Zoma 3 Mey 2019

Izahao ao amin’ny bokin’i Jehovah, ka vakio. Isaia 34:16

Sambatra ... ny mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina izany. Lioka 11:28

 

Baiboly nariana

Taona maromaro lasa izay, nanao filazana tany amina tanàna vitsivitsy tany Soisa, akaikin’ny farihy Léman, ny evanjelista Erino Dapozzo. Nangataka Baiboly izy, na dia efa tonta aza, ho an’ny asa misionera nataony. Indray andro izy dia naharay valiny avy tamina tompon-trano fandraisam-bahiny iray, nilaza fa manana Baiboly maro homena azy. Raha vao tonga ilay misionera, dia nanazava ny tompon’ilay trano fandraisam-bahiny hoe : « Hitanao ! Trano fandraisam-bahiniko ity, ary io eo anoloana io ny fiangonana. Ny olona nohamasinina fanambadiana ao dia mahazo Baiboly, misy ny anarany natao sorakaliana eo amin’ny pejy voalohany. Avy eo izy ireo dia misakafo eto, miaraka amin’ny mpanatrika rehetra. Ary rehefa handeha ireo mpivady vao, dia ongotany ilay pejy voalohany, ary avelany eo ilay boky manelingelina ». Nosokafana ny lalimoara iray : Baiboly vaovao 62 no tao, Baiboly nariana…

Izany toejavatra izany dia maneho ny tsy firaharahana ny Tenin’Andriamanitra ankehitriny, indrindra indrindra any amin’ireo firenena any Eoropa andrefana. Raha tolorana Baiboly isika, ho fanomezana amin’ny fampakarambady, na koa amina fotoana hafa, dia ahoana hoy isika ? Mba liana te hahalala ve, sa faly, sa gaga ? Sa tsy miraharaha, miahiahy, na maniratsira mihitsy aza ? Isika ve, toy ireo mpivady vao ireo, tsy mieritreritra, fa avy hatrany dia manilika an’Andriamanitra tsy ho eo amin’ny fiainantsika ? Sa kosa isika tena mahatsapa fa ny Baiboly dia taratasy nosoratan’Andriamanitra ho an’ny olombelona rehetra, ary ho antsika tsirairay manokana ? Io no taratasin’Ilay Andriamanitry ny fahasoavana, Izay miresaka amintsika ny nanolorany ny Zanany, Jesosy Kristy. Nirahiny ho etỳ anivon’ny olombelona Jesosy, mba hamonjy azy ireo amin’ny fahafatesana sy hanome azy ny fiainana mandrakizay. Aza atao tsinontsinona izany hafatra lehibe milaza ny fitiavan’Andriamanitra izany. Mifohaza, vakio am-pitandremana izany, ary minoa ireo fampanantenana omeny.