Alarobia 1 Mey 2019

Ataovy ny zavatra rehetra amin’ny tsy fimonomononana sy ny tsy fisalasalana, mba ho tsy manan-tsiny sady tsy misy fitaka ianareo, dia zanak’Andriamanitra tsy manana adidy eo amin’ny firenena meloka sy maditra, izay isehoanareo tahaka ny fanazavana eo amin’izao tontolo izao. Filipiana 2:14-15

 

Ireo mpitondra fanilo

Tany Gresy fahagola dia nisy lalao ara-panatanjahantena antsoina hoe « mihazakazaka mitondra fanilo ». Izany dia hazakazaka ifandimbiasana, atao amin’ny alina. Ao anatin’ny tarika iray, ny mpihazakazaka tsirairay dia mampita amin’ny manaraka, fanilo iray mirehitra. Ny tarika mandresy dia izay tarika nahavita voalohany nampita ny fanilo any amin’ny tanjona, ka tsy namela izany ho faty. Mety tena nahavariana sy nampitolagaga ny nahita ireo jiro rehetra nandehandeha haingana tao anaty haizina.

Hatramin’ny niandohan’ny finoana kristiana, ny taranaka mpino dia nampita ny “fanilo”-n’ny finoana amin’ny taranaka manaraka. Mandraka ankehitriny, ireny hazavana ireny dia mbola mamirapiratra saika hatraiza hatraiza, eran’izao tontolo izao. Ireny hazavana ireny dia ny fijoroan’ny kristiana tsirairay ho vavolombelon’ny Tompony.

Iza moa ireo mpihazakazaka manana ny fanilo mamirapiratra indrindra ? Ireo izay tia an’i Jesosy Kristy amin’ny fony manontolo ary miezaka mankatò ny fampianarany. Koa izy ireo dia afaka maneho, amin’ny fitondrantenany, ny teniny ary ny ataony, ilay ohatra tahafiny, dia Ilay “fahazavan’izao tontolo izao” (Jaona 8:12).

Ary iza ireo mpihazakazaka mpandresy amin’ny hazakazaka kristiana ? Ireo izay mibanjina, amin’ny mason’ny finoana, ny tanjon’ny fihazakazahany, dia Jesosy, Ilay mpandresy, nitsangana tamin’ny maty sy nampiakarina any an-danitra, Ilay Tompon’ny finoana. Any an-danitra Jesosy no mitarika sy misintona ary mampahery ireo mpihazakazaka mpandresy ireo.

Aoka haniry ho anisan’ireo mpandresy ireo isika rehetra, izay itenenan’ny Tompo hoe : “Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao… Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo” (Matio 5:14, 16).