Nahoana no hiova?

 

Ny iray mampanantena, ny iray hafa kosa manantena ny fiovana izay hahatonga ny fiainana ho lanonan-dava sy ny tany ho paradisa. Ampiasaina amin’izany na ny don-teny, na ny tetik’asa aroso amin’ny fifidianana, na ny faniriana tsotra izao. “Tokony hisy ny fiovana”, resy lahatra amin’izany daholo ny rehetra.

 

Fa inona anefa no tokony hiova e? Eo no miseho ny tsy fitovian-kevitra. Samihafa daholo ireo valinteny aroson’ny fitsapan-kevi-bahoaka: tokony hovàna ny lalàm-panorenana tsy mifanaraka amin’ny toetr’andro intsony, ny governemanta tsy mahavita na inona na inona, ny fifandraisana ao amin’ny orinasa izay itambesaran’ny olana ara-tsosialy, ny fomba fiainana tsy mendrika ho an’ny olombelona, ny fitsinjarana ny harinkarem-pirenena...

 

Ny tena olana

 

Tsy milaza akory izahay hoe tsy ilaina na tsy azo atao ny fanatsarana izany lafim-piainana rehetra izany. Nefa ny tena olana lehibe amin’ny olombelona, dia tsy ara-politika, na ara-toekarena, na sosialy, na momba ny tontolo iainana. Ny tena olana dia ny ara-moraly. Efa ela no nanambaràn’ny Baiboly fa “any am-parany any ... ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho mpandoka tena, mpiavonavona ... ” (2 Timoty 3:1-2).

 

Ny zavatra tokony hiova

 

Eritrereto vetivety hoe izany tontolo tsy misy fitiavan-tena izany, tsy misy lainga, ny tsirairay mampihatra ny fampianaran’i Kristy, tia ny namany toy ny tenany, manao amin’ny hafa izay tiany mba hatao aminy koa... Dia ho hitanao fa ho foana eo noho eo daholo ireo olana rehetra na inona na inona ambaratonga misy azy. Fahasambarana no eo anivon’ny fianakaviana, tapitra ny ady noho ny tsy fitovian-tsaranga, mandry fehizay ny firenena rehetra, firahalahiana no manjaka eran’izao tontolo izao.

 

Marina tokoa fa ny tokony hiova, aloha, dia tsy ny tontolo manodidina iainan’ny olombelona, fa ny olombelona mihitsy, ary ny fanavaozana fototry ny fanavaozana hafa rehetra dia ny fanavaozana ny fo. Tsy ny an’ny mpiray vodirindrina amiko ihany, na ny an’ny mpampiasa ahy, na ny an’ny vadiko, na ny an’ny zanako. Fa ny fiovan’ny foko manokana, aloha.

 

Tsy matetika ve isika no sosotra amin’ny tenantsika, menatra noho ireo hadalana mandalo ao an-tsaintsika? Tsy misy fotoana aniriantsika io fiovantsika anaty io ve, ka hahatonga antsika ho sambatra tanteraka?

 

Fomba ahoana no hiovana?

 

Indrisy anefa fa ny zavatra hita amin’ny fiainana dia mampiseho antsika fa tsy afaka ny hanova tanteraka ny maha-isika antsika isika. Marina loatra ny tenin’ny poeta hoe ailiho ny toetranao voajanahary, dia hihazakazaka miverina. Ny zavatra vao mainka mahagaga aza, dia efa nilavo lefona tsy hanao izany fanatsarana izany intsony Izy Andriamanitra. Mpanota hatrany amin’ny tsinay maintiny ny olombelona, ary tsy afaka mihatsara sady tsy hay hatsaraina.

 

Hamafisin’ny Baiboly ny maha-marina amin’ny lafiny rehetra, eo amin’ny fiainantsika, ny hoe: “Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina TSY AZO SITRANINA; iza moa no mahafantatra ny aminy? Izaho Jehovah no Mpandinika ny fo ... “ (Jeremia 17:9-10).

 

Fahateraham-baovao

 

Tsy mamerina amin’ny laoniny izay zavatra efa nosimbain’olombelona mihitsy Andriamanitra. Nefa kosa dia tolorany toetra vaovao izy: fiainana izay fiainan’i Jesoa Kristy ary azontsika raisina ho antsika. Ahoana àry? Amin’ny finoana Azy, dia Ilay Mpamonjy maty teo amin’ny hazofijaliana mba hanonitra ny otantsika, ary natsangana tamin’ny maty mba ho fanamarinana antsika.

 

“Ary homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo” (Ezekiela 36:26).

 

Ny kristiana izany dia olona nitsiriana filàna vaovao sy fitiavana vaovao. Izay zavatra tiany talohan’ny niovany fo dia tsy misy dikany aminy intsony. Ary mifamadika amin’izany, izay zavatra tsy nampiraika azy taloha, ohatra, ny famakiana ny Baiboly, ny fivoriana kristiana, — ary indrindra indrindra ny Tenan’i Jesoa Kristy — dia manjary tonga fifaliana ho azy. Tsy ny zavatra nialàny na ny zavatra vao hitany tsy akory no niova; noho izany, tena ny fony mihitsy no niova. Nanjary refy hafa no ijereny ny zavatra rehetra. Nisy fiovana hatrany ifotony teo amin’ny fomba fisainany, mahatonga azy hijery amin’ny maso hafa tanteraka an’Andriamanitra, izao tontolo izao, ny ho avy, ary koa ny tenany manokana. Mety ho tsy azony tanteraka an’eritreritra izany fiovana izany, nefa kosa tsy ho takona amin’ireo olona mahalala azy tsara.

 

Ireo kristiana hafa

 

Izay indrindra no mampiahotra olona maro: raha ny fijeriny mantsy, dia tsy misy maha-samy hafa ny kristiana amin’ireo tsy mpivavaka.

 

Indrisy fa matetika loatra no marina izany fanamarihana izany. Nefa izao no anterinay: marobe ireo izay mitonona ho kristiana — ary anisan’izany ireo mpitondra fivavahana sasantsasany — no mbola tsy nandalo fahateraham-baovao. Tsy mahagaga àry raha tsy hita taratra eo amin’ny fiainany ny vokatr’izany.

 

Ankoatr’izany koa, aoka tsy ho olombelona no ataontsika refy fakàn-tahaka, satria ny tsirairay, any am-parany, dia tsy maintsy hotsarain’Andriamanitra ihany araka izay zava-bitany.

 

Aoka i Jesoa no hobanjinina, Izy no tsy handiso fanantenana antsika mihitsy, na amin’ny maha-Mpamonjy Azy, na amin’ny maha-Tompo Azy, na amin’ny maha-modely tokony harahina Azy, na amin’ny maha-Ilay iray afaka mameno ny fontsika Azy. Izy indrindra Ilay tsy mba miova; Izy no “tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay” (Hebreo 13:8).