Alakamisy 2 Mey 2019

(Hoy Jesosy :) Izaho no Mpiandry Tsara ; ary fantatro ny Ahy, sady fantany Aho, dia tahaka ny ahafantaran’ny Ray Ahy sy ny ahafantarako ny Ray ; ary Izaho manolotra ny aiko hamonjy ny ondry. Jaona 10:14-15

 

Izaho no Mpiandry tsara (4)

Ireo izay nihaino an’i Jesosy dia nahafantatra fa tsy mora ny asan’ny mpiandry ondry. Jakoba razamben’izy ireo dia mpiandry ondry, ary nilaza hoe : “Nony antoandro matin’ny hainandro aho, ary nony alina dia matin’ny fanala ; ary nandositra ny masoko ny torimaso” (Genesisy 31:40). Tahaka ny mpiandry ondry mikarakara ny andian’ondriny, Andriamanitra dia niandry ny vahoakany, nitarika azy namakivaky ny taniefitra nandritra ny efapolo taona, mandra-pahatongany tany amin’ny tany nampanantenaina. Nomeny tany mahafinaritra, fiadanana ary fanambinana io vahoakany io.

Nifidy mpiandry ondry koa Andriamanitra, ary anisan’ireny Mosesy, Davida… Nofidiny izy ireny mba hikarakara ny vahoakany. Izany dia mampiseho fa mila fandavantena-na mpiandry ondry ny fikarakarana ireo zanak’Andriamanitra. Nefa maro tamin’ireo mpitarika ny vahoaka ireo no tena nanao an-tsirambina ny fanatanterahana ny andraikiny. “Samy mankamin’ny filany harena avokoa izy rehetra” (Isaia 56:11). Mety ho toy izany koa ny ao anatin’ny Fiangonana, mandraka ankehitriny.

Nampanantena ihany koa Andriamanitra, tamin’ny alalana mpaminany maro, fa hisafidy ho an’ny tenany, mpiandry ondry iray mahatoky. Ambaran’Andriamanitra ao amin’ny bokin’i Ezekiela ny fomba hikarakarany ny andian’ondriny, ireo izay Azy : “Izaho no hiandry ny ondriko, ary Izaho no hampandry azy… Ny very hotadiaviko, ny voaroaka hampodiko, ny folaka hohamarako, ny malemy hohatanjahiko” (34:15, 16). Ary ahoana hoy ny Salamo 23 ? “Jehovah no Mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho”. Koa rehefa miteny Jesosy hoe : “Izaho no Mpiandry tsara”, dia maneho io toetran’Andriamanitra io, Andriamanitra mikarakara antsika sady malemy fanahy ; amin’izany koa Jesosy dia manambara mazava ny maha Andriamanitra Azy.

Jesosy koa no Ilay Mpiandry tsara, Izay manolotra ny ainy hamonjy ny ondriny (Jaona 10:17), noho ny fitiavany azy ireo. Nataony izany mba hamonjena antsika, dia izaho sy ianao.