Asabotsy 27 Avrily 2019
Tsy zavatra mety ho simba, tahaka ny volafotsy sy ny volamena, no nanavotana anareo tamin’ny fitondrantena adala ... fa ny ra soan’i Kristy. 1 Petera 1:18, 19
— Azoko ny loka lehibe indrindra tamin’ny antsapaka ! — Dia mihevi-tena ho manankarena ve ianao ? Henoy anefa ny lazain’i Jesosy Kristy amin’ny olona rehetra, na manankarena izy na mahantra : “Fa inona moa no soa ho azon’ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny ainy ?” (Matio 16:26).
Ny tena harena dia maharitra mandrakizay, ary tsy mba voavidim-bola. Izay tsy hay vidina amin’ny vola dia omen’Andriamanitra anao maimaimpoana.
Eto amin’izao tontolo izao ianao, amin’ny alalan’ny vola, dia afaka :
— mahita fahafinaretana mandalo, fa tsy fiadanana na fahasambarana ;
— manao fanekem-piantohana ny aina, fa tsy ny fiainana mandrakizay ;
— mahazo toerana ambony eto amin’izao tontolo izao, fa tsy any an-danitra…
Araka izany, izay tsy ho azonao amin’ny asanao na amin’ny volanao, dia atolotr’Andriamanitra anao :
— Ny fiadanana, ny fihavanana aminy ary ny tena fahasambarana. Jesosy dia efa nanao fampihavanana tamin’ny rany teo amin’ny hazofijaliana (Kolosiana 1:20). “Satria efa nohamarinina tamin’ny finoana isika, dia manana fihavanana amin’Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika. Tamin’ny alalany koa no nahazoantsika ny fahafahana manatona izao fahasoavana itoerantsika izao, noho ny finoana ; koa mirehareha amin’ny fanantenana ny voninahitr’Andriamanitra isika” (Romana 5:1-2, Fanitsiana fahenina 2011).
— Ny fiainana mandrakizay : “Izany no nosoratako aminareo, izay mino ny anaran’ny Zanak’Andriamanitra, mba ho fantatrareo fa manana fiainana mandrakizay ianareo” (1 Jaona 5:13).
— Toerana any an-danitra : “Raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa” (Jaona 14:3).
Maimaimpoana izany rehetra izany, satria Jesosy no efa nanefa ny sandany.