Alatsinainy 29 Avrily 2019
Fa ny fombany tsy hita, dia ny heriny mandrakizay sy ny maha-Andriamanitra Azy, dia miseho hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao, fa fantatra amin’ny zavatra nataony. Romana 1:20
Tsinjovy ny voromanidina, fa tsy mba mamafy, na mijinja ... ireny ; ary ny Rainareo Izay any an-danitra mamelona azy. Matio 6:26
Eto amin’ity tontolo misy antsika ankehitriny ity dia tena zava-dehibe tokoa ny manintona ny sain’ny zanatsika handinika ireo famantarana momba ny fisian’Andriamanitra, ny heriny sy ny fitiavany. Amin’izany isika dia hanampy azy ireo hanokatra ny sainy sy ny fony hahita ny fifandraisana misy eo amin’ny zavaboary sy Ilay Mpahary.
Ny ankizy izay tsy mba afaka nitolagaga manoloana ny halehibeazan’Ilay Tsitoha, manoloana ny hatsaran’ny fahariana sy ny maha tena zava-misy io fahariana nataon’Andriamanitra io, dia hanana hevi-diso momba an’Andriamanitra, ary fomba fijery maivan-danja sy voafetra. Koa tokony hanararaotra ny zava-misy isika, hiresahantsika ny voninahitr’Andriamanitra amin’ny zanatsika. Manoloana ny avana, ohatra, na ny onja maherin’ny ranomasina, na koa manoloana ny alin-dririnina rakotra kintana, dia ampianarintsika ny zanatsika ho tonga saina fa misy Iray lehibe lavitra noho izy ireo, Izay nahary izao tontolo rehetra izao, ary io Mpahary io dia “mihazona ny zavatra rehetra amin’ny herin’ny teniny” (Hebreo 1:3). Ilain’ny zanatsika ny mihetsi-po manoloana ny zavaboary, ary izany no mety ho fihaonany voalohany amin'Andriamanitra, amin'ny fomba misongadina sy maha talanjona azy ireo. Hampianarintsika izy ireo hijery any ambadiky ny hita maso, hibanjina Ilay Andriamanitra tsy misy fetra sy maharitra mandrakizay.
Aoka isika hitarika azy ireo hahatsapa izany fanatrehan’Ilay Andriamanitra Mpahary sady Tsitoha izany ; aoka hanoro azy ireo ny loharanon’ny fifaliana maharitra. Ary rehefa resahintsika azy ireo ny valin’ny vavaka ataontsika, dia porofo ho azy ireo izany fa tena eo amin’ny fiainantsika tokoa ny Tompo. Amin’izany isika dia manampy azy ireo hahatakatra fa akaiky azy ny Tompo, hahatakatra ihany koa fa na dia mandalo zava-tsarotra aza izy ireo, dia vonona ny Tompo homba azy sy hanome ny fahasoavany ho azy.