Asabotsy 4 Mey 2019

Tamin’izany andro izany ... samy nanao izay nataony ho marina avy izy rehetra. Mpitsara 21:25

Fa izany no Andriamanitra, dia Andriamanitsika mandrakizay doria. Salamo 48:14

Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny làlako ny teninao. Salamo 119:105

 

Aiza no hahitana ny dikan’ny fiainana ?

« Aiza no hahitana ny dikan’ny fiainana sy ny hoavy, eto amin’ity tontolo mikorontana ity sady miha tsy manana soridalana harahina intsony ? Ao amina toe-panahin’ny tena manokana ve, sa ao amin’ny hatsaran’ny fahasambarana, na ao amin’ny fahafinaretana eo no ho eo, na ao amin’ny fifanenana amin’ilay anankiray… ? Tsy marina ihany koa ve fa tsy manana vina mampitambatra na soatoavina ifampizarana ny olombelona ? » Ireo fanontaniana ireo dia napetraka tamin’ny fampidirana famelabelaran-kevitra mikasika lohahevitra iray iainana ankehitriny, famelabelarana tsy nitondra na inona na inona tena azo tsapain-tanana akory.

Iza no afaka hanome antsika valim-panontaniana mitombina sy mahomby, afa-tsy Andriamanitra, Izay nahary antsika sy tia antsika ? Hoy Izy : “Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, ... dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin’ny farany” (Jeremia 29:11).

Izany fanantenana izany dia atolony antsika dieny ankehitriny, raha mino Azy isika. Izany dia ny fiainana mandrakizay, izany hoe ilay fahafahana miditra eo amin’ny fanatrehan’Andriamanitra ho mandrakizay, toy ny zanaka eo anatrehan’ny Rainy. Mba hanomezany antsika izany fiainana izany, dia tsy maintsy tonga tetỳ an-tany Jesosy, nijaly sy maty teo amin’ny hazofijaliana. Nanefa sarany goavana Izy, mba hanafahana ny olona tsirairay amin’ny toetra maha mpanota azy sy lavitra an’Andriamanitra.

Ny mpino etỳ an-tany, izay mahatsapa fa marefo sy diso, dia manaiky hotefen’i Jesosy sy hotantanany, Jesosy Izay namonjy azy sy nanokatra ny lalan’ny fiainana ho azy. Mahazo antoka feno izy momba ny hoaviny mandrakizay, ka miezaka manao izay hahafaly Ilay hizara aminy ny hasambarany sy ny voninahiny any an-danitra.