Asabotsy 5 Janoary 2019

Manajà ny olona rehetra. Tiava ny rahalahy. Matahora an’Andriamanitra. 1 Petera 2:17

Aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly izay manontany anareo ny amin’ny anton’ny fanantenana ao anatinareo, nefa amin’ny fahalemem-panahy sy ny fanajana. 1 Petera 3:15

 

Mbola olona afaka ve ny kristiana ?

Nitrangana asa fampihorohoroana nisesisesy tany Frantsa. Ireny tranga feno herisetra ireny dia narahina fihetseham-po lalina sy fanontaniana maro tao amin’ny havan’ireo olona niharan’izany, ary ho an’ny firenena manontolo mihitsy. Natao lasibatra ny gazety iray nolazaina fa naniratsira ny fivavahana silamo, ka izany dia nampisaintsaina momba ny fetran’ny fahalalahana maneho hevitra, sy momba ny fironana hamaly faty…

Ry kristiana, isika ve hatreto mba nankasitraka ny fahafahantsika, eto amin’ny firenentsika, miaina “miadana sy mandry feizay amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra sy ny fahamaotinana rehetra” (1 Timoty 2:2) ? Ary haharitra ve izany ?

Nahatsiaro ho voakasik’ireo herisetra ireo ny tsirairay, ary azo lazaina aza fa nihevitra ny tenany ho toy ireo niharan’ny voina. Izaho manokana ity ve, mety hiharan’izany koa indray andro any, satria kristiana ? Satria mitoky amin’i Kristy ?

Ankehitriny dia Kristy no mitantana ny fiainako. Ary sambatra aho fa ao amina firenena ahazoako miara-miaina amin’ny ankohonako ny maha kristiana ahy, nefa tsy misy manara-maso. Manana fahalalahana aho hanambara sy hihira fa Izy no Tompo. Afaka manambara amin’ny olona hitako eny an-dalana aho hoe iza moa Jesosy, nefa tsy ampangaina ho manelingelina ny fahafahany…

Eny, Jesosy Kristy no Tompo. Tsy hoe satria Izy niady tamin’ny fahavalony, fa satria Izy nanolotra ny ainy ho azy ireny. Nanaiky Izy hanompo ny olombelona sy hiharan’ny fahafatesana mampihoron-koditra, mihosin-dra, mba hamonjy azy ireo. “Koa izany no nanandratan’Andriamanitra Azy indrindra sy nanomezany Azy ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra”, dia ny hoe : Jesosy, izay midika hoe : “Andriamanitra mamonjy”. Tsy maintsy hanaiky ny fahalehibeazany ny olona rehetra, indray andro any (Filipiana 2:9-11).