Talata 23 Avrily 2019
Koa raha misy olona ao amin’i Kristy, dia olom-baovao izy ; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo. 2 Korintiana 5:17
Ampahirato ny masoko, mba hahitako zava-mahagaga ao amin’ny lalànanao. Salamo 119:18
Hay hazavaina ve izany hevitra efa miely be ihany izany ? Olona maro tokoa mantsy no te hampifanaraka ny fiainana kristiana iainany amina fiainana anaovany izay tiany hatao, sady miseho ho manana fiainam-pivavahana, nefa fiainam-pivavahana matsatso sy tsy misy fifaliana izany. Ny sasany indray, tsy tena mahatakatra ny Filazantsara, ka miaina ao anatina fahatahorana Andriamanitra mpamaly faty. Raha ny marina, dia tsy mahafantatra an’Andriamanitra izy ireny, ary te hampitony Azy amin’ny fanaovan-javatra misy fitiavam-bavaka sady misy fihafiana maro samihafa. Iza no ho tia fivavahana kristiana toy izany, izay tsy inona fa kisarisary mahantra fotsiny ihany ?
Marina fa ny kristiana, ny olona nandray an’i Jesosy Kristy tao am-pony, dia mahafoy izay ratsy, mahafoy izay tsy inona fa “zava-poana sy misambo-drivotra foana”, mahafoy ireo zavatra manintona atolotr’izao tontolo izao amin’ny endrika mahafinaritra kanefa manimba antsika, na vatana na fanahy na fianakaviana… Malahelo ve ny kristiana mahafoy ireo zavatra ireo ? Tsia, fa ny mifanohitra amin’izany aza. Ny tena kristiana dia matoky Ilay Andriamaniny ary mahafantatra ny fitiavany. Mahasoa azy mandrakariva izay asain’Andriamanitra ataony, ao amin’ny Baiboly. Sambatra izy manana ireny toromarika ireny, eo anivon’izay zavatra omena tontolo tsy manana soridalana harahina intsony.
Henoy izao fijoroana ho vavolombelona izao : « Eny, rehefa nanjary kristiana aho, dia nahafoy zavatra maro… kanefa nandray zavatra hafa koa :
Nitambesarana fieritreretana nanakorontan-tsaina aho teo aloha, sady novesarana fo tsy nety nahazo aina ; nefa nandray ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra kosa, ho setrin’izany. Nomeny ny fiadanany aho. Tsy niankinan-doha tamin’ny zava-pisotro mahamamo intsony. Tsy matahotra ny hoavy intsony.
Miovà fo ianareo, ary aoka hanjary kristiana. Izay zavatra veriko dia tombon-dahiny tsy hita pesimpesenina ho ahy. »