Azo sokajiana toy izao ny olona, eo amin’ny lafiny ara-pivavahana: ny tsy miraharaha, ny diso làlana, ny tsy mino, ny mihevi-tena ho marina, ny olona sambatra.

 

Ny tsy miraharaha

 

Tsy mieritreritra izay hiafarany izy ireo. Tsy misaina afa-tsy ny hankafy araka izay azo atao ny zavatr’izao tontolo izao, hangoron-karena ary hiantoka ny andro fahanterany. Izao no fampitandremana mavesa-danja omen’Andriamanitra azy ireo tsirairay: “Ry adala, anio alina no halaina aminao ny fanahinao, ka ho an’iza izay zavatra noharìnao?” (Lioka 12.20). Ahoana no hieritreretana fa mbola misy ihany ny tsy miraharaha manoloana izany teny mampatahotra izany? Na tsy ho tonga anio alina aza izany, dia mbola mitatao eo ihany, ary tsy hisy fampilazana mialoha. “Kanefa misy fanao iray itenenan’Andriamanitra, eny, fanao roa aza, nefa tsy tandreman’ny olona izany” (Joba 33.14).

 

Ny diso làlana

 

Nieritreritra izy ireo fa nahita ny fahamarinana, ary niditra ho anisan’ny sekta: ny mpitondra ireo sekta ireo anefa dia entin’i Satana koa: “Mpitarika jamba izy; ary raha ny jamba no mitarika ny jamba, dia samy ho latsaka any an-kady izy roa” (Matio 15.14).

Ho azy ireo no ilazanay hoe:

Mijanona aloha; ary fantaro tsara izay arahinareo!

Ny sasany indray, misalasala. Mivavaka izy; saingy mandeha etsy, mandeha eroa, eo anivon’ity tontolo kristiana mizarazara ho antoko ity- ary tsy mitsaha-mitombo ny isany. Tsy fantany izay tokony hidirany; misalasala izy, tsy manam-patokisana, tsy manana ny tena fiadanana. Inona no holazaina amin’izy ireo?

 

Vakio ny Baiboly, ary mivavaha. Ao aminy irery ihany no misy ny fahazavana: ho fanilon’ny tongotrao sy fanazavana ny làlanao izy (Salamo 119.105). Izy no hanazava anao manoloana io savorovoro lehibe io sy ny fomba fisainan’ny olombelona.

 

Hoy i Jesoa: “Izaho no Mpiandry tsara...Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy, ary Izaho manome azy fiainana mandrakizay” (Jaona 10.11,27,28).

 

“Ary ny ondriny manaraka azy satria mahalala ny feony ireo; ary ny vahiny tsy harahiny...” (Jaona 10.4-5)

 

Ny tsy mino

 

Olona adala izay mieritreritra fa ny masoandro, ny volana, ireo kintana tsy tambo isaina dia niforona ho azy teny ary mihetsika araka ny sitrapony; na mieritreritra fa ny zava-manana aina dia niforona avy amin’ny zava-maniry, — ary ny mifanohitra amin’izany koa, — noho ny rafi-kevi-pivoarana jamba na fatra-pifantina...

 

Namorona izao tsangankevitra sampontsampona rehetra izao izy ireo. Lazainy fa hadalana ary tsy ekeny ireo fahamarinana ambaran’ny Baiboly, nefa misy fanambaràna iray izay tsy maintsy ekeny ary hihatra aminy:

“Ary tahaka ny nanendrena ny olona ho faty indray mandeha”. Fa tsy ekeny kosa ny tohin’io andininy io : “ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana” (Hebreo 9.27). Nefa tsy ny fandavany akory no hahafaka azy amin’izany fitsarana izany.

 

Ireo izay mihevi-tena ho marina

 

Matoky ny tenany izy ireo, matoky ny zavatra nataony, ny fitondrantenany tsara. Faly amin’ny zava-bitany izy ireo; lanjainy amin’ny mizànan’olombelona izany, fa tsy amin’ny an’Andriamanitra; atobany eo amin’ny lela-mizàna iray daholo ny asany; ilay iray kosa, izay tokony hisy ny fahotana sy ny fahadisoana, dia foana na zara fa misy. Nefa tsy toy ny azy ny mizànan’Andriamanitra. Mizàna marina ny Azy. Esoriny izay rehetra tiantsika hapetraka eo, izay isaintsika ho fahamarinantsika, nefa “tahaka ny “lamba mihosin-dra” eo anatrehany (Isaia 64.5); ary ataony eo amin’ny lela-mizàna ny zavatra afenintsika, izay rehetra hitany any amin’ny toerana miafina indrindra ao am-pontsika: ny sain-dratsy izay mahameloka antsika, ary koa ny zavatra nataontsika.

Avonavona sy fihatsarambelatsihy no ato amin’ity tenantsika ity! Nefa izany toetra izany dia mifanohitra tanteraka amin’ny toetran’Andriamanitra!

Arakaraka ny hiaikentsika ny fahotantsika no hahafantarantsika bebe koa ny fitiavany tsy manam-petra, izay namonjy antsika, nividianany antsika ho Azy, ary te hihazona antsika ho eo aminy mandrakizay.

 

Ny olona sambatra

 

Izy ireo dia manam-pinoana; efa niaiky ny maha-mpanota azy izy ary nino ny maha-tanteraka ny asa nataon’i Jesoa; fantany fa tsy misy hanampiana izany intsony. Ary afaka mihiaka izy hoe: Koa amin’izany, satria efa nohamarinina tamin’ny finoana isika, dia manana fihavanana amin’Andriamanitra amin’ny alàlan’i Jesoa Kristy Tompontsika” (Romana 5: 1). Hevitra sarobidy tokoa izany: ao amin’i Jesoa Kristy no ahitan’Andriamanitra azy! Tiany toy ny fitiavany ny Zanany izy ireo.

 

Ho azy ireo izao teny izao: “Mifalia mandrakariva ao amin’ny Tompo”(Filipiana 4.4).

Io no fifaliana avy amin’Andriamanitra, fiadanana mandrakizay ho an’ny fanahy, “fifaliana tsy azo tononina sady be voninahitra” (1 Petera 1.8).

 

Teny indraim-bava fotsiny, ry mpamaky malala:

 

Tia anao i Jesoa! Ary ianao, tia Azy ve ianao?