MAHATAKATRA

 ny Epistily ho an’i Titosy

 

Raha te handalina bebe kokoa, dia jereo ireo asasoratra samihafa ao amin’ny https://www.bibliquest.net/Commentaires_liste_etudes.htm

 

 

Topimaso

1 Fampidirana

2 Votoatin’ny epistily

Toko 1 : Mitandrina ny fampianarana mba tsy hisy kilema (ny fitambaran’ny fahamarinana nambara), mitandrina azy mba tsy hisy diso, mba tsy ho simbaina

Toko 2 : Fitondrantena isambatanolona mendrika ny fampianarana tsy misy kilema

Toko 3 : Fitondrantena eo amin’izao tontolo izao sy ao amin’ny fiangonana

 

3 Andininy tsara ho fantatra

 

1 Fampidirana

 

Azo antoka fa i Titosy, izay kristiana avy amin’ny Grika, dia niova fo tamin’ny alalan’ny apostoly Paoly, satria antsoiny hoe zanany araka ny finoana. Na dia tsy nomarihina tao amin’ny Asan’ny Apostoly aza ny anaran’i Titosy, dia azo heverina ihany fa niaraka tamin’i Paoly  tany Jerosalema izy, talohan’ny diany faharoa (jereo Galatiana 2. 1-10, mitantara ny voalaza ao amin’ny Asan’ny Apostoly 15 — ny Fivoriambe tao Jerosalema).

Toy ny nanomezan’ny apostoly Paoly fahefana an’i Timoty mba handamina tany Efesosy  —manery ireo mpampianatra sandoka hangina, ary avy eo mikarakara izay mety ho amin’ny tranon’Andriamanitra—, dia nomeny fahefana koa i Titosy hanarina ny toejavatra tany Kreta : voalohany, mametraka loholona, avy eo manery olona sasantsasany hangina, ary farany manambara ny fampianarana tsy misy kilema momba ny fitondrantenan’ny tsirairay.

Efa nisy asa nanirahan’i Paoly an’i Titosy tany Korinto (2 Korintiana 8. 6 ; 12. 18), fa ato amin’ity

epistily ity dia hitantsika izy anankinan’ny apostoly  ny fitandremana ny filaminana ao an-Tranon’Andriamanitra.

 

 

2 Votoatin’ny Epistily

 

Toko 1 : Mitandrina ny fampianarana mba tsy hisy kilema

Ao amin’ny fiarahabany i Paoly dia milaza ny tenany ho mpanompo nirahina hanao, ary ny tiany hotsindriana amin’izany dia ny fanetrentena lehibe nananany (mpanompo), nefa koa ny toeram-pahefana misy azy (apostoly). Avy eo dia faritany ny anton’ny fanompoany sy ny sehatra anaovany izany : tsy azo sarahina amin’ny fampianarana tsy misy kilema ny fiainam-pinoana sy toe-panahy araka an’Andriamanitra, na koa ny fiainana mandrakizay efa natokana ho antsika (and 1-4).

Ireo fiangonana tany Kreta dia voatarika mpiasa ratsy hikorontana. Naleon’i Paoly tsy izy no nandamina izany, fa navelany tany Kreta i Titosy hamaha ny olana. Tsy maintsy navahan’i Titosy ka napetrany ho loholona ireo izay mandeha tsy misy hokianina sy mahay mampianatra (and 5-9). Tsy maintsy nasainy nangina ihany koa ireo mpampianatra sandoka, izay mampivily ny olona mba hahazoany harena maloto (and 10-11). Ireo Kretana koa dia tsy maintsy nanariny mafy mba tsy hitodika amina fampianaran-diso (and 12-14). Satria tokoa tsy mora entina ny Kretana, dia nilaina ny olona mahay mampirisika ny vahoaka sy manampim-bava ireo mpanohitra. Io toetra ratsy io dia saika raiki-tampisaka tao amin’ny Kretana rehetra, ary rehefa miasa ao amin’ny kristiana, dia mahatonga fitondrantena mamohehatra, mpanimba zavatra ary mampidi-doza, indrindra rehefa mampiasa ireo fampianarana ao amin’ny fivavahana jiosy. Ireo olona ireo dia nampivily làlana amin’ny sehatra rehetra, na ara-karena izany, na ara-pitondrantena, na ara-panahy, na ara-poto-pampianarana. Koa tsy maintsy nanarina mafy izy ireo (and 12-14). Raha ny marina, ireo mpiasa ratsy ireo dia olona tsy mino, nailiky ny fiarahamonina (and 15-16).

 

Toko 2 : Fitondrantena isambatanolona mendrika ny fampianarana tsy misy kilema

Tokony hampahafantarin’i Titosy ireo mpino ny fitondrantena tsy maintsy ananana mba hifanaraka amin’ny fampianarana tsy misy kilema (and 1). Ka ny tsara hanombohany izany dia ireo olona tokony hampiseho ohatra : ny rahalahy sy anabavy efa zokiolona (and 2-3). Tsara raha mampianatra ireo vehivavy tanora ny anabavy efa zokiolona ; Titosy  kosa, satria tanora, dia tokony hampianatra ireo tovolahy (and 4-6), manana fandeha sy fampianarana azo atao ohatra, mba tsy hanan-kambara sy ho menatra ireo mpanohitra (and 7-8). Toy izany koa, ireo izay any amin’ny ambaratonga ambany eo amin’ny fiarahamonina (ny mpanompo) dia tokony hampirisihina mba hanana fitondrantena mankatò sy mahitsy ; ampaherezina izy ireo, satria amin’izany dia manome voninahitra ny fampianarana tsy misy kilema (and 9-10).

Raha mampianatra izany i Titosy, dia tsy manao afa-tsy ny milaza izay ampianarin’ny fahasoavana :   miaina eo amin’izao tontolo izao, nefa tsy an’izao tontolo izao, mba hanome voninahitra an’Andriamanitra sy ny olona, ary miandry ny fiavian’ny Tompo (and 11-13), Izay nanolotra ny tenany hamonjy antsika, mba hanamasinany antsika ho Azy (and 14).

Io sorona nataon’ny Tompo io sy ny tanjony  —ny hananany vahoaka « mazoto indrindra amin’ny asa tsara » (and 14)—  dia antony tokony hampianarana izany zavatra izany « amin’ny fahefana rehetra » (and 15).

 

Toko 3 : Fitondrantena eo amin’izao tontolo izao sy ao amin’ny fiangonana

Titosy dia nasaina ihany koa nampahatsiahy ny mpino hoe ahoana no tokony hitondran’izy ireo tena, manoloana ireo manam-pahefana eto amin’izao tontolo izao : manoa sy mankatò, ary amin’ny olona rehetra : ho vonona amin’ny asa tsara rehetra, tsy manaratsy an’iza na iza, mahalala onony, tia fandriampahalemana, ary feno halemem-panahy  (and  1-2).

 Anisan’izao tontolo izao koa izy ireo fahiny, ara-toe-panahy aman-tsaina, ary ny toetrany feno haratsiana taloha dia fintinina amin’ny hoe « sady hala no nifankahala » (and 3). Voaisotra tamin’izany toerana izany noho ny fahasoavan’Andriamanitra irery ihany izy ireo (and 4-6), ary manantena ny anjara lovany any an-danitra (and 7).

Rehefa tonga saina amin’ny haben’ny fahasoavana toy izany ny olona rehetra, dia tokony hazoto hiasa ho an’Andriamanitra. Koa indroa ny apostoly no manindry fa ny mpino dia tokony ho lohany amin’ny asa tsara (and 8). Nangatahin’i Paoly i Titosy mba hanantitrantitra tsara izany zavatra izany, sady hitandrina ihany koa mba tsy hiroboka anaty adihevitra tsy misy dikany ; nangatahiny koa izy hanalavitra ireo mamorona fitsitokotokoana (and 9-11).

Amin’ny faran’ny taratasiny dia asain’i Paoly mankany aminy haingana i Titosy (and 12). Eo am-piandrasana izany dia ampirisihiny izy hitandrina mba hahazo izay ilainy ireo mpanompon’Andriamanitra, ary mba hazoto hanao asa soa ireo mpino (and 13-14).

Fanaovam-beloma fohy no amaranan’ny apostoly ny taratasiny (and 15).

 

 

3 Andininy tsara ho fantatra

 

« Fa efa miseho ny fahasoavan’Andriamanitra, izay famonjena ny olona rehetra, mampianatra antsika handà izay toe-panahy tsy araka an’Andriamanitra sy ny filan’izao tontolo izao, ary ho velona amin’ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’izao fiainana ankehitriny izao, miandry ny fanantenana mahafinaritra sy ny fisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika, dia Jesosy Kristy » (2. 11-13).

 

 

« Fa rehefa niseho ny fahamoram-panahin’Andriamanitra, Mpamonjy antsika, sy ny fitiavany ny olona, dia ... araka ny famindrampo ... no namonjeny antsika » (3. 4-5).

 

 

LGEA