Alahady 28 Avrily 2019

Dia hambaranao amin’ny zanakao amin’izany andro izany... Eksodosy 13:8

Koa mifananara sy mifampatanjaha. 1 Tesaloniana 5:11

Ary hataony ahoana no fandre, raha tsy misy mpitory ? Romana 10:14

 

Mifandray

Nivoatra fatratra ireo fitaovam-pifandraisana. Kanefa dia mbola mitaraina ihany ny tsirairay : ratsy ny fifandraisana eo amin’ny ray aman-dreny sy zanaka, eo amin’ny mpivady, eo amin’ny mpifanolo-bodirindrina, ao amin’ny orinasa…

Maro amintsika no mahatsapa izany. Ary marina fa maro ny fahasahiranana miseho eo amin’ny fifanakalozana, ary samy hafa izy ireny, arakaraka ny olona, ny fanabeazana, ny toe-piainana.

Ao amin’ny andinin-tSoratra Masina nomena androany, Andriamanitra dia mitaona antsika hoe “hambaranao amin’ny zanakao”. Izany dia midika fijerena azy ireo manokana, finiavana haneho ny Tenin’Andriamanitra aminy, amin’ny fomba mifanaraka amin’ny taonany sy ny toerana misy azy ireo. Zava-dehibe ny manokana fotoana milamina ho amin’izany, eo amin’ny fiainam-pianakaviana isanandro, mba hampisy tena fifandraisana amin’ireo zanatsika, ary mba hihainoantsika azy ireo ihany koa.

Ambonin’izany, isika ve tsy mpianatr’i Kristy, Ilay tonga teto anivon’ny olombelona mba hampahafantatra ny fitiavan’Andriamanitra, sy Izy Andriamanitra tenany mihitsy koa ? Midika izany fa tsy vitan’ny hoe miteny fotsiny isika, fa koa mampita hafatra amin’ny alalan’ny fihetsika sy ny fitondrantena, hafatra mifanandrify amin’ny hetahetan’ilay olona manoloana antsika, ka hahakasika ny fony sy ny fieritreretany. Ianareo no “epistilin’i Kristy”, hoy ny apostoly Paoly tamin’ireo mpino (2 Korintiana 3:3). Inona no hitantsika ao anatin’izany epistily izany, mifangaro ary mirindra tsara ? Fahasoavana sy fahamarinana, fitiavana sy fangoraham-po, fiorenana tsara sy hafanam-po, fanetrentena sy fandavan-tena, faharetana sy famelan-keloka… fahafoizan-tena !