Zoma 4 Janoary 2019

Ny fahotako nambarako taminao. Salamo 32:5

Ny Zanak’olona (Jesosy) manana fahefana etỳ ambonin’ny tany hamela heloka. Matio 9:6

 

Namaky teny nandritra ny alina tontolo

“Tehirizo any iny Baibolinareo antitra iny. Tsy mila an’iny aho, ny tenako ihany no andriamanitro !”

Izany no teny nandraisan’ity voafonja iray, antsoina hoe José, ireo mpamangy fonja roalahy nanolotra Testamenta Vaovao ho azy. Nony niverina izy ireo, herinandro tatỳ aoriana, dia indro i José nihazakazaka nanolo-tanana azy ireo, sady nihoraka hoe : “Azonareo antsoina hoe rahalahy aho, ankehitriny !”

Dia nanazava izy : “Nolaviko ilay Testamenta Vaovao tianareo nomena ahy, saingy noraisin’ilay voafonja miray efitra amiko kosa. Nony tafaverina tao amin’ny efitranokelinay izahay, dia niangaviany aho hamaky mafy izay voasoratra tao anatin’io boky kely io. Tsy mahay mamaky teny mantsy izy. Tena nahasorena ahy mihitsy izany, kanefa dia nataoko ihany, satria tsy te handà ny fangatahany aho. Nitraka aho rehefa afaka kelikely, dia nahita azy … raiki-tory ! Tsy haiko hazavaina aminareo hoe nahoana, fa dia nanohy namaky ilay boky aho… nandritra ny alina tontolo !

Niteny tamin’ny foko Andriamanitra, ary koa tamin’ny fieritreretako. Takatro fa tsy maintsy lazaiko aminy, ary tsy misy na inona na inona afenina, ny fiainako amin’ny maha mpamono olona ahy. Ny nanome hery ahy hanao izany, dia ilay hatsaram-pon’i Kristy hita ao amin’ny pejy rehetra ao amin’ny filazantsara, ary asehon’ny teniny hoe : “Izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy” (Jaona 6:37). Famelan-keloka sy fiadanana toa inona moa no nameno ahy, rehefa nanjary Mpamonjiko sy Tompoko i Jesosy Kristy !”

Efa tafavoaka ny fonja i José ankehitriny ; kanefa ny tena zava-dehibe, dia izy tena afaka tokoa tamin’ny vesatry ny lasany. Nanjary kristiana tena nanolo-tena izy, miara-manompo ny Tompo amina kristiana hafa any Argentine.