Asabotsy 20 Avrily 2019

Ary hatramin’ny ora fahenina ka hatramin’ny ora fahasivy dia maizina ny tany rehetra. Ary nony tokony ho tamin’ny ora fahasivy, dia niantso tamin’ny feo mahery Jesosy ka nanao hoe : Ely, Ely, lamà sabaktany ? izany hoe : Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Ianao ? Matio 27:45-46

 

Jesosy teo amin’ny hazofijaliana (2)

Nalaina tao amin’ny Filazantsara : “Ary tamin’izany Pilato dia nanolotra Azy taminy mba hohomboana amin’ny hazofijaliana.

Dia noraisin’ireo Jesosy ; ary Izy nitondra ny hazofijaliany, dia nankany amin’ny tany atao hoe Ikarandoha, izay atao amin’ny teny Hebreo hoe Golgota. Teo no nanomboana Azy tamin’ny hazofijaliana, ary nisy roa lahy koa niaraka taminy, iray avy teo an-daniny roa, ary Jesosy teo afovoany.

Ary Pilato nanoratra anarana, ka napetany teo amin’ny hazofijaliana. Ary izao no voasoratra : JESOSY AVY ANY NAZARETA, MPANJAKAN’NY JIOSY... Ary noho izany ny lohan’ny mpisorona tamin’ny Jiosy dia nanao tamin’i Pilato hoe : Aza soratana hoe : Mpanjakan’ny Jiosy ; fa izao : Izy no nilaza hoe : Mpanjakan’ny Jiosy Aho. Pilato namaly hoe : Izay voasoratro dia voasoratro.

Ary rehefa voahombon’ny miaramila tamin’ny hazofijaliana Jesosy, dia nalainy ny fitafiany ka nozarainy efatra, samy nanana ny anjarany avy ny miaramila ; ary ny akanjony koa ; fa tsy nisy vitrana ny akanjony, fa tenona iray ihany. Dia niresaka hoe izy : Aza mba triarintsika, fa aoka hilokantsika ho an’izay hahazo azy ; mba hahatanteraka ny Soratra Masina manao hoe : “Nozarainy ny fitafiako, ary nilokany ny akanjoko” (Sal. 22:18). Izany zavatra izany no nataon’ny miaramila.

... Ary rehefa afaka izany, dia fantatr’i Jesosy fa efa vita ny zavatra rehetra tamin’izay, mba hahatanteraka ny Soratra Masina, dia hoy Izy : Mangetaheta Aho. Ary nisy bakoly feno vinaingitra nipetraka teo ; ary nisy sipaonjy feno vinaingitra notohiziny tamin’ny hysopa ka nataony tamin’ny vavany. Ary rehefa nanandrana ny vinaingitra Jesosy, dia nanao hoe : Vita ; dia nanondrika ny lohany Izy ka nanolotra ny fanahiny.” (Jaona 19:16-30)