Zoma 26 Avrily 2019
Fa fahafatesana no tambin’ny ota ; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika. Romana 6:23
Kristy maty noho ny fahotantsika. 1 Korintiana 15:3
Samy manana ny famaritany ny atao hoe fahotana ny olona tsirairay, ary samy manana ny heviny momba izany.
— Ny iray hanao hoe : Hevitry ny olona tamin’ny fahagolan-tany izany, noforonin’ny Eglizy mba hampatahotra ny mpiangona sy hihazonany azy ireo eo ambany fahefany.
— Ny ota ve ? hoy ny iray hafa. Izany dia ny famonoana olona, fanolanana, fanodinkodinam-bola, heloka bevava atao amin’ny olombelona, ireo zavatra rehetra tokony hampigadra. Tsy misy ataoko izany, na iray aza !
— Hisy olona fahatelo hanantitrantitra hoe : soa ihany fa mandefitra kokoa ny fijery amin’izao andro izao, noho ny tany taloha. Efa lany andro ankehitriny ny fisainana tranainy momba ny fahamaotinana, ny fahadiovana, ary na ny fampirafesana ao amin’ny fanambadiana aza. Nitarika fihatsarambelatsihy be ireny fisainana ireny…
Saingy ny zava-dehibe dia tsy ny famaritako na ny famaritanao ny atao hoe ota, fa ny fitsaran’Andriamanitra izany ; ary asehony ao amin’ny Baiboly izany. Ny hoe fahotana dia izay rehetra atao tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra na tsy miraharaha izany sitrapony izany. Ohatra, ny lainga rehetra dia fahotana. Masina Andriamanitra ka tsy maintsy manameloka ny ota, kanefa kosa mamela heloka Izy noho ny sorona nataon’i Jesosy Kristy, Izay maty nisolo antsika.
Ary iza no avelany heloka ? Eo koa dia tsy mitovy ny hevitra. Ny olona tsara indrindra ve, na ireo tsy dia meloka loatra ? Tsia, hoy ny valiny omen’ny Tenin’Andriamanitra. Fepetra tokana dia ampy, mba ho voavela heloka aho, na ianao, na ny olo-meloka faran’izay ratsy : “Mibebaha ianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo” (Asan’ny Apostoly 3:19). Ny “fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra” lazain’ny andinin-tSoratra Masina notanisaina androany, dia omena izay olona rehetra mibebaka sy mino ny Tompo Jesosy ary mandray Azy ho Mpamonjiny.