Tsy finoana fe finoana fotsiny

Tafiditra ao anatin’ny sokajin’ny olona mino an’Andriamanitra angamba ianao. Kanefa sao Andriamanitra araka ny fiheveran’ny sainao Azy no inoanao ? “Andriamanitra tsara”, mamindra fo manoloana ireo fahadisoanao manokana, ary masiaka manoloana ireo haratsiana isan-karazany ataon’ny hafa. Andriamanitra tokana, Izay tsy maintsy eken’ny saina ihany ny fisiany, saingy, ao anatinao ao, irinao mba ho lavitra dia lavitra anao.

 

“Ianao mino fa iray ihany no Andriamanitra ; koa tsara izany ataonao izany ; ny demonia koa mba mino izany ka dia mangovitra” (Jakoba 2:19).

 

Izany no mitovy lasitra amin’ireo olona mino an’Andriamanitra fe fotsiny ihany. Hanampy ny sasany hoe: manana ny finoako aho, manana ny antokom-pivavahana misy ahy, ary manaraka izany mihitsy aza...

Tandremo ! Mateza roritina ity teny hoe finoana ity, manana hevi-droa izy io, ary io no tena maha-zava-doza azy raha tsy fantatra tsara ny tena fonosiny. Samy manana ny finoany ny tsirairay avy, ary malalaka dia malalaka ny zavatra ambara amin’izany: saiky ampidiriny ao avokoa izay rehetra maha-diavolana ny sainy.

 

Tsy fombafombam-pivavahana

Ny fivavahana indray dia voambolana sady moramorainy no tsy mety hanala baraka; tanisaina ao amin’izany mantsy ireo fombafomba sy endrika ivelany azo arahina tsara, na dia tsy misy fanoloran-tena manokana aza. Batisa, kominio, mariazy, fandevenana: ampy haha-tsara laza anao eo amin’ny antokom-pivavahana misy anao ny fanatanterahanao ireo fombafomba efatra ireo. Tsy sarotra tokoa izany ! Andro efatra monja no atolotrao mandritra ny fiainanao manontolo — ilay iray farany aza moa, efa tsy ilàna ezaka avy aminao intsony. Iretsy telo voalohany kosa dia fetim-pianakaviana mihitsy, arahina hanim-pitoloha sy fanomezana isan-karazany. Dia izay, izay dia ampy hahatonga na hampitoetra anao ho tena kristiana tokoa ! Tsy sarotra izany e ? Nefa, dia zavatra tsotra mifono fahadisoan-kevitra tena mampidi-doza !

 

Ny tena finoana

Ny fanontaniana tsy maintsy apetraka dia ny hoe : “IZA no inoantsika?” Mihoatra lavitra noho izay eritreretintsika ny valin’io fanontaniana io. Raha inoantsika Andriamanitra rehefa miteny, dia ny Baiboly, — eny, ny Baiboly iray manontolo mihitsy — no tokony ankatoavintsika, satria mirakitra ny Tenin’Andriamanitra, araka izay efa ambarany rahateo.

Miteny Andriamanitra, ary moa tsy marina ve ny ambarany ? Ary moa tsy Izy ihany koa ve no hany mahavita milaza ny marina ? Mampandainga Azy isika raha miahiahy ny amin’ny Teniny, dia ny Baiboly.

 

“Izay tsy mino an’Andriamanitra dia efa nampandainga Azy, satria tsy mino ny fanambaràna izay nanambaràn’Andriamanitra ny Zanany izy” (1 Jaona 5:10).

 

Manambara ny amin’io Zanany io Andriamanitra ao amin’ny Teniny; andraikitry ny olombelona kosa ny mihaino izany fanambaràny izany ka mandray ny Zanany. Zavatra samy hafa tanteraka amin’ilay finoana fe finoana, na ilay fombafombam-pivavahana noresahintsika teo aloha izany. Izany no antsoina hoe: ny TENA FINOANA.

 

“Koa ny finoana dia avy amin’ny toriteny, ary ny toriteny kosa avy amin’ny tenin’i Kristy” (Romana 10:17).

 

Ny toetoetran’ny finoana

Tsy misy izany hoe finoana ikambanan’ny rehetra, na finoana ho an’ny mpianakavy izany. Ny finoana dia toe-pon’ny tsirairay, io finoana io no mitarika ny isam-batan’olona hanaiky am-panetrentena ny toerana misy azy, araka ny tenin’Andriamanitra: voary manoloana ilay Mpahary azy, mpanota manoloana ilay Andriamanitra masina.

Mampangina ny saina sy ny fihetseham-pon’ny olombelona rehetra ny finoana, satria Andriamanitra no miteny. Manaiky izay rehetra ambaran’Andriamanitra momba ny olombelona sy amin’ny olombelona ny finoana. Mandray izay ambaran’Andriamanitra momba an’i Jesoa Kristy ny finoana; mampianatra ny olona hahalala ny toetoetran’ny fon’olombelona — ratsy sy tsy misy fanafana — sy ny fon’Andriamanitra, feno fitiavana, famindram-po ary famelan-keloka.

Manam-pahendrena lalina ny finoana, manam-paharetana ary mpankatò. Mitsara ny lasa izy, manaiky ny ankehitriny, ary mahatazan-davitra ny hoavy izay hanome rariny azy tsy ho ela.

 

Fahazoana antoka ny finoana

Ny tena finoana dia manaiky ny fahefan’Andriamanitra eo amin’izao tontolo izao sy amin’ireo mponina eo aminy. Andriamanitra no mampianatra azy — fa tsy ireo fomba amam-panao nentin-drazana velively — hoe Andriamanitra Mpitsara Izy, kanefa mbola mandrotsaka ny fahasoavany koa ankehitriny.

Ny tena finoana dia ny fahalalana manokana ilay Andriamanitra niseho tamin’ny alàlan’ny Zanany, izay miteny, ilay Andriamanitra mihaino sy mandre, ary mamaly. Ny tena finoana dia fifandraisana velona amin’izany Andriamanitra izany, Andriamanitra izay tonga Raintsika; ary fifandraisana velona amin’i Jesoa Kristy Tompo, amin’ny fanekena ny tena fitiavany sy fahefany.

Ny fanambaràn’ny Tenin’Andriamanitra ihany no nanovozan’ny tena finoana ireto fahamarinana ireto:

“Ny teny ny amin’ny finoana, izay torinay (dia): raha manaiky an’i Jesoa ho Tompo amin’ny vavanao ianao ary mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ny maty, dia hovonjena ianao” (Romana 10:8-9).

 

“Koa amin’izany, satria efa nohamarinina tamin’ny finoana isika, dia aoka isika hanana fihavanana amin’Andriamanitra amin’ny alàlan’i Jesoa Kristy Tompontsika” (Romana 5:1).

 

“Fa izay ivelomako ankehitriny eo amin’ny nofo dia ivelomako amin’ny finoana ny Zanak’Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy” (Galatiana 2:20).

 

“Fa raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy (Andriamanitra)” (Hebreo 11:6).

Anananao ve izany tena finoana izany?