Alatsinainy 22 Avrily 2019
Kristy maty noho ny fahotantsika, ... dia nalevina, ary natsangana tamin’ny andro fahatelo ; ... ary niseho tamin’i Kefasy Izy, dia vao tamin’ny roa ambin’ny folo lahy koa. Rehefa afaka izany, dia niseho tamin’ny rahalahy tsy omby dimanjato Izy. 1 Korintiana 15:3-6
25 taona lasa izay. Notsaraina ity olona iray voapanga ho namono olona. Nisy vavolombelona maro nijoro, hiaro ilay voampanga. Ny roa voalohany dia nanamafy fa tsy teo an-toerana ny voampanga tamin’ny fotoana nitrangan’ilay vonoana olona. Nolavina ireo vavolombelona roa ireo, satria hoe akaiky loatra an’ilay voampanga. Nanaraka izany dia nisy olona valo nijoro ho vavolombelona, nanambara toy azy roa ireo, ary nanana porofo tsy azo lavina. Ka dia nofoanan’ny mpitsara ny fiampangana.
Tamin’ny fiandohan’ny tantaran’ny Fiangonana dia efa nisy sahady olona sasantsasany nametraka fisalasalana momba ny nitsanganan’i Kristy tamin’ny maty. Mba hampanginana ireo mpanakorontana sy hanamafisana ny finoan’ny kristiana, dia nandresy lahatra toy ireo vavolombelona valo ireo koa ny apostoly Paoly, mba hametrahany ny maha zava-nisy ara-tantara ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty.
Nanoratra ho an’ny Korintiana izy, nampahatsiahy azy ireo, voalohany indrindra, ireo zava-misy ambaran’ny Filazantsara. Avy eo dia nolaviny ny tenin’ireo nametraka fisalasalana momba izany, ka nampiseho vavolombelona mihoatra ny 500 izy, vavolombelona nahita maso an’i Jesosy velona taorianan’ny nahafatesany sy ny nandevenana Azy, ary ny ankamaroan’ireo dia mbola velona tamin’ny fotoana nanoratany. Ireo apostoly, izay vavolombelona akaiky an’i Kristy, dia nasongadina tsara satria naman’i Jesosy. Nefa tsy hay natao ny tsy hiraharaha ny tenin’ireo vavolombelona 500 izay nanamafy fa nitsangana tamin’ny maty tokoa ny Tompo.
Ny fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty dia zava-nisy tena fototra, iorenan’ny finoana kristiana. Izany no porofo fa Jesosy tokoa no Ilay Zanak’Andriamanitra, ary ny sorona nataony dia nahatanteraka izay notakian’ny fahamasinan’Andriamanitra, ka dia natsangany tamin’ny maty tamin-kery Jesosy Kristy. Farany, ny fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty dia mampiseho koa fa ny mpino mifamatotra amin’Ilay Mpamonjiny nitsangana tamin’ny maty dia afaka amin’ny fahotan’izy ireo sy amin’ny fahafatesana, ary tafaray aminy ho mandrakizay.