Alahady 21 Avrily 2019
Nahoana no ato amin’ny maty no itadiavanareo ny velona ? Tsy ato Izy, fa efa nitsangana ; tsarovy ny teny izay nataony taminareo... hoe : Ny Zanak’olona tsy maintsy hatolotra eo an-tànan’ny mpanota ka hohomboana amin’ny hazofijaliana ary hitsangana amin’ny andro fahatelo. Lioka 24:5-7
Nalaina tao amin’ny Filazantsara : “Dia noraisiny (Josefa avy any Arimatia sy Nikodemosy) ny fatin’i Jesosy ka nofonosiny lambam-paty mbamin’ny zava-manitra, araka ny fanaon’ny Jiosy, raha mamboatra faty halevina.
Ary nisy saha teo amin’ilay nanomboana Azy tamin’ny hazofijaliana ; ary teo anatin’ilay saha nisy fasana vaovao, izay tsy mbola nandevenana olona. Ary teo no nandevenany an’i Jesosy...
Ary tamin’ny andro voalohany amin’ny herinandro dia nandeha marainakoa mbola maizimaizina hankany amin’ny fasana Maria Magdalena ka nahita ny vato voaisotra tamin’ny fasana. Dia nihazakazaka nankany amin’i Simona Petera sy ilay mpianatra tian’i Jesosy izy ka nanao taminy hoe : Nalain’olona tao am-pasana ny Tompo, ka tsy fantatray izay nametrahany Azy.
Dia nandeha Petera sy ilay mpianatra anankiray ka nankany amin’ny fasana... Ary ... Simona Petera ... niditra tao am-pasana ka nijery ny lambam-paty nipetraka teo, ary ny mosara izay nafehy ny lohany tsy mba nipetraka teo amin’ny lambam-paty, fa voavalona mitokana. Ary tamin’izay dia niditra koa ilay mpianatra anankiray izay tonga taloha teo amin’ny fasana, ary nahita ka nino. Fa tsy mbola fantany ny Soratra Masina fa tsy maintsy hitsangana amin’ny maty Jesosy...
Ary rehefa harivan’ilay andro voalohany amin’ny herinandro, raha voarindrina ny varavaran’izay niangonan’ny mpianatra, noho ny fahatahorany ny Jiosy, dia tonga Jesosy ka nitsangana teo afovoany, dia nanao taminy hoe : Fiadanana ho anareo. Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nasehony azy ny tànany sy ny lanivoany. Dia faly ny mpianatra, raha nahita ny Tompo.” (Jaona 19:38 — 20:20)