Talata 30 Avrily 2019

... ka hita eo amin’ny rahona ny avana, dia hotsarovako ny fanekeko ... ; ary tsy hisy safodrano handringana ny nofo rehetra intsony. Genesisy 9:14, 15

(Hoy Jesosy :) Raha amin’izao tontolo izao Aho, dia fahazavan’izao tontolo izao. Jaona 9:5

 

Ny avana

Aorianan’ny oram-baratra, rehefa miverena tony ny andro, dia miseho indraindray ny avana, misy ireo lokony mahafinaritra. Ny fizika no mampianatra antsika fa ny avana dia avy amin’ny fihaonan’ny pitik’orana sy ny tanamasoandro, fihaonana maningantsingana ho loko isan-karazany ny fahazavana fotsy.

Lazain’ny Baiboly antsika fa Andriamanitra dia nametraka ny avana taorianan’ny nandefasany ny safodrano teto ambonin’ny tany sy namonjeny an’i Noa mianakavy tsy hiharan’ny fitsarana. Nanome izany famantarana izany Andriamanitra, mba hanehoany fa tsarovany ny zavaboary manana aina rehetra eto an-tany. Na ratsy aza ny olombelona, dia tsy tiany ho levona. Samy diso eo anatrehan’Andriamanitra avokoa isika rehetra, kanefa samy afaka manatona Ilay Mpamonjy nomeny antsika, dia Jesosy Kristy.

Ny avana dia miresaka amintsika ihany koa momba an’i Jesosy Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra tonga tetỳ an-tany, toy ny hazavan’ny lanitra. “Andriamanitra dia mazava” (1 Jaona 1:5) ary naniry haneho ny tenany amin’ny olona. Ka toy ny avana manasaratsaraka ny fahazavana, Jesosy dia nampiseho nifanesy amintsika ireo voninahitra maro karazana ananan’Andriamanitra : ny fitakiany ny fahamarinana, izay mampiharihary ny zavatra rehetra tian’ny olona hafenina ao anatin’ny fony lalina ao ; ny fahamarinan’Andriamanitra, izay tsy mahazaka ny ota ; ny hatsaram-pony, izay mitady sy mitaona ny mpanota hanatona Azy ; ary ny faharipony, izay miandry ny olona rehetra hibebaka…

Nanolotra ny ainy Jesosy, mba hanonitra ny fahotantsika ; any an-danitra Izy ankehitriny, mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra Ray, ary antoky ny famonjena mandrakizay antsika.