Alakamisy 25 Avrily 2019
Dia hoy indray Jesosy taminy : Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa : Izaho no vavahadin’ondry... raha Izaho no hidiran’ny olona, dia hovonjena izy ka hiditra sy hivoaka sady hahazo hanina... Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be. Jaona 10:7-10
Ambaran’i Jesosy antsika fa Izy no vavahady, ny vavahadin’ondry : raha te hanatona an’Andriamanitra isika, te ho voaaro “ho amin’ny valan’ondry”, voaaro tsy hiharan’ny fitsarana sahaza antsika, dia tsy misy fomba hafa ankoatra ny finoana an’i Jesosy. Izany no ilazany hoe : “Raha Izaho no hidiran’ny olona, dia hovonjena izy” (Jaona 10:9). “Ary tsy misy famonjena amin’ny hafa” (Asan’ny Apostoly 4:12).
Tsy midika tsy akory izany, hoe voateritery ny ondry ka tsy mahazo mandeha mihinana vilona eny amin’ny tany firaofana. Fa tena ny mifanohitra amin’izany aza : izay mino an’i Jesosy dia “hiditra sy hivoaka, sady hahazo hanina”. Jesosy dia fahafahana ho antsika sady fiarovana ho antsika ; momba antsika isanandro Izy, ary azontsika iverenana tsy ankijanona.
Jesosy no fahafahana ho antsika : lavorary tokoa mantsy ny Lalàna nomen’Andriamanitra an’i Mosesy fahiny, ka tsy maintsy ho naneritery sy nanameloka antsika. Nomena ny Lalàna mba hampiharihary fotsiny ny rehareha sy fahalemen’ireo nihambo fahiny hoe : “Izay teny rehetra nolazain’i Jehovah dia hataonay” (Eksodosy 19:8). Fa ny kristiana kosa dia tsy eo ambany lalàna intsony ; “Fa ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy” (Jaona 1:17). Ny finoana an’i Jesosy dia manome fiainam-baovao ho an’ny kristiana, fiainam-baovao mikatsaka izay hahafaly an’Andriamanitra.
Jesosy no fiarovana ihany koa, ho an’ny kristiana, satria ny mpiandry ondry dia manisa ny ondry sy zanak’ondriny miditra sy mivoaka ny valan’ondry. Ka raha vao misy, na iray monja aza, manalavitra na very, dia tadiaviny “mandra-pahitany azy” (Lioka 15:3-6).