hanaraka ny nofo na hanandevozany antsika.

Ny ady hafa rehetra, ohatra izay lazain’ny toko faha-7 ao amin’ny Romana, dia tsy inona fa ny ady tsy misy fanafany atrehin’ny fanahy mino, izay eo ambany lalàna, ataony amin’ny tenany: manana ny fiainana izy fa tsy ny Fanahy izay manafaka azy. Manana toetra roa, ny tranainy sy ny vaovao, ilay olona ao amin’ny Romana 7, ary mbola andevozin’ilay tranainy ihany. Te hanao ny tsara izy kanefa ny ratsy mandrakariva no ataony. Farany, very hevitra izy ary rehefa niaina zavatra mampalahelo maro dia maro, dia tonga tamin’ny fanafahana tanteraka, tsy amin’ny ady anefa, fa amin’ny fahafantarana ny asa lavorary nataon’i Kristy, Izay nanafaka azy ho mandrakizay. Izany no ahafahany milaza hoe: “Ary amin’izany, dia tsy misy fanamelohana ho an’izay ao amin’i Kristy Jesosy. Fa ao amin’i Kristy Jesosy ny lalànan’ny Fanahin’aina no nahafaka ahy tamin’ny lalànan’ny fahotana sy ny fahafatesana” (Romana 8:1-2).

Ny ady ao amin’ny Romana 7 izany dia tsy fandresena, fa faharesena lalandava, mandra-pahazon’ny fanahy fa nisy olona iray izay nandresy ho azy. Ilay toetra vaovao ao anatintsika dia tsy afaka ny hiala amin’ny zioga fanandevozan’ny nofo, raha mbola tsy manana ny Fanahy ho herin’ny fiainany vaovao. Marina anefa fa ny kristiana, rehefa napetrak’i Kristy tao amin’ny fahafahan’ny Fanahy, dia tandindomin-doza ho hazonin’ny zioga fanandevozana indray (Galatiana 5:1);  noho izany dia ampirisihina izy hihazona mafy ny toerana izay azony noho ny asan’i Kristy, mba tsy ho lasa andevon’ny lalàna sy ny ota indray.

 

Rehefa avy nilaza hoe inona no ady kristiana ary inona no tsy ady kristiana, dia andeha hojerentsika ny Fahavalo izay iadiantsika. Io fahavalo io dia Satana.  Fitaovana maro no ampiasainy iadiana amintsika, hita sy tsy hita maso.

Ny fitaovany tsy hita maso: ny fanapahana sy  ny fanjakana, ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra, dia voalohany indrindra ireo anjely izay notarihin’i Satana tamin’ny fikomiany. Ireo anjely lavo ireo dia manana “loha” izay mampiasa ny ambaindainy amin’ny mpanapaka izao tontolo izao mba hanoheran’izy ireo ny fikasan’Andriamanitra amin’ny vahoakany, fa misy kosa ireo “loha”-n’ny anjely hafa, toa an’i Mikaela arikanjely, izay miasa eo ambany fanapahan’i Kristy, mba hanohitra azy ireo sy hanao izay tsy hahatanteraka ny fikasany amin’ireo mpanapaka ireo ihany (Daniela 10).

Ambonin’izany, Satana izy tenany mihitsy no miasa amin’ny fomba miafina, ary indraindray aza izy dia manova tena ho toy ny anjelin’ny fahazavana mba hahazoany mamitaka moramora kokoa ny olona. Izy no “mpanapaka ny fanjakana eny amin’ny rivotra”. Io fahefana io dia ny fanahin’izao tontolo izao izay hanjakan’i Satana sy tapahiny araka izay hitiavany azy, na amin’ny fanangolena, na amin’ny fampitahorana, na amin’ny fankahalana an’Andriamanitra ampidiriny ao am-pon’ny olona, na fankahalana ampiredaredainy mba hiadian’ny samy olona. Fahefana mahatahotra tokoa, kanefa tsy ho ela dia ho toy ny mololo eo imason’Ilay Andriamanitry ny fiadanana rehefa hanorotoro an’i Satana eo ambanin’ny tongontsika Izy!

Fa Satana dia manana fitaovana hita maso, antsoina hoe koa “fanapahana sy fanjakana”. Tamin’ny voalohany izy ireo dia napetrak’Andriamanitra tetỳ an-tany ary ny fahefany dia avy Aminy, notafiany haja sy fahefana ho eo anivon’ny olona (Titosy 3. 1); kanefa dia lasa rembin’i Satana izy ireo, izay manapaka azy araka izay itiavany azy, na dia tompon’ny teny farany amin’ny fanapahan-keviny aza Andriamanitra, tsy araka ny sitrapony. An’ny haizina manarona izao tontolo izao izy ireo ary ao no hiasany. Na dia lavitra an’Andriamanitra aza izy ireo, dia tsy maintsy manaiky ny kristiana fa Andriamanitra no niandohany, ary izany no ahafahany mivavaka sy mifona ho azy ireo, ka tsy hijereny ny toetrany ankehitriny. Ny devoly, izay lasa lohan’ireo fanapahana sy fahefana ireo, dia mampiasa azy hiady amin’i Kristy. Manankery amin’izy ireo ny fanahy ratsy izay ananan’i Satana sy “eny amin’ny rivotra”, toerana izay mbola tsy nandroahana ny Fahavalo. Ankehitriny dia efa nobaboin’Andriamanitra ary nasehony miharihary io fanahy ratsy io, ireo fanapahana sy fahefan’i Satana eny amin’ny rivotra, ary resiny teo amin’ny hazofijaliana (Kolosiana 2:15).

Mifanohitra amin’i Satana kosa, dia manana ny fitaovany hita maso sy tsy hita maso koa i Kristy. Fa voalohany indrindra aloha, amin’ny maha-olona natsangana tamin’ny maty Azy sy ipetrahany eo ankavanan’Andriamanitra any an-danitra, dia mahery noho ireo rehetra ireo Izy. Ambonin’izay mety ho fanapahana sy fahefana eny amin’ny lanitra Izy; ny kerobima, ny serafima, ny arikanjely, izay rehetra manan-kaja sy manampahefana amin’ny miaramilan’ny lanitra dia eo ambany fifehezany. Ambonin’ny anarana rehetra izay entin’ny olona etỳ ambonin’ny tany Izy. Ny fanapahana sy fahefan’i Kristy dia manana toetra mifanohitra tanteraka amin’ny an’i Satana: iretsy voalohany dia any an-danitra sy avy amin’ny lanitra, ny an’ny Fahavalo dia haizina sy ao anaty haizina ary avy amin’izao tontolo izao sy ao amin’izao tontolo izao (Efesiana 1:20-21).

Mbola ho hitantsika ao amin’ny Kolosiana 1:16 izany hevitra izany, momba an’i Kristy. Io andininy io no mampiseho antsika an’i Jesosy ho toy ny Mpahary ny zavatra rehetra, any an-danitra sy etỳ ambonin’ny tany, ny hita sy ny tsy hita. Ny zavatra hita dia ny sezafiandrianana sy ny fanjakana etỳ an-tany. Izy no manorina ny fanjakana ary manome ny fahefana ho an’ny olona nofidìny ho amin’izany. Ny zavatra tsy hita maso eto dia ny fanapahana sy ny fahefana any an-danitra naorin’Andriamanitra (Efesiana 3:10). Nefa efa hitantsika koa fa tamin’ny voalohany dia nametraka izany tetỳ an-tany Andriamanitra, ary, na norombahin’i Satana aza izany, dia mbola hazonin’Andriamanitra ihany ary ampiasainy hanemorana ny fanjakana tsy tan-dalàna farany, satria “Izy no nahariana ny zavatra rehetra, sady ho Azy izany”.

Ao amin’ny Kolosiana 2:10 dia hitantsika fa ny fanapahana sy ny fahefana dia mponin’ny lanitra notafiana ireo haja ireo, fa koa olona izay manana ny zavatra rehetra eo anatrehan’Andriamanitra ary mandrafitra ny tena, izay Izy no lohany.

Noho izany, raha amin’Andriamanitra, ny hoe “fanapahana sy fahefana” dia ampiharina amin’ny anjely, amin’ny olom-boafidy amin’ny maha mponin’ny lanitra azy, ary koa amin’ny manana voninahitra etỳ an-tany tany am-boalohany, manana voninahitra norombahin’i Satana mba ho fitaovany hiadiana amin’i Kristy, kanefa eken’ny Tompo satria Izy no nametraka azy ary ampiasainy hanatanteraka ny fikasany, na dia tsy tian’izy ireo aza izany.

Hamaranana ny lohahevitra momba ireo “manana voninahitra” napetrak’Andriamanitra ary eo ambany fifehezan’i Kristy, dia mbola misy andinin-tSoratra Masina roa azo tanisaina:

Ao amin’ny voalohany, 1 Korintiana 15:24 no ahitantsika ny fiafaràn’ny fanapahana rehetra mba hampanekena an’Andriamanitra ny zavatra rehetra amin’ny farany. Hatolotry ny Tompo ho an’Andriamanitra Ray ny fanjakana, “rehefa nofoanany ny fanapahana rehetra sy ny fahefana rehetra ary ny hery rehetra”. Koa izay mety ho haja nanafiana ny mponin’ny lanitra sy ny tany dia hailika, ho foana eo anoloan’ny fahefan’ny Tompo irery ihany; fa Izy tenany no hanolotra izany fahefana izany eo am-pelatanan’ny Rainy. Hanjaka Izy mandra-panaony ny fahavalony rehetra ho eo ambany tongony, olona, fanahin’i Satana, fahafatesana aza, izay hananan’i Satana fahefana. Nefa lasa lavitra kokoa noho izany: na ireo fahefana tsy niodina tamin’Andriamanitra aza dia hofoanana. Amin’izany dia hanaiky Azy ny zavatra rehetra mba hampanekena an’Andriamanitra koa ny Zanaka, amin’ny maha olona Azy, satria Andriamanitra no mampanaiky Azy ny zavatra rehetra.

Ao amin’ny andininy faharoa, 1 Petera 3:22, dia “efa nampanekena Azy ny anjely sy ny fahefana ary ny hery”, hatramin’izay nipetrahany teo amin’ny tànana ankavanan’Andriamanitra. Izy rehetra, anjely tsara na ratsy, fanapahana any an-danitra sy etỳ an-tany, fahefana napetrak’Andriamanitra, na dia tafalatsaka tao anatin’ny ambaindain’i Satana aza izy ireo, dia manaiky Azy noho ny fanandratana Azy. Voatery izy ireo hanaiky ny fahefany sy ny zony aminy. Tsy fankatoavana no resahina eto fa ny tsy fahafahan’izy ireo manohitra Azy mihitsy.

Fa ankoatra ireo fitaovana tsy hita maso rehetra ananan’ny Tompo, dia mbola manana koa Izy eto an-tany olona, tafika hita maso voaforon’ireo olom-boavidiny, mba hiatrika ny ady amin’ny Fahavalo. Azy ireo aloha voalohany indrindra ny andraikitra hiditra an-tsehatra amin’ny ady. Ireo mpiady ireo dia nantsoina mba hitafy ny fiadiana rehetra an’Andriamanitra. Ny toko fahenina ao amin’ny epistily ho an’ny Efesiana no miresaka amintsika manokana ny momba azy ireo sy ny fitaovam-piadiany.

 

***

Raha jerentsika indray ankehitriny ireo tanjona samihafa ananan’ny Fahavalo amin’ny ady ataony amin’i Kristy sy ny vahoakany, dia ahitantsika ohatra amin’izany ny tantaran’i Isiraely, nanomboka tamin’ny nivoahany avy tany Egypta mandra-pidirany tany Kanana.

Ny tanjona voalohan’i Satana dia ny hihazona amin’ny fomba rehetra ny olona, ireo babony, ho andevony sy ho eo ambany fahefany. Rehefa hitany fa tsy afaka ny hahomby izy ka efa ho veriny ireo andevony, noho ny herin’Andriamanitra, dia henjehiny izy ireo, toa an’i Farao izay ohatra mampiseho ny Fahavalo, miaraka amin’ny miaramilany rehetra mba hisambotra azy ireo sy hamerina indray ny fahefany saiky very amin’izy ireo. Eto no manomboka ny ady, fa io ady io dia tsy ankinina amin’ny vahoaka; an’i Jehovah irery ihany izany. Ny hany zavatra angatahiny amin’i Isiraely  dia ny finoana: “Jehovah hiady ho anareo, fa ianareo kosa hangina”. Izy no hanarona amin’ny ranomasina ny soavaly sy ny miaramila nitaingina azy (Eksodosy 14; 15).

Vao afaka tamin’ny fanandevozana i Isiraely ka niditra tany amin’ny tany efitra, dia nifanena tamin’i Amaleka, fomba hafa isehoan’ny Fahavalo, izay manana tanjona hafa, dia ny hanelingelina ny dia any an-tany efitra sy hanakana ny vahoaka tsy ho tonga any amin’ny lovany.

Taorian’ny fiampitana ny ony Jordana, dia sakana lehibe tokoa no nataon’ny Fahavalo teo anoloan’ny vahoakan’Andriamanitra, dia ny tanànan’i Jeriko. Ny tanjony dia ny hanakana azy ireo tsy hiditra ao amin’ny lovany.

Farany, rehefa nianjera teo anoloan’ny fiadian’ny finoana ny mandan’io tanàna io, ny hitan’i Isiraely teo anoloany indray dia ireo mpanjaka rehetra tany Kanana nioko mba hanakana azy tsy haka ny lovany, na hihazona sy hameno io fananany io.

Io tranga fahefatra io no tena lazain’ny fampirisihina ao amin’ny toko faha 6 ao amin’ny epistily ho an’ny Efesiana. Mahagaga tokoa ny fifandraisan’io epistily io amin’ny bokin’i Josoa iray manontolo. Asehony amintsika fa ny kristiana  dia ampidirina any an-danitra mba hisitraka ny fitahiana rehetra amin’ny lovany, saingy ezahin’i Satana ny hanala aminy izany fitahiana izany. Noho izany, mba hahazoan’ny mpino ireo fitahiana ireo, hihazonany sy hitehirizany azy, dia tsy maintsy miady amin’ny fahefana ara-panahy any an-danitra izy, rehefa avy nitafy ny fiadian’Andriamanitra rehetra.

Io ady vao noresahintsika io no lohahevitra manokana amin’ny famakafakantsika, kanefa ilaina ny manamarika fa tsy mijanona eo akory ny adintsika. Manana rahalahy voageja ny kristiana ary tsy maintsy miady izy hanafaka azy ireo. Izany no ady nataon’i Abrahama, izay lazain’ny toko faha 14 ao amin’ny Genesisy antsika. Lehilahy vitsivitsy no nentin’ity patriarka ity nanenjika ireo mpanjaka efatra, resiny izy ireo ary nohafahany i Lota rahalahiny, izay efa babon’izy ireo. Io ady io dia mety tsy hanana tanjona afa-tsy ny hanafaka rahalahy iray monja, izay voababon’izao tontolo izao, toa an’i Abrahama, sy ny hahatonga azy higoka ny fahafahan’ny zanak’Andriamanitra. Aoka ho tadidiantsika fa io fandresena io dia mahazo valisoa lehibe tokoa avy amin’ilay Melkisedeka-ntsika. Nefa mety ho anjarantsika koa ny miady irery hanafahana ny vahoakan’Andriamanitra manontolo, toa an’i Jonatana, niady tamin’ny tobin’ny Filistina, izay resiny ka nahatonga ny fanafahana an’i Isiraely iray manontolo.

Ny ady kristiana dia mbola manana tanjona hafa koa izay hasehon’ny sary an’ohatra ao amin’ny toko voalohan’ny bokin’i Josoa. Ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen’i Manase dia efa nahazo ny anjarany tao amin’ny tany (izay marina fa tany an-dafin’i Jordana), ary efa nomen’i Jehovah “fitsaharana” izy ireo kanefa tsy tokony nijanona teo. Tsy maintsy nirongo fiadiana teo anoloan’ireo rahalahiny sy nanampy azy izy ireo, mandra-panomezan’i Jehovah fitsaharana ho azy ireo koa. Toy izany, misy ampahin’ny Fiangonan’Andriamanitra izay antsoina mba hanampy ny sasany, mandra-pahatongan’ireto farany hisitraka ny tombontsoa izay efa ananan’ny voalohany, rehefa vita ny adiny.

Farany, nefa aleo aza angamba miteny hoe voalohany, ny ady kristiana dia “ady ho an’ny Filazantsara”. Raha toa isika ka tsy manan-katao afa-tsy ny mino ny fitiavana sy ny herin’Andriamanitra mba hahafahana amin’ny fanandevozan’i Satana, dia misy kosa mpanota mahantra voagejan’ny fatotra nangeja antsika taloha. Mila miady amin’ny Fahavalo isika mba hikasihina ny sain’izy ireo ary hitarihina azy ireo hatoky Ilay Andriamanitra Mpamonjy, toa antsika. Toy izany ny adin’ny Filipiana. “Maharitra amin’ny fanahy iray (izy) ka miray fo hiara-miezaka hampandroso ny finoana ny Filazantsara, ka tsy ho azon’ny fahavalo ampitahorina (izy) na amin’inona na amin’inona”. Etsy andaniny kosa dia niady irery ny apostoly (2 Timoty 2:9, 10), na nampiombona mpino hafa niaraka taminy (Filipiana 1:27, 28, 30; 4:3; 2 Timoty 1:8; 2:3). Izany ady izany dia anisan’ny “ady tsara ho an’ny finoana” (1  Timoty 6:12; 2 Timoty 4:7).

Ny fitaovam-piadiana ho an’ny Filazantsara dia entina hanafihana. Ny Teny sy ny vavaka izany, izay mbola ho hitantsika aoriana.

 

 

Ndeha ho jerentsika izao ny ady, araka ny hanambarana azy amintsika ao amin’ny epistily ho an’ny Efesiana.

Voalohany indrindra aloha, dia ny “fanangolen’ny devoly” no atrehintsika. Mampidi-doza lavitra noho ny herisetrany izany ho an’ny fanahintsika.

Ny hafetseny lehibe indrindra dia ny mampidina antsika indray hiditra ao amin’ny fiainan’izao tontolo izao, izay izy no lohany ary feheziny araka izay itiavany azy. Rehefa manao izany izy, dia afaka mahafehy antsika, satria izao tontolo izao dia rafitra goavana ara-tsosialy, ara-politika ary ara-pivavahana, i Satana no Andrianan’izany, ary tsy misy an’Andriamanitra ao. Mifampikasoka isa-minitra amin’io rafitra io isika —rafitra izay tokony ho vakivakiantsika toy ny mpivahiny— ary amin’izany, dingana iray dia ampy hikambanantsika aminy.

Ny fomba ampiasain’ny Fahavalo tsy ahazoantsika misitraka ilay toerana any an-danitra dia ny fanakonana amintsika lalandava ny lanitra sy ny fanafenana an’i Kristy tsy ho hitantsika, amin’ny fanambaniana ny fivavahantsika ho sahaza ny tany sy amin’ny fandrindrana izany amin’izao tontolo izao.

Ny hafetsen-dratsy hafa iray koa izay ataon’io “mpanapaka ny fahefana eny amin’ny rivotra” io dia ny fampielezana fampianaran-diso eo amin’ny kristiana, fampianarana manapotika ny fanantenana ny lanitra ananan’izy ireo. Betsaka ny ohatra amin’izany ao amin’ireo epistily nosoratan’i Paoly.

Ao amin’ny 1 Korintiana 15:12, dia milaza ireo mpampianatra sandoka fa “tsy misy ny fitsanganana amin’ny maty”. Izany no fahadisoana efa ela teo amin’ny Sadoseo. Io fotom-pampianarana io, izay tsy maintsy mitarika ny fanahy handà ny fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty, dia manakana azy ireo tsy hisitraka ilay toerana any an-danitra izay efa azontsika noho io fitsanganana amin’ny maty io. Ao amin’ny 2 Timoty 2:18, Hymeneo sy Fileto dia nampianatra fa efa lasa ny fitsanganan’ny maty, fotom-pampianarana ratsy tokoa izay nametraka ny Eglizy, na ny ankohonan’Andriamanitra, ho eto an-tany mandrakizay.

Ao amin’ny 2 Tesaloniana 2:2, ireo mpanangoly dia nanambara fa efa tonga ny andron’ny Tompo, ary rehefa entiny toy izany ny kristiana ho eo anivon’ilay sehatry ny fitsarana izay mbola ho avy, dia esoriny amin’izy ireo ny fanantenana ny fiavian’i Kristy, izay tokony hiseho alohan’io andro io, mba hampiditra ireo olom-boavidy any an-danitra.  

 Rehefa tsy mahomby ny fanodikodinan’i Satana ireo zanak’Andriamanitra amin’ny fampianaran-diso, dia mbola tsy tapi-dàlan-kaleha izy fa mbola manana fomba iombonan’ny sarambaben’olona bebe kokoa, mirefarefa kokoa amin’ny tany, hanakonana ny lanitra tsy ho hitan’ny masontsika sy ny fontsika. Matetika izy no mandresy lahatra antsika fa ny anton’ny fivavahana kristiana, voalohany indrindra, dia ny hanosika antsika hitondra tena tsara, tsy hifangaro be loatra amin’ny zava-mahavariana eto amin’izao tontolo izao, hiombona hanao asa soa miaraka aminy, hanatanteraka ny antsoina hoe adidy ara-pivavahana. Amin’izay fotoana izay, ny kristiana dia hanana fomba fiainana ara-dalàna, izay tsy hisarika ny fankahalan’izao tontolo izao mihitsy, nefa mampidina ny fivavahany avy any an-danitra ho etỳ an-tany. Very ny toetra maha mpiady azy ireo, ary afa-po tanteraka amin’izany toerana izany izy ireo, hany ka matetika mila tranga manokana, toy ny hoe eo am-bavahoan’ny fahafatesana, izay vao mba mahita taratra kely amin’ny fiainana any an-danitra ao anatin’izy ireo.

Rehefa ambany toy izany ny toe-panahy, dia tsy sarotra amin’ny Fahavalo no mampikambana tanteraka ireo rembiny amin’ny tontolo misy azy ireo sy mitarika azy ireo ho tia izao tontolo izao sy ny filàny. Ilay fomba fivavahana kristiana etỳ an-tany dia lasa fomba fivavahana kristiana an’izao tontolo izao. Ny hany tanjon’izy ireo dia ny fitahiana eto an-tany, izay sarobidy tokoa ary omen’Andriamanitra ny mpivavaka, ary tsy raharahiany “ny fanantenana ny fiainana ho avy”; koa dia voatarika tsikelikely, toa an’i “Lota, izay lehilahy marina”, amin’ny fahafinaretan’ny ota izy ireo, ary matetika dia ho voavonjy ihany nefa “toy ny avy ao amin’ny afo”.

 

 

Mba hialana amin’ireny hafetsena ireny, dia antsoina isika ho mailo sy hahonon-tena ary hampiasa ny fiadiana rehetra omen’Andriamanitra antsika mba hanoherana azy ireny.

Eto isika dia miditra amin’ny lohahevitra asehon’ny lohatenin’ity asasoratra ity, nefa alohan’ny hijerena izany ao amin’ny epistily ho an’ny Efesiana, dia tsara raha jerentsika ny andininy sasantsasany miresaka io lohahevitra io ihany.

 

1.1  Romana 13:11-14

“Ary tokony hanao izany indrindra isika, satria fantatsika ny andro, fa ankehitriny izao dia ora tokony hifohazanareo amin'ny fatoriana; fa ankehitriny ny famonjena antsika dia akaiky noho ny tamin'ny andro vao ninoantsika. Efa ho lasa ny alina, ka efa mby akaiky kokoa ny andro, koa aoka hariantsika ny asan'ny maizina ka hitafiantsika ny fiadian'ny mazava. Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin'ny andro; tsy amin'ny filalaovan-dratsy, na amin'ny fahamamoana, tsy amin'ny fijangajangana, na amin'ny fijejojejoana, tsy amin'ny fifandirana, na amin'ny fialonana. Fa itafio Jesosy Kristy Tompo, ary aza miahy ny amin'ny nofo hahatanteraka ny filàny”.

Io tsongandahatsoratra io dia manambara fa ny haizina eo amin’izao tontolo izao noho ny tsy fisian’i Kristy, Izay “fahazavan’izao tontolo izao”, dia efa ho lasa. Efa hiposaka ny andro. Io andro io dia ny famonjena, andro mbola ho avy, izay akaiky antsika noho ny tamin’ny andro vao ninoantsika. Io famonjena io dia ho tratrantsika amin’ny fiavian’Ilay andrasantsika ho toy ny Mpamonjy. Tsy maintsy mifoha amin’ny torimasontsika izany isika. Izany torimaso izany dia tsy ambara hoe zavatra tena ratsy tsy akory, jereo 1 Tesaloniana 5:7 sy Efesiana 5:14, fa vokatry ny tontolo iainantsika. Noho izany, dia tsy ny torimasontsika no resahina, fa hoe ny alina, izay natokana ho an’ny torimaso, dia efa ho lasa. Fotoana izao, tokony tsy hijerena afa-tsy ny fiposahan’ny andro, ny famonjena. Mba hitsinjovana izany tranga izany dia misy adidy roa tokony efaintsika: ny voalohany dia ny manilika ny asan’ny maizina, toy ny fanalàna ny fitafiana entina amin’ny alina. Rehefa miaina ao anatin’ny haizina isika, dia tsy voaaro amin’ny asany. Ny eritreritsika sy ny zavatra ataontsika dia tandindomin-doza hitafy ny toetr’io tontolo iainantsika io, na misongadina izany na tsia. Izany no tokony hariantsika lavitra antsika aloha, avy eo mitafy ny fiadian’ny mazava. Io no fitafiana amin’ny andro. Io fitafiana io dia fitafian’ny mpiady. Tsy maintsy efa mahita antsika vonona ny hiady ny andro, ary ny toetrantsika dia tokony hifanaraka aminy sy hifanohitra tanteraka amin’ny haizina sy ny asany. Rehefa mifanena amin’ny fiadian’ny mazava i Satana, dia tsy afaka manao na inona na inona hanohitra izay mitondra izany. Ireo fiadiana ireo no mahatonga ny fitondrantenantsika hifanaraka amin’ny mazava izay misy antsika. Ny mazava tafiantsika dia fiadiana amin’ireo asan’ny maizina rehetra izay ataon’i Satana mba hanaratsiana ny fitondrantena kristiana. Raha ny marina tokoa mantsy, ny mitafy ny fiadian’ny mazava dia tena hoe mitafy ny Tompo Jesosy Kristy (and 14). Izany no fomba hahatonga antsika ho “fahazavan’izao tontolo izao”, hatramin’ny nahalasanany (Matio 5:14).

 

1.2  1 Tesaloniana 5:4-10

“Fa ianareo, ry rahalahy, tsy ao amin'ny maizina, mba hahatratra anareo toy ny mpangalatra izany andro izany. Fa ianareo rehetra dia zanaky ny mazava sy zanaky ny andro; tsy an'ny alina na an'ny maizina isika. Koa dia aza mba matory toy ny sasany isika, fa aoka hiambina ka hahonon-tena. Fa izay matory dia matory amin'ny alina; ary izay mamo dia mamo amin'ny alina. Fa satria an'ny andro isika, dia aoka hahonon-tena ka hitafy ny finoana sy ny fitiavana ho fiarovan-tratra, ary ny fanantenana ny famonjena ho fiarovan-doha. Fa Andriamanitra tsy nanendry antsika ho amin'ny fahatezerana, fa mba hahazo famonjena amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay maty hamonjy antsika, mba hiara-belona aminy isika, na mahatsiaro na matory.”

Somary misy fahasamihafany kely amin’ny vao hitantsika tao amin’ny Romana 13 ny ambara eto. Ny kristiana eto dia tsy ao amin’ny haizina ary tsy misy ifandraisana amin’ny alina, noho izany, ny fahatongavan’ny andron’ny Tompo dia tsy hahatratra azy toy ny mpangalatra. Ampirisihina izy izany mba tsy hatory toy ny sasany izay tsy mahalala an’i Kristy ary tsy manana fanantenana (jereo 4. 13; 5:6). Zavatra roa loha no mampiavaka ireo “sasany” ireo: ny torimaso sy ny fahamamoana, izay an’ny alina. Tsy tonga saina amin’ny loza mitatao eo aminy izy ireo, tsy fahatongavan-tsaina izay manamarika ny fahafatesany ara-moraly. Ambonin’izany, dia mamon’ny fanomezana fahafaham-po ny filàny izy ireo, filàna izay mahatonga azy ho andevon’i Satana sy hanary izay mety eritreritra momba ny andraikiny eo imason’Andriamanitra. Eo anoloan’izany haizina izany, ny zanak’Andriamanitra, izay zanaky ny mazava sy zanaky ny andro, dia ampirisihina mba hahonon-tena. Tsy maintsy hazoniny ny famirapiratan’ny hazavany sy ny fahafahan’ny sainy, izay vokatry ny tsy fisian’ny filàna mitarika sy mahatonga izao tontolo izao ho andevo ary rembin’i Satana. Noho izany dia tsy maintsy miady amin’ireo zavatra ampiasain’ny Fahavalo hisintonana azy izy. Io ady io dia ady fiarovan-tena. Izany no manakana ny kristiana tsy ho tratry ny fandrika avelatra eo anoloany. Fitaovam-piadiana roa ihany no eo am-pelatanany, nefa ampy azy tanteraka izany. Ny asehon’izany dia: ny finoana, ny fitiavana sy ny fanantenana, izay manamarika ny asa sy ny fiainana andavanandron’ny kristiana voalaza ao amin’ny toko voalohany amin’ity epistily ity (andininy 3). Amin’ny maha fitaovam-piadiana azy, ireo toetra tsara ireo no manamarika ny ady.

Amin’ny ady ataon’ny fahavalo feno hafetsena amin’ny mpino dia zavatra roa mora tafihina no ezahiny ho tratrarina. Afaka mambabo ny fo izy, izay fitoeran’ny fitiavana, ary mamela ratra mahafaty. Tsy maintsy arovantsika ambadiky ny ampinga, dia ny finoana sy ny fitiavana, izany io fontsika io. Arovantsika amin’ny kapoky ny Fahavalo ny fontsika, voalohany indrindra aloha amin’ny finoana, noho ny masom-panahy mibanjina an’i Kristy, satria Izy foana no ataon’ny finoana eo anoloantsika. Ny fitiavana no toetra faharoa an’io ampinga io. Izy no mampahatsiahy antsika fa tiana isika. Kristy no anton’ny finoantsika, fa ny fitiavana no mahatonga Azy hitoetra ao am-pontsika. Tsy misy mety hahavoa izany fahasambarana izany ny zana-tsipikan’i Satana. Dia ho hariako ve izany zavatra lavorary tokoa izany, tsara tokoa izany, fifaliana, fisitrahana Azy ambony toy izany, hatakaloko zava-maha-mamo sy voapoizina izay atolotr’izao tontolo izao?

Fa raha tsy afaka mahatratra ny fo i Satana dia hiezaka ny hahatratra ny loha izy, izay fitoeran’ny eritreritra, mba hanodina azy amin’izany tokony hojereny. Ny fiarovan-doha, ny fanantenana, no mihazona ny eritrerintsika hifantoka tanteraka amin’i Kristy, toa amin’Ilay andrasantsika. Ny fahatanterahan’ny fanantenantsika dia ny fahazoantsika ny famonjena. Azontsika antoka ity farany ity satria ho amin’izany no nanendren’Andriamanitra antsika fa tsy ho amin’ny fahatezerana. Ho tanteraka ny drafitr’Andriamanitra momba antsika. Amin’izao fotoana izao dia ao ivohontsika ny fahatezerana satria ritra teo amin’ny hazofijaliana izany tamin’ny nianjerany tamin’ny Zanak’ondrin’Andriamanitra; fa ny fanantenana kosa dia eo anoloantsika ary ilay famonjena izay azontsika antoka noho izany dia ho azontsika ary tsy ho azo alàna amintsika mandrakizay.

Tsy misy zana-tsipikan’i Satana mety hahatratra fahamarinana toy izany. Ireo fahamarinana ireo dia mifototra amin’ny asan’i Kristy, “Izay maty hamonjy antsika, mba hiara-belona Aminy isika, na mahatsiaro na matory”. Ankehitriny no ananantsika izany ao Aminy. Ny teny hoe “mba hiara-belona Aminy isika” dia mampifamatotra ny olomasina velona sy ny olomasina maty hiara-hiaina Aminy ankehitriny, toy ny hifamatoran’izy ireo amin’ny andro hiavian’ny Tompo, rehefa hatsangana amin’ny maty sy hovàna.

 

1.3  1 Petera 5:8-9

“Mahonòna tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany; tohero izy, ka miorena tsara amin'ny finoana ianareo”.

Hitantsika eto ihany koa ny fampirisihina tao amin’ireo tsongandahatsoratara teo aloha. Manoloana ny fanafihan’ny fahavalo, dia toetra roa ara-moraly no ilaina, izay tsy maintsy ananana raha te handresy ny kristiana: “Mahonòna tena, miambena”. Ny tsy mamo, ny tsy matory dia toetra fandàvana ihany, fa Andriamanitra kosa dia mila toetra mamokatra ao amin’ny olony. Azo atao ny misotro kely fa tsy mamo; ny hoe mahonon-tena dia mandeha lavitra kokoa. Ny fahononan-tena dia toetran’ny olona iray izay tsy tia zava-pisotro mahamamo. Na tsy dia matory lalina loatra aza, dia mety tsy ho taitra tanteraka ka ho azon’ny tampoka. Io andininy io dia tsy miresaka amintsika momba ny hafetsena sy ny fanangolen’i Satana, izay tena mampidi-doza tokoa, satria manodidina antsika hatraiza hatraiza izany, miandry kendry tohina; fa eto no ahitantsika ny ezaka farany ataon’ny fahavalo hampihorohoro antsika. Toy izany koa ny nanjo ny Tompontsika, Izay nifanena tamin’ny hafetsena rehetra nataon’ny devoly tamin’ny fanombohan’ny asa fanompoany, ary tamin’ny farany, tao Getsemane, dia nifanena tamin’ilay liona mierona nitady handrapaka Azy. Tany an-tany efitra, dia nandresy Izy tamin’ny fankatoavana ny Teny fotsiny ihany; tao Getsemane kosa, dia noho ny fankatoavana tanteraka ny sitrapon’Andriamanitra. Izany no nahatonga Azy ho voavonjy tsy hatelin’ny fahafatesana, raha nieritreritra ny liona fa efa nahatapatapaka ny taolany.

Ao amin’io andininy io, dia fitaovam-piadiana iray ihany no lazaina, ny aro-tratran’ny finoana, nefa ampy tanteraka izany hanafoanana izay mety ho ezaka ataon’ny fahavalo: “Tohero izy, ka miorena tsara amin'ny finoana ianareo”. Izany fampirisihina izany ihany koa no hitantsika ao amin’ny epistilin’i Jakoba (4:7): “Ka dia maneke an’Andriamanitra ianareo (izany no fankatoavan’ny finoana); ary manohera ny devoly (izany no ampingan’ny finoana), dia handositra anareo izy”. Toerana tsy manam-paharoa sy lehibe tokoa no omena ny finoana eto! Io fitaovam-piadiana fiarovan-tena io ihany dia ampy hampandositra ny fahavalo tena mahatahotra.

 

1.4  2 Timoty 2:3-5

“Miaraha miaritra ny mafy amiko ianao tahaka ny miaramila tsaran'i Kristy Jesosy. Ny miaramila manafika dia tsy mba misy maningo-tena amin'ny raharahan'izao fiainana izao, mba hahafaly izay efa nifidy azy ho miaramila. Ary raha misy manezaka amin'ny filalaovana (???), dia tsy satrohana satroboninahitra izy, raha tsy manezaka araka ny lalàna.”

Ny fijaliana lazaina eto dia ny “fahoriana noho ny Filazantsara” (1:8). Ny mampiavaka ny miaramila tsaran’i Jesosy Kristy dia noho izy miaraka miaritra izany fahoriana izany Aminy. Tsy afaka mandeha an’ady ny olona raha “maningo-tena amin’ny raharahan’izao fiainana izao”. Ny fandraisana izany eto amin’ity andalana ity dia tsy toy ny zava-pisotro mahamamo tsy akory, fa toy ny zavatra manelingelina, manakana ny fizotrantsika, enta-mavesatra tsy ahazoantsika mampiasa malalaka ny fiadiantsika. Ny antony mahatonga antsika hametraka io enta-mavesatra io dia ny fitiavana hanao ny sitrapon’Ilay Loha tiana sy hajaina, Izay nifidy antsika ho miaramila. Ny fitiavana no tena antony mahatonga antsika hanaisotra “izay rehetra mitambesatra amintsika mbamin’ny ota izay malaky mahazo antsika” (Hebreo 12:1).

Avy eo dia hitantsika ny lalànan’ny ady satria manomboka eo dia tsy adin’ny tafika intsony no resahina, fa ady eo an-kianja. Natao hojeren’izao tontolo izao ny kristiana. Ny tanjona dia ny hahazoana ny loka. Tsy ho tratra izany raha tsy manaraka ny  lalàna efa voafaritra. Noho izany, dia tsy fo afaka amin’ny vesatra rehetra ihany no ilaina, fa koa ny fankatoavana amin’ny antsipiriany ny sitrapon’Andriamanitra. Mba handresena, dia tsy azontsika atao ny tsy mankatò io sitrapo io, na koa mialoha lalana azy, na koa mamorona lalàna ho an’ny tenantsika, fa tsy maintsy miady am-paharetana sy am-pahamatorana araka ny fitarihan’Andriamanitra, izay noraketina tao amin’ny Teniny, mandra-pahazoantsika ny valin’ny ezaka natao.

Eto dia manana ny fitaovam-piadiany rehetra ny miaramila, fa i Satana kosa dia mitady izay hanataràna azy amin’ny entana tsy ilaina mitambesatra aminy. Voaaro amin’ny faharesena izy noho ny fitiavany ny Lohany. Ao amin’ny 1 Petera 5, dia ny finoana no hitantsika, eto dia ny fitiavana, ao amin’ny 1 Tesaloniana 5 dia izy roa miaraka.

 

1.5  2 Korintiana 10:3-6

“Fa na dia velona amin'ny nofo aza izahay, dia tsy mba miady araka ny nofo (fa tsy avy amin'ny nofo ny fiadian'ny tafikay, fa mahery amin'Andriamanitra handrava fiarovana mafy); fa mandrava ny fisainana sy ny zavatra avo rehetra izay atsangana hanohitra ny fahalalana an'Andriamanitra izahay ka mamabo ny hevitra rehetra hanaiky an'i Kristy, ary vonona hamaly ny tsy fanarahana rehetra izahay.”

Io tsongandahatsoratra io no milaza amintsika ny adin’ny apostoly. Voampanga ho mandeha araka ny nofo izy, ka asehony fa ny fitaovam-piadiany dia tsy araka ny nofo, fa ara-panahy kosa ny herin’izy ireo satria avy amin’Andriamanitra, voalohany mba handravana ny zavatra avo izay atsangana hanohitra ny fahalalana an’Andriamanitra, manaraka izany mba hitarihina ny fanahy voababo hanaiky an’i Kristy, ary farany hamaly ny tsy fankatoavana rehetra. Ity farany ity dia anisan’ny fahefana manokana nomena ny apostoly, izay notsindrin’ny Fanahy, satria hoy Andriamanitra: “Ahy ny famaliana; Izaho ny hamaly, hoy Jehovah”. Ny voambolana hoe “handrava fiarovana mafy” dia mampahatsiahy an’i Jeriko, ary manoro antsika ny hatsaran’ny fiadiana izay nampiasain’ny apostoly. Fiadiana hanafihana ireo, nefa ara-panahy tanteraka. Voalohany, ny finoana ny Tenin’Andriamanitra, izay nahatonga ny vahoaka hihodinkodina nandritra ny fito andro manodidina ny tanàna, ary mbola impito ihany ny andro fahafito, mba ho lavorary ny vokatry ny faharetana. Ny adin’ny apostoly izany dia ny adin’ny finoana amin’ny sakana izay apetrak’i Satana eo amin’ny lalany. Mampahatahotra tokoa io sakana io, fa tsy amin’ny mason’ny finoana. Ny trompetran’ny Vavolombelona dia nampiasain’i Isiraely koa ho fitaovam-piadiana; farany, ny fanatrehan’i Kristy —ny fiaran’ny fanekena— teo anivon’ny vahoaka no antoka azo itokisana fa misy hery izay tsy misy mahatohitra. Izany no fiadian’ny apostoly. Hasetriny ny herin’ny fahavalo ny herin’Andriamanitra, ary tarihiny ny fanahy babo mba hankatò an’i Kristy.

 

1.6  2 Korintiana 6:7

“Mampiseho ny tenanay ho mpanompon’Andriamanitra izahay, ... amin'ny teny fahamarinana, amin'ny herin'Andriamanitra, amin'ny fiadian'ny fahamarinana, na amin'ny ankavanana na amin'ny ankavia,”

Eto dia hitantsika indray ny fiadiana nampiasain’ny apostoly nandritra ny adiny. Nanana ny tenin’Andriamanitra izy, nefa inona no ho vokatr’izany raha tsy teo ny herin’Andriamanitra? Mba hahafahana mampiasa izany hery izany, dia nanana fiadiana manokana ho azy ny apostoly: “ny fiadian’ny fahamarinana amin’ny ankavanana sy ny ankavia”, izany hoe ny sabatra sy ny ampinga izay fitaovam-piadiana hanafihana sy hiarovan-tena, antsoina hoe fiadian’ny fahamarinana. Ny fahamarinana eto dia ny fahamarinana iainana. Ny ady ataontsika, na ho fanafihana na ho fiarovan-tena, dia tsy hisy vokany mihitsy raha tsy eo ny fahamarinana, izany hoe tsy fisian’ny ota amin’ny fitondrantenantsika sy ny lalantsika. Mila feon’ny fieritreretana madio isika hanombohana ny ady, raha tsy izany dia tsy hisy eo amintsika ny herin’Andriamanitra. Ny feon’ny fieritreretana madio dia mahita mandrakariva ny herin’Andriamanitra mba hampiharana ny Teniny.

 

1.7  Hebreo 4:12

“Fa velona sy mahery ny tenin'Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin'ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan'ny fo.”

Hitantsika eto, toy ny mbola ho hitantsika ao amin’ny Efesiana 6, fa ny tenin’Andriamanitra, izay fiadiana fanafihan’ny Fanahy, dia toy ny sabatra roa lela, kanefa eto dia tsy hiadiana amin’ny fahavalo ivelany no ampiasàna ny sabatra fa hiadiana amin’ny tenantsika, na ny marimarina kokoa, ilay toetrantsika taloha no fahavalo. Izany kisarisary izany dia mampahatsiahy antsika koa ny Galatiana 5:16-17 izay efa noresahintsika teo aloha. Mandinika sy mandefona antsika ny Teny, mba hahaizantsika mamantatra ao anatintsika izay an’ny nofo sy izay an’ny Fanahy, ary hahafahantsika mitsara tena. Mangirifiry sy mampahory tokoa io fitsarana io, kanefa ny fanahy, rehefa “voadinika sy fantatra”, rehefa migoka ny fitahiana manaraka ny fitsarana azy, dia tsy manam-paniriana afa-tsy ny hitohizan’ny fanamasinan’ny Teny azy mandra-pamakivakiny ny tany efitra. “Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko; izahao toetra aho ary fantaro ny eritreritro; ary izahao na misy lalana mampahory ato anatiko, dia tariho amin’ny lalana mandrakizay aho” (Salamo 139:23, 24).

 

1.8  1 Korintiana 9:25-27

 “Ary ny mpihazakazaka rehetra dia mahonon-tena amin'ny zavatra rehetra. Kanefa ireny dia mitady satroboninahitra mety ho lo ihany, fa isika kosa ny tsy mety ho lo. Raha izaho àry... mamely totohondry aho, nefa tsy toy ny mamely ny rivotra; fa asiako mafy ny tenako ho mangana ka andevoziko, fandrao, na dia efa nitory tamin'ny sasany aza aho, dia holavina kosa ny tenako.”

Mitovy amin’ny lafiny voalaza ao amin’ny Galatiana 5 sy Hebreo 4 ihany ny ady kristiana eto. Mba handresena ny Fahavalo avy any ivelany, dia tsy maintsy tena miady amin’ny tenantsika isika, tsy misy fihatsarambelatsihy na hafetsifetsena. Mba hampahomby ny ady atao amin’i Satana, dia tsy maintsy ny tenako aloha no asiako mafy, ary mihevi-tena mandrakariva ho maty ny amin’ny ota aho fa kosa velona ho an’Andriamanitra; satria loza mitatao mahatahotra tokoa ny mitory teny, manambara ny Soratra Masina, nefa tsy miaina ny toetra takian’izany.

 

Rehefa avy nijery ireo tsongandahatsoratra lehibe indrindra miresaka momba ny fiadian’ny kristiana isika dia tonga eo amin’ny Efesiana izay hanambara amintsika, amin’ny antsipiriany mihoatra noho ny boky hafa, ireo singa samihafa mandrafitra io fiadian’Andriamanitra tsy maintsy tafian’ny kristiana io. 

 

1.9  Efesiana 6:10-20

“Farany, mahereza ao amin'ny Tompo sy amin'ny herin'ny faherezany.Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin'ny fanangolen'ny devoly. Fa isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-dra, fa amin'ny fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao, dia amin'ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra.  Ary noho izany, dia raiso avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hanohitra amin'ny andro mahory; ary rehefa vitanareo avokoa, dia hahafahatra ianareo. Mifahara àry, ka sikino fahamarinana ny valahanareo, ary mitafia ny rariny ho fiarovan-tratra, ary kiraroy ny fahavononam-panahy avy amin'ny filazantsaran'ny fihavanana ny tongotrareo; ary ho fanampin'izany rehetra izany dia tano ny finoana ho ampinga, izay hahazoanareo hamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra izay alefan'ilay ratsy. Ary raiso ny famonjena ho fiarovan-doha sy ny tenin'Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy; ary mivavaha mandrakariva ao amin'ny Fanahy amin'ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, ka miambena amin'izany amin'ny faharetana sy ny fangatahana rehetra ho an'ny olona masina rehetra, ary ho ahy koa mba homena ahy ny hiloa-bava amin'ny fahasahiana hampahafantatra ny zava-miafina momba ny filazantsara (iraka migadra noho izany aho), mba hiteny izany amin'ny fahasahiana aho, toy izay mety hoteneniko.”

Efa nolazaintsika teo aloha fa, ao amin’ny epistily ho an’ny Efesiana, ny fiadiana dia natao voalohany indrindra mba hampidirana sy hihazonana antsika, amin’ny ady amin’i Satana, hahazo sy hisitraka ilay lovantsika any an-danitra ary ny fitahiana rehetra mifandraika amin’izany. Io lova io dia azontsika noho ny asan’i Kristy ary fananantsika ao Aminy. Io no Kanana any an-danitra miaraka amin’ny harena rehetra, izay nolazain’ity epistily ity be tokoa tamintsika. Ny tanjon’i Satana, amin’ny fikomiany amin’Andriamanitra, dia ny handroaka antsika tsy hipetraka amin’ny toerantsika any an-danitra ary amin’izany, dia ho afaka amintsika ny fisitrahana izay rehetra any; ny tanjon’Andriamanitra (ity epistily iray manontolo ity dia maneho izany), dia ny hametraka antsika any. Koa ny fiafaràn’ny epistily dia manamarika ireo loza mitatao amintsika.

Mba hiadiana sy handresena ilay fahavalontsika izay mampahatahotra tokoa, dia misy zavatra iray ilaintsika: ny hery. “Mahereza ao amin'ny Tompo sy amin'ny herin'ny faherezany”. Io hery io dia tsy hitantsika ao anatintsika fa ao amin’ny Tompo: “Sambatra izay olona manan-kery avy Aminao... Miampy hery eny am-pandehanana izy” (Salamo 84:5, 7). Tsy ampy ny mahalala ny fahasoavana, izay tsy maintsy ilaina ahazoantsika manatona an’Andriamanitra, miditra ao anatin’ny fitahiana any an-danitra, ary voaaro tsy ho lavo; fa mbola ilaintsika ambonin’izany ny hery hiatrehana ny ady. Isika kristiana no tokony hitady izany hery izany ary omen’Andriamanitra maimaimpoana izay mangataka Aminy izany. Azontsika ampiasaina foana io hery io, ary hery omen’ny fiadiana efa voaomana, isan’ireo fiadiana rehetra ananan’Andriamanitra, izany. Mba hahafahantsika mandresy, dia tsy maintsy feno io fiadiana io. Amboaram-piadiana izany; tsy maintsy ananan’ny kristiana ny singa rehetra. Ambonin’izany dia fiadian’Andriamanitra izany; Azy io, ary Izy irery ihany no afaka manome azy.

Eto dia ndeha hasehontsika ireo hevitra fototra hovelabelarina aoriana.

1° Tsy maintsy efa notafiana ny fiadiana alohan’ny ady. Tsy ho ampy izany raha mandritra ny ady vao mitafy azy isika, satria hisy singa tsy ho eo foana.

2° Ireo singa mandrafitra ny fiadiana dia tsy maintsy raisina araka ny filaharany, ary mba handraisana izany manaraka io filaharana io, dia tsy maintsy efa fantatra izy ireo ary mahazatra ny tena.

3° Ny fiadiana, alohan’ny zava-drehetra, dia toetry ny fanahy; zava-dehibe tokoa ny mahalala izany sy resy lahatra ny amin’izany. Tsy zavatra noforonin’ny saina io. Azo atao tsara ny manazava amin’ny antsipiriany ny bika sy ny fomba fampiasana ireo singa rehetra amin’ny fiadiana, nefa tsy misy hilàna izany rijan-kevitra feno fahalalana izany mihitsy mba handresena.

4° Ny mahatonga antsika hanana ny toetra lazaintsika dia NY TENY, araka ny mbola ho hitantsika.

5° Rehefa nofanin’izany Teny izany isika ka manana ireo fahasoavana rehetra azony hampitaina amintsika, dia azontsika raisina IO TENY IO ho toy ny sabatry ny Fanahy mba hanafihana sy handresena  ny Fahavalo. Rehefa ampiarahina amin’ny vavaka izany, dia tonga fiadiana fanafihana, rehefa avy nampiasaina ho fiadiana fiarovan-tena.

Eo amin’ny andininy 11 sy 12 no ahitantsika ny toetran’io fahefana mampidi-doza tsy maintsy hiadiantsika io. Ny toetrany voalohany dia ny fanangoleny, ny hafetseny hamitaka, hametraka fandrika, hahatafintohina, hahajamba tsy hahitana ny zavatra tiany hatao amin’ny fanaovany saron-tava samihafa, hiditra ho mpitsikilo ao amin’ny tafik’Andriamanitra mba hanampohana azy rehefa natao antsirambina ny fiarovana, satria tsy niambina. Ireny hafetsena ireny no manery antsika hanala ny saron-tavan’ny fahavalo dieny eo am-boalohany ary hiantso azy amin’ny tena anarany: NY DEVOLY.

Fa mbola manana fitaovana hafa ankoatra ny hafetsena koa ny fahavalontsika. Indraindray dia ny fanafihana tampoka no hitantsika. Tampoka eo dia esoriny ny saron-tavany. Ny tafiny rehetra, miaraka amin’ireo mpitondra azy, dia mitambatra hiady amintsika. Ny alina no misy izany fanafihana izany. Ireo fanapahana, ireo fanjakana, ireo mpanjakan’ny fahamaizinana, Satana izy tenany mihitsy izay tsy mbola noroahina avy any an-danitra ka mbola manohy malalaka hatrany ny maha mpiampanga azy, izany rehetra izany no mitarika ilay fifandonana izay tsy maintsy resentsika na inona na inona sandany. Tamin’ny “ady lehibe” izay niafara tamin’ny fandresena, dia tsy nitsahatra ny niteny izany tamin’ireo miaramilany ny jeneraly nahay. Toy izany koa amin’ny ady ara-panahy ataontsika.

Fa mba handresena, dia tsy maintsy efa notafiana talohan’ilay andro ratsy ny fiadiana. Ny fahaizana mampiasa izany sy ny fahafantarana ny zavatra rehetra mandrafitra azy dia tsy ho azo mandritra ny ady, araka ny efa nolazaintsika. Hatao inona moa fiadiana, na eo am-pelatanantsika aza, nefa tsy haintsika hampiasaina?

Ary rehefa vitanareo avokoa, dia hahafahatra ianareo”. Ny famaboana ny toeran’ny fahavalo dia mitaky ezaka sy hery; kanefa tsy maintsy mihazona izany koa, afaka manova eo no ho eo ny fanafihana ho fiarovan-tena, mba tsy ho very indray ireo toerana efa babo. Ny fisitrahana ireo toerana avo any amin’ny Kanana any an-danitra izay efa azontsika, ny toerantsika ao amin’i Kristy, ny fiombonantsika amin’ny Ray sy amin’ny Zanaka, dia mety ho very ao anatin’ny indray mipy maso. Tsy maintsy hazonintsika mafy ireny zavatra efa azontsika ireny.

Mbola mamerina ny fampirisihina ihany ny andininy faha 14: “Mifahara”, satria ilaina dia ilaina tokoa ny manamafy izany. Tsy maintsy miditra an-tsehatra ny singa tsirairay amin’ny fiadiantsika, amin’ny fotoana ilàna azy, mba hahazoantsika mihazona ny toerana ananantsika. Ho azo antoka tanteraka ny fandresentsika amin’izany, satria ho avy ny fotoana izay hitsaharan’ny ady. Kanefa aoka isika tsy hamita-tena: hitohy foana izany ady izany mandra-pahatongan’ny andro izay hihobiantsika amin’ny fandresena any an-danitra, rehefa afaka ho mandrakizay amin’ny herin’ny fanahy ratsy misy any ankehitriny isika.

Ny hiram-pandresena farany nataon’i Davida “tamin’ny andro namonjen’i Jehovah azy tamin’ny tanan’ny fahavalony rehetra, indrindra fa tamin’ny tanan’i Saoly”, izay lehibe indrindra tamin’ireo, dia mitombina tokoa eto, satria voalaza ao anatin’izany ilay fandresena farany, ary nanampy tamin’izany fandresena tsara sy farany izany ireo fitaovam-piadiana rehetra. Hoy izy: “Raha ny amin’Andriamanitra dia marina ny lalany; ny tenin’i Jehovah dia voazaha toetra amin’ny memy; Jehovah no ampingan’izay rehetra mialoka Aminy. Fa iza no Andriamanitra afa-tsy Jehovah? Ary iza no vatolampy afa-tsy Andriamanintsika? Izany Andriamanitra izany no fiarovana mafy ho ahy; mitondra ny marina amin’ny lalany Izy. Ary manao ny tongony ho tahaka ny an’ny dieravavy Izy; mampitoetra ahy eo amin’ny fitoerako avo Izy. Mampianatra ny tànako hiady Izy, ka mahahenjana tsipika varahina ny sandriko. Omenao ahy ny ampingan’ny famonjenao; ary ny fahamoram-panahinao no maha lehibe ahy. Halalahinao ny lalana hodiaviko, ka tsy mangovitra ny hato-tongotro. Manenjika ny fahavaloko aho ka mandripaka azy; ary tsy mba miverina aho mandra-pahalany ritrany. Mandringana sy mandripaka azy aho, ka tsy maharina izy; lavo eo ambanin’ny tongotro izy. Ianao mampisikina ahy hery hiady; aripakao ho ambaniko izay mitsangana hamely ahy. Ary ataonao miamboho ahy ny fahavaloko; ka aringako izay mankahala ahy. Miherikerika izy, fa tsy misy mpamonjy, eny, maniry an’i Jehovah izy, fa tsy mamaly azy Izy. Torotoroiko madinika tahaka ny vovo-tany izy; hoseko tahaka ny fotaka eny an-dalana izy ka hapariako” (Salamo 18:30-42; 2 Samoela 22:31-43).

Ndeha hiverenantsika hojerena, miaraka amin’io mpanjaka mpaminany io, ireo fitaovam-piadiana rehetra, araka ny hanehoan’ny toko faha 6 amin’ny Efesiana azy amintsika.

 

 

Marihina aloha fa misy sokajy roa ireo fitaovam-piadiana: voalohany, ny fiadiana fiarovan-tena izay ahazoantsika manohitra ny Fahavalo. Ireto avy izany: ny fehinkibo, ny aro-tratra, ny kiraro, ny ampinga ary ny fiarovan-doha.

Faharoa, ny fiadiana fanafihana. Ny sabatra sy ny vavaka izany.

Fito no isan’ireo fiadiana ireo, isa izay manambara mandrakariva ao amin’ny Soratra Masina ny fahafenoana ara-panahy sy avy amin’Andriamanitra, izay miasa hanasoa amin’ny zavatra etỳ an-tany (*).

 

(*) Raha milaza izany izahay, dia tsy adino tsy akory fa io isa io dia manambara indraindray ao amin’ny Soratra Masina fahafenoana ara-panahy izay ratsy sy ampiasain’ny herin’i Satana ho amin’ny ratsy. — Jereo: “Ny sary an’ohatra ao amin’ny Apokalypsy”, nosoratan’i Henri ROSSIER, toko 1. 4, ao amin’ny “Ireo fanahy fito eo anoloan’ny seza fiandrianana”. Boky 15 pejy 316.

 

2  NY FIADIANA FIAROVAN-TENA

2.1  Ny fehinkibo

“Sikino fahamarinana ny valahanareo”.

Efa nolazaintsika teo aloha izany: ny fiadiana dia toetra; ary ny manofana antsika hanana io toetra io dia ny tenin’Andriamanitra.

Ny fehinkibo dia ny fahamarinana. Ny fahamarinana dia ny tenin’Andriamanitra, araka ny lazain’ny Tompo ao amin’ny Jaona 17:17: “Ny Teninao no fahamarinana”. Tsy maintsy ampiharina amin’ny tena aloha ny fahamarinana alohan’ny ampiasàna izany hanoherana ny hafa.

Ny Teny dia ampiasaina ho toy ny fehinkibo eo amin’ny valahana. Ny voa no zavatra lalina indrindra sy miafina indrindra ao amin’ny olona: ny heviny, ny fihetseham-pony, ny feon’ny fieritreretany; izany no antsoin’ny apostoly Petera hoe “sainy” ao amin’ny hoe: “Sikino ny sainareo dia mahonòna tena” (1 Petera 1:13). Ny hoe “sikino ny sainareo” izany dia ny fanofanana ara-panahy an’ilay “olona anaty” amin’ny alalan’ny Teny, mba hahonon-tena amin’ny fitondrantenantsika. Io fehinkibo io, ny Tenin’ny fahamarinana, no manome antsika ny hery hiadiana, araka ny voasoratra hoe: “Misikina hery izy” (Ohabolana 31:17), sy ny hoe koa: “Izany Andriamanitra izany no mampisikina hery ahy” (Salamo 18:32).

Amin’ity tsongandahatsoratra ity, dia tsy maintsy sikinana ny valahantsika mba hiadiana, ary tsy maintsy ao amin’ny Tenin’ny fahamarinana no anovozantsika ny hery ilaina hanoherana ny fanangolen’ny Fahavalo; fa misy tsongandahatsoratra hafa izay mampianatra antsika fa ilaintsika koa io fehinkibo io amin’ny fizotrantsika (Eksodosy 12:11); amin’ny fanompoantsika andavanandro (Lioka 12:35); amin’ny fanompoantsika amin’ny maha mpisorona antsika eo anoloan’Andriamanitra (Levitikosy 16. 4); amin’ny faminaniana ataontsika (Matio 3:4; 2 Mpanjaka 1. 8). Amin’ireo fanompoana rehetra ireo, ny Tenin’ny fahamarinana dia tokony hampahery ny saintsika, ny fihetseham-pontsika, ny fitiavantsika, amin’ny fitarihana antsika hitsara izay rehetra an’ny nofo, ary koa hanome hery ny olona anaty iray manontolo, amin’ny fanambaràna an’i Kristy amin’ny fony sy ny eritreriny. Ny Tenin’ny fahamarinana dia mampibaribary sy mitsara ny zavatra rehetra ao anatintsika izay tsy an’i Kristy, manosika antsika hanilika izany, ary ho setrin’izany, mitondra ny fahafantarana io olona masina io ho an’ny fanahintsika: ny fahasoavany sy ny fitiavany mba hifaliantsika —ny heriny sy ny fahefany mba hiorenantsika sy hanofanana antsika hankatò. Koa ny Tenin’ny fahamarinana dia mampibaribary izay rehetra ao anatintsika tsy mifanaraka amin’ny fiainan’Andriamanitra, ary izany no manofana antsika hahatakatra ny heriny. Raha lazaina amin’ny teny hafa, ny Tenin’ny fahamarinana no mitsara ny nofo sy mamolavola ny olona anaty ho vonona ho amin’ny ady, ny fizotra ary ny fanompoana.

Ny hoe “misikina ny fahamarinana” izany dia zava-dehibe tokoa. Io no fiadiana voalohany tsy maintsy tafiantsika alohan’ny hafa rehetra. Tokony hilamina daholo ny fitiavantsika ao anatintsika ao, mba hifamatotra amin’i Kristy irery ihany, mba tsy hisy na inona na inona tsy mifanaraka amin’ny fiainan’Andriamanitra, na mifanaraka amin’ny fiainan’izao tontolo izao, hifangaro amin’izany fitiavana izany. Amin’izany no hahatsara ny toetrantsika ara-panahy. I Kristy irery ihany no hameno ny fontsika, eo amin’ny toerana tokony ho Azy; izay tsy mifanaraka aminy rehetra dia hotsaraina sy hailika. Rehefa misitraka zavatra tsara dia tsara tokoa ny fanahy dia tsy ho voasintona intsony ho amin’ireo filàna ampiasain’i Satana handresena azy. Hanohitra izany izy satria efa nasehon’ny Teny Masina aminy izay rehetra tsy mifanaraka amin’i Kristy sy ilay olom-baovao.

Koa zava-dehibe tokoa ny mifandray lalina mandrakariva amin’ny Fahamarinana, dia ny Tenin’Andriamanitra! Ny fahalavoantsika rehetra sy ny faharesentsika manoloana ny Fahavalo dia miainga amin’ny fanaovana tsinontsinona ny Teny, izay tsy ela akory dia mahatonga antsika tsy hiraharaha izany intsony, tsy hisaintsaina izany intsony, ary farany dia tsy manan-kery intsony isika manoloana ny fanafihan’ny Fahavalo. Amin’izany tranga izany, dia tsy notsaraina ilay olona taloha, maina ny fo ary tsy miraika amin’i Kristy, tsy eo ny hery ara-panahy; ny Fahavalo izay mafy noho isika no mandresy ary menatra isika resy amin’ny ady izay tokony ho nandresentsika!

“Ny valahana voasikina amin’ny fahamarinana” izany dia toetra iainana sy araka ny fanahintsika, vokatry ny asan’ny Teny, ary ho hitantsika fa toy izany hatrany amin’ny ireo nantsointsika hoe fiadiana fiarovan-tenan’ny kristiana.

 

2.2  Ny aro-tratra

“Mitafia ny rariny ho fiarovan-tratra”.

Ny lazaina eto, toy ny any amin’ny andininy maro hafa, dia tsy ny fahamarinana lavorary, tsy miova intsony, izay ananan’ny kristiana eo anoloan’Andriamanitra, satria io fahamarinana io dia Kristy Izy tenany mihitsy; ny resahina eto dia ny fahamarinana iainana. Azontsika soritana ho toy ny tsy fisian’ny fahotana eo amin’ny lalantsika izany; ohatra, ao amin’ny Salamo 23 no ahitantsika hoe: “Mamelombelona ny fanahiko Izy; mitarika ahy amin’ny lalan’ny fahamarinana noho ny anarany Izy.” Izany lalana izany dia tsy idiran’ny ota satria nosoritan’Ilay Mpiandry ondry nandeha teo anoloan’ny ondriny.

Ny fahamarinana iainana dia miseho amin’ny fitondrantenantsika mikasika an’Andriamanitra, mikasika ny olona, ary mikasika ny tenantsika manokana. Amin’izany fifandraisana rehetra izany, dia manao izay tsy hanotàna ny kristiana. Ahoana moa no handresen’i Satana izay tsy mihontsona akory (Filipiana 1:10)? Madio ny eritreriny eo imason’Andriamanitra sy eo imason’ny olona; tsy hoe tsy misy fahotana izy tsy akory, fa miambina foana ny feon’ny fieritreretany, mitsara sy miaiky eo anatrehan’Andriamanitra izay fahotana ataony izy, mba ho voadio amin’izany, ary tsy manana izay fifaharana aminy mihitsy ny Fahavalo. Ny fieritreretana madio resahintsika eto dia tsy ny fieritreretana efa lavorary ho mandrakizay noho ny ran’i Kristy izay nanadio azy, hany ka tsy “misy fahatsiarovana ny ota” eo imason’Andriamanitra intsony (Hebreo 10:3, 14, 17, 22); tsia, fieritreretana tsy misy manenjika izany, ary ahafahantsika miady amin’ny Fahavalo sy manohitra azy. Izany no nanamarika ny fitondrantenan’ny apostoly Paoly iray manontolo (jereo 2 Korintiana 1:12; 1 Timoty 1:5, 19, sns). Afaka niteny izy hoe: “Ary amin’izany dia nikely aina koa aho mba hanana fieritreretana tsy manameloka ahy na amin’Andriamanitra na amin’ny olombelona mandrakariva”; ary koa “Izaho nanompo an’Andriamanitra tamin’ny fieritreretana tsara mandraka androany” (Asa 24:16; 23:1).

Amin’izany zavatra rehetra izany, dia i Jesosy no modely ho antsika. Ny fahamarinana iainana dia manamarika an’i Jesosy hatramin’ny niantombohan’ny asa fanompoany (Matio 3:15) ka hatramin’ny fiafaràn’ny asany (Lioka 23:47); mbola hiaraka Aminy ihany izany rehefa hiady farany sy handresy Izy, amin’ny maha Zanak’olona Azy; hoy ny voasoratra: “Ka dia ny sandriny ihany no nanao famonjena ho Azy, ary ny fahamarinany no nanohana Azy. Niakanjo fahamarinana tahaka ny akanjo fiarovan-tratra Izy, ary fiarovan-doha famonjena no teo amin’ny lohany” (Isaia 159:16, 17). Ny fiarovan-tratra no niaro ny fontsika, araka ny efa voalaza teo aloha raha nitanisa ny 1 Tesaloniana 5:4-10 isika. Tsy afaka ny hahazo sy handratra antsika any amin’ny loharanon’ny fiainana i Satana rehefa fo tsy miraika amin’ny fitsiriritana sy fahalotoan’izao tontolo izao no hanoherantsika azy, fo mahita fahafinaretana amin’ny tenin’Andriamanitra ary hafaliana miaraka amin’ireo rehetra izay Azy. Eto izany, dia fomba fiainana manokana toy ny tamin’ny fehinkibo no hitantsika. Io fahamarinana io dia manaraka ny fitsipika avy ao amin’ny tenin’Andriamanitra, ary manovo ny hery mampisy azy avy amin’izany ihany koa, satria ny fiarovan-tratra, toy ny fehinkibo, dia midika fa misy hery ahazoana manohitra ny fanafihan’ny Fahavalo.

 

2.3  Ny kiraro

“Kiraroy ny fahavononam-panahy avy amin’ny filazantsaran’ny fihavanana ny tongotrareo.”

Hitantsika eto amin’ity andininy ity ny fiadanana amin’ny fizotra, fiadanana izay hanomanan’ny fahalalana ny Filazantsara antsika. Ny Filazantsara no mahatonga antsika hanetry tena amin’ny fanambaràna amintsika ny toeram-pahaverezana misy antsika sy ny fahasoavana maimaimpoana nomen’Andriamanitra antsika. Rehefa nandray io Filazantsara io amin’ny finoana isika, dia vita fihavanana tamin’Andriamanitra ary mahazo antoka fa tsy misy na inona na inona intsony afaka hanasaraka antsika amin’io tombontsoa io. Milamina daholo ny zavatra rehetra amin’ny fanahintsika sy Izy. Rehefa nahita ny fihavanana ho antsika isika, dia misy fiantraikany amin’ny fizotrantsika rehetra izany. Ity fitaovam-piadiana ity dia manosika antsika ho any amin’ny olona, tsy sanatria hiady aminy tsy akory, fa mba hitondra ho azy ireo ny fihavanana izay efa noraisin’ny fanahintsika tamin’ny Filazantsara.

Amin’izany asa izany, dia mifanena amin’ny Fahavalo isika, izay te hihazona ny fahefany amin’ny fanahy sy miezaka ny hampisy ady lalandava eo amin’izy ireo sy Andriamanitra. Voasikin’ny fehinkibo ny valahantsika, arovan’ny fiarovan-tratra isika, dia manatona azy nefa tsy matahotra ny hanambara mafy ny fihavanana. Ny fihavanana izay entintsika dia tsy maintsy mitarika antsika hiady amin’i Satana, saingy fantatsika fa ilay Andriamanitry ny fiadanana dia hamotika azy tsy ho ela eo ambany tongontsika.

Amin’ny andavanandro dia tsy maintsy mitandrina isika, mba hahazoana ny fanahin’ny mpanota ho an’i Kristy, mba tsy hiady hevitra amin’izy ireo momba ny zavatra manirikiry azy, fa mba hitondra aminy kosa izay tsy ananany, ny fiadanan’ny fieritreretana sy ny fo amin’ny fahafantarana an’i Jesosy, ny fiadanana izay isitrahan’i Jesosy sy navelany ary nomeny antsika, tamin’Izy nandao antsika, hany ka afaka mizara izany amin’ny sasany isika. Ny kiraro izany dia toetry ny fanahintsika, izay nentin’ny tenin’i Kristy sy miseho amin’ny fizotrantsika. Ny toetra toy izany dia mahatohitra ny fanangolen’i Satana rehetra, izay tsy nitondra afa-tsy ny mifanohitra amin’ny fiadanana ho an’ny olombelona. Ny kristiana ihany no mahalala izany fiadanana izany, afaka mizotra amin’izany, ary mampiseho izany amin’ny hafa.

 

2.4  Ny ampinga

“Ary ho fanampin’izany rehetra izany, dia tano ny finoana ho ampinga, izay hahazoanareo hamono ny zanatsipika mirehitra rehetra izay alefan’ilay ratsy.”

“Ho fanampin’izany rehetra izany”: marina tokoa fa, amin’ireo fitaovam-piadiana hiarovantsika tena, tsy misy manan-danja mihoatra ny ampingan’ny finoana. Ny finoana no maha-voavonjy antsika, manamarina antsika, hahazoantsika fihavanana amin’Andriamanitra sy fahasahiana eo anoloany; amin’ny alalan’ny finoana no ahazoantsika ny fisitrahany; amin’ny alalan’ny finoana no ahavitantsika zavatra tsy hita maso; amin’ny alalan’ny finoana no nahatonga an’i Kristy ifantohan’ny fontsika sy ny fanantenantsika.

Raha niresaka tamin’i Abrahama Andriamanitra, dia nanambara ny tenany ho toy ny ampingany, ho toy ilay niaro azy tamin’ny zanatsipikan’ny Fahavalo (Genesisy 15:1). Izay fomba rehetra notadiavin’izao tontolo izao mba tsy hahavoa azy amin’ny lefon’i Satana dia tsy misy afaka hiaro azy mihitsy. Teo amin’ny tendrombohitra Gilboa “no nandotoana ny ampingan’ny mahery, dia ny ampingan’i Saoly, toy ny an’izay tsy nohosorana diloilo”. Na teo aza ny satroboninahitr’i Saoly, ny lanjany sy ny hajany, dia tsy maintsy nanary tamin’ny tany ny ampingany izy rehefa resy (2 Samoela 1:21). Fa i Jehovah kosa “dia ampingan’izay rehetra mialoka Aminy”(Salamo 18:30). “Andriamanitra Ampinganay ô!” “Fa Masoandro sy Ampinga Jehovah Andriamanitra!” Izany no nolazain’i Davida mpanjaka.

Ho antsika, ny ampinga dia ny ampingan’ny finoana, ampingan’ny fahatokiana ny maha IZY Azy an’Andriamanitra. Izany ny finoana rehefa miasa. Tsy mitoky mihitsy amin’ny olona izy, amin’ny maha isika antsika. Ny fahatokisana toy izany dia tsy inona fa ny ampingan’i Saoly, izay manambara fahalavoana tanteraka, fa ny finoana kosa dia mametraka ny fitokiany rehetra amin’Andriamanitra. Afaka mahakasika an’Andriamanitra ve i Satana? Ny hany zavatra azony atao dia ny mitondra ny ahiahy momba Azy ao anatin’ny fanahintsika. Izany no niseho tamin’ireo razambentsika voalohany; ahiahy kely fotsiny dia nahatonga azy ireo ho rembin’ny Fahavalo izay nianiana hamery azy ireo. Ny tanjon’ny zanatsipika izay alefan’ilay Ratsy amintsika dia ny ahatonga antsika hiahiahy ny amin’ny fahamoram-po sy ny herin’Andriamanitra. Ny nahatonga an’i Adama ho very tany am-paradisa no nahatonga koa ny Isiraely ho very tany an-tany efitra. Niahiahy an’Andriamanitra io vahoaka io: afaka manome antsika rano, mofo, hena ve Andriamanitra? Saingy ny zanatsipika mirehitra afo rehetra alefan’ny Ratsy izay natao hampirehitra ao am-pontsika ny ahiahy sy ny fisalasalana momba ny fitiavana sy ny fahatokisan’Andriamanitra, dia tsy maintsy hianjera lalandava manoloana ny fitokiana Aminy, izay nomen’ny finoana antsika. I Abrahama dia “tsy niahanahana ny amin’ny teny fikasàn’Andriamanitra tamin’ny tsy finoana, fa nampaherezin’ny finoana ka nanome voninahitra an’Andriamanitra ary natoky indrindra fa izay nolazainy dia hainy hatao koa” (Romana 15:20-21).

Ny tenin’Andriamanitra no mitondra ny finoana ao anatin’ny fontsika; ary io teny io ihany koa no mikolokolo an’izany.

Mariho fa ny fahatokiana an’Andriamanitra dia mitombo na mihena arakaraka ny hahatokisantsika ny tenantsika. Ny fahatokiantsika dia tsy maintsy manana zavatra ivelantsika hiantefana, Andriamanitra olona, mahery sy lavorary, izay azontsika hianteherana tanteraka, ary izany no ananantsika ao amin’i Kristy. Ny Ratsy izay te hampijaly antsika sy hanana fahefana amintsika dia manana zanatsipika mirehitra afo izay mandoro izay rehetra voany. Olona iray ihany no tsy babony ka hilatsahany amin’ny tany; izy ihany no handevona ny tenany manoloana ny finoana an’i Kristy. Ny menarana izay navoaka mba hamono an’i Paoly dia lasa hazan’ny afo, raha vao nanetsika tanana kely fotsiny ny apostoly. Ny herin’ny apostoly handresena azy dia ny finoana. Aoka tsy ho avelantsika hianjera amin’ny tany mihitsy ny ampingan’ny finoana, ny fahatokiana tanteraka ny maha Izy Azy an’Andriamanitra!

 

2.5  Ny fiarovan-doha

“Ary raiso ny famonjena ho fiarovan-doha.”

Raha toa ny ampingan’ny finoana dia ny fahatokiana ny maha-Izy Azy an’Andriamanitra, ny fiarovan-doha ho amin’ny famonjena (*) kosa dia ny fahatokiana ny ASAN’Andriamanitra.

 

(*) Marihina fa eto, ny voambolana hoe famonjena dia midika hoe izay mamonjy fa tsy hoe ny famonjena amin’ny maha famonjena azy. Io dikanteny io dia mbola hita koa ao amin’ny Lioka 2:30; 3:6; Asa 28:28

 

Ao amin’ny Isaia 59:17, dia mametraka fiarovan-doha famonjena eo amin’ny lohany i Kristy olona mba hahazoana ny fandresena farany. Io fiarovan-doha io no fahatokiana tanteraka ny fanafahana hataon’Andriamanitra ho Azy. Eto dia ny fisitrahana amin’izao fotoana izao ilay famonjena nataon’i Kristy ho antsika. Ao amin’ny 1 Tesaloniana 5:8, izay efa nojerentsika teo aloha (jereo pejy ...), ny fiarovan-doha dia ny fanantenana ny famonjena, ny fahazoana antoka ny fahafahana izay mbola ho avy. Izao no vakiantsika ao amin’ny Salamo 140:7: “Jehovah Tompo ô, ry herin’ny famonjena ahy, manarona ny lohako amin’ny andro fiadiana Ianao”. Ny herin’ny fanafahana antsika dia i Kristy Izy Tompo mihitsy. Amin’ny andro fiadiana dia voasarona ny lohantsika toy ny voasaron’ny fiarovan-doha, amin’ny fahatsiarovana fa io fanafahana io dia azo antoka satria ny hery ao Aminy ihany no iankinany.

Ny fanahy izay feno fifaliana noho ny asa vita teo amin’ny hazofijaliana —ny vokatr’izany asa izany dia mahasarona ny lasa, ny ankehitriny ary ny hoavy— dia voaaro amin’izay rehetra mety hahakivy azy manoloana ny fanafihan’i Satana. Ity farany ity moa dia mikatsaka ny hanala ny fahatokiantsika mba haharesy antsika. Io fahatokiana io no antoka ho an’ny lohantsika, izay ivon’ny fiainantsika sy ny asantsika, ary amin’izany dia voaaro izy tsy hijery zavatra hafa ankoatra an’i Kristy irery.

Ndeha hiato kely alohan’ny hijerentsika ireo fitaovam-piadiana hanafihana ny Fahavalo.

Hatreto, ny fitaovam-piadiana rehetra dia mifandraika amin’ny toetry ny fanahintsika. Noheverina fa milamina daholo ny momba 1° ny fitiavantsika, 2° ny fahotantsika, 3° ny fizotrantsika, 4° ny finoantsika, 5° ny fahazoantsika antoka ny famonjena antsika eo imason’Andriamanitra.

Ny tenin’Andriamanitra no miasa ao anatintsika ahazoana izany vokatra izany. Toetrany iray ny fanofanana ny kristiana. Hoy isika hoe “kristiana”; ny marina tokoa mantsy dia tsy hitovy amin’izany ny asany amin’ny fanahy izay tsy nandray amin’ny finoana an’i Jesosy ho toy ny Mpamonjy azy, satria, alohan’ny zavatra rehetra, dia tsy maintsy nahatonga ny fibebahana sy ny finoana ho famonjena tao am-po sy eritreritr’ilay mpanota ny Teny.

Hatreto, ireo fitaovam-piadiana rehetra dia mifanaraka amin’izay aseho ao amin’ny epistily ho an’i Titosy, toy ny vokatry ny fampianaran’ny fahasoavana: “Mampianatra antsika handà izay toe-panahy tsy araka an’Andriamanitra sy ny filàn’izao tontolo izao ary ho velona amin’ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’izao fiainana ankehitriny izao, miandry ny fanantenana mahafinaritra sy ny fisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika, dia Jesosy Kristy” (Titosy 2. 12, 13). Tsy misy amin’ireo zavatra ireo izay ananan’ny zanak’izao tontolo izao. Ny ilain’izy ireo dia ny handray ny “fahasoavan’Andriamanitra, izay famonjena” (Titosy 2. 11). Ny “fampianarana” dia tsy manomboka raha tsy aorian’izany. Ireo fitaovam-piadiana rehetra ireo dia mifandraika amin’ny fiainana andavanandron’ny kristiana.

Ndeha ho jerena izao ireo fitaovam-piadiana fanafihana izay tsy ilaina hanoherana sy hifaharana amin’ny fanafihan’ny Fahavalo ihany, fa koa hiadiana sy hahazoana ny fandresena amin’ny fanafoanana ny sakana rehetra. Roa ireo fiadiana ireo.

 

3  NY FIADIANA FANAFIHANA

3.1  Ny sabatra

“Raiso...ny tenin’Andriamanitra ho sabatry ny Fanahy”.

Efa nofanin’ny Teny isika mba hanohitra ny Fahavalo, koa ankehitriny dia afaka mandray io Teny io ihany ho toy ny sabatra mba hanerena azy hilavo lefona.

Zava-dehibe ny manamarika fa tsy hahazo vokatra azo tsapain-tànana amin’ny Teny ny kristiana, tsy hahazo fandresena aminy mihitsy ary tsy hahay hampiasa azy raha tsy mbola nandramany tamin’ny tenany ny mampahery io Teny io, ary raha mbola tsy nanofana azy manokana izany mba hanohitra ny fanangolen’i Satana. Tsy maintsy efa niaina zavatra anaty sy manokana mampiseho ny fahefan’ny Teny vao afaka mampiasa izany hanaovana soa ny hafa. Tsy mikoriana avy ao anatintsika ny ranon’aina raha tsy efa nanatona an’i Jesosy mba hisotro isika satria efa nangetaheta. Toy izany koa ny ao amin’ny epistily voalohany nosoratan’i Jaona: “Nanoratra taminareo zatovo aho, satria mahery ianareo, ary satria mitoetra ao anatinareo ny tenin’Andriamanitra, sady efa naharesy ilay ratsy ianareo”. Ny zatovo dia mahery: efa “nihahery tao amin’ny Tompo sy araka ny fiasan’ny herin’ny faherezany” izy ireo. Mitoetra ao anatiny ny tenin’Andriamanitra: noraisiny ireo fitaovam-piadiana hiarovan-tena ary efa nanana vokatra maharitra tao am-pony ny Teny, alohan’ny handraisany ny sabatra. Avy eo izy dia nandresy ny Ratsy: ny sabatra izay fitaovana fanafihana, no manaraka ny fanomanan-tena. Io fanomanan-tena anaty io dia voalaza ao amin’ny toko 3 amin’ity epistily ity (and. 16) amin’ny hoe: “Ho hatanjahiny fatratra amin’ny Fanahiny ny toe-panahinareo; mba hitoeran’i Kristy ao am-ponareo amin’ny finoana”. Ary hita manaraka eo (and. 18, 19) fa io asa mahery nataon’ny Fanahy ao anatintsika io dia iankinan’ny fifaliantsika rehetra momba ny fahazoana ilay tanin’ny fampanantenana sy momba ny fahafantarana an’i Kristy, ny fitiavany sy ny voninahiny.

Ny toko 4 ao amin’ny Hebreo, and. 12 no mampiseho amintsika fa io sabatra io dia ny tenin’Andriamanitra. Rehefa avy niasa tao am-pontsika izany, araka ny efa hitantsika teo aloha, mba hampianatra antsika hitsara tena tanteraka, dia azontsika raisina ho toy ny fiadiana hahakasihina ny fieritreretan’ny hafa. Izany no sabatry ny Fanahy. Ny Fanahy irery ihany no afaka mandranitra azy ary mampiditra azy any am-po, toy ny nidirany tao amin’ny fontsika. Izy no ahafahantsika mampihanjahanja ny tanjon’i Satana izay efa fantantsika, hany ka ireo “tso-po” dia voaaro amin’ny fanafihana. Farany, izy koa no ahafahantsika mamotika ireo hafetsena sy lainga aroso mba hanakanana antsika tsy hihazona ny toerana ananantsika any an-danitra, na hahazo toerana hafa.

Fa raha vao mandray ny sabatra isika, dia tsy azo ialàna ny ady ho an’ny Filazantsara, toy ny ho hitantsika momba ilay fitaovam-piadiana fanafihana faharoa. Aoka ho averintsika ihany anefa fa ny ady ao amin’ny epistily ho an’ny Efesiana dia natao indrindra mba hanome antoka ny kristiana ny fananana sy ny fisitrahana ny lovany any an-danitra.

 

3.2  Ny vavaka

Mivavaha mandrakariva ao amin’ny Fanahy amin’ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, ka miambena amin’izany amin’ny faharetana sy ny fangatahana rehetra ho an’ny olona masina rehetra, ary ho ahy koa mba homena ahy ny hiloa-bava amin’ny fahasahiana hampahafantatra ny zava-miafina momba ny filazantsara (iraka migadra noho izany aho), mba hiteny izany amin’ny fahasahiana aho, toy izay mety hoteneniko.”

Toy ny maha fanehoana ny finoana ny ampinga, ny vavaka dia fanehoana ny fiankinan-doha. Toy ny maha sabatry ny Fanahy ny Teny izay miasa ivelany hanohitra ny herin’ny Fahavalo, ny vavaka dia fanehoana ny Fanahy ao anatintsika, miakatra any amin’Andriamanitra amin’ny alalantsika, mba hahazoana vokatra izay Izy irery ihany no afaka manao azy. Misy endriny maro samihafa ny vavaka, manomboka amin’ny fangatahana tsotra hatramin’ny fitalahoana mamaivay. Izany no endrika notafian’ny vavaka nataon’ny Mpamonjy malalantsika ary tonga hatramin’ny “antsoantso sy tomany” tao Getsemane. Toy izany koa ny nataon’i Daniela, raha niady ho an’ny vahoakany izy. Hoy izy: “Ary nampanatrehiko an’Andriamanitra Tompo ny tavako hitady izay hivavahana sy hifonana amin’ny fifadian-kanina sy ny lamba fisaonana ary ny lavenona” (Daniela 9. 3). Rehefa mamaky ny Salamo isika, dia mahita ny fahasamihafana rehetra sy ny endrika rehetra ananan’ny vavaka, ary noho izany, io boky io dia azo antsoina amin’io anarana io amin’ny ankapobeny. Ny Filipiana 4:6 no milaza amintsika izany koa: “Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonanana mbamin’ny fisaorana no hoentinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra”. Amin’izany, ny anton’ny vavaka ataontsika dia ny filàntsika manokana, fa ao amin’ny epistilin’ny Efesiana, natao hampahery ny olona masina izany, “ny olona masina rehetra”, amin’ny ady ataony, toa an’i Paoly izay kapitenin’izy ireo, ambany fanapahan’Ilay Loha lehibe indrindra, dia i Kristy. Nila fahasahiana i Paoly tamin’ny Filazantsara, ary ny vavaka, izay fiadian’ny Fanahy, no azon’ny olona masina rehetra ampiasaina hangatahana ny hampaherezana azy ao amin’ny ady.

Ampy ve ny fieritreretantsika ny lanjan’izany fiadiana izany? Ampy ve ny fampiasantsika azy? Amin’ny alalany no ahafahantsika miady miaraka amin’ireo mpanompon’ny Tompo sy ho azy ireo (Romana 15:30). Toy izany no niadian’i Paoly ho an’ny Kolosiana. Izany koa no nataon’i Epafra (Kolosiana 2:1; 4:12). Azo antoka fa anisan’ny ady nataon’ireo anabavy niaraka tamin’ny apostoly ny vavaka, satria ny vavaka dia tsy azo sarahina amin’ny ady ho an’ny Filazantsara (Filipiana 4:3).

Ny vavaka izany, miaraka amin’ny sabatra, no fitaovam-piadiana fanafihana tena tsara indrindra. Moa ve tsy ny Teny sy ny vavaka no andry roa iankinan’ny fivavahana kristiana, ny Teny amin’ny maha fijoroana vavolombelona azy manoloana izao tontolo izao sy miantefa aminy, ary ny vavaka izay asandratra ho amin’Andriamanitra irery ihany?