Raha maty ianao anio,

ho aiza ?

 

Fanontaniana iray manan-danja

 

Io no fanontaniana tokony hapetrakao amin’ny tenanao, raha vao mandray an’ity takelaka ity ianao. Tsotra ny antony : « Ary tahaka ny nanendrena ny olona ny ho faty indray mandeha, ary rehefa afaka izany, dia hisy fitsarana » (Hebreo 9:27), hoy ny Baiboly. Raha mandà tsy hiatrika ny fahamarinana ianao fa te-hijanona hatrany ao amin’ny manjavozavo, dia tataovan-doza satria hifanatrika amin’Andriamanitra aorian’ny fahafatesana. Hifanatrika Aminy toy ny Ray izay hitsena anao eo an-tokonana ve ianao, sa hifanatrika Aminy toy ny Mpitsara izay hamoaka didy tsy azo ivalozana ny aminao ? Didy haharitra mandrakizay izany ! Tsarovy anefa fa tsy zakan’Andriamanitra ny fahotan’ny olona, ny fahotantsika. Raha mijery avy eny an-danitra Andriamanitra, dia olona tsy mba manao izay mahafaly Azy no ahitany anao. Miaina araka ny filàna maha-olona anao ianao, entanin’ny filàn’ny fonao, ary manao ny sitraponao, izay tsy mifanaraka amin’ny an’Andriamanitra. Noho izany dia toy ny maty ara-panahy no fahitàny anao noho ireo fahadisoanao sy helokao. Tsy ny fiezahanao hanamarin-tena hoe tsy manao ratsy no hahafahanao manova ny didim-pitsaran’Andriamanitra aminao ; satria tsy ny fijerinao no inona, fa ny fijerin’Andriamanitra.

 

Inona àry no tokony hataonao ?

 

Voalohany indrindra, ny ekeo ny fitsaràn’Andriamanitra anao. Mpanota very ianao ary mendrika ny hiharan’ny fanamelohan’Andriamanitra ka ho tafasaraka Aminy mandrakizay.

 

Manaraka izany, aoka ho fantatrao fa tsy mahavonjy tena ianao : tsy hahafa-po an’Andriamanitra na oviana na oviana ny ezaka ataonao, satria avy amina loharano maloto tsy zakan’Andriamanitra  no niaingany. Porofon’izany : “…tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray ho amin’izao tontolo izao, ary ny ota no nidiran’ny fahafatesana ka nahatratra ny olona rehetra ny fahafatesana, satria  samy efa nanota izy rehetra”, hoy ny Soratra Masina. (Romana 5:12)

 

Noho izany, avy any an-kafa ny famonjena. Ao amin’i Jesoa Kristy, izay tonga tetỳ an-tany mba hamonjy ny mpanota. Naka ny toerana mendrika ho anao Izy, maty teo ambony hazofijaliana, satria “fahafatesana no tambin’ny ota”, hoy ny Soratra Masina (Romana 6:23). Ny fahotanao io nentiny teo amin’ny hazofijaliana io. Nefainy ny tombam-bidy notakin’ny ota, raha maty nisolo voina anao olo-meloka Izy. Sitrak’Andriamanitra ny hahavoavonjy ny olona rehetra sy ny hahatongavany amin’ny fibebahana, noho ny hatsaram-pony.

 

Aoka ianao hanetry tena ka hanaiky ny toerana maha-mpanota anao, sy hanaiky ny hasarobidin’ny sorona nataon’i Jesoa teo amin’ny hazofijaliana. Nalatsany ny rany mba ho voadio amin’ireo fahotanao marobe ianao; mandraka androany io ra io dia mbola manan-kery hanadio anao, raha manaiky izany ianao.

 

Rahampitso :

ny fiainana mandrakizay

 

Ankoatra izay, mbola nampanantenaina ianao fa : fiainana mandrakizay no omeny izay rehetra manatona Azy. Mazava ny tenin’ny Tompo Jesoa hoe : “Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay ka tsy hohelohina ; fa tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana izy” (Jaona 5:24). Izany no miandry anao raha manaiky ny Tompo Jesoa ianao, dia fanantenana velona sy fahazoana antoka fa raha maty ianao anio, dia misokatra ho anao ny lanitra.

 

Ankehitriny àry, anao ny safidy !