Alahady 5 Mey 2019
Fa avy amin’Andriamanitra ny fitiavana, ary izay rehetra tia no naterak’Andriamanitra sady mahalala an’Andriamanitra... fa Andriamanitra dia fitiavana. Izao no nanehoana ny fitiavan’Andriamanitra antsika : Andriamanitra naniraka ny Zanany Lahitokana tamin’izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin’ny alalany. 1 Jaona 4:7-9
Mba hahasoa antsika, Ilay Andriamanitra Mpahary antsika dia nanome, ao amin’ny Baiboly, torolalana momba ny fiainana, ny fomba amam-panao, ny fahadiovana, ny fahitsiana, sns. —izay fototra ara-toe-panahy iorenan’ny fiarahamonina manana kolontsaina kristiana hatry ny taonjato maro. Ireo zokiolona amintsika dia afaka mijoro ho vavolombelona fa nandray izany fampianarana izany, na dia tany amin’ny sekolim-panjakana aza.
Ankehitriny dia lavina ny ankamaroan’io fampianarana io, satria heverina ho manohintohina ny fahafahantsika. Lazaina hoe tsy tokony ho sakana tsy ahazoana misitraka ny fiainana ny famaritana ny tsara sy ny ratsy ; fa mifanohitra amin’izany aza, tokony hatao izay tsy haneriterena ny olona… Dia tsy manana soridalana harahina intsony ny fieritreretana. Mampirongatra ny herisetra sy ny fahavetavetana ny sitrapon’ny olona nihataka tamin’ny sitrapon’Andriamanitra. Ny mahatonga izany dia ny fahaleovantena, fitiavantena ary avonavon’ny fon’ny zanak’olombelona, izay mamitaka sady tsy azo sitranina (Jeremia 17:9).
Iza no haharesy, manoloana izany firongatry ny ratsy izany ? —ny fitiavan’Andriamanitra irery ihany, fitiavana mitoetra ao am-pon’ny olona manaiky ny maha marina izay lazain’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly, satria Izy mihitsy no fitiavana sy fahazavana. Ny fitiavana ny tena, tsy mijery sady tsy mikatsaka tombony afa-tsy ho an’ny tena, miaraka amin’ny faniriana hanan-javatra sy hisongadina manoloana ny mpiara-belona, dia mifanohitra amin’ny fitiavana namirapiratra tao amin’i Jesosy Kristy, teo amin’ny fiainany teo anivon’ny olona. Nitia antsika hatramin’ny faratampony Jesosy, rehefa nohomboan’ny tanantsika feno heloka teo amin’ny hazofijaliana, ka nijaly sy maty mba hamafa ny trosan’ny fahotantsika teo anatrehan’Andriamanitra.
“Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay” (Jaona 3:16). Ireo izay mino Azy no vavolombelon’izany fitiavana mandresy izany.