Alarobia 24 Avrily 2019
Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna ; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko. Apokalypsy 3:20
(Hoy Jesosy :) Ary indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao. Matio 28:20
« Farouk no anarako, ary Irakiana aho. Nahazo mari-pahaizana ambony mikasika ny jeolojia aho tamin’ny taona 1970, niasa, ary nanana izay rehetra nilaiko, kanefa tsy nahafantatra ny fiadanam-po, na dia nandeha tany am-piangonana sy nanana Baiboly aza. “Tsy ampy izany”, hoy ny raiko tamiko, indray mandeha ; tsapako tsara izy fa sambatra sy nanana fiadanana. Manana fifandraisana amin’i Jesosy hono izy. Indray andro dia nisy olona tonga tao amiko. Noresahiko taminy ny tsy fananako fiadanana. “Mila an’i Jesosy ianao”, hoy ny navaliny. Avy eo dia nanampy ahy hivavaka izy : “Mamelà ny heloko, Jesosy ô, vohaiko ho anao ny foko, midira ato am-poko, mamelà ny fahotako. Mandray Anao ho Mpamonjiko sy Mpanjakako aho”. Nanomboka tamin’io fotoana io dia niala ny tahotra ary tsy niverina intsony. Hatramin’izay dia miteny amiko amin’ny alalan’ny Baiboly Jesosy, ary mihaino Azy aho (Jaona 10:27).
Tamin’ny taona 80 dia nipoaka ny ady teo amin’i Irak sy Iran. Nampahafantarin’ny Tompo Jesosy ahy fa tokony hiala amin’ny asako aho ary hanompo Azy tanteraka. Izao no navaliko Azy : “Tompo ô, tsy nanaraka fiofanana aho, koa ahoana no hivelomako ?” Dia nampahatsahivin’ny Tompo ahy ny tantaran’i Mosesy sy ny vahoakan’Andriamanitra, izay notantanany tany an-taniefitra, satria mandrakizay ny famindrampony (Salamo 136:16). Fantatro ary fa tsy tokony hatahotra aho, fa hikarakara ahy Andriamanitra. Omban’ny fanampiany no ampianarako ny finoana, ny fitiavan’Andriamanitra tsy misy fepetra, izay nasehony teo amin’ny hazofijaliana tamin’ny alalan’i Jesosy, maty ho an’ny mpanota toa ahy sy toa antsika tsirairay avy. Ambarako fa isika dia mila manana fifandraisana manokana amin’i Jesosy Kristy, Ilay Mpamonjy. »