MAHATAKATRA

ny Epistily Voalohany nosoratan’i Jaona

 

Raha te handalina bebe kokoa, dia jereo ireo asasoratra samihafa ao amin’ny https://www.bibliquest.net/Commentaires_liste_etudes.htm

 

Topimaso

1        Fampidirana

2        Votoatin’ny Epistily

3        Andininy tsara ho fantatra

 

1  Fampidirana

Ity epistily ity dia lazaina fa nosoratan’ny apostoly Jaona. Angamba tany amin’ny faramparan’ny taonjato voalohany tany no nosoratana izy ity, ary tamin’izany dia efa maro ireo mpampianatra sandoka nitsangana nanohintohina ny momba an’i Kristy sady nampisalasala ny aminy, ary nandà mihitsy aza fa Kristy dia tena Andriamanitra sady tena Olona. Raha izany no zava-nisy, ny apostoly kosa, tamin’ny fahefany amin’ny maha vavolombelona mivantana azy (1. 1), dia nametraka ny fahamarinana momba ny tenan’i Kristy feno voninahitra, Ilay Zanaka mandrakizain’Andriamanitra. Tsindriany fa Ilay Zanaka mandrakizay, Izay teo anilan’ny Ray, dia tonga niaina teto an-tany, tao anaty vatana nofo sy ra toy ny antsika. Satria manana ny fiainana mandrakizay ny mpino  —ary tokony hatoky izany izy ireo—, dia ambaran’ny apostoly mazava tsara  fa manana firaisana amin’ny Ray sy Jesosy Kristy Zanany izy ireo. Izany firaisana izany nefa dia mitaky fandraisana andraikitra handeha ao  amin’ny mazava  —satria Andriamanitra dia mazava—, amin’ny fankatoavana ny didy hoe tiava ny namanao.

Tsy voateny manokana hoe iza  ny olona nandefasana ity taratasy ity. Ireo izay iantefany dia notondroina amin’ny fomba faran’izay malalaka  —“ankizy madinika”, “zatovo”, “ray” ao amin’ny finoana (2. 12-14)—, ka mahatonga ity taratasy ity ho an’ny olona rehetra. Araka izany, mampahatsiahy ny rehetra ny apostoly mba tsy ho tia izao tontolo izao, sady mampitandrina ihany koa amin’ny fanahin’ny Antikristy. Ny fitiavana ny Ray 3. 11, 14, 16-17, 23 dia miseho eo amin’ireo zanany amin’ny fankatoavan’izy ireo an’Andriamanitra sy amin’ny fitiavan’izy ireo ny rahalahiny (toko 3). Ny tena mpino dia mahay manavaka ny mpampianatra sandoka ; tokony ho tanteraka eo amin’ny fiainan’ny mpino ny hoe Andriamanitra dia fitiavana ary efa naniraka ny Zanany, ho porofon’izany (toko 4). Ny fitiavana ny Ray dia ny fitandremana ny didiny, izay tsy mavesatra, satria izay naterak’Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao amin’ny alalan’ny finoana ; ny mpino dia mahazo antoka fa mahalala Ilay Andriamanitra marina ka manana ny fiainana mandrakizay (toko 5).

Rehefa mamaky ity epistily ity, dia tokony ho tonga tsara ao an-tsaina fa ny apostoly dia manolotra ny endri-javatra amin’ny fomba tsy refesina, tsy miankina amin’inona na inona, araka ny fihevitr’Andriamanitra, fa matetika tsy araka ny fandehantsika andavanandro ; izany hoe, raha ny momba antsika, dia matetika izy maneho ny zavatra araka ny toerana tian’Andriamanitra hisy antsika. Miteny izy, ohatra, hoe : “Izay rehetra naterak’Andriamanitra ... tsy mahay manota” (3. 9).

 

2  Votoatin’ny Epistily

Toko 1 — Ny apostoly dia manomboka amin’ny fijoroana ho vavolombelona fa nahalala manokana an’i Jesosy Kristy, Ilay Zanaka mandrakizain’Andriamanitra, Izay manana ny fiainana mandrakizay ao aminy (and 1-2). Avy eo izy dia milaza ny anton’ny epistiliny : ny mba hahatafiditra tanteraka ireo mpino (ireo izay manana ny fiainana) ao amin’io fiombonana amin’ny Ray sy ny Zanaka io, tena am-pifaliana (and 3-4). Ato amin’ity toko 1 ity i Jaona dia milaza toetra iray voalohany maha Izy Azy an’Andriamanitra : Andriamanitra dia mazava (and 5), ary manoro ny vokatr’izany : ny mpino dia mandeha ao amin’ny mazava ary miombona amin’ireo mpino hafa voadio ho afaka amin’ny fahotany (and 6-7). Ny mazava dia mampiharihary ny zavatra rehetra, indrindra fa ny ota. Koa izay milaza ny tenany ho tsy manana ota (and 8), na manamafy fa tsy nanota mihitsy (and 10), dia tsy manana io mazava io ao anatiny ; fa izay manana io mazava io kosa dia mahita ny fahotana ao aminy, ary afaka miaiky izany sady mahazo antoka fa voadio ho afaka amin’izany (and 9).

Toko 2 — Kanefa ny manota dia tokony ho tsy nahy ihany, ary tena zava-doza izany ka mila mandrakariva ny asan’ny Tompo. Izy irery ihany no fanatitra fampiononam-pahatezerana noho ny fahotana (and 1-2).

Ny mankatò ny Tenin’Andriamanitra dia manaporofo fa ao amin’ny Tompo isika ary manana ny ain’Andriamanitra ; io aina io dia miseho amin’ny fitiavana sy amina fandeha maka tahaka ny Tompo (and 3-6). Tsy zava-baovao tsy akory izany soratan’i Jaona izany, nefa manjary manana endrika “didy vaovao”, satria ankehitriny dia eo ny mazava (and 7-8). Ny fitiavana sy ny mazava dia toetran’Andriamanitra tsy hay sarahina : raha tsy misy ny iray, dia tsy eo koa ny iray (and 9-11).

Tsy mitovy avokoa ny fahamatorana ara-panahy ananan’ireo mpino iresahan’ny apostoly (and 12-13). Tsy manan-kolazaina amin’ireo ray intsony izy, satria mahalala an’i Kristy Izay tsy miova mandrakariva izy ireo. Fa tian’i Jaona ampirisihina kosa ireo zatovo mba hitandrina tsy ho azon’izao tontolo izao (izay fahavalon’ny Ray) sy ireo filàny, satria mety hanadino ireo fandrik’izao tontolo izao, noho ireo fandreseny tamin’ny andro lasa sy ny tanjaka ara-panahy ananany (and 14-17). Momba ireo ankizy madinika ao amin’ny finoana kosa, satria mipariaka eo anivon’ny tontolo kristiana ireo fahadisoana, noho ny asan’ireo mpampianatra sandoka sy antikristy, dia ampirisihin’i Jaona izy ireo mba hamahatra amin’ny fanekena an’Andriamanitra ho Ray sy Kristy ho Zanany, ary koa amin’ny fahatakarana ny fahamarinana amin’ny alalan’ny Fanahy Izay ao anatin’izy ireo ; tokony hanentsina ny sofiny amin’ireo fampianaran-diso izy ireo, ary hitoetra ao amin’izay noraisiny hatramin’ny voalohany, anisan’izany ny fampanantenana ny fiainana mandrakizay (and 18-27).

Farany, ampirisihin’ny apostoly ny kristiana rehetra mba hitoetra ao amin’i Kristy, mibanjina ny fiaviany, ka hanana fandeha voamariky ny fahamarinana (and 28-29).

 

Toko 3 — Ny apostoly dia te hahatonga saina ireo mpino amin’ny tombontsoa goavana ananan’izy ireo , amin’ny maha zanak’Andriamanitra azy ireo, zavatra izay tsy afaka ho takatr’izao tontolo izao ; haseho izany rehefa hitafy vatana mitovy amin’ny an’i Kristy isika, kanefa tokony hiainantsika ny fahamasinan’ny toerana misy antsika dieny ankehitriny (and 1-3).

Ny zanak’Andriamanitra ao amin’i Kristy dia tsy manota ; izay manota dia avy amin’ny devoly, toy izany koa izay tsy tia ny rahalahiny (and 4-12). Ny fitiavana ny rahalahy no toetra mampiavaka ny mpino (and 13-15) —toetra iainana fa tsy an’eritreritra fotsiny (and 16-17).

Eo amin’ny fandehany andavanandro, ny zanak’Andriamanitra dia tsy lavorary . Raha manameloka azy ny fony, dia miantoraka amin’Andriamanitra, Izay mahalala ny zavatra rehetra, izy ; fa raha tsy izany kosa, dia manana antoka eo anatrehan’Andriamanitra izy, ka mahazo izay rehetra angatahiny aminy (and 18-22). Ny mpino mitandrina ny didin’Andriamanitra dia mitoetra ao aminy (fiombonana), ary Kristy mitoetra ao amin’io mpino io (fijoroana ho vavolombelona) ; fantany izany, amin’ny alalan’ny Fanahy Izay ananany (and 23-24).

 

Toko 4 — Noho ny fisian’ireo mpampianatra sandoka maro, dia ampirisihin’ny apostoly ny zanak’Andriamanitra mba hamantatra azy ireny amin’ny fizahan-toetra izay zavatra toriny : mino ve izy ireo fa Jesosy Kristy dia tonga nofo, izany hoe efa nisy Izy tany an-danitra, ary tonga teto an-tany tao amina vatan’olombelona ? Ireo izay tsy mino izany dia tsy avy amin’Andriamanitra, ka tsy tokony hohenoina (and 1-6). Ny fahatongavan’i Jesosy Kristy ho olona dia fanehoana ny fitiavan’Andriamanitra ; izany no tsy maintsy hampisehoan’ny zanak’Andriamanitra io fitiavana io eo amin’ny izy samy izy (and 7-11). Raha mifankatia izy, dia manambara eo anoloan’izao tontolo izao ny fitiavan’Andriamanitra naseho tamin’ny nanirahany ny Zanany tetỳ an-tany, mba ho Mpamonjy izao tontolo izao (and 11-14). Ambonin’izany, raha mitoetra ao amin’ny fitiavana izy ireo, dia manana antoka fa ho afaka amin’ny fitsarana, rehefa ho tonga amin’izao tontolo izao izany (and 15-19). Ny fitiavantsika ny rahalahintsika dia manaporofo ny maha zavamisy ny fitiavantsika an’Andriamanitra, ary mampiharihary fa zanak’Andriamanitra isika (and 20-21).

 

Toko 5 — Ny tena fitiavana ny rahalahintsika dia tsy afaka tanterahina raha tsy amin’ny fankatoavana ny Tenin’Andriamanitra, ary zavatra tsy mavesatra ho ana mpino izany (and 1-3). Ny finoana ny Zanak’Andriamanitra dia ahafahantsika mandresy izao tontolo izao (and 4-5). Ny Fanahy dia ny fahamarinana, manambara ny Zanaka sy ny asa nataony Izy. Miaraka amin’ny Fanahy, ny rano sy ra nivoaka teo amin’ny lanivoan’ny Tompo nolefonina dia manambara fa vita tanteraka ny asany (and 6-9). Voadio ho afaka tamin’ny fahotany ny mpino, ary manana ny fiainana mandrakizay, ka ao anatiny izany fanambarana sarobidy izany (and 10-12). Nosoratan’i Jaona izany rehetra izany mba hananan’ny mpino antoka fa manana io fiainana mandrakizay io izy (and 13). Ao anatin’izany fahazoana antoka izany ny mpino, dia matoky an’Andriamanitra ary afaka mangataka malalaka aminy (and 14-15). Hivavaka manokana ho an’ireo rahalahiny lavo izy, raha tsy hoe ota tsy azo ivalozana eo anatrehan’ny fitondran’Andriamanitra angaha no nataon’izy ireo (and 16-17). Nefa na izany aza no mitranga, dia fantatsika fa tsy ny ain’Andriamanitra ao amin’ny mpino no manota, ary tsy afaka hikasika izany i Satana (and 18). Na izany na tsy izany, dia manana fahazoana antoka isika fa an’Andriamanitra, satria manana ny Fanahy Masina, Izay manome antsika ny fahazavan-tsaina fa ao amin’i Kristy isika : Izy no Ilay Andriamanitra marina (ny loharanon’ny fahamarinana) sy fiainana mandrakizay (and 19-20). Ny toerana toy izany dia tsy maintsy hahatonga antsika hanalavitra ireo sampy (and 21).

 

3 Andininy tsara ho fantatra

“Andriamanitra dia mazava” (1. 5)

“Ny ran’i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra” (1. 7)

“Manana Solovava ao amin’ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, Ilay Marina” (2. 1)

“Endrey ! manao ahoana ny fitiavana nasehon’ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak’Andriamanitra” (3. 1)

“Izao no ahafantarantsika ny fitiavana, satria Izy no nanolotra ny ainy hamonjy antsika” (3. 16)

“Andriamanitra dia fitiavana” (4. 8, 16)

“Fa izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny” (5. 3)

“Izay mino ny anaran’ny Zanak’Andriamanitra, ... manana fiainana mandrakizay” (5. 13)

“Jesosy Kristy ... no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay” (5. 20).

 

LGEA