Bokin’i Josoa

 

J. Koechlin

 

Document disponible sur le site http://nybaiboly.net.

Pour toute adresse de Bibliothèque Chrétienne à Madagascar, cliquer ICI.

Pour Antananarivo, l’adresse de la Bibliothèque est :

LOT IV L 39 D, Anosivavaka, Ambohimanarina — Tel: 033 15 552 35

 

 

Fizarana

1      Josoa 1:1-18

2      Josoa 2:1-13

3      Josoa 2:14-24

4      Josoa 3:1-13

5      Josoa 3:14-17 ; 4:1-8

6      Josoa 4:9-24

7      Josoa 5:1-15

8      Josoa 6:1-14

9      Josoa 6:15-27

10    Josoa 7:1-15

11    Josoa 7:16-26

12    Josoa 8:1-13

13    Josoa 8:14-23

14    14 - Josoa 8:24-35

15    Josoa 9:1-16

16    Josoa 9:17-27

17    Josoa 10:1-11

18    Josoa 10:12-27

19    Josoa 10:28-43

20    Josoa 11:1-11

21    Josoa 11:12-23

22    Josoa 12:1-24

23    Josoa 13:1-14

24    Josoa 13:15-33

25    Josoa 14:1-15

26    Josoa 15:1-19

27    Josoa 15:20… 63; 16:1-10

28    Josoa 17:1-18

29    Josoa 18:1-11 ; 19:49-51

30    Josoa 20:1-9 ; 21:1-3

31    Josoa 21:41-45; 22:1-6

32    Josoa 22:7-20

33    Josoa 22:21-34

34    Josoa 23:1-11

35    Josoa 23:12-16 ; 24:1-5

36    Josoa 24:6-15

37    Josoa 24:16-33

 

 

 

1  Josoa 1:1-18

Ny bokin’i Josoa dia mitantara ny Zanak’Israely tonga tao amin’ny tany nampanantenaina azy ireo, mba haka izany. Mpitarika vaovao iray no nandimby an’i Mosesy : Josoa izay efa hitantsika, fony izy mbola tanora, niady (Eksodosy 17:9, 10), nianatra (Eksodosy 33:11), nanompo (Nomery 11. 28), nijoro ho vavolombelona (Nomery 14.6). Nofanina nandritra ireo taona lava tany an’efitra izy, ary izao dia nantsoina hiantsoroka andraikitra goavana. Raha hiatrika izany izy, dia mbola nampaherezin’i Jehovah indray (and 6, 7, 9), sy nampaherezin’ny rahalahiny (and18), tamin’izao teny izao : “Aoka tsy hiala amin’ny vavanao ity bokin’ny lalàna ity (ho antsika dia ny Tenin’Andriamanitra manontolo izany), fa saintsaino andro aman’alina...”. Izany no ho tsiambaratelon’ny fahombiazany ara-panahy ... ary ho antsika ihany koa (and 8 farany).

Ny bokin’i Josoa dia manazava ny fahamarinana velabelarina ao amin’ny Efesiana. Toy ireo Zanak'Israely niady hakana ny tany Kanana, ny kristiana ihany koa dia manana ady ara-panahy tsy maintsy atrehina mba hahazoana misitraka ny lanitra. Ary izao no lazaina aminy, toy ny tamin’i Josoa : “Mahereza ao amin’ny Tompo ...Mifahara” (Efesiana  6. 10, 14). Mosesy dia kisarisarin’i Kristy mitondra ny olony hivoaka amin’izao tontolo izao. Josoa dia kisarisarin’ny Fanahin’i Jesosy (mitovy ireo anarana roa ireo amin’ny teny hebreo) mampiditra ny olony any an-danitra miaraka aminy.

2  Josoa 2:1-13

Nisy zavatra roa lehibe nanakana ny fidiran’ny vahoaka tany Kanana. Voalohany, ny ony Jordana izay sisin-tany. Manaraka, erỳ ampita, ny tanàna mimanda mahatahotra tokoa, dia i Jeriko. Nandefa mpitsikilo roa tany i Josoa. Ny iraka nataon’izy ireo dia toa nijanona fotsiny tamin’ilay famangiana an’i Rahaba sy tamin’ny fahahalalana, tsy ny herin’ny fahavalo tsy akory, fa ny herin’Andriamanitra niasa tao am-pon’ity vehivavy ity. Rahaba dia nandre izay efa nataon’Andriamanitra ho an’ny vahoakany. Nino Azy izy. Farany indro izy fa miasa, satria “maty ... ny finoana, raha tsy misy asa”; ary izy no alain’i Jakoba ho ohatr’izany fahamarinana izany, izy, ilay Kananeana mahantra, miaraka amin’i Abrahama mihitsy (Jakoba 2:25). Eo imason’ny olombelona, ny zavatra nataon’ity vehivavy ity —fivadihana— dia ratsy tokoa. Saingy izany dia mampiseho tsara mihitsy ny tsy fitovian’ny asan’ny finoana, ankasitrahin’Andriamanitra, sy ny «asa soa» derain’ny olombelona. Ny zavatra ataon’ny mpino dia tsy takatr’izao tontolo izao mihitsy, ary tsy ankasitrahiny.

Ny finoan’i Rahaba dia hovaliana toeram-boninahitra ao amin’ny lisitra roa ao amin’ny Testamenta Vaovao : ny tetiaran’i Jesosy Kristy (Matio 1) sy ny fitanisana ireo vavolombelona mahatoky ao amin’ny toko faha 11-n’ny Hebreo, ary izy sy Sara irery no vehivavy nolazaina tamin’izany.

3  Josoa 2:14-24

Rahaba dia tsy vitan’ny hoe fahavalo fa koa olona ratsy fitondrantena, ary vao mainka izany mampibaribary ny halalin’ny fahasoavan’Andriamanitra. Toy ilay vehivavy Kananita iray tamin’ny andron’ny Tompo, dia ny finoany no nahatonga azy hahazo anjara ara-panahy amin’ny «sombintsombiny» latsaka avy eo amin’ny latabatry ny Zanak’Israely (Matio 15:22…). Ny fomba niarovana ny ankohonan’i Rahaba dia mampahatsiahy ny paska sy ny ran’ny zanak’ondry teo amin’ny tolàm-baravarana, ary mahatonga an’i Rahaba ho tena vehivavy zanak’Israely izany. Ho fitsinjovana ny fitsarana izay hihatra amin’i Jeriko, dia nasaina nitoetra teo ambany fiarovan’ilay kofehy jaky izy sy ny ankohonany (and 18). Ary marihintsika fa nafatotra teo no ho eo teo amin’ny varavarankely io kofehy io. Tsy miandry ela fa mitoetra ho eo ambany fiarovan’ilay ra mpanavotra, izany no ampianarin’i Rahaba antsika, raha mbola tsy nataontsika, satria ho avy amin’izao tontolo izao ny fitsarana, ary azo antoka izany toy ny nisian’ny fitsarana an’i Jeriko. Ity vehivavy ity dia manambara ny fahazoany antoka fa handresy ny Andriamanitr’i Israely ary matoky ilay teny fampanantenana nomeny azy izy.

Ny tatitra nataon’ireo mpitsikilo roalahy dia tena hafa mihitsy tamin’ny an’ireo folo lahy mpisava lalana ao amin’ny Nomery toko faha 13. “Efa natolotr’i Jehovah (fa tsy hoe hatolotr’i Jehovah) eo an-tànantsika tokoa ny tany rehetra”. Io and24 io dia fahatanterahana ara-bakiteny izay nolazaina 40 taona talohan’izao, tao amin’ny fihirana rehefa tafita ny Ranomasina Mena (Eksodosy 15:15 farany).

4  Josoa 3:1-13

Ny Ranomasina Mena no nanakana ny fivoahana avy tany Egypta ho an’ny Israely; ny ony Jordana izao no manidy ny fidirany any Kanana. Ary ny fiampitana io ony io no hampianatra antsika fahamarinana vaovao tena lehibe tokoa, dia ny fahafatesantsika miaraka amin’i Kristy. Dieny etỳ an-tany ny zanak’Andriamanitra dia asaina mba hanana ny lanitra amin’ny finoana sy mba hisitraka izany. Izany no mifanaraka amin’ny fidirana any Kanana. Fa mba hidirana ao amin’ny tany Kanana, dia tsy maintsy miampita ny ony Jordana (hazavaina ahoana?), onin’ny fahafatesana ; toy izany koa ny kristiana dia tsy afaka hanana ny lanitra sy hisitraka ankehitriny ny fifaliana amin’izany, raha tsy iainany aloha ny fahafatesany miaraka amin’i Kristy. Ny hazofijaliana namoizan’ny Mpamonjiko ny ainy dia mamely sy manameloka ilay sitrapoko voajanahary efa lo, ilay olona tranainy ato anatiko mitady tsy ankijanona ny handidy ny fiainako, nefa tsy manana zo hiditra ny lanitra. Fijalijaliana maro no entiny ho ahy ! Ny ezaka ataoko mba hanitsy azy dia tsy mandaitra. Ahoana no tsy hamelana azy hanao ratsy intsony, ahoana no hamonoana azy ? Fa faly tokoa aho mandre fa efa vita indray mandeha tsy miverina teo amin’ny hazofijaliana izany, ary dia ampy ny hanekeko izany tsotra fotsiny, toy ny nanekeko ny famelana ny heloko ! Tsy hoe ho ahy ihany no nanomboana an’i Jesosy. Izaho koa dia nohomboana miaraka aminy (Galatiana 2:20). Izany no zava-mahagaga nataon’Andriamanitra ho antsika (and5).

5  Josoa 3:14-17 ; 4:1-8

Ny fiaran’ny fanekena no voalohany niditra ny rano ka nanokatra lalana ho an’ny vahoaka. Toy izany koa, ny fidiran’i Kristy tao amin’ny fahafatesana no manokatra ho antsika lalana tsy mbola nalehantsika akory (and 4), “làlana vaovao sady velona”(Hebreo 10:20). Talohan’ny hazofijaliana, dia tsy nisy maty nivoaka avy tao amin’ny fahafatesana rehefa avy niditra tao. Fa Kristy no nahavita izany, hany ka ankehitriny isika dia mamakivaky ny fahafatesana miaraka aminy, ka tsy mahalala ny hangidin’izany. “Nandeha an-tongotra nita ny ony ny olona ; tao no nifaliantsika tamin’ Andriamanitra” (Salamo 66:6). Hitantsika fa nijanona teo afovoan’ny ony ny fiaran’ny fanekena mandra-piampitan’ny vahoaka rehetra (and 17). Antoka mahagaga izany fa hoe voaro ny vahoaka ! Tsy afaka hitelina antsika ny fahafatesana. Kristy no efa tao, nisolo toerana antsika. Nefa mba saino ange ny nanjo ilay Andrianan’ny aina nanolotra ny fanahiny ho amin’ny fahafatesana e! Ny bokin’i Jona 2. 4 dia milaza marimarina ny alon-drano sy ny onja rehetra nanarona Azy. Nanafotra Azy hatrany amin’ny fanahiny ny rano (jereo koa Salamo 42:7). Ry Mpamonjy malala ! Ho Azy ny fijaliana sy ny fahafatesana ; ho antsika ny fanafahana, ny fiainana, ny fahasambarana. Na dia ny ony maro aza tsy mahavono ny afon’ny fitiavana, ary ny renirano tsy mahapaoka azy, dia ilay fitiavana mahery toy ny fahafatesana izay nitarika Azy hiditra tao anatin’izany onja izany mba handrombahana antsika tsy ho ao (Tononkiran’i Solomona 8. 6 sy 7).

6  Josoa 4:9-24

Nodidian’i Jehovah i Josoa haka vato roa ambin’ny folo avy ao anaty rano, mba hanaovana tsangambato tao Gilgala (and 20). Nisy vato roa ambin’ny folo hafa ihany koa natsangany tao anatin’ny ony Jordana, izay ho rakotry ny rano (and 9). Inona no dikan’ireo vato ireo , ho antsika ? (and 6). Ny epistily ho an’ny Romana no mandika ny teniny. Ireo dia ny mpino natao ho iray amin’i Kristy tao amin’ny fahafatesany (tany ambany rano lalina tany) ary koa tao amin’ny nitsanganany tamin’ny maty (efa teny ampita — Romana 6:5).

Ary ny maha iray tsy mivaky ny vahoaka dia ambaran’ireo vato roa ambin’ny folo ireo ( foko roa ambin’ny folo), izay niara-nandrafitra tsangambato iray. Satria io asa mahery io dia natao ho an’ny olom-boavidy rehetra, na dia tsy tonga saina amin’izany aza ny maro. Ireo tsangambato roa ireo dia vavolombelon’izany ho mandrakizay.

Koa ny azoko tamin’ny hazofijaliana dia fanafahana telo lehibe, ambaran’ny Paska, ny Ranomasina Mena ary ny ony Jordana. Ny Paska dia milaza amiko fa afaka amin’ny fitsaran’Andriamanitra aho. Ny Ranomasina Mena dia mampianatra ahy fa afaka amin’ireo fahavaloko ivelany aho, dia i Satana sy izao tontolo izao. Farany, ny ony Jordana dia manambara amiko fa manan-jo hihevitra ny nofo ho faty aho, io fahavalo anaty lozantany io. Ny fahamarinana roa voalohany dia azo rehefa nateraka indray. Ny fahatelo dia ny atao hoe fanafahana.

7  Josoa 5:1-15

Dia indro isika fa tafampita eo amin’ny morona misy ny fitsanganana amin’ny maty ! Inona no hitantsika ao ? Zava-dratsy ! Voalohany, ireo fahavalo ivelany izay nipoitra indray. Nefa aza kivy e ! Tsy manana hery izy ireo (and 1), efa resin’i Kristy teo amin’ny hazofijaliana (Kolosiana 2:15). Ilay fahavalo anaty, ny nofo, dia eo ihany koa. Tsy efa nolazaina ve fa efa maty io, nalevina tany anatin’i Jordana lalina tany ? Marina tokoa izany ! Eo imason’Andriamanitra, dia any ny toerana tokony hisy azy. Saingy isika no tokony hanao ny tenantsika ho maty ny amin’ny ota (Romana 6:11), tsy manome azy alalana hipoitra intsony. Ny asehon’ny famorana dia io fitsarana tokony hataontsika io, isaky ny misy fipoiran’ny nofo eo amintsika. Rehefa izany no atao, dia hitantsika ny loharanon-kery sy ny fifaliana miandry antsika eo amin’io “moron’ ”ny lanitra io. Voalohany, ny vokatry ny tany, izay nanolo ny mana : kisarisarin’Ilay Kristy nomem-boninahitra, Izay iveloman’ny olom-boavidy. Dia tonga ny Paska ; afaka nankalazaina teo ambany rindrin’i Jeriko izany. “Mamelatra latabatra eo anoloako eo imason’ny fahavaloko Ianao” (Salamo23. 5). Farany, indro ny Anjely nampanantenain’i Jehovah hatrany am-piandohan’ny Eksodosy (Eksodosy 23:23). Jesosy dia any an-danitra ho antsika ary Izy no hitarika ny adintsika raha omentsika Azy izany fitantanana izany.

8  Josoa 6:1-14

Toa mpiambina mahatahotra miambina ny fidirana any Kanana no fijery ny tanàna mimandan’i Jeriko, manakana ny lalan’ny vahoaka. Mampivarahontsana ! Mifandraika amin’ny inona izany ho antsika ? Rehefa miomana ny hiaina ny finoany ilay olona vao niova fo, vao niala tsy ela avy amin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana, eo no ho eo dia mitady ny hampitahotra azy i Satana. Ametrahany fahasarotana goavana eo anoloany : fijoroana ho vavolombelona manoloana namana mandrabiraby, fialàna amin’ny fahazarana iray, fiaikena zavatra iray na fialan-tsiny atao amin’olona nasian-dratsy. Mihoatra noho izany aza, any amin’ny tany sasany, ireo izay mitonona anarana ho kristiana dia tsy maintsy miatrika fanenjehana mavaivay. Ahoana no iatrehana ireny valifatin’ny Fahavalo izay tsy azo ialàna ireny ? Amin’ny famelana ny Tompo hitondra ny zavatra rehetra araka izay tiany. Ny angatahiny amintsika dia fahatokiana feno Azy, risi-po (nifoha marainakoa izy ireo), fijoroana ho vavolombelona mazava tsara, izay mifandraika amin’ireo trompetra fito. Ary koa ny fifikirana! Fito andro ary impito tamin’ny andro fahafito ! Ny faharetana dia tokony hisy asa tanteraka (Jakoba 1:4). Ary farany, ny fepetra lehibe indrindra : tsy maintsy iainana ny fanatrehan’ny Tompo miaraka amintsika, eo amin’ny fandehantsika isanandro. Ny fiaran’ny fanekena izay nohazonina homba ny Israely tao amin’ny ony Jordana dia efa miaraka aminy izao, mba hanome azy ny fandresena (and 6).

9  Josoa 6:15-27

Angamba nataon’ireo mponina tao Jeriko ho mampihomehy sy tsy misy dikany ny fiodikodinan’ireto mpitsoka trompetra ireto manodidina ny mandany. Mba efa nisy fahirano natao toy izao ve ? Be tokoa angamba ny esoeso! Saingy“ny malemy amin’izao tontolo izao no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny mahery ” (1 Korintiana1. 27). Eo akaikin’ireo fitaovana mahery hita maso ireharehan’ny olombelona, dia miasa tsy hita maso kosa ny finoana. Araka ny teny fampanantenan’ny Tompo, raha manana finoana toy ny voatsinapy isika, dia hesorin’Andriamanitra tsy ho eo anoloantsika ny sakana mampahatahotra indrindra (Matio 17:20). “Fa tsy avy amin’ny nofo ny fiadian’ny tafikay, fa mahery amin’Andriamanitra handrava fiarovana mafy” (2 Korintiana 10:4). Ampiasao ilay fiadiana tsy azo resena, dia ny vavaka. Raha misy «Jeriko» eo amin’ny lalantsika, dia aoka hianatra, toa an’i Israely, hiodidina izany miaraka amin’ny Tompo (ny fiaran’ny fanekena) amin’ny fampiakarana ny feontsika any amin’Andriamanitra. Rehefa tonga ny fotoanany, dia ho hitantsika hirodana ireo rindrina ireo, toy ny nirodanany tamin’ny andro fahafito.

Israely dia nomena didy henon’ny rehetra : haringana izay rehetra ao an-tanàna, ho voaozona ny tanàna. I Rahaba sy ny fianakaviany ihany no hovelomina, ho valin’ny finoany. Ilay kofehy jaky, mora hita nandritra ireo fiodinana in-13 ny tanàna, dia teo amin’ny toerany.

10  Josoa 7:1-15

Taorianan’i Jeriko, dia indro Ay, tanàna jerena toa kely. Toa ho mora mihitsy ny handresy azy, fa tsy ilaina ny manelingelina ireo miaramila rehetra ; telo arivo dia ampy. Nandiso fanantenana tanteraka anefa fa resy Israely. Anjaran’ny fon’ny vahoaka indray izao no ketraka, toy ny naha ketraka ny fon’ireo fahavalony taloha kely teo (toko 5. 1). Kivy i Josoa, ary niankohoka tamin’ny tany ka nitomany. Fa nasain’i Jehovah nitsangana izy mba hahatakatra ny anton’ny faharesena. Misy zavatra tsy milamina eo anivon’ny vahoaka. Ny ozona, izany hoe ny ota, dia nanakana an’Andriamanitra tsy hiady ho an’ny olony. Lesona lehibe izany ho an’ny tsirairay amintsika ! Azo oharina amin’izay nisy tao amin’ny tobin’ny Israely ny miseho ao anatin’ny fieritreretantsika. Ny fahadisoana iray afenina aman’olona, lavina tsy ekena eo imason’Andriamanitra, dia manala amintsika ny fiombonana aminy, ary raha tsy misy an’io fiombonana io dia efa resy mialoha ny kristiana. Zavatra mbola loza kokoa ary : ilay anaran-dehibe entintsika (and 9), ny anaran’i Kristy, dia ho afa-baraka noho ny fahalavoantsika. “Ary hataonao ahoana ny anaranao lehibe ?”dia vavaka mampiseho faharanitan-tsaina. Izay miteny toy izany dia mahay mametraka ny voninahitr’Andriamanitra alohan’ny tombontsoany. “Vonjeo izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, noho ny voninahitry ny anaranao ; ary afaho izahay, ka mamelà ny helokay, noho ny anaranao” : izany no angatahin’i Asafa ao amin’ny Salamo 79:9.

11  Josoa 7:16-26

Na hanao fitsarana, na handeha hiady, dia mifoha maraina i Josoa. Tsy mila fahatarana ny famahana ny olana. Rehefa azavain’Andriamanitra ny eritreritsika, dia tsy mila mangataka andro. Natao ny antsapaka ka tsy ela dia nikatona tamin’ilay olo-meloka mahonena ny harato. Farany, dia nanondro azy ny tanan’Andriamanitra. “Dia Akana ... no notanana” (and18). Tsy misy zava-doza mihoatra noho ny tratran’Andriamanitra toy izany ! Nandritra ilay sakafo farany niarahan’i Jesosy tamin’ny mpianany, dia notondroiny tamin’izy ireo ilay mpamadika, tamin’ny nanolorany azy ny mofo avy natsobony (Jaona 13:26).

Anaka —hoy Josoa—omeo voninahitra Jehovah”. Ny voninahitr’Andriamanitra dia mitaky mandrakariva ny marina manontolo. Dia nolazain’i Akana ilay tantarany mampalahelo. Tantaran’ny fitsiriritana rehetra io, ary asehon’i Jakoba ny tohivakana mitondra ho amin’ny fahafatesana amin’izany (toko 1. 14, 15). Ny maso, avy eo ny fo, farany ny tànana mandray sy manafina. “Eny tokoa, izaho no nanota –hoy Akana—...Nahita kapôty tsara sns, dia nitsiriritra ireny aho ka naka. Ilay kapôty tsara avy any Babylona, ny volafotsy, ny volamena dia nafenina tokoa tao anaty lay, ary Andriamanitra irery no nahita izany.

Fa aoka tsy hohadinoina ny vokany : “Ny ota, rehefa tanteraka, dia miteraka fahafatesana”. Adidy mampahory : tsy maintsy esorina tsy ho eo anivon’ny fiangonan’ny Israely ilay nanao ratsy (ampitahao 1 Korintiana 5:13).

12  Josoa 8:1-13

Ny fahotana nafenina no antony lehibe indrindra nahatonga ilay faharesena henjana nanjo ny Israely. Fa nisy antony hafa ihany koa. Ny fandresena tao Jeriko dia mazava fa nahatonga ny vahoaka hatoky tena. Manaitra izany satria fahagagana anie io e ! Inona moa no anjaran’ny Israely tamin’ny famotehana ilay tanàna mimanda mampatahotra ? Indrisy fa impiry moa isika no mitovy amin’io vahoaka io ! Rehefa nafahan’ny Tompo tamina toe-javatra sarotra isika, dia tsy mahatsiaro intsony hoe mila ny fanampiany, nefa tokony vao mainka aza hiankina aminy bebe kokoa, amin’ny fitsapana manaraka. Dia tonga ny fahalavoana ! Ankoatra izany, ny fontsika dia mahatonga antsika vonona ny hiantoraka amin’Andriamanitra rehefa tojo fahasahiranam-be, fa rehefa zavatra madinika kosa, dia heverintsika matetika fa vitantsika samirery. Ny tantaran’ny fandresena an’i Ay dia mampianatra antsika fa mila mandrakariva ny Tompo isika.

Sarotra tokoa izao vao hahazo fandresena ! Tsy ireo miaramila 3 000 novinavinaina intsony no ilaina fa avo folo heny, ampiana tetika saro-takarina. Ny fanarenana dia ezaka lava sy manahirana mandrakariva. Tany Jeriko, dia tsy maintsy nianatra nahalala ny herin’Andriamanitra ny vahoaka ; tao Ay, dia nilaina ny hahatsapany ny fahalemeny manokana.

13  Josoa 8:14-23

Ary hataonao ahoana ny anaranao lehibe ?”, hoy ny fanontanian’i Josoa (toko 7. 9). Izao dia efa afaka ny fahotana, efa matoky an’Andriamanitra ny Israely, koa ny valiny omen’Andriamanitra dia ny fandresena. Ary ny mpiasa nahatonga io fandresena io, ilay anarana miverimberina tsy ankijanona eto amin’ny tantarantsika, dia Josoa, izay tandindon’i Kristy indray eto, mitondra ny olony amin’ireo ady atrehany. Notondroin’i Josoa tamin’ny lefony ny tanàna, araka ny didin’i Jehovah, ary nampisehony tamin’izany hoe iza no mitarika ny fanafihana, hoe misy drafitra efa maty paika, tetik’ady, izay Izy ihany no mahalala azy. Dia toy izany Jesosy ho antsika ! Izy no mahalala ny anjara asan’ny miaramila tsirairay, Izy no mametraka ny tsirairay amin’ny toerany, ary farany, Izy no manome ny baiko hihetsehana. Rehefa mijery an’i Kristy isika, toy ny miaramila mijery ny fanevan’ny mpibaiko azy, dia ho fantatsika izay tokony hatao, hihahery isika. Ary aoka ho fantatsika fa tsy irery tsy akory isika rehefa miady, fa manana rahalahy sy anabavy miatrika ady toy izany koa. Nefa tsy toy ny tamin’ny andron’i Josoa hoe ady ampahibemaso, feno voninahitra sy mahatalanjona. Ny fandresentsika, amin’ny ankapobeny, dia ho azontsika rehefa mandohalika ao an’efitranontsika isika ; ny Tompo irery no ho vavolombelon’izany.

14  14 - Josoa 8:24-35

Azo ny tananan’i Ay, dia nodorana, novonoina ny mponina tao, nahantona ny mpanjakany, fa ny biby fiompy mbamin’ny fananana rehetra dia nalain’ny Israely ho babony, “araka ny tenin’i Jehovah izay nandidiany an’i Josoa” (and 27). Efa lafo dia lafo tokoa ny sandan’ny fanaovan’i Josoa sy Israely ny sitrapony manokana, hany ka izao izy ireo dia manaraka an-tsipiriany ny didin’Andriamanitra. Deoteronomia 21:22, 23 dia nandrara tsy hamelana ny fatin’ny olona iray nahantona ho eo ambony hazo mandritra ny alina, ary dia nankatò ihany koa i Josoa (and 29), porofo fa heveriny ho efa azy ny tany. Aoka isika hiezaka hanamarina, araka izay azo atao, ny fitondrantenantsika amin’ny voalazan’ny Soratra Masina. Ho toy inona ny herin’ny fijoroantsika ho vavolombelona raha toa isika afaka mamaly ny fanontaniana rehetra momba ny fitondrantenantsika, ny fihetsikitsika : izany no angatahin’ny Tompo, angatahiny amiko, ao amin’ny Teniny. Aoka isika hibanjina an’i Jesosy eo ambony hazofijaliana. Tamin’ny minitra farany tamin’ny fiainany amin’ny maha olona mpankatò Azy, “mba hahatanteraka ny Soratra Masina, dia hoy Izy : Mangetaheta Aho” (Jaona 19:28).

Ny zava-niseho manaraka (and 30-35) dia manatanteraka ihany koa ny fitsipika ao amin’ny Deoteronomia (toko 11. 29; 27:11…). Lehilahy, vehivavy, ankizy, ny vahoaka rehetra no tafavory, teo koa ny vahiny (ary azo antoka fa teo i Rahaba), teo amin’ny toerana notendrena mba hihaino ny Lalàna. Ary ny ivon’izany fivoriana izany dia ny fiaran’ny fanekena, tandindon’i Kristy. Ny fitsaohana sy ny hafaliana dia naseho tamin’ny fanatitra dorana manontolo sy ny sorona. Kisarisary tsara mampiseho ny fivorian’ny fiangonana !

15  Josoa 9:1-16

Ny vahoakan’Andriamanitra dia manovo ny heriny amin’ny fiankinana amin’ny Tompo, fa izao tontolo izao kosa dia mitady izany amin’ny fiaraha-miasa. Ilay ohabolana hoe “ny firaisan-kina no hery no fototry ny fikambanana isan-karazany, anisan’izany ny fikambanana ara-pivavahana. Jereo eto ireo firenena fahavalo rehetra “niray hina niangona hiady amin’i Josoa sy ny Israely” (and 2). Rehefa hoe hiady amin’ny fahamarinana, na dia olona mpifahavalo aza dia mahay mitady zavatra iombonana. Heroda sy Pilato dia nihavana ary niray hina hanohitra an’i Jesosy,mbamin’ny jentilisa sy ny olona Israely” (Lioka 23:12 ; Asan’ny Apostoly 4:27).

Niforona ny fiokoana, ary variana tamin’izay i Israely ; fa ho tampohan’ny fahavalo izy tamina fitaka tsara lahatra. Rehefa tsy tratran’i Satana amin’ny hery ny tanjony, dia mampiasa tetika hafa izy. Ny fanambatambazana, ny dokadoka matetika no fandrika mahazo antsika rehefa tsy niraharaha ny mba hanontany ny Tompo isika (and 14). Ny Fahavalo, ao ambadik’ireo olona ampiasainy, dia mankasitraka ny fiaraha-miasa amin’ny zanak’Andriamanitra ary ho hainy ny hampiseho endrika tsara mba hamitahana azy ireo momba ny tena tanjony (Ezra 4. 2). Aoka isika hitandrina, satria ny fiaraha-miasa toy izany dia, voalohany aloha, tsy fankatoavana, ary avy eo varavarana misokatra ho amina fivadihana (fijanganjangana) maro (Eksodosy 34:12, 15, 16).

16  Josoa 9:17-27

Nanoloana an’i Ay, teo aloha, dia nihevi-tena ho mahery ny vahoaka. Manoloana ny Gibaonita, dia nihevi-tena ho hendry izy.  Tsy nahatsiaro ho tokony hanontany an’Andriamanitra izy (and 14). Savorovoro toy inona rehefa hita ny tena marina, nefa efa tara loatra ! Tsy maintsy leferina izany ireto Kananeana ireto, ary ho hitantsika izy ireo any aoriana any, hifamatotra ratsy amin’ny tantaran’ny Israely (2 Samoela21). Nanazava ny antony nanaovany izany ireo Gibeonita. Dia mety hanontany tena isika hoe inona tokoa moa no azony natao teo, afa-tsy ny mamela ny Israelita handringana azy ireo. Nefa ny ohatr’i Rahaba dia porofo fa mbola nisy ny fotoana hanatonana am-pinoana sy amin’ny fanekena fa fahavalo izy ireo, ho eo ambany fiarovan’ny Andriamanitr’i Israely, Izay efa fantany ny lazany ! (and 9 farany). Saingy ny olon’izao tontolo izao dia mitovy amin’ireto Gibeonita ireto. Manantena izy ireo fa tsy ho azon’ny fitsarana raha mifaningotra amin’ny tantaran’ny vahoakan’Andriamanitra ny tantarany. Te hiala amin’ny fahatezerana ho avy izy ireo, te hahazo toky momba ny fahafatesana mampihorohoro azy, nefa tsy te hiaiky ny toerana misy azy, tsy te hanatona mba hahazo ny fahasoavan’Andriamanitra madiodio. Koa tsy nitovy tamin’i Rahaba izy ireo, Rahaba izay nanjary vadin’i Salmona, andrianan’ny Joda (Matio 1:5), fa izy ireo kosa nijanona ho andevo, mpanapaka kitay sy mpantsaka rano.

17  Josoa 10:1-11

Misy fahavalo vaovao mipoitra indray. Ny lehiben’izy ireo dia ny mpanjakan’i Jerosalema, Adoni-zedeka (tompon’ny fahamarinana). Io lehilahy io dia tena tsy mitovy mihitsy amin’ilay iray teo talohany, dia i Melkizedeka (mpanjakan’ny fahamarinana), mpanjakan’i  Salema (Genesisy 14:18-20). Ity farany ity dia nitsodrano an’i Abrama, ary avy eo dia nisaotra Ilay Andriamanitra Avo indrindra Izay nanolotra ny fahavalony ho eo an-tànan’ny patriarka. Mifanohitra amin’izany i Adoni-zedeka, fa nipetraka ho filohan’ireo fahavalon’ny firenen’i Abrahama izy. Novoriny ireo mpiara-dia aminy hiady amin’i Gibeona, ary Gibeona indray niantso ilay mpiara-dia aminy vaovao. Voka-dratsin’ilay fivadihana tao amin’ny toko faha 9 io ! Raha manana an’i Jehovah miaraka aminy ny vahoaka, ataony inona indray ny hanao fanekena hafa ? Vao mainka mampitombo ny loza mitatao izany.

Nefa na izany aza, dia homen’Andriamanitra ny fandresena. Niainga avy ao Gilgala ny Israely, Gilgala izay toerana nanaovana ny famorana, kisarisarin’ny fitsarana ny nofo. Ny epistily ho an’ny Kolosiana no mampianatra antsika ny hevi-panahin’izany. Maty sy natsangana tamin’ny maty niaraka tamin’i Kristy isika, ka tokony ihany koa hamono ny momba ny tenantsika (toko 2. 20 ; 3:1-5). Izay no mifandray amin’ny fiverenana tao Gilgala, ary io no tsiambaratelo lehibe ahazoana fandresena. Mba handresena, dia tsy maintsy mahatakatra aloha ilay mpiadin’ny finoana hoe tsy manan-kery izy. Amin’izay izy dia voaomana hamela an’Andriamanitra irery hiasa. Jehovah mihitsy no miady avy any an-danitra, ho an’ny Israely vahoakany.

18  Josoa 10:12-27

Nivavaka i Josoa, dia najanon’i Jehovah nandritra ny iray andro maninjitra ny masoandro sy ny volana. Tamin’izany dia nasehony tamin’ireo firenena jentilisa hoe iza moa Ilay Andriamanitra miady ho an’ny Israely, sady asehony amin’ny olony ihany koa hoe hatraiza no hamaliany ny vavaka ataon’izy ireo (Marka 9:23). Moa ve tsy mbola fahagagana lehibe lavitra noho izany ve ny hoe alavain’Andriamanitra efa roa arivo taona izay ny andron’ny fahasoavany ? Ary tsy toy ny eto hoe ahafahana manao fitsarana sy valifaty, fa ny fiovam-pon’ny mpanota no tanjony. Manana faharetana amin’izao tontolo izao Izy (mety aminao koa angamba ?) ary “mampiposaka ny masoandrony amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy” (Matio 5:45). Toa mandeha ho azy izany ho an’ny tsirairay, nefa aoka isika hihevitra matetika, isaky ny mahita andro vaovao miposaka, fa lava dia lava ny faharetan’Andriamanitra.

Satria ny masoandro tsy nilentika, dia nandositra ny hazavana ny fahavalo ka nitady ny haizina, niezaka ny hiery (and16 ; Jaona 3:19-21 sy Apokalypsy 6:15-17). Saingy azo ny fandresena ka navoaka avy tao amin’ny zohy ireo mpanjaka dimy. Manatòna ianareo — hoy i Josoa tamin’ireo mpitarika ny mpiady, — aza matahotra ! “Ataovy eo amin’ny vozon’ireto mpanjaka ireto ny tongotrareo”(and24). Mariky ny fandresena izany, fialohavana ilay fotoana efa tsy ho ela izay hanorotoroin’Ilay Andriamanitry ny fiadanana an’i Satana eo ambanin’ny tongotsika (Romana 16:20; Salamo110. 1).

19  Josoa 10:28-43

Azo tsirairay ireo tanàna nahatahotra ireo, tanàna “lehibe sady misy manda manakatra ny lanitra” (Deoteronomia 1:28). Ireo mpanjakany, ireo olombeny, ireo mponina rehetra tao aminy dia naringan’i “Josoa sy ny Israely” avokoa. Mariho ny famerimberenana io teny farany io. Mampahatsiahy ny maha iray tsy azo sarahina an’i Kristy sy ny olony. Izany firaisana izany dia midika fa ireo fahavalontsika dia fahavalon’ny Tompo ihany koa. Rehefa miady amiko dia miady amin’ny Tompoko ihany koa. Rehefa Izy no avelako hialoha lalana, tsy maintsy mandresy aho. Fa raha tsy misy Azy kosa, dia resy aho. Izany no antony hiezahan’ny Fahavalo tsy hisian’ny fifandraisako (na fiombonako) amin’ny Mpamonjiko.  Fantany “fa raha misaraka [aminy isika], dia tsy mahay manao na inona na inona” (Jaona 15:5), na dia adinontsika matetika aza Izy. Fandresena miampy fandresena no hita eto amin’ity pejy ity ! Enga anie eo amin’ny tantaram-piainako kristiana mba hisy lisitra mitovy amin’izany, manambara ireo fandresena miafina azoko niaraka tamin’ny Tompo ! Fandresena ho an’ny fahamarinana, fandresena ho an’ny fahadiovana, fandresena fakam-panahy isan-karazany... Ry zatovo, na lahy na vavy : ny taonanareo dia fotoanan’ny ady. Ianareo ve anisan’ireo azon’ny apostoly Jaona anoratana hoe : “Manoratra aminareo zatovo aho, satria efa naharesy ilay ratsy ianareo”? (1 Jaona 2:13).

20  Josoa 11:1-11

Tany Gibeona, tao amin’ny toko faha-10, dia resy tanteraka ny fikambanan’ireo mpanjaka avy any atsimo. Izao indray, ireo avy any avaratra no miangona manodidina an’i Jabina mpanjakan’i Hazora, vahoaka sesehena, mba hiady amin’ny Israely. “Ary rehefa nivory ireo mpanjaka rehetra ireo, dia nandeha izy hiady tamin’ny Israely” (and 5). “Ireo mpanjakan’ny tany mitsangana, ary ny mpanapaka miara-mioko hanohitra an’i Jehovah sy ny Mesiany” hoy ny Salamo2 raha miresaka ny hoavy.

Inona no nolazain’i Jehovah tamin’i Josoa? “Aza matahotra azy ; fa ... Izaho dia hanolotra azy rehetra ho faty eo anatrehan’ny Israely ” (and 6). Ary ny fandresena dia narahana fandringanana tsy nitsitsy na iza na iza. Sarotra amintsika ny mahatakatra fitsarana mahatsiravina toy izany. Moa ve isika tsy mpianatr’Ilay Tompo mamepetra hoe : “Tiava ny fahavalonareo ; manaova soa amin’izay mankahala anareo”? (Lioka 6:27). Moa ve isika tsy zanak’Ilay Ray mampirisika hoe : “Raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy ; raha mangetaheta izy, omeo hosotroiny ; fa raha manao izany ianao, dia hanambatra vainafo ho eo an-dohany”? (Romana 12:20). Saingy raha misy fotoanan’ny fahasoavana (ary izany no vanimpotoana misy antsika izao), dia hisy kosa ny fotoanan’ny fahatezerana. Izany dia hihatra amin’ireo nandà ny fahasoavana. Ny fitsarana ny Kananeana taorianan’ireo taonjato maro naharetan’Andriamanitra dia fanazavana miezinezina an’izany.

21  Josoa 11:12-23

Ny fahavalo izay vao niady tamin’ny Israely sy resiny dia kisarisarin’ireo miady amin’ny kristiana, izany hoe Satana sy ny anjeliny. Fa isika mitolona “amin’ny fanapahana ... amin’ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra” (Efesiana  6. 12). Maro ny olona no mihevitra fa ny devoly sy ny demonia dia any amin’ny helo amin’izao fotoana izao. Saingy ny Baiboly kosa dia mampiseho antsika an’i Satana mbola any an-danitra, na mandehandeha eto an-tany mba hanao ratsy ny olona  (Joba 1:6, 7). Azo antoka fa raha mpino isika, dia tsy afaka ny handrombaka ny famonjena antsika ny Fahavalo (Jaona 10:28). Saingy hiezaka izy, amin’ny ady ataony amintsika, mba hanakana antsika tsy hisitraka ireo fitahian’ny lanitra ; hiezaka izy ny handrombaka ny toerana efa azontsika tamin’ireo fandresentsika taloha. Izany no mahatonga io toko faha-6 ao amin’ny Efesiana io hampirisika antsika hiady sy handresy ny zavatra rehetra, ary tsy izany ihany fa koa hifahatra rehefa avy eo. Mampatsiahy ihany koa ny Teny fa amin’ny fotoana toy izany, dia malalan’ny Tompo isika. Manizingizina izy fa na ireo fanapahana, na hery, dia tsy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra. “Kanefa amin’izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika amin’ny alalan’Ilay tia antsika” (Romana 8:37-39).

22  Josoa 12:1-24

Ny bokin’i Josoa dia mizara roa, samy misy toko 12 avy. Ny fizarana voalohany, izay hofaranantsika izao, dia mitantara ny fahazoan’ny Israely ny tany Kanana ; ny faharoa (toko 13 hatramin’ny 24) dia mitantara indrindra ny fizarana ny tany teo amin’ireo foko. Ny famaranana ny fizarana voalohany “Dia nitsahatra ny ady ka nandry ny tany”(toko 11. 23), dia arahin’ny fitanisana lavabe ireo mpanjaka novonoina, ao amin’ny toko faha 12. Roa no maty tany an-dafin’i Jordana, dia Sihona sy Oga ; iraika amby telopolo no resy tao Kanana. Mampahery tokoa ny mahita fa Andriamanitra mihitsy no manao ity famerenana ity. Porofo izany fa tsy misy adinony na iray aza ny fandresena azontsika niaraka tamin’ny Tompo, ary fantany hoe inona avy ny ezaka sy ny zavatra nafoy tao anatin’izany. Koa mahereza, ry miaramilan’i Jesosy Kristy ! Amin’ireo ady ataontsika, dia misy Mpitsara tompom-pahefana izay mitana ny isa, ary tsy mety diso Izy : ny mpanjakan’i Hebrona, iray ; ny mpanjakan’i Jarmota, iray ; ny mpanjakan’i Lakisy, iray... — Enga anie ka mba hotahian’ny Tompo tsirairay isika, ka ho mpiady mahatoky, samy mitana ny andraikiny avy ! Ho avy tsy ho ela ny fotoana hitsaharan’ny ady ka hisitrahana ny fitsaharana any an-danitra, eo anilan’i Jesosy. Enga anie isika ka mba ho afaka miteny miaraka amin’ny apostoly hoe : “Efa niady ny ady tsara aho”, ka hahazo ny satroboninahitra nampanantenaina “izay maharesy” (2 Timoty 4:7; Apokalypsy 2 sy 3).

23  Josoa 13:1-14

Ampahatsiahivin’i Jehovah an’i Josoa fa mbola be dia be ny tany sisa tsy mbola azo. Efa nolazaina taminy ny sisin-tany (toko 1. 4). Mora tadidiana ireo. Any atsimo : tanihay midadasika ; any avaratra : tendrombohitra ngezabe, dia Libanona ;  any atsinanana : ony lehibe, dia Eofrata ; farany, any andrefana ranomasina lehibe, Mediteranea. Ny tany tsy maintsy alaintsika amin’ny finoana ihany koa dia manana sisin-tany, dia ny sisin-tanin’izao tontolo izao : maina, tsy misy vokatra ho an’Andriamanitra (tany efitra)—feno avonavona sy hambo (ny tendrombohitra)— mandroso sy be erehina (ny ony)— misamboaravoara, mikorontan-dava (ny ranomasina —Joda 13 ; Isaia 57:20). Aoka isika hitandrina, ry zanak’Andriamanitra malala, mba tsy handingana hivoaka ireo sisin-tany ireo. Be no nanao izany, satria voatarika, na te hahalala fotsiny koa, ary ny ankamaroany dia tsy tafaverina intsony. Nefa ao anatin’io faritra io, dia “be dia be ny tany sisa tsy mbola azo”. Ny rakitra soa tsy mety ritra ao amin’ny Teny, ny harena tsy hay tononina ao amin’i Kristy, dia mbola miandry ny handrombahantsika izany, “mba hahaizanareo —araka ny vavaka nataon’ny apostoly—mbamin’ny olona masina rehetra ny hahafantatra tsara izay sakany sy lavany ary haavony sy halaliny, ary hahalala ny fitiavan’i Kristy...” (Efesiana  3. 18-19). Ry kristiana, izany no refy tsy misy fahataperan’ilay lovantsika ao amin’i Kristy !

24  Josoa 13:15-33

Ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase dia efa nahazo ny anjara lovany talohan’ireo rahalahiny rehetra. Tadidintsika fa izy ireo ihany no nisafidy io anjarany io, fa tsy niandry an’Andriamanitra hanome azy ireo (Nomery 32). Lesona manan-danja izany ho antsika tsirairay ! Impiry koa moa isika no tsy mahay miandry, toa azy ireo. Nanaiky ho entin’ny zava-misy fotsiny isika (ny faritr’i Basana sy Gileada dia nety tamin’ny fiompiana ary ireo foko ireo dia nanana biby fiompy betsaka). Ny vahaolana tsotra indrindra no nosafidiantsika, na koa izay voalohany teo, satria toa izay no fahamalinana, nefa raha mba nanam-paharetana kely isika dia ho nahazo anjara tsara kokoa, ny anjara nomanin’Andriamanitra ho antsika.

Ireo foko ireo dia mbola mampianatra lesona hafa amintsika ihany koa. Tamin’ny nisafidianany voalohany izay noheveriny fa tsara indrindra (toa an’i Lota tamin’i Abrahama — Genesisy 13), ny Robenita sy ny Gadita dia mampiseho ny fitiavan-tenany miohatra amin’ireo rahalahiny. Izaho aloha ! Izy ireo tokoa no naka voalohany, ary ny anjara lovany dia azony talohan’ny an’ny rehetra. Saingy tsy tsara araka ny niheverany azy izany. Ny voalohany ho farany. Koa ny tsara indrindra dia izay omen’Andriamanitra antsika hatrany, na dia tsy maintsy miandry kely aza isika.

25  Josoa 14:1-15

Efa notendren’i Jehovah tamin’ny anarany ireo izay hiandraikitra ny fizarana ny tany ho an’ny fokon’ny Israely (Nomery 34. 16-29). Koa ankehitriny dia manatona azy ireo ny zanak’i Joda mba hahazo ny anjarany. Nandray fitenenana i Kaleba. Efa mihoatra ny 40 taona no niandrasany izao fotoana izao. Tsy nimonomonona tamin’ny famaizana izay tsy sahaza azy manokana izy, fa nandeha tany antaniefitra niaraka tamin’ny vahoaka, nampaherezin’ny fanantenany. Niantehitra tamin’ny teny fampanantenan’Andriamanitra izy, ary izao dia ampahatsiahiviny an’i Josoa izany. “Ary ankehitriny omeo ahy irỳ tendrombohitra irỳ, izay nolazain’i Jehovah tamin’izany andro izany” (and 12). Ohatra tsara tokoa momba ny faharetan’ny finoana ! Fa mbola misy zavatra hafa tokony higagana ihany koa amin’ity lehilahy ity. Tsy niova ny heriko, hoy izy. 85 taona aho izao, fa toy ny tanjako tamin’ny 40 ihany. Inona no tsiambaratelony ? Isaia 40:31 no manambara izany amintsika : “Fa izay miandry an’i Jehovah dia mandroso hery kosa... Handeha izy, nefa tsy ho reraka”. Noho io hery avy amin’Andriamanitra io, dia haka an’i Hebrona i Kaleba, izay efa antitra raha ny taonany, saingy mavitrika toy ny tovolahy. Ho resiny ny herin’olombelona nananan’ireo Anakita, ireo olombe izay nampihorohoro fatratra ny vahoaka fahiny. Eny tokoa, “Sambatra izay olona manan-kery avy aminao ;... miampy hery eny am-pandehanana izy” (Salamo 84:5, 7).

26  Josoa 15:1-19

Aorianan’ny fanomezana ny anjarany ho an’ny Joda, dia indro koa misy ohatra iray manambara finoana sahisahy sy mampiseho herimpo. Ary mbola ao amin’ny fianakavian’i Kaleba ihany no ahitantsika izany. Tsara ofana i Otniela, zana-drahalahiny, sy i Aksa, zanany vavy, teo anilany. Nandritra ireo taona lava tany an’efitra, dia isanandro izy ireo no afaka nandre azy nampihatra ny didy ao amin’ny Deoteronomia 6:7, niresaka ilay tany tsara efa hitany, ilay voankazo mahagaga nentiny avy any. Isandro koa izy ireo no nahita azy, tsy niova mihitsy nandritra ny diany feno faharetana, avy eo nandritra ireo adiny hahazoana tanteraka ny tany. Ny teny toy izany, ny ohatra toy izany, dia nitondra voka-tsoa tokoa. Io tany Kanana, izay ivon’ny eritreritra sy fitiavan’ny rainy io, dia nanjary tian’i Otniela sy Aksa tsikelikely ihany koa. Ary nony tonga ny fotoana, dia miseho ny finoana. Ny an’i Otniela dia tamin’ny nakany ny tananan’i Kiriata-sefera. Ny an’i Aksa dia tamin’ny nangatahiny saha fanampiny tao amin’ny tany Kanana. Fifaliana toy inona ny an’i Kaleba, izay niteny tamin’i Josoa hoe : “Omeo ahy irỳ tendrombohitra irỳ” (toko 14. 12), nandre ny zanany vavy niteny hoe “Omeo...Omeo koa ...”(and 19; ampitovio amin’ny Matio 11:12). Rehefa voaofana toy izany sy nanana vady mendrika toy izany i Otniela, dia ho mendrika izy any aoriana handray ny andraikitra maha mpitsara tany Israely (Mpitsara 3. 9-11).

27  Josoa 15:20… 63; 16:1-10

Tonga ihany ilay fotoana ela nandrasana nahazoan’ny Israely naka ny anjara lovany. Joda no voalohany nahazo ny anjarany, ary tanisaina antsipiriany ny tanàna, toy ny hoe manindry mafy Jehovah fa mahaliana Azy na dia ampahiny kely amin’io taniny io aza. Isika ihany koa, aoka mba hanana fijery hafa ny vahoakan’Andriamanitra, fijery mivelatra kokoa, indrindra mba hitondra azy am-bavaka.

Indrisy fa isaky ny tapitra ny filazana ny sisin-tany, dia misy indro kely. Tsy feno ny fandresena. Tsy naharoaka ny Jebosita ny Joda (and 63). Mandra-panjakan’i Davida, dia hanana toerana tsara aro foana izy ireo ao Jerosalema, dia Ziona, baterỳ fiarovana (2 Samoela 5:6). Efraima ihany koa dia tsy afaka nandroaka ny Kananita nonina tao Gezera (toko 16. 10). Rehefa tsy maintsy mandoa hetra ireo olona resy ireo, dia mbola hatahorana ihany ve ? Nefa, araka ny efa nolazain’i Mosesy, hanjary fandrika eo anivon’ny Israely izy ireo, hitarika azy ho amin’ny faharatsiana sy ny fanompoan-tsampy. Ary mba ahoana ny fontsika, ry zanak’Andriamanitra malala ? Tsy misy “fahavalo” leferintsika ve ao, satria heverintsika fa tsy atahorana hanao ratsy intsony ? Efa zatra mahita azy isika ; ho sarotra ny hitsara azy. Enga anie ny Tompo hanome hery antsika, mba ho Izy irery no hanjaka ao am-pontsika! (Romana 6:12…).

28  Josoa 17:1-18

Nahazo ny anjarany i Manase, ary teo no ho eo, dia indreto miverina indray ireo dimy mirahavavy zanak’i Zelofada, mampiseho ny fikirizany. Nitaky ny lova efa nandrasana ela izy ireo, noho ilay didy nomen’i Jehovah an’i Mosesy. Ny antsasaky ny fokon’izy ireo dia nisafidy hipetraka arỳ an-dafin’ny Jordana, fa ho azy ireo kosa, dia tsy misy resaka an’izany. Any Kanana, eo amin’ny anadahiny, no misy ny lovany. Aoka hotsahivina eto fa raha toa ny vehivavy kristiana tsy nantsoina hanao fanompoana sasantsasany imasom-bahoaka, toy ny fitoriana teny, ny anjarany any an-danitra kosa, ny fisitrahany ireo fitahiana any ambony, dia tsy latsa-danja noho ny an’ireo anadahiny.

Amin’ny ankapobeny, aoka ho marihina fa nahavatra tokoa Jehovah namaritra ny sisin-tany ho an’ny foko tsirairay. Nifanesy izy ireo nandray tsirairay ny anjarany, ary ny zavatra voalohany nolazaina dia ny sisin’ny faritra, avy eo ny lisitry ny tanàna ao anatiny. Ny andrasan’Andriamanitra amin’ny olony, ho setrin’izany, dia ny risika haka ireo tanàna ireo. Jereo anefa i Efraima ! Tsy tiany ilay tendrombohitra nomena azy ; mandreraka loatra io ; nangataka anjara hafa izy, tsy noho ny finoany, fa noho ny hakamoany. Toa inona ny zavatra verintsika, toy io foko io, noho ny tsy fananana risika, indrindra eo amin’ny sehatra izay nomena antsika lalandava, dia ny sehatry ny vavaka (Jakoba 4:2 farany).

29  Josoa 18:1-11 ; 19:49-51

Mbola nisy foko fito tsy nahazo ny anjara lovany. Koa nisy iraka nasain’i Josoa “nanoratra ny tany”, izany hoe nanao kadasitra, ary nanaovany filokana ny fizarana azy. Mazava ho azy fa Andriamanitra no mitantana ilay “filokana” araka ny sitrapony. Tsy misy ny kisendrasendra, ary ny kristiana dia tsy tokony hiresaka mihitsy izany hoe vintana tsara na ratsy izany.

Ao amin’ny Salamo16, dia misy olona (izay fanehoana mialoha an’i Kristy mihitsy), rentsika milaza hoe : “Ny voafaritra ho anjarako dia eo amin’ny tany mahafinaritra ; eny, manan-dova tsara aho” (and 6). Aoka isika hizatra hahita ny hatsara sy ny harenan’izay rehetra nomen’Andriamanitra antsika ao amin’i Kristy. Ary aoka hankasitraka (Kolosiana 3:15)! Josoa dia avy amin’ny fokon’i Efraima, ary manome ohatra azy ireo izy amin’ny nifidianany ny lovany any amin’ny tendrombohitra izay niavonavonan’izy ireo (toko 17. 16). Ary io lova io dia manana anarana misy dikany, Timnata-sera, izany hoe “anjara lehibe”.

Ny fitanisana lavabe ireo anaran-tanàna dia mampahatsiaro antsika fa isika, “kristiana avy amin’ny jentilisa”, dia “olon-ko azy tamin’ny fanjakan’ny Israely”. Fa ankehitriny kosa, “efa nampanakeken’ny ran’i Kristy” isika, ka nanjary “mpiray fanjakana amin’ny olona masina” (Efesiana  2. 12, 13, 19). “Fa ny fanjakantsika dia any an-danitra”(Filipiana 3:20). Tsy ho ela isika dia honina any an-danitra.

30  Josoa 20:1-9 ; 21:1-3

Tany an-dafin’i Jordana, dia efa nisy tanàna telo, fandosirana raha namono olona, napetrak’i Mosesy (Deoteronomia 4:41-43). Misy telo hafa indray izao natao tany Kanana, any avaratra, eo afovoan-tany ary any atsimo. Samy eny ambony tendrombohitra izy ireo (and7), mampahatsiahy antsika ity tenin’ny Tompo Jesosy ity : “Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra” (Matio 5:14). Ny tanàna fandosirana dia hitan’ny rehetra, indrindra fa ilay lehilahy meloka nihazakazaka mba hialoka ao, ary fampahatsiahivana lalandava ny fahasoavan’Andriamanitra. Ny voalohany tamin’ireo tanàna ireo, Kadesy, dia any Galilia, faritany ankamamian’ny fon’ny mpino. Tany Jesosy avy any Nazareta no nipetraka nandritra ny telopolo taona, tany Izy no nanompo, nanasitrana, nampianatra ny mpianatra sy ny vahoaka. Sekema tany amin’ny tanin’i Efraima, dia matetika ilazana ilay “tanàna anankiray any Samaria ..., izay atao hoe Sykara, akaikin’ny tany izay nomen’i Jakoba ho an’i Josefa zanany” (ary noho izany dia tafiditra ao amin’ny anjaran’i Efraima, zanak’i Josefa toko 24. 32). Io tanàna io koa dia mampahatsiahy Ilay Mpivahiny Izay Andriamanitra, izay reraky ny lalana ka nipetraka teo amin’ny fantsakan’i Jakoba, indray andro (Jaona 4:5…). Farany, Hebrona, tanànan’ny fahafatesana, satria tao ny tany fandevenana novidin’i Abrahama tamin’ny Hetita (Genesisy 23), tanàna izay efa resy (Josoa 10:36), ary manjary tanàna fandosirana, fialofana avo.

Ny toko faha 21 dia natokana ho an’ny anjaran’ny Levita. Tanàna 48 no nomena azy ireo, miely any anatin’ny anjaran’ny foko hafa.

31  Josoa 21:41-45; 22:1-6

Mifanohitra amin’ireo Levita, izay Jehovah no anjarany, dia hitantsika ireo foko roa sy sasany mifikitra tanteraka amin’ny fananany eto an-tany. Ampoky ny harena azo avy tamin’ny fahavalo, notsofin’i Josoa rano, toa nandeha tsara avokoa ny zavatra rehetra ho an’ireo lehilahy avy amin’ny fokon’i Robena, Gada ary Manase ireo.Tsia ! Hisy fahavoazana lehibe hanjo azy ireo rehefa hiampita indray ilay Jordana niampitana fahiny tamin’ny fomba mahagaga. Amin’ity indray mitoraka ity, tsy miara-miampita amin’izy ireo ny fiaran’ny fanekena. Najanona tany Kanana io. Hoy angamba ianao hoe : Ka inona moa no tokony ho nataony ? Ny fianakavian’izy ireo dia erỳ ampita ! Ny and 19 ao amin’ny toko faha 22 dia manaporofo fa mbola azo natao tsara ny niantso azy ireo ho ao amin’ny tany Kanana. Ny Tompo Jesosy angaha moa tsy niteny hoe : “Izay tia ny zanany lahy na ny zanany vavy mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy mendrika ho Ahy”? (Matio 10:37). Indrisy, maro ireo tanora kristiana izay tsara fanombohana, niady tsara, nefa avy eo dia nihataka tamin’ny Tompo sy ny ambiny sisa amin’ny vahoakan’Andriamanitra. Ary matetika izany dia noho ny tokantrano natsangany araka ny heviny, tsy manaja ny fihevitr’Andriamanitra. Toa rentsika eto ilay fanontaniana feno alahelo napetraky ny Tompo tamin’ny mpianany hoe : “Ianareo koa va mba te hiala ?” (Jaona 6:67). Ry mpamaky, raha anio Izy no mametraka aminao izany fanontaniana izany, hamaly toa an’i Petera mpianany ve ianao?

32  Josoa 22:7-20

Iombony amin’ny rahalahinareo ny babo azo tamin’ny fahavalonareo”, hoy ny didin’i Josoatamin’ireo nandeha (and8). Na momba ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly, na momba ireo zavatra niainana amin’ny maha kristiana, dia antsoin’ny Tompo isika hizara amin’ny hafa ireo harena ara-panahy nangonina tao amin’ny tany nampanantenaina. Toy ireo lehilahy ireo, izay afaka nitantara tamin’ny fianakaviany ny fiampitana mahagaga ny ony Jordana ary ireo fandresena feno voninahitra azon’i Josoa, ny zanak’Andriamanitra dia ho faly hiresaka momba ireo “zava-mahagaga” nataon’ny Tompo taminy na hitany tao amin’ny Teniny (toko 3. 5).

Alohan’ny hisarahana, dia “nanorina alitara” teo amoron’ny ony Jordana ireo miaramilan’i Robena, Gada ary Manase,“ary lehibe ny fijery izany alitara izany”. Avy dia taitra ireo rahalahiny avy tamin’ny foko hafa, vonona ny hiditra an-tsehatra. Inona no dikan’izany ? Mihaika an’i Jehovah ve ? Fanambarana fahaleovantena ? Na inona na inona antony, tsy ho nisy io fahasarotana voalohany io, raha niditra tao Kanana ireo foko ireo. Ny fanadihadiana dia nataon’i Finehasa, mpisorona izay efa nampiseho ny firehetam-pony ho an’i Jehovah tamin’ny fotoan-tsarotra teo amin’ny tantaran’ny vahoaka. Saropiaro tamin’ny fahasarotam-piaron’i Jehovah izy (Nomery 25. 11), ary nampiarahany ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny fitiavana ireo rahalahiny. Fihetseham-po roa tsy azo sarahina ireo ! (1 Jaona 4:20-21).

33  Josoa 22:21-34

Nanazava ny tao an-tsainy ireo zanak’i Robena, Gada ary Manase, ary neken’ireo rahalahiny ny fahadiovam-pony. Fa atao inona anefa io alitara ngeza io ? Moa ve tsy efa misy tsangambato goavana milaza izay lazainy mihitsy eo amoron’i Jordana, dia ireo vato roa ambin’ny folo, mampiseho ny maha iray ny vahoaka araka ny fahitan’Andriamanitra azy ? (Josoa 4). Nefa eto indrindra, ireo foko roa sy tapany ireo (fokon’i Robena, Gada, ary ny antsasaky ny fokon’i Manase) dia tsy nanana intsony ny fisitrahana feno ny tombontsoany (toy ny kristiana maro). Teo amin’ny tontolo kristiana, dia maro “ireo alitara” jerena toa lehibe naorina. Noforonin’ny sain’olombelona izy ireny, ary raha tokony ho vavolombelon’ny maha iray ny Eglizy, dia vao mainka aza manambara ny fivakisany. Ary ilay fahasosorana ara-drariny nasehon’ireo foko sivy sy tapany dia mampiseho amintsika fa tsy tokony hisy ny fizarazaran’ny vahoakan’Andriamanitra, ary tokony tsy hohamaivanintsika izany. Ny mampivohitra sy milaza fitsipika lehibe, na dia mifanaraka amin’ny Soratra Masina aza, dia tsy hahasolo ny fisitrahana marina ny “tany”. Ny mpino izay efa niaina izany dia tsy afaka foana manome fanazavana betsaka ho an’ny hafa. Saingy afaka manasa azy ireo izy hoe : “Avia, fa ho hitanareo”(Jaona 1:39, 46). “Raha tàhiny “nanandrana ianareo fa tsara ny Tompo”, —hoy ny apostoly Petera— Izay hatoninareo... dia atsangana koa ianareo...  ho trano fanahy...” (vakio 1 Petera 2:3-5).

34  Josoa 23:1-11

Anjaran’i Josoa indray izao no mamarana ny asany. “Dia mahereza tsara ianareo hitandrina sy hanao izay rehetra voasoratra ...” hoy izy tamin’ireo lohan’ny vahoaka (and 6). Izany no teny nolazain’i Jehovah taminy tany am-boalohany (toko 1. 7), izay naverimberin’i Mosesy imbetsaka. Ary izany ihany anio no mbola fampianarana mety ho antsika. Maro ny olona no mahita hoe efa tranainy sy nilaozan’ny toetr’andro ny Filazantsara. “Mangidihidy sofina” izy ireo hihaino zava-baovao (2 Timoty 4:3). Aoka isika hisaotra ny Tompo noho ny nanomezany ho antsika mpanompo tsy sasatra ny mamerimberina ireo fahamarinana sy fampirisihana. “Tsy manahirana ahy ny manoratra teny averina, fa mahatsara anareo izany”, hoy i Paoly tamin’ny Filipiana (Filipiana 3:1). Koa aoka àry isika tsy ho sasatra ny hihaino izany !

Ny manonona ny anaran’ireo andriamanitry ny jentilisa dia efa dingana voalohany mitarika ny hianiana amin’ny anaran’izy ireo, avy eo dia hanompo azy ireo, ary farany dia hiankohoka eo anatrehany (and 7). Izany no mahatonga ny epistily ho an’ny Efesiana handidy antsika tsy hanonona akoryna fahavetavetana, na resaka fahadalana, na voso-dratsy” fanaon’izao tontolo izao,“fa tsy mahamendrika ny olona masina izany” (toko 5. 3, 4). Angamba tsy dia mitandrina loatra ny fomba fitenintsika isika ! Enga anie ka noho izany fitenintsika izany no ahafantarana antsika hoe mpianatr’i Jesosy ! (Matio 26:73 mifanohitra amin’ny and 74).

35  Josoa 23:12-16 ; 24:1-5

Tamin’ny vavan’i Josoa no nampitandreman’i Jehovah ny mpitondra ny vahoaka ny amin’ireo vokatra mampidi-doza entin’ny fihemorana (and 12). Kisarisary maro eo amin’ny and 13 no mampiseho ny loza tsy maintsy mitatao amin’ireo izay miray amin’izao tontolo izao. Ny fandrika no manomboka mandavo ; ny tonta  no mahazo sy mihazona ; ny fanindronana no mariky ny fanandevozana. Farany, ny tsilo amin’ny maso, dia ilay fahajambana tsy misy indrafo. Toy izany i Samsona, tratry ny fandrika, ka very tsikelikely taminy ny naha Nazirita azy, ny heriny, ny fahafahany, ny masony ary ny fiainany.

Ao amin’ny toko 24 i Josoa no nampiantso ny Israely rehetra ary nanomboka nampahatsiaro ny fotoan-dehibe tamin’ny tantarany. Nila niverina tany lavitra elabe izy, tsy vitan’ny hoe miresaka mandokadoka an’i Abrahama izay ihamboan’ny Israely (Jaona 8:33, 39), fa hatramin’ny rain’i Abrahama, dia i Teraka, izay nanompo sampy. Ny tian’i Josoa holazaina tamin’izany dia hoe tsy ana firenena tsy mivoatra manodidina anareo fotsiny tsy akory ny fanompoan-tsampy, fa tena ao anatinareo. Tsy tsara noho ny hafa tsy akory ianareo. Aleo mbola avela hiteny ihany ny epistily ho an’ny Efesiana  (toko 2) : “Ary ianareo dia efa novelominy, fony mbola matin’ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo, izay nalehanareo fahiny, araka ny fomban’izao tontolo izao... nanaovantsika ny danin’ny nofo sy ny saina ; ary araka ny toetrantsika dia zanaky ny fahatezerana toy ny sasany koa isika”.

36  Josoa 24:6-15

Raha toa isika mahita tena ho anisan’ireo olo-mahantra “tany an-dafin’ny Ony”, manompo ny sampin’izao tontolo izao, dia aoka hamerina hamaky ny Efesiana 2:4... ka hitolagaga noho izay nataon’ “Andriamanitra, Izay manankarena amin’ny famindrampo,” tamin’ny olony. Hahalala ny halalin’ny fahasoavan’Andriamanitra isika raha mahatakatra hoe hatraiza no nilantsika izany.

Ny fanaovam-beloma nataon’i Josoa tamin’ny vahoaka dia mampahatsiahy ny nataon’i Paoly tamin’ireo loholon’ny fiangonana tao Efesosy (Asan’ny Apostoly 20:17…). Ilay apostoly mahatoky dia mampahatsiaro ihany koa ny fahasoavana sy herin’Andriamanitra manome lova ho an’ireo rehetra nohamasinina (and32). Tsindriany ny andraikitra vokatr’izany ary mampirisika hitandrina, hiambina izy … (and 28, 31). Ary afaka maka ohatra ny tenany izy : nanompo ny Tompo izy (and 19) ary tsy manana faniriana afa-tsy ny hamita io fanompoana noraisiny taminy io (and 24). Izany koa no fehin-kevitr’i Josoa. Toa efa vita ny asa fanompoany. “Raha izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an’i Jehovah izahay”, hoy izy nampiseho fahatapahan-kevitra tsy azo hozongozonina. Io “izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo” io ve tsy mamaly tsotra ilay hoe “hovonjena ianao sy ny ankohonanao” ao amin’ny Asan’ny Apostoly 16:31? Ny mpino sy ny ankohonany dia novonjena mba hanompo. Aoka isika haka an’i Stefanasy sy ny ankohonany ho ohatra, tamin’ny nanoloran’izy ireo tena hanompo ny olo-masina (1 Korintiana 16:15).

Ankehitriny, ry mpamaky malala, inona sisa no hataonao ? “Fidionareo anio ary izay hotompoinareo”(and 15). Ary mahaiza mifidy!

37  Josoa 24:16-33

Maika erỳ ny Israely nanao fanambaram-pinoana taorianan’ny fampirisihana nataon’i Josoa sy ny ohatra manokana nomeny. Nanolo-tena hanompo an’i Jehovah izy ireo. Saingy tsy ampy ny faniriana tsara. Ny and 16 dia mampiseho ny fahajamban’izy ireo, satria mbola teo ihany ireo andriamani-kafa (and 23), hany ka voatery niteny tamin’izy ireo i Josoa hoe “Tsy mahay manompo an’i Jehovah ianareo ” (and 19), raha mbola izany foana no ataony. Manamafy izany ny Tompo ao amin’ny Lioka 16:13 : “Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa”.

Hitohy ny toe-po tsara nananan’ny Israely raha mbola teo ireo mpitarika matahotra an’Andriamanitra : Josoa, Eleazara, Finehasa… (ampitahao amin’ny 2 Tantara 24:2). Koa tokony hanontany tena indray isika. Tena mifamatotra amin’i Kristy amina finoana velona sy antsika manokana ve isika ? Sa hatreto isika dia nianina tamin’ny fanarahana sy fakana tahaka ireo izay nampianatra antsika ? Raha izany, inona no hataontsika rehefa tsy eo intsony izy ireo ? — Mamarana ny fihazakazahany i Josoa. Mpitarika mahatoky izy, namakivaky ny tanihay tamin’ny fandehanana am-pinoana. Avy eo izy dia niady ny adim-pinoana. Hitantsika ao aminy ny toetra sasantsasany ananan’Ilay Mpitarika lehibe, Ilay Mpandresy izao tontolo izao, Ilay “Tompon’ny finoantsika sy Mpanefa azy”. Aoka isika hangataka amin’Andriamanitra mba hampianariny, na amin’ny fandeha na amin’ny ady, hijery an’i Jesosy (Hebreo 12:2).