Tarehimarika mahavalalanina

 

Rehefa mandefa zana-bolana hanodidina ny tany Raolombelona, talanjona daholo izao tontolo izao ary midera ny fahaizany. Nefa izay zava-mahagaga indrindra vitan’ny olona amin’izao vaninandro izao dia tsy misy azo ampitahaina akory amin’ny herin’Andriamanitra nasehony tamin’ny fahariana. Fantatrao ve fa ny lanjan’ny tany, araka ny kajy nataon’ireo mpahaikintana, dia any amin’ny 5 982 tapitrisa tapitrisa tapitrisa taonina? Nefa dia ny Tenin’Andriamanitra ihany no nahary azy, ary nametraka azy teny ana habakabaka, hihodinany amin’ny hafainganam-pandeha mihoatra ny 107 000 kilaometatra isan’ora manodidina ny masoandro.

 

Ndeha atao hoe misy voambary iray eny an-tànanao, kisarisarin’ny tany. Raha mahafeno iray litatra amin’ny voambary miisa mihoatra ny 10 000 ianao, dia tokony ho avo 140 heny toy izay vao hahavita kisarisarin’ny masoandro. Vary miavosa be — mihoatra ny 100 litatra izany — vao mahavita kisarisarin’ny masoandro, miohatra amin’ny voambary tokana kisarisarin’ny tany.

 

 

Araka ny haben’izao tontolo izao

 

Mahafanina izany tarehimarika izany. Azontsika an-tsaina àry fa araka ny Nahary, namorona azy avy amin’ny tsy misy, ny haben’izao tontolo izao. Ny fahalehibeazan’Andriamanitra, izany no manazava ny zavatra rehetra. Manana ny fahefana hanefa izay tiany Izy. Ao Aminy ny fahendrena rehetra ilaina hisafidianany izay zavatra hampiasainy sy hikajiany ny vokatr’izany. Rehefa misaintsaina ny momba Azy sy ny zavatra nataony isika, dia mihiaka hoe: “Fa lehibe Ianao ka manao zava-mahagaga; Ianao irery ihany no Andriamanitra” (Salamo 86:10).

 

Ny hery sy ny fahendrena anefa dia toetra roa ihany amin’ireo toetra maha-Izy Azy an’ilay Andriamanitsika lehibe. Ny fitiavany sy ny famindrampony amin’ny olombelona latsaka ao anatin’ny ota dia mitovy fatra amin’izany heriny izany. “Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” (Jaona 3:16).

 

Ny teny hoe “toy izao” dia manambara ny harena tsy manam-pahataperana omen’ny fitiavan’Andriamanitra; ny hoe “izay rehetra” kosa dia mampiseho fa voakasik’izany daholo izay miaina eto an-tany, ianao sy izaho koa.

 

 

Fitiavan’Andriamanitra tsy hay lazaina

 

Fahamarinana mahatalanjona izany! Ilay Mpahary lehibe dia tia antsika tsirairay avy, na manao ahoana isika na manao ahoana, ary lehibe tokoa izany fitiavany izany ka nanolorany izay tiany indrindra, dia ny Zanany — Jesoa Kristy —  ho faty noho ny helotsika.

 

Ny fahatsapana ny halehiben’ny fitiavan’Ilay namolavola sy nanao izao tontolo izao no zava-dehibe indrindra hitan’ny olombelona. Nefa raha mahatsapa izany fitiavana azy manokana izany ny olona iray ka mandà izany, dia izay no fahotana lehibe indrindra mety ho vitany.

 

Hoy ny Baiboly: “Hataontsika ahoana no fandositra, raha tsy mitandrina izao famonjena lehibe izao isika?” (Hebreo 2:3). Fanontaniana izay tsy voavalin’ny fitiavan’Andriamanitra, na inona na inona halehiben’izany fitiavana izany.

 

 

Ny safidinao

 

Anjaran’ny tsirairay ny misafidy na ny fiainana mandrakizay na ny fanamelohana mandrakizay. Ry sakaiza, fidio ny fiainana! Atolotr’Andriamanitra anao izany: ny hany ataonao dia ny manaiky izany, ka afaka milaza ianao, toy izay ambaran’ny Soratra Masina, hoe: “Koa amin’izany, satria efa nohamarinina tamin’ny finoana isika, dia aoka isika hanana fihavanana amin’Andriamanitra amin’ny alàlan’i Jesoa Kristy Tompontsika. Tamin’ny alàlany koa no efa nahazoantsika fanatonana amin’ny finoana ho amin’izao fahasoavana itoerantsika izao, ka dia aoka isika hifaly amin’ny fanantenana ny voninahitr’Andriamanitra” (Romana 5:1-2).

 

Rehefa fantatrao ny haben’ny fahasoavan’Andriamanitra, ny famelan-keloka atolony sy ny fiadanany izay mihoatra noho izay takatry ny saina, ianao koa dia afaka ny hiandry ilay andro iray hiarahantsika mizara amin’i Jesoa Tompo ny voninahiny any an-danitra, ka hanambara miaraka aminay hoe: “Jehovah Andriamanitro ô! Lehibe indrindra Ianao!” (Salamo 104:1).